Toko faha 24

1 Tamin'ny andron'i Joiakima , la nanafiky gnan'i Joda Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona; lasa mpanompony nandritsa gny telo tao i Joiakima. Sady niodiky nikomy nanohitsy gnan'i Nebokadnezara Joiakima. 2 Nandefa reo tafiky Kaldeana, Syria Moabita sady Amonita hanohitsy gnan'i Joiakima Yaveh; nalefany hanohitsy gnan'i Joda mba handrava io rozy. Mifagnaraky amin'ny tenin'i Yaveh, zay nolazainy tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony io. 3 Azo antoky fa tamin'ny vavan'i Yaveh ro nahatonga gnan'io tamin'i Joda, mba hanala gnazy tsy ho eo amasony nohon'ny fahotan'i Manase, la zay iaby nataony, 4 sady nohon'ny ra tsy manan-tsiny zay nalatsany avao koa, fotony nofenoany tamin'ny ra tsy manan-tsiny Jerosalema. Tsy nivonona gny hamela gnan'io i Yaveh. 5 Laha gny amin'ireo raharaha hafa iaby mahakasiky gnan'i Joiama, voho zay nataony iaby, moa tsy tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda va io? 6 Nimaty niaraky tamin'ireo razambeny Joiakima, sady Joiakina anany lahy ro lasa mpanjaka nandimby gnazy. 7 Tsy nanafiky tagny ivelan'ny taniny sasy gny mpanjakan'i Egypta, fotony gny mpanjakan'i Babylona la fa nandresy gny tany iaby zay teo ambany fifehezan'ny mpanjakan'i Egypta,hatramin'ny lohasahan-driakan'i Egypta ka hatramin'ny renirano Eofrata. 8 Folo valoamby tao Joikina ro nanomboky nanjaka; nanjaka telo vola tagny Jerosalema ie. Gny agnaran'ny reniny la iNehosta; anaky ampelan'i Eltana bakagny Jerosalema. 9 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh ie; nanao zay iaby nataon'ny rainy ie. 10 Tamin'io fotoa io gny tafik'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona la nanafiky gnan'i Jerosalema ka nanao fahirano gny tana. 11 Avy teo an-tana Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona laha mbo nanao fahirano io gny miaramilany, 12 sady Joiakina mpanjakan'i Joda nagnagny amin'ny mpanjakan'i babylona, ie gny reniny, reo mpanompony, reo andriany, voho reo manampahefany. Nanambotsy gnazy gny mpanjakan'i babylona tamin'ny tao fahavalo nanjakany. 13 nalan'i Nebokadnezara bakao iaby reo raha sarobidy iaby tao an-tragnon'i Yaveh, voho reo tao an-dapan'ny mpanjaka. Notapatapahany gny raha volamena iaby zay nataon'i Solomona mpanjakan'Israely tao amin'ny tempolin'i Yaveh araky zay nolazain'i Yaveh fa hitranga. 14 Nataony sesitany Jerosalema manontolo, gny mpitariky iaby, voho reo johary mpialy iaby, babo raiky haky, voho reo mpanao tao-raha, sady reo mpanefy iaby. Tsy nisy nengany hijano afa-tsy reo olo mahantra indrindra teo amin'ny tany. 15 Nalan'i Nebokadnezara ho sesitany tao Babylona Joiakina, mbamin'ny renin'ny mpanjaka, reo valiny, reo manam-pahefany, sady reo lehiben'ireo johary teo amin'ny tan. nalany ho sesitany bakagny Jerosalema nagnagny babylona rozy. 16 Reo johary mpialy iaby , miisa fito arivo, mpanao asa tagna voho mpanefy vy ray aly , rozy iaby la natao ho amin'ny aly iaby__gny mpanjakan'i Babylona nanday reo johary iaby reo ho sesitany ho agny Babylona. 17 nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka handimby gnazy Matania, rahalain-drain'i Joikina, sady novany ho Zedekia gny agnarany. 18 Roapolo raikamby tao Zedekia ro nanomboky nanjaka; nanjaka nandritsa gny folo raikamby tao tagny Jerosalema ie. Hamotala ro agnaran'ny reniny; anaky ampelan'i Jeremia bakagny Libna. 19 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh ie; nataony zay iaby nataon'i Joiakima. 20 Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh, ro nisehoan'ireo tranga iaby reo tagny Jerosalema voho Joda, mandra-pandroahany gnan-drozy tsy ho eo amin'ny fagnatrehany. Sady la nagniry gny nanohitsy gny mpanjakan'i Babylona Zedekia.