Toko faha 19

1 Nivolagnin'i Ahaba tamin'i Jezebela iaby zay rehetra nataon'i Elia voho gny namonoany reo mpaminany manontolo tamin'ny meso. 2 Sady Jezebela nandefa mpanday hafatsy tagny amin'i Elia,nivola hoe: "Hataon'ireo ndranagnahary amiko anie io,eka mihoatsy noho io aza,laha tsy hataoko ho manahaky ain'ny gny raiky tamin'iregny mpaminany zay maty regny gny ainao hamaray amin'ny ora manahaky anizao." 3 Lafa ren'i Elia io,la nitsanga ka lasa nandositsy namonjy gny ainy sady nagnagny Beri-Sheba,zay gnan'i joda,sady nengany teo gny mpanompony. 4 Fa ie nandeha ndraik'andro andala tagny agnefitsy,la avy sady nipetraky teo ambany hazo kifafambohitsy.Nangataky gny ho maty ie,ka nanao hoe: "Ampy zay,amizao,ry Iaveh,alao gnaiko,fotony tsy soa noho reo razambeko aho." 5 Ka dia nandry nitselagny teo ambany kifafambohitsy ie.Tampoky teo la nisy anjely nikasiky azy ka nivola taminy hoe:"Mifohaza sady mihinana." 6 Nanenty i Elia,sady teo agnilan'ny lohany la nisy mofo niketrehy tamin'ny vam-bolo voho rano tavoara raiky.Sady nihina voho nino ie ka nimpoly niroro ndraiky. 7 Avy fagnindroe lay anjelin'i Iaveh,ka nikasiky azy sady nivola hoe: "Miharena sady mihinàna,fotony ho lava aminao gny lia." 8 Ka nitsanga ie sady nihina voho nino,sady nandeha tamin'ny hery azony tamin'io hany io nandritra gny efapolo andro voho efapolo haly ho agny Horeba,lay tendrombohitri-Ndranagnahary. 9 Nandeha tao amin'ny zohy raiky tagny ie sady nipetraky tao amin'io.La avy taminy gny tenin'i Iaveh sady nivola taminy hoe : "Ino ro ataonao ato ry Elia?" 10 Elia namaly hoe: "Be zotom-po ho gnan'i Iaveh,Ndranagnahary tompon'ny maro aho,fotony fa nahafoy gny fagnekenao gny olon'Israely,nandrava reo alitaranao,sady namono reo mpaminaninao tamin'ny meso.Aminizao zaho,la zaho raiky, no sisa tavela sady mikasa gny hifofo gnaiko koa rozy." 11 Yaveh namaly hoe : "Miboaha ka mitsangana eo amin'ny tendrombohitsy eo agnatrehako."Sady nandalo i Iaveh,ka nisy tsioky mahery namely gny tendrombohitsy sady namaky reo vatolampy ho potipotiky teo agnatrehan'i Iaveh,kanefa tsy tao agnatin'i tsioky i Iaveh.Sasy tafaran'ny tsioky la nisy horohoron-tany avy,kanefa tsy tao agnatin'ny horohoron-tany i Iaveh. 12 Sady tafaran'ny horohoron-tany la avy gny bolo,kanefa tsy tao agnatin'ny bolo i Iaveh.Tafaran'ny bolo,la nisy feo malefaka avy. 13 Lafa ren'i Elia lay feo,la notampenany tamin'ny sikiny gny vatany,niboaky ie,sady nitranga teo amin'ny filiran'ny lay zohy.Sady nisy feo avy taminy nanao hoe: "Ino ro ataonao eto,ry Elia?" 14 Elia namaly hoe: "Be zotom-po ho gnan'i Iaveh,Ndranagnaharytompon'ny maro aho,fa gny olon'Israely nahafoy gny fagnenkenao,nandrava reo alitaranao,sady namono reo mpaminaninao tamin'ny meso.Amizao,zaho la zaho raiky,ro sisa tavela sady magniry gny hifofo gnaiko ka rozy." 15 Sady Iaveh nivola taminy hoe: "Mandehana mimpolia amin'ny lalanao ho agny agnefitr'i Damaskosy,sady lafa avy gny iha la hagnosotsy gnan'i Hazaela ho mpanjakan'i Syria, 16 Sady iha hagnositsy gnan'i Jeho gnanaky lahin'i Nimsy ho mpanjakan'Israely,sady iha hagnositsy gnan'i Elisa anakilahin'i Safata bakagny Abela mehola ho mpaminany handimby gny toeranao 17 Sady amin'io la hovonoan'i Jeho zay iaby nahanilay tamin'ny meson'i Hazaela,hovonoan'i Elisa zay iaby nahazo nilay amin'ny meson'i Jeho. 18 Kanefa Zaho hamela olo fito arivo ho gnahy agny Israely reo zay nandohaliky ka tsy niankohoky tamin'ny Bala,voho reo vava zay tsy mbo nagnoroky azy." 19 Ka niala teo i Elia sady nahita gnan'i Elisa anakilahin'i Safata,zay niasa niaraky tamin'ny ziogan'aomby folo roamby nagnatriky azy,sady ie vatany avao ro niasa niaraky tamin'ny zioga faha folo roamby.Niampita nagnegny amin'i Elisa Elia ka nagnaro gny sikiny taminy. 20 Bakeo la nagnenga reo aombiny i Elisa ka nilay nagnia gnan'i Elia;hoy ie: "Engao lahy aho hagnoroky gny raiko voho gny reniko,sady hagnaraky anao aho bakeo."La hoy i Elia taminy: "Mimpolia sady,kanefa diniho zay fa nataoko taminao." 21 Ka nimpoly bakagny amin'i Elia i Elisa sady nangalaky gny ziogan'aomby,namono reo biby,sady niketriky gny hena tamin'ny hazo ziogan'aomby.La nameany gny olo io ka nihina rozy.Bakeo la nitsanga ie,nagnaraky gnan'i Elia sady nanompo azy