Toko faha 5

1 Namana ro mpiamby gny miaramilany gny mpanjakan'i Syria, lihy bevata noho mana gny voninahiny tan-katrehany gny tompony, fotony, ie ro nagnomezan'i Yaveh fandresea ho gnan'i Syria lihy mahery noho mahery fo avao koa ie, fe niazony gny haboka ie. 2 Roso niboaky nitsitokotoko rozy Syriana voho nangalaky aja ampela raiky bakao amy gn' Israely. Nanompo gny valin'i Namana ie. 3 Hoy aja ampela egny tamy gny tompony ampela:"La ao lahy mba hisondry amy gny mpagnambara hafatsy agny Samaria agny gny tompoko! ie ro hagnafaky gny tompoko amy gny haboka ie" 4 La roso i Namana sady nisafa tamy mpanjaka ze raha nambaran-gny aja egny tagnaminy, zay baka amy gny tanin' Israely. 5 La hoy lay mpanjakan'i Syria igny hoe: " Ndagny henanio, sady hampanday taratasy ho gnan-gny mpanjakany gn' Israely zaho." La roso i Namana sady nanday volafoty folo, volamena enignarivo, rekitsy gny salotsy hagnava nandesiny. 6 La nanday taratasy ho agny mpanjakan' Israely avao koa ie,zay nisafa hoe: "Lafa andesy agnaminao toy taratasy toy, la ho hitanao fa nadefa gnan'i Namana mpanompoko agnaminao zaho, mba hagnafahanao gnazy amy gny habokany." 7 Lafa baky namaly taratasy igny gny mpanjakan' Israely, la tinatany gny akajony ie sady nisafa hoe: " Moa va Ndranagnahary zaho, ka hamono ndraiky hamelo, ro mitady gnahy hagnafaky johary amin-gny habokany toy johary toy ? Magnaly ta-hila kisontasota agnamiko ie." 8 Koa lafa jan'i Elisa lay lehilahin-Dranagnahary fa nanataky gny salony lay mpanjakan' Israely , la nagniraky safa tany amin-gny mpanjakan' ie, nanao hoe: " Nagnino ro tinatakao gny salotsao? Engao ie hamonjy gnahy henanizao, la ho hainy fa misy mpagnambara hafatsy ao Israely." 9 Ka niavy nisondry tamin'ireo soavaliny katrakany i Namana , sady nijoro teo am-baravagnan-gny tragnon'i Elisa 10 Nagniraky mpanday hafatsy taminy agny i Elisa, nanao hoe; " Ndagny, sady ampandro gnim-pito amin'i Jordana ao gny vatanao, la himpoly amy gny taloha gny nofotsao; halio iha." 11 Fa neloky i Namana sady roso nisafa hoe:" Ingo, noeretreretiko fa hiboaky hamonjy gnahy ie sady hitsanga voho hikaiky gny agnaran'i Yaveh Ndranagnahary, sady hagnefahefa gny tana amin'ilay toera ka hagnasitra gny habokany. 12 Moa i Abana voho Farpara, reniranon'i Damaskosy, tsy soa kokoa noho gny rano iaby ao Israely? Tsy afaky miandro ao amin'ireo va zaho la halio?" La himpoly ie sady roso an-keloky. 13 Bakeo, rozy mpanompon'i Namana nihariniky ka nisafa tagnaminy hoe: Babako, laha nandily gnanao hanao raha sarotsy hafa gny mpaminany, moa tsy nanao gnan'izay va iha? Sandraky va, la lafa nisafa soa gnanao ie hoe: ' Ampandro gny vatanao, la halio iha?" 14 Bakeo amizay, la roso nizotro ie sady nampandro gny vatany gnim-pito tao amin'i Jordana tao, nagnaraky reo toromarik'ilay lehilahin-Dranagnahary . Nimpoly nanahaky gny nofon'aja kelikely ndraiky gny nofony, sady nijanga ie. 15 Nimpoly tany amin'ilay lehilahin-Dranagnahary i Namana, ie voho reo mpisondry tagnaminy iaby sady nijoro teo agnatrehany. Hoy ie hoe: Ingo, haiko henanizao, fa tsy misy Ndranagnahary magnetriketriky gny tany, laha tsy ao Israely raiky avao. Laha zay ie, rambeso gny fagnomeza bakany gny mpanomponao." 