Toko faha 25

1 Sady tamin'ny tao fahasivy nanjakan'i Zedekia mpanjaka, tamin'ny vola fahafolo, sady tamin'ny andro fahafolon'ny vola, la avy hanohitsy gnan'i Jerosalema Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona voho reo tafiny iaby. Nitoby teo agnilan'io ie sady nanangan-drozy rindry magnodidy io. 2 ka la natao fahirano hatramin'ny faha folo raikamby tao nanjkan'i Zedekia mpanjaka gny tana. 3 Tamin'ny andro fahasivin'ny vola fahaefatsy tamin'io tao io la namely mare gny mosary tao an-tana ka tsy nisy sakafo ho gnan'ny fokonolon'ny tany. 4 La vaky gny tana, sady gny johary mpialy iaby nandositsy tamin'ny haly bakeo lalan'ny vavahady teo agnelagnelan'ireo rindrindy roe, zay eo amin'ny zaridainan'ny mpanjaka, ndra la nagnodidy gny tana iaby aza reo Kaldeana. Nandeha tamin'ny lala magnagny Araba gny mpanjaka. 5 Kanefa nagnenjiky gnan'i Zedekia mpanjaka gny tafik'i Kaldeana ka nahatratry gnazy teo amin'ny lemaky gny lohasahan-dreniranon'i Jordana agnilan'i Jeriko. Sady niparitaky niala taminy gny tafiny manontolo. 6 Nosamborin-drozy gny mpanjaka sady nandesy niakatsy tagny amin'ny mpanjakan'i babylona tagny ribla, tagny rozy ro nitsara gnazy. 7 Laha gny amin'ireo anaky lahin'i Zedekia koa, novonoan-drozy teo amasony rozy. bakeo la nopotsirin-drozy gny masony nofehen-drozy gny masony nifeheny tamin'ny rojo saba ie, sady nandesiny tagny Babylona. 8 Tamin'ny vola fahalimy, tamin'ny andro fahafiton'ny vola, zay tao faha folo siviamby nanjakan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona la nagnagny Jerosalema, Nebokadnezara mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona voho lehiben'ireo mpiambiny. 9 Noroany gny tragnon'i Yaveh gny lapan'ny mpanjaka, sady gny tragno iaby tao Jerosalema; sady noroany avao koa zay tragno bevata manan-danja iaby tao an-tana. 10 Sady rindry magnodidy gnan'i Jerosalema iaby, la nopotehin'ireo tafiky Babyloniana zay teo ambany fifehezan'ny lehiben'ny mpiambina. 11 Laha gny amin'ireo fokonolo zay sisa tavela tao an-tana, reo zay nagnenga gny mpanjakan'i Babylona sady reo fokonolo ambiny_la nalefan'i Nebokadnezara, mpifehy gny mpiamby an-tsesitany rozy. 12 Kanefa gny lehiben'ny mpiamby la namela gny sasany tamin'ireo mahantra mareo amin'ny tany mba hiasa reo tanim-boaloboky voho reo saha. 13 Sady amin'ireo andry saba zay tao an-tragnon'i Yaveh, voho reo tsanga sady tao an-tragnon'i Yaveh la nopotepotehin'ireo Kaldeana sady nandesin-drozy nimpoly tagny Babylona gny saba. 14 reo valagny lapely, fipetrahan-jiro sotro, voho reo fanaky saba iaby zay fampiasan'ny mpisoro eo an-tempoly__ la nalan'ireo Kaldeana iaby . 15 Gny valagny famafazan-davegno voho gny finga zay vita tamin'ny volamena, sady vita tamin'ny volafoty__ la nalan'ny kapitenin'ny mpiambin'ny mpanjaka avao koa. 16 Reo andry roe, gny koveta voho reo tsangana zay nataon'i Solomona ho gnan'ny tragnon'i Yaveh la misy saba tsy hita h lanja. 