Toko faha 17

1 Josafata gnanaky lalin'i Asa la lasa mpanjaka nilimby gn'azy. Nampatajaky gny vatany hanohitsy gnan'Israely i Josafata. 2 Nametraky tafiky tami-gny reo tana mavalan'i Joda iaby ie, voho nametraky miaramila ami-gny reo tanin'i Joda ndraiky ami-gny reo tanan'i Efraima agny, nibaboin'i Asa rainy. 3 Nitahy gnan'i Josafata i Yaveh fotony nandeha tami-gny reo lalan'i Davida rainy voalohany ie. Voho tsy mila gnany reo bala . 4 Fa koa, natoky gnan-Dranagnahary gny rainy ie, voho nandeha tami-gny reo liliny, fa tsy mba tami-gny fandesam-batan'Israely. 5 Ka napetran'i Yaveh tan-tagnany teo gny fanapaha; nagnomea voninahitsy gnan'i Josafata gny Joda iaby. Nana hanagna ndraiky voninahitsy bevata ie. 6 Gny fony la natao ho gnany reo lalan'i Yaveh. Nangalaky gnany reo fipetraha agnabo ndraiky gny baon'Aseraha ta Joda tagny avao koa ie. 7 Tami-gny tao faha telo nanjakany la nagniraky gnan'i Obadia, Zakaria. Netamela voho i Mikaia manam-pahefany ie, mba hampianatsy ami-gny reo tamin'i Joda agny. 8 Niaraky tamin-drozy koa gny reo Levita, la i Semaia, Netamia, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adoma, Tobia, voho Tobadonia; voho miaraky tagnamin-drozy i EElisama ndraiky Jarama mpisoro. 9 Nampianatsy ta Joda tagny rozy, voho mana gny bokiny gny lalagnan'i Yaveh miaraky tagnaminy. Nandoha nanera gny tanan'i Joda iaby rozy sady nampianatsy teo amin'ny olo. 10 Nirotraky tamin'ireo fanjakan'ny tagny iaby zay nagnodidy gnan'i Joda gny horohoro gnan'i Yaveh, mba tsy hikaihan-drozy aly amin'i Josafata. 11 Gny Filistina sasany manday fagnomeza ho gnan'i Josafata, ndraiky volafoty ho fagnomezam-boninahitsy. Arabo reo koa la nanday aondry voho aosy ho gn'azy, aondrilahy 7 700 voho aosilahy 7 700. 12 Niany la vatany nahery i Josafata. Nagnamboatsy fiarova fatratry ndraiky tana fagnajaria ta Joda tao ie. 13 La nama fitaova maro tan-tanan'i Joda tao ie, ndraiky miaramila__matanjaka, johary mahery fo__ta Jerosalema tagny. 14 Ndreto gny lisitan-drozy, milahatsy araky gny reo agnarany gny longon-drozy: baka Joda agny, gny reo mpifehy gny agnarivony; Adna mpifehy, voho miaraky tagnaminy gny johary mpialy 300 000; 15 tafarany i Johanana mpifehy, voho miaraky tagnaminy gny johary 280 000; 16 tafarany i Amania gnanaky lahin'i Zikry, nanolon-tegna hanompo gnan'i Yaveh; voho miaraky tagnaminy gny johary mpialy 200 000. Baka amin'i Benjamina; la i Eliada johary natanjaky tami-gny herim-po, voho miaraky tagnaminy gny mitam-pialia 200 000 miaraky tami-gny reo tsipiky ndraiky gny reo ampinga; magnaraky gn'azy i Jozabada, voho miaraky tagnaminy gny 180 000 vonona ho ami-gny aly. Reo ro nanompo gny mpanjaka, ankoatsiny reo napetrakiny gny mpanjaka tami-gny reo tana mivala manera gnan'i Joda iaby.