Too faha 8

2 Ka la nitsanga ravehivavy sady nankato gny safan'ilay joharin-Dranagnahary . Nandeha niaraky tamin'ireo avorohotany ie sady nipetraky tagny amin'ny tanin'ny Filistiana fito tao. 3 sady faran'ny fito tao la nimpoly bakao amin'ny tanin'ny Filisiana ravehivavy, la nagnagny amin'ny mpanjaka ie mba hiangavy gny amin'ny tragnony voho gny amin'ny taniny. 4 Sady mpanompon'ilay joharin-Dranagnahary , nanao hoe;' Mba lazao gnahy lahy reo raha bevata iaby zay nataon'i Elisa." 5 Ka laha nivola tamin'ny mpanjaka gny fomba nameloman'i Elisa lay zaza zay fa maty ie, la avy lay ampela renin'ilay zaza novelominy mba hiangavy gny mpanjaka gny amin'ny tragnony voho gny taniny. Hoy i gezahy:' Ry mpanjaka, tompoko, toy lay ampela , sady toy gny anany lahy, zay novelom'i elisa." 6 Lafa nagnontany gny mpanjaka an-dravehivavy momba gny anany gny mpanjaka la nazavagniny taminy io. ka nandidy manam-pahefa raiky ho gnazy gny mpanjaka, nano hoe;' ampolio aminy zay iaby gnazy sady gny vokatsy gny sahany iaby hatramin'ny andro zay nagnengany gny tany ka hatramin'izao ." 7 Nagnagny damaskosy tagny amin'izay nahararian'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria i Elisa. Nivolagny gny mpanjaka hoe:' avy eto lay joharin-Dranagnahary ." 8 Hoy gny mpanjaka tamin'i Hazaela:' Magnandesa fagnomeza egny an-tagnanao sady mandehana mitsena lay joharin-Dranagnahary , sady magnontania gnan'i yaveh amin'ny alalany, manao hoe:' Ho janga amin'izao arety zao va aho?" 9 La nandeha nitsena gnazy i Hazaela sady nanday fagnomeza tamin'izay raha soa isan-karazany bakao Damaskosy, nandesi rameva efapolo. la avy i Hazaela sady nijoro teo agnatrehan'i Elisa ka nanao hoe:' Gny anakao lahy Beni-hadada mpanjakan'i Syria ro nagniraky ahy ho atoy aminao, manao hoe:' Ho janga amin'izao areti zao va aho?' 10 Hoy i Elisa taminy:' Mandehana, lazao i Beni-hadada hoe:' Ho janga tokoa iha nefa i yaveh fa nampiseho gnahy fa ho maty tokoa ie." 11 La nanenty gnan'i Hazaela mandra-pahamegnatsy gnazy i Elisa, la nitagny lay joharin-Dranagnahary. 12 nagnontany i hazaela hoe:' nagnino iha ro tomagny, ry tompoko?"Namaly ie hoe;' Fotony haiko gny raty zay hataonao amin'ny fokonolon'Istraely. Hagnoro gny fiarova mafin-drozy iha, sady hamono gny tovolahin-drozy amin'ny sabatsy, handasarasa gny anaky malinikin-drozy iha, sady hanataky gny ampela bevohoka ao amin-drozy." 13 Hazaela namaly hoe:' Ia moa toy mpanomponao ro hanao gnan'io raha bevata io ie? Alika avao ie." Namaly i Elisa hoe:' Fa nasehon'i Yaveh ahy fa ho lasa mpanjakan'i Syria iha." 14 La nagnenga gnan'i Elisa i hazaela sady nagnagny amin'ny tompony zay nivola taminy hoe:' Ino ro nolazain'i Elisa taminao?" namaly ie hoe:' Nivola tamiko ie fa ho janga tokoa iha." 15 Sady gny ramaray la nangalaky bodofoty i hazaela sady nagnatsoboky gnan'io tao agnaty rano, sady namelatsy gnan'io teo amin'ny vatan'i Beni-hadada mba ho maty ie. la lasa mpanjaka nandimby gny toerany i hazaela. 16 Tamin'ny tao fahadimy nanjakan'i Jorama anaky lahin'i ahaba, mpanjakan'Israely, la nanomboky nanjaka i Jehorama. Ie la anaky lahin'i Josafata mpanjakan'i joda. 17 Jehorama la telopolo roamby tao ro nanomboky nanjaka, sady nanjaka nandritsa gny valo tao tao Jerosalema ie. Nandeha tamin'ireo lalan'ny mpanjakan'Israely i Jehorama, manahaky zay nataon'ny avorohotan'i ahaba, fotony nangalaky gny anaky ampelan'i ahaba ho valiny ie, ka nanao zay raty teo imason'i Yaveh ie. 19 Ndra la io aza , nohon'ny amin'i Davida mpanompony , la tsy te-handrava gnan'i Joda i yaveh, fotony nivola taminy Ie fa hagnome gnazy avorohota mandrakariva. 20 Tamin'ny andron'i Jehirama , la nikomy nanohitsy gny tanan'i Joda i Edoma, sady nametraky mpanjaka ho gnan'ny vatany rozy. 21 bakeo la niampita niaraky tamin'ireo mpifehiny voho reo kalesiny iaby i Jehorama. la nitsanga ie gny haly nanafiky sady namely reo Edomita, zay nagnodidy gnazy voho reo mpifehay reo kalesy. la nandositsy tagny an-tragnon-drozy gny tafik'i Jehorama. 22 Ka nikomy nanohitsy gny fitsipik'i Joda mandraky androany i Edoma. Nikomy avao koa i Libna tamin'io fotoa io. 23 Sady gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Jehorama, zay iaby nataony, moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ireo tantaran'ny mpanjakan'i joda va io? 24 Maty sady nijano niaraky tamin'ireo razany i jehorama, sady nalevy niaraky tamin'ireo razany tao an-tanan'i Davida. la i ahazia anany lahy ro lasa mpanjaka nandimby gny toerany. 25 Tamin'ny tao ffaha folo roamby nanjakan'i Jorama anaky lahin'i Ahaba mpanjakan'israely, ro nanomboky nanjaka i ahazia, anaky lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda. 26 roapolo roamby tao i ahazia ro nanomboky nanjaka; nanjaka nandritsa gny herin-tao tao Jerosalema ie. Gny agnaran-dreniny la Atalia; ie la anaky ampelan'i Omry, mpanjakan'Israely. 27 Sady nandeha tamin'ireo lalan'ny avorohotan'i ahaba i ahazia; nanao zy raty teo amason'i Yaveh ie, manahaky zay nataon'ny avorohotan'i ahaba, fotony i ahazia la vinanto lahy tamin'ny avorohotan'i Ahaba. 28 nandeha niaraky tamin'i Jorama anaky lahin'i ahaba i ahazia, mba hialy amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, ao Ramota-gileada. Nandratsa gnan'i Jorama reo Syriana. 29 Nimpoly i Jorama mpanjaka mba hotsaboa agny Jezirela amin'ireo ratsy zay nataon'ireo Syriana taminy tao Rama, lafa nialy tamin'i Hazaela mpanjaka ie. sady i ahazia anaky alhin'i Jerhama, mpanjakan'i Joda, nizotso ho agny Jezirela mba hanenty gnan'i Jorama anaky lahin'i ahaba, fotony naratsy i jorama.