Toko faha 11

1 Nony hitan'i Atalia , renin'i Ahazia fa maty gny anany , la nitsanga ie sady namono gny anaky gny mpanjaka iaby. 2 Nefa i Joseba, anaky ampelan'i Jehorama Mpanjaka voho anabavin'i Ahazia, la nangalaky gnan'i Joasy anak'i Ahazia, sady nanafiky gnazy lavitsy teo amin'ireo anaky gny mpanjaka zay novonoa, miaraky amin'ny mpitaiza gnazy; nataony tao amin'ny efitragno firoroa rozy. 3 Najarin-drozy gnan'i Atalia ie mba tsy hovonoa. Niaraky tamin'i Joseba ie najary tao an-tragnon'i Yaveh , nandritsa gny enin-tao, laha mbo nanjaka teo amin'ny tany i atalia. 4 Sady tamin'ny tao fahafito , la nandefa hafatsy voho nanday reo mpifehy gny karitra voho gny mpiamby an-jatony i Joiada, sady nanday gnan-drozy ho gnazy, tao an-tempolin'i Yaveh. La nanao fagnenkea tamin-drozy ie, ka nasainy nanao voady tao an-tragnon'i Yaveh rozy. bakeo la nasehony gnan-drozy gny anaky gny mpanjaka. 5 Nibaiko gnan-drozy, nanao hoe:' zao ro tsy maintsy ataonareo. Gny telo aminareo zay avy amin'ny andro sabata la hiamby gny tragnon'ny mpanjaka, 6 sady telo ho ao amin'ny vavahadin'ny Sora, voho gny telo ao am-bavahady ao afaran'ny tragno fiambena." 7 Reo vondro roe hafa zay tsy manompo amin'ny andro sabata, la tsy maintsy miamby gny tragnon'i Yaveh ho gnan'ny mpanjaka nareo. 8 Tokony mihodidy gny mpanjaka nareo, sady gny olo iaby miaraky amin'ny fitaovam-piadiany egny an-tagnany. Na ia ia militsy eo an-daharanareo, la oa hovonoa ie. Tsy maintsy hagnaraky gny mpanjaka nareo lafa miboaky, voho lafa militsy ie. 9 Sady reo mpifehy an-jatony la nankato gny raha iaby zay nandidian'i Joiada mpisoro. Samby nangalaky gny olony gny kirakiraiky, reo zay nilitsy mba hanompo tamin'ny sabatsy, voho reo zay hijano hanompo tamin'ny sabatsy; la nandeha tagny amin'i Joiada mpisoro rozy. 10 sady namean'i Joiada mpisoro gny mpifehy an-jatony gny lefo voho gny apinga zay gnan'i davida Mpanjaka voho zay tao an-tragnon'i yaveh. 11 sady nitsanga reo mpiamby , gny olo kirakiraiky miaraky amin'ny fitaovam-pialiany egny an-tagnany, teo ankavanan'ny tempoly hatragny ankavia, agnilan'ny alitara voho gny tempoly, magnodidy gny mpanjaka. 12 La nandesin'i Joiada noboaky i Joasy anaky gny mpanjaka, nametrahany satro-boninahitsy, sady nameany gnazy gny lily fagnenkea. la nataony mpanjaka voho nosoran-drozy ie. Nitehaky rozy sady nivola hoe:' Ho ela velo anie gny mpanjaka." 13 Lafa ren'i Atalia gny tabataban'ireo mpiamby voho gny olo, la nandeha tao amin'ny olo tao an-tragnon'i Yaveh ie. 14 Nijery ie, sady ingo, gny mpanjaka nitsanga teo agnilan'ny tsangam-bato, araky gny fanao , sady reo kapiteny voho reo mpitsoky trmpetra la teo agnilan'ny mpanjaka. sady gny olo iaby teo amin'ny tany la nazoto voho nitsoky trompetra. La nanataky gny akanjony i Atalia ka nikoraky mare hoe:' Mpamadiky! Mpamadiky!" 15 Bakeo i Joiada mpisoro nandidy reo mpifehiny an-jatony zay teo amin'ny tafiky nanao hoe:' Aboaho eo an-dahara ie. na ia ia magnaraky gnazy, la vono amin'ny sabatsy ie." Fa gny mpisoro nilaza hoe:' Ka enga ho voanoa ao an-tragnon'i Yaveh ie." 16 Ka nanambotsy gnazy rozy laha avy teo amin'ilay toera zay filiran'ny soavaly ao an-kianjan'ny lapa ie, sady teo ro namonoa gnazy. 17 Sady nanao fagnenkea teo amin'i Yaveh voho gny mpanjaka sady gny fokonolo i Joiada, sady teo amin'ny mpanjaka voho gny olo avao , mba ho olon'i yaveh rozy. 18 sady gny olo iaby teo amin'ny tany nagnagny amin'ny tragnon'i Bala ka nanimba gnan'io. Noamotipotiky reo alitaran'i bala voho gny sampiny voasokitsy sady namono gnan'i matana, lay mpisoron'i Bala teo agnatrehan'ireo alitara rozy. sady Joiada mpisoro nanendry mpiamby hifehy gny tempolin'i Yaveh. 19 Nandesin'i Joiada nagnaraky gnazy gny mpifehy anjatony, reo Karita, gny mpiamby, voho gny olo manontolo teo amin'ny tany sady niaraky nanday gny mpanjaka nizotso bakagny an-tragnon'i Yaveh rozy, ka nilitsy tao an-tragnon'ny mpanjaka, militsy amin'ny lala eo am-bavahadin'ireo mpiamby. Nangalaky gny toera teo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaja i Joasy. 20 sady nazoto gny olo manontolo teo amin'ny tany, ka nilamy gny tana tafaran'ny namonoa gnan'i Atalia tamin'ny sabatsy tao an-tragnon'ny mpanjaka. 21 Fito tao i Joasy ro nanomboky nanjaka.