Toko faha 23

1 La nagniraky mpanday hafatsy zay nampivory teo aminy reo loholon'i Joda voho Jerosalema iaby gny mpanjaka. 2 La niakatsy tao an-tragnon'i Yaveh gny mpanjaka, voho reo olon'i Joda manontolo niaraky taminy, voho reo mpisoro, reo mpaminany, voho reo fokonolo iaby, hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe. Novakiany teo an-tsofin-drozy gny tenin'ny bokin'ny fagnenkea iaby zay hita to an-tragnon'i Yaveh. 3 Nijoro teo agnilan'ny andry gny mpanjaka sady nanao fagnekea teo agnatrehan'i Yaveh, mba hagnaraky gnan'i Yaveh vohohitandry reo liliny , reo fitsipiny, voho reo lalany, amin'ny fony manontolo voho fagnahiny manontolo mba hagnamafy reo tenin'io fagnenke zay voasoratsy ao amy toy boky toy. Ka la nagnenky hankato gny fagnenke gny fokonolo manontolo. 4 Sady gny mpanjaka nandidy gnan'i Hilkia mpisoro be, reo mpisoro ambany fahefany, voho reo mpiamby vavahady mba hamoaky bakao amon'ny tempolin'i Yaveh reo fanaky iaby zay natao ho gnan'i Bala voho Astarta, voho ho gnan'ireo kintan'ny lagnitsy manotolo. Nagnoro gnan'io tagny ivelan'i Jerosalema tagny an-tsaha tao amin'ny lohasahan'i Kidrona ie sady nanday gny lavenon'ireo tagny Betela. 5 Nagnafoana reo mpisoro mpanompo sampy zay nifilin'ireo mpanjakan'i Joda hagnoro ditin-kazo ,magnitsy tao amin'ireo toera abo tao amin'ireo tanan'i Joda voho tao amin'reo toera nagnodidy gnan'i Jerosalema ie__ la reo zay nagnoro ditin-kazo magnitsy ho gnan'i bala, ho gnan'ny masoandro voho gny vola, ho gnan'ireo Planeta voho ho gnan'ireo kintan'ny lagnitsy manontolo. 6 Namoaky gny baon'Aseraha bakao amin'ny tempolin'i Yaveh ie, tagny ivelan'i Jerosalema tagny an-dohasahani Kidrona sady nagnoro gnan'io teo. Notorotoany ho vovoky io ka nariany teo amin'ireo fasa m-pokonolo io vovoky io. 7 Nodioviny reo efitragnon'ireo johary mpivavaky mivaro-tena zay tao an-tempolin'i Yaveh, zay nagnoregnan'ireo ampela fisikigna ho gnan'i Aseraha. 8 Nanday reo mpisoro iaby tagny ivelan'ny tanan'i Joda i Josia sady nagnoro reo toera abo zay nagnoroan'ireo mpisoro ditin-kazo magnitsy, , nanomboky tao Geba hatragny Beri-sheba, Noravany reo toera abo teo amin'ireo vavahady zay teo amin'ny filira magnagny amin'ny vavahadin'i Josoa( tanan'ny governora) teo amin'ny ilany ankavian'ny vavahadin'ny tana. 9 Ndra la tsy nenga nisoro teo amin'ny alitaran'i Yaveh tao Jerosalema aza reo mpisoron'ireo toera abo reo, la nihina mofo tsy misy masirasira teo amin'ireo rahalahiny rozy. 10 Nolotoan'i Josia Tofeta ze tao aminny lohasahan'i Beni-hinoma, mba tsy hisy olo hagnoro ao agnaty bolo gny anany lahy na gny anany ampela ho soro ho gnan'i Moloka. 11 Nalany reo soavaly zay namoen'ireo mpanjakan'i Joda gny masoandro. Teo amin'ny faritsy teo amin'ny filira ho ao an-tempolin'i Yaveh agnilan'ny efitragnon'i Natana-meleka, tandapa reo. Noroan'i Josia reo kalesin'ny moasoandro. 12 Noravan'i Josia mpanjaka reo alitara zay teo amin'ny tafon'ny efitragnon'i Ahaza farany agnabo, zay namboarin'ny mpanjakan'i Joda, voho reo alitara zay nataon'i Manase eo amin'ireo kianjan'ny tempolin'i Yaveh anakiroe. Notorotoan'i Josia reo sady nariany toa amin'ny Lohasahan-driak'i Kidrona. 13 Noravan'ny mpanjaka reo toera abo antignanan'i Jerosalema, antimon'ny tendrombohitsy gny faharatia zay namboarin'i Solomona mpanjakan'Israely ho gnan'i Astarta, lay sampy maharikorikon'ireo Sidoniana; ho gnan'i Kemosy, lay sampy maharikorikon'i Moaba, voho gnan'i Moloka, lay sampy maharikorikon'ireo fokonolon'Amona. 14 notorotoroany reo tsangam-bato sady nokapainy reo baon'Aseraha sady nofenoany taolan'olombelo reo toera reo. 15 Noravan'i Josia tanteraky avao koa gny alitara zay tao Betela voho gny toera abo zay namboarin'i Jeroboama anaky lahin'i Nebata( lay raiky zay nampanota gny Israely). Noroany avao koa io alitara io voho gny toera abo ka notorotoroany ho vovoky. Noroany avao koa gny baon'Aseraha. 16 Laha nanenty gny faritsy Josia, la kirakiraiky reo fasa zay teo amin'ny havoa. Nagniraky johary mba hangalaky gny taola bakao amin'ireo fasa ie; ka la noroany teo amin'ny alitara reo, zay nandoto gnan'io. Io la araky gny safan'i Yaveh zay nolazain'ny joharin-Dranagnahary, la lay johary zay nivola reo raha reo mialoha. 