Toko faha 3

1 Nohon'io , lafa tsy afaky niaritsy gnan'io sasy rahay, la nieretreretinay fa soa gny mitoetra raiky tao Atena. 2 Nandefa gnan'i Timoty rahay, rahalahinay voho mpiara-miasa ho gnan-Dranagnahary ao amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hagnamafy voho hankahery mikasikin'ny finoanareo[ Fanamarihana: Gny dikan-teny sasany hafa taloha la mivaky hoe:" Nandefa gnan'i Timoty rahay, rahalahinay sady mpanompon-Dranaganahry ao amin'ny filazantsaran'i Kristy."] 3 Nataonay io mba tsy hisy olo ho taitsy noho reo fahoria reo. Fa gny vatanareo la mahay fa io ro nanendrea gnantsika. 4 Marina tokoa , lafa niaraky taminareo rahay, la nilaza mialoha taminareo fa tsika la tsy maintsy hampahory, sady nitranga io, araky gny hainareo. 5 Nohon'io antony io, lafa tsy naharitsy gnan'io sasy aho, la nagniraky mba ahaizako gny finoanareo. Angamba gny mpaka fagnahy la fa nangalaky fagnahy gnanareo, sady ho zava-poana gny asantsika. 6 Fa avy tatoy aminay bakagny aminareo i Timoty sady nanday gny vaovao mahafalin'ny finoa voho hateanareo ho gnanay. Nilaza taminay ie fa nareo la mana fahatiarova soa gnanay avao, sady nareo la magniry mare gny ahita gnanay manahaky gny fagnirianay ahita gnanareo. 7 Nohon'io, ry rahalahy, rahay la nampaherezinareo nohon'ny finoanareo, tao agnatin'ny fitaitaigna voho fahorianay iaby. 8 Fa amizao velo rahay, laha mifikitsy mareo amin'ny Tompo nareo. 9 Fa fisaora manao akory ro azonay amea gnan-Dranagnahary gny aminareo, tamin'ny fifalia iaby zay anagnaay teo agnatrehan'ny Ndranagnaharinay noho gny aminareo? 10 Mivavaky mare andro amagn'aly rahay mba ahita gny endrikareo voho amatsy zay tsy ampy ao amin'ny finoanareo. 11 Ndranagnahary Babantsika vatany , sady Jesosy Tompontsika anie, hagnitsy gny lalanay ho aminareo . 12 Gny Tompo anie hampitombo voho hampandroso ami'ny fifankatiavanareo amin'ny hafa voho gny olo iaby, manahaky gny ataonay aminareo koa. 13 Ie anie hagnamafy gny fonareo, ka mba tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasigna rozy eo agnatrehan-Dranagnahary Babantsika, amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ireo masiny iaby.