Toko faha 7

1 Reo malalako , hatramin'ny nanagnantsika reo safa fikasa la ao tsika hagnaligno gny vatantsika amin'ny raha iaby zay mahatonga fahalotoa eo amin'ny vata voho fagnahintsika. Ao tsika hikatsaky gny fahamasigna amin'ny fatahora gnan-Dranagnahary. 2 Raiso rahay! Fa tsy nanao raty tamin'ia nia. tsy nandratsy na nagnararaotsy gnan'ia nia rahay. 3 Tsy hagnameloky gnanareo ro hivolagnako gnan'izao. Fa fa niresahiko fa ato amponay nareo, fa miara-maty sady miara-velo tsika. 4 mana fahatokisa bevata gnanareo aho, sady mirehareha nohon'ny aminareo. Feno fampionona aho. Mitobatobaka gny hafaliako ndra la eo aza gny fampahoria iaby. 5 Lafa avy tagny Makedonia rahay, tsy hanam-pitajanogna gny vatanay. Nohon'io, ory tamin'ny fomba iaby rahay nohon'ny fifandira tagny ivelany, voho gny tahotsy tao agnaty. 6 fa Ndranagnahary, zay mpampahery gny kivy, nampahery gnanay tamin'ny fahatongavan'i Titosy. 7 tsy tamin'ny alalan'ny fahatongava avao ro hampaherezan-Dranagnahary gnantsika. Fa tamin'ny fampahereza zay nirambesin'i Titosy bakaminareo. Miresaky gnantsika ie gny amin'ny haben'ny hateanareo, gny alahelonareo, voho gny fiahianareo gnahy laliky. Ka hazoto mandrakizay aho. 8 Ndra la nampalahelo gnanareo aza gny taratasiko, la tsy nampanegny gnahy io. Fa nanegny tamin'io aho lafa nahajery fa nampalahelo gnanareo gny taratasiko. Fa nalahelo nandritsa gny fotoa fohy nareo. 9 Ankehitsiny la faly aho, tsy hoe fotony ory nareo, fa fotony gny alahelonareo ro nagnandesa gnanareo ho amin'ny fibebaha. Nareo la niaina gny fahoria ao amin-Dranagnahary, ka tsy nisy trobo gny nijalianareo ho gnanay. 10 Gny fahoria ao amin-Dranagnahary la manday amin'ny fibebaha gny mba hahatanteraky gny famonjea tsy misy fanegnena . Ndra la io aza, gny alahelon'izao tontolo zao, la manday fahafatesa. 11 Jereo gny vokatrin'ny habevatan'ny fikirizanareo tamin'ny fahoria ao amin-dranagnahary . Bevata tokoa gny haben'ny fikiriza tao aminareo mba hagnaporofoa fa tsy manan-tsiny nareo. Bevata tokoa gny habevatan'ny fahatezeranareo , gny tahotrareo , gny alahelonareo, gny zotom-ponareo, voho gny fagnirianareo ahita gny fahamarigna zay tokony atao! Amin'ny raha iaby la nagnaporofo tamin'ny vatanareo nareo mba tsy meloky amin'io raharaha io. 12 Ndra la nanoratsy taminareo aza Aho, Zaho la tsy nanoratsy ho gnan'ireo mpanao raty, na ho gnan'ny raiky zay miharitsy gny raty. nanoratsy aho mba tokony hampahay gny fahazotoanareo teo aminay eo agnatrehan-Dranagnahary. 13 Tamin'ny alalan'io ro namapahereza gnanay. Mandilatsy nohon'ny fampahereza zay fa anagnanay, nihoa-papa gny fifaliany nohon'ny fifalian'i Titosy, fotony gny fagnahiny la velombelo noho gny aminareo iaby. 14 Laha ohatsy ka nirehareha taminy gny mikasiky gnanareo aho, la tsy mba afa-baraka aho. Mifanohitsy amin'io , reo raha iaby zay niresahinay taminareo la to iaby, gny fireharehanay momba gnanareo tamin'i Titosy la voaporofo fa to. 15 Gny hateany gnanareo la bevata tokoa, manahaky gny nahatiarovany gny fankatoavanareo iaby, Endrey gny fandrambesanareo gnazy tamin'ny tahotsy voho hovitsy. 16 Faly aho fotony mana fahatokisa tanteraky taminareo.