Chapter 17

1 Elia lay Tista,bakagny Gileada,nivola tamin'i Ahaba hoe: "Laha mbo velo koa i Iaveh,lay Ndranagnahariny gny Israely,zay ijoroako eo anoloany,la tsy hisy ando na ora aminy toy tao toy laha tsy milaza io aho 2 Avy tamin'i Elia gny safan'i Iaveh,nanao hoe: 3 "Mialaeto sady mandehana magnantignana;mietaha ao amin'ny lohasahan-driaky Kerita,antignanan'i Jordana. 4 Sady hino rano bakao amin'ny lohasan-driaky iha,sady fa nandidy reo goaika aho hamaha gnanao agny. 5 Ka nandeha i Elia sady nanao araky zay nandidian'ny safan' Iaveh. Nandeha ie mba hipetraky eo amin'ny lohasahan-driky Kerita,antignanan'i Jordana. 6 Nanday mofo voho hena ho gnazy reo goaika gny maray sady mofo voho hena gny hariva,sady nino tamin'ilay lohasahan-driaky ie. 7 Fa lafa afaky kelikely la ritsy lay lohasahan-driaky fotony tsy nisy ora tamin'ny tany. 8 Avy taminy reo safan'i Iaveh,milaza hoe: " 9 MItsangàna,mandehana agny Zarefata,zay gnan'i Sidona,sady mipetraha agny.Ingo,fa nandidy mpitondratena tagny aho mba hampisakafo anao." 10 Ka nitsanga ie sady nandeha tagny Zarefata,sady lafa avy teo am-bavahadin'ny tanà ie la nisy mpitondratena raiky namory tapa-kazo teo.La nikaiky azy ie sady nanao hoe: "Mba agnandeso rano kely bagnaty siny lahy aho mba hahafahako mino." 11 Lafa nandeha hangalaky rano ie la nikaiky azy ie,sady hoy ie: "Mba agnandeso mofo raiky an-tagnanao lahy aho" 12 La namaly ie hoe: " Laha mbo velo koa Iaveh Ndranagnaharinao,la tsy mana mofo aho,fa sakafo eran'ny tanana agnaty siny voho menaky kelikely agnaty tavoara avao.Ingo mamory tapa-kazo roe aho mba hahafahako militsy ao la miketriky io ho ahy voho ho gnan'ny anako,mba hihinanany io,sady ho maty. 13 Hoy Elia taminy: " Ka matahotsy. Nandeha sady ataovo araky zay fa novolagninao,nefa anavo mofo kely tseky aho voalohany sady andeso miboaky agnamiko eto io.Sady lafa vita io la manaova ho gnanao voho ho gnan'ny anakao. 14 Fa Iaveh lay Ndranagnahary gny Israely,mivola hoe: " Tsy ho foana gny sinin-tsakafo,na hijano hikoria gny tavoaran'ny menaky,mandra-piavian'ny andro handatsahan'i Iaveh gny ora eto an-tany ." 15 Voho Elia,niaraky tamin'ny avorohotany la nihina nandritra gny andro maro. 16 Tsy foana gny sinin-tsakafo,na nijano nikoria gny tavoaran'ny menaky,araky zay fa nolazain'ny safan'i Iaveh araky zay voalazany tamin'i Elia. 17 Tafaran'ireo raha reo,la narary gny anaky ampela igny,zay tompon'ny tragno.Tegna nahery vaika tokoa gny arety ka tsy niay sasy ie. 18 Ka hoy gny reniny tamin'i Elia: "Ino no olonao amiko,ry lehilahin-Ndranagnahary? Avy eto amiko mba hampahatiaro ahy gny fahotako sady hamono gny anako va iha? " 19 La namaly azy Elia hor: "Omeo ahy gny anakao lahy".Nalany tami'ny sandriny lay zazalahy sady nandesiny niakatsy tao amin'ny efitsy zay nijanognany,sady nampandriany teo amin'ny fandreany lay zaza. 20 Niaiky tamin'i Iaveh ie sady nivola hoe: " Iaveh ndranagnahariko o,moa va nanday loza teo amin'ilay mpitondratena zay hijanognako koa iha,tamin'ny famonoa gnanany? 21 Bakeo la naninjitra gny vatany intelo teo amin'ilay zaza i Elia;nihiaka mare tamin'i Iaveh ie sady nivola hoe: " Iaveh Ndranagnahary o,misoloho Aminao aho,engao lahy hipoly ao aminy gny ainy toy zazatoy." 22 Nijanjy gny feon'i Elia Iaveh;ka nimpoly taminy gny ain'ilay zaza,sady velo ndraiky ie. 23 Nalan'i Elia lay zaza sady nandesiny niboaky tao amin'ny efitragnony hijotro ho ao an-tragno;la natolony an-dreniny lay zaza sady hoy ie: " Ingo,velo gnananao". 24 Hoy ampela igny tamin'i Elia: " Amizao haiko fa lehilahin-ndranagnahary iha,sady gny tenin'i Iaveh ao am-bavanao la to."