Other

afa-baraka, mahamenatra

Famaritana

Ny teny hoe "afa-baraka" dia maneho ny fahaverezan'ny voninahitra sy ny haja.

  • Rehefa misy olona manao zavatra feno fahotana, dia mahatonga azy ho afa-baraka izany.
  • Ny teny hoe "mahamenatra" dia nampiasaina mba hamaritana ireo fihetsika feno fahotana na ireo olona nanao izany fihetsika izany.
  • Indraindray ny olona izay manao ny tsara no atao izay hampamenatra sy hahafa-baraka azy.
  • Ohatra, tamin'ny novonoina teo amin'ny hazofijaliana Jesosy, izany dia fomba fahafatesana mahamenatra. Jesosy dia tsy nanao zavatra ratsy mendrika izany fahafam-baraka izany.
  • Fomba hafa andikana ny hoe "afa-baraka" dia mety ahitana hoe "mahamenatra" na "manala-baraka"
  • Fomba hafa andikana ny hoe "fahafaham-baraka" dia mety ahitana hoe "fahamenarana" na "fanalam-baraka"

afaka, fahafahana

Famaritana

Ireo teny hoe: "afaka" na "fahafahana" dia maneho hoe: tsy ao anatin'ny fanandevozana, na karazana fanagadrana hafa.

  • Ny fomba fiteny hoe: "manafaka olona iray" dia midika hoe: manome lalana olona iray mba tsy ho ao anatin'ny fanandevozana na fanagadrana intsony izy.
  • Ao amin'ny Baiboly, ireo teny ireo matetika dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana hoe tsy eo ambany herin'ny fahotana intsony ireo mpinon'i Jesosy.
  • Ny hoe manana "fahafahana" ihany koa dia maneho hoe tsy voataky hankatoa ireo lalàn'i Mosesy intsony, fa kosa afaka miaina amin'ireo fampianarana sy torolalan'ny Fanahy Masina.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "afaka" dia azo adika hoe: "tsy gadra" na "tsy andevozina" na "tsy ao anatin'ny fanandevozana" na "tsy ao anatin'ny fanagadrana."
  • Ny teny hoe: "fahafahana" dia afaka adika amin'ny andian-teny izay midika hoe: "ny hevitra hoe: afaka" na "ny fepetran'ny hoe: tsy andevozina" na "tsy gadra."
  • Ny teny hoe: "manafaka" dia azo adika hoe: "mahatonga ny fahafahana" na "manafaka amin'ny fanandevozana" na "manafaka amin'ny fanagadrana."
  • Ny olona iray izay "afaka" dia atao hoe: "afaka" tamin'ny fanagadrana na fanandevozana.

aizina

Famaritana

Ny teny hoe "aizina" dia midika ara-bakiteny hoe tsy fisian'ny fahazavana. Fa misy hevitra ambadika maromaro ho an'io teny io ihany koa:

  • Raha sarin-teny, "ny aizina" dia midika hoe "tsy fahadiovana" na "ratsy" na "jamba ara-panahy."
  • Maneho ireo zavatra mifandray amin'ny ota sy ny fahalotoana ara-moraly ihany koa io teny io.
  • Ny teny hoe "aizina" dia azo ampiasaina anaovana sari-teny ilazana ny fahafatesana.
  • Ireo olona izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra dia miteny hoe "miaina ao amin'ny maizina", izay midika hoe izy ireo dia tsy mahatakatra na mampihatra ny fahamarinana.
  • Andriamanitra dia fahazavana (fahamarinana) ary ny fahamaizinana (ratsy) izay tsy afaka maharesy ny fahazavana.
  • Ny toerana fahamaizana ho an'ireo izay mandà an'Andriamanitra dia matetika aseho ho tahaka ny "aizina any ivelany."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Tsara raha adika ara-bakiteny io teny io, adika amin'ny teny izay tena manambara ny tsy fisian'ny fahazavana amin'ny teny izay andikana azy. Io koa dia mety ho teny izay maneho ilay haizina ao amin'ny efitra izay tsy misy hazavana na ilay fotoana amin'ny andro rehefa milentaka ny masoandro.
  • Ho an'ny sarin-teny, dia tsara ny mitazona ilay sarin'ny haizina izay mifanipaka amin'ny fahazavana, tahaka ny lalàna izay mamaritra ny ratsy sy ny famitahana izay mifanipaka amin'ny fahatsarana sy fahamarinana.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, misy fomba hafa azo andikana an'io dia hoe "haizin'ny alina"

akanjo tohitena

Famaritana

Ny akanjo tohitena dia akanjo ivelany lava ny morony izay sady afaka hanaovan'ny lehilahy no afaka hanaovan'ny vehivavy.

  • Ny akanjo tohitena dia misokatra eto aloha ary mihidy amin'ny fehikibo.
  • Mety ho lava izy ireny na fohy.
  • Ny akanjo tohitena voloparasy dia ny mpanjaka no manao azy mba ho mariky ny maha-mpanjaka, harena, ary voninahitra.

Akasia

Famaritana

Ny teny hoe "Akasia" dia anarana hazo fantatry ny olona izay naniry tany an-tany Kanana tamin'ny andro taloha; mbola maniry be ao amin'io faritra io izany amin'izao andro izao.

  • Ny hazon'akasia izay miloko volon-tany manopy volom-boasary dia mafy tokoa ary maharitra, izay mahatonga azy ho fitaovana tena ilaina hanamboaran-javatra.
  • Io hazo io dia tena mahatohitra ny fahalovana satria matevina tokoa ka tsy tafiditry ny rano, ary misy fiarovana voajanahary izay manakana ny bibikely tsy hamotika azy izany.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny hazon'Akasia dia nampiasaina mba hanorenana ny tabernakely sy ny fiaran'ny fanekena.

akofa

Famaritana

Ny akofa dia sarona maina miaro ny voam-bary. Tsy tsara atao sakafo ny akofa ka dia sarahan'ny olona amin'ilay voa ary ariana izany.

  • Matetika, ny akofa dia sarahina amin'ny vary amin'ny alalan'ny fanipazana ny loham-bary eny amin'ny rivotra. Tsofin'ny rivotra ny akofa ary milatsaka amin'ny tany ireo voa. Io dingana io dia antsoina hoe "fikororohana."
  • Ao amin'ny Baiboly, ity teny ity koa hevitra ambadika anehoana ny olona ratsy fanahy sy ny ratsy, ireo zavatra tsy misy dikany.

alitaran'ny ditin-kazo manitra

Famaritana

Ny alitaran'ny ditin-kazo manitra dia fitoerana izay nandoran'ny mpisorona ditin-kazo manitra mba ho fanatitra ho an'Andriamanitra. Nantsoina ihany koa hoe ilay alitara volamena izany.

  • Ny alitaran'ny ditin-kazo manitra dia vita amin'ny hazo, ary ny tampony sy ny sisiny dia voarakotra volamena. Teo ho eo amin'ny atsasa-metatra ny sakany, atsasa-metatra ny halavany, ary iray metatra ny haavony.
  • Tamin'ny voalohany dia napetraka tao amin'ny tabernakely izany. Avy eo dia tao an-tempoly no nametrahana azy.
  • Isa-maraina sy hariva dia misy mpisorona mandoro ditin-kazo manitra eo ambonin'izany.
  • Azo adika ihany koa izany hoe: "alitara fandorana ditin-kazo manitra" na "alitara volamena" na "fandorana ditin-kazo manitra'' na "latabatry ny ditin-kazo manitra."

alma

Famaritana

Ny teny hoe "alma" dia ilazana ny vola, sakafo, na zavatra hafa izay omena mba ho fanampiana ireo olo-mahantra.

  • Matetika ny fanomezana alma dia hita ho toy ny zavatra notakian'ny fomba fivavahan'izy ireo ho atao mba ho marina.
  • Nilaza i Jesosy fa ny fanomezana alma dia tsy tokony hatao ampahibemaso mba ho tsikaritry ny olona izany.
  • Azo adika hoe "vola" na "fanomezana ho an'ny olona mahantra" na "fanampiana ho an'ny mahantra" io teny io.

aloka

Famaritana

Ny teny hoe "aloka" dia maneho ara-bakiteny ny aizina izay hateraky ny zavatra manakona ny hazavana. Misy hevitra ambadika maro ihany koa izany.

  • Ny "aloky ny fahafatesana" dia midika hoe: akaiky na tonga ny fahafatesana, toy ny anehoan'ny aloka ny fisian'ny zavatra iray.
  • Imbetsaka ao amin'ny Baiboly no ampitahaina amin'ny aloka ny fiainan'ny olombelona, izay tsy maharitra ela ary tsy misy dikany.
  • Indraindray ny "aloka" dia ampiasaina ho teny iray ilazana ny "aizina."
  • Miresaka momba ny fanafenana na fialofana ao amin'ny aloky ny elatra na tanan'Andriamanitra ny Baiboly. Kisarisary maneho ny fiarovana sy fanafenana lavitry ny loza izany. Ny fomba hafa azo andikana ny "aloka" ao amin'io foto-kevitra io dia: "filaminana" na "fiarovana."
  • Tsara tokoa ny mandika ny "aloka" ara-bakiteny amin'ny fampiasana ny teny ilazana ny tena aloka eo an-toerana.

ambany, fanetren-tena

Famaritana

Ny teny hoe "ambany" na "fanetren-tena" dia maneho ireo olona mahantra na ambany saranga. Izany teny izany dia afaka adika hoe manetry tena.

  • Jesosy dia nanetry ny tenany ho ambany saranga tamin'ny niovany ho olombelona ary nanompo ny hafa.
  • Ny fahaterahany dia ambany satria izy dia teraka tao amin'ny toerana izay nitazomana ireo biby fa tsy tao anaty lapa.
  • Ny manana toetra ambany dia mifanipaka amin'ny mirehareha.
  • Ny fomba hafa andikana ny hoe "ambany" dia ny hoe "manetry tena" na "ambany saranga" na "tsy misy lanjany"
  • Ny teny hoe "fanetren-tena" dia afaka adika hoe "kely lanja."

ambodia, amboahaolo

Famaritana

Ny ambodia dia masika, biby mihinan-kena izay mitovy amin'ny amboahaolo.

  • Ny ambodia matetika dia mihaza miaraka amin'ny vondrona sy misambotra ny hazan'izy ireo amin'ny fomba fetsy.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "ambodia" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana mpampianatra sandoka na mpaminany sandoka izay mamono ireo mpino, izay oharina amin'ny ondry. Ny fampianarana sandoka dia mahatonga ny olona hino zavatra tsy marina ka mitondra ratsy azy ireo.
  • Io fampitahana io dia mifototra amin'ny zava-misy fa ny ondry dia marefo tokoa manoloana ny fanafihana sy famonoan'ny ambodia, satria izy ireo dia malemy ary tsy afaka miaro ny tenany.

ampahafolo, fahafolon-karena

Famaritana

Ny teny hoe "ampahafolo" sy "fahafolon-karena" dia ilazana ny "folo isan-jato" na "iray ampaha-folon'ny" vola, vokatra, na fananana hafan'ny olona iray izay atolotra ho an'Andriamanitra.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia nanoro lalana ireo Zanak'Israely mba hanokana ny ampahafolon'ny fananan'izy ireo homena ho fanati-pisaorana ho Azy.
  • Io fanatitra io dia nampiasaina mba hanohanana ny foko Levitan'Israely izay nanompo ireo Israelita tamin'ny maha-mpisorona sy mpikarakara ny tabernakely, ary ny tempoly taty aoriana.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, Andriamanitra dia tsy mitaky ny fanomezana fahafolon-karena, fa mampianatra ireo mpino mba hanome am-palalahan-tanana sy hanampy am-pifaliana ireo olona ao anatin'ny tsy fahampiana ary hanohana ny asa fanompoana Kristiana.
  • Azo adika ihany koa izany hoe "iray ampahafolo" na "iray amin'ny folo."

Ampinga

Famaritana

Ny ampinga dia fitaovana fiarovan'ny miaramila ny tenany mba tsy haratran'ny fitaovam-piadian'ireo fahavalo. "Ny manisy ampinga amin'ny olona iray" dia midika hoe: miaro izany olona izany amin'izay mety ho faharatrana.

  • Ny ampinga matetika dia boribory na boribory somary lavalava ny endriny izay vita tamin'ny fitaovana tahaka ny hoditra, hazo, na vy izay matanjaka sy matevina mba hiarovana amin'ny sabatra na tsipîka izay manindrona azy ireo.
  • Raha atao sarin-teny izany teny izany, ny Baiboly dia maneho an'Andriamanitra ho ampinga mpiaro ny olony.
  • Paoly ihany koa dia miresaka momba ny "ampingan'ny finoana," izay hevitra ambadika amin'ny filazana ny finoana an'i Jesosy, ary ny fiainana io finoana io amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra, dia hiaro ireo mpino amin'ny fanafihana ara-panahy ataon'i Satana.

ampongaben-danitra

Famaritana

Ny ampongamben-danitra dia karazana voankazo izay manana hoditra matevina feno voa maro.

  • Ny hoditra ivelany dia mena ary ny manodidina ny voany dia mamirapiratra sy mena.
  • Ny ampongabe-ndanitra dia matetika maniry any amin'ny firenena manana toetr'andro mafana, maina, toa an'i Egypta sy Isiraely.

Yaveh dia nampanantena ireo Isiraelita fa Kanana dia tany feno rano sy tany lonaka ka be dia be ny sakafo tany, isan'izany ny ampongabeandanitra.

  • Ny fanamboarana ny tempolin'i Solomona dia ahitana haingony varahana eny amin'ny endrik'ireo ampongambe-ndanitra.

andian'ondry, andiam-biby

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny "andian'ondry" dia maneho ondry maromaro mitambatra ho andiany iray ary ny "andiam-biby" dia maneho ny omby sy ny kisoa mitambatra ho andiany iray.

  • Ny fitenim-paritra hafa dia mety manana anarana hafa hilazana ny andiam-biby na andiam-borona.
  • Amin'ny teny malagasy, ny fomba hilazana ny andiam-biby dia hoe: "biby fiompy."

andrian-dahy, andriam-bavy

Famaritana

Ny "andrian-dahy" dia zanaka lahin'ny mpanjaka. Ny "andriambavy" dia zanaka vavin'ny mpanjaka.

  • Ny teny hoe "andrian-dahy" matetika dia nampiasaina ambadika mba hanehoana ny mpitarika, mpanapaka, na olona manan-kery hafa.
  • Nohon'ny haren'i Abrahama sy lanjany, dia noraisin'ireo Hetita izay niaraka nipetraka taminy toy ny "andrian-dahy" izy.
  • Ao amin'ny bokin'i Daniela, ny teny hoe "andrian-dahy" dia nampiasaina tamin'ny fomba fiteny hoe "andrian-dahin'i Persia" sy "andrian-dahin'i Gresy," izay amin'ireo zavatra resahana ireo dia mety maneho ireo fanahy ratsy mahery izay nanana fahefana tamin'ireo faritra ireo.
  • Ny arkanjely Mikaely ihany koa dia noraisina toy ny "andrian-dahy" ao amin'ny bokin'i Davida.
  • Indraindray ao amin'ny Baiboly Satana dia raisina toy ny hoe "andrian-dahin'izao tontolo izao."
  • Jesosy dia antsoina hoe "Andrian-dahin'ny fiadanana" sy "Andrian-dahin'ny Fiainana."
  • Ao amin'ny Asan'ny apostoly 2:36, Jesosy dia raisina toy ny "Tompo sy Kristy" ary ao amin'ny Asan'ny apostoly 5:31 Izy dia raisina toy ny "Andrian-dahin'ny Famonjena," mampiseho ny dika mifanilan'ny hoe "Tompo" sy "Andriana."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fomba hafa andikana ny hoe "andriandahy" dia ahitana ny hoe "zanaka lahin'ny mpanjaka" na "mpanapaka" na "mpitarika" na "kapiteny."
  • Rehefa maneho ireo anjely, dia afaka adika koa hoe "fanahy mpanapaka" na "anjely mpitarika" izany.
  • Rehefa maneho ny Satana na fanahy ratsy hafa, dia afaka adika hoe "fanahy ratsy mpanapaka" na "fanahy ratsy mpitarika" na "fanahy manapaka" ity teny ity, miankina amin'ny zavatra resahana.

andro

Famaritana

Ny teny hoe "andro" dia ilazana ny isan'ny taona niainan'ny olona iray. Amin'ny ankapobeny dia ilazana ny vanim-potoana ihany koa izany.

  • Ny teny hafa ampisaina hanehoana mari-potoana lava koa dia: "vanim-potoana" na "na vanin'andro."
  • Miresaka ny amin'ny "izao andro izao" i Jesosy hilazana ny fotoana ankehitriny, izay ny ratsy, ny fahotana, ary ny tsy fankatoavana no mameno ny tany.
  • Hisy andro ho avy izay hanjakan'ny fahamarianana eo amin'ny lanitra vaovao sy tany vaovao.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "andro" dia azo adika ihany koa hoe: "vanim-potoana" na "isan'ny taona" na "mari-potoana" na "fotoana."
  • Ny fehezanteny hoe: "tamin'ny andro efa taloha be" dia azo adika hoe "tamin'ny taona efa taloha be."
  • Ny hoe ''izao andro ratsy izao" dia midika hoe: "amin'izao andro akehitriny izao izay tena maharatsy ny olona."

andry, tsanganana

Famaritana

Ny teny hoe "andry" matetika dia maneho rafitra lehibe mitsangana izay ampiasaina mba hihazonana tafo na ampahany hafa amin'ny trano be. Ny teny hafa hiantsoana ny hoe "andry" ny hoe "tsanganana."

  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, dia natao sokitra tamin'ny vato tokana ny andry nampiasaina hanohanana tao amin'ny trano be.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha Samsona rehefa voasambotr'ireo Filistina, dia namotika ny tempoly sampin'izy ireo tamin'ny fanosehana ireo andry nihazona ary nandrodana ilay tempoly.
  • Ny teny hoe "andry" matetika dia maneho vato lehibe izay natsangana ho fahatsiarovana mba hanamarihana fasana iray na hanamarihana ny toerana izany nitrangan'ny hetsika manan-danja iray.
  • Izany ihany koa dia mety maneho sampy iray izay natao hiderana andriamanitra diso. Izany dia anarana hafa ho an'ny "sary sikotra" ary afaka adika hoe "sary vongana."
  • Ny teny hoe "andry" dia nampiasaina hanehoana zavatra izay natao miendrika toy ny andry, toy ny "andrin'afo" izay nitarika ireo Isiraelita tamin'ny andro alina namakivaky ny tany efitra na ny "andrin-tsira" toa an'ny vadin'i Lota taorian'ny nijereny miverina tany amin'ilay tanàna.
  • Tahaka ny rafitra manohana trano be, dia afaka adika hoe "andrim-bato mahitsy manohana" na "rafi-bato manohana."
  • Ireo fampiasana hafa ny hoe "andry" dia afaka adika hoe "sari-vongana" na "dongon-tany" na "tsangam-bato," miankina amin'ny zavatra resahana.

angadin'omby

Famaritana

Ny "angadin'omby" dia fitaovam-piompiana izay ampiasaina hangadiana tany mba hanomanana tanim-boly amin'ny fambolena.

  • Ny angadin'omby dia ahitana zavatra maranitra izay mihady ny tany. Matetika ireo dia manana famohana izay ampiasain'ny mpamboly mba hitarihana ilay angadin'omby.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, dia matetika ny angadin'omby notarihan'ny omby roa, na biby natao hiasa hafa.
  • Ny ankamaroan'ny angady dia vita tamin'ny hazo mafy, ankoatr'ilay lohany maranitra izay vita tamin'ny vy, toy ny varahina.

anjara, lahatra ,voalahatra

Famaritana

Ny teny hoe "anjara" dia maneho izay hitranga amin'ny olona any aloha any. Raha misy olona "voalahatra" hanao zavatra iray, izany dia midika fa izay hataon'iny olona iny ao aloha ao dia efa notapahan'Andriamanitra.

  • Rehefa "mandahatra" ny firenena ho an'ny fahatezerana Andriamanitra, izany dia midika fa notapahany na koa hoe nisafidy ny hanasazy izany firenena izany Izy noho ny otan'izy ireo.
  • Jodasy dia "voalahatra" ho amin'ny fandringanana, izay midika fa Andriamanitra dia nanapaka fa Jodasy dia ho rava noho ny fikomiany.
  • Ny olona rehetra dia manana ny farany, anjara mandrakizay, na eto an-tany na amin'ny helo.
  • Rehefa miteny ny mpanoratra an'ny Mpitoriteny fa ny anjaran'ny olona rehetra dia mitovy, midika izany fa ny olona rehetra dia tsy maintsy ho faty.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny andian-teny hoe "voalahatra ho an'ny hatezerana" dia afaka adika hoe "efa tapaka fa ianareo dia ho voasazy" na "natao hiaina ny fahatezerako ianareo"
  • Ny fanehoana an'ohatra, "izy ireo dia voatendry ho amin'ny sabatra" dia afaka adika hoe "Andriamanitra dia nanapa-kevitra fa izy ireo dia ho potehin'ireo fahavalo izay hamono azy ireo amin'ny sabatra" na "Andriamanitra dia tapa-kevitra fa ny fahavalon'izy ireo dia hamono azy ireo amin'ny sabatra."
  • Ny fehezanteny "ianareo dia voalahatra ho", dia afaka adika hoe "Andriamanitra dia nanapaka fa ianareo dia ho."
  • Miankina amin'ny zava-misy, Ny teny hoe "anjara" dia afaka adika hoe "ny hiafarana" na "izay hitranga amin'ny farany" na "izay notapahan'Andriamanitra hitranga."

antoka

Famaritana

Ny teny hoe "antoka" dia maneho fampanantenana ara-dalàna sy ara-drariny na fanomezana zavatra.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha ny manam-boninahitr'Isiraely dia
  • Ny zavatra omena atao antoka dia averina amin'ny tompony rehefa tanteraka ilay fampanantenana.
  • Ny hoe "manome antoka" dia mety adika hoe "fanoloran-tena ara-dalàna" na "fampanantenana mafy."
  • Ny teny hoe "antoka" ihany koa dia maneho zavatra omena ho antoka na fampanantenana fa haloa ny trosa iray.
  • Ireo fomba handikana ny hoe "antoka" dia mety ahitana ny hoe "fampanantenana ara-drariny" na "fanoloran-tena ara-dalàna" na "fanomezan-toky ara-dalàna" miankina amin'ny zavatra resahana.

any amin'ny avo, ao amin'ny ambony indrindra

Famaritana

Ny teny hoe "any amin'ny avo" na "ao amin'ny ambony indrindra" dia fomba fiteny hilazana ny hoe "any an-danitra" matetika. *Ny dikany hafa amin'ny fomba fiteny hoe "any amin'ny avo indrindra" dia hoe "ilay tena mendrika voninahitra" *Izany fomba fiteny izany dia afaka adika ara-bakiteny koa hoe "ao amin'ny hazo ambony indrindra" izay midika hoe "ny hazo lava indrindra" *Ny fomba fiteny hoe "any amin'ny avo" dia maneho ihany koa ny alavarina eny an-danitra, tahaka ny ankaniny vorona izay eny amin'ny avo. Amin'izay foto-kevitra izay dia afaka adika hoe "avo eny amin'ny lanitra" na "eny amin'ny tampon'ny hazo izay lava." *Ny teny hoe "avo" dia maneho ihany koa toerana ambony na ny lanjan'ny olona na zavatra. *Ny fomba fiteny hoe "avy any amin'ny avo" dia afaka adika hoe "avy any an-danitra"


aponga tapaka, lokanga

Famaritana

Ny lokanga dia zava-maneno kely, misy tadiny izay nampiasain'ireo Isiraelita mba hiderana an'Andriamanitra.

  • Ny aponga tapaka dia sahala amin'ny gitara amin'izao, izay misy vata famoaham-peo vita amin'ny hazo sy tahony lava izay hamatorana ireo tady manify.
  • Rehefa milalao aponga tapaka, ny tady sasany dia tazonin'ny ratsan-tananan'ny sandry iray ary ny tady hafa dia tsongoina na tendren'ny tanana ilany.
  • Ny aponga tapaka sy ny lokanga dia lalaovina amin'nny fanongoana na fanendrena ireo tady manify.
  • Miovaova ny isan'ireo tady manify, saingy zava-maneno misy tady folo no tena resahin'ny Testamenta Taloha manokana.

ara-dalàna, tsy ara-dalàna

Famaritana

Ny teny hoe "ara-dalàna" dia maneho ireo zavatra izay navela natao araky ny lalàna na ny fepetra. Ny manohitra izany teny izany dia ny hoe "tsy ara-dalàna."

  • Ao amin'ny Baiboly, raha misy zavatra lazaina hoe "ara-dalàna" dia midika izany fa navelan'Andriamanitra, na ny lalàn'i Mosesy sy lalàna Jiosy sasany natao izany. Indraindray ny "tsy ara-dalàna" dia "tsy azo atao" amin'ireo lalàna ireo.
  • Ny manao ny zavatra "tsy ara-dalàna" dia midika hoe manao zavatra "madio" na "amin'ny rariny."
  • Maro amin'ireo zavatra izay ataon'ny Jiosy hoe ara-dalàna sy tsy ara-dalàna ireo no tsy mifanaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra momban'ny fifankatiavana.
  • Miankina amin'ny zava-misy ny heviny, afaka adika hoe "azo atao" na "araky ny lalàn'Andriamanitra" na "ra manaraka ny lalàna" na "madio" na "mety."
  • Ny fehezanteny hoe "ara-dalàna ve" dia afaka adika hoe "ataovy izay avelany lalàna atao" na "moa ve misy zavatra tsy avelan'ny lalàna?"

