Toko faha 18

1 Voho Josafata nana harea ndraiky voninahitsy bevata, la nilongo tamin'i Ahaba ie tami-gny nanambaliany gny raiky tami-gny longony gnanak'ampelany tao. 2 Tao maromaro tafara atoy, la midrotso tamin'i Ahaba tagny tany Samaria tagny ie. Namoro aondry ndraiky aosy maro ho gn'azy ndraiky gny reo olo miaraky tagnaminy i Ahaba. Naharesy lahatsy gn'azy mba hanafiky gnan'i Ramota Gileada hiaraky agnaminy koa Ahaba. 3 Hoy Ahaba, mpanjakan' Israely, tamin'i Josafata, mpanjakan'i Joda hoe: " Manahaky gnanao avao zaho, voho gny vahoakiko la manahaky gny vahoakinao; hiaraky agnaminareo ami-gny aly agny rahay. 4 Hoy Josafata tami-gny mpanjakan' Israely hoe: " Mba ilao tseky gny safan'i Yaveh ho ami-gny valin-tsafanao." 5 Bakeo gny mpanjakan' Israely namory gnany reo mpagnambara hafatsy, johary efa-jato, ka nisafa tamin-drozy hoe: " Tokony handeha hialy amin'i Ramota Gileada agny va tsika, va tsy hialy? Hoy rozy hoe tafiko, fa Ndranagnahary hagnomea gnany zay an-tagnany gny mpanjaka eo ". 6 Fa hoy i Josafata hoe: " Mbo tsy misy mpagnambara hafats'i Yaveh hafa afaky hangalantsika hevitsy va gn'ato?" 7 Hoy gny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: " Mbo misy johary raiky afaky hangalantsika gny hevits'i Yaveh, la Mikaia gnanaky lahin'i Jimla, fe halako ie fotony tsy naminany soa nikasiky gnahy mintsy ie, fa raty avao." Fa hoy Josafata hoe: " Tsy tokony hisafa gnany zay gny mpanjaka." 8 Bakeo mikaiky manam-pahefa gny mpanjakan'Israely voho nisafa hoe: " Andeso malaky i Mikaia gnanaky lahin'i Jimla." 9 Voho samby nipetraky tamigny seza fiandriana iaby i Ahaba mpanjakan' Israely ndraiky Josafata mpanjakan'i Joda, nitafy gny akanjo lavan-drozy, tami-gny polasy malalaky agnatrehany gny filira gny vavahadin'i Samaria eo, voho gny mpagnambara hafatsy iaby la naminany tan-gnatrehan-drozy reo. 10 Zedekia gnanaky lahin'i Kenana la nagnamboatsy tsifa vy ho gnany gny vatany voho nisafa hoe: " Zao ro volan'i Yaveh: Ami-gny reo rohamotoanao gny reo Syriana zisiky iveloman-drozy." 11 Nitovy faminania gny reo mpagnambara hafatsy iaby, nanao hoe: " Tafiho Ramota Gileada voho reseo, fa namean'i Yaveh tan-tagnany gny mpanjaka eo zay." 12 Iraky nandeha mikaiky gnan'i Mikaia nisafa tagnaminy nanao hoe: " Ingo zao, gny safany reo mpagnambara hafatsy la magnambara raha soa ami-gny mpanjaka ami-gny feo toka. Ao gny safanao hanahaky gny safany gny raiky amin-drozy voho hisafa raha soa." 13 Namaly Mikaia hoe: " Laha mbo velo koa Yaveh, la ze raha safagnin-Dranagnahary ro hambarako." 14 Lafa avy ami-gny mpanjaka agny ie, la hoy gny mpanjaka tagnaminy hoe: " Ry Mikaia, tokony andeha hialy ami-gn'i Ramota Gileada agny va tsika, va tsy hialy?" Namaly gn'azy Mikaia hoe: " Tafiho voho maharesea! Fa ho fandresea bevata zay." 15 Bakeo gny mpanjaka nisafa tagnaminy hoe: " Impiry ro hampianiako gnanao tsy hivola laha tsy gny to agnamiko ami-gnagnaran'i Yaveh?" 