Chapter 18

1 Sady lafa afaky andro maromaro la avy tamin'i Elia gny tenin'i Iaveh,tamin'ny tao fahatelo hain-tany,nanao hoe: " Mandehana,miseho amin'i Ahaba la handefa ora amin'ny tany aho". 2 Nandeha niseho tamin'i Ahaba i Elia,sady nanjeky gny mosary tagny Samaria. 3 Ahaba nikaiky gnan'i Obadia,zay nitanta gny lapa.Sady Obadia la nagnome voninahitsy gnan'i Iaveh vatany, 4 Ka lafa namono reo mpaminan'i Iaveh Jezebela,la nangalaky reo mpaminany zato sady nagnetaky azy an-drozy dimampolo tao an-davabato sady namaha an-drozy tamin'ny mofo voho rano i Obadia 5 Sady hoy Ahaba tamin'i Obadia: " Mandehana mivola gny tany hatragny amin'ny loharano voho reo lohasahan-driaky manontolo.Fa mety hahita ahi-maitso hamelo gny soavaly voho gny ampondro ntsika,mba tsy hisy ho trobo gny biby fihary iaby" 6 Ka nifampizaran-drozy gny tany mba andehanany amin'io sady ilany rano.Ahaba nandeha tamin'ny lala raiky sady Obadia nandeha tamin'ny lala hafa. 7 Laha mbo tegny an-dala Obadia,la nifampikojoky tampoky tamin'i Elia ie.Obadia nahay azy ka nampiankohoky gny vatany tamin'ny tany.Hoy ie hoe :"Iha va toy ry Elia tompoko? 8 Elia namaly azy hoe:"Izaho. Mandehana volagno gny tomponao hoe:"Ingo,ato Elia." 9 La namaly Obadia hoe: "Ino ro fahotako,ro atolotrao eo an-tagnan'i Ahaba gny mpanomponao,mba hamonoany ahy? 10 Laha mbo velo koa Iaveh Ndranagnaharinao,la tsy misy firenena na fanjakana zay tsy nandefasan'ny tompoko olo hila anao.Na mbia ro misy firenena na fanjakana mivola hoe: " Tsy ato Elia,la ampanaovin'i Ahaba fiainiana hianiana fa tsy nahita anao rozy. 11 Nefa amizao hoy iha: 'Mandehana volagno gny tomponao fa atsy Elia. 12 Vatany vao miala aminao aho,gny fagnahin'i Iaveh handay anao agny amin'ny toera tsy haiko.Ka laha handeha aho sady hivola amin'i Ahaba,sady laha tsy hahita anao ie,la la hovonoany aho.Kanefa zaho,mpanomponao,la hanompo gnan'i Iaveh hatramin'ny fatanorako. 13 Moa tsy novolagny taminao va,ry tompoko,zay nataoko lafa novoan'i Jezebela gny mpaminan'i Iaveh,gny fomba nagnajariako gny mpaminan'Iaveh zato ka dimampolo avao ro tao agnaty lava-bato voho gny namahanako mofo voho rano an-drozy? 14 Amizao hoy iha amiko:"Mandehana sady volagno gny tomponao fa eto Elia,ka la hovonoiny aho." 15 La namaly Elia hoe :"Laha mbo velo koa Iaveh tompon'ny maro,zay hitsanganako eo agnatrehany,la hiseho amin'i Ahaba tokoa aho androany." 16 Ka lasa Obadia nandeha mba hijery gnan'i Ahaba,sady nivola taminy izay novolagniny Elia.La nandeha nihaona tamin'i Elia gny mpanjaka. 17 Lafa nahita gnan'i Elia i Ahaba,la hoy ie taminy:Iha va io? Iha raiky zay manday koronta ho gnan'Israely! 18 La namaly Elia hoe:"tsy nanday koronta ho gnan'Israely aho,fa iha voho gny avorotan'ny rainao ro olo nampisy koronta tamin'ny alalan'ny fialaranareo tamin'ny lilin'i Iaveh voho gny fagnarahanareo gnan'i Bala. 19 Ka amizao,mandefasa teny sady avorio eto amiko gny Israely manontolo ao an-tendrombohitr'i Karmela,miaraka amin'ireo mpaminanin'i Bala 450 voho reo mpaminanin'i Aseraha efajato zay nihina teo an-databatr'i Jezebela." 20 La nandefa safa tagny amin'ny fokonolon'Israely iaby voho namory niaraky reo mpaminany tao an-tendrombohitr'i Karmela i Ahaba. 21 Sady Elia nisiziky gny fokonolo manontolo ka nivola hoe:"mbia iha vao hiova hevitsy?Laha Iaveh ro Ndranagnahary, la magnaraha Azy.Fa laha Bala ro Ndranagnahary,la magnaraha azy."Fa gny olo tsy namaly vola azy. 22 La hoy i Elia tamin'ny fokonolo hoe:"Izaho,la zaho raiky avao,ro sisa mpaminanin'i Iaveh,nefa gny mpaminanin'i Bala la olo 450. 23 Ka ao reo ro hagnome aomby roe ho gnantsika.Ao rozy hifily aomby raiky ho gnan-drozy voho handrasa an'io,sady hampandry io eo amin'ny kata,nefa tsy handrehitry bolo eo ambanin'io.la hikolokolo lay aomby raiky hafa ao ka hametraky io eo amin'ny kata,sady tsy hagnisy bolo eo ambanin'io. 24 La hikaiky gny agnaran'ny Ndranagnaharinareo nareo,sady zaho hikaiky gny agnaran'Iaveh,sady gny Ndranagnahary zay hamaly amin'ny bolo,la Ao ie ro ho Ndranagnahary."Ka namaly gny olo iaby sady nivola hoe:"Mety zay." 25 Sady hoy i Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala:"mifilia aomby raiky ho gnanareo,sady omano aloha io,fa olo maro nareo.La kaiho gny agnaran'ny Ndranagnaharinareo,nefa ka asia bolo eo ambanin'ny aomby." 