Asa, mpiasa

Famaritana

Ny teny hoe "asa" dia maneho ireo karazana asa mafy.

  • Amin'ny ankapobeny, asa dia andraikitra izay mampiasa hery. Tafiditra ao anatin'izany matetika ny andraikitra sarotra.
  • Ny mpiasa dia olona izay manao karazana asa
  • Ny fomba andikana ny "asa" dia mety hoe "asa mafy" na "asa sarotra" na "miasa mafy"

avonavona

Famaritana

Ny teny hoe "miavonavona" dia midika hoe mirehareha, ary matetika dia amin'ny fomba mazava avy eny ivelany.

  • Ny olona miavonavona matetika dia mieboebo ny amin'ny tenany ihany.
  • Ao anatin'ny fiavonavonana matetika ny fiheverana fa tsy manan-danja na manan-talenta noho ny olona iray ny hafa.
  • Mpiavonavona ny olona izay tsy manome haja an'Andriamanitra sy mikomy manohitra Azy satria tsy manaiky ny fahalebiazan'Andriamanitra izy ireo.

azafady

Famaritana

Ny teny hoe "azafady" dia midika hoe mamela sy tsy manasazy olona nohon'ny fahotany.

  • Ity teny ity dia manana hevitra mitovy amin'ny hoe "mamela" fa mety ahitana hevitra fanapahan-kevitra entitra mba tsy hanasazy olona izay meloka.
  • Amin'ny fitsaràna ny mpitsara dia afaka mamela olona iray meloka tamin'ny heloka bevava.
  • Na dia meloky ny ota aza isika, dia namela antsika tsy ho saziana any amin'ny helo Jesosy Kristy, mifototra amin'ny soro-pahafatesany teo amin'ny hazofijaliana.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha manana teny ho an'ny fanapahan-kevitra entitra hamela ny fiteny iray, dia tokony adika amin'izany teny izany ity teny ity.
  • Ity teny ity koa dia mety adika mitovy amin'ny teny hoe "mamela" sy "famelàna."

azon-tsindrimandry

Famaritana

Ny azon-tsindrimnandry dia ny toe-javatra misy rehefa mifoha tsara ny olona saingy tsy tonga saina amin'izay manodidina azy satria mahita na miaina zavatra hafa izy.

  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, io teny io dia mamaritra ny fahatsapana zavatra mihoatra ny voajanahary izay nisy tamin'i Petera sy Paoly rehefa niresaka tamin'izy ireo tao amina fahitana Andriamanitra.
  • Tamin'ny tranga tsirairay, i Petera sy Paoly dia samy teo am-pivavahana tamin'ny niainan'izy ireo izany fahatsapana ho azon-tsindrimandry izany.
  • Andriamanitra ilay Iray izay mahatonga ny olona ho azon-tsindrimandry.
  • Ny teny hoe "azon-tsindrimandry" dia teny samihafa amin'ny "fahitana" na "nofy" ary tokony hadika amin'ny fomba samy hafa.
  • Ny fomba fiteny hoe "azon-tsindrimandry" dia midika hoe "tahaka ny azon-torimaso tampoka'' raha mbola mifoha.

babo, fahababoana

Famaritana

Ny teny hoe "babo" sy "fahababoana" dia maneho ny fambaboana olona sy fanerena azy ireo hiaina any ho any amin'izay tsy tian'izy ireo hipetrahana, tahaka ny any amin'ny firenena vahiny.

  • Ireo Israelita avy ao amin'ny fanjakan'i Joda dia nohazonina babo tao amin'ny fanjakan'i Babylona nandritra ny 70 taona.
  • Ireo babo matetika dia takiana asa ho an'ny olona na firenena izay nisambotra azy ireo.
  • Daniela sy Nehemia dia babo Israelita izay niasa ho an'ny mpanjaka Babyloniana.
  • Ny fomba fiteny hoe: "babo" dia fomba hafa hiresahana momban'ny fisamborana olona.
  • Ny fomba fiteny hoe "hitondra anareo ho babo" dia afaka adika ihany koa hoe: "hanery anareo hiaina toy ny babo" na "hitondra anareo any amin'ny firenena hafa toy ny gadra."
  • Raha atao hevitra ambadika, ny Apostoly Paoly dia milaza ireo Kristiana mba "hambabo" ny eritreritra rehetra ary hanao izany ho ankatoavin'i Kristy.
  • Izy ihany koa dia miresaka momban'ny fomba mety "hahababo" ny olona iray amin'ny fahotana, izay midika fa "baikon'ny" ota izy.

bera

Famaritana

Ny bera dia biby masiaka vaventy, manana tongotra efatra manana volo miloko volo-tany na mainty, misy nify sy hoho maranitra. Ny bera dia nalaza tao Israely tamin'ny andro niainan'ny olona tao amin'ny Baiboly.

  • Ireo biby ireo dia mipetraka any anaty ala sy any amin'ny tendrombohitra; mihinana trondro, biby kely, ary zava-maniry.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny bera dia ampiasaina ho mariky ny tanjaka.
  • Teo am-piandrasana ondry, dia niady tamin'ny bera iray Davida mpiandry ondry ary naharesy izany.
  • Bera roa no nivoaka avy tao amin'ny ala ary nanafika vondrona tanora izay naneso an'i Elisa mpaminany.

bibilava, menarana

Famaritana

Ireo teny ireo dia ilazana ireo karazam-biby mandady izay manana vatana lava sy manify, misy vava maranitra, ary mihisakisaka amin'ny tany. Ny teny hoe: "bibilava" matetika dia ilazana ny bibilava goavana ary ny "menarana" dia ilazana karazana bibilava misy poizina izay ampiasainy hamonoana ny hazany.

  • Io biby io koa dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana ny olona izay ratsy, indrindra fa ny mpamitaka.
  • Nantsoin'i Jesosy hoe "taranaky ny menarana" ireo mpitarika fivavahana satria mody niseho ho marina, kanefa namitaka ny olona ary nitondra azy ireo tamin'ny tsy rariny.
  • Tao amin'ny Saha Edena, Satana dia naka endrika bibilava rehefa niresaka tamin'i Eva ka naka fanahy azy tsy hankatoa an'Andriamanitra.
  • Rehefa avy naka fanahy an'i Eva mba hanota ilay bibilava, dia nozonin'Andriamanitra tamin'ny nilazany fa nanomboka tamin'izany, ny bibilava rehetra dia hikisaka amin'ny tany, izay midika fa nanan-tongotra izy ireo teo aloha.

biby

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "bibidia" matetika dia fomba hafa hilazana ny "biby."

  • Ny bibidia dia karazana biby izay miaina an-kalalahana any anaty ala na any an-tsaha ary tsy baikon'ny olona.
  • Ny biby fiompy ao an-trano dia biby izay miaina miaraka amin'ny olona natokana ho atao sakafo na ampiasaina, toy ny hoe miasa tany. Matetika ny teny hoe: "biby fiompy" dia ampiasaina mba hanehoana ireo karazana biby ireo.
  • Ny bokin'i Daniela ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny Apokalypsy ao amin'ny Testamenta Vaovao dia mamaritra ireo fahitana izay misy ireo bibidia maneho ny hery ratsy sy fahefana izay manohitra an'Andriamanitra.
  • Ny sasany amin'ireo bibidia ireo dia voafaritra ho manana endrika hafahafa, toy ny hoe loha maromaro sy tandroka maro be. Matetika izy ireo dia manana hery sy fahefana, maneho tany, firenena, na hery politika hafa.
  • Ireo fomba handikana izany dia mety ahitana hoe: "zava-manan'aina" na "zavatra nohariana" na "biby" na "bibidia," arakaraky ny foto-kevitra.

Biby fiompy

Famaritana

Ny teny hoe "biby fiompy" dia maneho ireo biby izay karakaraina mba hanome sakafo na vokatra ilaina hafa. Sasany amin'ireo biby fiompy no natao ho biby fampiasa amin'ny asa.

  • Karazana biby fiompy dia ahitana ny ondry, omby, osy, soavaly ary ampondra.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny harena dia voarefy tamin'ny alalan'ny hoe firy ny biby fiompin'ny olona iray.
  • Afaka adika ihany koa "biby any amin'ny toeram-pambolana."

boka, fahabokana

Famaritana

Ny teny hoe "fahabokana" dia nampiasaina tao amin'ny Baiboly mba hanehoana karazana aretin-koditra. Ny "boka" dia ilay olona izay tratran'ny fahabokana. Ny teny hoe "fahabokana" dia mamaritra olona na vatana izay misy ilay aretina fahabokana.

  • Karazana habokana dia mety mahatonga ny oditra hiova loko ka misy tasy fotsifotsy, tahaka ny an'i Miriama sy Namana izay voany fahabokana.
  • Amin'izao fotoana izao, ny fahabokana dia matetika mahatonga ny tanana, tongotra ary sasany amin'ny vatana ho lasa simba sy misy fahasembanana.
  • Araka ny fampianarana izay nomen'Andriamanitra an'ireo Isiraelita, rehefa misy olona boka, dia natao hoe "tsy madio" ary dia natokana alavitra miala amin'ny olona hafa mba tsy hamidran'izy ireo ny aretiny.
  • Ny boka dia nantsoina mafy hoe "tsy madio" amin'izay ny olona sasany mba voatandrina tsy hanatona azy.
  • Jesosy dia nanasitrana boka maro, ary karazana aretina maro.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "fahabokana" ao amin'ny Baiboly dia afaka adika hoe "aretin-koditra" na "aretin-koditra mapatahotra"
  • Ny fomba andikana ny hoe "boka" dia hoe "feno habokana" na "voan'ny aretin-koditra" na "rakotra fivontosana ny hoditra."

bokin'ny lalàna

Famaritana

Ny bokin'ny lalàna dia didy amam-pitsipika na lalàna izay manome ny fitsipika na fampianarana mba ho harahina. Izany teny izany dia avy amin'ny teny hoe "ordain" *Indraindray ny bokin'ny lalàna dia "fomba fanao" izay lasa natao tsara fototra noho ny fanaovana azy aman-taona maro. Ao amin'ny Baiboly, ny bokin'ny lalàna dia zavatra izay nandidin'Andriamanitra an'Isiraelita ho atao. Indraindray izy dia mandidy azy ireo hanao izany mandrakizay. *Ny teny hoe "bokin'ny lalàna" dia afaka adika hoe "lalàna ho an'ny vahoaka" na "lalàna," miankina amin'ny foto-kevitra.


Boriky, ampondra

Famaritana

Ny boriky dia manana tongotra efatra biby fampiasa, mitovy amin'ny soavaly, fa somary kelikely ary lava sofina.

  • Misy amin'izy ireo no votsirina ka lasa matanjaka ka lasa biby fampiasa sarobidy
  • Na ny voa votsitra na ilay tsy voa votsitra dia samy ampiasaina hitondra entana sy olona rehefa mandeha alavitra.
  • Ao amin'ny fotoan'ny Baiboly, ireo mpanjaka dia nitaingina ampondra rehefa fotoanan'ny fandriampalemana, fa soavaly kosa rehefa andron'ny ady.
  • Jesosy dia nitaingina zanak'ampondra tao Jerosalema herinandro iray alohan'ny namantsihana azy teo amin'ny hazofijaliana.

Didy

Famaritana

Ny didy dia fanambarana na lalàna izay nolazaina ampahibemaso ho an'ny olona rehetra.

  • Ireo lalàn'Andriamanitra izay antsoina hoe didy na lalàna
  • Tahaka ny lalàna sy ny baiko, ny didy dia tsy maintsy ankatoavina.
  • Ohatra amin'ny didy izay avy amin'ny lalàn'olombelona dia ny fanambaran'i Kaisara Aogostosy fa ny olona rehetra izay monina ao amin'ny Fanjakana Romana dia tsy maintsy miverina any amin'ny tany niaviany mba ho isaina amin'ny fanisam-bahoaka.
  • Ny mandidy zavatra dia midika hoe hanome baiko izay tsy maintsy ankatoavina. Izany dia afaka adika hoe "mibaiko" na "manome baiko" na "manao lalàna ampahibemaso"
  • Ny zavatra izay "nodidina" mba hisy dia midika fa izany "dia tsy maintsy hitranga" na "efa voatapaka ary tsy hiova" na "nambara tanteraka fa izany dia hitranga."

Didy Folo

Famaritana

Ny "Didy Folo" dia baiko izay nomen'Andriamanitra an'i Mosesy teo an-tendrombohitr'i Sinay tamin'ny fotoana nitoeran'ireo Zanak'Israely tany an'efitra an-dalana handeha ho any an-Tany Kanana. Nosoratan'Andriamanitra tamin'ny vato fisaka lehibe anankiroa ireo didy ireo.

  • Andriamanitra dia nanome didy maro tamin'ireo Zanak'Israely mba hankatoavina, saingy ny Didy Folo dia didy hafa mihitsy mba hanampiana ireo Zanak'Israely hitia sy hanompo an'Andriamanitra ary hitia ireo olona hafa.
  • Ampahany amin'ny faneken'Andriamanitra tamin'ireo olony ihany koa ireo Didy Folo ireo. Tamin'ny fankatoavana izay nandidian'Andriamanitra azy ireo hatao, dia nampiseho fa tia an'Andriamanitra izy ireo sady Azy.
  • Ireo vato fisaka nanoratana ireo didy dia natao tao amin'ny Fiaran'ny fanekena izay tao amin'ny toerana masina indrindran'ny tabernakely no nisy azy, ary taty aorina kely dia natao tao amin'ny tempoly.

diera

Famaritana

Ny diera dia biby lehibe, tsara tarehy misy tongotra efatra izay monina any anaty ala sy tendrombohitra. Ny lahy amin'io biby io dia manana tandroka lehibe ohatran'ny hazo eo amin'ny lohany.

  • Ny diera dia manana tongotra matanjaka izay manampy azy ireo hitsambikina alavitra sy miazakazaka mafy.
  • Ny tongon'izy ireo dia misy kitro mivaky mba hafahan'izy ireo mandeha sy mianika amin'ny karazana toerana.

diky, Zezika

Famaritana

Ny teny hoe "diky" dia maneho ireo maloto avoakan'ny olona na biby. Rehefa atao fitaovana ampiasaina mba hampamokatra ny tany izy dia antsoina hoe "zezika."

  • Ireo teny ireo dia azo ampiasaina ihany koa ho sari-teny ilazana zavatra tsy manan-danja na tsy misy dikany.
  • Ny diky maina an'ireo biby dia matetika atao solika.
  • Ny fomba fiteny hoe "tahaka ny diky eo anatrehan'ny izao tontolo izao "dia afaka adika hoe, "naparitaka tahaka ny diky tsy manan-danja manerana ny tany."
  • Ny "varavaran'ny fako" tao atsimon'ny rindrin'i Jerosalema no fanariana ny fako sy ny maloto tao amin'ny tanàna.

diso lalana, mivily lalana, voavily lalana (voafitaka), mania

Famaritana

Ny teny hoe "mania" sy "mivily lalana" dia midika tsy fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra. Ny olona "voavily lalana" dia namela ny olona hafa na ny toe-javatra hisarika azy ireo tsy hankatoa an'Andriamanitra.

  • Ny teny hoe "diso lalana" dia manome kisarisarin'ny fialana amin'ny lalana mazava na toerana azo antoka mba handeha amina lalana diso sady mampidi-doza.
  • Ny ondry izay nandao ny tanim-bilon'ny mpiandry ondriny dia "nania." Oharin'Andriamanitra amin'ny ondry izay nandao azy ka "nivily lalana" ireo olona mpanota.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "nivily lalana" dia azo adika hoe: "niala lavitra an'Andriamanitra" na "nandeha lalan-diso lavitry ny sitrapon'Andriamanitra" na "nitsahatra nankatoa an'Andriamanitra" na "miaina amin'ny fomba manalavitra an'Andriamanitra."
  • Ny ''mamily lalana olona iray" dia azo adika hoe "mahatonga ny olona iray tsy hankatoa an'Andriamanitra" na "misarika ny olona iray hitsahatra hankatoa an'Andriamanitra" na "mahatonga ny olona iray hanaraka lalan-diso."

ditin-kazo manitra

Famaritana

Ny ditin-kazo manitra dia emboka vita avy amin'ny kesika. Izany dia ampiasaina mba hampamanitra.

  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny ditin-kazo manitra dia emboka manan-danja nampiasaina mba hanomanana ny razana ho amin'ny fandevenana.
  • Io emboka io ihany koa dia sarobidy nohon'ny fananany singa manasitrana sy mampitony.
  • Rehefa tonga avy any amin'ny faritra antsinanana mba hamangy an'i Jesosy zazakely tao Betlehema ireo lehilahy manam-pahaizana, ny ditin-kazo manitra (emboka manitra) dia iray tamin'ireo fanomezana telo izay nentin'izy ireo ho Azy.

divay, siny hoditra, divay vaovao

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "divay" dia maneho karazana zava-pisotro mialin'andro vita avy amin'ny ranom-boankazo natao tamin'ny voaloboka. Notehirizina ao amin'ny "siny hoditra" ny divay, izay fitoeran-javatra vita amin'ny hodi-biby.

  • Ny teny hoe "divay vaovao" dia maneho ny ranom-boaloboka izay nalaina avy tamin'ny voaloboka ary tsy mbola nialin'andro. Indraindray ny teny hoe: "divay" ihany koa dia maneho ranom-boaloboka mbola tsy nialin'andro.
  • Ny fomba fanaovana divay, dia hitsakitsahina amin'ny famihazam-boaloboka ny voaloboka mba hivoahan'ny ranony. Mialin'andro ny ranom-boaloboka amin'ny farany ary mamokatra alikaola.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny divay dia zava-pisotro ara-dalàna ampiarahana amin'ny sakafo. Tsy misy alikaola be toy ny ankehitriny ny divay.
  • Talohan'ny nanaovana ny divay ho fisotro, dia matetika afangaro amin'ny rano izany.
  • Ny siny hoditra izay efa taloha sy malemy dia mety ho vaky, ka mamela ny divay hitete. Ny siny hoditra vaovao dia malefaka, midika izany fa tsy mora rovitra ary afaka mitahiry divay soa aman-tsara.
  • Raha tsy fantatra ny amin'ny kolon-tsainao ny divay , dia afaka adika toy ny hoe: "ranom-boaloboka nialin'andro" na "zava-pisotro nialin'andro vita amin'ny voaloboka" na "ranom-boankazo nialin'andro."
  • Ireo fomba mety handikana ny hoe: "siny hoditra" dia afaka atao hoe: "kitapo divay" na "siny divay vita amin'ny hodi-biby" na "hodi-biby fitoeran-divay."

efitra

Famaritana

Ny efitra dia tany maina, tsy mamokatra ary zava-maniry sy hazo vitsy ihany no afaka maniry eo aminy.

  • Ny efitra dia tany manana toetr'andro maina ary vitsy ny zavamaniry sy biby eo aminy.
  • Noho ilay toetr'andro ratsy, vitsy ireo olona afaka miaina eny an'efitra, ka dia maneho ihany koa izany hoe "tany ngazana"
  • Ny "efitra" dia mampita ny hevitra hoe lavitra, lao ary misitaka ny olona.
  • Ity teny ity dia afaka adika koa hoe "toerana foana" na "toerana lavitra" na "toerana tsy misy monina"

emboka manitra

Famaritana

Ny teny hoe "emboka manitra" dia ilazana ny fangaron-java-manitra mamerovero izay dorana ary mamoaka setroka izay misy fofona mahafinaritra.

  • Niteny tamin'ireo Zanak'Israely Andriamanitra mba handoro emboka manitra ho fanatitra ho Azy.
  • Tsy maintsy namboarina tamin'ny zava-manitra manokana dimy, mitovy fatra araka izay natoron'Andriamanitra ny emboka manitra. Emboka masina izany, noho izany dia tsy nahazo alalana ny nampiasa izany nohon'ny antony hafa izy ireo.
  • Ny "alitaran'ny emboka manitra" dia alitara manokana izay nampiasaina handorana ny emboka manitra fotsiny ihany.
  • Inefatra ao anatin'ny iray andro fara-fahakeliny no nanaterana ny emboka manitra, isaky ny ora fivavahana. Naterina ihany koa izany isaky ny misy sorona dorana natao.
  • Ny emboka manitra mirehitra dia maneho fivavahana sy fiderana avy amin'ny olony miakatra any amin'Andriamanitra.
  • Ny fomba hafa azo andikana ny "emboka manitra" ihany koa dia: "hanitra mamerovero" na "zava-maniry mani-pofona."

Fahafatesana, maty

Famaritana

Ireo teny ireo dia ampiasaina mba hanehoana ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy. Ara-batana, izay maneho ny fitsaharan'ny vatan'olona hiaina. Ara-panahy, izay maneho ireo mpanota izay manomboka misaraka amin'ny fanahin'Andriamanitra noho ny otan'izy ireo.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha mamadika io teny io, dia tsara ny mampiasa ny fiteny andavan'andro, teny na fomba fiteny tsotra izay maneho ny fahafatesana amin'ilay teny andikana azy.
  • Amin'ny fiteny hafa, "maty" dia azo adika hoe "tsy velona".
  • Fiteny maro no mapiasa sari-teny mba hanehoana ny fahafatesana, tahaka ny hoe "lasa alavitra(to pass away)" amin'ny teny Anglisy. Na izany aza, ao amin'ny Baiboly dia tsara ny mampiasa ny teny fampiasa andavan'andro mahintsy indrindra hilazana ny fahafatesana.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny fiainana ara-nofo sy ny fahafatesana ara-nofo izay ampitahana matetika amin'ny fiainana ara-panahy sy ny fahafatesana ara-panahy. Manandanja be amin'ny fandikana ny mampiasa ny teny iray ihany na fehezanteny ho an'ny fahafatesana ara-nofo sy ny fahafatesana ara-panahy
  • Amin'ny fiteny hafa dia mazava kokoa ny miteny hoe "fahafatesan ara-batana" rehefa mitaky ny hevin'izany ny tranga hisehoan'ny resaka. Ny mpandika teny sasany ary dia mahatsapa koa fa tsara ny miteny hoe "fahafatesana ara-nofo" rehefa manavaka azy amin'ny fahafatesana ara-panahy.
  • Ny fomba fiteny "ilay maty" dia maneho ireo olona izay maty. Ny teny sasany dia mandika izany hoe "olona maty" na "olona izay maty"

fahasambarana

Famaritana

Ny "fahasambarana" dia zavatra izay mapifaly fatratra olona na mahatonga hafaliana

  • Ny "fahasambatra ao amin'ny"zavatra dia midika hoe "mankafy ao amin'ny" na "faly amin'ny" izany zavatra izany.
  • Rehefa tena mahafinaritra na mahafaly ny zavatra dia atao hoe "mahasambatra"
  • Raha ao amin'ny zavatra ny fahasambaran'ny olona dia midika izany fa mankafy tanteraka izany izy.
  • Ny fomba fiteny hoe "ny fahasambarako dia ao amin'ny lalàn'Yaveh" dia afaka adika hoe "Ny lalàn'Yaveh no manome fifaliana ho ahy" na "Tiako ny manakatoa ny lalàn'Yaveh" na "Izaho dia faly rehefa mankatoa ireo didin'Yaveh ireo"
  • Ny fehezanteny hoe "tsy mandray fahasambarana amin'ny" sy "tsy manana fahasambarana ao amin'ny" dia afaka adika hoe "tsy faly amin'ny" na "tsy faly mahakasikany"
  • Ny fehezanteny hoe "fahasambaran'ny tenany amin'ny" dia midika hoe "faly izy manao" zavatra na "tena faly momban'ny" zavatra na momban'ny olona.
  • Ny teny hoe "ireo fahasambarana" dia maneho ireo zavatra izay ankafizin'ny olona. Izany dia afaka adika hoe "fahafinaretana" na "zavatra izay manome hafaliana"
  • Ny fomba fiteny tahaka ny "sambatra aho manao ny sitraponao" dia afaka adika hoe "mankafy aho manao ny sitraponao" na "tena faly aho rehefa mankatoa Anao"

fahatairana, mahagaga

Famaritana

Ny teny hoe "fahatairana" dia ilazana ny fanehoana fahagagana sy fanajana lalina nohon'ny fahitana zavatra mahatalanjona, mahery, ary mahazendana.

  • Ny teny hoe "mahagaga" dia mamaritra olona na zavatra iray izay mahatonga fahatairana.
  • Ny fahitana ny voninahitr'Andriamanitra izay hitan'i Ezekiela dia "mahagaga" na "mahatonga fahatairana"
  • Ny asetrin'ny olona maneho fahatairana nohon'ny fanatrehan'Andriamanitra matetika dia: tahotra, fiankohofana na fandoalihana, fanaronan-tava, ary fangovitana.

fahatsiarovana, fanati-pahatsiaroana

Famaritana

Ny teny hoe "fahatsiarovana" dia ilazana ny asa na zavatra izay mahatonga ny olona na zavatra iray ho tsaroana.

