Toko faha 15

1 Tamin'ny tao faha roapolo fitoamby tao nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'Israely , ro nanomboky nanjaka Azaria anaka'i Amazia mpanajakan'i Joda. 2 Folo enignamby tao Azaria ro nanomboky nanjaka, sady nanjaka tao Jerosalema nandritsa gny dimampolo roamby tao ie. jekolia ro agnaran-dreniny, sady bakagny Jerosalema ie. 3 Nanao to teo imason'i Yaveh ie, maraky zay nataon'i Amazia rainy. 4 Ndra la io aza tsy mba nala reo toera abo. Mbo nanao soro voho nagnoro ditin-kazo magnitsy teo amin'ireo toera abo avao gny olo. 5 Nampahory gny mpanjaka Yaveh hany la boka hatramin'ny andro nahafatesany ie sady nippetraky tao aminy tragno misara-toera. Jotama, anaky lahin'ny mpanjaka, ro lohan'ny avorohota sady nanapaky teo amin'ny fokolonolo tao amin'ny tany. 6 Sady amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Azaria, voho ze iaby nataony, moa va tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda va io? 7 Ka nimaty niaraky tamin'ireo razambeny Azaria, nalevin-drozy tagny amin'ny tanana'i Davida tamin'ireo razambeny ie. I Jotama, anaky lahiny , ro lasa mpanjaka nandimby gny toerany. 8 Tamin'ny faha telopolo valoamby tao nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, la Zakaria anak'i Jeroboama ro nanjaka teo amin'Israely tagny Samaria nandritsa gny enim-bola. 9 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh ie, manahaky gny nataon'ireo razany. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama anak'i Nebata, ze nahatonga gny Israely nanota ie. 10 Nikononkono hanohitsy gnan'i Zakaria Saloma anak'i Jabesy, nanafiky gnazy tagny Ibleama, sady namono gnazy. la lasa mpanjaka nandimby gny toerany ie. 11 Gny amin'ny raharaha hafa mahakasiky gnan'i Zakaria, la voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely reo. 12 zao ro safagnin'i Yaveh zay nambarany tamin'i Jeho, manao hoe:' Hipetraky eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny avorohotana fahaefatsy manidimby gny avorohotanao." La nitranga io. 13 Nanomboky najaka Saloma anak'i Jabesy tamin'ny faha telopolo siviamby tao nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, sady nanjaka vola raiky monja tao Sa maria ie. 14 Sady niakatsy bakagny Tirza ho agny Samaria i Menahema anak'i Gady. Tagny ro nanafihany gnan'i Saloma anak'i Jabesy, tao Samaria. nahafaty gnzy ie ka lasa mpanjaka nandimby gny toerany. 15 Gny amin'ny raharaha hafa mahakasiky gnan'i saloma voho gny avorohota narafiny, la voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely io 16 La nanafiky gnan'i Tifsa voho reo iaby teo, voho gny sisin-tany nagnodidy gnan'i Trza Menahema, fotony tsy novohan-drozy ho gnazy gny tana. Ka notafihany io, sady natatahany iaby reo ampela bevohoka tao amin'io tana io. 17 Tamin'ny faha telopolo siviamby tao nanjakan'i azaria mpanjakan'i Joda la nanomboky nanjaka teo amin'Israely Menahema anak'i Gady,; nanjaka nandritsa gny folo tao Samaria ie. 18 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh ie. Nandritsa gny androm-piaignany , la tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama anak'i Nebata ie, ze nahatonga gny Israely nanota. 19 Sady avy nanohitsy gny tagny Pola mpanjakan'i Asyria sady namean'i Manehema talenta volafoty arivo Pola, mba homba gnazy gny fanohagnan'i Pola ka hampitanjakay gny fanjakan'Israely teo an-tagnany. 