Toko faha 7

1 Hoy i Elisa hoe:' janjigno gny safan'i Yaveh" zao ro voalazan'i Yaveh:' hamaray amin'ny ora manahaky gnan'izao la ho sekely raiky gny vilin'ny koba soa lisa eran'ny famaragna sady ho sekely raiky gny vary hordea roa famarana eo am-bavahadin'i samaria. 2 " Sady namaly lay joharin-Dranagnahary gny lehiben'ny mpiamby raiky zay nagnankignan'ny mpanjaka gny tagnany, sady nivola hoe;' Ingo, ndra la hanao varavarankely egny amin'ny lagnitsy aza i Yaveh , hitranga va io raha io?" sady namaly i Elisa hoe:' Ingo, hahita gny fitrangan'io reo masonareo, kanefa tsy hihina amin'uo nareo." 3 Sady nisy efa-dahy teo avelan'ny vavahadin'ny tana. Nifampiresaky rozy hoe:' Nagnino tsika ro tokony mijano eto mandra-pahafatintsika/ Laha hivola tsika hoe; tokony hilitsy ao amin'ny tana tsika, kanefa misy mosary ao an-tana la ho maty agny tsika. 4 Nefa laha mijano eto tsika la mbo ho maty avao koa. ka andao, andao tsika ho agny amin'ny tafikin'ireo Syriana. laha tsy mamono gnantsika rozy la ho velo tsika, la laha mamono gnantsika rozy, la ho maty tsika. 5 ka niainga rozy gny takariva mba hagnagny amin'ny tobin'ny Syriana lafa avy tegny amin'ny faritsy ivelan'ny toby rozy, la tsy nisy olo tao. 6 Fa fa nampandresen'ny Tompo gny feon'ireo kalesy , voho gny feon'ireo soavaly__ gny feon'ireo tafiky bevata hafa, gny tafikin'ny Syriana, voho nifampiresaky rozy hoe:' Gny mpanjakan'Israely la nagnakarama reo mpanjakan'ireo Hetita voho reo Egyptiana mba ho avy hanohitsy gnantsika. 7 La nanainga voho nandositsy reo miaramila gny takariva , nengan-drozy gny lainy, reo soavaliny, reo ampondrany, sady manahaky gnan'io koa gny toby, sady nandositsy ho gan'ny ainy rozy. 8 Lafa avy teo amin'ny faritsy ivelan'ny toby reo johary boka reo, la nilitsy tao agnatin'ny lay raiky rozy ka nihina voho nino sady nnagalky volafoty voho volamena sady akanjo , la nandeha ka nagnetaky gnan'ireo. Nimpoly rozy sady nilitsy tao amin'ny lay hafa la nandroba gny tao avao ko rozy sady nandeha ka nagnetaky gnan'io. 9 bakeo la nifampiresaky rozy hoe:' Tsy manao gny to tsika. Andron'ny filazantsara zao andro zao , nefa mitanjaky fhangina momba gnan'io tsika. Laha mandigny mandra-pahazavan'ny andro tsika la hisy famaiza hiatra amintsika. amizao ary, andao tsika handeha sady hilaza gny avorohotan'ny mpanjaka." 10 Nandeha rozy ka nikaiky reo mpiamby vavahady tao an-tana. Hoy reo tamin-drozy :' nagnagny amin'ny tobin'ireo Syriana rahay, nefa tsy nisy olo tao, tsy nisy feon'olo, fa reo soavaly voho ampondra mifehy ro ao, sady reo lay zay nipetrahany." 11 La nikoraky mare reo vaovao gny mpiamby gny vavahady bakeo la nolazainy tao amin'ny avorohotan'ny mpanjaka io. 12 Sady nifoha gny mpanjaka gny haly nilaza tamin'ireo mpannmpony hoe:' amizao la ambarako gnanareo gny nataon'ireo Syriana tamintsika. hain-drozy fa mosare tsika ka niala gny toby rozy rozy mba hieaky an-tsaha. Hoy rozy:' Lafa miboaky gny tana rozy, la hataontsiuka sambo-belo, ka hilirantsika gny tana." 13 Namaly gny raiky tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka sady nivola hoe:' Mitalaho aminao aho, engao hangalaky dimy amin'ireo soavaly tavela reo johary, la zay tavela tao an-tana io. rozy la manahaky gny ambin'ireo fokonolon'Israely iaby zay tavela __ fa fa maty gny ankamaroany amizao ; ao tsika handefa gnan-drozy ka hahita." 14 Ka nangalaky kalesy roe niaraky tamin'ny soavaly rozy, ka nirahin'ny mpanjaka hagnaraky reo tafik'ireo Syriana rozy, nilaza hoe:' Mandehana sady henteo." 15 Nandeha nagnaraky gnan-drozy hatragny Jordana rozy, ka feno fisikigna voho fitaova zay narian'i Syriana tamim-pikorompaha gny lala iaby. la nimpoly gny mpanday hafatsy sady nivola tamin'ny mpanjaka. 16 Nandositsy reo fokonolo sady nandroba gny tobin'ireo Syriana. ka namily ho sekely raiky gny koba soa lisa eran'ny fanarana, voho hordea roe famarana la sekely raiky araky gny fa voalazan'ny safan'i Yaveh. 17 nabaikon'ny mpanjaka lay llehiben'ny mpiamby zay mariny azy mba hiamby gny vavahady sady voahitsakitsak'ireo fokonolo teo am-bavahady ie. Sady ie manahaky gny fa voalazan'ny joharin-Dranagnahary, zay nivola lafa nizotso teo aminy gny mpanjaka. 18 Ka niseho io araky gny fa nolazain'ny joaharin-Dranagnahary tamin'ny mpanjaka hoe:' amin'izao fotoa zao eo am-bavahadin'ny Samaria, la azo vily ho sekely raiky gny vary hordea roe famarana, sady gny koba soa lisa raiky famarana la ho sekely raiky. 19 Namaly gnan'ilay joharin-Dranagnahary io lehiben'ny mpiamby gnan'io sady nilaza hoe:' Ingo, ndra la hanao varavarakely egny an-dagnitsy aza i Yaveh , hitranga va io raha io? Fa nilaza i Elisa hoe:' Ingo, hahita gny fitranagan'io amin'ny masonareo nareo kanefa tsy hihina amin'io nareo. 20 Manahaky gnan'io tokoa ro niseho taminy, fotony voahitsakitsaky gny fokonolo teo am-bavahady ie, sady maty.