Toko faha 2

1 Fa nanapa-kevitsy gny tsy hamonjy gnanareo ndraiky gny vatako amin'ny fotoam-pangirifiria. 2 Laha niteraky alahelo gnanareo aho, ia ro afaky mampazoto gnahy ankotrin'ny raiky zay noratraiko avao? 3 Nanotratsy aho manahaky gny nataoko mba tsy ho voaratran'ireo zay tokony nampazoto gnahy lafa avy tagny aminareo . Zaho la mana fahatokisa gny aminareo iaby fa gny fazotoako la fazotoa mitovy amin'ny gnanareo iaby. 4 fa nanoratsy ho gnanareo aho bakamin'ny fahoria bevata , miaraky amin'ny fangirifirian'ny fo, sady miaraky amin'ny ranomaso be. Tsy te ampalahelo gnanare aho. Fa koa, te hampahafantatsy gnanareo gny alalin'ny hatea zay anagnako ho gnanareo. 5 Laha nisy olo niteraky alahelo, tsy niteraky gnan'io avao koa ie, fa amin'ny endriky hafa__ tsy hagnitara loatsy io__ aminareo iaby. 6 Ampy gny fagnasazia nataony maro agn'isa io olo io. 7 Ka amizao laha tokony ho fagnasazia , nareo la tokony hamela heloky voho hampionona gnazy. Ataovo io mba tsy handifotsy gnazy amin'ny alahelo be loatsy. 8 Nohon'io mankahery gnanareo aho mba hagnamafy ampahibe-maso gny hateanareo Gnazy. 9 Io ro antony nanoratako, amin'izay mba mety hitsapako gnanareo sady ahaizako na mankato amin'ny raha iaby nareo. 10 Laha mamela olo nareo, mamela gnan'io olo io koa aho. Zay navelako __laha namela gny raha iaby aho__ io famela io la hatea gnanareo amin'ny fagnatrehan'i Kristy. 11 Io la mba tsy hamitahan'ny Satana gnanay . Fotony rahay la mahay reo drafiny. 12 Niskatsy ho gnahy gny varavagna tamin'ny Tompo lafa avy tao amin'ny tanan-dehibe gnan'i Troasy nitory gny filazantsara gnan'i Kristy tagny. 13 Ndra la io aza , tsy nana fiadagnan-tsay aho, fotony tsy nahita gny rahalahiko Titosy tagny. Araky izany, nagnenga gnan-drozy aho ka nandeha nimpoly tagny Makedonia. 14 Fa fisaora anie ho gnan-Dranagnahary, zay ao amin'i Kristy mitariky gnanay mandrakariva ao amin'ny fandresea. Amin'ny alalantsika la haeliny na aia aia gny hagnitsa mamin'ny fahalala gnazy. 15 fa rahay la hagnintsy mamin'i Kristy gnan-Dranagnahary, na teo amin'ireo zay nivonje voho teo amin'ireo zay ho maty. 16 Ho gnan'ny olo zay ho maty , io la hagnintsy bakamin'ny fahafatesa ho amin'ny fahafatesa. Ho gnan'ireo sasany zay nivonje , la hagnitsy bakamin'ny fiaigna ao amin'ny fiaigna. Ia ro mendriky amin'ireo raha reo? 17 Fa rahay la tsy mitovy amin'ireo olo maro zay mamarotsy gny safan-Dranagnahary mba ahazoa tombony. fa koa amin'ny fahadiovam-po, ro hiresahanay amin'i Kristy,fotony nalefa bakamin-Dranagnahary rahay , tao amin'ny fahitan-Dranagahary.