21

1 Nihaino an'i Saraha araka izay efa nolazainy ho ataony Yaveh, ary dia nataon'i Yaveh tamin'ny Saraha araka izay efa nampanantenainy. 2 Nitoe-jaza Saraha ary niteraka zaza lahy tamin'i Abrahama tamin'ny fahanterany, tamin'ny fotoana voatendry izay efa nolazain'Andriamanitra taminy. 3 Abrahama nanome anarana ny zanany lahy, ilay nateraka ho azy, izay naterak'i Saraha ho azy, hoe Isaka. 4 Noforain'i Abrahama Isaka zanany tamin'izy valo andro, araka izay nandidian'Andriamanitra azy. 5 Zato taona Abrahama raha niteraka an'Isaka zanany. 6 Hoy saraha hoe: "Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; ny olona rehetra maheno ahy dia hiara-hiomehy amiko." 7 Hoy koa izy hoe: "Iza moa no afaka nilaza tamin'i Abrahama fa hitaiza zaza Saraha, kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin'ny fahanterany aho!" 8 Nitombo ny zaza ka nosarahi-nono, ary Abrahama nanao fety lehibe tamin'ny andro nampisarahana nono an'Isaka. 9 Saraha nahita ilay zanak'i Hagara Egyptiana, izay naterany tamin'i Abrahama, naneso azy. 10 Dia hoy izy tamin'i Abrahama hoe: "Roahy io andevo vavy io sy ny zanany: fa ny zanak'io andevo vavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia Isaka." 11 Izany zavatra izany dia tena nampahory an'i Abrahama nohon'ny amin'ny zanany. 12 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama hoe: "Aza malahelo nohon'ny amin'ny zazalahy, sy nohon'ny mpanompo vavinao. Henoy ny teneniny rehetra izay lazainy anao mahakasika izany raharaha izany, satria avy amin'Isaka no hanomezana anarana ny taranakao. 13 Hataoko ho firenena ihany koa ny zanaky ny mpanompo vavinao, satria taranakao izy." 14 Nifoha maraina Abrahama, naka mofo sy siny hoditra nisy rano, dia nomeny an'i Hagara izany, napetrany teo an-tsorony. Nomeny azy ilay zazalahy ary nalefany lavitra. Lasa i Hagara ka nirenireny tany an-tany efitr'i Beri-sheba. 15 Rehefa lany ny rano tao anaty siny hoditra, dia navelan'i Hagara teo am-pototry ny hazo iray ny zaza. 16 Avy eo lasa izy ka nipetraka lavidavitra kely tamin'ilay zaza, sahabo ho halaviran'ny fandefasana tsipìka teo, fa hoy izy hoe: "Aoka aho tsy hijery ny fahafatesan'ny zaza." Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony ka nitomany. 17 Andriamanitra nahare ny feon'ny zazalahy, ary ny anjelin'Andriamanitra niantso an'i Hagara avy any an-danitra, ka niteny taminy hoe: "Inona ny olanao ry Hagara? Aza matahotra fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zazalahy eo amin'izay hitoerany. 18 Mitsangàna, atsangano ny zaza ka ampaherezo izy, fa Izaho hanao azy ho firenena lehibe." 19 Avy eo Andriamanitra nampahiratra ny masony, ka nahita fantsakana izy. Dia lasa izy nameno rano ilay siny hoditra ka nampisotro rano ilay zaza. 20 Nomba ilay zaza Andriamanitra, ary niha-lehibe izy. Nonina tany an'efitra izy ka lasa mpandefa tsipìka. 21 Nonina tany an-tany efitr'i Parana izy, ary nangalan'ny reniny vady avy tany Egypta. 22 Ary tamin'izany fotoana izany Abimeleka sy Pikola lehiben'ny tafiny niresaka tamin'i Abrahama ka niteny hoe: "Andriamanitra dia momba anao amin'izay rehetra ataonao. 23 Ankehitriny noho izany mianianà amiko eto anatrehan'Andriamanitra fa tsy hanao ratsy amiko ianao, na ny zanako, na ny taranako ianao. Asehoy ahy sy amin'ity tany izay nitoeranao ity ny fahatokisam-panekena izay nasehoko taminao." 24 Hoy Abrahama hoe: "Mianina aho." 25 Nitaraina tamin'i Abimeleka ihany koa Abrahama mahakasika ny lavaka fantsakana nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny taminy. 26 Hoy Abimeleka hoe: "Tsy fantatro izay nanao izany zavatra izany. Tsy niteny mialoha izany tamiko ianao; tsy mbola nandre momba izany aho raha tsy androany." 27 Noho izany Abrahama dia naka ondry sy omby ka nomeny an'i Abimeleka, dia nanao fanekena izy roa lahy. 28 Abrahama nanavaka zanak'ondry vavy fito tamin'ireo ondriny. 29 Hoy Abimeleka tamin'i Abrahama hoe: "Inona no dikan'ireto zanak'ondry vavy fito navahanao ireto?" 30 Namaly izy hoe: "Ireto zanak'ondry vavy fito ireto dia ho raisinao avy amin'ny tanako, mba ho vavolombelona amiko, fa izaho no nandavaka ity fantsakana ity." 31 Koa dia nantsoiny hoe Beri-sheba io toerana io, satria teo izy roa tonta no nanao fianianana. 32 Tao Beri-sheba izy roa lahy no nanao fifanekena, avy eo Abimeleka sy Pikola lehiben'ny tafiny niverina nankany amin'ny tanin'ireo Filistina. 33 Namboly hazo voamadilo tao Beri-sheba i Abrahama. Nanompo an'i Yaveh, ilay Andriamanitra mandrakizay tao izy. 34 Nitoetra ho vahiny nandritra ny andro maro tany amin'ny tanin'ny Filistina i Abrahama.