Toko faha 9

1 Mikasiky gny asa fanompoa ho gnan'ny mpino, tsy tena ilako gny manoratsy ho gnanareo. 2 Haiko gny mikasiky gny fagnirianareo, zay ireharehako amin'ny olon'i Makedonia. Niresahiko gnan-drozy fa Akaia la fa vonona nanomboky tamin'ny tao lasa. Gny zotom-ponareo ro nanosiky gny ankamaroan-drozy hiasa. 3 Sady nirahiko gny rahalahy mba tsy ho zava-poana gny fireharehantsika mikasiky gnanareo , sady mba ho vonona nareo, araky gny fa niresahiko ho nareo. 4 Laha tsy io, laha misy makedoniana maromiaraky amiko ka mahajery gnanareo mbo tsy vonona , la ho megnatsy tsika- tsy miresaky na ino ino mahakasiky gnanareo aho-noho gny fahatokisa gnanareo. 5 Ka mieritseritsy aho fa ila gny mampirisiky reo rahalahy hagnagny aminao sady hanao fifagnaraha mialoha gny amin'ny fagnomeza fa nampantenantenainao. Io la ahafaha mivonona manahaky gny fitahia, fa tsy manahaky gny raha tsy azo eke. 6 Gny tena ie la toy:" Gny raiky zay mamafy kely la hijinja gny kely avao koa, voho gny raiky zay mamafy amin'ny tanjom-pitahia la hijinja fitahia avao koa. 7 Engao gny kirakiraiky hagnome araky zay fa nirafety tao am-pony. Ka enga magnome fahoria na faneretere ie. Fa gny mpagnome am-pazotoa ro tian-Dranagnahary. 8 Sady Ndranagnahary la afaky mampitombo gny fitahia ho gnanao, mba amin'ny raha iaby , la afaky hahazo zay ilanareo iaby mandrakariva nareo. Io ro misy la mba ahafahanareo magnatombo gny asa soa gnanareo. 9 Io la araky gny voasoratsy hoe:" Nizarany reo hanagnany ka nameny gnan'iregny ho gnan'ny mahantra. Maharitsy mandrakizay gny fahamarignany. 10 Ie zay mamatsy voa ho gnan'ny mpamboly zay mamafy voho gny mofo ho gnan'ny sakao , la hamatsy voho hampitombo gny voanao avao koa ho amin'ny famafaza. Hampitombo gny vokatsy gny fahamarignanao ie. 11 Hahazo hanagna amin'ny fomba iaby iha mba hahatonga gnanao ho malala-tagna. Io la hagnandesa fanehoam-pisaora gnan-Dranagnahary amin'ny alalanay. 12 Gny fagnatanteraha gnan'io asa io fanompoa io la tsy vitan'ny hoe mahafeno gny raha ilan'ny mpino avao . Mitombo avao koa io amin'ny asa fagnomezampisaora gnan-Dranagnahary maro. 13 Fa noho gny fitsapa gnanareo zay voaporofo amin'io asa io, la hagome vononahitsy gnan-Dranagnahary koa nareo amin'ny fankatoava gny fibabohanareo amin'ny filazantsaran'i Kristy . La hagnome voninahitsy gnan-dranagnahary koa nareo amin'ny fahalalahan-tagnanareo amin'ny fagnomeza ho gnan-drozy voho gny olo iaby. 14 Magniry gnanao rozy, sady mivavaky ho gnanao rozy. Manao gnan'io rozy noho gny fahalebeazan'ny fahasoavan-Dranagnahary anie gny saotra noho gny fagnomezany tsy hay volagny!