Toko faha 16

1 Tamin'ny faha folo fitoamby tao nanjakan'i Peka anak'i Remalia, ro nanomboky nanjaka Ahaza anak'i Jotama mpanjakan'i Joda. 2 Roapolo tao Ahaza ro nanomboky nanjaka, nanjaka nandritsa gny folo fitoamby tao tao Jerosalema ie. tsy nanao zay marina teo amason'i Yaveh Ndranagnahary, manahaky nataon'i Davida razambeny ie. 3 Fa koa , nagnaraky gny lalan'ireo mpanjakan'Israely ie; nataony tao agnaty bolo fagnatitsy oroa gny anany ahy ho fagnaraha reo famianara ratin'ireo firenena, ze fa nirambesin'i Yaveh teo agnatrehan'ny fokonolon'Isarely. 4 nanolotsy fagnatitsy ie sady nandoroditin-kazo magnitsy tagny amin'ireo toera abo, tegny amin'ireo havaoa, sady tegny ambanin'ny hazo maitso iaby. 5 Sady Rezina, mpanjakan'i Syria voho Peka anak'i Remalia, mpanjakan'Israely la niakatsy mba hanafiky gnan'i Jerosalema. Nanao fahirano gnan'i ahaza rozy, nefa tsy naharesy gnazy rozy. 6 Tamin'io fotoa io, i Rezina mpanjakan'i Syria la nimpoly nangalaky gnan'i Elota ho gnan'i syria sady nandroaky reo olon'i Joda gann'i elota bakeo la nagnagny Elota reo Syria agny amin'izay fa nipetrahan-drozy mandra androany. 7 Ka nandefa mpanday hafatsy ho agny amin'i Tiglato-pilesera mpnajakn'i Asdyria Ahaza, manao hoe:' Mpanomponao aho sady anakao." ' Mitsangana sady vonjeo eo amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria voho gny tanan'ny mpanjakan'Israely, zay fa nanafiky ahy aho." 8 La nalan'i ahaza gny volafoty voho gny volamena zay hitany tao an-tragnon'i Yaveh voho teo amin'ireo hanagnan'ny lapan'ny mpanjaka sady nalefany ho fagnomeza ho gnan'ny mpanjkan'i asyria io. 9 La nijanjy gnazy gny mpanjakan'i Asyria, sady niakatsy nanohitsy gnan'i Damaskosy gny mpanjakan'i asyria, nandresy gnan'io voho nangalaky reo fokonolo ho gadra ho gnan'i Kira. Novonoany avao koa Rezina mpanjakan'i Syria. 10 Nandeha tagny Damaskosy Ahaza mpanjaka mba hihaona amin'i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Nahita alitara raiky tao Damaskosy ie. nandefa gny modely voho gny sarin'ny alitara sady gny endriky gny asa ila iaby tagny amin'i Oria mpisoro ie. 11 Oria mpisoro la nagnamboatsy alitara mitovy amin'ireo firafitsy fa nalefan'i Ahaza mpanjaka bakagny Damaskosy. Novitany talohan'ny nimpolian'i Ahaza mpanjka bkagny Damaskosy io. 12 Lafa avy bakagny Damaskosy gny mpanjaka la nahita gny alitara; namonjy gny alitara gny mpanjaka sady nagnatriky fagnatitsy teo amin'io. 13 Nanao fagnatitsy oroa voho fagnatitsy vary ie, sady nandraraky gny fagnatitsy finomy voho namafy gny ra amin'ny fanati-pilongoany teo amin'ny alitara. 14 Gny alitara saba zay teo agnatrehan'i Yaveh__ la nalany teo agnatrehan'ny tempoly, bakeo agnelagnelan'ny alitarany voho gny tempolin'i Yaveh sady nataony teo amin'ny faritsy avaratsy gny alitarany io. 15 Bakeo la nandidy gnan'i Oria mpisoro Ahaza mpanjaka, nanao hoe;' Eo agnabon'ny alitara bevata ro hagnoroa gny fagnatitsy oroa gny maray sady gny hariva la gny fagnatitsy vary, sady reo fagnatitsy doran'ny mpanjaka voho fagnatitsy vary, miaraky amin'ireo fagnatitsy doran'ny fokonolon'ny tany iaby, voho reo fagnatitsy finomin-drozy . Afafazo eo agnabon'io gny ra iaby bakamin'ny fagnatitsy oroa, voho ra iaby bakamin'ny soro. Fa gny alitara saba la ho gnahy mba fo fangala torohevitsy. 16 La nanao araky zay nandidian'i ahaza mpanjaka gnazy Oria mpisoro. 17 Bakeo la nalan'i Ahaza mpanjaka teo amin'ny tsangana azo afindra reo takelaky voho reo koveta; nazotsony avao koa gny koveta teo amin'ny aomby saba zay teo ambanin'io sady napetraky teo amin'ny lampivato io. 18 Noho gny mpanjakan'i Asyria , la nlany reo fandrakofa ho gnan'ny Sabata zay fa namboaran-drozy tao an-tempoly, mbamin'ny filiran'ny mpanjaka teo ivelan'ny tempolin'i Yaveh. 19 Laha gny raharaha hafa mahakasiky gnan'i Ahaza voho zay nataony, moa tsy fa voasoratsy ao agnatin'ny bokin'ny tantaran'ireo Mpanjakan'i Joda va io? 20 Nimaty voho nalevy niaraky tamin'ireo razany tao an-tanan'i davida Ahaza. Lasa mpanjaka nandimby gnazy Hezekia anaky lahiny.