Toko faha 2

1 Noho izay ario gny raty iaby, gny fahadisoam-panatena iaby, gny fihatsaram-belatsihy, gny fagniria, sady gny fanendrekendreha iaby. 2 Manahaky gny aja voho teraky, magniry ronono ara-pagnahy malio, mba hahafahanareo mitombo ao amin'ny famonjea amin'ny alalan'izay, 3 laha nahatsapa nareo fa soa fagnahy gny Tompo. 4 Magnato gnazy izay vato velo zay narian'ny olo, fa voafilin-Dranagnahary ho manan-danja Agnaminy. 5 Nareo avao koa la manahaky reo vato velo zay voaory ho tragno ara-pagnahy, mba ho mpisoro masy zay manolotsy gny soro ara-pagnahy eken-Dranagnahary amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 6 Gny Soratsy Masy la ahita zao: " Ingo, zaho mipetraky amin'ny Ziona vato fehizoro, voafily voho manan-danja. Izay iaby mino gnazy la tsy ho megnatsy." 7 Gny voninahitsy noho izay la ho gnanao zay mino. Nefa," gny vato narian'ireo mpanori-tragno, izay la avy lohan'ny fehizoro"- 8 sady, vato mahatafintohy voho vatolampy mahalavo. Tafitohy rozy, tsy nankato gny safa, zay voatoka ho gnan-drozy avao koa. 9 Fa iha la olom-boafily, mpisoron'ny mpanjaka, firenena masy, olo ho gnan'ny fanagnan-Dranagnahary, mba ho afaky hagnambara gny hatsaran'ireo asan'izay raiky izay nikaiky gnanao bakao amin'ny maiky hagneo amin'ny hazavany mahatalanjo iha. 10 Taloha iha tsy olo, nefa henanio iha la olon-Dranagnahary. Tsy nandramby famindram-po iha, fa henanio iha nandramby famindram-po. 11 Ry malala, mikaiha nareo manahaky gny vahiny voho mpirenireny aho mba hifaly gny filan'ny nofo, zay mahavy aly manohitsy gny fagnahinareo. 12 Tokony mana fitondran-tena soa nareo eo amin'ireo Jentilisa, mba ho, laha mivola mikasiky gnanareo ho nanao raha raty rozy, la tokony hahajery reo asa soanareo voho hankalaza an-Dranagnahary amin'ny andro zay hahaviany. 13 Ankatoavo gny fahefan'ny olombelo iaby noho gny amin'ny Tompo. Ankatoavo manahaky gny agnabo mare gny mpanjaka, 14 voho reo governora avao koa, zay nalefa mba hagnasazy reo mpanao raty voho hankalaza reo zay manao gny soa. 15 Fa izay ro sitrapon-Dranagnahary, amin'ny fanaova gny soa gnanareo la mampitsy gny safa tsy mahay fomban'ny olo adala. 16 Manahaky maha-olon'afaky, ka ampiasa ho manahaky gny fagnorogna fahalemea gny fahafahanao, fa ao ho manahaky gny mpanom-pon-Dranagnahary. 17 Omeo voninahitsy gny olo iaby. Tiavo gny firahalahia. Mahatahora an-Dranagnahary. Omeo voninahitsy gny mpanjaka. 18 Ry mpamono meteza hanaiky gny tomponareo amin'ny fagnaja iaby. Ka magnenky ho mpanompon'ny soa voho ho tompo soa fagnahy, fa ho gnan'ireo raty toetry avao koa. 19 Fotony mendri-pandrengea izay laha misy miaritsy fahararia lafa mijaly amin'ny tsy rariny noho gny fanatenany an-Dranagnahary. 20 Fa ohatrino gny jala laha manota iha sady miaritsy agnatiny gny fagnasazia gnanao bakeo? Fa laha nanao gny soa iha sady miaritsy agnatiny gny fagnasazia gnanao, la mendri-pandrengea amin-Dranagnahary izay. 21 Fa noho toy ro nikaiha gnanao, fotony Kristy avao koa la nijaly ho gnanao. Namela ohatsy ho gnanao Ie mba hagnaraha reo lalany. 22 Tsy nanota Ie, na hoe nisy fitaky teo am-bavany. 23 Lafa nivolagnany raty Ie, la tsy mba namaly raty. Lafa nijaly Ie, la tsy nampitahotsy, fa nanolotsy gny vatany tamin'izay raiky izay mpitsara ampahamarigna. 24 Ie vatany la nanday reo fahotantsika tao amin'ny vatany ho eo agnabo hazo, mba tsy hanagna anjara amin'ny fahota sasy tsika, sady mba hiay ho gnan'ny fahamarigna. Tamin'ny alalan'ny ratrany ro nahasitragna gnanareo. 25 Nirenireny manahaky gny aondry tsobo nareo iaby, fa henanizao nareo nimpoly tamin'ny mpiamby aondry voho mpiamby gny fagnahinareo.