Toha faha 4

1 Noho izay, fotony nijaly tamin'ny nofo i Kristy, la atavo fialian'ny vatanareo izay tanjona izay. Fa ze nijaly iaby tamin'ny nofo la nitsahatsy tamin'ny fahota. 2 Vokatr'izay, gny olo manahaky izay, tagnaty gny fotoa kelikely hiay, la tsy hiay ho gnan'ny fagnirian'ny olo sasy, fa ho gnan'ny sitrapon-Dranagnahary. 3 Fa ampy zay gny fotoa lasa nanaova zay tian'ny Jentilisa atao- hafalian'ny nofo, fijejojejoa, fimamoa, fitondran-tena mahamegnatsy, filalaovan-draty, sady reo asan'ny fanompoan-tsampy maharikoriko. 4 Dinihin-drozy fa hafahafa fotony tsy mikamba amin-drozy ao amin'izay fagnaranam-po maro izay nareo, noho izay la hivola raty mikasiky nareo rozy. 5 Hamaly gny raiky ze vonona hitsara gny velo voho gny maty rozy. 6 Noho izay antony izay ro nitoria gny vaovao mahafaly tamin'ireo maty avao koa, mba na la nitsara tamin'ny nofo manahaky gny olo aza rozy, la hiay manahaky an-Dranagnahary ao amin'ny fagnahy. 7 Magnariniky gny faran'ny raha iaby. Noho izay tongava say, sady mampionogna vata amin'ny eritreritrareo ho gnan'ny fitiavam-bavaky. 8 Agnabon'ny raha iaby, mana fitiava feno ho gnan'ny kiraidraiky aby, fa gny fitiava mandrakotsy fahota maro. 9 Mifampiantranoa tsy am-pitaraigna. 10 Fa gny kiraidraiky agnaminareo la nandramby fanomezam-pahasoava, ampiasao hifanompoa izay. Manaova izay manahaky gny mpitan-draharahan'ny fanomezam-pahasoava maro maimaimpoa an-Dranagnahary. 11 Laha misy mivola, ao ie hanao izay manahaky gny raiky mivola gny safan-Dranagnahary. Laha misy manompo, ao izay ho avy amin'ny hery zay omen-Dranagnahary. Manaova reo raha reo mba homem-boninahitsy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy amin'ny fomba iaby Ndranagnahary. Ao ho gnan'i Jesosy Kristy gny voninahitsy voho hery la traky farany. Amena. 12 Ry malala, ka rambesy ho hafahafa gny fitsapa amin'ny bolo zay nitranga tagnaminareo, manahaky gny hoe nisy raha hafahafa nitranga tagnaminareo. 13 Fa koa, na la maro ka gny hiaignanareo reo fijalian'i Kristy, mifalia, mba ho afaky hifaly avao koa nareo sady ho ravoravo amin'ny fanambara gny voninahiny. 14 Laha notevatevay noho gny agnaran'i Kristy nareo, la voatahy, fotony gny Fagnahin'ny voninahitsy voho gny Fagnahin-Dranagnahary la mipetraha ao agnaminareo. 15 Fa ao tsy hisy na ia na ia agnaminareo hijaly manahaly gny mpamono olo, mpangalatsy, mpanao raty, na mpiraharaha gny an'ny hafa. 16 Fa laha misy mijaly fa Kristiana, ao ie tsy ho megnatsy; fa koa, ao hagnome voninahitsy an-Dranagnahary amin'izay agnara izay ie. 17 Fa fotoa zao hanomboha gny fitsara miaraky amin'ny avorohotan-Dranagnahary. Laha manomboky amintsika izay, ino ro ho vokatsy ho gnan'ireo zay tsy mankato gny filazantsaran-Dranagnahary? 18 Sady laha " gny olo-to aza ila tsy ho voavonjy, amin'ny fomba manao akory ro hisehoan'ny olo tsy an-Dranagnahary voho gny mpanota?" 19 Noho izay ao reo zay mijaly noho gny sitrapon-Dranagnahary hanankina gny fanahin-drozy amin'ny Mpamoro mahatoky amin'ny fanaovan-tsoa.