17 La hoy ie;' Tsangambato ino toy hitako?' Reo joharin'ny tana nivola taminy hoe;' Io la fasan'ny joharin-Dranagnahary zay bakagny Joda sady niresaky momba reo raha zay vao nataonao tamin'ny alitaran'i Betela." 18 La hoy Josia:' Engao io. Tsy misy olo tokony hamindra reo taolany." Ka nengan-drozy , niaraky tamin'ireo taolan'ny mpaminany zay bakagny Samaria gny taolany. 19 La nalan'i Josia reo tragno iaby tagny amin'ireo toera abo ze tagny amin'ireo tanana'i samaria ze nataon'ireo mpanjakan'Israely sady zay nahatonga gnan'i Yaveh hasiaky. Nataony mitovy tsy misy valaky tamin'izay natao tagny Betela reo. 20 Novonoany teo amin'ireo alitara reo mpisoron'y toera abo sady nagnoro taolan'olombelo teo amin'ireo ie. Bakeo nimpoly tagny Jerosalema. 21 La nandidy gny fokonolo iaby gny mpanjaka, nanao hoe:' Tandremo gny Paskan'i Yaveh Ndranagnaharinareo, araky zay voasoratsy ao amy toy bokin'ny Fagnenke toy." 22 Tsy nisy fankalaza gny paska notandrema manahaky gnan'io hatramin'ny andron'ireo mpitsara zay nanapaky teo amin'israely, na tamin'ireo mpanjaka zay nanapaky gny Israely na tamin'ireo andron'ireo mpanjakan'Israely na Joda manontolo. 23 Fa tamin'ny tao faha folo valoamby nanjakan'i Josia mpanjaka ro nankalaza tagny Jerosalema io Paskan'i Yaveh io. 24 Noroahin'i Josia avao koa reo zay niresaly tamin'ny maty na tamin'ny fagnahy. Noroahy avao koa reo terafima, reo sampy, voho reo raha mambangaroharo iaby zay hita tao amin'ny tanin'ny Joda voho tagny Jerosalema mba hagnamafisa reo tenin'ny lalagna zay voasoratsy tao amin'ny boky zay hitan'i Hilkia mpisoro tao an-tragnon'i Yaveh. 25 Talohan'i Josia, la mbo tsy nisy mpanjaka manahaky gnazy, zay nimpoly tamin'i Yaveh tamin'ny fony manontolo gny fagnahiny manontolo, voho gny heriny manontolo, ze nagnaraky gny lalan'i Mosesy iaby. Sady tsy misy mpanjaka manahky gnan'i Josia nitsanga tafarany. 26 Ndra io aza , la tsy nijano gny firehetan'ny fahaezera bevatan'i Yaveh zay nirehitsy tamin'i Joda voho reo fanompon-tsampy iaby zay nihantsian'i Manase Azy. 27 Ka hoy Yaveh:' Alako tsy eo amasoko avao koa Joda, manahaky gny nangalako gnan'Israely sady hariako toy tana zay nifiloko toy la Jerosalema voho gny tragno zay nolazaiko hoe: Ho ao gny agnarako." 28 Laha gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Josia, gny raha iaby ze nataony, moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda va io?" 29 Tamin'ny androny, Farao-neko, mpanjakan'i Egypta la nandeha mba hialy tamin'ny mpanjakan'i Asyria tao amin'ny Ony Eofrata. Nandeha nitsena gnan'i Neko tao agn'aly Josia mpanjaka, ka novonoan'i Neko tao Megido ie. 30 Reo mpanompon'i Josia nanday gnazy fa maty tao agnaty kalesy bakagny Megido, nanday gnazy tagny Jerosalema sady nandevy gnazy tao amin'ny fasany manoka. La nalany fokonolon'ny tany Joahaza anaky lahin'i Josia, nosorany, sady nataony ho mpanjaka nandimby gny toeran'ny rainy. 31 Roapolo teloamby tao Joahaza ro nanomboky nanjaka, sady nanjaka nandritsa gny telo vola tao Jerosalema ie. Gny agnaran-dreniny la Hamotala; ie la anaky ampelan'i Jeremia bakagny Libna. 32 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh Joahaza, manahaky gny raha iaby zay nataon'ireo razambeny. 33 Nofehen'i Farao-neko rojo tao Ribla tao amin'ny tanin'i Hamata ie mba tsy hanjakany ao Jerosalema. la nampagnefan'i Neko talenta volafoty zato voho talenta volamena raiky joda . 34 Nataon'i Farao-neko ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Josia rainy i Eliakima anak'i Josia, sady novany hoe Joiakima gny agnarany Nefa nanday gnan'i Joahaza nagnagny Egypta ie ka maty tagny Joahaza. 35 Nandoa gny volafoty voho volamena tamin'i farao Joiakima, Mba hamalia gny fangatahan'i Farao mpanjaka, la nampandoa hetra gny tany Joiakima sady notereny mba handoa volafoty voho volamena aminy araky gny tombon-drozy gny olo kirakiraiky tamin'ireo fokonolon'ny tany. 36 Roapolo limy amby tao Joiakima ronanomboky nanjaka, sady nanjaka folo raikamby tao tao Jerosalema ie. Gny agnaran-dreniny la i Zebida; ie la anaky ampean'i Pedaia bakagny Romaha. 37 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh Joiakima, manahaky zay nataon'ireo razambeny.