20 Nalan'i Menahama bakamin'ny Israely tamin'ny alalan'ny fitakia gny olo mana kanagna kirakiraiky mba handoa sekely volafoty dimampolo aminy mba hamea gny mpanjakan'i Asyria io drala io. Ka nitodi-doha himpoly gny mpanjakan'i Asyria sady tsy nipetraky tao amin'ny tany. 21 Laha gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Mebahema, voho reo iaby nataony, moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely va io? 22 sady nimaty niaraky tamin'ireo razambeny Menahema, ka Pekahia anany ro lasa mpanjaka nandimby gny toerany. 23 Sady tamin'ny faha dimampolo tao nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda , ro nanomboky nanjaka teo amin'Israely tao Samaria Pekahia anak'i Menahema; nanjaka nandritsa gny roe tao ie. 24 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh ie. Tsy mba nagnary gny fahotan'i Jeroboama anak'i Nebata, zay nahatonga gny Israely nanota ie. 25 Nana lefitra raiky nikaihy hoe:'Peka anak'i Remalia i Pekahia, zay nikonokono hanohitsy gnazy. Niaraky tamin'ireo dimampolo lahin'i Gileada, la namono gnan'i Pekahia voho Argoba voho Aria atgny Samaria Peka tao amin'ny tragno mimandan'ny lapan'ny mpanjaka. Novonoan'i Peka Pekahia sady ie ro lasa mpanjaka nandimby gny toerany . 26 Laha gny amin'ny raharaha hafa mahakasiky gnan'i Pekahia voho reo iaby nataony la voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo Mpanjakan'Israely io. 27 Tamin'ny faha dimampolo roamby tao nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, ro nanombohan'i Peka anak'i Remalia nanjaka teo amin'Israely tao samaria; nanjaka nandritsa gny roapolo tao ie. 28 Nanao zay raty teo imasim'i Yaveh ie. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama anak'i Nebata, zay nahatonga gny Israely nanota ie. 29 Tamin'ny andron'i Peka mpanjakan'Israely , la avy ka nangalaky gnan'Iona, abela-beti-maka Jnoa, Kadesy, Hazora, Gileada, Galilia, sady gny tanin'i Naftyaly iaby i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Sady nanday gny fokonolo fikonokonoa nanohitsy gnan'i Peka anak'i Remalia Hosea anka'i Ela. Nanafiky gnazy ie ka nahafaty gnazy. La avy mpanjaka nandimby gny toerany ie, tamin'ny faharoapolo tao nanjakan'i Jotama anak'i Ozia. 31 Laha gny amin'ny raharaha hafa mahakasiky gnan'i Peka, voho zay iaby nataony, la voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely io. 32 Tamin'ny tao faharoe nanjakan'i Peka anak'i remalia , mpanjakan'Israely, la nanomboky nanjaka i Jotama anak'i azaria, mpanjakan'i Joda. 33 Roapolo limiamby tao ie fony nanomboky nanjaka; nanjaka nandritsa gny folo enignamby tao tao Jerosalema ie. Jerosa ro agnaran'ny reniny; anaky ampelan'i Zadoka ie. 34 Nanao zay to teo amason'i Yaveh jotama. Nagnaraky gny ohatsy iaby ze nataon'i Azaria rainy ie. 35 Kanefa ,tsy mba nala reo toera abo. Mbo nanao soro voho nagnoro ditin-kazo magnitsy teo amin'ireo toera abo avao gny fokonolo. Nantsangan'i Jotama gny vavahady agnabon'i Yaveh. 36 Laha gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Jotama, voho zay iaby nataony, moa va tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda io? 37 Tamin'i andro io Yaveh la nanomboky nagniraky gnan'i Rezina mpanjakan'i arama voho Peka anak'i remalia, hanohitsy gnan'i Joda. 38 Nimaty naraky tamin'reo razambeny i Jotama sady nalevy niaraky tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanan'i davida, razany. sady Ahaza anaky lahiny ro lasa mpanjaka nandimby gny toerany.