  • Ampiasaina ho mpamaritra ihany koa io teny io hoenti-mamaritra zavatra iray izay natao hampatsiahy azy ireo ny zavatra iray, toy ny amin'ny "fanati-pahatsiarovana," "ampaham-pahatsiarovana" avy amin'ny sorona na "vato fahatsiarovana."
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny fanati-pahatsiarovana dia natao mba hahatsiarovan'ireo Israelita ny nataon'Andriamanitra ho azy ireo.
  • Niteny tamin'ireo mpisorona Israelita Andriamanitra mba hanao akanjo manokana izay nisy vato fahatsiarovana. Ireo vato ireo dia nisy ny anaran'ny foko roa ambin'ny folo voasokitra teo aminy. Mety ho natao mba hampatsiahy azy ireo ny fahatokian'Andriamanitra tamin'izy ireo izany.
  • Ao amin'ny Testameta Vaovao, Andriamanitra dia nanome voninahitra ny lehilahy iray antsoina hoe Kornelio nohon'ny asa soa nataony tamin'ireo mahantra. Ireo asa ireo dia voalaza fa "fahatsiarovana" eo anatrehan'Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Azo adika hoe: "fampatsiahivana maharitra" ihany koa izany.
  • Ny "vato fahatsiarovana" dia azo adika hoe: "vato mampatsiahy azy ireo"

fahavinirana

Famaritana

Ny fahavinirina dia fahatezerana diso tafahoatra. Rehefa vinitra ny olona iray, izany dia midika fa ny olona iray dia maneho fahatezerana amin'ny fomba manimba.

  • Ny fahatezerana dia miseho rehefa tsy mahafehy ny fihetsem-pony intsony ny olona iray.
  • Rehefa entin'ny hatezerana ny olona dia manao fihetsika sy miteny zavatra izay manimba.
  • Ny teny hoe "ny fahavinirana" dia afaka maneho fihetsika mahery ihany koa, toy ny "fisamboaravoaran'ny tafio-drivotra" na ny onjan-dranomasina izay "mifoaka."
  • Ny hoe "hatezeran'ireo firenena" dia maneho ireo olona tsy araka an'Andriamanitra izay tsy mankato an'Andriamanitra sy mikomy manohitra Azy.
  • Ny hoe "feno fahatezerana" dia midika hoe manana fahatezerana diso tafahoatra loatra.

fahazavana

Famaritana

Ny "fahazavana," maro ireo hevin'io teny io ara-tsari-teny ao amin'ny Baiboly. Nampiasana io teny matetika mba hanaovana sari-teny hilazana ny fahamarinana, fahamasinana.

  • Jesosy dia niteny "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao" mba hanehoany fa Izy dia hitondra ny hafatra marin'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao ary hamonjy ny olona amin'ny haizin'ny otan'izy ireo.
  • Ny Kristiana dia nodidina mba "handeha ao amin'ny mazava" izay midika hoe izy ireo dia tokony miaina amin'ny fomba izay tian'Andriamanitra ho azy ireo mba hisoroan'izy ireo ny ratsy.
  • Jaona apostoly dia niteny hoe "Andriamanitra no fahazavana", ary tsy misy fahamaizinana ao Aminy.
  • Fahazavana sy ny aizina dia mifanipaka tanteraka. Ny fahamaizinana dia ny tsy fisian'ny fahazavana.
  • Jesosy dia nilaza hoe Izaho "ny fahazavan'izao tontolo izao" ary izay mpanaradia Azy dia hamiratra tahaka ny fahazavana eto amin'izao tontolo izao, amin'ny fomba fiaina izay maneho mazava tsara hoe Andriamanitra dia lehibe tokoa.
  • Ny "Mandeha ao amin'ny mazava" dia maneho hoe miaina amin'ny fomba izay mahafaly an'Andriamanitra, manao izay tsara sy rariny. Mandeha ao amin'ny maizina dia maneho ny fomba fiaina izay mampiseho fikomiana manohitra an'Andriamanitra, manao asa ratsy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Rehefa mandika ilay teny, dia tena tsara ny mitazona ny teny hoe "fahazavana" sy "haizina" na dia atao ho amin'ny sari-teny ary izany.
  • Mety mila hazavaina ihany koa ny fampitahana ao amin'ny Soratra Masina. Ohatra, "mandehana tahaka ny zanaky ny mazava" izay afaka adika hoe "miaina fiainana marina am-pahibemaso, tahaka ny olona izay mandeha eo amin'ny fahazavan'ny tara-masoandro."
  • Tandremo ny fandikana ny hoe "fahazavana" mba tsy haneho zavatra izay manome fahazavana tahaka ny hoe jiro. Ny fandikana io teny io dia tokony maneho ny fahazavana ihany.

fahirano, manao fahirano

Famaritana

Ny teny hoe "fahirano" dia maneho ny fotoana hanafihan'ny tafika manodidina ny tanàna ary mihazona izany ho tsy afaka handray fitaovana ara-tsakafo sy rano. Ny hoe "manao fahiranao" tanàna dia midika hoe manao izany tanàna izany ho amin'ny fahirano.

  • Babylona rehefa tonga hanafika an'Isiraely, dia nampiasa tetika fahirano tamin'i Jerosalema mba hampalemy ny vahoaka tao amin'ilay tanàna.
  • Matetika nandritry ny fanafihana fahirano, dia nanao fantsom-pito mba afahan'ireo tafika mpanafika hihazakazaka amin'ny rindrin'ilay tanàna sy hanafika ilay tanàna.
  • Ny teny hoe "manao fahirano" dia manana hevitra mitovy amin'ny hoe "ambany fahirano." Ireo fomba fiteny ireo dia samy mamaritra tanàna izay voadidina sy ambany fahiranon'ny tafika fahavalo.

fahitana

Famaritana

Ny teny hoe "fahitana" dia maneho ny zavatra izay hitan'ny olona. Izany dia maneho manokana ny zavatra izay tsy fahita matetika na mihoatry ny voajanahary izay asehon'Andriamanitra ny olona mba hanomezana hafatra azy ireo.

  • Matetika, ny fahitana dia miseho raha mbola mifoha ny olona iray. Kanefa indraindray ny fahitana dia zavatra izay hitan'ny olona ao amin'ny nofy raha mbola matory izy.
  • Andriamanitra nandefa fahitana mba hilazana zavatra izay tena manan-danja tokoa amin'ny olona. Ohatra, Petera dia nahita fahitana miteny aminy fa tian'Andriamanitra hampandroso ireo Jentilisa izy.

fahitsiana

Famaritana

Ny teny hoe "fahitsiana" dia ilazana ny fahamarinana, izay misy fitsipika sy toetra ara-moraly tena mafonja.

  • Ny fananana fahitsiana ihany koa dia midika fisafidianana ny hanao izay marina sy mety na dia rehefa tsy misy mijery aza.
  • Ny mpandray anjara ao amin'ny Baiboly sasany, toa an-ndry Josefa sy Daniela, dia nampiseho fahitsiana tamin'ny nandavan'izy ireo ny hanao ratsy sy ny nisafidianan'izy ireo ny hankatoa an'Andriamanitra.
  • Ny bokin'ny Ohabolana dia milaza fa tsara kokoa ny mahantra manana fahitsiana toy izay manan-karena simba toetra na tsy marina.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "fahitsiana" dia azo adika ihany koa hoe: "fahamarinana" na "fahitsiana ara-moraly" na "mitondra tena am-pahamarinana" na "mitondra tena amin'ny fomba azo itokiana, sy marina."

fahoriana

Famaritana

Ny teny hoe "fahoriana" dia entina ilazana ny fotoan'ny ady sarotra, fijaliana, ary fanjenjenana.

  • Ny Testamenta Vaovao dia milaza fa hiaritra fotoam-panenjehana sy karazam-pahoriana hafa ny Kristiana satria maro ny olona eto amin'izao tontolo izao no hanohitra ny fampianaran'i Jesosy.
  • Mampiasa ny teny hoe "Fahoriana Lehibe" ny Baiboly mba hamaritana ny fotoan'andro amin'ny fiverenan'i Jesosy fanindroany, izay hanjeran'Andriamanitra ny fahavinirany eto an-tany mandritra ny taona maro.
  • Ny teny hoe "fahoriana" dia azo adika ihany koa hoe: "andron'ny fijalana lehibe" na "fanjenjenana lalina" na "ady mafy."

famaky

Famaritana

Ny famaky dia fitaovana ampiasaina hanapahana na hamakiana hazo na kitay.

  • Matetika ny famaky dia misy tahony hazo miaraka amin'ny lelam-pamaky naraikitra teo amin'ny lohany.
  • Ny fomba hafa azo andikana io teny io koa dia: "fitaovana fanapahan-kazo" na "fitaovana hazo misy lela maranitra" na "fitaovana famakian-kitay lava taho."
  • Tamin'ny tranga iray tao amin'ny Testamenta Taloha, dia nisy lelam-pamaky iray latsaka tany amin'ny renirano, koa tsara tokoa raha voafaritra tsara fa misy lelany afaka miongotra amin'ilay tahony hazo ilay fitaovana.

famiazana divay

Famaritana

Nandritra ny andron'olona tao amin'ny Baiboly, ny atao hoe: "famiazana divay" dia fitoeran-javatra lehibe na toerana izay nangalana ny ranom-boaloboka mba hanaovana divay.

  • Any Israely, indraindray ny famiazana divay dia lehibe, fanasiana rano malalaka izay nohadiana tamin'ny vatolampy. Apetraka eo amin'ny farany ambanin'ny lavaka ny sampahom-boaloboka ary hitsakitsahin'ny olona mba hivoahan'ny ranom-boaloboka.
  • Ny famiazana divay matetika dia manana ambaratonga roa, miaraka amin'ny voaloboka voahitsakitsaka amin'ny ambaratonga ambony mba hahafahan'ny ranom-boankazo midina amin'ny ambaratonga farany ambany izay hanovozana azy.
  • Ny teny hoe: "famiazana divay" ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika hoe sarin-tsarin'ny fahatezeran'Andriamanitra nafafy tamin'ny olona ratsy fanahy.

famirapiratana

Famaritana

Ny teny hoe "famirapiratana" dia maneho ny tena hatsaran-tarehy sy kanto dia matetika miaraka amin'ny harena sy endrika mahafinaritra.

  • Matetika ny famirapiratana dia nampiasaina mba hanehoana ny harena izay ananan'ny mpanjaka, na ny endriny ao anatin'ny akanjony lafo vidy sy tsara tarehy.
  • Ny teny hoe "famirapiratana" dia afaka adika ihany koa hoe ny hatsaran'ny hazo, tendrombohitra na ny zavatra izay namboarin'Andriamanitra .
  • Ny tanàna sasany dia lazaina fa manana famirapiratana, araka ny harena voajanahary misy ao aminy, ny trano sy ny lalana, ary ny harenan'ny olona: fiakanjo tsara, volamena ary volafotsy.
  • Miankina amin'ny zava-misy ny heviny, izany teny izany dia afaka adika hoe "fahatsarana mahagaga" na "voninahitra mahagaga" na "fahalebiazan'ny mpanjaka"

famonjena

Famaritana

Ny teny hoe "famonjena" dia maneho fa voavonjy na famonjena avy amin'ny ratsy na loza.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny "famonjena" dia maneho ny fanavotana ara-panahy sy mandrakizay izay nomen'Andriamanitra ho an'ireo izay mibebaka nohon'ny otan'izy ireo ary mino an'i Jesosy.
  • Ny Baiboly dia milaza ihany koa ny momba ny famonjen'Andriamanitra na ny fanafahany ny olony amin'ny fahavalo ara-nofo.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Izany teny izany dia afaka adika ihany koa hoe "mamonjy" na "manavotra" tahaka ny ao amin'ny hoe "Rehefa manavotra olona Andriamanitra"

famonoana

Famaritana

Ny teny hoe "famonoana" dia maneho hoe mamono olona maro na biby maro, na mamono amin'ny fomba feno habibiana. Izany dia mety maneho ihany koa hoe mamano biby mba hoanina.

  • Rehefa nandray ireo vahiny telo tao amin'ny lainy tany an'efitra izy dia nandidy ny mpanompo mba hamono sy hahandro omby ho an'ireo vahininy.
  • Ezekiela mpaminany dia naminany fa Andriamanitra dia handefa ny anjeliny hamono ireo rehetra izay tsy manaraka ny Teniny.
  • Ny 1 Samoela dia mirakitra ny isa be indrindra amin'ny famonoana Israelita, izay 30,000 no novonoin'ny fahavalon'izy ireo noho ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra.
  • Ny "Fitaovam-piadiana hamonoana" dia afaka adika hoe "fitaovam-piadiana famonoana"
  • Ny fomba fiteny hoe "ny famonoana dia tena goavana" dia afaka adika hoe "maro ireo olona novonoina" na "ny isan'ny maty dia tena be loatra" na "mampivaraontsana ny isan'ny olona maty"

famosaviana, mpanao ody, fanaovana ody

Famaritana

Ny "famosaviana" na "fanaovana ody" dia maneho ny fampiasana ody, izany hoe mampiasa zavatra mahery amin'ny alalan'ny fanampiana avy amin'ny fanahy ratsy. Ny "mpanao ody" dia olona izay manao ireny ody mahery ireny.

  • Ny fampiasana ny ody na ny famosaviana dia tafiditra ao ny fahazoana tombontsoa (fanasitranana olona) sy mampidi-doza (tahaka ny hoe manozona olona). Fa dia ratsy avokoa ireo famosaviana ireo satria mampiasa ny herin'ny fanahy ratsy.
  • Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra dia milaza fa ny fampiasana ody dia ratsy tahaka ny ota rehetra (toy ny fijangajangana, fiderana sampy, ny fanaovana sorona ny zaza)
  • Ny teny hoe "famosaviana" sy "fanaovana ody" dia afaka adika hoe "herin'ny fanahy ratsy" na "miteny ozona"
  • Ny fomba mety andikana ny "mpanao ody" dia hoe "mpiasan'ny ody" na "olona nanipy ozona" na "olona izay manao fahagagana amin'ny herin'ny fanahy ratsy."
  • Marihina fa ny "famosaviana" dia samihafa amin'ny "fisikidina" izay maneho hoe miezaka ny hifandray amin'ny tontolon'ny fanahy.

fanaintainana eo am-piterahana, eo am-piterahana

Famaritana

Ny vehivavy izay "eo am-piterahana" dia miaina ireo fanaintainana izay mitarika ho amin'ny fahaterahan'ny zanany. Ireo dia antsoina hoe "fanaintainana eo am-piterahana."

  • Amin'ity taratasy ho an'ireo Galatiana ity, dia nampiasa ity teny ity ambadika Paoly apostoly mba hamaritana ny fiezahany mafy mba hanampiana ireo namany mpino ho tonga tahaka an'i Kristy bebe kokoa.
  • Ny fampitahana ny fanaintainana eo am-piterahana ihany koa dia nampiasaina tao amin'ny Baiboly mba hamaritana ny loza mety hitranga amin'ny fara-andro miaraka amin'ny fiverimberenana matetika sy mafy.

Fanairana, taitra

Famaritana

Ny fanairana dia zavatra iray izay mampitandrina ny olona amin'ny zavatra izay mety hahavoa azy ireo. Ny hoe "taitra" dia miahiahy mafy sy raiki-tahotra nohon'ny amin'ny zavatra lozabe na mampatahotra.

  • Taitra i Jehosafata rehefa nahare fa nikasa ny hanafika ny fanjakan'i Joda ireo Moabita.
  • Nilaza tamin'ireo mpianany i Jesosy mba tsy ho taitaitra rehefa mandre loza miseho amin'ny andro farany izy ireo.
  • Ny fomba fiteny hoe "mampaneno ny fanairana" dia midika fanomezana fampitandremana. Tamin'ny andro taloha, ny olona iray dia afaka mampaneno fanairana amin'ny alalan'ny famoahana feo avy amin'ny zavatra iray izay mitovy amin'izany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny hoe "manaitra olona iray" dia midika hoe "mahatonga ny olona iray hiahiahy" na "mampiahiahy olona iray."
  • Ny hoe "taitra" dia azao adika hoe "miahiahy" na "raiki-tahotra" na "miraharaha tokoa."
  • Ny fomba fiteny hoe "mampaneno ny fanairana" dia azo adika hoe: "mampitandrina ny daholobe" na "manao filazana fa misy loza ho avy" na "mitsoka trompetra mba ho fampitandremana ny olona mikasika ny loza."

fanamavoana, tsinontsinona

Famaritana

Ny teny hoe "fanamavoana" dia maneho tsy fanajana lalina sy tsy fanomezana voninahitra izay aseho amin'ny zavatra na olona. Ny zavatra izay tsy nasiana haja tanteraka dia antsoina hoe "tsinontsinona."

  • Ny olona na fitondran-tena izay mampiseho tsy fanajana an'Andriamanitra dia antsoina koa hoe "tsinontsinona" ary afaka adika hoe "tena tsy manaja" na "tsy manisy haja tanteraka" na "manala baraka."
  • Ny hoe "manamavo" dia midika hoe mihevitra ny olona iray ho tsy manana lanja na mitsara olona iray ho tsy mendrika kokoa noho ny tenany.
  • Ireto andian-teny manaraka ireto dia mitovitovy hevitra: "manala baraka" na "maneho tsy firarahiana" na "maneso." Ireo rehetra ireo dia midika hoe "tena tsy manaja tanteraka" na "teny tsy manome voninahitra" ny zavatra iray na olona iray amin'izay nolazaina sy natao.
  • Davida mpanjaka rehefa nanota tamin'ny fijangajangana sy famonoana olona, dia nilaza Andriamanitra fa Davida dia "naneho tsy firarahiana" an'Andriamanitra. Izany dia midika hoe tena tsy nanaja sy tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy tamin'ny fanaovany izany.

fanaovan-jiro

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "fanaovan-jiro" dia maneho ilay fametrahana ilay jiro mba hanazavany ny efitra iray manontolo.

  • Ny fanaovan-jiro tsotra dia mitazona jiro iray ihany ary vita amin'ny tanimanga, hazo na vy.
  • Tao amin'ny tempolin'i Jerosalema dia nisy fanaovan-jiro vita tamin'ny volamena izay nisy rantsana fito hitazomana jiro fito.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Io teny io dia afaka adika hoe "fototran'ny jiro" na "rafitra hitazomana ny jiro" na "mpitazona jiro."
  • Fa ho an'ny fanaovan-jiron'ny tempoly, dia afaka adika hoe "ireo jiro fiton'ny fanaovan-jiro" na "fasiana jiro volamena miaraka amin'ny jiro fito."

fanasana

Famaritana

Ny fanasana dia fisakafoana lehibe, sy mihaja izay misy sakafo maromaro.

  • Tamin'ny andro taloha, ireo mpanjaka matetika dia manao sakafom-panasana mba hanentanana ny mpitarika politika sy ireo vahiny manan-danja hafa.
  • Ity dia afaka adika ihany koa hoe: "sakafo voaomana" na "fisakafoana manan-danja" na "sakafo maro be."

fanati-pihavanana

Famaritana

Ny "fanati-pihavanana" dia iray amin'ireo soro-panatitra maro izay nandiadian' Andriamanitra ireo Isiraelita mba ho atao. Indraindray izany dia antsoina hoe "fanati-pisaorana" na "fanati-piombonana."

  • Ity fanatitra ity dia mila fanaovana sorona biby izay tsy misy takaitra, famafazana ny ràn'ilay biby eo amin'ny altara, ary fandorana ny tavin'ilay biby, sy ny sisan'ilay biby.
  • Fanampin'izany sorona izany dia nisy fanatitra mofo tsy misy lalivay sy misy lalivay, izay nodorana teny an-tampon'ilay fanatitra dorana.
  • Ny mpisorona sy mpanolotra ny sorona dia navela hananjara amin'ny fihinanana ny sakafo izay natolotra.
  • Ity fanatitra ity dia manamarika ny fiombonan'Andriamanitra amin'ny olony.

fanatitra amin'ny fahamelohana

Famaritana

Ny fanatitra amin'ny fahamelohana dia fanatitra na sorona izay nangatahan' Andriamanitra tamin'ireo Israelita mba hatao rehefa nanao zavatra tsy nety tsy nahy izy ireo toy ny hoe tsy nanaja an'Andriamanitra na nanimba fanan'olona hafa.

  • Io fanatitra io dia nila fanaovana sorona biby sy fandoavana sazy, amin'ny volafotsy na volamena.
  • Fanampin'izany, ny olona diso dia tompon'andraikitra tamin'ny fandoavana ny fanimbana vita.

fanatitra an-tsitrapo

Famaritana

Ny fanatitra an-tsitrapo dia karazana sorona ho an'Andriamanitra izay tsy notakian'ny Lalàn'i Mosesy. Safidy manokan'ny olona iray ny manome io fanatitra io.

  • Raha biby natao sorona no fanatitra an-tsitrapo, dia afaka atao na biby misy kilema kely aza satria fanatitra an-tsitrapo izany.
  • Ireo Israelita dia mihinana ilay biby natao sorona mba ho ampahany amin'ny fety fankalazana.
  • Rehefa azo omena ilay fanatitra an-tsitrapo, dia anton'ny firavoravoan'Israely izany satria mampiseho izany fa ny vokatra dia tsara ka manana sakafo be dia be ny olona.

Ny bokin'i Ezra dia mamaritra karazana fanatitra an-tsitrapo maro izay entina ho an'ny fanorenana indray ny tempoly. Ahitana ny volamena sy ny volafotsy io fanatitra io, ary ihany koa ahitana ny lovia boribory sy zavatra hafa vita tamin'ny volamena sy volafotsy.


fanatitra dorana, fanatitra amin'ny alalan'ny afo

Famaritana

Ny "fanatitra dorana" dia karazana sorona ho an'Andriamanitra izay nodorana tamin'ny afo teo amin'ny alitara. Natolotra izany mba ho fanavotana ny olona amin'ny fahotan'izy ireo. Antsoina ihany koa hoe: "fanatitra amin'ny alalan'ny afo."

  • Ireo biby izay ampiasaina amin'io fanatitra io matetika dia ondry na osy, fa ny omby sy ny vorona ihany koa dia ampiasaina.
  • Fa ny hoditra manokana, dia ny biby iray manontolo no dorana amin'io fanatitra io. Ny hoditra dia omena ny mpisorona.
  • Andriamanitra dia nandidy ireo vahoaka Jiosy mba hanolotra fanatitra dorana indroa isan'andro.

fanatitra fiombonana

Famaritana

Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny hoe: "fanatitra fiombonana" dia karazana sorona izay natolotra nohon'ny antony samihafa, toy ny fisaorana an'Andriamanitra na mba hanatanterahana voady.

  • Io fanatitra io dia mitaky fanaovana sorona biby iray, izay na lahy na vavy. Izany dia hafa tsy mitovy amin'ilay fanatitra dorana izay biby lahy no takiana.
  • Aorian'ny fanomezana ampahany amin'ilay sorona ho an'Andriamanitra, ilay olona izay nitondra ny fanatitra fiombonana dia mizara ny hena miaraka amin'ireo mpisorona sy ireo Israelita hafa.
  • Ao anatin'ny sakafo ampiarahina miaraka amin'io fanatitra fiombonana io ny mofo tsy misy lalivay.
  • Izany matetika dia antsoina hoe: "fanati-pihavanana."

fanatitra noho ny fahotana

Famaritana

Ny "fanatitra noho ny fahotana" dia iray amin'ireo sorona izay nangatahin'Andriamanitra tamin'Israelita mba hatolotra.

  • Izany fanatitra izany dia fanaovana sorona omby, izay dorana eo amin'ny alitara ny ràny sy ny taviny , ary dia halaina ny sisa tavela tamin'ilay omby ary dia dorana any ivelan'ilay tobin'Isiraelita.
  • Ny fandorana tanteraka izany biby natao sorona izany dia maneho ny fahamasinan'Andriamanitra ary ny faharatsian'ny ota.
  • Ny Baiboly dia mampianatra fa raha te ho voadio amin'ny ota, ny rà dia tsy maintsy alatsaka mba hanefana ny vidin'ny ota izay natao.
  • Ny fanaovana sorona ny biby dia tsy mahavita mitondra ny famelana mandrakizay amin'ny ota.
  • Ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana no nanefa ny vidin'ny ota, mandrakizay. Izy ilay fanatitra tonga lafatra.

fanatitra sakafo, fanatitra voa

Famaritana

Ny "fanatitra sakafo" na "fanatitra voa" dia sorona ho an'Andriamanitra amin'ny endrika voa na mofo vita amin'ny koba-bary.

  • Ny teny hoe "sakafo" dia maneho voa izay voatoto ho lasa koba.
  • Nafangaro rano na menaka ilay koba mba hahazoana mofo fisaka. Indraindray dia fafazana menaka eo amin'ny tapon'ilay mofo.
  • Io karazana fanatitra io matetika dia niara-naterina tamin'ny fanatitra dorana.

fanatitra varim-bazaha

Famaritana

Ny fanatitra varim-bazaha dia fanatitra vary na koba ho an'Andriamanitra, matetika aorian'ny fanatitra dorana.

