Toko faha 4

1 Sady gny valiny gny raiky tamin-drozy anaky mpagnambara hafatsy niavy ka nitagny tamin'i Elisa teo, nisafa hoe: " Nimaty gny valiko, mpanomponao, noho hainao fa, gny mpanomponao la natahotsy gnan'i Yaveh. Amy henanizao, gn'olo mpanan-drala niavy hangalaky anako reo mba ho mpanompony." 2 Ka la hoy i Elisa tagnaminy: " Ino gny raha tianao hatao anagnanao an-tragnonao ao?" Sady hoy ie: " Tsy mana ndra ino ndra ino, laha tsy dililo filakoho raiky gny mpanomponao an-tragno ao". 3 Sady hoy i Elisa: " Ndagny, mindrama siny amy gny olo mariny gnanao, siny tsy misy ndra ino ndra ino ." Faran'izay maro azonao endramy. 4 Bakeon'izay, la militsy agnaty tragno ao iha voho mandrindry varavagna rakitry gn'anakilahinao, bakeo magniligna dililo amy gny siny iaby; voho avaho gny siny ze atsiky." 5 La nenga gnan'i Elisa ie, bakeo nandrindry varavagna ie noho gn'anakilahiny. Nandesin-drozy tamin-drozy tao gny siny, ka la natsehan-drozy dililo rezay. 6 Lafa niatsiky gny siny, la hoy ie tamin-drozy anany: " Angalaonareo siny hafa zaho". La hoy anany reo taminy: " Fa tsy misy siny sasy." La tsy niraraky sasy gny dililo. 7 La niaky ie ka nisafa tamin'olo, olon-Dranagnahary. Hoy ie hoe: " Ndagny, avilio gny dililo; aloavo gny trosanao, voho gny sisa amelomo gny vatanao rekitsy gn'anakilahinao". 8 Ndraiky andro i Elisa roso tany Sonema agny amin'izay hipetraran-gny ampela mpanan-draha raiky; la tinaony hisondry fihinana agnaminy ie. Sady saky gny mandalo ie, la mijano mihina ao. 9 Hoy lay ampela tamin-gny valiny: " Ingo, haiko henanizao, fa ie la johary masin-Dranagnahary, olo mbeto sanandro igny. 10 Ndao tsika hanao tragno kelikely ho gnan'i Elisa, ka hasiantsika kitraly gn'agnatiny ao, latabo, seza, noho jiro. Ka lafa avy amintsika eto ie, la hiegny eto." 11 Sady avy ndraiky gn'andro, la niegny tao i Elisa , nipetraky tagn'efitsy io tao ie noho nangalaky tsiotsioky. 12 Hoy i E lisa tamin'i Gahazy lay mpanompony: " Kaiho io Sonemita io". Lafa baky nikaiky gnazy ie, la nitsanga tan-katrehany teo. 13 Sady hoy i Elasa tagnaminy: " Volagno amin'ampela eo hoe: 'Fa namonjy gnany iha mba hagnome gnanay raha soa. Ka ino gny raha tianao hatao aminao? Afaky misolo vava gnanao amy gny mpanjaka ndra amy gny beny gny miaramila agny va rahay?"' La namaly ie hoe: " Misondry fitaky amy gn'oloko zaho." 14 Ka hoy i Elisa: " Ino zao ro azontsika atao ho gnazy?" La namaly i Gehazy hoe: " Eka vatany hondy, tsy mana gn'anaky ie, noho fa antitsy koa gny valiny". 15 La namaly i Elisa hoe: " Kaiho ie." Lafa baky nikaiky gnazy ie, la nitsanga tam-baravagna teo. 16 Hoy i Elisa: " Amy gn'andro manahaky gnan'izao, laha hery gny tao, la hiotro aja johary iha." Ka la hoy ampela eo: " Aia koa lahy ragnandria noho olon-Dranagnahary, ka mavandy amy gny mpanomponao." 17 Fa gny tao magnaraky avao , la nioregnatroky voho niteraky aja johary ampela eo, laha gny safa nisafagnin'i Elisa tagnaminy. 18 Lafa nanomboky nibe aja igny, ndraiky andro nandeha nisondry tamin-drany ie, zay nisondry tamy gny mpangalaky vokatsy. 19 Hoy ie tamin-drany: " Gny lohako ,gny lohako " La hoy gny rany tamy gny mpanompony: " Andeso amin-dreniny agny ie." 20 Lafa nangalaky gnazy ndraiky nanday gnan'aja egny tamin-dreniny tagny gny mpanompo, la nifitaky tam-potrognany teo aja igny traky nahatolaky gn'andro, la nimaty ie bakeon'igny. 21 Ka niongaky ampela igny voho napetrany tam-kitreliny gn'olon-Dranagnahary igny teo aja igny, hiniliny gny varavagna, voho niboaky. 22 Nikaiky gny valiny ie, sady nisafa hoe: " Mba andefaso raiky amin'ireo mpanompo voho raiky amin'ireo boriky lahy zaho, mbna handenako masika amy gny mpanompon-Dranagnahary igny agny,sady himpoly zaho lafa bakeo. 23 La hoy gny valiny: " Nagnino iha ta-ho agnaminy agny henanizao? Tsy hoe voaloham-bola zao, ndraiky tsy sabata." La namaly ie hoe: " Tsy raha magnahy lahy". 24 La nasiany fifitaha gny boriky raiky, la hoy ie tamy gny mpanompony hoe: " La alefaso mare avao; la ka mandeha moramora laha tsy mivola zaho hoe atavo moramora." 