Toko faha 2

1 Fa gny vatanareo la mahay , ry rahalahy , fa gny hateanay teto aminareo la tsy foana . 2 Hainareo fa taloha la nijaly sady nalam-baraka tagny Filipy rahay. rahay la mahasaky tao amin-Dranagnaharinay hilaza taminareo gny filazantsaran-Dranagnahary tao agnatin'ny fanohera bevata. 3 Fotony gny fagnanaranay la tsy bakamin'ny fahadisoa, na bakamin'ny fahalotoa, na bakamin'ny fitaky . 4 Fa koa, araky gny nankatoavan-Dranagnahary gnaay mba hatokisa amin'ny filazantsara , nohon'io la miresaky rahay. Miresaky rahay , tsy hampifaly gny olo, fa hahampiafaly gnan-Dranagahary, Ie izay mahay gny fonay. 5 Fotony tsy la nampiasa na mbia mbia reo safa fandokafa rahay, araky gny hainareo, na koa ho fialan-tsiny amin'ny fitsiririta , fotony Ndranagnahary ro vavolombelonay. 6 Na koa nila gny voninahitsy bakamin'ny olo rahay, na koa bakaminareo na bakamin'ireo hafa. Rahay la afaky nitaky reo tambotsoa manahaky reo apostolin'i Kristy. 7 Fa koa, rahay la tsotsa teo aminareo manahaky gny reny mankahery gnanany naterany.[ Fanamarihana: reo dikan-teny hafa sasany la mivaky manahaky gnan'izao:" Fa koa, rahay la manahaky gny aja kelikely teo aminareo, lafa mankahery gnanany naterany gny reniny."] 8 La manahaky gnan'io ro nanagnanay hatea ho gnanareo. Faly rahay mizara aminareo, tsy gny filazan-tasaranDranagnahary avao, fa gny fiaignanay manokana avao koa. Fotony nareo la lasa malalanay tokoa. 9 Fotony tiaronay, ry rahalahy , gny asanay voho gny fisasaranay. Andro amagn'aly ro niasanay mba tsy ahafahanay mampanday mavesatsy gny raiky aminareo. Nandritsa gnan'io fotoa io, la nitory gny filazantsaran-Dranagnahary taminareo rahay. 10 Nareo ro vavolombelo , sady Ndranagnahary avao koa , fa masina, voho marina, sady tsy manan-tsiny gny fiton-tenanay teo aminareo zay mino. 11 Manahakay gnanio koa la hainareo manahaky gny akory ro nataonay taminareo kirakiraiky manahaky gny ataon'ny raiky amin'ny gnanany naterany, 12 niangavy voho nankahery sady nandrisiky gnanareo rahay mba handeha amin'ny fomba zay mendriky gnan-Dranagnahary, zay mikaiky gnanareo ho ao amin'ny fanjakay voho gny voninahiny manokana. 13 Fa io antony io ro isaoranay avao koa gnan-Dranagnahary mandrakariva. Fa nareo lafa nandramby bakaminay gny hafatrin-Dranagnahary zay renareo, lanirambesinareo io tsy hanahaky gny safan'olo. Fa koa , nirambrsinareo io araky zay to, la gny safan-Dranagnahary. Io safa io avao koa ro miasa eo aminareo zay mino. 14 Fotony nareo, ry rahalahy, la lasa manahaky reo fiangonan-Dranagnahary agny Jodia zay amin'i Jesosy Kristy. Fa nareo avao koa la nijaly tamin'ireo raha reo avao noho gny nataon'ireo mpiaray tanindraza aminareo, sahala gny nanjo gnan-drozy koa noho gny nataon'ny Jiosy taminy. 15 Reo jiosy ro namono na gnan'i Jesosy Kristy na reo mpaminany. Reo Jiosy ro nandroaky gnanay. Tsy nankasitraky gnan-Dranagnahary rozy. Fa koa, rozy la fahavalon'ny olo iaby. 16 Rozy la nandrara gnanay tsy hiresaky amin'ireo jentilisa mba tsy hamonjea gnan-drozy regny. Vokatrin'io la mamen gny fahotan'ny vatanay mandrakariva rozy. Gny fahatezera la tsy maintsy avy eo amin-drozy amin'ny farany. 17 Tafasaraky taminareo rahay, ry rahalahy, nandritsy gny fotoa fohy, tamin'ny fagnatreha fa tsy tamin'ny fo. Tena nazoto fatratry rahay, nagniry mare, gny hahita gny tarehinareo. 18 Fotony nagniry gny ho agny aminareo rahay, Zaho , Paoly, matetiky , nefa nanakaa gnanay Satana. 19 Fa ino moa gny fanantenanay gny ho avy, na fifalia, na satro-boninahitsy gny fandresea eo agnatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany? Moa tsy nareo manahaky reo sasany hafa koa va? 20 Fa nareo ro voninahitsy voho fifalianay.