Toko faha 5

1 Amizao mikasiky reo fotoa voho reo vanim-potoa , ry rahalahy, tsy mila na ino ino voasoaratsy ho gnanareo nareo. 2 fa nareo vatanareo mahay soa fa gny andron'ny Tompo la ho avy manahaky gny mpangalatsy amin'ny haly. 3 Lafa miresaky rozy, " Miadagna voho milamina," la fahapoteha tampoky ro ho avy amin-drozy. Hanahaky gny fahararian'ny ampela bevohoka lafa miteraky gnan'io. Tsy ho afa-mandositsy mihintsy rozy. 4 Fa nareo , ry rahalahy, la tsy ao agnatin'ny hahiky ka hahatratry gnanareo tampoky manahaky gny mpangalatsy gny andro. 5 fa nareo iaby la anaky gny mazava voho anaky gny andro. tsy anaky gny haly tsika na gny hahiky. 6 Nohon'io, ndeha tsika tsy hiroro manahaky gny fataon'ny ambiny. Fa koa, ao tsika hiamby voho hahonon-tena. 7 fa reo zay miroro la manao gnan'io amin'ny haly, sady reo zay mamo la manao gnan'io avao koa amin'y haly. 8 fa laha mbo gnan'ny andro tsika , la tsy maintsy mahonon-tena tsika sady misiky finoa voho hatea ho fiarovan-tratra, sady gny antoky gny famonjea amin'ny ho avy ho fiarovan-dohantsika. 9 Fa Ndranagnahary tsy nanendry gnantsika ho amin'ny fahatezera, fa hahazoa gny famonjea amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 10 Ie gny maty ho gnantsika , na mifoha tsika na miroro , la afaky miara-miay aminy. 11 ka nohon'io mifampionona sady mifampahereza nareo , manahaky gny fa nataonareo. 12 Mangataky aminareo rahay , ry rahalahy , mba hagnenkeanareo zay mikely aina aminareo voho manday gnanareo amin'ny Tompo sady zay magnanatsy gnareo. 13 mangataky gnanareo avao koa rahay mba hagnaja gnan-drozy am-pitiava noho gny asan-drozy. Mihavagna amin'ny vatanareo . 14 magnanatsy gnanareo rahay, ry rahalahy: mampitandrema gny fikorontagna, hampaherezo reo kivy , ampio reo malemy, mahareta amin'ny iaby. 15 Ingo tsy misy olo mamaly raty gny raty na amin'ia nia. Fa koa, mila zay soa ho gnan'ny kirakiraiky voho ho gnan'ny iaby. 16 Mifalia mandrakariva . 17 Ka mijano mivavaky . 18 Misaora amin'ny raha iaby . Fa io ro sitrapon-Dranagnahary ao amin'i Kristy Jesosy ho gnanareo. 19 Ka mamono gny fagnahy. 20 Ka manao tsinontsino reo faminania. 21 Andramo gny raha iaby. Mifikira amin'izay soa. 22 Alao reo fisehoan'ny raty iaby. 23 Ndranagnahary gny fiadagna anie hampamasina gnanao tanteraky. Ao gny fagnahinareo manontolo, gny ay, voho gny vata la hoterizy tsy hanan-tsiny ho amin'ny fiavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky ie gny mikaiky gnanao , gny raiky zay hanao gnan'io avao koa. 25 Ry rahalahy , mivavaha avao koa ho gnanay. 26 Arahabao amin'ny fagnohara masina gny rahalahy iaby. 27 mangataky aminareo amin'ny Tompo aho mba ho vaky amin'ny rahaly iaby toy taratasy toy. 28 Ho aminareo anie gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.