Toko faha 6

1 Reo anaky gny mpaminany nilaza tamin'i Elisa hoe:' Lay toera zay hipetrahanay miaraky aminao tena kely mare ho gnanay iaby. 2 Engao lahy rahay handeha ho agny Jordana, sady engao gny olo iaby mba hanapaky hazo agny, sady engao rahay hagnory toera hahafahanay mipetraky agny." Namaly i Elisa hoe:' afaky mandeha nareo." 3 Gny raiky tamin-drozy nivola hoe:' Mandehana lahy miaraky amin'ireo mpanomponao." Sady namaly Elisa he;' Handeha aho." 4 Ka nandeha niaraky tamin-drozy ie, sady lafa avy tagny Jordana rozy, la nanomboky nanapaky hazo. 5 Fa laha teo am-pinapaha gnt raiky, la nilatsaky tao agnaty rano lela-pamaky; nikoraky mare ie sady nivola hoe;' Loza, ry tompoko, nindramy igny!" 6 Ka hoy lay joharin-Dranagnahary hoe:' Taia ro nilatsahany?' La natorin'ilay olo gnan'i Elisa lay toera. La nanapaky tapa-kazo ie, sady nanoraky gnan'io tao agnaty rano, ka niafonkafo gny vy. 7 Hoy i elisa hoe:' alao io." Ka naninjitsy gny tagnany lay olo sady nangalaky gnan'io. 8 Sady nananga aly tamin'Israely gny mpanjakan'i Syria. Niresaky tamin'ny mpanompony ie nanao hoe:' agny amin'ny toera manahaky gnan'izao voho manahaky gnan'izao ro hivoriako." 9 ka lay joharin-Dranagnahari zay nalefa tagny amin'ny mpanjakan'Israely, nivola hoe:' Mitandrema tsy handalo amin'io toera io, fa hizotso agny reo Syriana." 10 Nandefa hafatsy tagny amin'ilay toera zay voalaza voho nampitandreman'ily joharin-Dranaganahry gnazy gny mpanjakan'Israely' Tsy ndraiky mandeha na indroe avao, fa lafa nandeha tagny lay mpanjaka, la mailo ie. 11 masikay mare tamin'ireo fampitandrema lay mpanjakan'i Syriana, ka nikaiky reo mpanompony ie sady nivola tamin-drozy hoe:' Tsy hilaza amiko va nareo hoe ia eo aminareo ro miandany amin'ny mpanjakan'Israely.?" 12 Ka hoy gny raiky tamin'ireo mpanompony hoe:' Tsia, ry mpanjaka, tompoko, fa i Elisa mpaminany ao Israely ro milaza amin'ny mpanjakan'Israely reo safa zay lazainao eo amin'ny efitragno firoroanao!" 13 sady namaly lay mpanjaka hoe:' Mandehana sady ilao gny misy gnan'i Elisa mba hahafahako mandefa olo hanambotsy gnazy." Nolaza taminy hoe:' Ingo, agny dotana ie." 14 Ka nandefa soavaly maro , kalesy voho tafiky bevata tagny Dotana gny mpanjaka. tamin'ny haly ie ro avy sady nagnodidy gny tana. 15 Lafa nifoha maray ka niboaky tagny amonto gny mpanompon'ilay joharin-Dranagnahary , la ingo gny tafiky bevata mitaingi-tsoavaly voho kalesy nagnodidy gny tana. Hoy lay mpanompo taminy hoe:' nO, ry tompoko! Ino ro hataontsika? 16 Elisa namaly hoe;' Ka matahotsy, fa reo zay miaraky amintsika la mbo maro tokoa noho reo zay miaraky amin-drozy." 17 Nivavaky i Elisa sady nivola hoe:' Ry Yaveh, mitalao aminao gny mba hanokafanao gny masony mba hahita aho." Sady nosokafin'i Yaveh gny mason'ilay mpanompo, ka nahita ie. Ingo, gny tendrombohitsy la feno soavaly voho kalesy bolo magnodidy gnan'i Elisa ! 18 Lafa nizotso teo aminy reo Syrina , la nivavaky tamin'i Yaveh i Elisa sady nivola hoe;' Mangataka aminao aho, ataovo jamba reo olo reo." Ka nohajambany rozy, araly gny mnangatahin'i elisa. 