Toko faha 14

1 Tamin'ny faharoe tao naha-mpanjaka gnan'i Joasy anaky lahin'i Joahaza, mpanjakan'Israely, la nanomboky nanjaka Amazia anak'i Joasy, mpanjakan'i Joda. 2 Roapolo limy amby tao ie ro nanomboky nanjaka; nanjaka roapolo sivy amby tao tao Jerosalema ie. Gny agnaranan'ny reniny la Joadana, bakagny Jerosalema. 3 Nanao zay to teo imason'i Yaveh ie., fa tsy manahaky gnan'i Davida rainy. Ie la nanao gny raha iaby zay nataon'i joasy rainy. 4 Fa ingo tsy nala reo toera abo. Nanohy nanao soro voho nagnoro ditin-kazo magnitsy tegny amin'ireo toera abo reo gny olo. 5 Sady laha vantany vao tafapetraky soa gny fitondrany, la novonoa reo mpanompo zay namono gny rainy, la gny mpanjaka. 6 Fa mbo tsy novonoany gny anak'ireo mpamono olo, fa nanao araky gny voasoratsy tao amin'ny lalagna, tao amin'ny Gny Bokin'i Mosesy koa ie, araky gny fa nandidian'i Yaveh, nanao hoe:" Tsy tokony ho vonoa noho gny fahotan'ireo anany reo ray, na ho vonoa noho gny fahotan'ireo ray aman-dreniny reo anany. fa gny olo kirakiraiky koa la tokony ho vonoa noho gny fahotany manoka." 7 Namono miaramila Edomita raiky haly ie tao amin'ny Lohasahan-tsira ie; nalany tagny agn'aly avao koa Sela, sady nikaihy hoe:' joktela, zay fikahia gnazy mandraka androany. 8 Sady nandefa mpanday hafatsy ho agny amin'i Joasy anaky lahin'i Joahaza, anaky lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely Amazia nanao hoe:' avia, ndao tsika hifagnandry agny agn'aly' . 9 Fa ingo Joasy mpanjakan'Israely la nandefa mpanday hafatsy himpoly tagny amin'i amazia mpanjakan'i Joda, nanao hoe:' Gny fatiky ze tagny Libanona la nampandesy hafatsy ho gnan'ny sedera tao Libanona, nanao hoe:' Omeo ho valin'ny anako lahy gny anakao ampela, Fa ingo nisy biby lia nandalo sady nagnitsaky lay fatiky. 10 Fa nanafiky gnan'i Adoma tokoa iha fa nanandratsy gnanao gny fonao. Mirehareha amin'ny fandresenao, fa ingo mijanogna ao an-tragno, fa nagnino iha ro tokony hagnankoronta voho nandavo gny avtanao, la iha voho Joda niaraky taminao?" 11 Fatsy nijanjy Amazia. ka nanafiky Joasy mpanjakan'Israely sady nifagnati-tava tao Bety-semesy ie voho Amazia, mpanjakan'i joda, zay gnan'i Joda. 12 Resin'Israely joda, sady nandositsy noly gny johary iaby. 13 Nosamborin'i Joasy mpanjakan'Israely tao Beti-semesy Amazia mpanjakan'i Joda anak'i Joasy anaky lahin'i Ahazia. Avy tao Jerosalema ie sady nandroda gny rindry nanomboky teo amin'ny vavahadin'i Efraima hatragny amin'ny vavahady Zorony efajato hakiho gny halaviriny. 14 Nalany iaby gny volamena voho gny volafoty iaby, reo raha iaby hita tao an-tragnon'i Yaveh, voho reo raha manan-danja iaby tao amin'ny lapan'ny mpanjaka, niaraky tamin'ireo takalon'ay avao koa, sady nimpoly tagny Samaria ie. 15 Laha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky gnan'i Joasy, ze iaby nataony , gny fahefany, sady gny fomba nialiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy fa voasoratsy ao agnatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely va io? 16 Sady nimaty niaraky tamin'ireo razambeny Joasy sady nalevy tagny Samaria niaraky tamin'ireo mpanjakan'Israely, sady Jeroboama, anany lahy ro lasa mpanjaka namdimby gnazy. 17 Amazia anak'i Joasy, mpanjakan'i Joda, la niay folo limy amby tao tafaran'ny nahafatesan'i Joasy, anak'i Joahaza, mpanjakan'Israely. 18 Laha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky gnan'i Amazia, moa tsy fa voasoratsy ao agnatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda va io? 19 Nanao tetiky hagnoregna gnan'i Amazia tao Jerosalema rozy, sady nandositsy tagny Lakisy ie, fa ingo nandefa johary hagnaraky gnazy tagny Lakisy rozy sady namono gnazy tagny. 20 Nandesin-drozy nimpoly tamin'ny soavaly ie, sady nalevy niaraky tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanan'i Davida. 21 Gny fokonolon'i Joda iaby la nangalaky gnan'i Azaria, zay folo enignamby tao, sady nanao gnazy ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Amazia rainy. 22 Azaria ro nagnory ndraiky gnan'i Elota sady nampimpoly gnan'io tao Joda, sady nimaty niaraky tamin'ireo razambeny Amazia. 23 Tamin'ny faha folo limiamby tao naha-mpanjaka gnan'i Amazia, anaky lahin'i Joasy mpanjakan'i Joda, ro nanombohan'i Jeroboama anaky lahin'i Joasy mpanjakan'Israely nanjaka tao Samaria; nanjaka nandritsy gny efapolo raiky amby tao ie. 24 nanao raty teo imason'i Yaveh ie. tsy niala tamin'ireo fahota nataon'i Jeroboama anaky lahin'i Nebata ie, ze nahatonga gny Israely hanota. 25 Nampimpoly gny sisin-tanin'Israely nanomboky teo Lebo Hamata hatragny amin'ny Ranomasin'ny araba ie araky gny safan'i Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely, ze fa noresahany tamin'i Jona mpanompony anak'i Amitahy, lay mpaminany, bakagny Gata-hefera. 26 Fa hitan'i Yaveh gny fijalian'Israely, ze tena nafaitsy tamin'ny kirakiraiky, na gny andevo na gny afaky, sady tsy nisy mpagnavotsy gny Israely. 27 Ka nivola Yaveh fa tsy hanimba gny agnaran'Israely eo amin'ny ambany lagnitsy Ie, fa novonjeny tamin'ny alalan'ny tagnan'i Jeroboama anak'i Joasy koa rozy. 28 Laha gny amin'ireo raha hafa mahakasiky gnan'io Jeroboama reo iaby zay nataony, gny fahefany, gny hialinay voho nagnampoliany gnan'i Damaskosy voho Hamata, ze gnan'i Joda, ho gnan'Israely, moa tsy fa voasoratsy ao main'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely va io? 29 Nimaty niaraky tamin'ireo razambeny jeroboama, niaraky tamin'ireo mpanjakan'Israely, sady Zakaria anaky lahiny ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.