Toko faha 13

1 Tamin'ny tao faha roapolo teloamby naha-mpanjakan'i Joda gnan'i Joasy anaky lahin'i Ahazia, ro nanomboky nanjaka teo amin'Israely tagny Samaria Joahaza; folo fitoamby tao ie ro nanjaka. 2 Nanao zay raty teo imason'i Yaveh ie sady nagnaraky reo fahotan'i Jeroboama anaky lahin'i Nebata, zay nahatonga gnan'Israely hanota; sady tsy niala tamin'io Joahaza. 3 Niretsy tamin'Israely gny fahatezeran'i Yaveh, sady nanolotsy gnan-drozy tegny an-tagnan'i hazaela mpanjakan'i Syria hatragny Ie sady tegny an-tagnan'i Beni-hadada anaky lahin'i Hazaela. 4 Ka la niangavy gnan'i Yaveh Joahaza, sady nijanjy gnazy Ie fotony hitany gny fampijalia gny israely, gny fomba nampijalian'ny mpanjakan'i Syria gnan-drozy. 5 Ka namean'i Yaveh mpamonjy gny israely, sady nitsoaky bakamin'ny tanan'ireo Syria rozy, sady gny anak'Israely nanomboky nipetraky tagny amin'ireo fipetrahany araky ze nanagnan-drozy taloha tagny 6 Ndra la io anefa, la tsy niala tamin'ireo fahotan'ny avorohotan'i Jeroboama rozy, zay nahatonga gny Israely hanota, sady nanohy gnan'io rozy, sady gny baon'Aseraha nijano tagny Samaria. 7 Ka nagnenga gnan'i Joahaza reo Syriana niaraky tamin'ny mpandain-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, sady miaramila an-tomboky raiky haly fotsiny, fa gny mpanjakan'i Syria fa nandrava gnan-drozy, sady nanao gnan-drozy manahaky gny akata amin'ny fotoam-pikosoham-bary. 8 Laha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky gnan'i Joahaza, voho zay nataony iaby sady gny fahefany, moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely va io? 9 Ka nimaty tagny amin'ireo razany Joahaza, sady nandevy gnazy tagny Samaria rozy. La Joasy anaky lahiny ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 10 Tamin'ny faha telopolo fitoamby tao naha-mpanjakan'i Joda gna'i Joasy , gny fanjakan'i Joasy anaky lahin'i Joahaza la nanomboky teo amin'Israely tagny Samaria; folo enignamby tao ro nanjakany. Nanao zay raty teo amason'i Yaveh ie. 11 Mbo tsy niala tamin'ireo fahotan'i Jeroboama anaky lahin'i Nebata ie, zay nampahatonga gnan'Israely hanota, fa ingo tagny amin'iregny ro nandehanany. 12 Laha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky gnan'i Joasy, voho ze nataony iaby, sady gny heriny tamin'izay nialiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Israely va io? 13 La nimaty tagny amin'ireo razambeny i Joasy, sady i Jeroboama ro nipetraky teo amin'ny seza fiandrianany. La nalevy niaraky tamin'ireo mpanjaka tagny Samaria i Joasy. 14 Sady noho gny arety raiky ze nahafaty gnazy i Elisa tafara tatoy , ka nizotso tagny amin'i Joasy mpanjakan'Israely sady nitagny teo aminy. Hoy ie hoe:" Ry raiko, ry raiko, reo kalesin'ny Israely voho gny mpandain-tsoavaly ro mangalaky gnanao!" 15 La hoy Elisa taminy:" Mangala tsipika voho ana-tsipikja maromaro Joasy. 16 Hy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely hoe:' Ataovo eo amin'ilay tsipika gny tagnanao, ka nataony teo amin'io gny tagnany. Bakeo napetrak'i Elisa teo amin'ny tagnan'ny mpanjaka gny tagnany. 17 Hoy i Elisa hoe:' Sokafo magnantignana gny varavarakely." La nosokafany io. La hoy Elisa hoe:' Tifiro," ka nitifitsy ie. La hoy i Elisa;' Io ro ana-tsipikam-pandresen'i Yaveh, ana-tsipikam-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafiky reo Syria agny Afeka iha mandra-pahalevonao an-drozy." 18 La hoy Elisa hoe:" Rambeso reo ana-tsipika, " ka norambesin'i Joasy reo. La hoy ie tamin'ny mpanjakan'Israely hoe:' Kapohy amin'iregny gny tany,' Ka namango gny tany intelo ie, sady nijano bakeo. 19 Fa ingo masiaky taminy lay joharin-Dranagnahary ka nanao hoe:' Tokony indimy na igneny ro namelezanao gny tany. bakeo la tokony nanafiky gnan'i Syria iha mandra-paharinaganao gnan'io, nefa amizao intelo avao ro hanafiky gnan'i Syria." 20 Bakeo la maty Elisa, sady nandevy gnazy rozy. sady nisy andiana Moabita nanafiky gny tany tamin'ny fiatombohan'ny tao. 21 Laha nandevy lay johary rozy, la nahita andiana Moabita raiky ie, ka nanipy lay vata tao am-pasan'i Elisa. Laha vantany vao nahakasiky gny taolan'i Elisa gny vata mangatsiak'ilay johary, la velo ndraiky sady nitsanga. 22 Nampijaly reo Israely tamin'ny andron'i Joahaza mpanjaka iaby Hazaela mpanjakan'i syria. 23 Nefa namindra fo gny Israely Yaveh, ka nangoraky an-drozy sady nihantra gnan-drozy, noho gny fanenkem-pihavana nataony tamin'i abrahama, Isaka, voho jakoba. Ka tsy nandringa gnan-drozy Yaveh, sady mbo tsy nandroaky gnan-drozy tamin'ny fagnatrehany Ie. 24 Maty Hazaela mpanjakan'i Syria, ka Beni-hadada anaky lahiny ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 25 Nampimpoly reo tana zay nala tamin'i Joahaza rainy tamin'ny aly tamin'i Benihadada anak'i Hazaela Joasy anak'i hazaela. Intelo Joasy ro nanafiky gnazy, sady nangalaky gny tanan'israely reo ndraiky ie.