  • Ny vary nampiasaina ho amin'ny fanatitra varim-bazaha dia tsy maintsy milamina tsara. Indraindray izany nandrahoana mialohan'ny hanomezana azy, fa indraindray avela manta.
  • Nampiana menaka sy sira tao amin'ilay koba, fa tsy azo nasiana lalivay na tantely.
  • Ny ampahany tamin'ilay fanatitra varim-bazaha dia nirehitra ary ny ampahany nohanin'ireo mpisorona.

fandrika

Famaritana

Ny teny hoe "fandrika" dia maneho ireo fitaovana ampiasaina mba hisamborana sy hitazomana ireo biby tsy hitsaoka. Ao amin'ny Baiboly, ireo teny ireo dia ampiasana amin'ny heviny ara-tsari-teny mba hilazana hoe ny fahotana sy ny fakam-panahy dia tahaka ny fandrika izay hisamborana olona ary handratrana olona.

  • Ny "fandrika" vita amin'ny tady dia mikatona ary misintona ilay biby rehefa manitsaka eo izy ka voafandrika eo ny tongony.
  • Ny "fandrika" dia matetika vita amin'ny vy na hazo ihany koa izay mikatona tampoka raha vao manitsaka eo ilay biby ka dia tsy afaka ny hitsaoka intsony. Indraindray ny fandrika dia lavaka lalina be ka izay tratra ao dia tafalatsaka ao.
  • Matetika ny fandrika dia hafenina amin'izay mba tsy ampoizin'ny haza ny fisiany.
  • Ny teny hoe "mametraka fandrika" dia midika hoe manomana fandrika mba hisamborana zavatra.
  • Ny hoe "tafalatsaka tao amin'ny fandrika" dia milaza fa tafalatsaka tao anaty lavaka lalina na hantsana izay nolavahana ka nafenina mba hisamborana biby.
  • Rehefa atao ara-tsari-teny, ny dikany hoe tratran'ny fandrika ny olona iray dia afaka ampitahaina amin'ny fomba natrarana biby tamin'ny fandrika .
  • Tahaka ny biby izay ambava-loza sy marary noho ny fandrika ny olona tratran'ny fandriky ny ota ihany koa dia ambava-loza sy marary noho ny ota ary mila avotana.

fanehoana fanajana

Famaritana

Ny teny hoe: "fanehoana fanajana" dia maneho fihetsem-po lalina, fanajana lalina ho an'ny olona iray na zavatra iray.

  • Ny fihetsem-po amin'ny fanehoana fanajana dia mety hita amin'ny fihetsika izay manome voninahitra an'ilay olona izay hanehoana fanajana.
  • Ny tahotra ny Tompo dia fanajana any anaty izay miseho amin'ny fankatoavana ireo didin'Andriamanitra.
  • Io teny io ihany koa dia afaka adika ho "tahotra sy voninahitra" na "fanajana tanteraka."

fanekem-pihavanana vaovao

Famaritana

Ny teny hoe: "fanekem-pihavanana vaovao" dia maneho ny fanoloran-tena na ny fanekena an'Andriamanitra nataon'ny olony tamin'ny alalan'ny soron'ny Zanany, dia Jesosy.

  • Ny "fanekem-pihavanana vaovaon'Andriamanitra" dia hazavaina ao amin'ny ampahany ao amin'ny Baiboly izay antsoina hoe: "Testamenta Vaovao."
  • Io fanekem-pihavanana vaovao io dia mifanohitra amin'ilay fanekem-pihavanana "taloha" na "teo aloha" izay nataon'Andriamanitra niaraka tamin'ireo Israelita tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Ny fanekem-pihavanana vaovao dia tsara kokoa noho ilay taloha satria mifototra amin'ny soron'i Jesosy izany, izay manohitra tanteraka ny fahotan'ny olona mandrakizay. Ny sorona izay natao teo ambanin'ny fanekem-pihavanana taloha dia tsy manao izany.
  • Andriamanitra nanoratra ny fanekem-pihavanana vaovao tao am-pon'ireo mino an'i Jesosy. Izany dia nahatonga azy ireo ho te-hankato an'Andriamanitra ary nanomboka niaina fiainana masina izy ireo.
  • Ny fanekem-pihavanana vaovao dia ho feno tanteraka any amin'ny faran'ny fotoana rehefa hametraka ny fanjakany eto an-tany Andriamanitra. Hiverina ho lafatra daholo indray ny zava-drehetra, toy ny tamin'Andriamanitra vao nanorina ny tany.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "fanekem-pihavanana vaovao" dia afaka adika hoe: "fanekena mihaja vaovao" na "fifanarahana vaovao" na "fifanekena vaovao."
  • Ny teny hoe: "vaovao" amin'io teny io dia midika hoe: "karazany vaovao" na "hafa."

fangirifiriana

Famaritana

Ny teny hoe "fangirifiriana" dia ilazana ny fanaintainana na fahoriana mafy.

  • Mety ho fanaintainana ara-nofo na ara-pihetseham-po na fahoriana ny fangirifiriana.
  • Matetika ny olona izay ao anatin'ny fangirifiriana mafy dia mampiseho izany eo amin'ny endriny na ny fihetsiny.
  • Ny olona ao anatin'ny fanaintainana na fangirifiriana mafy ohatra, dia mety hihidy vazana na hihiaka mafy.
  • Ny teny hoe "fangirifiriana" dia azo adika ihany koa hoe: "fahoriana ara-pihetseham-po" na "alehelo lalina" na "fanaintainana mafy."

fangorohoroana, mangorohoro

Famaritana

Ny teny hoe "fangorohoroana" dia entina ilazana ny zavatra iainana izay tena mafy ary mampahory. Ny teny hoe "mangorohoro" dia midika fahatsapana ho tohina na ory nohon'ny zavatra iray.

  • Mety ho zavatra ara-batana, ara-pihetseham-po, na ara-panahy izay mandona ny olona iray ny fangorohoroana.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny fangorohoroana matetika dia fotoam-pitsapana izay entin'Andriamanitra hanampiana ny mpino hihamatotra sy hitombo amin'ny finoan'izy ireo.
  • Ny ampiasain'ny Testamenta Taloha ny "fangorohoroana" koa dia entina ilazana ny fitsarana izay nihatra tamin'ny vondron'olona izay ratsy toetra ka nanda an'Andriamanitra.
  • Ny anjara asa: "mampangorohoro" olona iray dia midika fanaovana izay hampijaly izany olona izany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "fangorohoroana" dia azo adika ihany koa hoe: "loza" na "zavatra mitranga izay maharary" na "fanenjehana" na "ady sarotra iainana" na "fahoriana.''
  • Ny teny hoe ''mangorohoro'' dia zao adika amin'ny teny na andian-teny izay midika hoe: "mandalo fahoriana" na "mahatsapa fahoriana mahatsiraviana" na "miahiahy" na "manahy" na "ory" na "raiki-tahotra" na "mikorontana."
  • Ny andian-teny hoe "andron'ny fangorohoroana" na "fotoan'ny fangorohoroana" dia azo adika ihany koa hoe: "rehefa miaina fahoriana ianareo" na "rehefa tonga aminareo ny zava-tsarotra" na "rehefa mahatonga zavatra mampahory aminareo Andriamanitra."
  • Ny fomba andikana ny "mahatonga fangorohoroana" na "miteraka fangorohoroana" dia azo atao hoe: "mahatonga ny zava-mampahory hitranga" na "mahatonga adi-sarotra" na "mahatonga azy ireo hiaina zava-tsarotra tokoa."

fanisam-bahoaka

Famaritana

Ny teny hoe "fanisam-bahoaka" dia maneho fanisana mihaja ny isan'ny olona ao amin'ny firenena na fanjakana iray.

  • Ny Testamenta Taloha dia mandrakitra an-tsoratra ny fotoana samihafa tamin'Andriamanitra nandidy ireo lehilahin'Israely mba ho isaina, toy ny fotoana nialan'ireo Israelita an'i Egypta voalohany ary avy eo indray mialohan'ny nidiran'izy ireo tao Kanàna.
  • Matetika ny tanjon'ny fanisana dia mba hahafantarana ny isan'ny olona tokony handoa hetra.
  • Ohatra, indray andro tao amin'ny Eksodosy dia nisaina ireo olona Israelita mba handoavan'ny tsirairay ny antsasaky ny sekely amin'ny fikarakarana ny tempoly.
  • Tamin'i Jesosy mbola zaza, dia nanao fanisam-bahoaka ny fanjakana Romana mba hanisàna ny olona rehetra izay nonina nanerana ny fanjakan'izy ireo, mba hitakiana azy ireo handoa hetra.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Mety ao anatin'ireo fomba handikana io teny io ihany koa ny hoe "fanisana anarana" na "lisitr'ireo anarana" na "fisoratana anarana."
  • Ny fehezanteny hoe "manao fanisana" dia afaka adika hoe "mandray ny anaran'ny olona" na "manoratra ny anaran'ny olona."

fanjakana

Famaritana

Ny fanjakana dia vondron'olona izay eo ambany fahefan'ny mpanjaka iray. Izany ihany koa dia hanehoana ny faritra na ny faritra ara-politika izay hanjakan'ny mpanjaka na hananan'ny mpitondra hafa fahefana.

  • Ny fanjakana dia mety ho habe ara-jeografika. Ny mpanjaka dia mety hoe mitondra firenena iray na tanàna iray fotsiny ihany.
  • Ny teny hoe: "fanjakana" ihany koa dia maneho fanjakana ara-panahy na fahefana, toy ny ao amin'ny andian-teny hoe: "fanjakan'Andriamanitra."
  • Andriamanitra no mpanapaka ny zava-boahary rehetra, fa ny andian-teny hoe: "fanjakan'Andriamanitra" dia maneho manokana ny fahefany sy ny fitondrany ny olona izay nino an'i Jesosy sy nanaiky ny fahefany.
  • Ny Baiboly ihany koa dia miresaka momba an'i Satana izay manana "fanjakana" amin'ny zavatry ny tany mandritra ny fotoana fohy. Ny fanjakany dia ratsy ary antsoina hoe: "ny haizina."

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Rehefa maneho faritra iray izay hanjakan'ny mpanjaka ny teny hoe: "fanjakana," dia afaka adika hoe: "firenena."

fanjakana

Famaritana

Ny teny hoe "manjaka" dia midika hoe mitondra tahaka ny mpanjaka amin'ny olon'ny firenena manokana na fanjakana. Ny fanjakan'ny mpanjaka dia ilay vanim-potoana izay hitondrany.

  • Ny teny hoe "fanjakana" ihany koa dia ampiasaina mba hanehoana an'Andriamanitra izay manjaka toy ny mpanjaka amin'ny tany iray manontolo.
  • Andriamanitra dia namela mpanjaka olombelona mba hitondra an'Israely rehefa nanilika Azy tsy ho mpanjaka izy ireo.
  • Rehefa hiverina Jesosy Kristy, dia hanjaka an-kahalalahana tahaka ny mpanjaka amin'ny tany iray manontolo Izy ary ireo Kristiana dia hanjaka hiaraka Aminy.
  • Io teny io ihany koa dia afaka adika hoe "fahefana fara tampony" na "manapaka tahaka ny mpanjaka" na "mitondra tahaka ny mpanjaka."

fanomezam-boninahitra

Famaritana

Ny teny hoe "fanomezam-boninahitra" dia entina ilazana ny fanomezana iray avy amin'ny mpanaka iray ho an'ny mpanapaka iray hafa, mba ho fiarovana sy hananana fifandraisana tsara eo amin'ny firenen'izy ireo.

  • Ny fanomezam-boninahitra dia mety ho fandoavam-bola izay takian'ny fanjakana amin'ny olona, toy ny hetra na honitra.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny mpanjaka na mpanapaka izay nanao dia lavitra dia nanolotra fanomezam-boninahitra ho an'ny mpanjakan'ilay faritra izay nandehanan'izy ireo mba hahazoan'izy ireo antoka fa ho voaaro sy hieren-doza izy ireo.
  • Matetika ny fanomezam-boninahitra dia misy zavatra hafa akoatra ny vola, toy ny sakafo, zava-manitra, fitafy lafo vidy, ary zava-tsarobidy toy ny volamena.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny "fanomezam-boninahitra" dia azo adika hoe: "fanomezana ho an'ny manam-boninahitra" na "hetra manokana" na "fandoavam-bola takiana."

fanomezan-tsiny

Famaritana

Ny hoe manome tsiny olona dia midika hoe manakiana na tsy manaiky ny toetra na fitondran-tenan'ilay olona. Ny fanomezan-tsiny dia fitsikerana momba ilay olona.

  • Ny filazana fa ny olona iray dia "tsy manan-tsiny" na "lavitry ny tsiny" dia midika fa ny olona dia manana toetra manome voninahitra an'Andriamanitra ary misy kely na tsy misy mihitsy zavatra izay afaka lazaina ho fanakianana azy.
  • Ny teny hoe "fanomezan-tsiny" ihany koa dia afaka adika hoe "fiampangana" na "henatra" na "fahafaham-baraka."
  • Ny hoe "manome tsiny" dia afaka adika hoe "mibedy" na "manendrikendrika" na "manakiana" arakaraky ny foto-kevitra.

farara, sodina

Famaritana

Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny sodina dia zava-maneno vita tamin'ny taolana na hazo ary misy lavaka mba hamelana ny feo hivoaka. Ny farara dia teny hafa hiantsoana ny sodina.

  • Ny ankamaroan'ny sodina dia misy volotara vita tamin'ny karazana bozaka matevina izay miovotrovotra toy ny misy rivotra mitsoka azy.
  • Ny sodina tsy misy volotara matetika no antsoina hoe: farara.
  • Ny mpiandry ondry dia mitsoka sodina mba hampitoniana ny andian'ondriny.
  • Ny sodina sy ny farara dia ampiasaina ho an'ny mozika mampalahelo na mozika mampifaly.

faritany, isam-paritany

Famaritana

Ny faritany dia fizarana na ampahany amin'ny firenena na fanjakana. Ny teny hoe "isam-paritany" dia mamaritra zavatra izay mifandray amin'ny faritra, toy ny hoe governora isa-paritany.

  • Ohatra, ny Fanjakana Persiana taloha dia nizara ho faritany toa an'i Media, Persia, Syria, ary Egypta.
  • Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao, dia nizara ho faritany toa an'i Makedonia, Asia, Jodia, Samaria, Galilia, ary Galatia ny fanjakana Romana.
  • Ny faritra tsirairay dia samy manana ny fitsipi-pahefany, izay eken'ny mpanjaka sy mpanapaka amin'ny fanjakana iray. Izany mpanapaka izany matetika dia antsoina hoe "manam-pahefana isam-paritany" na "governora isam-paritany."
  • Ny teny hoe "faritany" sy "isam-paritany" dia afaka adika hoe "faritra" sy "isam-paritra."

fasana, toeram-pandevenana

Famaritana

Ny teny hoe "fasana" dia ilazana ny toerana izay ametrahan'ny olona ny fatin'ny olona iray. Ny "toeram-pandevenana" dia teny entina ilazana izany amin'ny ankapobeny.

  • Indraindray ny Jiosy dia nampiasa lava-bato voajanahary hatao fasana, ary indraindray izy ireo dia nangady lavaka teo amin'ny vatolampy teny amin'ny sisin'ny havoana.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao Testamenta Vaovao dia efa nahazatra ny manakodia vato lehibe sy mavesatra eo anoloan'ny fidirana eo am-pasana mba hanidiana izany.
  • Raha lavaka hametrahana faty any ambanin'ny tany ihany no teny mahalaza ny fasana, ny fomba hafa azo andikana io teny io dia: "lava-bato" na "lavaka eny amin'ny sisin'ny havoana."
  • Ny teny hoe "fasana" matetika dia ampiasaina atao hevitra ambadika ilazana ny fahafatesana na ny toerana hitoeran'ny fanahin'ireo maty amin'ny ankapobeny.

fatokiana, matoky

Famaritana

Ny teny hoe "fahatokiana" dia midika hoe mahatoky fa misy zavatra marina na azo antoka fa hitranga.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "fanantenana" matetika dia midika hoe miandry fatratra amin'ny zavatra iray izay azo antoka fa hitranga. Ny ULB matetika dia mandika ity toy ny hoe "fatokiana" na "fatokiana ny ho avy" na "fatokiana amin'ny ho avy" indrindra rehefa midika hoe azo antoka ny hahazo izay nampanantenain'Andriamanitra an'ireo mpino an'i Jesosy izany.
  • Matetika ny teny hoe "fatokiana" dia maneho indrindra ny antoka fa ireo mpino an'i Jesosy dia manana ny hoe indray andro izy ireo hiaraka mandrakizay amin'Andriamanitra any an-danitra.
  • Ny fehezanteny hoe "manana fahatokiana amin'Andriamanitra" dia midika hoe manantena fatratra ny handray sy hiaina izay nampanantenain'Andriamanitra.
  • Ny "mahatoky" dia midika hoe mino ireo fampanantenana sy asan'Andriamanitra miaraka amin'ny toky fa hanao izay nolazainy Andriamanitra. Ity teny ity koa dia afaka manana ny hevitra hoe miasa am-pahasahiana sy amin-kerim-po.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "matoky" dia afaka adika hoe "mahazo antoka" na "tena azo antoka."
  • Ny teny hoe "matoky" dia afaka adika koa hoe "matoky tanteraka" na "azo antoka tanteraka" na "mahafantatra tanteraka."
  • Ny teny hoe "am-patokiana" dia afaka adika koa hoe "am-pahasahiana."
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba handikana ny hoe "fatokiana" dia ahitana ny hoe "antoka feno" na "fanantenana azo antoka" na "antoka."

fehin-kibo

Famaritana

Ny teny hoe "fehin-kibo" dia midika hoe mamehy zavatra iray manodidina ny zavatra hafa. Matetika izany dia maneho ny fampiasana fehin-kibo manodidina ny andilana mba hitazonana ny akanjo.

  • Ny fomba fiteny iombonana ao amin'ny Baiboly hoe "mamehy ny andilana" dia maneho fanodonana ny akanjo amin'ny fehikibo mba hamela ny olona hietsika kokoa, matetika rehefa hiasa.
  • Io fomba fiteny io dia midika hoe vonona hiasa na vonona hanao zavatra sarotra.
  • Ny fomba fiteny hoe "mamehy ny andilana" dia afaka adika amin'ny fampiasana fomba fiteny amin'ny fiteny andikana azy izay manana dika mitovy. Na izany koa dia afaka adika hoe "manomana ny tenanao hiasa" na "mivonana."
  • Ny teny hoe "voafehin'ny" dia afaka adika hoe "voahodidin'ny" na "voafonon'ny.''

feo

Famaritana

Ny teny hoe "feo" matetika dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana ny fitenenana na fampitàna zavatra iray.

  • Andriamanitra dia lazaina hoe mampiasa ny feony, na dia tsy manana feo mitovy amin'ny an'olombelona aza Izy.
  • Io teny io dia afaka ampiasaina mba hanehoana ny olona iray manontolo, toy ny ao amin'ny hoe "Feo iray re avy amin'ny tany efitra nilaza hoe: 'Amboary ny lalan'ny Tompo."' Izany dia afaka adika hoe "Olona iray no re miantso avy ao amin'ny tany efitra.... "
  • Ny "mandre feon'olona" dia afaka adika ihany koa hoe "mandre olona miresaka."
  • Indraindray ny teny hoe "feo" dia mety ampiasaina ho an'ny zavatra izay tsy miteny ara-bakiteny, tahaka an'i Davida nanambara tao amin'ny salamo fa ny "feon'ny lanitra" dia manambara ny asa mahagagan'Andriamanitra. Izany ihany koa dia afaka adika hoe "ny famirapiratan'izy ireo dia mampiseho mazava tsara ny halehiben'Andriamanitra."

fiadanana, miadana

Famaritana

Ny teny hoe "fiadanana" dia maneho ny toetra na fahatsapana ny tsy fifanoherana, ny ahiahy, na fahatahorana. Ny olona izay "miadana" dia mahatsiaro ho tony ary mahatoky fa voaaro sy azo antoka.

  • Ny "fiadanana" ihany koa dia maneho ny fotoana tsy hiadian'ny vondron'olona na vondrom-pirenena amin'ny samy izy ireo. Ireo olona ireo dia lazaina ho manana "fifandraisana milamina."
  • Ny "manisy fiadanana" amin'ny olona na vondron'olona dia midika hoe manao hetsika mba hanajanona ny ady.
  • Ny "mpampihavana" dia olona izay manao sy milaza zavatra mba hitarihana ny olona hiaina amin'ny fiadanana eo amin'izy ireo.
  • Ny hoe "ao anatin'ny fiadanana" miaraka amin'ny olona hafa dia midika hoe ao anatin'ny tsy fisian'ady amin'ireo olona ireo.
  • Ny fifandraisana tsara na marina eo amin'Andriamanitra sy ny olona dia mitranga rehefa manavotra ny olona amin'ny fahotan'izy ireo Andriamanitra. Izany dia antsoina hoe manana "fiadanana miaraka amin'Andriamanitra."
  • Ny fiarahabana hoe "fahasoavana sy fiadanana" dia nampiasain'ireo apostoly tao amin'ny taratasin'izy ireo ho an'ireo namany mpino ho tso-drano.
  • Ny teny hoe "fiadanana" koa dia midika hoe mifandray tsara amin'ny olona hafa na amin'Andriamanitra.

Fiafarana ratsy

Famaritana

Ny teny hoe "fiafarana ratsy" dia maneho fitsarana amin'ny fanamelohana izay tsy misy hitsoana.

  • Raha gadra tao Babilona ny firenena Israely, ny mpaminany Ezekiela dia niteny hoe "Ny fiafarana ratsy dia tonga amin'izy ireo."
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, izany teny izany dia afaka adika hoe "loza" na "fanasazina" na "faharavam-panantenana."

fialofana

Famaritana

Ny teny hoe "fialofana" dia maneho toerana na fiarovana. Maneho rafitra mivaingana izay miaro amin'ny toetr'andro sy ny loza.

  • Ao amin'ny Baiboly, dia Andriamanitra matetika no fialofana azo antoka ho an'ny olony, miaro azy ireo, ary mikarakara azy ireo.
  • Ny teny hoe "tanànan'ny fialofana" ao amin'ny Testamenta Taloha dia toy ny tanàna sasan-tsasany , toerana izay afaka ataon'ny olona iray namono olona tsinahy fiarovana amin'ireo olona izay mety hanafika azy mba ho valifaty.
  • Ny "fialofana" matetika dia rafitra mivaingana toy ny trano na tafon-trano izay miaro ny olona na ny biby.
  • Indraindray ny "fialofana" dia midika hoe "fiarovana" toy ny tamin'i Lota niteny fa ireo vahininy dia "teo ambany fialofan'ny tafon-tranony." Izy dia nilaza fa izy ireo dia tokony ho voaaro satria tao anaty trano.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "fialofana" dia afaka adika hoe "toerana azo antoka" na "toeran'ny fiarovana."
  • Ny teny hoe "fialofana" dia afaka adika hoe "zavatra izay miaro" na "fiarovana" na "toerana voaaro" arakaraky ny foto-kevitra.
  • Raha maneho rafitra mivaingana izany dia afaka adika hoe "trano fiarovana."
  • Ny teny hoe "fialofana azo antoka" dia afaka adika hoe "ao anatin'ny toerana azo antoka" na "ao anatin'ny toerana izay miaro."
  • Ny hoe "mahita fialofana" na "maka fialofana" dia afaka adika hoe "nahita toerana azo antoka" na "mipetraka amin'ny toerana azo antoka."

fianakaviambe

Famaritana

Ny teny hoe "fianakaviambe" dia maneho vondrona mpikambana ao anaty fianakaviana izay avy amin'ny razambe iraisana.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo Israelita dia voaisa araka ireo fianakaviamben' izy ireo, na ireo vondrom-pianakaviana.
  • Ny fianakaviambe raha ny ara-dalàna dia nomena anarana taorian'ny razamben'izy ireo tena fantatra indrindra.
  • Ny olona tsirairay indraindray dia naseho tamin'ny anaran'ny fianakaviamben'izy ireo. Ohatra iray amin'izany Jetro rafozan'i Mosesy indraindray dia nantsoina tamin'ny anaran'ny fianakaviambeany, Roela.
  • Ny fianakaviambe dia azo adika hoe "vondrom-pianakaviana" na "fianakaviambe" na "havana."

fianakaviana

Famaritana

Ny teny hoe: "fianakaviana" dia maneho vondron'olona izay iray rà ary matetika dia tafiditra ao anatin'izany ny ray, reny, ary ireo zanany. Matetika ihany koa dia tafiditra ao anatin'izany ireo havana hafa toy ny raibe sy renibe, zafikely, dadatoa sy nenitoa.

