Toko faha 4

1 Sady farany, ry rahalahy, mampahery voho magnanatsy gnanareo rahay ao amin'ny Tompo Jesosy. Laha nahazo reo fampianara bakaminay mikasikin'ny fomba tsy maintsy handehananareo voho hamalifalianareo gnan-Dranagnahary, gny amin'io lala andehana io avao koa , la mba anaovanareo mandilatsy io. 2 fa nareo la mahay reo fampianara zay nameanay gnanareo tamin'ny alalan'i Jesosy Tompo. 3 Fa zao ro sitrapon-Dranagnahary, la gny hagnamasina gnanareo ,mba hialanareo amin'ny fijangajanga , 4 zay ahaizan'ny kirakiraiky bakaminareo gny fomba ahazoa gny fanaky gny vatany ao amin'ny fahamasigna voho voninahitsy, 5 tsy amin'ny filan-draty ( manahaky reo jentilisa zay tsy mahay gnan-Dranagnahary). 6 Ao tsy hisy olo handika na hagnaratsy gny rahalahiny amin'io. Fa gny tompo ro mamaly amin'iregny raha iaby regny, manahaky gny nampiatandremanay mialoha voho nijoroanay vavolombelo taminareo. 7 Fa Ndranagnahary tsy niakiky gnay ho amin'ny fahalotoa , fa amin'ny fahamasigna. 8 Nohon'io , ie zay manda gnan'io la tsy manda olo, fa Ndranagnahary , zay nagnome gny fagnahiny Masy ho gnanareo. 9 Momban'ny fifankatiavan'ny mpiarahalahy , tsy mila olo hafa nareo hanoratsy ho gnanareo, fa nareo vatanareo la nampianarin-Dranagnahary mba hifankatia . 10 Ataonareo manahaky gnan'io, ho gnan'ireo rahalahy iaby zay eran'i Makedonia. Fa rahay la mananatsy gnanareo, ry rahalahy , mba hanao mihoatsy. 11 Magnanatsy gnanareo avao koa rahay mba hagnandra hiay am-pilamina, hisaina gny raharahanareo manoka, sady hiasa amin'ny tagnanareo , araky gny nandidianay gnanareo, 12 mba hanagnanareo fitondran-tena mendriky eo agnatrehan'ireo tsy mino voho hanan-draha mahory. 13 Fa tsy teanay tsy ho hainareo , ry rahalahy , gny mikasiky gnan'ireo zay nodimandry, mba tsy halavenovanareo manahaky reo ambiny zay tsy mana antoky gny amin'ny ho avy. 14 Fa laha mino tsika fa Jesosy la maty ka nitsanga ndraiky, la manahaky gnan'io koa ro hagnandesan-dranagnahary miaraky amin'i Jesosy reo zay fa nodimandry tao aminy. 15 fa zao ro lazainay aminareo tamin'ny safan'ny Tompo, fa tsika zay velo , zay tsy hialoha tokoa reo zay nodimandry. 16 Fa gny vatan'ny Tompo ro hizotso bakagny an-danitsy . Ho avy miaraky amin'ny feo avo Ie, miaraky amin'ny feon'ny Arkanjely, voho miaraky amin'ny tromperan-Dranagnahary, sady gny maty ao amin'i Kristy ro hitsanga voalohany. 17 bakeo tsika zay velo, zay sisa tavela , hiaraky hiakatsy amin-drozy egny amin'ny rahona ka hihaona amin'ny Tompo egny amin'ny habakabaky. amin'io la hiaraky amin'ny Tompo mandrakariva tsika. 18 Nohon'io , mifankahereza amin'ireo safa reo.