Toko faha 12

1 Tamin'ny fahafito tao nanjakan'i Jeho, ro nanomboky gny fanjakan'i Joasy; nanjaka nandritsa gny efapolo tao tao Jerosalema ie. Zibia ro agnaran-dreniny, bakagny Beri-sheba. 2 Nanao zay marina teo amason'i Yaveh i joasy tamin'ny fotoa iaby, fotoa nampianatsy gnazy i Joiada mpisoro. Kanefa reo toera abo tsy nirava. 3 Mba nanao soro voho nagnoro ditin-kazo magnitsy teo amin'ireo toera abo avao gny fokonolo. 4 Hoy Joasy tamin'ireo mpisoro hoe:" Gny drala iaby zay nandesy ho fagnatitsy masy tao an-tragnon'i Yaveh, la gny drala zay notombanan'ny olo kirakiraiky__ka gny drala navory tamin'ny fanisam-fokonolo io, na gny drala azo tamin'ny voady manoka, na gny drala nandesin'ny olo tamin'ny fandrisihan'i Yaveh tao am-pon-drozy mba hagnome__ 5 la tokony ro raisin'ireo mpisoro gny drala bakamin'ny raiky amin'ireo hanagnan-drozy sady hagnamboara zay fahavoaza hita tao an-tempoly." 6 Fa tamin'ny roapolo teloamby tao nanjakan'i Joasy Mpanjaka, la tsy nagnamboatsy na ino ino tao an-tempoly reo mpisoro. 7 sady nikaiky gnan'i Joiada mpisoro voho reo mpisoro hafa i Joasy mpanjaka; hoy ie tamin-drozy hoe:" Nagnino nareo ro tsy nagnamboatsy na ino ino tao an-tempoly? Amizao ka mangalaky drala amin'ny mpandoa hetra sasy, fa raiso zay fa voavory mba hagnamboara gny tempoly sady omeo gnan'ireo ze afaky manao gny fagnamboara io." 8 Nohon'io la nanaiky tsy hitaky drala amin'ny fokonolo voho tsy hagnamboatsy gny tempoly sasy reo mpisoro. 9 Fa koa , nanglaky vata raiky Joiada mpisoro, nandoaky gny sarony, sady nametraky gnan'io teo agnilan'ny alitara, teo ankavana filira ao amin'ny tragnon'i Yaveh. Reo mpisoro ze nandigny gny filira ao an-tempoly la nametraky gny drala iaby ze nendesy ho ao an-tragnon'i Yaveh tao amin'io. 10 Isaky gny hitan-drozy reo fa be drala tao agnatin'ilay vata, la avy gny mpanora-dalan'ny mpanjaka voho gny mpisoronabe sady nametraky gny drala tao agnaty kitapo sady masy io bakeo,gny drala hita tao an-tempolin'i Yaveh. 11 Natolon-drozy teo an-tagnan'ireo johary zay nikarakara gny tempolin'iYaveh gny drala zay voalaza. Namean-drozy gna'ireo mpandrafitsy voho reo mpagnamboatsy zay niasa tao an-tempolin'i yaveh io, 12 sady ho gnan'ireo mpanao tragno voho reo mpikapoky vato, mba hivilia hazo voho vato voakapa mba hagnamboara gny tempolin'i yaveh, voho ho gnan'ny raha iaby ila ho vily hagnamboara gnan'io. 13 Fa gny drala nandesy tao an-tragnon'i Yaveh la tsy nagnomeza hiviliana finga volafoty, meso, koveta, trompetra, na fanaky volafoty na volamena ho gnan'io. 14 Namean-drozy gnan'ireo ze nanao gny asa fagnamboara lay tragnon'i Yaveh io drala io. 15 Fagnampin'io, tsy nangataky gny drala namea hanaova fagnamboara mba ho isan'ireo johary ze nandramby gnan'io rozy sady nagnome gnan'io ho gnan'ireo mpiasa, fotony marina reo johary reo. 16 Fa gny drala ho gnan'ny fagnatitsy nohon'ny heloky voho gny fagnatitsy noho gny ota la tsy nandesy tao an-tempolin'i Yaveh, mfotony gnan'ireo mpisoro io. 17 Sady nanafiky voho nialy tamin'i Gata Hazaela mpanjakan'i Syria, sady nahazo gnan'io. Bakeo la nitoliky hanafiky gnan'i Jerosalema Hazaela. 18 Nalan'i Joasy mpanjakan'i Joda gny raha iaby zay natokan'i Josafata voho Jehorama sady ahazia reo razambeny, reo mpanjakan'i Joda, voho reo volamena hita tao amin'ny efitsy fitehiriza tao an-tragnon'i yaveh voho gny mpanjaka sady nandefa reo tany amin'i Hazaela mpanjakan'i Syria. La lasa niala tao Jerosalema Hazaela. 19 Laha gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Joasy, zay iaby nataony, moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'i Joda va io? 20 Nitsanga reo mpanompony sady niara-nanao tetiky; notafihan-drozy tagny Beti-milo Joasy, agny amin'ny lala mizotso magnagny Sila. 21 Nampisikin'i Jozakara anaky lahin'i Simata, voho Jozabada anaky lahin'i Somera, mpanompony ie, ka maty. nalevin-drozy niaraky tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanan'i davida Joasy, sady Amazia , anany lahy ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.