  • Ny fianakaviana Hebreo dia fiaraha-monina relijiosy izay mampita ireo fomban-drazana amin'ny alalan'ny fivavahana sy fampianarana.
  • Matetika ny ray no manana ny fahefana lehibe ao amin'ny fianakaviana.
  • Ao anatin'ny fianakaviana ihany koa ireo mpanompo, vadikely, eny fa na dia ireo vahiny aza.
  • Ny fiteny sasany dia mety manana teny mivelatra toy ny hoe: "foko" na "ankohonana" izay metimety kokoa amin'ny foto-kevitra izay ankoatran'ny ray aman-dreny sy zanaka no resahina.
  • Ny teny hoe: "fianakaviana" ihany koa dia ampiasaina mba hanehoana olona izay mifandray ara-panahy, toy ny olona izay isan'ny fianakavian'Andriamanitra satria izy ireo dia mino an'i Jesosy.

fianakaviana, fianakavian'ny lehilahy

Famaritana

Ny teny hoe: "fianakaviana" dia maneho ny havana iray rà amin'ny olona iray. Ny teny hoe: "fianakavian'ny lehilahy" dia maneho manokana ny havan'ny lehilahy.

  • Ireo teny ireo dia maneho ny havana akaiky, toy ny ray aman-dreny na rahalahy, na maneho ny havana lavitra, toy ny nenitoa, dadatoa, na zana-drahalahy sy zana-drahavavin'ny Ray aman-dreny.
  • Tao Israely taloha, raha maty ny lehilahy iray, dia ny havany akaiky no natao hanambady ny vady navelany, mitantana ny fananany, ary manampy mitondra ny voninahitry ny anaran'ny fianakaviany. Io havana io no antsoina hoe: "havana mpamonjy."
  • Io teny io ihany koa dia afaka adika hoe: "havana" na "isan'ny fianakaviana."

fianianana, mianiana, mianiana eo amin'ny

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny fianianana dia fampanantenana mazava fa anao zavatra. Ny olona manao ny fianianana dia angatahina mba hanatanteraka ny fampanantenany. Ny fianianana dia mitaky fanoloran-tena mba ho azo hatokisana sy marina. *Matetika eo amin'ny fitsarana, ny vavolombelona dia manonona fianianana mba hampanantena fa na inona na inona dia hilaza ny marina fona izy. *Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "mianiana" dia midika hoe manonona fianianana. *Ny teny hoe "mianiana eo anatrehan'ny" dia midika hoe mampiasa ny anaran'nolona na zavatra ho toy ny fototra sy hery izay eo aminy no hanaovana izany fianianana izany. *Indraindray ireo teny ireo dia miaraka ampiasaina tahaka ny hoe "mianiana fianianana" *Abrahama sy Abimeleka dia nianiana fianianana rehefa avy nanao fifanekena momba ny fampiasana ny fatsakana. *Abrahama dia nilaza tamin'ny mpanompony mba hianiana fa izy dia hitady vady ho an'Isaka eo amin'ireo havan'i Abrahama ireo. *Andriamanitra dia nanao fianianana ihany koa izay nanaovany fampanantenana ho an'ireo vahoakany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

*Miankina amin'ilay zava-misy sy miseho ny heviny, "ny fianianana" dia afaka adika hoe "antoka" na "fampanantenana manetriketrika" *"Mianiana" dia afaka adika hoe "mampanantena amin'ny fomba ofisialy" na "manome antoka" na "manolon-tena hanao zavatra" *Fomba hafa izay afahana mandika io teny io dia ny hoe "mianiana amin'ny anarako" na hoe "mampanantena amin'ny fampiasana ny anarako ho fanamarinana izany" *Ny "mianiana eo amin'ny lanitra sy ny tany" dia afaka adika hoe "mampanantena fa hanao zavatra, ary milaza fa ny lanitra sy ny tany no hanamarina izany"


fiarovan-tratra, saron-tratra

Famaritana

Ny teny hoe: "fiarovan-tratra" dia maneho ny fitaovana fiarovan-tena manarona ny tratran'ny miaramila mandritry ny ady. Ny teny hoe: "saron-tratra" dia maneho ny lamba manokana izay tafian'ny mpisoronabe Israelita eo amin'ny tratrany.

  • Ny "fiarovan-tratra" izay ampiasain'ny miaramila dia mety ho vita tamin'ny hazo, vy, na hoditra biby. Namboarina mba ho fiarovana amin'ny tsipîka, lefona, na sabatra izay manindrona ny tratran'ny miaramila.
  • Ny "saron-tratra" izay tafian'ny mpisorona be Israelita dia vita tamin'ny lamba ary misy vatosoa sarobidy mipetaka aminy. Ny mpisorona dia mitafy izany rehefa hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ao amin'ny tempoly.
  • Ireo fomba hafa handikana ny teny hoe "fiarovan-tratra" dia ahitana ny hoe: "vy fiarovana manarona ny tratra" na "fitaovam-piarovana miaro ny tratra."
  • Ny teny hoe: "saron-tratra" dia afaka adika amin'ny andian-teny izay midika hoe: "lamban'ny mpisorona izay manarona tratra" na "akanjon'ny mpisorona" na "akanjon'ny mpisorona eo amin'ny tratra."

fiarovana

Famaritana

Ny teny hoe "fiarovana" dia ilazana ny fitaovana ampiasain'ny miaramila hiadiana sy hiarovana ny tenany amin'ny fanafihan'ny fahavalo. Ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana ny fiarovana ara-panahy ihany koa izany.

  • Isan'ireo fiarovan'ny miaramila ny aro-loha, apinga, fiarovan-tratra, fanaronan-tongotra, ary sabatra.
  • Mampitaha ny fiarovana ara-batana amin'ny fiarovana ara-panahy izay omen'Andriamanitra ny mpino hanampiana azy hiady ny ady ara-panahy, amin'ny fampiasana io teny io amin'ny endrika sarinteny i Paoly.
  • Ao anatin'ny fiarovana ara-panahy omen'Andriamanitra ny olony hiadiana amin'ny fahotana sy i Satana ny fiadanana, finoana, famonjena, ary ny Fanahy Masina.
  • Azo adika hoe: "fitaovan'ny miaramila" na "akanjo fiarovana amin'ny ady" na "fisaronana enti-miaro" na "fitaovam-piadiana."

fiarovana mafy, voaro mafy

Famaritana

Ny teny hoe "fiarovana mafy" na "voaro mafy" dia samy maneho toerana tsara fiarovana amin'ny fanafihan'ny fahavalo. Ny teny hoe "voaro mafy" dia mamaritra ireo toerana izay natao tsara aro amin'ny fanafihana.

  • Matetika, ny fiarovana dia rindrina be vita amin'ny tanànan'ny olona. Ary mety ho ara-boajanahary ihany koa anefa izy io toy ny tendrombohitra avo na hantsana veto vato.
  • Ny olona dia manamafy ireo fiarovana ireo amin'ny fananganana rindrina be na zavatra izay manasarotra ny fidiran'ny fahavalo.
  • Afaka adika ihany koa ireo hoe "toerana tena mafy" na "toerana tena voaro mafy"
  • Ny teny hoe "tanàna voaro mafy" dia afaka adika hoe "tanàna tena voaaro tsara" na "tanàna mafy orina"
  • Andriamanitra ihany koa dia manana fiarovana ho an'ireo izay mahatoky Azy.
  • Izany teny izany dia afaka adika ihany koe "fialofana" izay manamafy ny hevitry ny teny hoe fiarovana noho ny hoe voaaro mafy.

fifaliana, faly

Famaritana

Ny fifaliana dia fihetseham-po amin'ny fahafaham-po finaritra sy lalina izay avy amin' Andriamanitra. Ny teny hoe "faly" izay mifandray amin'izany dia mamaritra olona iray izay mahatsapa hafaliana lalina.

  • Ny olona iray dia mahatsapa hafaliana rehefa manana fahatsapana fa tena tsara izay zavatra hiainany.
  • Andriamanitra irery no manome hafaliana tena izy amin'ny olona.
  • Ny fananana hafaliana dia tsy miankina amin'ny zava-mitranga mahafinaritra. Andriamanitra dia afaka manome fifaliana ny olona na dia mizy zava-tsarotra mitranga aza eo amin'ny fiainan'izy ireo.
  • Indraindray ireo toerana dia voafritra hoe faly, toy ny trano na tanàna. Izany dia midka fa ny olona izay mipetraka ao dia faly.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "fifaliana" dia mety adika koa hoe "finaritra" na "hafaliana lehibe."
  • Ny olona faly dia mety adika hoe "tena faly" na "finaritra."
  • Ny fehezanteny toy ny hoe "manao hikam-pifaliana" dia mety adika hoe "mihikiaka amin'ny fomba izay mampiseho fa faly ianao."
  • Ny "tanàna faly" na "trano faly" dia mety adika hoe "tanàna izay itoeran'ny olona faly" na "trano feno olona faly" na "tanàna izay faly ny olona ao aminy."

fifandirana

Famaritana

Ny teny hoe "fifandirana" dia maneho ny disadisa izay misy eo amin'ny olona eo amin'ny lafony ara-nofo na ara-pihetseham-po

  • Ny olona izay mahatonga fifandirana dia manao zavatra izay mahatonga tsy fifankahazoana sy fifanafintohinana eo amin'ny olona.
  • Fifandirana dia midika fa misy fihetseham-po mafy, tahaka ny hoe ny hatezerana na zavatra mangidy.
  • Fomba hafa andikana izany teny izany koa dia ny hoe "tsy fitovian-kevitra" na "ady"

fifehezan-tena

Famaritana

Ny fifehezan-tena dia fahafahana mifehy ny fitondran-tenan'ny olona mba tsy hanotany.

  • Entina ilazana ny fitondran-tena tsara izany, izany hoe: miala amin'ny eriteritra, fiteny, ary asa ratsy.
  • Ny fifehezan-tena dia vokatra na toetra izay omen'ny Fanahy Masina ny Kristiana.
  • Ny olona izay mampihatra ny fifehezan-tena dia afaka mapitsahatra ny tenany tsy hanao ny zavatra tsy mety izay ho tiany hatao. Andriamanitra no ilay iray izay mahatonga ny olona hanana fifehezan-tena.

fifosana

Famaritana

Ny teny hoe "fifosana" dia maneho firesahana amin'ny olona momban'ny raharahan'olona iray hafa, matetika amin'ny fomba ratsy sy tsy mamokatra. Matetika izay resahana dia tsy voamarina.

  • Ny Baiboly dia milaza fa ny fampielezana resaka ratsy momba ny olona dia tsy mety. Ny fifosana sy fanendrikendrehana dia ohatra amin'io karazana resaka ratsy io.
  • Ny fifosana dia mampidi-doza ilay olona resahina satria matetika izany dia manimba ny fifandraisan'ny olona amin'ny olona hafa.

fijaliana

Famaritana

Ny teny hoe "fijaliana" dia maneho fahoriana mafy dia mafy. Ny mampijaly olona iray dia midika fampahoriana izany olona izany amin'ny fomba mahatsiravina.

  • Indraindray ny teny hoe "fijaliana" dia maneho fangirifiriana ara-nofo sy fahoriana. Ny bokin'ny Apokalypsy ohatra dia mamaritra ny fijaliana ara-nofo izay hiaretan'ireo mpivavaka amin'ilay "bibidia" amin'ny andro farany.
  • Ny fijaliana ihany koa dia mety hanana endrika ara-panahy na fangirifiriana ara-pihetseham-po tahaka ny niainan'i Joba.
  • Araka ny bokin'ny Apokalypsy, ny olona izay tsy mino an'i Jesosy ho Mpamonjin'izy ireo dia hiaina fijaliana mandrakizay any amin'ny farihy mirehitr'afo.
  • Io teny io dia azo adika hoe: "fahoriana mahatsiravina" na "mahatonga ny olona hijaly mafy" na "fangirifiriana." Mety hanampy hoe "ara-nofo" na "ara-panahy" ny mpandika teny sasany mba hampazava tsara ny hevitra.

fijinjana

Famaritana

Ny teny hoe "fijinjana" dia maneho ny fanangonana ny voankazo masaka na ny legioma avy amin'ny fotony izay nahamasaka azy ireo.

  • Ny fotoam-pijinjana dia matetika amin'ny faran'ny fotoam-pamokarana.
  • Ireo Israelita dia nitazona ny "fetin'ny fijinjana" na ny "fetin'ny fanangonana" mba hankalazana ny fijinjana ireo vokatra. Andriamanitra dia nandidy azy ireo mba hanolotra ny vokatra voalohany mba ho fanatitra ho Azy.
  • Raha atao sari-teny ny teny hoe "fijinjana" dia maneho ireo olona izay manatona mba hino an'i Jesosy na mamaritra ny fitomboana ara-panahy ny olona iray.
  • Ny hevitry ny teny hoe fijinjan'ny vokatra ara-panahy dia mety tsara amin'ilay sari-teny hoe ny vokatra dia ny toetra maneho fanajana sy fatahorana an'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Tsara kokoa ny mandika io teny io amin'ny teny izay fampiasan'ilay fiteny andikana azy izay maneho ny "fijinjana ny vokatra."
  • Ny fotoan'ny fijinjana dia afaka adika hoe "fotoan'ny fanangonana" na "fotoan'ny fanangonana ireo vokatra" na "fotoana fakana ireo vokatra"
  • Ny hoe "mijinja" dia afaka adika hoe "manangona" na "mioty."

filan-dratsy

Famaritana

Ny filan-dratsy dia faniriana mafy, matetika dia ampiasaina rehefa tena maniry zavatra tsy ara-moraly na mahamenatra.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny "filan-dratsy" dia matetika maneho filana ara-nofo amin'ny olona hafa fa tsy amin'ny vadiny.
  • Indraindray izany teny izany dia nampiasaina ho hevitra ambadika mba hanehona ny fiderana ireo sampy.
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny "filana" dia afaka adika hoe "faniriana ratsy" na "faniriana mafy" na "faniriana ara-nofo tsy mendrika" na "faniriana feno aratsi -pitondran-tena" na "maniry mafy ny hanota."
  • Ny teny hoe "filana mafy" dia afaka adika hoe "faniriana tsy mendrika" na "mieritreritra zavatra tsy ara-moraly momba ny" na "maniry zavatra tsy mendrika."

filokana, ankitsapaka

Famaritana

Ny "filokana" dia fitaovana misy famantarana izay voasafidy tao anatin'ny fitaovana mitovy hafa mba ho fomba hisafidianana zavatra. Ny hoe "ankitsapaka" dia maneho ny fanipazana fitaovana nasiana famantarana ho amin'ny tany na velarana hafa.

  • Matetika ny filokana dia vato kely misy marika na ampahan-bilany tany vaky.
  • Ireo kolontsaina hafa dia "mitaona" na "misintona" filokana amin'ny fampiasana feheza-mololo. Misy olona mihazona ireo mololo mba tsy hisy hahita ny halavany. Ny olona tsirairay dia misintona mololo ary izay mahazo ny lava indrindra (na fohy indrindra) no voasafidy.
  • Ny fanaovana ankitsapaka dia nampiasain'ireo Isiraelita mba hahitana izay tian'Andriamanitra hataon'izy ireo.
  • Toy ny tamin'ny andron'i Zakaria sy Elizabeta, dia nampiasaina ihany koa izany mba hisafidianana izay mpisorona hanao asa miavaka ao amin'ny tempoly amin'ny fotoana miavaka.
  • Ireo miaramila izay nanombo an'i Jesosy dia nanao ankitsapaka mba hisafidianana izay hahazo ny akanjon'i Jesosy.
  • Ny teny hoe "ankitsapaka" dia afaka adika hoe "kodia kely atsipy" na "filokana sotomina" na "filokana akodia."
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "filokana" dia afaka adika koa hoe "vato misy marika" na "poti-tany manga" na "tapa-kao" na "sombina mololo."
  • Raha natao "ankitsapaka" ny fanapahan-kevitra iray dia afaka adika hoe "tamin'ny fisintonana (na fanipazana) fiolokana ity.

firenena

Famaritana

Ny firenena dia vondron'olona lehibe izay entin'ny karazana governemanta sasan-tsasany. Ny olon'ny firenena matetika dia manana razam-be mitovy ary misy foko hifandraisana.

  • Ny teny hoe: "firenena" matetika dia misy hifandraisany amin'ny kolontsaina voafaritra tsara ary ny fefin'ny tany.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny hoe: "firenena" dia afaka atao hoe: tany (tahaka an'i Egypta na Etiopia), kanefa matetika izany amin'ny ankapobeny dia maneho vondron'olona. Tokony ho marihina tsara ny foto-kevitra.
  • Tafiditra ao anatin'ny firenena ao amin'ny Baiboly ireo Israelita, ireo Filistina, ireo Asyriana, ireo Babyloniana, ireo Kananita, ireo Romana, ireo Grika, eo amin'ireo maro hafa.
  • Indraindray ny teny hoe: "firenena" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana ireo razam-ben'ny vondron'olona sasany, toy ny tamin'i Rebeka nolazain'Andriamanitra fa ireo zanany mbola tsy teraka no "firenena" izay hiady manohitra ny hafa. Izany dia afaka adika hoe: "ireo mpanorina firenena roa" na "ireo razam-ben'ny vondron'olona roa."
  • Ny teny nadika ho "firenena" ihany koa indraindray dia ampiasaina mba haneho an'ireo "Jentilisa" na ireo olona izay tsy manompo an'Yaveh. Matetika dia ny foto-kevitra no mampazava ilay hevitra.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "firenena" dia afaka adika ihany koa hoe: "vondron'olona" na "olona" na "tany," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Amin'ny foto-kevitra sasany dia afaka adika hoe: "Jentilisa" na "ireo tsy Jiosy" io teny io.

fisaraham-panambadiana

Famaritana

Ny fisaraham-panambadiana dia ilay fomba fanao ara-dalàna izay manamarika ny fiafaran'ny fanambadiana. Ny teny hoe "fisaraham-panambadiana" dia midika fa misaraka ara-dalàna sy amin'ny fomba ofisialy amin'ilay vady mba hamaranana fanambadiana.

  • Ny dikan'ny teny hoe "fisaraham-panambadiana" ara-bakiteny dia hoe "hampodiny" na "nisaraka tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny". Ireo fiteny sasany dia mety manana fomba hafa hitenana ny fisaraham-panambadiana.
  • Ny "fanamarinam-pisarahana" dia afaka adika hoe "taratasy manambara fa mifarana ny fanambadiana."

fitandreman-draharaha, mpitandrin-draharaha

Famaritana

Ny teny hoe "fitandreman-draharaha" sy "mpitandrin-draharaha" dia ilazana ny fitantanana na fitondrana vahoakan'ny firenena iray mba hanampiana izany hiasa tsara amin'ny fomba misy rindran-damina.

  • Voatendry ho mpitandrin-draharaha na manam-pahefana eo amin'ny fanjakana, teo amin'ny faritr'i Babylona sasantsasany i Daniela sy lehilahy Jiosy telo hafa.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "fitandreman-draharaha" dia ampiasaina mba hilazana ny iray amin'ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina.
  • Ny olona izay manana ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina dia afaka mitarika na mitantana vahoaka sy manara-maso ny fikojakojana ny trano sy ireo fananana hafa.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, mety ho fomba azo andikana ny "mpitandrin-draharaha" ny hoe: "governora" na "mpandamina" na "mpitantana" na "mpanapaka" na "manam-pahefana eo amin'ny fanjakana."
  • Ny fomba fiteny toy ny hoe "miandraikitra ny" na "miahy ny" na "mandamina" dia mety ho tafiditra ho isan'ny dikan-teny ilazana ireo teny ireo.

fitaovana

Famaritana

Ny teny hoe "fitaovana" dia maneho fa ambanin'ny fahefan'ny olona iray. Ny fehezanteny hoe "ho fitaovana amin'ny" dia didy izay midika hoe "mankatoa" na "manaiky ny fahefan'ny"

  • Ny fehezanteny "mametraka ho fitaovana" dia maneho ny mahatonga ny olona eo ambanin'ny fahefan'ny mpitarika na mpanapaka.
  • Ny "manao olona ho fitaovana" dia mety midika ihany koa hoe mahatonga izany olona izany hiaina zavatra tsy tsara, ohatra hoe fanasaziana.
  • Indraindray ny teny hoe "fitaovana" dia nampiasaina mba hanehoana fa ho lasa resaka na hifantoana ny zavatra iray, ohatra "ianao dia ho lasa fitaovam-pampimehezana"
  • Ny teny hoe "lasa fitaovana" dia mitovy dika amin'ny hoe "manaiky ny" na "manaiky an'ny"

fitoeran-tongotra

Famaritana

Ny teny hoe: "fitoeran-tongotra" dia maneho zavatra iray izay apetraky ny olona eo amin'ny tongony, matetika izany dia hanalana havizanana ny tongotra rehefa mipetraka. Io teny io ihany koa dia misy dikany ambadika hoe fanekena sy hoe toerana ambany.

  • Ny olona niaina tao amin'ny Baiboly dia manao ny tongotr'izy ireo ho rantsana tsy dia misy hajany indrindra amin'ny vatana. Ka ny "fitoeran-tongotra" dia haja ambany kokoa aza satria ny tongotra no mipetraka eo amin'izany.
  • Rehefa niteny Andriamanitra hoe: "Ho ataoko fitoeran-tongotra ho an'ny tongotro ireo fahavaloko" dia nanambara hery, fahefana, ary fandresena ny olona izay mikomy manohitra Azy Izy. Ho voaetry sy ho babo izy ireo hany ka hanajanona ny sitrapon'Andriamanitra.
  • Ny hoe: "midera eo amin'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitra" dia midika hoe: mandohalika am-piderana eo anatrehany raha mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany Izy. Izany dia mbola maneho hatrany ny henatra sy ny fanekena an'Andriamanitra.

Davida dia maneho ny tempoly ho "fitoeran-tongotr'Andriamanitra." Izany dia mety maneho ny fahefany tanteraka amin'ny olony. Izany ihany koa dia mety ho maneho ny kisarisarin'Andriamanitra ho Mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, ny tongony dia mipetraka eo amin'ny fitoeran-tongony, izay maneho ireo rehetra manaiky Azy.


fitomboka, mitomboka

Famaritana

Ny mitomboka zavatra iray dia midika fanidiana izany amin'ny zavatra hafa izay afaka mamaha izany kanefa tsy mamotika ny fitomboka.

  • Matetika ny fitomboka dia asiana marika natao hampisehoana hoe an'iza izany.
  • Ny savoka natsonika dia nampiasaina mba hitombohana taratasy na atontan-taratasy hafa izay mila arovana. Rehefa miha-mangatsiaka ary miha-mafy ny savoka, dia tsy afaka misokatra ny taratasy raha tsy potehana ny fitomboka savoka.
  • Nisy fitomboka napetaka teo amin'ny vato nanoloana ny fasan'i Jesosy mba hanakanana ny olona tsy hanisaka ny vato.
  • Antsoin'i Paoly hoe "fitomboka" ny Fanahy Masina mba ho hevitra ambadika ilazana fa azo antoka ny famonjena antsika.

fitsaharana (miala sasatra)

Famaritana

Ny teny hoe "miala sasatra" dia midika ara-bakiteny hoe mitsahatra miasa mba haka aina na mamerina hery. Ny teny hoe "ny ambin'ny" dia maneho ny zavatra sisa tavela.

  • Ny zavatra dia afaka tenenina hoe "mijanona" eny ho eny, izay midika hoe "mitsangana" na "mipetraka" eo.
  • Ny sambo izay "mijanona" eny ho eny no atao hoe "miantsona."
  • Rehefa mitsahatra ny olona iray na biby iray, izany dia mety midika hoe mipetraka izy ireo na mitsilany mba hamerina indray ny ainy.
  • Andriamanitra nandidy ireo Israelita mba hitsahatra amin'ny andro fahafiton'ny herinandro. Io andro io dia tsy fiasana ary antsoina hoe "andro Sabata."

fitsipika

Famaritana

Ny fitsipika dia lalàna manokana nosoratana izay manome ny tari-dalana ho arahan'ny olona.

  • Ny teny hoe "fitsipika" dia midika hoe "didy" na "lalàna". Tafiditra amin'izany teny rehetra izany ny hoe fampianarana sy fitakiana izay omen'Andriamanitra ny olony.
  • Davida Mpanjaka dia nilaza hoe izy dia finaritra amin'ny tenany ao amin'ny lalàn'Andriamanitra.
  • Ny teny hoe "lalàna" dia afaka adika hoe "didy manokana" na "lalàna miavaka"

Fivondronana, mivondrona

Famaritana

Ny teny hoe "fivondronana" matetika dia ilazana ny vondron'olona izay miara-miangona mba hamakafaka olona, hanome torohevitra, ary handray fanapahan-kevitra.

  • Ny fivondronana dia mety ho vondrona narafitra tamin'ny fomba ara-dalàna ary maharitra, na mety ho vondron'olona miara-miangona ao anatin'ny fotoana voafaritra nohon'ny antony na tranga manokana.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha dia misy karazana fivondronana manokana antsoina hoe "fivondronana masina" izay niangonan'ny vahoakan'Israely mba hivavaka amin'i Yaveh.
  • Indraindray ny "fivondronana'' dia nilazana ireo Israelita amin'ny ankapobeny, amin'ny mahavondrona azy.
  • Ny fivondronan'ny miaramila fahavalo ihany koa indraindray dia antsoina hoe "fivondronana." Azo adika hoe "tafika"izany.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia nisy fivondronan'ny mpitarika Jiosy 70 teny amin'ny tanàn-dehibe tahaka an'i Jerosalema nivory mba hitsara resaka araka ny lalàna na handamina fifandirana eo amin'ny olona. Io fivondronana io dia fantatra amin'ny hoe "Synedriona" na "filan-kevitra."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny ''fivondronana" dia azo adika hoe "fivoriana manokana" na "fiangonana" na "filan-kevitra" na "tafika" na "vondrona lehibe."
  • Rehefa manondro ny Israelita amin'ny mahavondrona iray azy ny teny hoe "fivondronana," dia azo adika ihany koa izany hoe "fiarahamonina'' na "vahoakan'Israely."
  • Ny andian-teny hoe "ny fivondronana rehetra" dia azo adika hoe "ny vahoaka rehetra" na "ny vondron'Israelita manontolo" na "ny olon-drehetra."

fizahan-toetra (fitsarana, fanadihadiana)

Famaritana

Ny "fizahan-toetra" dia entina ilazana toe-javatra iray izay "hitsapana" ny zavatra na olona iray.

