Toko faha 10

1 Zaho , Paoly , miangavy gnanareo gny vatako , amin'ny fanetren-tena voho hamoram-pagnahin'i Kristy. Malemy fagnahy aho lafa eo amin'ny fagnatrhanareo , nefa sahy gny aminareo aho lafa tsy eo. 2 Mangataky aminareo aho, lafa miaraky aminareo aho, tsy mila sahy amin'ny fahatokisan-tena. Nefa aho mieretseretsy fa mila sahy manohitsy gnan'ireo zay mihevitsy fa tsika la miay araky gny nofo. 3 fa ndra io aza la mandeha araky gny nofo rahay, tsy mialy araky gny nofo. 4 Fa gny fialia zay ialianao la tsy ara-nofo . Nohon'io , mana hery bakagny an-danitsy reo mba hamoteha gny fagnahy raty. Fa tsy manday na ino ino gny hevi-pitain-drozy. 5 Ho simbantsika avao koa reo raha abo zay mananga fanohera gny fahalala gnan-Dranagnahary. Fa mihevitsy gny hambabo gny kiraikraiky amin'ny fankatoava gnan'i Kristy tsika. 6 Sady miomana amin'ny famaiza gny fihetsika tsy fankatoava iaby tsika, vantany vao tanteraky gny fankatoavanareo. 7 Jereo mazava zay eo agnatrehanareo . Fa ndra ia ia ro resy lahatsy fa ie ro Kristy, ao hampahatiaro gny vatany ie fa ie tokoa la Kristy, la manahaky gnan'io koa tsika. 8 Eka fa ndra la mirehareha kely aza aho mikasikin'ny fahefantsika, zay namean'ny Tompo gnantsika mba hananga ka tsy hanimba gnanareo , tsy ho megnatsy aho. 9 Tsy tiako zany gny hampihorohoro gnanareo amin'ny alalan'ny taratasiko. 10 Fa gny olo sasany niresaky hoe:" matotsy voho mahery gny taratasiny, nefa malemy ara-bata ie. tsy mendriky hojanjigny gny safany." 11 Ao gny manahaky gnan'iregny hahay fa reo safa ao amin'ny taratisinay tamin'ny fotoa tsy nahateo gnanay la maneho gny asa tokony hataonay lafa avy agny rahay . 12 Tsy mandeha lavitsy rahay na mampitaha gny vatanay amin'ireo zay midoka-tena . Fa laha mandrefy gny vatany amin'ny hafa rozy ka mapitaha gny vatany amin'ny hafa, la tsy ho malina. 13 Tsika, ndra io aza , tsy hirehareha mandilatsy gny tokony ho ie. Fa koa ataonay avao io zay misy fetrany araky gny nanendrean-Dranagnahary gnanay, fetra zay mahakasiky gnanareo. 14 Fa tsy mitandrina gny vatanay lafa avy tegny aminareo. Rahay ro avy voalohany hatragny aminareo niaraky tamin'ny filazantsaran'i Kristy 15 tsy nirehareha mandilatsy gny fetsa tsika gny momban'ny asan'ny sasany. Nefa koa, antenainay fa hitombo gny finoanareo amin'ny asa bevata miamby gny kirakiraiky, sady samby amin'ny fetrany iaby. 16 Fa zao ro antenainay , mba ahafahanay mitory gny filazantsara ndra la agny amin'ny toera lavitsy gnanareo aza. Tsy hirehareha mikasikin'ny asa fa vita tagny amin'ny faritsy hafa tsika. 17 " Nefa ao gny raiky zay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo." 18 Fa tsy gny raiky zay nanolotsy gny vatany ro ankatoavy. Nefa koa, ao gny raiky zay natolory gny Tompo.