Toko faha 10

1 Sady nana avorohota fitopolo tagny samaria i ahaba. Nanoratsy taratasy i Jeho ka nandefa gnan'io tagny Samaria, ho gnan'ireo mpanapaky gnan'i Jezirela tao agnatin'io reo loholo voho reo mpiamby gny avorotan'i ahaba, nilaza hoe:' 2 " Eo aminareo reo avorohota gny tomponareo, sady mana kalesy voho soavaly sady tana voaaro voho akanjo fiarova avao koa nareo. Nohon'io laha vao avy eo aminareo toy taratasy toy, 3 la filio zay soa voho mendiky mare amin'ireo avorota gny tomponareo ka apetraho ho eo amin'ny Seza fiandrian-drainy ie, sady mialia ho gnan'nyu avorohotan'ny mpanjaka tomponao." 4 Fa nihorohoro rozy ka nifampilaza hoe:' Ingo, mpanjaka roe aza tsy nahajanona teo agnatrehan'i Jeho. Ka manao akory mao ro hahajanontsika?' 5 Bakeo lay johary zay misaha gny lapa, voho lay johary nanapaky gny tana voho reo loholo avao koa, sady reo zay nitaiza reo zaza la nandefa tegny nimpoly tagny amin'io Jeho nilaza hoe:" Mpanomponao rahay. Hataonay zay iaby handidianao gnanay tsy hametraky olo ho mpanjaka rahay. ataovo zay hainao fa mety eo amasonao." 6 sady nanoratsy taratasy fagnindroe ho gnan-drozy i Jeho nilaza hoe:' laha miandany amiko nareo , sady tsy maintsy tapahinareo gny lohan'ireo johary avorohota gny tomponareo, sady mandehana atoy amiko aty Jezirela, sady mandehana atoy amiko atoy Jezirela hamaray amin'ny ora manahaky an'izao." amizao reo avorohota gny mpanjaka, miisa fitoplo, la niaraky tamin'ireo johary manan-danja teo an-tana, zay nitaiza an-drozy. 7 Ka lafa avy teo amin-drozy lay mpanjaka ka novonoany, olo fitoplo, nataony tao agnaty sobika gny lohan-drozy, sady nalefany tagny amin'i Jeho tagny Jezirela reo. 8 Nisy mpanday hafatsy avy teo amin'i Jeho, nilaza hoe:' Fa nanday gny lohan'ireo anaky lahin'ny mpanjaka rozy." Ka hoy ie:' ataovo anton-drha roe eo amin'ny vavahady filira rozy mandra-maray." 9 Gny maray i Jeho la niboaky ka nitsanga, sady nivola tamin'ny fokonolo iaby hoe:' Tsy manan-tsiny nareo.Ing, nikomy tamin'ny tompoko aho ka namono gnazy, fa ia ro namono reto iaby reto? 10 Amizao la tokony ho tsapanareo tokoa fa tsy nisy tamin'ny safan'i yaveh, gny safa zay nolazainy mahakasiky gny avorohotan'i ahaba hiraraky amin'ny tany fotony Yaveh ro nanao araky zay nolazainy tamin'ny alalan'i Elia mpanompony." 11 Ka novonoan'i Jeho zay sisa tavela tamin'ny avorohotan'i ahaba tagny Jezirela, voho reo johary manan-danjany, reo namany mare, reo mpisorony, mandra-pahalany taminga an-drozy. 12 Bakeo la nitsanga i Jeho ka lasa; nagnagny Samaria ie. Sady laha vao avy tao Bet-ekedan'ny mpiandry aondry ie, 13 La nifanojiky tamin'ireo rahalahin'i ahazia mpanjakan'i Joda. Hoy i Jeho tamin-drozy;' Ia nareo?" Namaly rozy hoe: ' Rahalahin'i ahazia rahay sady hizotso mba hiarahaba reo anaky mpanjaka voho reo anak'i Jezebela Mpanjakavavy rahay." 14 Hoy i Jeho tamin'ireo johariny:' ataovo sambo-belo rozy." ka nataon-drozy sambom-belo rozy sady novonoa tagny amin'ny lavaky famorian-dranon'i Bet-ekda, reo efapolo roamby lahy. tsy nisy nengany ho velo rozy. 15 Lafa niala teo i Jeho, la nifanojoky tamin'i Jonadaba anaky lahin'i Rekaba sady namonjy gnazy. Niarahaba gnazy i Jeho ka nivola taminy hoe;' Miaraky amiko va gny fonao, manahaky gny foko zay miaraky amin'ny gnanao?" Namaly i Jonadaba hoe:' Io tokoa. Hoy i Jeho :' Laha io tokoa ro ie la atolory ahy gny tagnanao." Ka natolon'i Jonadaba gnazy gny tagnany, sady nampiakarin'i Jeho niaraky taminy teo amin'ny kalesiny i Jonadaba. 16 Hoy i Jeho " Miaraha amiko ka jereo gny zotom-poko ho gnan'i Yaveh." Ka niara-nandeha taminy tao amin'ny kalesiny i jonadaba. 