  • Ny fanadihadiana dia mety ho fihainoana any amin'fitsarana izay hanomezana ny porofo raha tsy manan-tsiny na meloka ny amin'ny fanaovana zavatra tsy mety ny olona iray.
  • Ny teny hoe "fizahan-toetra" dia ilazana ny toe-javatra mafy izay lalovan'ny olona iray rehefa mitsapa ny finoany Andriamanitra. Ny teny hafa mahalaza izany dia "fitsapana" na "fakam-panahy."
  • Olona maro tao amin'ny Baiboly no nozahan-toetra mba hahitana raha hino sy hankatoa an'Andriamanitra hatrany izy ireo. Nandalo fizahan-toetra toy ny fikapohana, fanagadrana, na famonoana nohon'ny finoana mihtsy aza izy ireo.

foko

Famaritana

Ny foko dia vondron'olona izay taranaka avy amin'ny razambe mitovy.

  • Ny olona mitovy foko matetika dia mitovy fiteny sy kolontsaina.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia nizara ny olon'Israely ho foko roa ambin'ny folo. Ny foko tsirairay tamin'izany dia avy amin'ny zanaka na zafin'i Jakoba.
  • Ny foko dia kely kokoa nohon'ny firenena, fa lehibe nohon'ny antoko.

fomban-drazana

Famaritana

Ny teny hoe "fomban-drazana'' dia entina ilazana ny fomba amam-panao izay notazonina hatry ny ela ary nampitaina tamin'ny taranaka taty aoriana.

  • Matetika ny teny hoe "fomban-drazana" ao amin'ny Baiboly dia entina ilazana ny fampianarana sy ny fanaon'ny olona, fa tsy lalan'Andriamanitra. Ny fomba fiteny hoe: "fombafomban'ny olona" na "fomban'ny olombelona" dia maneho izany mazava tsara.
  • Ny andian-teny tahaka ny hoe "fomban'ireo zokiolona" na "fomban-drazako" dia maneho manokana ny fomba amam-panao izay nampian'ireo mpitarika Jiosy hatry ny ela tao amin'ireo lalana izay nomen'Andriamanitra ny Zanak'Israely tamin'ny alalan'i Mosesy. Na dia tsy avy amin'Andrimanitra aza ireo fombafomba fanampiny ireo, dia nihevitra ny olona fa tsy maintsy nankatoa an'ireo mba ho marina.
  • Paoly apostoly ihany koa dia mampiasa ny teny hoe "fomban-drazana" tamin'ny fomba samihafa mba hanehoana ny fampianarana momba ny fomba Kristiana izay avy amin'Andriamanitra ary nampianariny sy ireo apostoly hafa ny mpino.
  • Amin'ny vaninandro ankehitriny, dia misy fomba Kristiana maro izay tsy ampianarina tao amin'ny Baiboly, fa vokatry ny fomba amam-panao izay nekena ara-tantara kosa. Ireo fombafomba ireo dia tokony ho dinihina araka izay ampianarin'Andriamanitra antsika ao amin'ny Baiboly.

fonja, gadra, managadra

Famaritana

Ny teny hoe "fonja" dia maneho ny toerana izay hihazonana ireo mpanao heloka bevava ho sazy nohon'ny helok'izy ireo. Ny hoe "gadra" dia olona izay nalefa tao am-ponja.

  • Ny olona dia mety tazonina ao am-ponja eo am-piandrasana ny fitsaràna.
  • Ny teny hoe "managadra" dia midika hoe "tazonina ao am-ponja" na "tazonina babo."
  • Mpaminany maro sy mpanompon'Andriamanitra maro no nalefa tany am-ponja na dia tsy nanao zavatra tsy nety aza izy ireo.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hafa ho an'ny hoe "fonja" dia hoe "trano maizina."
  • Ity teny ity dia afaka adika koa hoe "trano maizina" amin'ny tranga hoe any ambanin'ny tany na ambanin'ny toerana lehiben'ny lapa na trano be hafa no nasiana ilay gadra.
  • Ny teny hoe "gadra" ihany koa amin'ny ankapobeny dia mety maneho ny olona izay voasambotrin'ny fahavalo ary babo any ho any tsy araka ny sitrapon'izy ireo. Fomba hafa handikana ity hevitra ity ihany koa ny hoe "babo."
  • Ireo fomba hafa handikana ny hoe "nogadraina" dia mety hoe "nohazonina gadra" na "babo."

foto-pampianarana

Famaritana

Ny teny hoe "foto-pampianarana" dia midika ara-bakiteny hoe "fampianarana". Matetika izany dia maneho fampianarana ara-pivavahana.

  • Amin'ny lafin'ny fampianarana Kristiana, ny "foto-pampianarana" dia maneho ny fampianarana rehetra momban'Andriamanitra – Ray, Zanaka ary Fanahy Masina – dia ahitana ny hatsaran-toetrany rehetra sy ny zavatra rehetra izay nataony.
  • Izany koa dia maneho ny zavatra rehetra izay nampianarin'Andriamanitra an'ireo Kristiana momban'ny hoe ahoana ny miaina fiainana masina izay mitondra voninahitra ho Azy.
  • Ny teny hoe "foto-pampianarana" indraindray dia nampiasaina ihany koa mba hanehoana ny fampianara ara-pivavahana diso na arak'izao tontolo izao izay avy amin'ny olombelona. Arakaraka ny zava-misy no mapazava ny dikany.
  • Izany teny izany dia afaka adika koa hoe "fampianarana."

fotoana (andro)

Famaritana

Ny teny hoe "fotoana" ao amin'ny Baiboly dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana ny fe-potoana mazava na vanim-potoana iray izay nisehoana tranga iray. Mitovitovy hevitra amin'ny "taona" na "vanim-potoana" izany.

  • Samy milaza momba ny "fotoan'ny" horohoro na fahoriana lehibe izay ho tonga eto an-tany i Daniela sy ny Apokalypsy.
  • Ao amin'ny teny hoe "fotoana telo sy antsasam-potoana," ny teny hoe "fotoana" dia midika hoe "taona." Io andian-teny io dia maneho fe-potoana mandritra ny telo taona sy tapany amin'ny andron'ny fahoriana amin'ny faran'izao andro izao.
  • Ny teny toy ny hoe "fanindroany" na "imbetsaka" dia manondro isan'ny nisehoan'ny zavatra iray.
  • Ny hoe "ara-potoana" dia midika fahatongavana araka ny niandrasana, fa tsy tara.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "fotoana" dia azo adika hoe: "vanim-potoana" na "fe-potoana" na "tranga" na ''fisehoan-javatra."
  • Ny andian-teny hoe "andro sy vanim-potoana" dia fomba fiteny misy hevitra ambadika izay mamerin-kevitra fanindroany. Io koa dia azo adika hoe: "tranga niseho tamin'ny fotoana voafaritra."

fotoana araka ny baiboly: fiambenana

Famaritana

Amin'ny fotoana araky ny baiboly, ny "fiambenana" dia vanim-potoana amin'ny alina mandritry ny fiambenan'ny mpiambina na mpiandry tanàna izay miasa mijerijery izay mety ho loza ataon'ny fahavalo.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo Israelita dia manana fiambenana telo izay antsoina hoe: "fiambenana fiatombohana" (manomboka amin'ny filetehan'ny masoandro amin'ny 10 alina), "fiambenana misasaka" (amin'ny 10 alina hatramin'ny 2 maraina), ary "fiambenana maraina" (amin'ny 2 maraina hatramin'ny fiposahan'ny masoandro.)
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo Jiosy dia nanaraka ny rafitra Romana ary manana fiambenana efatra, antsoina tsotra hoe: "fiambenana voalohany" (manomboka amin'ny filetehan'ny masoandro hatramin'ny 9 alina), "fiambenana faharoa" (amin'ny 9 alina hatramin'ny 12 misasak'alina), "fiambenana fahatelo" (amin'ny 12 misasak'alina hatramin'ny 3 maraina), ary "fiambenana fahaefatra" (amin'ny 3 maraina hatramin'ny fiposahan'ny masoandro.)
  • Ireo ihany koa dia afaka adika amin'ny fomba fiteny ankapobeny tahaka ny hoe: "madiva ho alina" na "misasak'alina" na "vao mangiran-dratsy" arakaraky ny fiambenana izay resahana.

fotoana araka ny baiboly: herinandro

Famaritana

Ny teny hoe: "herinandro" dia manondro ara-bakiteny ny vanim-potoana izay maharitra fito andro.

  • Amin'ny rafitry ny fanisan'andron'ny Jiosy, ny herinandro dia manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro amin'ny andro Sabotsy ary mifarana amin'ny fiposahan'ny masoandro ny Sabotsy manaraka.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "herinandro" matetika dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana fitambaram-potoana fito, toy ny taona fito.
  • Ny "Fetin'ny Herinandro" dia fankalazana ny fiakaram-bokatra izay miseho fito herinandro aorian'ny Paska. Izany dia antsoina ihany koa hoe: "Pantekosta."

fotoana araka ny baiboly: ora

Famaritana

Ny teny hoe: "ora" matetika dia ampiasaina ao amin'ny Baiboly mba hilazana ny andro hisehoan'ny tranga sasany. Misy hevitra ambadika izay midika hoe: "fotoana" na "vanim-potoana" ihany koa izany.

  • Ireo Jiosy dia manisa ny oran'ny andro manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro (manodidina ny amin'ny 6 ora maraina.). Ohatra: "ny ora fahasivy " dia midika hoe: "manodidina ny amin'ny telo tolakandro."
  • Ny oran'ny alina dia isaina manomboka amin'ny filetehan'ny masoandro (manodidina ny amin'ny 6 ora hariva.). Ohatra: "ny ora fahatelon'ny alina" dia midika hoe: "manodidina ny amin'ny sivy ora alina" amin'izao rafitry ny fotoana hiainantsika izao.
  • Satria ny marika ao amin'ny Baiboly dia tsy hifandraika tanteraka amin'ny rafitry ny fotoana ankehitriny, ny andian-teny tahaka ny "manodidina ny amin'ny sivy" na "eo ho eo amin'ny enina katroka" no tokony ampiasaina.
  • Ny fandikan-teny sasany dia mety hanampy andian-teny toy ny: "amin'ny hariva" na "amin'ny maraina" na "amin'ny tolakandro" mba hampazava tsara ny andro izay resahana.
  • Ny andian-teny hoe: "amin'izany ora izany" dia tokony ho adika hoe: "amin'izany fotoana izany" na "amin'izany vanim-potoana izany."
  • Raha Jesosy no resahana, ny fomba fiteny hoe: "efa tonga ny orany" dia tokony adika hoe: "efa tonga ny fotoana mba ... Azy " na "efa tonga ny fotoana voatondro ho Azy."

fotoana araka ny baiboly: taona

Famaritana

Rehefa ampiasaina ara-bakiteny, ny teny hoe: "taona" ao amin'ny Baiboly dia maneho vanim-potoana izay maharitra 354 andro. Izany dia araka ny rafitry ny kalandrien'ny volana izay mifototra amin'ny fotoana lanin'ny volana mihodidina ny tany.

  • Ny taona iray ao amin'ny kalandrien'ny masoandro amin'izao dia 365 andro zaraina ho 12 volana, mifototra amin'ny halavan'ny fotoana lanin'ny tany mihodidina ny masoandro.
  • Ao amin'ny kalandrien'ny rafitra ihany koa ny taona iray dia misy volana 12. Fa ny volana faha-13 fanampiny dia indraindray no ampiana amin'ny taona ao amin'ny kalandrien'ny volana mba hanamarinana ny hevitra hoe ny volan-taona iray dia latsaky ny 11 andron'ny masoandron-taona. Izany dia manampy amin'ny fifandrifian'ny kalandrie roa.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "taona" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika ihany koa mba hanehoana ny fotoana amin'ny ankapobeny rehefa misy tranga miseho. Ohatra ao anatin'izany ny hoe: "ny taonan'Yaveh" na "ny taonan'ny hain-tany" na "ny taom-pankasitrahan'ny Tompo." Amin'ireo foto-kevitra ireo, "ny taona" dia tokony ho adika hoe: "fotoana" na "vanim-potoana" na "fe-potoana."

fotoana araka ny baiboly: volana

Famaritana

Ny teny hoe: "volana" dia maneho ny vanim-potoana izay maharitra eo amin'ny efatra herinandro eo. Ny isan'ny andro anatin'ny volana tsirairay dia miovaova arakaraky ny fampiasana ny kalandrien'ny masoandro na volana.

  • Amin'ny kalandrien'ny volana, ny halavan'ny volana tsirairay dia mifototra amin'ny fotoana lanin'ny volana hiodinana eo amin'ny tany, eo amin'ny 29 andro eo ho eo. Amin'io rafitra io dia misy 12 na 13 volana ny taona iray. Na hoe 12 na 13 volana aza ny taona iray, ny volana voalohany dia mitovy hatrany ny fiantsoana azy na dia mety ho vanim-potoana hafa aza izany.
  • Ny "volana vaovao," na fiatombohan'ny tsinam-bolana miaraka amin'ny hazavany, dia manamarika ny fiatombohan'ny volana tsirairay ao amin'ny kalandrien'ny volana.
  • Ny anaran'ny volana rehetra ao amin'ny Baiboly dia manondro ny kalandrien'ny volana satria izany no rafitra nampiasain'ireo Israelita. Ireo Jiosy taty aoriana dia mbola mampiasa io kalandrie io noho ny antony ara-pivavahana.
  • Ny kalandrien'ny masoandro amin'izao androntsika izao dia mifototra amin'ny halavan'ny fotoana hiodinan'ny tany eo amin'ny masoandro (eo amin'ny 365 andro eo ho eo). Amin'io rafitra io, ny taona iray dia mizara 12 volana foana, miaraka amin'ny halavan'ny volana tsirairay manomboka amin'ny 28 ka hatramin'ny 31 andro.

fotoana araky ny baiboly: andro

Famaritana

Ny teny hoe: "andro" dia maneho ara-bakiteny ny 24 ora izay manomboka amin'ny filetehan'ny masoandro. Misy hevitra ambadika ihany koa izany teny izany.

  • Ho an'ireo Israelita sy ireo Jiosy, ny andro dia manomboka amin'ny fodian'ny masoandron'ny andro iray ary mifarana amin'ny filetehan'ny masoandron'ny andro manaraka.
  • Indraindray ny teny hoe: "andro" dia ampiasaina ho hevitra ambadika izay maneho fotoana lava, tahaka ny hoe: "andron'i Yaveh" na "andro farany."
  • Ny fiteny hafa dia mampiasa fomba fiteny samihafa handikana io hevitra ambadika io na handika ny "andro" ho hevitra ara-bakiteny.
  • Ny dikan-teny hafan'ny "andro" dia mety hoe: "fotoana" na "vanim-potoana" na "irika" na "tranga," arakaraky ny foto-kevitra.

fototra (fanorenana), naorina

Famaritana

Ny hoe: "naorina" dia midika hoe: natsangana na mifototra amin'ny zavatra iray.

  • Ny fototry ny trano na fanorenana dia tsy maintsy mafy ary azo hianteherana mba hahazaka ny fandrafetana iray manontolo.
  • Ny teny hoe: "fototra" ihany koa dia afaka maneho ny fiatombohan'ny zavatra iray na ny fotoana niorenan'ny zavatra iray voalohany.
  • Raha amin'ny hevitra ambadika, ireo mpino an'i Kristy dia ampitahaina amin'ny fanorenana mifototra amin'ny fampianaran'ireo apostoly sy irao mpaminany, miaraka amin'i Kristy izy tenany izay vato fehizoron'ny fanorenana.
  • Ny "vato fototra" dia vato izay napetraka ho ampahan'ny fanorenana. Ireo vato ireo dia voamarina tsara mba hahazoana antoka fa izy ireo dia mafy tsara ka mahazaka ny fanorenana iray manontolo.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny andian-teny hoe: "talohan'ny fanorenana izao tontolo izao" dia afaka adika hoe: "talohan'ny fotoana nisian'izao tontolo izao" na "talohan'ny nanorenana voalohany ny zavatra rehetra."
  • Ny teny hoe: "niorina tamin'ny" dia afaka adika hoe: "niorina fahizay" na "mafy orina."
  • Ny "fanorenana" dia afaka adika hoe: "fototra mafy" na "fiandohana," arakaraky ny foto-kevitra.

goavana

Famaritana

Ny olona goavana matetika dia maneho olona izay lehibe amin'ny halavana sy tanjaka tsy mahazatra.

  • Goliata, miaramila Filistina izay niady tamin'i Davida, dia nantsoina hoe olona goavana satria lehilahy tena lava be, ngeza, ary mahery izy.
  • Ireo mpitsikilo Israelita izay nizaha ny tanin'i Kanàna dia nilaza fa ny olona nipetraka tao dia toy ny olona goavam-be.

governora, manjaka, fanjakana

Famaritana

Ny "governora" dia olona iray manapaka eo amin'ny firenena, faritra, na faritany. Ny teny hoe "manjaka" dia midika hoe mitari-dalana, mitarika, na mitantan'olona.

  • Tamin'ny andron'ny Baiboly, ireo governora dia notendren'i mpanjaka na amperora ary ambany fahefany.
  • Ny "fanjakana" dia ahitana ireo mpanapaka rehetra izay manjaka any amin'ny firenena na fanjakana manokana. Ireo mpanapaka ireo dia manao lalàna izay mitarika ny fitondran-tenan'ny vahoakan'izy ireo mba hisy fiadanana, filaminana, ary fanambinana ho an'ny olona rehetra ao amin'izany firenena izany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "governora" koa dia afaka adika hoe "mpanapaka" na "mpiandraikitra" na "mpitarika isam-paritra" na "iray izay manapaka amin'ny faritany kely."
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "manjaka" dia afaka adika koa hoe "manapaka eo amin'ny" na "mitarika" na "mitantana" na "manara-maso."
  • Ny teny hoe "governora" dia tokony ho samihafa amin'ireo teny hoe mpanjaka na amperora, satria ny governora dia mpanapaka ambany fahefana kokoa izay ambany fahefan'izy ireo.
  • Ny teny hoe "governora" koa dia afaka adika hoe "governora Romana" na "mpanapaka Romana isam-paritra."

hafa firenena, avy any ivelany, vahiny

Famaritana

Ny teny hoe: "hafa firenena" dia maneho olona iray izay mipetraka amin'ny firenena tsy niaviany. Anarana hafa hilazana izany ny hoe: "vahiny."

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, io teny io dia maneho indrindra indrindra ireo rehetra avy amin'ny vondron'olona hafa fa tsy ny olona niaraha-niaina.
  • Ny "hafa firenena" ihany koa dia hilazana ny olona izay tsy mitovy fiteny sy kolon-tsaina amin'ny anao.
  • Ohatra: rehefa nifindra tany Moaba i Naomy sy ny fianakaviany, dia lasa vahiny tany izy ireo. Rehefa nifindra tany Israely indray Naomy sy ny vinantovaviny Rota taty aoriana, dia nantsoina hoe: "vahiny" i Rota satria tsy teraka tany Israely izy.
  • Paoly apostoly niteny tamin'ireo Efesiana fa talohan'ny nahafantaran'izy ireo an'i Kristy, dia "vahiny" tamin'ny fanekem-pihavanan'Andriamanitra izy ireo.
  • Indraindray ny "hafa firenena" dia adika hoe: "vahiny," kanefa dia tsy tokony hilazana olona iray izay tsy mahazatra na tsy fantatra ihany izany.

hamantatra, fahaiza-manavaka

Famaritana

Ny teny hoe "hamantatra" dia midika hoe afaka mahatakatra zavatra, indrindra fa afaka mahafantatra hoe diso na marina ny zavatra iray.

  • Ny teny hoe "fahaiza-manavaka" dia maneho fahatakarana ary fanapahana am-pahendrena mankasika olana iray.
  • Izany dia midika fa manana fitsarana tsara sy fahendrena.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zava-misy, ny teny hoe "hamantatra" dia afaka adika koa hoe "mahatakatra" na "mahafantatra ny mampiavaka ny zavatra roa" na "manavaka ny tsara sy ny ratsy" na "Mitsara amin'ny rariny momban'ny" na "mahita ny marina avy amin'ny ratsy."
  • Ny "fahaiza-manavaka" dia afaka adika hoe "fahazavan-tsaina" na "fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy."

hambinina, fanambinana, manan-karena

Famaritana

Ny teny hoe "hambinina" amin'ny ankapobeny dia maneho ny fiainana tsara ary afaka maneho ny fanambinana ara-batana na ara-panahy. Rehefa "manan-karena" ny olona na firenena iray, dia midika izany fa manana izay rehetra ilain'izy ireo mba hahombiazana izy ireo. Izy ireo dia miaina "fanambinana."

  • Ny teny hoe "manan-karena" matetika dia maneho ny fahombiazana amin'ny fananam-bola sy fananana na amin'ny famokarana ny zavatra rehetra izay ilain'ny olona mba hiainana tsara.
  • Ao aminny Baiboly, ny teny hoe "manan-karena" koa dia manondro ny fahasalamana tsara sy voatahy miaraka amin'ny zanaka.
  • Ny tanàna na firenena "manan-karena" dia izay manana vahoaka maro, vokatra tsara ara-tsakafo, ary raharaham-barotra izay mitondra vola be.
  • Ny Baiboly dia mampianatra fa ny olona iray dia ho ambinina ara-panahy rehefa mankatoa ny fampianaran'Andriamanitra izy. Izy ihany koa dia hiaina ireo fitahian'ny fifaliana sy fiadanana. Andriamanitra dia tsy manome harena be ara-materialy ho an'ny olona foana, fa manambina azy ireo ara-panahy raha manaraka ny lalany izy ireo.
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "manambina" dia afaka adika koa hoe "mahomby ara-panahy" na "tahian'Andriamanitra" na "miaina zavatra tsara" na "miaina tsara."
  • Ny teny hoe "manan-karena" dia afaka adika koa hoe "mahomby" na "mamokatra ara-panahy."
  • Ny "fanambinana" dia afaka adika koa hoe "harena" na "fahombiazana" na "fitahiana miraradraraka"

Handoto, voaloto

Famaritana

Ny teny hoe "handoto" na "voaloto" dia maneho fa ho lasa voaloto. Zavatra afaka lotona ara-nofo, ara-moraly na ara-pomba.

  • Andriamanitra dia nampitandrina ny Israelita mba tsy handoto ny tenan'izy ireo amin'ny fihinana na fikasiana ireo zavatra izay no lazainy fa "tsy madio" ary "tsy masina"
  • Misy zavatra sasany tahaka ny faty na areti-mifindra izay no lazain'Andriamanitra fa tsy madio ary mety andoto ilay olona raha mikasika ireo.
  • Andriamanitra nandidy ireo Israelita mba tsy hijangajanga. Izany dia mety andoto azy ireo ary mahatonga azy ireo tsy eken'Andriamanitra.
  • Ary misy ihany koa karazana fomba fanao ara-batana izay mandoto olona iray mandritry ny fotoana fohy mandrapa tonga azy madio ara-pomba indray.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "handoto" dia afaka adika hoe "mahatonga tsy fahadiovana" na "mahatonga tsy fahamarinana" na "mahatonga ho tsy azo ekena ara-pomba"
  • Ny hoe "Voaloto" dia afaka adika hoe "lasa maloto" na "lasa tsy azo ekena ara-moraly"

harona

Famaritana

Ny teny hoe: "harona" dia maneho fitoeran-javatra iray vita amin'ny tenona.

  • Tamin'ny andron'ny olona ao amin'ny baiboly, ny harona dia vita tenona tamin'ny kofehy matevina, toy ny rantsan-kazo voavaofy.
  • Ny harona dia afaka zairina amin'ny alalan'ny zavatra tsy tatera-drano mba ho afaka mitsingevana.
  • Tamin'i Mosesy mbola zazakely, dia nanjaitra harona tsy tatera-drano ny reniny mba hametrahana azy ao anatiny sy hampitsingevana azy amin'ny Reniranon'i Neily.
  • Ny teny nadika hoe: "harona" ao amin'io tantara io dia teny mitovy amin'ilay teny nadika hoe: "sambo fiara" ihany izay maneho an'ilay sambo narafitr'i Mosesy. Ny fitovian'ny fampiasana izany ao amin'ny foto-kevitra roa dia mety hoe: "fitoeran-javatra mitsingevana."

hatokana, fanolorana

Famaritana

Ny fanoloran-tena dia manokana na manao zavatra ho amin'ny tanjona manokana na asa.

