Toko faha 3

1 Tmy gny tao fahafolo valoamby nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, ro nanomboky nanjaka tamy gny Israely tao Samaria, Jorama anakilahin'i Ahaba; nanjaka tagnatiny foloroamby tao ie. 2 Nanao raha raty tan-katrehan'i Yaveh ie, tsy nanahaky gnan-drany voho gny reniny; nalany gny vato mitsanga masy gnan'i Bala, ze namboarin-drany. 3 Ndra zay, la nita gny helok'i Jeroboana anakilahin'i Nebata ie, zay nampanota gnan'i Israely, tsy nenga tamizay ie. 4 Mesa mpanjakan'i Moaba, la nihary aondry. La nagnomea anak'aondry 100.000 voho volony gn'aondry lahy 100.000 ho gnan-gny mpanjakan' Israely ie. 5 Fe tafarany gny mahafaty gnan'i Ahaba, la nialy nanohitsy gny mpanjakany gny Israely gny mpanjaka Moaba. 6 La nenga gnan'i Samaria, jorama mpanjaka tamin'andro zay, mba hagnetsiketsiky gny Israely iaby amy gn'aly. 7 Nandefa hafatsy tamin'i Josafata mpanjakan'i Joda ie, nisafa hoe: " Fa nihentsy gny hialy amiko gny mpanjakan'i Moaba. Handeha hisondry agnamiko hialy amin'i Moaba va iha?" La namaly Josafata hoe: " Handeha zaho, manahaky gnanao avao koa zaho, gn'oloko manahaky gn'olonao, gny soavaliko manahaky gny soavalinao." 8 La nisafa ie bakeo hoe: " Amy gny lala aia ro hanafentsika? Namaly Josafata hoe: " Amy gny lala mamaky gny efits'i Edoma. V 9 Ka nandeha nagnodidy tagnatiny fito andro rozy mpanjakan' Israely, noho Joda, voho Edoma. Tsy nahitan-drano ho gnan-gny mpialian-drozy, ndra ho gnan-gny soavaliny rekitry gny biby hafa koa. 10 La nisafa gny mpanjakan' Israely hoe: " Ino lahy toy? Va nikaiky mpanjaka telo ho gnan'i Moaba, Yaveh?" 11 Fe nisafa Josafata hoe: " Tsy misy mpagnambara hafats'i Yaveh va eto, hahafahantsika mangalaky toro lala amin'i Yaveh amin-gny lalany?" La namaly gny raiky tamin-gny mpanompony gny mpanjakan'i Israely, nisafa hoe: " Elisa eto ie anakilahin'i Safata, ie ro nandraraky rano tan-tagnan'i Elia teo. 12 Hoy i Josafata: " Aminy gny safan'i Yaveh." La nizotro taminy tagny, Josafata mpanjakan' Israely, noho gny mpanjakan'i Edoma. 13 Hoy i Elisa tamin-gny mpanjakan' Israely" Mifagnino moa, zaho noho iha? Ndagny, vonjeo mpagnambara hafatsin-dranao noho reninao reo". La nisafa taminy gny mpanjakan' Israely hoe: " Aha, fotony, Yaveh nikaiky mpanjaka telo reto, mba hagnome gnazy an-tagnan'i Moaba eo." 14 Namaly i Elisa: " Laha mbo velo koa i Yaveh tompon-gny raha iaby, an-katrehan'eo ro itsanganako, laha tsy fiasiako gny fagnatrefan'i Josafata mpanjakan'i Joda, la tsy nijanjy gnanao zaho, ndra gny ho nanenty gnanao aza. 15 Fe henanizao, hagnandesanao mpititiky raha magneno zaho." Lafa nititiky gny mpitititky lokanga, la niavy tamin'i Elisa eo gny tagnan'i Yaveh. 16 Nisafa ie hoe: " Zao gny safan'i Yaveh, fenonareo lavaky gnan-dohan-driaky maiky io.' 17 Fa hoy gny safan'i Yaveh: ' Tsy hahita tsioky iha, ndra ora, fa hivorian-drano gnan-dohan-drizky io, voho hino ao nareo, nareo rekitry gny biby harenareo noho gny bibinareo iaby.' 18 La raha mora an-katrehan'i Yaveh eo zay. Ie ro hagnomea fandresea gnanareo an-katrehan-drozy Moabita. 19 Nareo, hanafiky gny tana mahery, voho gny tana soa iaby, hanampaky gny hazo soa iaby, hampijano gny loharano iaby, voho handrava gny tany soa iaby amy gny vato." 20 Ka lafa tamy gny maray tamy gn'andro fagnatera soro, la nisy rano nandeha bakagny Edoma; la nifeno rano gny tany. 21 Lafa nahaja gnan-drozy Moabita iaby, hialy amin-drozy mpanjaka reo, la nivory raiky rozy, la nisalotsy salotry fiarova rozy, ka la nitsanga tan-tsisin-tany rozy. 22 La nifoha maray rozy, noho gny masoandro nitaratsy tan-drano teo. Lafa nahita gny rano tagnilany teo rozy Moabita, la nangatataky mena gny rano manahaky gny ra. 23 La nikoraky mare rozy hoe: " Lio reo! La nibay gny faty vatany mpanjaka rey, la nifamono rozy! Fe henanio, ndao tsika Moaba hanafiky gnan-drozy!" 24 Lafa rozy nagnamy gny tany fitobiany gny Israely, la nitampohin-drozy gny Israely, la nanafeky rozy Moabita, zay nilay tan-katrehany teo. Tinariky gny mpialin' Israely erany gny tany rozy Moabita, la vinonony rozy. 25 Pinotipoteny gny tana, voho gny tany soa iaby nandrarahan-drozy vato iaby, traky nahafeno gnazy. Tinampin-drozy iaby gny loharano iaby, tinampatanpan-drozy iaby gny hazo soa iaby. Kira-haresa ro sisa tavela tsy nihetsiky gny vatany. Fe ndra io zao, la mbo nagnodidy teo gny miaramila noho tinafiny. 26 Lafa nihitan'i Mesa mpanjakany gny Moaba, fa resy ie tamy gn'aly io, la nangalaky mpita meso fitonjato nisondry taminy ie, hanafiky gny mpanjakan'i Edoma, fe tsy naharesy rozy. 27 La nalany gn'anakilahiny talagnolo, zay honisolo gnazy, voho naterany ho fagnatitsy oroa tagnabony gny fefy ie. Ka la nisy heloky bevata nahazo gnan' Israely, la nenga gnan'i Mesa mpanjakany gny tafiky gny Israelita ka la noly tan-tanin-drozy tagny.