Toko faha 11

1 Magniry aho mba ahafahanareo mamela gnahy hanao fahadala kely sasany. Fa tena mamela gnahy tokoa nareo! 2 fa saro-piaro gny momba gnanareo aho. Mana fahasarotam-piaro araky gnan-Dranagnahary aminareo aho, hatramin'ny nagnomezako toky gnanareo tao amin'ny fanambalia ho gnan'ny valy raiky avao. Namea toky gny hanolotsy gnanareo manahaky gny virijiny malio ho gnan'i Kristy. 3 Fa matahotsy aho fandrao, manahaky gny namitahan'ny menarana gnan'i Eva tamin'ny alalan'ny hafetseany, gny eritseritsareo la mety hiala amin'ny fanoloran-tena amin-kitsim-po voho malio amin'i Kristy. 4 Fa eritrereto hoe misy olo raiky avy hitory Jesosy hafa noho gny raiky nitorintsika. Na eretsereto hoe mandramby Fagnahy hafa noho zay rambesinareo. na eretsereto hoe mandramby filazantsara hafa noho gny raiky zay nirambesinareo. mamela gnan'iregny raha regny soa avao nareo! 5 Fotony mieritreritsy aho fa tsy farany ambany noho reo resahy fa hoe apostoly agnabo. 6 Fa ndra la tsy nizara nandahan-teny aza aho, la nizara tamin'ny fahalala. Tamin'ny fomba iaby voho tamin'ireo raha iaby la nataonay ho hainareo io. 7 Moa nanota va aho tamin'ny fanetren-tenako mba hisandratanareo ? Fa nitory gny filazantsaran-Dranagnahary maimaimpoana ho gnanareo aho. 8 Nandroba reo fiangona hafa aho tamin'ny alalan'ny fagnenkea fanohagna bakamin-drozy mba ahafahako manompo gnanareo. 9 Lafa niaraky taminareo aho voho nila fagnampia , la tsy nagnavesatsy na ia ia. Fa reo raha nilako la namean'ireo mpirahalahy zay avy bakagny Makedonia. Tamin'ny raha iaby la nitandry gny vatako tsy ho enta mavesatsy aminareo aho, sady hanohy hanao gnan'io. 10 Laha ato amiko gny fahamarignan'i Kristy, la tsy hangina io fireharehako io agny amin'ny farits'i Akaia. 11 Nagnino? Fotony tsy teako va nareo? Ndranagnahary mahalala 12 Sady gny raha ataoko la mbo hataoky avao, mba mety ahafahako mangala gny fitaraigna nohon'ny fagnankina gnahy voho gny fitaraigna noho reo zay tian-drozy hirehareha__ fa rozy la hita manao asa mitovy amin'izay ataonay. 13 Fa gny olo manahaky gnan'io la apostoly sandoky voho mpiasa mamitaky. Rozy la manao sarintsarin'ny vatany manahaky gny apostol'i Kristy. 14 Sady io la tsy mahatseriky fa ndra gny satana aza maneho gny vatany manahaky gny anjelin'ny fahazava. 15 tsy mahatseriky sasy laha maneho gny vatan-drozy manahaky gny mpanompon'ny fahamarigna reo mpanompony. Gny anjaran-drozy la zay mendriky gny asan-drozy. 16 Resahiko ndraiky hoe:" ka enga hisy hieritseritsy hoe adala aho. fa laha manao gnan'io nareo, la rambeso manahaky gny adala aho ka mba hirehareha kely. 17 Zay resahiko momba toy fahatokia mirehareha toy la tsy araky gny volagnin'ny Tompo, fa miresaky manahaky gny adala aho. 18 fa fa maro gny olo mirehareha araky gny nofo, la hirehareha avao koa aho. 19 Nagnenky am-pazotoa reo adala nareo. La hoe hendry gny vatanareo! 20 Fa mandefitsy amin'ny olo nareo laha mandevo gnanareo, mandany gnanareo, magnararaotsy gnanareo, mandramby gny vatany ho agnabo noho nareo, na laha mamely tehamaina gnanareo ie. 21 Ho resahiko amin'ny fahafaham-barakanay fa mamely loatsy rahay tamin'ny fanaova gnan'io. Laha misy mirehareha__la miresaky manahaky gny adala aho__ Zaho koa la hirehareha . 22 Hebreo va rozy? Zaho avao koa . Israelita va rozy? Zaho avao koa . avorohotan'i Abrahama va rozy? Zaho avao koa. 23 Mpanompon'i Kristy va rozy ? ( Miresaky manahaky gny olo very saina aho.) Mandilatsy nohon'io aho. Mbo niasa mare nandilatsy nohon'io aza aho, tagny am-ponja matetiky , tamin'ny kapoka mandilatsy gny fepetra, tamin'ny fiatrehana loza maro maha mahafaty. 24 Bakamin'ny alalan'ireo Jiosy ro nandraisako" kapoky efapolo latsaky raiky" Indimy. 25 Intelo aho ro nikapoha tamin'ny hazo. Ndraiky aho ro nitorahim-bato , Intelo aho ro va sambo. Nandany ray aly voho ndraiky haly voho raiky andro tegny an-dranomasina aho. 26 Nandeha matetiky aho, tamin'ny lozan'ny ony, tamin'ny lozan'ireo mpandroba, tamin'ny lozan'ny oloko manoka, tamin'ny lozan'ireo Jentilisa , tamin'ny loza tagny amin'ny tana, tamin'ny loza tagny agn'efitsy, tamin'ny loza tagny an-dranomasina, tamin'ny loza bakamin'ireo rahalahy sandoky. 27 Fa tamin'ny asa mahery voho raha sarotsy aho, tamin'ny haly tsy misy roro, tamin'ny hamosary voho hetaheta, tamin'ny fifadin-kany matetiky, tamin'ny nintsy voho tsy ampisikina. 28 Ankoatsy gny raha hafa, misy tsidry isan'andro amiko nohon'ny fagnahiko amin'ny fiangona iaby. 29 Ia ro malemy, ka tsy malemy aho? Ia ro manafintohy , ka tsy mirehitsy aho? 30 Laha tsy maintsy mirehareha aho, la hirehareha mikasiky gnan'izay maneho reo fahalemeko. 31 Gny Ndranagnahary voho Baban'i Tompo Jesosy, gny raiky zay dera mandrakizay , la mahay fa tsy mavandy aho! 32 Tagny Damaskosy , gny governora amabanin'i Areta mpanjaka la niamby gny tananan'i Damaskosy mba hanambotsy gnahy. 33 Fa nampizotsoa tamin'ny sobiky teo amin'ny varavarakelinraiky teo amin'ny manda aho, ka la nandositsy gny tanany.