25 Ka roso ampela igny, noho niavy tamy gn'olo, olon-Dranagnahary igny tagny, tam-bohitsy Karmela tao. Lafa nahita gnazy lavitsy egny olon-Dranagnahary igny, la nisafa tamin'i Gehazy mpanompony ie hoe: " Ingo, avy ampela Sonemita igny. 26 Lomesa masika hanegnategna gnazy, voho hisafa agnaminy hoe: " Manao akory lahy va zay gn'aminao,noho gn'amy valinao, rekitsy gn'anakao?" La namaly ie hoe: " Mbo soa." 27 Lafa niavy teo amin'ilay lehilahin-Dranagnahary igny tam-bohitsy tagny ampela igny, la tinanjany gny tombony. Nisiziky mariny i Gehazy mba hangalaky gnazy, fe hoy lehilahin-Dranagnahary igny hoe: " Engao ie, fa la vatany malahelo, sady naetak'i Yaveh tagnamiko raha misy zao, sady tsy nisafa raha tagnamiko" 28 La hoy ampela igny:" Nangataky aja taminao va zaho, ragnandria? Tsy fa nisafa va zaho hoe: ' Ka fitahy zaho'?" 29 Ka hoy i Elisa tamin'i Gehazy: " Misalora fa handeha voho andeso an-tagnanao egny gny kobaiko. Ndagny ho an-tragnony agny. Laha kojy olo iha, ka manao salama gnazy, voho laha misy olo manao akory gnanao, la ka valea ie. Atavo an-tarehin'aja eo, eo gny kobaiko." 30 Fa gny renin'aja eo nisafa hoe: " Laha velo koa i Yaveh, voho laha velo koa iha, la tsy henga gnanao zaho". La niongaky i Elisa noho nagnaraky gnazy. 31 Nandeha malaky talohan-drozy i Gehazy sady nametraky gny kobay tan-tarehin'aja eo teo, fe la tsy nivola ndraiky tsy nahaja zaza egny. La nimpoly tamin'i Elisa tagny i Gehazy sady nisafa tagnaminy hoe: " Mbo tsy nifoha aja egny." 32 Lafa niavy tan-tragno tao i Elisa, la mbo nimaty tagnabo kitrely teo aja egny. 33 La nilitsy tao i Elisa sady nandrindry varavagna tao ie voho lay aja egny, ka nivavaky tamin'i Yaveh ie. 34 Nitsanga ie sady nandry tamin'aja eo teo, noho gny masony tamy gny masony, ndriky gny tagnany tamy gny tagnany. Gny vatany nataony tamin'aja eo teo, ka la nafana gny vatan'aja eo. 35 Sady nitsanga i Elisa sady niriorio tagn'efitsy tao, la niakatsy ndraiky ka nataony tagnabon'aja eo teo gny vatany. La nitsihe gnim-pito aja egny voho sinokany gny masony. 36 Ka nikaiky gnan'i Gehazy, i Elisa voho nisafa hoe: " Kaiho Sonemita egny!" La kinainy ie, voho lafa niavy tagn'efitsy tao ie, la hoy i Elisa: " Rambeso anakao io" 37 La nampiankohoky gny vatany tan-tany teo tamy gny tatombony ie voho nandohaliky tan-tany teo, la nalany gn'anany ka roso ie niboaky. 38 Sady nimpoly tany Gilgala ndraiky i Elisa. Nisy mosary taminy tany io tao, noho nipetraky tan-katrehany teo gn'anaky gny mpaminany. Hoy ie tamy gny mpanompony: " Atavo am-bolo eo valagny bevata egny voho miketreha hany ho gnan-gny gn'anaky gny mpagnambara hafatsy." 39 Nagn'am-baibo tagny, hitsongo traka gny raiky tamin-drozy. Nahita voaloboky mitiry ie, voho namory tagnatagnamanga, mba hamenoany gny salony. Tinapatapany voho nataon-drozy tamy gny hany zay, fe tsy nahay gny raha nifangaro tamizay rozy. 40 Ka namoatry gny hany mba ho haniny gny johary reo rozy. Tafaran'izay, laha mbo nihina rozy, la nikoitsaky mare nanao hoe: " Ry lehilahin-Dranagnahary, misy raha mahafaty gn'am-balagny ao!" La tsy nihina gnan'izay sasy rozy. 41 Fa hoy i Elisa hoe: " Magnandesa koba." Najabony tagnaty valagny tao zay, voho nisafa hoe: " Voaro ho gnan-drozy, mba hihina rozy." La tsy nisy raha mahafaty sasy tam-balagny tao." 42 Nisy lehe raiky baka Bala-salisa agny, nagnagny amin'olon-Dranagnahary igny tagny noho nanday mofo vita tamy gny vary hordea roapolo baky finofoky, noho haram-bary soa tagnatiny gny kitapony. Hoy ie: " Zarao amin'olo reto mba hihinanan-drozy." 43 Hoy gny mpanompony: " Manao akory gny hizarako gnan'izay agnamin'olo zato reto?" namaly i Elisa hoe: " Zarao ho gnany gn'olo zato reto, soa mba hihina rozy,fotony fa nisafa i Yaveh hoe: " Hihina rozy voho henga gny sisany." 44 La zinarany gny mpanompo igny tamin-drozy zay; la nihina rozy, voho nisy tsy nilany, laha gny safan'i Yaveh.