17 Gny haabon'ny andry voalohany la folo valoamby hakiho sady nihaingo kapitaly saba gny tampon'io. Teo hakiho gny haabon'ilay kapitaly miaraky amin'ny harato voho ampongaben-dagnitsy magnodidy lay kapitaly iaby nata tamin'ny saba iaby. Mitovy amin'ilay harato voalohany avao lay raiky hafa. 18 Nalan'ny lehiben'ny mpiamby Seraia lehiben'ny mpisoro niaraky tamin'i Zefania mpisoro faharoe sady reo mpiamby vavhady teo. 19 Bakao an-tana ie ro nangalaky tandapa raiky ho gadra zay niandraikitsy reo miaramila, sady limy lahy tamin'ireo la mpagnome hevitsy gny mpanjaka, zay mbo tao an-tana. Nogadrany avao koa lay manam-pahefan'ny tafiky gny mpanjaka zay miandraiktsy reo johary miofa ho ao amin'ny tafiky, niaraky tamina enimpolo lay manan-kaja bakamin'ny tany ao an-tana. 20 sady Nebozaradana, lehibewn'ny mpiamby , nangalaky sady nanday gnan-drozy tagny amin'ny mpanjkan'i babylona tagny Ribla. 21 Novonoan'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla tao amin'ny tany Hamata rozy. manahaky gnan'io ro nanaova sesitany gnan'i Joda tagny ivelan'ny taniny. 22 Laha gny amin'ireo fokonolo zay nijano tao amin'ny tanin'i Joda, reo zay nengan'i Nebokadnezara mpanjakan'i babylona la nametraky gnan'i Gedalia anaky lahin'i ahikama anak'i Safana hisafosafo gnan-drozy ie. 23 sady lafa ren'ireo lehiben'ny miaramila iaby, rozy voho reo olony, fa nataon'ny mpanjakan'i babylona governora i Gedalia, la nandeha tagny amin'ny gedalia tagny Mizpa rozy. Reto reo joharahy zao, Ismaela anaky lahin'i Netania, Johanana anaky lahin'i Karea, Seraia anaky lahin'i Tanometa lay Netofatita sady i Jazaniaanaky lahin'ilay Makatita__ rozy voho olon-drozy. 24 Nanao fiaiana tamin-drozy reo voho tamin'ireo olony i Gedalia, sady nivola tamin-drozy hoe:' Ka matahotsy reo manampahefan'i Kaldeana nareo. Mitoera eo amin'ny tany sady manompoa gny mpanjakan'i Babylona, sady ho soa gnanareo io." 25 Kanefa tamin'ny vola fahafito Ismaela anaky lahin'i Elisama, bakamin'ny mpianakavian'ny mpanjaka , la nandeha niaraky taminy folo lahy sady nanafiky gnan'i Gedalia. Maty niaraky tamin'ireo olon'i Joda voho reo Babyloniana zay niaraky taminy tany Mizpa i Gedalia. 26 Sady gny fokonolo iaby, gny kely mare ka hatramin'ny lehibe mare, voho reo lehiben'ny miaramila, la niainga sady nagnagny Egypta, fotony natahotsy gnan'ireo Babyloniana rozy. 27 Tatoy afara tamin'ny faha telopolo fitoamby tao naha-sesitany gnan'i Joakina mpanjakan'i Joda, gny vola faha folo roamby , andro faha roapolo fitoamby vola , la namototsa gnan'i Joakina mpanjakan'i Joda tagny am-ponja Evila-merodaka mpanjakan'i Babylona. Tamin'ny tao nanombohan'i Evila-merodaka nanjaka io ro niseho. 28 Niresaky taminy tamin'ny hasoam-pagnahy voho nagnome seza fiandriana manan-kaja noho gnan'ireo mpanjaka hafa zay niaraky taminy tao Babylona ie. 29 Nalan'i Evila-merodaka gny akanjo maha-gadra gnan'i Joakina, sady i Joakina la nihina teo amin'ny latabatsy gny mpanjaka nandritsa gny androm-piaignany. 30 Nameany solon-tsakafo isan'andro ienandritsa gny androm-piaignany.