22

1 Ary tao aorian'ireo zavatra maro ireo no nitsapan'Andriamanitra an'i Abrahama. Hoy Izy taminy hoe: "Ry Abrahama!" Hoy Abrahama hoe: "Inty aho." 2 Hoy Andriamanitra avy eo hoe: "Alaivo ny zanakao lahy, ilay lahy tokanao, izay tianao, dia Isaka, ary ento any amin'ny tanin'i Moria. Atolory any toy ny fanatitra dorana eny ambonin'ny iray amin'ireo tendrombohitra any, izay ho lazaiko anao izy. 3 Ary nifoha maraim-be i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ary naka tovolahy roa hiaraka aminy sy Isaka zanany lahy. Notapahiny ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana, avy eo dia nanomboka ny diany ho any amin'ilay toerana nolazain'Andriamanitra taminy. 4 Tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nitady ary nahita ilay toerana avy lavitra. 5 Hoy Abrahama tamin'ireo mpanompony hoe: "Mijanòna eto miaraka amin'ny boriky fa izaho sy ilay zazalahy handeha ho eny. Hanao fanompoana izahay dia hiverina eto aminareo indray." 6 Avy eo dia nandray ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana i Abrahama ary nametraka izany teo amin'Isaka zanany. Nentiny teny an-tanany ny afo sy ny antsy; ary dia niara-nandeha izy roa. 7 Niteny tamin'i Abrahama rainy i Isaka hoe: "Ry raiko," ary hoy izy hoe: "Inty aho ry zanako." Hoy izy hoe: "Jereo, indreo ny afo sy ny hazo fa aiza ilay ondry ho atao fanatitra dorana?" 8 Hoy Abrahama hoe: "Andriamanitra mihitsy no hamatsy ilay ondry ho atao fanatitra dorana, ry zanako." Ka dia nandeha niaraka izy roa. 9 Rehefa tonga teo amin'ilay toerana izay nolazain'Andriamanitra azy izy ireo dia nanamboatra alitara Abrahama ary nametraka ilay hazo teo amboniny. Avy eo dia namatotra an'Isaka zanany izy ary nametraka azy teo ambony alitara, ambonin'ilay hazo. 10 Naninjitra ny tanany Abrahama ary naka ilay antsy hamonoana ny zanany. 11 Avy eo dia niantso azy avy any an-danitra ny anjelin'i Yaveh ary niteny hoe: "Abrahama, Abrahama!" ary hoy izy hoe: "Inty aho." 12 Hoy izy hoe: "Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, na manao zavatra handratra azy satria fantatro ankehitriny fa matahotra an'Andriamanitra ianao rehefa hita fa tsy niaro ny zanakao lahy, ilay zanakao lahitokana, avy amiko ianao." 13 Nitodika Abrahama ary indro nisy ondry lahy nisaringotra tamin'ireo kirihitra ireo ny tandrony. Nandeha i Abrahama ary naka ilay ondry lahy ary nanao izany fanatitra dorona izany ho solon'ny zanany lahy. 14 Koa dia nantsoin'i Abrahama hoe: "Yaveh no hamatsy" ilay toerana, ary nolazaina hatramin'izao andro izao hoe: "Eny amin'ny tendrombohitr'i Yaveh no hamatsiana." 15 Niantso an'i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ny anjelin'i Yaveh 16 ary niteny hoe—izao ny fanambaran'i Yaveh—amin'ny tenako no nianianako fa satria nahavita izany zavatra izany ianao, ary tsy niaro ny zanakao lahy, ilay zanakao lahy tokana, 17 hitahy anao tokoa Aho ary hampitombo fatratra ireo taranakao toy ireny kintana eny amin'ireo lanitra sy toy ireo fasika eny amoron-dranomasina; ary ireo taranakao ireo dia ho tompon'ny vavahadin'ireo fahavalon'izy ireo. 18 Ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho voatahy amin'ny alalan'ny taranakao satria nankatoa ny feoko ianao." 19 Noho izany dia niverina teo amin'ireo zatovony i Abrahama, dia nanainga izy ireo ary nandeha niaraka nankany Beri-sheba, ary nonina tao Beri-sheba izy. 20 Tao aorian'ireo zavatra ireo no nilazana tamin'i Abrahama hoe: "niteraka zaza tamin'i Nahora rahalahinao koa i Milka." 21 Dia i Oza izay lahimatoany, Boza rahalahiny, Kemoela rain'i Arama, 22 Kaseda, Hazo, Pildasy, Jidiafa ary i Betoela. 23 Ary Betoela niteraka an'i Rebeka. Ireo zaza valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. 24 Ary ny vaditsindranony izay nantsoina hoe Reoma ihany koa dia niteraka an'i Teba, Gahama, Tahasy ary Meaka.