Toko fah 5

1 Mananatsy reo loholona agnaminareo aho, zaho zay loholona nama. Zaho avao koa la vavolombelon'ireo fijalian'i Kristy, sady avao koa mpikamba ao amin'ny voninahitsy zay fa haseho. 2 Noho izay, mananatsy gnanareo aho, ry loholona, andraso gny aondrin-Dranagnahary zay eo agnaminareo. Araho maso rozy regny, tsy amin'ny fahateriterea, fa amin'ny sitraponareo, araky gny sitrapon-Dranagnahary. Araho maso rozy regny, tsy amin'ny jala maloto, fa an-tsitrapo. 3 Ka manjakazaka amin'ny olo zay tandremanareo. Fa koa, ao ho fitaratsy ho gnan'ny aondry. 4 Sady lafa miseho gny lohan'ny mpiamby aondry, la hahazo satro-boninahitsy tsy mety simba nareo. 5 Manahaky izay koa, nareo tanora fagnahy, magnekea gny olo-dehibe. Nareo iaby, tafio fanetren-tena gny vatanareo sady mifanompoa. Fa Ndranagnahary manohitsy gny mpirehareha, fa magnome fahasoava gny mpanetry tena. 6 Noho izay manetre tena eo ambanin'ny tana-maherin-Dranagnahary mba hanan-dratany gnanareo amin'izay fotoa izay. 7 Apetraho eo aminy gny fagnahinareo iaby, fotony Ie ro miahy gnanareo. Mampionona vata, miambena. Gny fahavalonareo, la gny devoly, miodidy manahaky gny liona mihaoky, mila zay olo ho arapany. 9 Manohera gnazy. Mioregna amin'ny finoanareo. Hainareo fa izay fahoria izay la mahazo gny firaisan'ireo mpino manera an'izao tontolo izao avao koa. 10 Lafa baka nijaly tagnatiny fotoa kelikely nareo, gny Ndranagnahary gny fahasoava iaby, zay nikaiky gnanareo ho amin'ny voninahiny la traky farany ao amin'i Kristy, la hahatanteraky gnanareo, hananga gnanareo, sady hampahery gnanareo. 11 Ho Gnazy anie gny fanjaka la traky farany mandrakizay. Amena 12 Rambeso manahaky gny rahalahy mahatoky i Silasy, sady manoratsy teny kelikely ho gnanareo tamin'ny alalany aho. Mananatsy gnanareo aho sady magnambara gnanareo fa izay nosoratako la fahasoava ton-Dranagnahary. Mijoroa amin'izay. 13 Gny sevaky zay agny Babylona, zay voafily niaraky tagnaminareo, manao veloma gnanareo. Sady koa i Marka, anako johary, manao veloma gnanareo. 14 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiava. Ho agnaminareo iaby anie gny fiadagna zay ao amin'ny Kristy.