26 La nangalaky gny aomby zay nameagnazy rozy sady nikarakara io.La nikaiky gny agnaran'i Bala hatramin'ny maray mandra-pitataovovonana rozy,nanao hoe :"Ry Bala o mijanjigna anay."Nefa tsy nisy feo,na nisy namaly azy.Nisindraky nagnodidy gny alitara namboariny rozy. 27 Lafa mitatao-vovonana la naneso an-drozy i Elia nanao hoe :"Mikaiha mare avao! Fa Ndranagnahary ie! Vasa mbo mieritseritsy ie,na magnamaiva gny vatany,na nisy lia nandehanany,na mbo miroro ie ka tokony ho fohazy." 28 Fa mbo nikaiky mare avao rozy,sady nandrasa gny vatan-drozy,araky gny fataony matetika miaraky amin'ny meso voho lefo,mandra-pahaloa-drà gny vatan-drozy. 29 Lasa gny mitatao vovonana,la mbo nisafoaka avao ie hatramin'ny fotoan'ny fagnatitsy hariva,nefa tsy nisy feo na namaly aza;tsy nisy nijanjy gny fitarainan-drozy. 30 La hoy i Elia tamin'ny olo iaby: "Misiziha eto amiko la nisiziky azy gnolo iaby.La nambotsy gny alitaran'i Iaveh zay rava tanteraky ie. 31 Nangalaky vato folo roamby Elia,gny vato kirakiraiky ba maneho gny raiky amin,ireo fokon'ireo anakilahin'i Jakoba lay niavian'ny tenin'i Iaveh,nanao hoe: " Israely ro ho agnaranao." 32 Tamin'ireo vato reo ro nagnorenany gny alitara tamin'ny agnaran'i Iaveh sady ie la nihaly lavaky kely magnodidy gny alitara bevata aomby voan-draha indroan'ny famaragna 33 Nandahatsy gny kata ho gnan'ny bolo ie,nandrasa gny aomby,sady nametraky reo aomby voarasa teo amin'ny kata hoy ie hoe: " Feno rano gny siny efatsy ka araraho eo amin'ny fagnatitsy oroa voho eo amin'ny kata. 34 La hoy ie hoe: " Ataovo fagnidroe io "la nataon-drozy fagnindroe.La hoy ndraiky gnataony: "Atovo fagnitelo io".La nataondrozy fagnitelo. 35 La niaraky nagnodidy gny alitara gny rano sady nameno gny lavaky. 36 Nisy tamin'io fotoan'ny fagnatitsy tamin'ny soro amin'ny hariva,sady Elia mpaminany la nisiziky mariniky ka nivola hoe:"Ry Iaveh,Ndranagnaharin'i Abrahama,voho Isaka,voho gny Israely,ao ho hay eto amizao fa Iha ro Ndranagnahary eto amin'ny Israely,sady zaho la mpanomponao,sady nanao raha iaby zao araky gny teninao aho. 37 Mijanjigna ahy,ry Iaveh,mijanjigna ahy,mba hahaizan'ireto olo reto fa Iha,Iaveh,la Ndranagnahary,sady Iha ro nampitoliky gny fon-drozy taminao ndraiky ." 38 Sady gny bolon'i Iaveh nilatsaky ka nandrava gny fagnatitsy oroa,sady gny kata koa,reo vato,sady gny fasiky,sady nandritsy gny rano zay tao amin'ny lavaky. 39 Lafa nahita gnan'io gny olo iaby,la nampiankohoky gny vatany teo amin'ny tany sady nivola hoe:"Iaveh,Ie ro Ndranagnahary! Iaveh,Ie ro Ndranagnahary!" 40 Ka hoy i Elia tamin-drozy:"Samboro reo mpaminanin'i Bala.Ka enga hisy handositsy rozy ndra raiky aza." Ka nosambory reo mpaminanin'i Bala,sady i Elia nanday reo mpaminanin'i Bala nilitsy tagny amin'ny lohasahan-driaky Kisona sady namono an-drozy tagny. 41 Hoy i Elia tamin'i Ahaba: mitsangàna,mihinàna sady minoma,fa zay gny feon'ny oram-be." 42 Ka niakatsy mba hihina voho hino i Ahaba.La nikatsy teo an-tampon'i Karmelo i Elia,niondriky teo amin'ny tany ie,sady nametraky gny vatany teo agnelagnelan'ny lohaliny. 43 Sady hoy ie tamin'ny mpanompony: "Miakara amizao,ka mitazàna igny amin'ny riaky."La niakatsy gny mpanompony ka nitazana sady nanao hoe : "Tsy misy na ino ino."Ka hoy ndraiky i Elia : "Mandehana ndraiky,impito." 44 Sady lafa fagnim-pito la hoy mpanompony: "Ingo,misy hiboky miakatsy bakamin'ny riaky,kely manahaky gny tagnan'olo."La namaly i Elia hoe: "Miakara ka lazao amin'i Ahaba hoe: 'Atavo vonona gny kalesinao ka mandeha aloha hanakanan'ny ora iha "' 45 Sady tsielatsiela la niham-maintin'ny hiboky voho tsioky gny lagnitsy.La nisy oram-be.Sady i Ahaba nitaingina kalesy ka nandeha nagnagny Jezirela. 46 Fa gny tanan'i Iaveh la nomba gnan'i Ahaba.Nagnisy gny akanjo teo amin'ny fehi-kibony ie sady nilay teo alohan'i Ahaba teo amin'ny filira magnagny Jezilera.