Toko faha 6

1 Miara-miasa aminy, rahay avao koa la mampirisiky gnanareo tsy handramby gny fahasoavan-Dranagnahary fahatany. 2 fa niresaky ie hoe:" Tamin'ny fotoa mety la nijanjy gnanareo Aho, sady tamin'ny andron'ny famonjea la nagnampy gnanareo Aho, henanizao ro fotoa mety. Jereo , henanizao ro andron'ny famonjea. 3 tsy mametraky vato fanafintohinana eo agnatrehan'ia nia rahay , fa rahay tsy magniry gny haharaty laza gny asa fanompoanay. 4 Fa koa, rahay la magnaporofo gny vatanay amin'ny asanay iaby , fa mpanompon-Dranagnahary rahay. Rahay ro mpanompony amin'ny fiareta bevata, fahoria, fahaterena, fahasarota, 5 reo kapoaky, fagnagadra, fikomia, amin'ny asa mahery, amin'ireo haly tsy misy torimaso, amin'ny hamosary, 6 amin'ny fahadiova fahalalana , fahareta, fahatsoram-po, amin'ny Fagnahy Masy, amin'ny tena hatea. 7 Rahay ro mpanompony ao amin'ny safan'ny fahamarigna, ao amin'ny herin-Dranagnahary. Rahay la mana gny fiarovan'ny fahamarigna ho gnan'ny tagna havana voho havia. 8 Rahay la miasa amin'ny voninahitsy voho amin'ny fahafam-baraka, amin'ny fagnaratia voho fidera. Rahay la voamanga ho mpamitaky kanefa rahay la marina. 9 Rahay la miasa manahaky gnan'iregny tsy misy mahay regny kanefa rahay la mbo fanta-daza. Miasa manahaky gny ho maty rahay-jereo- mbo miaina rahay. Miasa rahay manahaky gny sazy nohon'ny asanay nefa tsy manahaky voaheloky ho maty. 10 Rahay la miasa manahaky gny malahelo, kanefa la mazoto lalandava. Rahay la miasa manahaky gny mahantra , kanefa la mampanan-karena olo maro rahay. Miasa manahaky gny tsy mana ndra ino ino rahay kanefa manahaky gny mana gny raha iaby. 11 Rahay la niresaky gny to iaby taminareo , ry Korintiana, sady gny fonay la mivoha midagnadagna. 12 Gny fonareo la tsy nifehezinay , fa nareo ro mamehy reo hifetseham-ponareo manoka. 13 sady ho valiny ara-drariny-miresaky aminareo manahaky gny amin'ny aja aho-voay hidagnadagna gny fonareo. 14 ka mifamatotsy amin'ireo tsy mpino. Fa ino ro iraisan'ny fahamarigna voho gny fandikan-dalagna? Fa ino ro iarahan'ny mazava amin'ny mihiky? 15 Ino ro mety ho fifagnaraha eo amin'i Kristy voho Beliala? Ndra ino ro tokony anjara anagnan'ny mpino raiky voho amin'ny tsy mpino raiky? 16 Sady ino ro fifagnaraha misy eo amin'ny tempolin-Dranagnahary voho gny sampy? Fa tsika la tempolin-Dranagnahary velo, araky gny fa niresahin-Dranagnahary hoe:" Hipetraky eo amin-drozy Aho ka handeha eo amin-drozy. Zaho la ho Ndranagnaharin-drozy ka rozy la ho oloko." 17 Nohon'io," Miboaha iala eo amin-drozy , sady mitokagna," hoy gny Tompo. " Ka mikasiky raha maloto, sady Zaho handramby gnanareo. 18 Zaho la ho Baba ho gnareo , sady nareo ho anakilahiko voho ho anakampelako." hoy gny Tompo Tsitoha.