Toko faha 8

1 Tianay ho hainareo, ry rahalahy, gny momban'ny fahasoavan-Dranagnahary zay namea tao amin'ireo fiangonan'i makedonia. 2 Nandritsa gny fitsapa bevata amin'ny fahoria, gny fitobaky gny fahaliany voho gny fara-fahantran-drozy la niteraky hanagna bevatan'ny fahalalan-tagna. 3 Fotony mijoro vavolombelo aho fa nanao be arak'izay vitany rozy, sady mandilatsy gnan'izay vitany aza. Sady tamin'ny sitrapon-drozy manokana 4 voho niaraky tamin'ny fitalahoa mare ro nangatahan-drozy taminay gny fahafaha mba hanagna anjara amy toy asa fanompoa eo amin'ireo mpino toy. 5 tsy niseho arak'izay nantenainy io. Fa koa, ndra nanolotsy gny vatany mialoha tamin-Dranagnahary rozy. Sady nanolo-tena ho gnanay rozy tamin'ny sitrapon-Dranagnahary. 6 Ka nampirisiky gnan'i Titosy rahay , zay fa nanomboky gnan'io asa io mba hagnantateraky gny fahasoava eo aminareo. 7 Fa nareo koa la manan-draha amin'ny raha iaby, amin'ny finoa, amin'ny safa, amin'ny fahalala, amin'ny fahazotoa iaby, voho amin'ny hateanareo gnanay. Ka ataovo azo antoky mba hanan-draha amin'io asa fahasoava nareo.[ NY ULB voho gny UDB, miaraky amin'ireo dikan-teny maro hafa, la mivaky manahaky gnan'izao :" Ao amin'ny hateanao gnanay." Gny dikan-teny hafa la mivaky manahaky gnan'izao :" Sady ao amin'ny hateanay gnanareo"] 8 Tsy miresaky gnan'io manahaky gny lily aho. Fa koa, miresaky gnan'io aho amin'ny fitsapa gny fahamarignan'ny hateanareo amin'ny fampitaha gnan'io amin'ny zotom-pon'y olo hafa. 9 Fotony hainareo gny fahasoavan'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Ka ndra nanan-draha aza ie, la lasa mahantra nareo, koa amin'ny alalan'ny fahatra ro mety ahazoanareo hanagna. 10 Amin'io resaky io la hagnome toro-hevitsy gnanareo aho zay hagnampy gnanareo. Herintao lasa zay, la tsy nanomboky nanao raha avao nareo, fa nagniry gny manao gnan'io. 11 Amizao vita io, manahaky gny nasian'ny zotom-po voho gny fagniria hanao gnan'io, la enga nie hagnatanteraky gnan'io koa nareo, arak'izay azonareo hatao. 12 Fotony laha magniry mare gny hanao gnan'io asa io nareo, la raha soa voho azo eke io. Tsy maintsy mifototsy amin'izay hanagnan'ny olo raiky io, fa tsy anagnany. 13 Fa io asa io la tsy mba hagnamaiva gny hafa voho hagnavesatsy gnanareo. Fa koa, tokony hisy gny rariny. 14 Gny hanagnanareo amin'izao fotoa zao la hagnome gnan'izay ilan-drozy. Ka io koa la mba hagnomezan'ny hanagnan-drozy zay ilanareo. Sady mba agnomezan-drozy gny rariny 15 Araky zay fa voasoratsy hoe:" Gny raiky zay nana maro la tsy nana ambiny, sady lay raiky zay nana gny kely la tsy nana gny tsy ampy. 16 Fa gnanin-Dranagnahary gny fisaora, zay nametraky gny tao am-pon'i Titosy gny fahamatora zay anagnako aminareo. 17 Fa ie tsy nagnenky avao gny antsontsika, fa tena matotsy gny amin'io avao koa. namonjy gnanao tamin'ny sitrapony manoka ie. 18 Nalefanay ie niaraky tamin'ny gny rahalahiny zay nidera teo agnivon'ny fiangona iaby noho gny asany zay mitory gny filazantsara. 19 Tsy io avao, fa ie avao koa la nitendren'ireo fiangona mba handeha hiaraky aminay handay gnan'izao asan'ny fahalalan-tagna zao. Io la ho gnan'ny voninahits'ie Tompo voho ho gnan'ny fagnirianay hagnampy. 20 Mitandry rahay gny amin'ny mety hisian'ny olo mitaray mombanay mahakasiky gnan'io asa fahalala-tagna zay hataonay io. 21 ka mila mitandrina rahay mba hanao gny mendriky , fa tsy eo agnatrehan'ny Tompo raiky avao , fa eo alohan'ny olo koa. 22 Mandefa rahalahy raiky hafa avao koa rahay miaraky amin-drozy. Matetiky rahay ro nitsapa gnazy, sady nahajery gnazy mafana fo tamin'ny asa maro. mazoto kokoa ie zao henanizao noho gny fahatokisa bevata zay anagnany aminareo. 23 laha gny amin'i Titosy, ie ro namako voho mpiara-miasa amiko ho gnanareo. Laha gny amin'ny rahalahanay, la nalefan'ireo fiangona rozy. Voninahitsy ho gnan'i Kristy rozy. 24 Ka aseho gnan-drozy gny hateanareo, voho aseho amin'ny fiangona gny anton'ny fireharehanay mikasiky gnanareo.