Toko faha 9

1 Nikaiky gny raiky tamin'ireo anaky gny mpaminany i elisa mpaminany ka nanao tamin'ny hoe:' Miakanjoa ho gan'ny lia, sady raiso eo an-tagnanao toy tavoangy kely misy diloilo toy sady mandeha agny Ramota-gileada. 2 Lafa avy iha, la ilao i jeho anaky lahin'i Josafata anak'i Nemsy, ka milira sady ampitsanagano eo aminireo namany sady andeso ao agnty efitsy agnaty raiky ie. 3 Sady alao gny tavoangy misy diloilo ka araho eo ambanin'ny lohany sad lazao hoe:' Zao ro lazain'i Yaveh:' fa nosoroka ho mpanjaka eo amin'Israely iha." bakeo la sokafy gny varavagna, ka mandositsy ; la ka mitaredareda." 4 Sady nandeha tagny Ramota-gileada, lay tovolahy, mpaminany. 5 Nony avy ie, ndreo nipetraky gny kapitenin'ny tafiky. sady hoy lay mpaminany zatovo: " Nanday hafatsy ho gnano aho ry kapiteny." Jeho namaly hoe:" Ho gnan'ia aminay io?" Lay mpaminany zatovo namaly hoe:' Ho gnanao, ry kapiteny." 6 Ka nitsanga i Jeho sady nilitsy tagny an-tragno , sady nararak'ilay mpaminany zatovo teo agnabonin'ny lohany gny diloilo ka hoy ie tamin'i Jeho:' zao ro lazain'i Yaveh, lay Ndrtanagnaharin'Israely;' fa nagnosotry gnanao , ho mpanjaka teo amin'ny olon'i Yaveh teo amin'Israely Aho. 7 Tsy maintsy vonoanao gny avorohotan'i ahaba tomponao, mba hamaliako faty gny ran'ireo mpaminany mpanompoko, voho reo ran'ireo mpanompon'ny tagnan'i Jezebela. 8 fa ho ringa gny avorohatan'i ahabamanontolo, sady ho foagnako eo amin'i Ahaba gny anaky lahy iaby, na andevo io na olo hafa. 9 Hataoko manahaky gny avorohotan'i Jeroboama anakay lahin'i Nebata voho manahaky gny avorohotan'i basa anaky lahin'i Ahia gny avorohotan'i ahaba. 10 Reo alika ro hihina gan'i Jezebela ao Jezirela, sady tsy hisy olo handevy gnazy." Sady nosokafan'ilay mpaminany gny vavavagna ka nandositsy ie. 11 Sady Jeho noboaky teo amin'ireo mpanompon'ny tompony, sady nisy raiky nanao taminy hoe:' Mandeha soa va raha iaby ? Nagnino ro nadeha tao aminao igny olo marary say igny? Jeho namaly gnan-drozy hoe:' Hainareo igny olo igny sady haiko zay raha lazainy." 12 Hoy rozy :' vandy io. Lazao gnanay." Jeho namaly hoe;' manahaky gnan'io voho io ro nolazainy tamiko, sady hoy koa ie hoe:' Zao ro lazain'i Yaveh;' fa nagnosotsy gnanao ho mpanjaka teo amiin'Israely Aho." 13 sady la samby nangalaky malaky gny akanjony ivelany rozy ka nametraky io teo ambanin'i Jeho tegny amin'ny farany agnabon'ny tahotsy. Notsofin-drozy gny trompetra sady hoy rozy hoe:' Mpanjaka i Jeho." 14 io ro foma nikomian'i Jeho anaky lahin'i Josafata anak'i Nimsy hanohitsy gnan'i Jorama. sady Jorama mpanjaka fa niaro gnan'i Ramota-gileada, ie voho Israely iaby, noho i hazaela mpanjakan'i Syria mpanjaka mba ho janga amin'ireo ratsa zay nataon'ireo Syria gnazy, lafa nialy tamin'i Hazaela mpanjakan'i asyria ie. Hoy i Jeho tamin'ireo mpanompon'i Jorama;' Laha io gny hevitrao, la ka enga hisy olo hitsoaky sady hiboaky gny tana mba hilaza zao vaovao zao agny Jezirela." 16 ka nanday kalesy nagnagny Jezirela i Jeho; fotony nangalaky ainy tagny i Jorama. sady nandeha nizotso mba hihaona amin'i Jorama i ahazia mpanjakan'i Joda. 17 Nitsanga teo amin'ny tilikambon'i Jezirela gny mpitily, sady hitany namonjy baka lavitsy reo naman'i Jeho hoy ie;' Mahataza andian'olo mamonjy aho." Jorama nanao hoe:' mangala mpitain-tsoavaly raiky, sady alefaso mba hitsena an-drozy ie; lazao ie mba hivola hoe:' avy mba hihava va nareo?" 