Toko faha 16

1 Tami-gny faha telo polo eninamby tao nanjakan'i Asa, i Basa, mpanjakan'Israely, la naneho serisery nanohitry gnan'i Joda voho nananga gnan'i Rama, mba tsy hagnengany gnan'ia na ia hiala na hilitsy ami-gny tanin'i Asa ao, mpanjakan'i Joda. 2 La nanday gny volafoty ndraiky volamena niboaky gny efitragno fagnanjaria ami-gny tragnon'i Yaveh ao ndraiky gny tragnony gny mpanjaka i Asa, voho nandefa gnany zay amin'i Bemi-hadada mpanjakan'i Syria tagny, nipetraky ta Damaskosy tagny. Hoy ie hoe: 3 " Ao hisy fifagnenkea agnamiko eo ndraiky agnaminao, manahaky gny nampisy gnany zay tami-gny raiko ndraiky gny raino. Ingo, nandefa volafoty ndraiky tagnaminao zaho. Ravao gny fifagnenkenao amin'i Basa, mpanjakan' Israely, mba hahafahany magnenga gn'ahy raiky." 4 Nijanjy gnan'i Asa mpanjaka i Beni-adada ka nandefa gnany reo mpifehy gny tafiny hanohitsy gnany reo tanan' Israely. Nanafiky gnan'i Iona. Dana, Abela-maima, voho gny reo tana fagnajarian'i Naftaly iaby rozy. 5 Voho lafa nahare gnany zay i Basa, la najanony gny fanangana gnan'i Rama, voho nanampiky gn'asany. 6 Voho nalan'i Asa mpanjaka niaraky tagnaminy gny Joda iaby. Nandesin-drozy gny vato ndraiky gny reo hazon'i Rama nanangana gnan'i Basa gny tana. La nampiasan'i Asa nagnamboara gnan'i Geba ndraiky Mizpa zay fitaova fagnamboara gnany zay. 7 Tami-zay fotoa zay i Hanany mpahita nandeha nagnamin'i Asa, mpanjakan'i Joda, ka nanao tagnaminy hoe: " Fotony iha niantehitsy tami-gny mpanjakan'i Syria, fa sty niatehitsy tamin'i Yaveh Ndranagnaharinao , la nalay baka an-tagnanao eo gny tafiky gny mpanjan'i Syria. 8 Moa va gny reo Etiopiana ndraiky gny reo Lobita tsy tafiky bevata, miaraky amigny kalesy ndraiky mpitikitsy sovaky la vatany maro? Kanefa, fotony iha niantehitsy tamin'i Yaveh, la nagnomea gnanao gny fandresea tagnamin-drozy Ie. 9 Fa gny mason'i Yaveh la mandeha begnimbegny manera gny tany iabiaby, mba hahafahany maneho gny vatany ho mahery gnany reo mana fo tonga lafatsy magnatriky gn'Azy. Fa nanao hadala tami-zay raha zay iha. Ka manomboky eto, la hana aly iha." 10 Voho la masiaky tami-gny mpahita i Asa; nigninadrany ie, fotony masiaky tagnaminy nohony zay raha zay ie tami-zay fotoa zay avao, la nampijaly gny sasany tami-gny reo vahoaky i Asa. 11 Ingo, reo asan'i Asa, liany tam-boalohany la zisiky amparany, la ingo, fa voasaratsy ami-gny bokiny reo mpanjakan'i Joda ndraiky Israely ao reo. 12 Tami-gny faha telopolo sivy amby tao nanjakany la, narary gny tombokin'i Asa; nahery vaiky vatany gn'aretiny. Na zay aza, fa la tsy nila fagnampia baka amin'i Yaveh ie, fa taminy reo mpitaha avao. 13 Nimaty ami-gny reo razambeny i Asa tagny; maty tami-gny faha efapolo raiky amby tao nanjakany ie. 14 Nalevin-drozy tami-gny lolony ao avao ie, nihinaliny ho gn'azy ami-gny tanan'i Davida ao. Nampandrean-drozy tagnabony fandrea antsiky fofo magnitsy eo ndraiky kila raha magnitsy nameany reo mpahay raha magnitsy ie. Voho nanao bolo bavata rozy mba ho voninahitsy ho gn'azy.