Toko faha 26

1 Noho izay Agripa nivola tamin'i Paoly hoe: " Afaky mivola ho gnan'ny vatanao iha." La naampatsy gny tagnany Paoly sady nanao gny fiarovan-tenany. 2 Maneho gny vatany manahaky gny faly aho, ry Agripa mpanjaka, mba handay gny raha mahazo gnahy eto agnatrenanao androany manohitsy reo fiampangan'ireo Jiosy iaby; 3 Indrindra, fotony iha fa matihanina amin'ny fomba amam-panao voho fanontanian'ny Jiosy iaby. Noho izay la mangataky gnanao aho hinjanjy gnahy am-pahareta. 4 To fa, reo Jiosy iaby la mahay gny fomba fiainako hatramin'ny fahatanorako tagny amin'ny fireneko manoka voho tao Jerosalema. 5 Rozy la nahay gnahy hatrany am-boalohany sady tokony hagnenky rozy fa Fariseo fiaigna aho, gny hentitsy mare amin'ny antokon'ny fivavahantsika. 6 Sady mijoro eto aho mba ho tsaray fotony mila gny fanantena zay nataon-Dranagnahary tamin'ireo razantsika aho. 7 Fa toy ro fampanantena nantenain'ny fokontsika roambinifolo ho rambesy laha nanompo an-Dranagnahary andro aman'aly vatany rozy. Ho an'izay fanantena izay, ry Agripa mpanjaka, ro hiampangan'ireo Jiosy gnahy. 8 Nagnino nareo ro mihevitsy fa tsy azo inoa fa mananga gny maty Ndranagnahary? 9 Nisy fotoa aho nihevitsy tamin'ny vatako fa tokony hanao raha maro manohitsy gny agnaran'i Jesosy bakagny Nazareta aho. 10 Nanao izay tamin'ireo mpino tagny an-gadra tamin'ny fahefa nirambesiko bakamin'ireo lohan'ny mpisoro aho, sady lafa voavono rozy, la nandatsaky gny vatoko hanohitsy gnan-drozy aho. 11 Nisaziko imaro rozy tagny amin'ireo synagoga iaby sady niezaky gny hanery gnan-drozy mba hivola raty aho. Meloky mare tamin-drozy aho sady nagnenjiky gnan-drozy na la tagny amin'ireo tana agny ivelany aza. 12 Lafa mbo nanao izay aho, la nandeha tagny Damaskosy niaraky tamin'ny fahefa voho reo didy bakamin'ireo lohan'ny mpisoro; 13 sady tegny an-dala nagnagny, tamin'ny mitataovovovna, ry Mpanjaka, la nahajery hazava bakegny an-dagnitsy aho zay mamiratsy noho gny masoandro sady izay la namiratsy nagnodidy gnahy voho reo johary zay nisondry tagnamiko. 14 Lafa nitonta tamin'ny tany rahay iaby, la nahanjanjy feo niresaky tagnamiko aho zay nivola tamin'ny safa Hebreo hoe: ' Saoly, nagnino iha ro magnenjiky Gnahy? Sarotsy ho gnanao gny hitipaky fagnindroa.' 15 Bakeo nivola aho hoe: ' Ia iha, Tompo va?' Gny Tompo namaly hoe: ' Zaho ro Jesosy zay enjehinao. 16 Henanizao miarena sady mitsangana amin'ny tombonao; fotony noho zao antony zao ro nisehoaky taminao, mba hanendry gnanao ho mpanompo voho ho vavolombelo mahakasiky reo raha zay hainao mikasiky gnahy henanizao sady reo raha zay hasehoko gnanao ao afara kely; 17 sady hagnavotsy gnanao ao amin'ny vahoaky voho reo Jentilisa zay hagnirahako gnanao aho, 18 mba hanokatsy gny mason-drozy sady hampitoliky gnan-drozy hiala amin'ny maiky hagnagny amin'ny fahazava sady amin'ny herin'ny Satana hagnagny amin-Dranagnahary, mba hafahan-drozy mandramby baka amin-Dranagnahary gny famelan-keloky gny fahota voho gny lova zay omeko gnan-drozy zay nihamasiny tamin'ny finoa Gnahy.' 19 Noho izay, ry Agripa mpanjaka, nankatoa gny fahita bakagny an-dagnitsy aho; 20 fa, gny an'ireo zay tany Damaskosy aloha, sady bakeo tagny Jerosalema, voho nanera gny tanin'ny Jodia iaby, sady koa tamin'ireo Jentilisa, nagnome gnan-drozy gny hafatsy aho fa tokony hibebaky voho hitoliky amin-Dranagnahary rozy, hanao gny asa mendriky gny fibebaha. 21 Noho izay antony izay ro nisamboran'ireo Jiosy gnahy tao an-tempoly voho niezaky hamony gnahy. 22 Nagnampy gnahy hatramin'izao Ndranagnahary, noho izay la mitsanga aho sady mijoro vavolombelo amin'ny olon-tsotra voho amin'ireo manan-kaja tsy hagnambara na ino na ino mihoatsy zay ambaran'ireo mpaminany voho Mosesy fa hitranga; 23 fa tsy maintsy hijaly Kristy, sady Ie ro ho voalohany hitsanga amin'ireo maty mba hitsanga voho hitory fahazava ho gnan'ireo vahoaky Jiosy voho reo Jentilisa." 24 Laha vitan'i Paoly gny fiarovan-tenany, la nivola tamin'ny feo mare Festosy hoe: " Paoly, very say iha; gny fianaranao be loatsy ro nahavy gnanao ho very say." 25 Fa hoy Paoly hoe: " Tsy very say aho, ry Festosy soa mare; fa amin'ny fahasakia aho mivola safan'ny fahamarigna voho fahamatora. 26 Fa gny mpanjaka mahay mikasiky izay raha izay; sady noho izay, mivolagna an-kalalaha amin'ny aho, fa resy lahatsy fa tsy nisy tamin'izay naetako taminy; fotony tsy natao tagny amin'ny ankaloky izay. 27 Mino gny mpaminany va iha, ry Agripa mpanjaka? Haiko fa mino iha." 28 Agripa nivola tamin'i Paoly hoe: " Ao agnatin'ny fotoa kelikely va ro handresenao lahatsy gnahy voho hanaovanao gnahy ho kriatiana?" 29 Hoy Paoly hoe: " Mivavaky amin-Dranagnahary aho, mba na ho ao agnatin'ny fotoa kelikely na fotoa lava, tsy iha avao, fa reo iaby zay nahanjanjy gnahy androany avao koa, la hitovy agnamiko, fa tsy miaraky an'iregny rojo rogny." 30 Bakeo nitsanga gny mpanjaka, voho gny governora, voho Berenika avao, sady reo zay nipetraky niaraky tamin-drozy; 31 Lafa nagnenga gny tragno fivoria rozy, la nifampiresaky sady nivola hoe: " Toy johary toy tsy manao raha mendriky gny fahafatesa na famatora." 32 Hoy Agripa tamin'i Festosy hoe: " Toy johary toy la afaky nalefa laha tsy kinaiky tagny amin'i Kaisara ie."