Toko faha 3

1 Hanomboky hidera-tena ndraiky va rahay ? Rahay la tsy mila reo taratasy fagnamarina aminareo na bakaminareo, manahaky gny olo sasany , sa tsy io? 2 Gny vatanareo ro taratasy fagnamarinanay, zay voasoratsy ao am-pontsika , zay hay , voho vakin'ny olo manontolo. 3 Nareo la maneho fa taratasy fagnambara bakamin'i Kristy , zay natolontsika . Io la tsy voasoratsy tamin'ny ranomainty fa tamin'ny fagnahin'izay Ndranagnahary velo. Io la tsy voasoratsy teo amin'ny takela-bato, fa teo amin'ny takelaky gny fon'ny olombelo. 4 Sady io ro toky zay anagnantsika eo agnatrehan-Ndranagnahary amin'ny alalan'i Kristy. 5 Tsika la tsy mahefa amin'ny vatantsika mba handramby na ino ino zay bakamintsika. Fa koa , gny fahefantsika la bakamin-Dranagnahary. 6 Ndranagnahary ro nanao gnantsika mba ho mpanompon'ny fagnenkea vaovao. Io la fagnenkea tsy bakamin'ny soratsy fa gnan'ny Fagnahy. Fa gny soratsy mamono , sady gny Fagnahy magnome aina. 7 Sady gny asa zay niteraky fahafatesa la voasoratsy teo agnabon'ny vato_ la avy tamim-boninahitsy bevata ka gny vahoakin'Israely la tsy afaky nibanjy gny tarehin'ny Mosesy. Io la noho gny voninahitsy gny tarehiny, gny voninahitsy zay nihavelo. 8 Ho voninahitsy bevata manao akory gny asa zay ataon'ny Fagnahy? 9 Fa laha nana voninahitsy gny asan'ny fanameloha , la hanahaky gny ino gny fitomboan'ny voninahitsy gny asan'ny fahamarigna! 10 Fotony tokoa, zay namea vaninahitsy miaraky la tsy hanam-boninahitsy sasy amin'io fomba io, noho gny voninahitsy zay mampitombo gnan'io. 11 fa laha zay nandalo avao ro nana voninahitsy, la tsy hana voninahitsy mandilatsy nohon'io va zay maharitsy! 12 Fotony mana toky manahaky gnan'io tsika, la sahy tokoa. 13 Tsika la tsy manahaky gnan'i Mosesy , zay nisaro gny tarehiny tamin'ny voaly , mba tsy hahafahan'ny vahoakin'Israely mijery gnazy mivanta amin'ny fiafaran'ny voninahitsy zay nandalo avao. 14 Fa gny sain-drozy la donto. Ndra la mandrak'ankehitsiny io voaly io la mbo mijano eo amin'ny famakia gny fagnenkea taloha. tsy misokatsy io, fotony ao amin'i Kristy avao io ro ala. 15 Nefa ndra la ankehitsiny aza, na rahoviana na rahoviana ro vaky gny lalan'i Mosesy, la misaro gny fon-drozy gny voaly. 16 Nefa laha mitoliky amin'ny Tompo gny olo , la ala gny voaly. 17 Sady gny Tompo la Fagnahy. Zay misy gny Fagnahin'ny Tompo, la misy fahafaha. 18 Sady tsika iaby, tsy misarom-boaly, la mahajery gny voninahitsy gny Tompo. Tsika la fa voaova ho ao amin'ny voninahitsy mitovy zay bakamin'ny voninahitsy ho amin'ny voninahitsy, zay bakamin'ny Tompo , zay tsy ia fa gny Fagnahy.