Toko faha 3

1 Amin'izay fomba izay, Nareo sevaky la tokony hagneky gny valinareo. Atavo izay na la misy johaty maro aza tsy mankato gny teny, sady mety ho azo rozy na tsy misy aza gny safa, amin'ny alalan'ny fitondran-tegnan'ny valin-drozy. 2 Fa rozy la hahajery gny fitondran-tena mendrikareo am-panaja. 3 Ao izay ho tanteraky tsy miaraky amin'ireo haingo ivelany: taly volo, ravaky, volamena, na salotsy lamody. 4 Fa koa, ao izay ho tanteraky miaraky amin'izay ao am-pon'ny olo, voho gny hasoa maharitran'ny fagnahy soa voho mitsy, zay sarobidy eo agnatrehan-Dranagnahary. 5 Fa reo sevaky masy taloha ro nandravaky gny vatan-drozy manahaky izay. Nana fahatokia an-Dranagnahary rozy sady nagneky gny valiny aby. 6 Manahaky fomba izay ro nankatoavan'i Abrahama gnan'i Saraha voho nikaihany gnazy ho tompony. Nareo la anany henanio laha manao zay soa voho tsy matahotsy ola nareo . 7 Manahaky izay avao, nareo johary la tokony miay miaraky amin'ny valinareo araky gny fahazavan-tsay, manahaky gny fanaky malemy mare, gny sevaky. Tokony omenareo voninahitsy rozy manahaky gny mpiara-mandova gny fanomezan'ny fiaigna. Atavo izay mba tsy ho voasaka gny vavakareo. 8 Farany, nareo iaby, ao hiray say, hangoraky, hifankatia manahaky gny mpirahalahy, ho tso-po, sady hanetri-tena. 9 Ka mamaly raty gny raty na manevateva gny mpanevateva. Mifanohitsy amin'izay aza, mitahia hatrany, fa noho izay ro nikaiha gnanareo, mba hahafahanareo mandova gny fitahia. 10 " Izay raiky zay te hankafy gny fiaigna voho te hahajery andro soa la tokony hagnatsahatsy gny lelany amin'ny raty voho gny sogniny amin'ny fivolagnany fitaky. 11 Ao ie hiala amin'ny atao hoe raty sady hanao izay soa. Ao ie hila fiadagna voho hitaky izay. 12 Gny mason'ny Tompo mahajery gny to, sady gny sofiny mahare reo fangatahan-drozy. Fa gny vatan'ny Tompo la manohitsy reo zay manao raty." 13 Ie izay raiky hamely gnanareo laha magniry gny hanao gny soa nareo? 14 Nefa laha mijaly nohon'ny fahamarigna nareo, la sambatsy. Ka matahotsy izay hatahoran-drozy. Ka mangorohoro. 15 Fa koa, atoka manahaky gny masy ao am-ponareo gny Tompo Kristy. Mivonogna hatrany hamaly gny olo iaby zay magnotany gnanareo gny antony hatokianareo an-Dranagnahary. Atavo amin'ny halemem-pagnahy voho fagnaja izay. 16 Mana feon'ny fieretrereta malio mba gny olo zay manevateva gny fiaigna soanareo ao amin'i Kristy la mety megnatsy fotony mivola manohitsy gnanareo rozy manahaky gny hoe mpanao raty nareo. 17 Soa mare, laha Ndranagnahary magniry, fa mijaly nareo amin'ny fanaova gny soa nohon'ny fanaova gny raty. 18 Fa nijaly nohon'ny fahota avao koa i Kristy. Ie zay to la nijaly ho gnantsika, zay tsy to, mba handesany gnantsika eo amin-Dranagnahary. Vinono tamin'ny nofo Ie, fa novelomin'ny Fagnahy. 19 Tamin'ny alalan'ny Fagnahy, la nandeha ie sady nitory ho gnan'ireo fagnahy zay agny an-gadra henanizao. 20 Tsy nankato rozy lafa niamby gny faharetan-Dranagnahary tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fanangana sambofiara, sady Ndranagnahary namonjy olo kelikely_fagnahy valo__tamin'ny rano. 21 Izay ro famantara gny batisa zay mamonjy gnanareo henanizao- tsy manahaky gny fagnaliova gny loto amin'ny vata, fa manahaky gny kaikin'ny feon'ny fieretrereta ho amin-Dranagnahary-tamin'ny alalan'ny fitsangan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. 22 Kristy la eo an-tagna ankavanan-Dranagnahary. Niakatsy agny an-dagnitsy ie. Reo anjely, reo manam-pahefa, sady gny hery la tsy maintsy magneky Gnazy.