17 Laha avy tagny Samaria ie la novonoan'i Jeho iaby gny avorohotan'i ahaba zay sisa tavela tagny samaria mandra-paharingany gny avorohotan'i ahaba mpanjaka, araky zay fa nolaza tamin-drozy taloha tamin'ny alalan'ny safan'i yaveh, zay niresahany tamin'i elia. 18 sady nampivory gny olo iaby niaraky i Jeho ka nivola tamin-drozy hoe:' ahaba la nanompo gnan'i bala kelikely avao, fa i Jeho koa hanompo gnazy mare. 19 amizao ary kaiho ho eto amiko iaby reo mpaminanin'i bala iaby, voho reo mpanompo gnazy iaby sady reo mpisorony iaby. Ao tsy hisy tavela fotony mana fagnatitsy bevata hatolotsy ho gnan'i Bala aho. Zay iaby tsy avy la tsy ho velo." fa nataon'i Jeho mba famitaha , tamin'ny fikasany hamono reo mpanompon'i bala. 20 Hoy i Jeho:' Manokagna fotoa raiky mba hanaova fiarova ho gnan'i bala." ka nambaran-drozy io. 21 sady nagniraky manera gnan'Israely voho reo mpanompo gnan'i bala iaby i Jeho, mba tsy hisy olo tavela ka tsy avy. Avy tao amin'ny tempolin'i bala rozy, sady feno na hatraia na hatraia. 22 Nilaza tamin'ilay johary mpitahiry gny akanjon'ny mpisoro i Jeho hoe:' mamoaha akanjo ho gnan'ireompisoron'i bala manontolo." Ka namoaky akanjo ho gnazy reo lay johary. 23 Sady lasa niaraky tamin'i Jonadaba anaky lahin'i Rekaba ho ao an-tragnon'i Bala i Jeho, sady hoy ie tamin'ireo mpanompon'i Bala;'Zahao, sady ataovo azo antoky fa tsy hisy bakamin'ny mpanompon'i yaveh gny raiky aminareo eto, fa mpanompon'i Bala avao." 24 La nandeha nanolotsy soro voho fagnatitsy oroa rozy. Sady nifily johary valopolo hitsanaga eo ivelany i Jeho, sady hoy ie tamin-drozy;' Laha misy tafatsofoky amin'ireo johary zay andesiko an-tagnanareo, na ia ia mamela gnan'io olo io handosotsy, la ho ala aminy gny ainy ho solon'ilay tafatsoaky." 25 Sady vantany vao vitan'i Jeho gny fanolora gny fagnatitsy oroa la hoy ie tamin'ialy mpiamby voho reo kapiteny:' Milira ka vono rozy. ka enga hisy ho tafaboaky." 26 Ka novonoan-drozy tamin'ny lelan-tsabatsy reo, sady gny mpiaby voho reo kapiteny nanipy gnan-drozy tagny ivelany sady nilitsy tao agn'efitsy agnatin'ny tragnon'i Bala. Notarihin-drozy niboaky gny andry vato tao an-tragnon'i bala, sady noroan-drozy io. 27 Bakeo la narodan-drozy gny andrin'i Bala, ka noravany gny tragnon'i Bala sady nataony tragno fiboaha, sady mandraka androany io. 28 Manahaky gnan'io ro nandravan'i Jeho gny fanompoa gnan'i Bala tagny Israely. 29 Kanefa tsy nagnenga reo fahotan'i Jeroboama anaky lahin'i Nebata i Jeho zay nampanontany gny Israely__ zay fanompoa gny aobilahikely volamena tagny Betela voho Dana. 30 Ka hoy i Yaveh tamin'i Jeho hoe:' fotony iha nanao zay soa tamin'ny fagnantanteraha zay marina teo amasoko sady nano gny avorohotan'i ahaba araky zay iaby tato am-poko, reo avorohotanao la hipetraky eo amin'ny Seza fiandrian'Israely hatramin'ny avorohota fahaefatsy . 31 fa tsy niraharaha zay handeha amin'ny lalan'i Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely,tamin'ny fony manontolo i Jeho. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama ie, zay nampanontany gny Israely. 32 Tamin'ireo andro reo i Yaveh ro nanomboky nametraky gny farits'Israely sady i hazaela nandresy reo Israelita tegny amin'ny sisin-tanin'ny Israely 33 hatragny Jordana ro ho miantignana, gny tanin'i Gileada manontolo, gny Gadita, sady gny Robenita, voho gny Manasita, bakagny Aroera, zay bakeo amin'ny lohasahan'i Arnona, hatragny Gileada ka hatragny Basana. 34 Laha gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Jeho, voho zay iaby nataony, voho gny fahefany iaby, moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely va io? 35 Nodimandry niaraky tamin'ireo razambeny i Jeho, sady nalevin-drozy tagny Samaria ie. sady joahaza anany lahy lasa mpanjaka nandimby gnazy. 36 Roapolo valoamby tao gny fotoa nanjakan'i Jeho teo amin'Israely tagny Samaria.