Toko faha 4

1 Nohon'io , fotony rahay mana gnan'io asa fanompoa io, sady vao nahazo famindram-po , la kivy rahay. 2 Fa koa, nilavinay reo fomba mahamegnatsy voho mietaky. tsy miay amin'ny fitaky rahay, sady mampiasa to gny safan-Dranagnahary. Amin'ny fanehoa gny to, rahay la mandidy gny vatanay gny amin'ny feon'ny fieretreretan'ny olo mba handesy eo imason-Dranagnahary. 3 fa laha voasoratsy gny filazantsaranay, io la ho voasaro amin'ireo zay maty raiky avao. 4 Amin'ny toe-javatra mitranga amin-drozy, gny ndranagnaharin'izao tontolo zao nahajamba reo say tsy minon-drozy. Vokatsin'io , tsy afaky mahajery gny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahits'i Kristy rozy, zay endrin-Drangnahary. 5 Fa rahay tsy magnambara gny vatanay, fa i Kristy Jesosy manahaky gny Tompo, sady gny vatanay manahaky gny mpanomponareo nohon'ny amin'i Jesosy. 6 Fa Ndranagnahary la gny raiky zay niresaky hoe:" Gny fahazava hamiratsy ao amin'ny hiky." Ie namiratsy tao am-ponay, mba hagnome gny fahazava'ny fahalala gny voninahitsin-Dranagnahary eo amin'ny fagnatrehan'i Jesosy Kristy. 7 Fa rahay mana gnan'io hanagna io ao agnaty tavoara tanimanga, mba hazava fa gny hery bevata mandilatsy lavitsy la Ndranagnahary fa tsy gnanay. 8 Ampahory amin'ny fomba iaby rahay, fa tsy resy. Very hevitsy rahay fa tsy feno famoizam-po. 9 Enjehy rahay fa tsy nilaoza. Vonoa rahay fa tsy rava. 10 Mitondra eo amin'ny vatanay gny fahafatesan'i Jesosy hatragny rahay, amin'izay gny fiaignan'i jesosy avao koa la hiseho eo amin'ny vatanay. 11 Rahay zay velo la manday hatragny ao amin'ny vatanay gny fahafatesan'i Jesosy, amin'izay gny fiaignan'i Jesosy la hiseho eo amin'ny vatanay olombelo. 12 Nohon'io gny fahafatesa la miasa ao amintsika, fa gny fiaigna miasa ao aminareo. 13 Fa rahay mana fagnahin'ny finoa mitovy araky zay voasoratsy hoe:" Nino aho, ka la niresaky aho." Mino avao koa rahay, ka la niresaky avao koa rahay. Hainay fa gny raiky zay nananga gny Tompo Jesosy la hananga gnantsika avao koa miaraky amin'i Jesosy. Hainay fa handay gnanay miaraky aminareo ao amin'ny fagnatrehany Ie. 15 Gny raha iaby la ho gnanareo mba , araky gny fahasoava voaparitaky tamin'ny olo maro, ro hitomboan'ny fagnomeza ao amin'ny voninahin-Dranagnahary. 16 Nohon'io la tsy ho kivy rahay. Ndra la malemy ivelany aza rahay, la havaozy isan'andro isan'andro gny ao agnatinay. 17 Fa amin'izao andro mandalo zao , gny fahoria maiva la magnoma gnanay ho amin'ny lanjan'ny voninahitsy maharitsy mandrakizay zay mandilatsy gny fandania iaby. 18 Fa tsika tsy mijery raha zay hita , fa reo raha tsy hita. Reo raha zay mety hitantsika la tsy maharitsy mandrakizay.