  • Davida dia nanolotra ny volamenany sy ny volafotsiny ho an'ny Tompo.
  • Matetika ny teny hoe "fanolorana" dia maneho lanonana mba hanokanana zavatra ho amin'ny tanjona manokana.
  • Ny fitokanana ny alitara dia miaraka amin'ny fanomezana sorona ho an'Andriamanitra.
  • Nehemia nitondra ny Israelita tao amin'ny fanoloran-tena ny fanamboarana ny rindrin'ny Jerosalema amin'ny fanavaozana ny fampanantenana ny hanompo an'Yaveh irery ary hikarakara ny tanàna. Izany tranga izany dia miaraka amin'ny fanolorana fisaorana an'Andriamanitra miaraka amin'ny zava-maneno sy fihirana.
  • Ny teny hoe "hatokana" dia afaka adika hoe "manendry tanjona miavaka manokana" na "manao zavatra mba hampiasana amin'ny zavatra voatokana" na "manolo-kevitra olona anao andraikitra voatokana"

Havandra

Famaritana

Ity teny ity dia maneho vongan-drano mivaingana izay milatsaka avy any an-danitra.

  • Ny havandra izay avy any an-danitra dia tahaka ny vato kely ny bikany.
  • Raha ny mahazatra dia kely ny havandra (santimetatra vitsy fotsiny), fa indraindray dia tonga hatrany amin'ny 20 sentimetatra ary dia milanja iray kilao.
  • Ny bokin'ny Apokalipsy ao amin'ny Testamenta Vaovao dia milaza fa havandra lehibe milanja 50 kilao no halatsak'Andriamanitra rehefa hitsara ny olona nohon'ny haratsian'izy ireo amin'ny andro farany.

haza, mihaza

Famaritana

Ny teny hoe "haza" dia maneho zavatra izay voahaza, matetika biby izay nampiasaina atao sakafo.

  • Amin'ny hevitra ambadika, ny hoe "haza" dia mety maneho olona iray izay hakana tombony, araraotina, na ampijalian'ny olona manan-kery kokoa.
  • Ny hoe "mihaza" olona dia midika hoe maka tombony amin'izy ireo amin'ny fampijaliana azy ireo na fangalarana zavatra any amin'izy ireo.
  • Ny teny hoe "haza" dia afaka adika koa hoe "biby voahaza" na "niharam-boina."

hazo terebinta

Famaritana

Ny hazo terebinta dia lava, hazo maizimaizina manana vatana lehibe ary manana sampana be dia be. *Ny hazo terebinta dia matanjaka, ary mafy be ny hazony izay fanamboarana sambo ary fanaovana angady fambolena, atao ziogan'ny omby ary tehina ho an'ny olona antitra. *Ny vatan'ny sasany amin'ireo hazo terebinta ireo dia mahatratra atrany amin'ny 6 metatra. *Ny hazo terebinta dia fanehoana hoe fiainana lava ary manana hevitra hafa ara-panahy. Ao amin'ny Baiboly, izy ireo dia matetika mifandray amin'ny toerana masina.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

*Raha tsy fantatry ny olona ao amin'ny toerana andikana azy ny hazo terebinta dia afaka adika hoe ny "hazo terebinta, dia hazo lehibe maizimaizina tahaka ny ..." dia eo no manome ny toerana misy ilay hazo mitovy aminy ianao


heloka bevava, jiolahy

Famaritana

Ny teny hoe "heloka bevava" matetika dia maneho ny fahotana izay mitaky fandikana lalàna amin'ny firenena na fanjakana iray. Ny teny hoe "jiolahy" dia maneho ny olona izay nanao heloka bevava.

  • Ireo karazana heloka bevava dia ahitana sehon-javatra toy ny hoe mamono olona na mangalatra ny fanan'ny olona iray.
  • Ny jiolahy matetika dia voasambotra ary tazomina ao amin'ny karazana fahababoana toy ny fonja.
  • Tamin'ny andron'ny Baiboly, ireo jiolahy sasany dia lasa nandositra, nirenireny nifindrafindra toerana mba handositra ny olona izay te-hamely azy ireo nohon'ny helok'izy ireo.

henatra, mahamenatra, menatra

Famaritana

Ny teny hoe "henatra" dia ilazana ny fahatsapana mahatsiraviana ho afa-baraka izay tsapan'ny olona iray nohon'ny zavatra tsy mendrika na ratsy ho vitany na vitan'ny olon-kafa.

  • Ny zavatra izay "mahamenatra" dia "tsy mendrika" sady "ratsy."
  • Ny teny hoe "menatra" dia mamaritra ny fahatsapan'ny olona iray rehefa nahavita zavatra mahamenatra.
  • Ny "manala baraka" dia midika hoe: mandresy ny olona na mampiharihary ny fahotan'izy ireo mba hahatsapan'izy ireo ho menatra ny amin'ny tenany.
  • Nambaran'Isaia mpaminany fa ireo izay manamboatra sy manompo sampy dia hatao menatra.
  • Afaka mitondra henatra amin'ny olona iray izay tsy mibebaka Andriamanitra amin'ny fampiharihariana ny fahotan'izany olona izany sy ny fanalana baraka azy.

herim-po, mahery fo

Famaritana

Ny teny hoe "herim-po" dia maneho fanatrehana na fanaovana zavatra izay sarotra, mampatahotra, na mampidi-doza am-pahasahiana.

  • Ny teny hoe "mahery fo" dia mamaritra olona iray izay mampiseo herim-po, manao ny zavatra marina na dia matahotra na misy manery hilavo lefona.
  • Ny olona dia mampiseho herim-po rehefa miatrika fangirifiriana anaty na ara-batana izy.
  • Ny fomba fiteny hoe "maka herim-po" dia midika hoe "aza matahotra" na "maka antoka fa hiova ho tsara ny zavatra."
  • Josoa rehefa niomana handeha ho any amin'ny tany mampidi-dozan'i Kanana, dia nananatra azy Mosesy mba ho "matanjaka sy mahery fo."
  • Ny teny hoe "mahery fo" dia afaka adika koa hoe "be herim-po" na "tsy matahotra" na "sahy."
  • Miankina amin'ny zavatra resahina, ny hoe "manana herim-po" dia afaka adika koa hoe "matanjaka ara-pihetseham-po" na "mahatoky" na "entitra."
  • Ny hoe "miresaka amin-kerim-po" dia afaka adika hoe "miresaka am-pahasahiana" na "miresaka tsy amin-tahotra" na "miresaka am-pahatokiana."

hetra

Famaritana

Ny teny hoe ''hetra'' dia ilazana ny vola na entana izay haloan'ny olona any amin'ny fanjakana izay mahefa eo amin'izy ireo.

  • Ny tetim-bola izay andoavana hetra matetika dia araka ny tetim-bidy mifanaraka amin'ny fananan'ny olona iray.
  • Raha tsy voaloa ny hetra, dia afaka manao hetsika ara-dalana amin'ny olona iray ny fanjakana mba hahazoana ny vola ananany aminy.
  • Nandeha tany Betlehema i Josefa sy Maria mba ho voaisa amin'ny fanisam-bahoaka izay natao mba hampandoavana hetra ny olon-drehetra nipetraka tany Roma.
  • Nisy ihany koa ny atao hoe "hetran-tempoly" izay vola narotsaky ny olona tao amin'ny vatan-drakitra. Ny ampahany tamin'io vola io dia nampiasaina mba hikarakarana ny rafitry ny tempoly.
  • Ny teny hoe "hetra" dia azo adika ihany koa hoe: "fandoavam-bola takiana" na "volam-panjakana" na "volan'ny tempoly," arakaraka ny foto-kevitra ihany.
  • Ny andian-teny tahaka ny hoe: "mamory hetra" sy "mandoa hetra" dia azo adika ihany koa hoe: "mandoa vola amin'ny fanjakana" na "mandray vola ho an'ny fanjakana" na "manao ny fandoavam-bola takiana."
  • Ny "mpamory hetra" dia olona miasa ho an'ny fanjakana mba handray ny vola izay takiana haloan'ny olona amin'izy ireo.

horohoro, mampihorohoro

Famaritana

Ny teny hoe "horohoro" dia ilazana ny fahatsapana tahotra lehibe. Ny "mapihorohoro" olona dia midika hoe manao izay hahatsapan'ny olona iray tahotra mafy.

  • Ny ''fampihorohoroana" dia zavatra na olona iray izay mahatonga tahotra lehibe. Horohoro ohatra ny fanafihan'ny miaramila, na loza na aretina izay mieli-patrana, ary mamono olona maro.
  • Ireo horohoro ireo dia azo faritana ho "mampihorohoro." Io teny io ihany koa dia azo adika hoe: "mahatonga tahotra" na "mampisy horohoro."
  • Indray andro any fitsaran'Andriamanitra dia hahatonga horohoro amin'ireo olona tsy nibebaka izay nanda ny fahasoavany .
  • Ny "horohoron'i Yaveh" dia azo adika hoe: "ny fanatrehan'i Yaveh maharaiki-tahotra" na "ny fitsarana mampihorohoron'Andriamanitra" na "rehefa mahatonga tahotra lehibe Yaveh."
  • Ny fomba andikana ny "horohoro" dia azo atao hoe: "tahotra lehibe" na ''horohoro lalina."

horohoro, mihorohoro

Famaritana

Ny teny hoe "horohoro" dia maneho ny fihetseham-po nohon'ny tahotra na ny fampihorohoroana. Ny olona izay mahatsapa horohoro dia natsoina hoe "mihororoho."

  • Ny "horohoro" dia mahery kokoa noho ny tahotra mahazatra.
  • Matetika rehefa ny olona no mihorohoro dia tafintohina na ankina ihany koa izy.

horonan-taratasy

Famaritana

Tamin'ny andro taloha, ny horonan-taratasy dia karazana boky vita tamin'ny taratasy papirosy lava sy miorona na hoditra.

  • Aorian'ny fanoratana na famakiana ny horonan-taratasy, ny olona dia mangorona izany amin'ny tady kely any amin'ny farany.
  • Ireo horonan-taratasy dia ampiasaina amin'ny antontan-taratasy na soratra masina ara-dalàna.
  • Indraindray ireo horonan-taratasy izay nalefan'ny mpampita hafatra dia natao tombo-kase tamin'ny savoka. Izany dia hisorohana ny mety ho famoahan'ny olona hafa ilay horonan-taratasy sy fanoratana izany.
  • Ireo horonan-taratasy dia misy ny Soratra masina Hebreo izay vakiana mafy ao amin'ny synagoga.

ilay teraka voalohany

Famaritana

Ny teny hoe: "ilay teraka voalohany" dia maneho ny zanaky ny olona na biby izay teraka voalohany, mialohan'ny hahaterahan'ny zanaka hafa.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny hoe: "teraka voalohany" matetika dia maneho ny zanaka lahy izay teraka voalohany.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny zanaka lahy teraka voalohany dia nomena toerana ambony sy indroa mihoatra ny lovan'ny fianakaviany noho ny zanaka lahy hafa.
  • Matetika dia ny zanaka lahy voalohan'ny biby no atao sorona ho an'Andriamanitra.
  • Afaka atao hevitra ambadika ihany koa izany foto-kevitra izany. Ohatra: ny firenen'Israely dia antsoina hoe: zanaka lahy voalohan'Andriamanitra satria Andriamanitra nanome tombontsoa manokana azy noho ny firenena hafa.
  • Jesosy, ilay zanak'Andriamanitra dia antsoina hoe zanaka lahy voalohan'Andriamanitra nohon'ny maha-manan-danja Azy sy ny fahefany amin'ny olona hafa.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Rehefa mipoitra irery any anaty lahatsoratra ny hoe: "teraka voalohany" dia afaka adika izany hoe: "zanaka lahy voalohany" satria izay no tiana ho lazaina.

indray mihira (vanim-potoana, taranaka)

Famaritana

Ny teny hoe "indray mihira" dia maneho vondron'olona izay teraka nanodidina ny vanim-potoana mitovy.

  • Ny indray mihira koa dia afaka anehoana fe-potoana. Tamin'ny andron'ny olona ao amin'ny Baiboly, ny indray mihira matetika dia noraisina ho teo amin'ny 40 taona teo.
  • Ny ray aman-dreny sy ny zanak'izy ireo dia avy amin'ny vanim-potoana samihafa.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "indray mihira" koa dia hevitra ambadika hanehoana amin'ny ankapobeany ny olona izay manana toetra mitovy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fehezanteny hoe "ity taranaka ity" na "ny olona amin'ity vanim-potoana ity" dia afaka adika hoe "ny olona miaina amin'izao" na "ianareo olona."
  • "Ity taranaka ratsy fanahy ity" dia afaka adika hoe "ireo olona ratsy fanahy miaina amin'izao ireo."
  • Ny fomba fiteny hoe "hatramin'ny taranaka fara-mandimby" na "avy amin'ny taranaka iray mankany amin'ny manaraka" dia afaka adika hoe "ny olona miaina amin'izao, tahaka ny zanaka sy zafikelin'izy ireo" na "ny olona amin'ny vanim-potoana rehetra" na "'ny olona amin'izao vanim-potoana izao sy ny vanim-potoana ho avy" na "ny olona rehetra sy ireo taranany."
  • "Hisy taranaka mandimby ho avy hanompo Azy; izy ireo dia hilaza ny taranaka manaraka ny momba an'i Yaveh" dia afaka adika hoe "Olona maro amin'ny ho avy no hanompo an'i Yaveh ary hilaza ny zanak'izy ireo sy ny zafikelin'izy ireo ny momba Azy."

Ireo foko roa ambin'ny folon'Israely

Famaritana

Ny teny hoe: "foko roa ambin'ny folon'Israely" dia entina ilazana ireo zanak'i Jakoba roa ambin'ny folo lahy sy ny taranak'izy ireo.

  • Jakoba dia zafikelin'i Abrahama. Novain'Andriamanitra ho Israely ny anaran'i Jakoba taty aoriana.
  • Ireto avy no anaran'ireo foko ireo: Robena, Simeona, Levy, Joda, Dana, Naftaly, Gada, Asera, Isakara, Zebolona, Josefa ary Benjamina.
  • Tsy nandova ny tany Kanana ireo taranak'i Levi satria izy ireo dia foko-mpisorona izay voatokana hanompo an'Andriamanitra sy ny vahoakany.
  • Nandray lovan-tany indroa miantoana i Josefa, izay nafindra tamin'ireo zanany roa lahy, Efraima sy Manase.
  • Misy takelaka maromaro ao amin'ny Baiboly izay somary samihafa ny filazana ny lisitr'ireo foko roa ambin'ny folo. Indraindray i Levy, Josefa, na Dana dia tsy tafiditra ao anaty lisitra, ary indraindray i Efraima sy Manase zanak'i Josefa roa lahy dia tafiditra ao anatin'izany.

Izaho, Yaveh

Famaritana

Matetika ao amin'ny Testamenta Taloha, rehefa manambara ny amin'ny Tenany ihany Andriamanitra, dia ny Anarany ihany no ampisainy fa tsy mpisolotena.

  • Ohatra, raha tokony hiteny Izy hoe: "Manaja Ahy," dia "Manaja an'i Yaveh" no ambarany.
  • Mba hampazava tsara fa miresaka ny amin'ny Tenany ihany Andriamanitra, ny ULB matetika dia mandika izany amin'ny fanampiana mpisolotena tahaka ny ao amin'ny hoe: ''Manaja Ahy, Yaveh" na "Izaho, Yaveh dia milaza hoe."
  • Amin'ny fanampiana ny mpisolotena "Izaho," dia mampiseho amin'ny mpamaky ny ULB fa Andriamanita no miteny.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Mey hisy mpandika teny sasany hanapa-kevitra fa tsotra sady mazava amin'ny fiteniny ny manaraka ny lahatsoratra sy ny fomba fampiasa ara-bakiteny ny hoe "Yaveh" tsotra izao, fa tsy manampy mpisolotena.
  • Ny sasany indray dia mety hanapa-kevitra ny hampiasa mpisolotena miaraka amin'ny Yaveh eo amin'ny fiandohan'ny ampahan-dahatsoratra, saingy avy eo dia manala ilay mpisolotena ao amin'ny ambin'ny lahatsoratra. Ohatra anehoan'ny ULB izany ny Deoteronomia 5: 9-16.
  • Tsara tokoa, raha azo atao, ny mihazona ny anarana hoe Yaveh ao amin'izay hisehoan'izany ara-bakiteny ao amin'ny lahatsoratra, saingy mety hisy fandikan-teny sasany hanapa-kevitra ny hampiasa mpisolotena fotsiny ihany eo amin'ny andalana sasany, mba hahatonga ny lahatsoratra ho tsotra sy mazava kokoa.

Jiro

Famaritana

Ny teny hoe "jiro" dia maneho zavatra izay mizara hazavana amin'ny ankapobeny. Ny jiro nampiasaina tao amin'ny Baiboly dia jiro petrola. Ilay karazana jiro nampiasaina tao amin'ny Baiboly dia fitoerany kely misy petrola izay mirehitra rehefa mikasika amin'ny afo.

  • Ny mahazatra dia vita amin'ny tany manga izay feno menaka oliva, miaraka amin'ny jiro apetraka eo amin'ilay menaka mba hirehetany.
  • Ho an'ny jiro sasany, ny siny na vilany misy azy dia somary boribory lavalava ny endriny.
  • Ny jiro petrola dia afaka entina na afindra toerana ka afaka mameno ny efitra ny hazavany.
  • Ao amin'ny Soratra Masina, ny jiro dia nampiasaina amin'ny heviny maro samihafa ho fanehoana ny fahazavana sy ny fiainana.

Jodaisma, fivavahana Jiosy

Famaritana

Ny teny hoe "Jodaisma" dia maneho ny fivavahana ataon'ireo Jiosy. Izany koa dia aseho amin'ny hoe "fivavahana Jiosy."

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, dia ny teny hoe "fivavahana Jiosy" no nampiasaina, fa ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ny teny hoe "Jodaisma" no nampiasaina.
  • Ny Jodaisma dia ahitana ireo lalàna ao amin'ny Testamenta Taloha rehetra sy fampianarana izay nomen'Andriamanitra an'ireo Isiraelita mba hankatoavina. Izany koa dia ahitana fomba amam-panao sy fomban-drazana izay nampiana tao amin'ny fivavahana Jiosy
  • Rehefa mandika teny, dia afaka ampiasaina ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao ny teny hoe "fivavahana Jiosy" na "fivavahan'ireo Jiosy."
  • Na izany aza, ny teny hoe "Jodaisma" dia tokony ampiasaina ao amin'ny Testamenta Vaovao fotsiny, satria izany teny izany dia tsy nisy talohan'io fotoana io.

kalesa

Famaritana

Tamin'ny andro taloha, ny kalesa dia maivana, nisy kodiarana roa izay notarihan'ny saovaly.

  • Ny olona dia mety hipetraka na hitsangana ao amin'ny kalesa, mampiasa ireo amin'ny ady na fandehanana lavitra.
  • Tao anaty ady, ny tafika nanana kalesa dia nanana tombony lehibe tamin'ny hafainganam-pandeha sy fivezivezena teo amin'ny tafika izay tsy nanana kalesa.
  • Ireo Egyptiana sy Romana taloha dia fantatra tsara tamin'ny fampiasain'izy ireo soavaly sy kalesa.

kapoty

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "kapoty" dia ilazana ny lamba nanaovana teny an-koditra, anatin'ny akanjo hafa.

  • Ny kapoty dia nanomboka teo amin'ny soroka nidina teo amin'ny valahana na lohalika ary matetika dia nasiana fehin-kibo. Ny kapoty nanaovan'ny olona mpanan-karena indraindray dia nisy morony hatrany an-kitro.
  • Ny kapoty dia vita amin'ny hoditra, volom-biby, volon'ondry, na rongony fotsy, ary sady nanaovan'ny lahy no nanaovan'ny vavy.
  • Ny kapoty matetika dia nanaovana tao anatin'ny akanjo ambony izay lavalava kokoa, toy ny fisalorana na akanjo lava ivelany. Rehefa toetr'andro mafana kokoa dia nanaovana tsy nisy amboniny ny kapoty.
  • Io teny io dia azo adika hoe "lobaka lava" na "atin'Akanjo lava" na "ankajo miendrika lobaka." Azo asina fanamarihana mba hanazavana hoe karazan'ankanjo toy ny ahoana ny "kapoty."

Karan-doha

Famaritana

Ny teny hoe "karan-doha" dia maneho ireo taolana izay mandrafitra ny lohan'ny olona iray na biby.

  • Indraindray ny teny hoe "karan-doha" dia midika hoe "loha" tahaka ny ao amin'ny fehezanteny hoe "Jereo ny karan-dohanao"
  • Ny teny hoe "toeran'ny karan-doha" dia anarana hafa fiantsoana an'i Gologota izay namantsihana an'i Jesosy.
  • Izany teny izany dia afaka adika ihany koa hoe "loha" na "taolan'ny loha"

karazana

Famaritana

Ny teny hoe: "karazana" dia maneho vondrona na fanasokajian-javatra izay mifandray amin'ny fizarazaran-toetra.

  • Ao amin'ny Baiboly, io teny io dia ampiasaina manokana mba hanehoana ny karazana zava-maniry sy biby miavaka izay nataon'Andriamanitra rehefa nanorina izao tontolo izao Izy.
  • Matetika dia misy fizarazarana samihafa maro ao anatin'ny hoe: "karazana." Ohatra: ny soavaly, ny zebra, ny ampondra ary ireo karazany hafa maro.
  • Ny zavatra lehibe izay manavaka ny "karazana" ho vondrona samihafa dia hoe izay mitovy karazana ihany no afaka mifampiteraka.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ny fomba handikana io teny io ny hoe: "kilasy" na "vondrona" na "sokajy."

kerobima, keroba

Famaritana

Ny teny hoe "keroba" sy "kerobima," dia maneho karazana zavatra any an-danitra manokana izay namboarin'Andriamanitra. Ny Baiboly dia mamaritra ny kerobima ho manana elatra sy lelafo.

  • Ny kerobima dia mampiharihary ny voninahitra sy herin'Andriamanitra ary toa mpiambina zavatra masina.
  • Rehefa avy nanota Adama sy Eva, dia nametraka kerobima misy sabatra midedadeda Andriamanitra teo amin'ny sisiny atsinanan'ny sahan'i Edena mba tsy hahafahan'ny olona ho eny amin'ilay hazon'ny fiainana intsony.
  • Andriamanitra dia nibaiko ireo Israelita mba hanao sari-sokitra kerobima roa mifanatrika, miaraka amin'ny elatr'izy ireo mifampikasika, eo amin'ny sarona fanavotan'ny fiaran'ny fanekena.
  • Izy ihany koa dia niteny azy ireo mba hanofahofa sarin-kerobina amin'ny lamban'ilay tabernakely.
  • Ao amin'ny andininy maromaro, ireo zava-boaary ireo dia faritana koa ho manana endrika efatra: endrik'olona, liona, omby ary voro-mahery.
  • Indraindray ny kerobima dia eritreretina ho anjely, saingy tsy milaza mazava izany ny Baiboly.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "kerobima" dia afaka adika ho toy ny hoe "zava-boahary misy elatra" na "mpiambina misy elatra" na "mpiambina masina manana elatra" na "mpiambina manan'elatra, masina."
  • Kendreo mba ho samy hafa amin'ny fandikana ny hoe "anjely" ny fandikana ity teny ity.
  • Hevero ihany koa ny fomba nandikana na nanoratana ity teny ity ao amin'ny fandikana Baiboly amin'ny teny eo an-toerana na tenim-pirenena.

kianja, fitsaràna

Famaritana

Ny teny hoe "kianja" sy "fitsaràna" dia maneho toerana voafefy izay mahita ny lanitra ary voadidina rindrina. Ny teny hoe "fitsaràna" koa dia maneho toerana izay hanapahan'ireo mpitsara hevitra amin'ireo zavatra ara-dalàna sy ny heloka bevava.

  • Ny tabernakely dia voadidina kianja iray izay voafefy rindrina vita amin'ny lamba matevina.
  • Ny rafitry ny tempoly dia manana kianja telo ao anatiny: iray ho an'ireo mpisorona, iray ho an'ireo lehilahy Jiosy, ary ny iray ho an'ireo vehivavy Jiosy.
  • Ireo tokontany telo anatiny ireo dia voadidina rindrim-bato iva izay manasaraka azy ireo amin'ny kianja ivelany izay hahazoan'ireo Jentily alalana hidera.
  • Ny kianjan'ny trano iray dia toerana malalaka eo afovoan'ilay trano.
  • Ny fehezanteny hoe "kianjan'ny mpanjaka" dia afaka maneho ny lapany na toerana iray ao amin'ny lapany izay hanaovany fitsaràna.
  • Ny fomba fiteny hoe "kianjan'Yaveh" dia fomba ambadika hanehoana ny toerana fonenan'Yaveh na ny toerana andehanan'ny olona midera an'Yaveh.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "kianja" dia azo adika hoe "toerana malalaka" na "tany voarindrina" na "tanin'ny tempoly" na "fefin'ny tempoly."
  • Indraindray ny teny hoe "tempoly" dia mety mila adika hoe "kianjan'ny tempoly" na "rafitry ny tempoly" mba hazava tsara fa resahana ireo kianja, fa tsy ny trano tempoly.
  • Ny fomba fiteny hoe "kianjan'Yaveh" dia azo adika hoe "toerana hipetrahan'i Yaveh" na "toerana hiderana an'i Yaveh."
  • Ny teny ampiasaina ho an'ny kianjan'ny mpanjaka dia azo ampiasaina koa mba hanehoana ny kianjan'i Yaveh.

kibo (tranon-jaza)

Famaritana

Ny teny hoe: "kibo" dia maneho ny toerana hitomboan'ny zaza ao anatin'ny reny.