18 Ka nalefa mba hitsena gnazy lay mpanday soavaly; sady hoy ie:' zao ro lazain'ny mpanjaka;" Avy mba hilongo va nareo? Sady hoy i Jeho;' Mpiino moa iha voho gny fihavagna? Mihodia sady magnaraha ahy." Sady nilaza tamin'ny mpanjaka lay mpitily hoe:' Nihaona tamin-drozy lay mpanday hafatsy, kanefa tsy nimpoly ie.' 19 sady nandefa mpitain-tsoavaly raiky faharoe ie, zay nagnegny amin-drozy ka nanao hoe;' zao ro lazain'ny mpanjaka: avy mba hilongo va nareo?' Jeho namaly hoe:' Mpiino moa iha voho gny filongoa? Milia sady magnaraha ahy." 20 Nitatitsy ndraiky lay mpitily hoe;' Nihaona tamin-drozy ie, kanefa tsy nimpoly. fa gny lala zay nagnandesa kalesy ro lala nandehanan'i Jeho anaky lahin'i Nismy; la nirifatra mare ie." 21 Ka hoy ie Jorama:' Homany gny Kalesiko." sady nomanin-drozy gny kalesiny, sady samy nanday gny kalesiny iaby, i Jeroma mpanjakan'Israely voho i Ahazia mpanjakan'i Joda mba hihaona amin'i Jeho. Hitan-drozy tao amin'ny tanan'i Nabota lay Jezirelita ie. 22 Lafa hitan'i jorama i Jeho la hoy ie:' avy mba hihalongo va iha, ry Jeho?" Ie namaly hoe:' Ino ro filongoa eo, laha mbo maro be koa gny fanompoan-tsampy amin'ny asa firavotan-tena voho gny oly ratin'i Jezebela reninao?' 23 sady navilin'i Jorama gny kalesiny ka nandositsy ie sady niteny tamin'i Ahazia hoe:' Misy fitaky, ry Ahazia." 24 Sady la nenjagnin'i Jeho tamin'ny heriny iaby gny tsipikany ka notifiriny gny teo agnelagnelan'ny sorok'i Jorama; nitsatoky teo amin'ny fony gny ana-tsipika, ka nilavo bakegny amin'ny kalesy ie. 25 sady hoy i Jeho tamin'i Bidkara kapiteniny:' alao ie sady atsioazo ao amin'ny sahan'i Nabota lay Jezirelita. Tarovo tamin'ny zaho voho iha niaraky nanday kalesy nagnaraky gnan'i Ahaba rainy, la nametraky io faminania io hameleza gnazy i Yaveh: 26 Yaveh nagnambara hoe__ Nahita gny ran'i Nabota voho gny ran'ireo anany lahy Aho omaly__ sady hampanohitsy gnanao io eto amy toy saha toy tokoa Aho__hoy i Yaveh. ka amizao, alao ie sady atsipazo eo amin'io saha io, araky gny tenin'i Yaveh." 27 Lafa nahita gnan'io i ahazia mpanjakan'i Joda la nandositsy niakatsy tagny amin'ny lala magnagny Beta Hagana ie. fa i Jeho nagnaraky azy, sady nanao hoe:' vono eo amin'ny kalesy avao koa ie " sady natifirin-drozy teo amin'ny fiakara ho agny Gora, zay eo agnilan'i Jibleama ie. Nandositsy tagny Megido i ahazia ka la maty tany. 28 Nandesin'ireo mpanompony tamin'ny kalesy nagnagny Jerosalema gny fatiny sady nalevy tao amin'ny fasany niaraky tamin'ireo razambeny tao an-tananan'i Davida ie. 29 sady tamin'ny faha folo raikamby tao nanjakan'i Jorama anaky lahin'i Ahaba ro nanomboky nanjaka teo amin'i Joda i ahazia. 30 Lafa avy tao Jezirela, la ren'i Jezebela io, sady nandoka gny masony, voho nibango gny volony , sady nitaza teo am-baravakely ie. 31 Laha nilitsy gny vavahady i Jeho, la hoy ie taminy hoe:" avy mba hilongo va iha , ry Zimry, mpamono gny tomponao ?" 32 Niandrandra tegny am-barankely i Jeho sady hoy ie:' Ia ro mandany amiko? Ia ?' bakeo la nisy tandapa roe telo nitaza. 33 ka la hoy i Jeho:' alatsaho ie." Ka nalatsan-drozy i Jezebela, sady gny sasany tamin'ny rany nipitipitiky tegny amin'ny rindry voho reo soavaly, ka nosihosion'i Jeho tamin'ny tambony ie. 34 Lafa nilitsy tao amin'ny lapa i Jeho, la nihina voho nino ie.Sady hoy ie:' jereo amin'izay lay ampela voahozo sady alevegno ie, fa anaky ampelan'ny mpanjaka ie." 35 nandeha nandevy gnan-drozy, kanefa tsy nahita afa-tsy karandoha, voho tombony, sady gny felatagnany rozy. 36 ka nimpoly rozy sady nivola tamin'i Jeho. Hoy ie:' zao gny safan'i Yaveh zay nivolagniny tamin'ny alalan'i Elia lay Tisibita mpanompony manao hoe:' ao amin'ny tany ao Jezirela ro hihinanan'ireo alika gny nofon'i Jezebela 37 sady gny fatin'i Jezebela la hanahaky gny Zezika eo amin'ny velaran'ny saha e amin'ny tany ao Jezirela, mba tsy hisy olo afaky hivola hoe:" Jezebela io."