20

1 Nandeha niala teo Abrahama ka nankany amin'ny tany Negeva, ary nitoetra teo anelanelan'i Kadesa sy Sora. Vahiny nipetraka tany Gerara izy. 2 Niteny ny mahakasika an'i Saraha vadiny Abrahama hoe: "Anabaviko izy." Noho izany dia nandefa ireo lehilahiny i Abimeleka mpanjakan'i Gerara ary nalain'izy ireo i Saraha. 3 Fa Andriamanitra niseho tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy ny alina, ary niteny taminy hoe: "Indro, ho faty ianao ralehilahy noho ny vehivavy nalainao, satria vadin'olona izy." 4 Ary Abimeleka tsy mbola nanakaiky azy ka hoy izy hoe: "Tompo, ho vonoinao koa ve na dia ny firenena marina aza? 5 Tsy izy ihany ve no niteny tamiko hoe: 'Anabaviko izy?' Na izy tenany aza dia niteny tamiko hoe: 'Anadahiko izy.' Nataoko tamin'ny hitsim-poko izany ary tamin'ny tanako tsy manan-tsiny." 6 Avy eo Andriamanitra niteny taminy tamin'ny nofy hoe: "Eny, efa fantatro koa fa tamin'ny hitsim-ponao no nanaovanao izany, ary efa niaro anao tsy hanota amiko ihany koa aho. Noho izany, tsy namela anao hikasika azy aho. 7 Ka noho izany, avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy. Hivavaka ho anao izy, ary ho velona ianao. Fa raha tsy averinao izy, dia fantàro fa tena ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao." 8 Nifoha maraina be Abimeleka ary niantso ireo mpanompony rehetra ho eo aminy. Nolazainy tamin'izy ireo izany zavatra rehetra izany, ary dia natahotra mafy ireo lehilahy. 9 Avy eo Abimekela nampiantso ny an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: "Inona ity nataonao taminay?" Ahoana ny nanotàko taminao, no dia nitondra fahotana lehibe teo amiko sy ny fanjakako ianao? Nataonao tamiko izay tsy tokony natao." 10 Hoy Abimeleka tamin'i Abrahama hoe: "Inona no nanosika anao hanao izao zavatra izao?" 11 Abrahama niteny hoe: "Satria nieritreritra aho hoe: 'Azo antoka fa tsy misy tahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, ary hamono ahy izy ireo noho ny amin'ny vadiko.' 12 Ary koa, anabaviko tokoa izy, zanaka vavin'ny raiko, fa tsy zanaka vavin'ny reniko; ary dia lasa vadiko izy. 13 Rehefa nahatonga ahy handao ny tokantranon'ny raiko sy nampifindrafindra toerana ahy Andriamanitra, dia hoy aho taminy hoe: 'Tsy maintsy asehonao amiko amin'ny maha-vadiko anao ity fahatokiana ity: any amin'izay toerana rehetra izay alehantsika, dia teneno ny momba ahy hoe: "Anadahiko izy."" 14 Avy eo naka ondry sy omby, andevo lahy sy vavy Abimeleka, ary nanome izany an'i Abrahama. Avy eo naveriny tany aminy i Saraha, vadin'i Abrahama. 15 Hoy Abimeleka hoe: "Indro, eo anoloanao ny taniko. Mitoera amin'izay mety aminao." 16 Hoy izy tamin'i Saraha hoe: "Indro, nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao. Izany dia mba ho tampimaso amin'ny fandikan-dalàna natao anao teo imason'ireo olon-drehetra izay miaraka aminao, tena nanao ny marina ianao." 17 Avy eo Abrahama nivavaka tamin'Andriamanitra, ary Andriamanitra nanasitrana an'i Abimeleka, ny vadiny, ary ireo andevo vaviny mba hafahan'izy ireo mahazo zanaka. 18 Satria Yaveh no nahatonga ny vehivavy rehetra tao an-tokatranon'i Abimeleka ho momba tanteraka, noho i Saraha, vadin'i Abrahama.