Toko faha 25

1 Henanizao, Festony nilitsy tao amin'ny faritany, sady telo andro tatoy afara, la niakatsy bakao Kaisaria ie ho agny Jerosalema. 2 Gny lohan'ny mpisoro voho reo Jiosy manan-danja la nanday fagnameloha hiampanga gnan'i Paoly, ka nampiriky gnazy 3 nangataky tagnaminy rozy mba hampidi-doza gnan'i Paoly ka mety hampikaiky gnan'i Paoly ho agny Jerosalema Festony mba afahan-drozy mamono gnazy egny an-dala. 4 Nefa Festony namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, sady ie vatany la nimpoly agny tsy ho ela. 5 " Noho izay, reo zay afaky," hoy ie: " la tokony handeha hiaraky agnaminay ho agny. Laha nanao raha tsy nety gny johary, la tokony hiampanga gnazy nareo." Festosy la tsy nihoatsy gny valo na folo andro sady bakeo nizotso nagnagny Kaisaria, sady gny andro magnaraky la nipetraky teo amin'ny toeran'ny fitsara ie sady nandidy gnan'i Paoly mba ho andesy agny aminy. 7 Lafa avy ie, la nipetraky teo agnilany teo reo Jiosy bakagny Jerosalema, sady nanday fiampanga bevata maro rozy zay tsy afaky niporofoin-drozy. 8 Niaro-tena Paoly sady nivola hoe: " Tsy nanao raha raty manohitsy gny lalan'ny Jiosy aho na manohitsy gny tempoly na manohitsy gnan'i Kaisara." 9 Nefa nila zay ahazoa gny fankasitrahan'ireo Jiosy i Festosy, sady noho izay la namaly gnan'i Paoly ie ka nivola hoe: " Te-hiakatsy ho agny Jerosalema va iha sady ho tsaraiko mikasiky regny raha tagny regny? 10 Hoy Paoly hoe: " Mitsangana eto agnatrehan'ny seza fitsaran'i Kaisara aho zay tsy maintsy hitsara gnahy. Tsy nanao raty gny Jiosy aho, araky gny fa hainao soa. 11 Nefa laha nanao raty aho sady laha nanao izay mendriky gny fahafatesa, la tsy manda gny ho maty. Fa laha tsy misy reo fiampangan-drozy, la tsy misy olo afaky manday gnahy ho agny amin-drozy. Mangataky gnan'i Kaisara aho." 12 Lafa baka niresaky tamin'ny filan-kevitsy Festosy, la namaly ie hoe: " Nangataky gnan'i Kaisara iha. Agny amin'i Kaisara ro handehananao. 13 Sady tafaran'ny andro vitsivitsy, la avy tagny amin'i Kaisaria i Agripa mpanjaka voho Berenika mba hamangy gnan'i Festosy. 14 Tafan'ny naha tao gnazy nandritrany gny andro maro, la natolotr'i Festosy teo amin'ny mpanjaka gny raharahan'i Paoly; nivola ie hoe: " Nisy johary raiky nengan'i Felix atoy manahaky gny gadra. 15 Lafa tagny Jerosalema aho, la nanday fiampanga toy johary toy tatoy agnamiko reo lohan'ny mpisoro voho reo loholon'ny Jiosy, sady nangataky safa fanameloha ho gnan-drozy. 16 Namaly gnan-drozy aho fa tsy fomban'ireo Romana gny manolotsy olo mialohan'ny hiatrehany reo mpiampianga gnazy voho hanagnany fahafaha hiaro-tena amin'ireo fiampanga. 17 Noho izay, lafa niara-niavy teto rozy, la tsy niamby aho, fa gny andro magnaraky la nipetraky teo amin'ny sezan'ny fitsara aho sady nibaiko gny ampilira gny johary. 18 Lafa nitsanga reo mpiampanga ka nagnameloky gnazy, la nidinihiko fa tsy nisy bevata gny fampianga nandesin-drozy ho gnazy. 19 Fa koa, nifamaly rozy mahakasiky gny fivavahan-drozy manoka voho mikasiky izay Jesosy zay maty izay, ze nambaran'i Paoly fa velo. 20 Tsy azoko antoky gny fomba hanadihadia toy tranga toy, sady noho izay la nanontaniako ie laha vonona gny ho agny Jerosalema mba ho tsara agny mikasiky reo fiampanga reo. 21 Fa lafa nangataky gny hijano ao an-gadra mba hiamby gny fanapahan-kevitsy gny Amperora i Paoly, la nandily gnazy aho mba ho tandraha ao an-gadra ie mandra-pandefasako gnazy agny amin'i Kaisara." 22 Agripa nivola tamin'i Festosy hoe: " Te-hahanjanjy toy johary toy avao koa aho." " Hamaray, hoy Festosy: " Hahaja gnazy iha." 23 Ka gny andro magnaraky, la avy niaraky tamin'ny fihisa marobe Agripa voho Berenika; nagnao amin'ny efitragno bevata niaraky tamin'ireo miaramila mpifehy voho reo johary manan-kanja teo amin'ny tana rozy. Lafa nivola gny lily Festosy, la nandesin-drozy Paoly. 24 Hoy Festosy hoe: " Agripa mpanjaka, voho nareo johary iaby zay miaraky agnaminay eto, jerinareo toy johary toy; reo vahoakan'ny Jiosy iaby nifagnaraky tagnamiko tagny Jerosalema voho eto avao koa, la nitaray tagnamiko rozy fa tsy tokony ho velo sasy ie. 25 Haiko fa tsy nanao na ino na ino mendriky gny fahafatesa ie fa fotony nangataky gny Amperora ie, la nanapa-kevitsy aho gny handefa gnazy. 26 Nefa tsy misy raha manan-danja ho soratako agny amin'ny Amperora. Noho izay antony izay, la nandesiko teo agnaminareo ie, indrindra agnaminao, Agripa Mpanjaka, mba afahako mana raha ho sorata bebe kokoa mikasiky gny raharaha. 27 Fotony tsy mety agnamiko gny mandefa gadra voho tsy mivola zay hiampanga gnazy koa.