16 Ka la hoy Mikai hoe: " Nahita gny Israely iaby miparitaky tegny ami-gny reo vohitsy zaho, manahaky gn'aondry tsy misy mpiamby, voho hoy Yaveh hoe: ' Tsy mana mpiamby aondry reo. Ao gny johary iaby himpoly am-pahatonia an-tragnony agny." 17 Nohony zay la hoy gny mpanjakan' Israely tamin'i Josafata hoe: " Tsy fa nisafa gnanao va zaho fa ie la tsy haminany soa mikasiky gnahy, fa loza avao?" 18 Bakeo la hoy Mikaia hoe: " Nohony zay nareo iaby la tokony hijanjy gny safan'i Yaveh: Nahita gnan'i Yaveh nipetraky tami-gny seza fiandrianany eo zaho, voho gny miaramilany gny lagnitsy iaby nijoro tan-kavagnany teo ndraiky an-kaviany teo. 19 Hoy Yaveh hoe: ' Ia ro hitao gnan'i Ahaba, mpanjakan' Israely, mba hahafahany hiakatsy agny Ramota Gileada agny voho ho lavo agny?" Gny raiky nisafa gnan'izao voho gny hafa nisafa gnany zay. 20 Tafarany zay la nisy fagnahy nandroso voho nijoro tagnatrehan'i Yaveh ndraiky nisafa hoe: " Hiboaky zaho voho ho lasa fagnahy mpavandy am-bavany reo mpagnambara hafatsy iaby ao. Namaly Yaveh hoe: ' Hitao gn'azy zaho, voho handaitsy koa nareo, ka androany nandeha voho ataovo zay.' 22 Ingo voho androany, Yaveh nametraky fagnahy mpavandy am-bavany reo mpagnambara hafatsy reo ao, voho Yaveh nibaiko loza ho gnanareo." 23 La niavy i Zekedia gnanaky lahin'i Kenana, namelaky gny tarehin'i Mikaia, sady nisafa hoe: " Taia gny lalagna nialan'ny Fagnahin'i Yaveh tagnamiko mba hivola agnaminao?" 24 Hoy Mikaia hoe: " Ingo, ho hainao zay ami-zay andro zay, lafa nilay hietaky ami-gny efi-tragno agnaminy sasany agny zaho." 25 Nisafa tami-gny mpanompo sasany gny mpanjakan' Israely hoe: " Samboronareo vahoaky i Mikaia voho andeso Amona agny, governorany gny tana ie, ndraiky am'i Joasy agny, gnanako lahy. 26 Nareo vahoaky hisafa agnaminy hoe: " Hoy gny mpanjaka hoe: ampiliro am-pigadra agny johary ity voho fahano mofo ndraiky rano kelikely ie, zisiky impolianako soa aman-tsara."' 27 Bakeo Mikai nisafa hoe: " Laha tafampoly soa aman-tsara iha, la tsy nisafa tami-gny aly, fa isikigno gn'akanjo lavany gny mpanjaka." Ka la mbo nampiany hoe: "' Njanjigno zay nareo ry vahoaky iaby." 28 nKa la niakatsy gnan'i Ramota Gileada i Ahaba , mpanjakan'Israely, ndraiky Josafata, mpanjakan'i Joda. 29 Hoy gny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: " Hiova tarehy zaho voho handeha ho ami-gny aly. Fa isikigno gn'akanjo lavany gny mpanjaka voho gny mpanjakan'i Syria la nandidy reo kapiteniny reo polisiny, nanao hoe: " Ka nanafiky gnany reo miaramila manan-kaja na tsy manan-kaja. Fa lasa gny mpanjakan'Israely avao ro tafiho." 31 Voho lafa nahita gnan'i Josafata gny reo kapiteniny gny kalesy la hoy rozy hoe; " Igny gny mpanjakan'Israely." Nimpoly mba hanafiky gn'azy rozy, fe mikiaky mare Josafata, voho nandomba gnazy Iaveh. Navalikin-Dranagnahary miala tagnaminy rozy. 32 Voho lafa hitany reo mpifehy gny kalesy fa tsy gny mpanjakan'Israely Ie, la mimpoly taminy gny fagnenjeha gnazy rozy. 33 Fe nisy johary raiky nisinto gny gnanan-tsipikiny nitifitsy gny mpanjakan'Israely tagnivognivo gny fifankazahoany gny fiarovany. Bakeo Ahaba nisafa tami-gny mpanday kalesiny hoe: " Mitoliha voho andeso miboaky gny aly zaho, fa mafery mare." 34 Niharaty gny aly tamign'andro voho gny mpanjakan'Israely la niamby ami-gny kalesiny nifanandrify tami-gny reo Syriana ao zisiky harivany gn'andro. Zisiky hilentehany gny masoandro, la maty ie.