16 Fa namaly i Elisa hoe: " Laha mbo velo koa i Yaveh, an-katrehan'eo ro itsanganako, la tsy handramby ndra ino ino zaho." Namporisiky gnan'i Elisa mba handramby fagnomeza egny i Namana, fe la nanda ie. 17 Laha zay ie, la hoy i Namana hoe: " Laha tsy zay, la mangataky aminao zaho, mba hagnome gny mpanomponao tany, ze zakany gny boriky roe, fotony, mamototsy henanizao, la tsy hagnome fagnatitsy oroa ndra gny soro ho gnan-Dranagnahary hafa sasy gny mpanomponao laha tsy i Yaveh. 18 La ao mba hagnafaky gny havoany gny mpanomponao i Yaveh amin-draha raiky toy, zao ie, lafa militsy an-tragnon'i Rimona ao gny mpanjakako an-tragnon'i Rimona ao zaho, lafa zaho ro miankohoky an-tragnon-dRimona ao, la i Yaveh mba hangala havoa gny mpanomponao amin-draha zay." 19 La hoy i Elisa tagnaminy hoe: " Mandehana soa." La roso i Namana. 20 Nandeha halavira boroboy avao ie, lafa nivola taminy i Gehazy mpanompon'i Elisa lay joharin-Dranagnahary hoe:' Ingo, fa namindra fo gnan'ny toy Namana lay Syriana gny tompoko tamin'ny tsy fandraisa reo fagnomeza zay nandesiny tegny an-tagnany. Laha mbo velo koa i Yaveh, la hagnaraky gnazy ho handramby raha bakaminy." 21 Nohon'io la nagnaraky gnan'i Namana i Gehazy. Lafa nahita olo nilay tao afarany i Namana , la nitsamboko nizotso tamin'ny kalesy ie mba hitsena gnazy sady nivola hoe:' Mety va gny raha iaby?" 22 La hoy i Gehazy he;' Mety iaby gny raha iaby . Nitahin'ny tompoko aho, nanao hoe:' Ingo nisy tovolahy roe bakamin'ireo anaky gny mpaminany avy namonjy gnahy bakagny amin'ny vohits'i Efraima. Miangavy lahy mba omeo talenta volafotyraiky voho akanjo hisoloa roe rozy." 23 Namaly i Namana hoe:' Faly mare aho magnome talenta volafoty roe ho gnanao." Nampirisiky gnan'i Gehazy sady namehy talenta volafoty roe tao agnaty kitapo roe, niaraky tamin'ireo akanjo roe hisoloa, sady nametraky reo tamin'ny roe tamin'ireo mpanompony , zay nanday reo kitaom-bolafoty nialoha gnan'i Gehazy. 24 Lafa avy teo amin'ny havoan'i Gehazy, la nangalaky reo kitam-bolafoty tegny an-tagnan-drozy sady nagnetaky gnan'ireo tao an-tragno; nalefany reo johary, ka lasa rozy. 25 Lafa nilitsy i Gehazy sady nitsanga nagnatriky gny tompony, la hoy i Elisa taminy hoe:' Bakaia iha, ry Gehazy?' Namaly ie hoe:' Tsy nandeha taia na taia gny mpanomponao." 26 Hoy i Elisa tamin'i Gehazy hoe:' Tsy niaraky taminao va gny fagnahiko lafa nihody tamin'ny kalesy mba hitsena gnanao lay johary? Fotoa fandraisa vola voho akanjo, tamin'oliva voho tanim-boaloboky, aondry voho aomby, sady mpanompo lahy voho ampela va zao? 27 Nohon'io la ho aminao voho gny avorohotanao mandrakizay gny habokan'i Namana." Ka niala tamin'ny fagnatrehany i Gehazy , boka foty manahaky gny ando.