Toko faha 5

1 Haintsika fa laha rava gny fipetraha eto an-tany zay ipetsahantsika, la mana tragno bakamin-Dranagnahary tsika. Io la tragno tsy nataon'ny tagnan'olombelo, fa tragno mandrakizay , agny an-danitsy. 2 Fa eto amy toy tragno-lay toy tsika ro misento , magniry mare gny hisiky gny fipetrahantsika agny an-danitsy . 3 Magniry mare gnan'io tsika fotony amin'ny fanaovantsika gnan'io la tsy ho hita tsy misiky tsika. 4 Fa laha mbo eto amy toy tragno-lay toy tokoa tsika, la misento , mavesats'enta . tsy te tsy hisy tsika. fa koa, te hisiky tsika, mba hatelin'ny fiaigna zay mety maty. 5 Gny raiky zay nagnoma gnantsika ho amin'io raha io mare la Ndranagnahary , zay nagnome gnantsika gny Fagnahy ho fagnambara zay ho avy. 6 Nohon'io la mahatoky hatragny . Tongava say fa lafa ao an-tragno amin'ny vatana tsika, la lavitsy gny Tompo. 7 Fa mande amin'ny finoa tsika, fa tsy amin'ny fahita. 8 Nohon'io la mana fahatokia tsika. Aleontsika lavitsy gny vata fa ao an-tragno miaraky amin'ny Tompo. 9 Ka la ataontsika tanjona io, ndra agny an-tragno tsika na lavitsy io, mba hahafinaritsy Gnazy. 10 Fa tsika iaby la tsy maintsy hiseho eo alohan'ny seza fitsaran'i Kristy, mba mety ahazoan'ny kirakiraiky zay mifagnaraky amin'ireo raha vita tao amin'ny vata, na ho amin'ny soa na ho amin'ny raty. 11 Nohon'io, gny fahaiza gny tahotsy gny Tompo, ro handreseantsika lahatsy gny olo. Gny maha tsika gnantsika la hitan-Dranagnahary mazava. Antenaiko fa mazava amin'ny feon'ny fieretreretanareo avao koa io. 12 Tsy miezaky gny handresy lahatsy gnanareo ndraiky rahay mba hijery gnanay manahaky gny nahitsy fo. Fa koa , magnome antony ho gnanareo hirehareha nohon'ny aminay rahay, mba hanagnanareo valinteny ho gnan'ireo zay mirehareha gny amin'ny endriky ivelany fa tsy gny amin'izay ao am-po. 13 Fa laha very say rahay, la ho gnan-Dranagnahary io; sady laha tonga saina soa rahay , la ho gnanareo io. 14 Fa gny hatean'i Kristy ro manery gnanay, fotony azonay antoky gny hoe: Nisy olo raiky maty ho gnan'ny iaby, sady nohon'io la maty gny iaby. 15 Maty Ie ro gnan'ny iaby, mba tsy ho velo ho gnan'ny vatan-drozy sasy reo zay velo fa ho Gnazy zay maty sady natsanga nohon'ny hatea gnan-drozy. 16 Nohon'io antony io, manomboky zao la tsy mitsara ndra ia ia araky gny fomban'ny olombelo tsika, ndra la fa nijery gnan'i Kristy manahaky gnan'io aza tsika taloha. fa anketriny tsika la tsy mitsara ndra ia ia manahaky gnan'io sasy. 17 Nohon'io , laha misy olo ao amin'i Kristy, la olom-baobao ie. Fa lasa reo raha taloha. Ndreo, fa lasa vaovao rozy. 18 Reo raha iaby reo la bakamin-Dranagnahary. Nampihavaniny tamin'ny vatany tamin'ny alalan'i Kristy tsika, sady nameany gnantsika gny asa fanompoan'ny fampihavana. 19 Io hoe, ao amin'i kristy Ndranagnahary ro mampihana zao tontolo zao amin'ny Vatany , tsy magnisa gny fahadisoan-drozy amin-drozy. nankininy taminay gny hafatsy gny fampianara. 20 Ka voatendry ho mpisolon-tenan'i Kristy rahay manahaky gny hoe amin'ny alalanay ro hanaovan-Dranagnahary gny fikaihany. Miangavy gnanareo rahay , noho i Kristy:" Mihavana amin-Dranagnahary!" 21 Nataony avy soro ho gnan'ny fahotantsika Kristy. Ie gny raiky zay tsy nanota mihitsy. nataony io mba ho avy fahamarignan-Dranagnahary ao aminy tsika.