19 sady hoy i Elisa tamin'ireo syrian hoe:' Tsy io ro lala, na lay tana. Araho aho, fa handesiko agny amin'ilay olo zay ilanareo nareo." bakeo la notarihiny ho agny samaria rozy. 20 sady lafa avy tagny samaria rozy, la hoy i Elisa hoe:' Ry Yaveh sokafo gny mason'ireo olo reo mba hahafahan-drozy mahita." La nosokafin'i Yaveh gny mason-drozy ka nahita rozy, sady ingo, teo agnivon'ny tana Samaria rozy. 21 Hoy lay mpanjakan'Israely tamin'i elisa, lafa nahita gnan-drozy ie;' Ry raiko, tokony havonoa va rozy?Tokony ho vonoa va rozy ?' 22 Elisa namaly hoe:' Ao tsy hamono an-drozy iha. Hovonoanao va reo zay nobaboanao tamin'ny sabatsy voho gny tsipika? Mametraha mofo voho rano eo agnatrehan-drozy, mba hihinana voho hino rozy, sady mandehana agny amin'ny tompon-droay ." 23 Ka nagnoma sakafo maro ho gnman-drozy lay mpanjaka, sady lafa nihina voho nino rozy, la nalefany , ka nimpoly tagny amin'ny tompony. tsy nimpoly tagny amin'ny tanin'Israely nandritra gny fotoa ela reo tariky gny miaramila Syriana. 24 Fotoa kely tafaran'io la namory gny tafiny i Beni-hadada sady hanafiky gnan'i Samaria voho nanao fahirano gnazy. 25 Ka nisy mosary bevata tagny samaria. Ingo nanao fahirano rozy mandra-pahaletaky ho sekely volafoty valopolo gny lohan'ampondra raiky sady taim-boromailala ampahefatsy gny kabo ho sekely teo amin'ny manda gny mpanjakan'Israely, la nisy mapela nikoraky taminy , nivola hoe;' Vonjeo, ry mpanjaka, tompoko." 27 Hoy ie;' Laha tsy magnampy gnanao i Yaveh, manao akory ro hahafahako magnampy gnanao? Misy raha va bakamin'ny famoloa voho gny faniazam-boaloboky?' 28 La hoy gny mpanjaka hoe:' Ino ro olanao? Ka namaly ie hoe:' Ho toy ampela toy tamiko; Omeo gny anakao mba hihinanantsika gnazy henany io , voho hihinanantsika anakao hamaray." 29 Ka nampangotrahinay gny anako sady nohaninay sady nilaza taminy aho gny andro magnataky hoe:' Omeo gny ananakao mba hihinanantsika gnazy, kanefa fa najary gny ananay." 30 sady lafa nahare reo volan'ny ampela igny gny mpanjaka, la nanataky gny akanjony ie( sady nandalo teo amin'ny manda ie), ka nanenty sady nahita fa nana atin'akanjo siky fisaogna ie tegny an-koliny. 31 Sady hoy ie hoe:' ao anie Ndranagnahary hanao gnan'io amiko, mandilatsy nohon'io aza, laha mipetraky ao aminy gny lohan'i Elisa anak'i safata anio." 32 Fa i Elisa nipetraky tao an-tragnony , sady reo loholo niara-nipetraky taminy. Na Nandefa olo raiky bakeo agnatrehany gny mpanjaka, nefa lafa avy tagny amin'i Elisa gny mpanday hafatsy, la hoy ie tamin'ireo loholo hoe:' Ingo, manao akory gny fomba nandefasa toy anaky mpamono olo toy olo hanapaky gny lohako? Ingo, lafa avy gny mpanday hafatsy , la hilio gny varavagna, sady tanjaho hihily mba tsy hilirany gny varavagna. Moa va tsy feon'ny tomboky gny tompony io ao afara io? 33 Laha mbo nanohy niresaky tamin-drozy ie, la ingo, nizotso teo aminy lay mpanday hafatsy . Hoy gny mpanjaka hoe:' Ingo bakamin'i Yaveh zao loza zao.Nagnino aho ro tokony mbo handigny gnan'i Yaveh avao?"