  • Izany dia fomba fiteny taloha izay matetika ampiasaina mba ho fahalalam-pomba sy tsy dia mivantana loatra.
  • Amin'ny fiteny ankehitriny ny teny hoe kibo dia maneho hoe: "tranon-jaza"
  • Ny fiteny hafa dia mampiasa ny teny hoe: "kibo" mba hilazana ny tranon-jazam-behivavy na kibo.
  • Mampiasà teny iray izay fantatra tsara, voajanahary, ary azo ekena amin'izany fiteny izany.

kiraro

Famaritana

Ny kiraro dia kapa fisaka tsotra izay mipetaka amin'ny tongotra amin'ny alalan'ny taditady manodidina ny tongotra. Na ny vehivavy na ny lehilahy dia samy manao izany avokoa.

  • Ny kiraro indraindray dia ampiasaina mba hanamafisana ny raraham-barotra, toy ny fivarotan'ny olona iray fananana amin'ny alalan'ny fanalana kiraro ary fanomezana izany an'ilay iray hafa.
  • Ny fanalana ny kiraro na ny kapan'ny tena ihany koa dia marika fanajana sy fanehoana fanajana, indrindra indrindra amin'ny fanatrehan'Andriamanitra.
  • Jaona dia niteny fa tsy mendrika izy na dia ny hamaha ny kiraron'i Jesosy aza, izay asan'ny mpanompo na andevo tsotra izany.

kisoa

Famaritana

Ny kisoa dia karazam-biby fiompy manana tongotra efatra izay ompiana ho an'ny henany.

  • Andriamanitra dia niteny ireo Isiraelita mba tsy hihinana henan-kisoa ary handray izany ho maloto. Ireo Jiosy ankehitriny dia mbola mandray ny kisoa ho biby maloto ka tsy mihinana henan-kisoa.
  • Ny kisoa dia ompiana ao am-pahatra mba ho amidy amin'ny olona hafa nohon'ny henan'izy ireo.
  • MIsy karazan-kisoa iray izay tsy ompiana ao am-pahitra fa mirenireny eny an-tsaha; izany dia antsoina hoe "lambo dia." Ny lambo dia misy tsipika ary heverina ho biby mampidi-doza.

Kitro, misy kitro

Famaritana

Ireo teny ireo dia maneho ilay zavatra mafy be izay mandrakotra ny faladia tongon'ireo biby tahaka ny rameva, omby, serfa, saovaly, apondra, kisoa, ondry ary osy.

  • Ny kitron'ireo biby dia miaro ny tongony rehefa mandeha.
  • Misy ny biby sasany mizara roa ilay kitro ary ny sasany tsia.
  • Andriamanitra dia niteny tamin'ireo Israelita ireo fa ny biby izay manana kitro mizara roa sy mitsako dia nataony ho madio ka afaka hoanina. Ny omby, ny ondry, ny serfa dia tafiditra ao anatin'izany.

kolikoly

Famaritana

Ny "manao kolikoly" dia midika hoe: manome zavatra sarobidy ho an'ny olona iray, toy ny vola, mba hitarihana io olona io hanao zavatra tsy marina.

  • Ireo miaramila izay niambina ny fasana foan'i Jesosy dia nangolangolaina tamin'ny vola mba handainga ny amin'izay zava-niseho.
  • Indraindray ny manam-boninahitra ao amin'ny fanjakana dia voahodikodina mba hikipy maso amin'ny heloka na hifidy amin'ny fomba hafa.
  • Ny Baiboly dia mandrara ny fanomezana na ny fandraisana ny kolikoly.
  • Ny teny hoe: "manao kolikoly" dia afaka adika hoe: "tambin'ny tsy fahamarinana" na "tambin'ny lainga" na "vidin'ny fandikana lalàna."
  • Ny hoe: "manao kolikoly" dia afaka adika amin'ny andian-teny hoe: "manome tambiny mba hitarihana (olona iray)." na "manome tamby mba hahavitana ny asa ratsy" na "manome tamby amin'ny asa."

Kypreso

Famaritana

Ny teny hoe "Kypreso" dia maneho karazana hazo kesika izay feno any amin'ny faritra nipetrahan'ny olona tamin'ny andron'ny Baiboly, indrindra ireo firenena manamorona ny Ranomasina Mediteraneana.

  • Kyprosy sy Libanona dia toerana roa izay voatonona manokana ao amin'ny Baiboly fa manana hazo Kypreso maro.
  • Ny hazo izay nampiasain'i Noa hanamboarana ilay sambo fiara dia mety Kypreso.
  • Satria maharitra ny hazo Kypreso, dia nampiasain'ireo olona taloha izany hanamboarana sambo sy rafitra hafa.

lafaoro lehibe

Famaritana

Ny lafaoro lehibe dia fitaovana lehibe ampiasaina hanafanana zavatra amin'ny mari-pana ambony.

  • Tamin'ny andro taloha, ny lafaoro lehibe dia nampiasaina indrindra tamin'ny fanatsonihana vy mba hanamboarana fitaovana toy ny vilany fandrahoana, firavaka, fitaovam-piadiana, ary sampy.
  • Ny lafaoro lehibe ihany koa nampiasaina mba hanaovana vilany tanimanga.
  • Indraindray ny lafaoro lehibe dia hanehoana hevitra ambadika hanazavana fa ny zavatra iray dia mamay.

lafatra (tanteraka)

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "lafatra" dia midika hoe matotra amin'ny fiainantsika amin'ny maha-Kristiana. Ny manao zavatra iray ho lafatra dia midika hoe miasa amin'izany mandrapaha-tanteraka izany tsy misy kilema.

  • Ny hoe lafatra sy matotra dia midika fa mankatoa ny Kristiana iray fa tsy mpanota.
  • Ny teny hoe "lafatra" ihany koa dia manana hevitra hoe "feno" na "rehetra."
  • Ny bokin'i Jakoba ao amin'ny Testamenta Vaovao dia milaza fa ny fifikirana amin'ny alalan'ny fitsaràna dia hamokatra fahafenoana sy fahamatorana amin'ilay mpino.
  • Ny Kristiana rehefa mianatra ny Baiboly sy mankatoa izany, dia ho tonga lafatra ara-panahy sy matotra kokoa satria ho toa an'i Kristy kokoa izy ireo amin'ny teotrany.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia afaka adika hoe "tsy misy kilema" na "tsy misy hadisoana" na "tsy misy tsiny."

lalàna, fitsipika

Famaritana

Ny "lalàna" dia fitsipika ara-dalàna izay soratana sy ampiharin'ny olona ao amin'ny fahefana. Ny "fitsipika" dia tondrozotra ho amin'ny fanapahana hevitra sy ny fitondran-tena.

  • Ny "lalàna" sy ny "fitsipika" dia maneho ny faharesen-dahatra izay mitari-dalana ny fitondran-tenan'ny olona.
  • Ny dikan'izany "lalàna" izany dia samy hafa amin'ny dikan'ny "lalànan'i Mosesy" izay maneho ny didy sy ny fampianarana izay nomen'Andriamanitra an'ireo Isiraelita.
  • Rehefa ny lalàna amin'ny ankapobeny no resahana, dia afaka adika hoe "fitsipika" na "lalàna."

lalivay, masirasira

Famaritana

"Ny masirasira" dia teny amin'ny ankapoben'ny zavatra izay mahatonga ny koban'ny mofo ho ngeza sy hitombo. Ny "lalivay dia karazana masirasira manokana.

  • Ny lalivay dia masirasira amin'izao fotoana izao izay mameno rivotra ny koba mba hampangeza izany alohan'ny hanendasana azy. Ny lalivay dia ahosotra amin'ny koba mba hiparitaka amin'ny foto-koba iray manontolo.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Taloha, ny fampitomboana dia novokarina mba afahan'ny mofo mipetraka kely mandritry ny fotoana fohy. Ny ampahany kely amin'ny foto-koba izay natao teo aloha dia nampirimina mba ho lalivay ho an'ny mofo manaraka.
  • Rehefa nitsoaka an'i Egypta ireo Israelita, dia tsy nahandry ny mofo hitombo izy ireo, ka noho izany dia mofo tsy misy lalivay no namboarin'izy ireo sy nentin'izy ireo tamin'ny dia. Ho fampatsiahivana izany, isan-taona ireo olona Jiosy dia mankalaza ny Paka amin'ny alalan'ny fihinana mofo tsy misy lalivay.
  • Izany ihany koa dia maneho ny fampianarana diso izay matetika miparitaka amin'ny olona maro sy mitarika azy ireo.
  • Ny teny hoe "lalivay" ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra tsara mba hanazavana ny fitarihan'ny fanjakan'Andriamanitra miparitaka amin'ny olona.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny "lalivay" dia afaka adika hoe "zavatra mampitombo." Ny teny hoe "mampitombo" dia afaka adika hoe "manaparitaka" na "mampangeza" na "mampibontsona."

lamba

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "lamba" dia maneho fitaovana tena matevina, mvesatra nampiasaina tamin'ny fanamboarana ny tabernakla sy ny tempoly.

  • Ny tabernakely dia namboarina tamin'ny fampiasana lamba efatra sosona ho an'ny tafo sy ny sisiny. Ireo lamba fanaronana ireo dia vita tamin'ny lamba na hoditr'ireo biby.
  • Ny lamba koa dia nampiasaina hanaovana rindrina manodidina ny kianjan'ny tabernakla. Ireo lamba ireo dia vita tamin'ny "rongony fotsy" izay karazana lamba vita amin'ny zava-maniry rongony.
  • Na ny tabernakely na ny tempoly, dia samy misy lamba mihantona eo amin'ny toerana masina sy ny toerana tena masina indrindra. Io lamba io no rovitra nizara roa am-pahagagana tamin'i Jesosy maty.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Satria ny lamba amin'ny andro mandroso dia samihafa amin'ny lamba nampiasaina tao amin'ny Baiboly, dia mety mazava kokoa ny fampiasana teny hafa na fanampiana teny izay mamaritra ireo lamba.
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba hafa handikana ity teny ity dia ahitana ny hoe "lamba fanaromana" na "sarona" na "tapa-damba matevina" na "hoditra biby fanaromana" na "tapa-damba mihantona."

lamba fisaonana

Famaritana

Ny lamba fisaonana dia somary mafy, marokoroko izay azo avy amin'ny osy na volon-drameva.

  • Ny fitafy vita avy amin'ny lamba fisaonana dia tsy ahazoan'ny olona aina ny mitafy azy. Izy io dia tafiana hanehoana hoe misaona, malahelo na fibebahana feno fanetren-tena.
  • Ny teny hoe "lamba fisaonana sy lavenona" dia fomba fiteny izay maneho fomba fiteny fahiny hoe malahelo sy mibebaka.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Izany teny izany dia afaka adika hoe "lamba mafy avy amin'ny volom-biby" na "lamba vita avy amin'ny volon'osy" na "fitafiana marokoroko sy mafy"
  • Ny fomba hafa andikana anio ihany koa dia hoe "fitafiana fisaonana marokoroko"
  • Ny fiteny hoe "mipetraka miaraka amin'ny lamba fisaonana sy lavenona" dia afaka adika hoe "mampiseho fisaonana sy fanetren-tena amin'ny fitondrana akanjo marokoroko sy mipetraka eo amin'ny lavenona"

lambondriaka (ombin-dranomasina)

Famaritana

Ny teny hoe "lambondriaka" dia ilazana ny bibin-dranomasina lehibe izay mihinana ahitra sy zava-maniry hafa any ambany ranomasina.

  • Ny lambondriaka dia miloko volon-davenona ary matevin-koditra. Mandehandeha any amin'ny rano amin'ny alalan'ny vombony izany.
  • Ny hoditry ny lambondriaka dia nampiasain'ny olona tamin'ny andron'ny Baiboly hanamboarana lay. Ireo hodi-biby ireo dia nampiasaina ho fanaronana ny tabernakely.
  • Nomena anaram-petaka hoe "ombin-dranomasina" izany satria mihinana ahitra tahaka ny fanaon'ny omby, saingy tsy misy tena hitovizany amin'izany amin'ny resaka hafa.

lanonana

Famaritana

Ny teny hoe: "lanonana" dia maneho ny tranga izay hihinanan'ny vondron'olona miaraka hanim-be, matetika dia fankalazana zavatra iray no anton'izany. Ny hoe: "manao lanonana" dia midika hoe: mihinana sakafo be na mandray anjara amin'ny fiaraha-mihinana amin'ny lanonana.

  • Matetika dia misy karazan-tsakafo miavaka izay hohanina amin'ny lanonana sasany.
  • Ao anatin'ny lanonan'ny relijiosy izay handidian'Andriamanitra an'ireo Jiosy mba hankalazaina matetika ny fiarahana milanonana. Noho izany antony izany no hiantsoana io fety io hoe: "firavoravoana."
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny mpanjaka sy ny mpanan-karena hafa ary olona manan-kery matetika dia manao lanonana mba hampifaliana ny fianakavian'izy ireo na ny naman'izy ireo.
  • Ao amin'ny tantara momba ilay zanaka lahy very, ilay ray dia nanomana lanonana miavaka mba hankalazana ny fiverenan'ny zanany lahy.
  • Ny lanonana indraindray dia maharitra andro maromaro na mihoatra.
  • Ny teny hoe: "manao lanonana" dia afaka adika ihany koa hoe: "manao fihinanam-be" na "mankalaza amin'ny alalan'ny fihinanana hanim-be" na "mihinana sakafo betsaka sy miavaka."
  • Ny teny hoe: "lanonana" dia afaka adika ihany koa hoe: "miara-mankalaza miaraka amin'ny fihinanana sakafo betsaka" na "fihinanam-be" na "sakafo fankalazana," arakaraky ny foto-kevitra.

lapa

Famaritana

Ny teny hoe "lapa" dia maneho ny trano lehibe izay honenan'ny mpanjaka, miaraka amin'ny fianakaviany sy mpanompony.

  • Ny mpisoronabe ihany koa dia nipetraka tao amin'ny lapa lehibe, araka izay nolazaina tao amin'ny Testamenta Vaovao.
  • Ny lapa dia tena voaravaka, miaraka amin'ny maritrano sy fanaka tsara.
  • Ireo trano be sy fanaky ny lapa dia vita tamin'ny vato na hazo, ary matetika nametahana takela-bolamena niaraka tamin'ny hazo, volamena, na ivoara lafo vidy.
  • Olona maro hafa ihany koa no nipetraka sy niasa tao amin'ny lapa lehibe.

lasitra

Famaritana

Ny lasitra dia hazo, na vy, na tanimanga jobo izay ampiasaina hamolavolaina zavatra volamena, volafosty, na fitaovana hafa izay azo atao malemy ary omena endrika amin'ilay lasitra.

  • Nampiasaina ny lasitra mba hanamboarana firavaka, lovia, fitaovam-pihinanana, ary zavatra hafa.
  • Ao amin'ny Baiboly, matetika ny lasitra dia voatonona amin'ny resaka famolavolana sary vongana hanaovana sampy.
  • Tsy maintsy hafanaina amin'ny maripana ambony dia ambony ny vy mba hahafahana mandraraka izany ao amin'ny lasitra.
  • Ny mamolavola zavatra iray dia midika fanamboarana izany mba hanana endrika na hitovy amin'ny zavatra hafa amin'ny fampiasana lasitra na tanana.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Io teny io dia azo adika ihany koa hoe: "mamolavola" na "manome endrika" na "manamboatra."
  • Ny teny hoe "voavolavola" dia azo adika hoe: "nomena endrika" na "novolavolaina."
  • Ny fitaovana "lasitra" dia mety ho azo adika amin'ny andian-teny na teny izay midika hoe: "fitoerana miendrika" na "lovia voasokitra."

lavadrano, famorian-drano

Famaritana

Ny teny hoe: "lavadrano" sy "famorian-drano" dia maneho karazana loharano roa samihafa amin'ny rano tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly.

  • Ny lavadrano dia lavaka lalina izay misy rano ambanin'ny tany afaka mikorina ao anatin'izany.
  • Ny famorian-drano dia lavaka lalina ao anaty vato izay ampiasaina mba hamorina ny ranon'orana.
  • Ny famorian-drano indraindray dia lavaka lalina ao anaty vato ary namboarina tamin'ny sokay mba hitazomana ny rano ao anatiny. Ny "famorian-drano vaky" dia miseho rehefa vaky ny sokay ka mivoaka ny rano.
  • Ny famorian-drano matetika dia hita ao an-jaridainan'ny tranon'ny olona mba hanangonana ranon'orana izay mitete avy ao an-tafon'trano.
  • Ny lavadrano matetika dia hatao amin'ny toerana izay ahafahan'ny fianakaviana maro na fiaraha-monina rehetra mampiasa.
  • Satria ny rano dia nanan-danja tokoa tamin'ny olona sy ny biby fiompy, ny zo fampiasana ny lavadrano matetika dia mahatonga fifandirana sy ady.
  • Ny lavadrano sy ny famorian-drano matetika dia samy saromana vato lehibe mba hisorohana ny filatsahan-javatra ao anatiny. Ny siny sy ny tavy matetika dia asiana tady mba hisintomana rano miakatra.
  • Indraindray ny famorian-drano ritra dia ampiasaina mba ho toerana fanagadrana olona, toy izay niseho tamin'ny Josefa sy Jeremia.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ao anatin'ny fomba handikana ny "lavadrano" ny "lavadrano lalina" na "lavaka lalin'ny loharano" na "lavaka fisintoman-drano lalina."
  • Ny teny hoe: "famorian-drano" dia afaka adika hoe: "lavadrano vato" na "lavadrano lalina sy tery" na "lavaka fanangonan-drano any ambanin'ny tany."
  • Ireo teny ireo dia mitovy dika.

lavaka

Famaritana

  • Ny olona dia mandavaka lavaka mba hamandrihana biby na hitadiavana rano.
  • Ny lavaka ihany koa dia afaka hampiasaina ho toerana tsy maharitra hihazonana gadra.
  • Indraindray ny fehezanteny hoe "ny lavaka" dia maneho fasana na helo. Amin'ny fotoana hafa izany dia mety maneho "ny lavaka tsy hita noanoa."
  • Ny lavaka tena lalina ihany koa dia afaka antsoina hoe "lavaka fanangonan-drano."
  • Ny teny hoe "lavaka" ihany koa dia nampiasaina ambadika tamin'ny fehezanteny toy ny hoe "lavaky ny fahapotehana" izay mamaritra fa voafandrika ao anatin'ny toe-javatra mampidi-doza na tafiditra lalina ao anatin'ny fomba fanao mampisy fahotana sy manimba.

Lavaka tsy hita noanoa

Famaritana

Ny fomba fiteny hoe "lavaka tsy hita noanoa" dia ilazana lavaka na hantsana lehibe, lalina izay tsy misy fiafarany.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny "lavaka tsy hita noanoa" dia toerana famaizana.
  • Rehefa nandidy ny fanahy ratsy hiala tamin'ny olona iray i Jesosy ohatra, dia niangavy Azy izy ireo mba handefa azy ireo any amin'ny hantsana.
  • Ny teny hoe "lavaka tsy hita noanoa" dia azo adika ihany koa hoe "lavaka tsy misy fiafarana" na "hantsana lalina."
  • Io teny io dia tsy tokony ho adika mitovy amin'ny "fasana,'' na "helo."

lavenona, vovoka

Famaritana

Ny teny hoe "lavenona" dia ilazana ny vovoka miloko volon-davenona tavela rehefa may ny hazo. Indraindray izany dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana zavatra tsy misy dikany sy tsy misy ilaina azy.

  • Indraindray ny teny hoe "vovoka" ao amin'ny Baiboly dia ampiasaina rehefa hiresaka momba ny lavenona. Mety maneho ilay vovoaka manify, malama mety hiforona eo amin'ny tany maina.
  • Tamin'ny andro taloha dia mariky ny fisaonana na alahelo ny fipetrahana eo amin'ny lavenona.
  • Rehefa misaona, dia fomba tamin'izany ny manao lamba fisaonana marokoroko sy malailay ary mipetraka eo amin'ny lavenona na manaparitaka ny lavenona eo amin'ny loha.
  • Ny fanasiana lavenona eo amin'ny loha ihany koa dia mariky ny fahafaham-baraka sy fahamenarana.
  • Rehefa miezaka mafy ho ana zavatra tsy misy dikany ny olona iray, dia lazaina ho toy ny "mihinan-davenona."
  • Rehefa mandika ny hoe "lavenona" ianao, dia ampiasao ny teny ilazan'ny fiteny vao ho adika ny sisa tavela taorian'ny nahamaizan'ny hazo.

laza, fanta-daza

Famaritana

Ny teny hoe "laza" dia hilazana ny hoe fantatra tsara ary mendri-piderana.

  • Ny olona "fanta-daza" dia olona iray izay diso fantatra loatra ary ankasitrahana tokoa.
  • Ny "laza" dia maneho manokana ny laza tsara izay fantatra loatra mandritry ny vanim-potoana lava.
  • Ny tanàna izay "fanta-daza" matetika dia diso fantatra loatra nohon'ny harenany sy ny fanambinany.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "laza" ihany koa dia afaka adika hoe "laza ankasitrahana" na "halehibe izay diso fantatry ny olona loatra."
  • Ny fitenenana hoe "ho fanta-daza ao Israely anie ny anaran'ny Tompo" dia afaka adika hoe "Ho diso fantatra sy homen'ny vahoakan'Israely voninahitra anie ny anaran'ny Tompo."
  • Ny andian-teny hoe "olon'ny laza" dia afaka adika hoe "olona fanta-daza amin'ny herim-pon'izy ireo" na "mpiady fanta-daza" na "olona ankasitrahana tokoa."
  • Ny fitenenana hoe "ny lazanao dia maharitra amin'ny taranakao rehetra" dia afaka adika hoe mandritry ny taona maro ny olona dia handre momban'ny halebiazanao" na "ny halebiazanao dia hita sy ren'ny olona amin'ny taranaka rehetra."

lefona

Famaritana

Ny lefona dia fitaovam-piadiana izay vita amin'ny hazo lava tazonina amin'ny tanana ary dia misy vy maranitra eo amin'ny lohany ary dia fanapy izy io.

  • Ny lefona dia fitaovam-piadiana izay fampiasa tao amin'ny andron'ny Baiboly. Ary dia mbola misy vondron'olona mampiasa ireny rehefa miady amin'izao fotoana izao.
  • Ny lefona dia nampiasan'ny miaramila Romana mba hanindronana ny tratran'i Jesosy raha niantona tamin'ny hazo fijaliana izy.
  • Indraindray ny olona dia mampiasa lefona rehefa manjono na mihaza

lehibe

Famaritana

Ny teny hoe "lehibe" dia maneho ny mpitarika mahery nindrindra na manan-danja indrindra amin'ny vondrona iray manokana.

  • Ahitana ohatra amin'izany ny: "lehiben'ny mpitendry zava-maneno," "lehiben'ny mpisorona," "lehiben'ny mpamory hetra," ary "lehiben'ny mpanapaka."
  • Afaka hampiasaina ho an'ny lohan'ny fianakaviana manokana koa izany, toy ny ao amin'ny Genesisy 36 izay hiantsoana lehilahy sasany ho "lehiben'" ny fianakaviamben' izy ireo. Amin'ity hevitra ity, ny teny hoe "lehibe" dia afaka adika koa hoe "mpitarika" na ''ray mpitarika."
  • Raha ampiasaina hamaritana anarana, dia afaka adika hoe "mpitarika" na "mpanapaka," toy ny amin'ny "mpitendry mpitarika" na "mpisorona mpanapaka."

lehiben'ny mpisorona

Famaritana

Ny lehiben'ny mpisorona dia mpitarika fivavahana Jiosy manan-danja tamin'ny andro niainan'i Jesosy teto an-tany.

  • Ny lehiben'ny mpisorona dia tompon'andraikitra tamin'ny zavatra rehetra nilaina ho amin'ny fanompoam-pivavahana tao an-tempoly, izy ireo ihany koa dia niandraikitra ny vola izay nomena ho an'ny tempoly.
  • Avo kokoa izy ireo tamin'ny laharana sy fahefana noho ireo mpisorona tsotra. Ny lehiben'ny mpisorona irery no nanana fahefana bebe kokoa.
  • Ny lehiben'ny mpisorona dia sasany amin'ireo tena fahavalon'i Jesosy ary nitarika mafy ireo mpitarika Romana mba hisambotra sy hamono Azy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "lehiben'ny mpisorona" dia afaka adika koa hoe "lohan'ny mpisorona" na "mpisorona mpitarika" na "mpisorona mpanapaka."
  • Kendreo mba tsy hitovy amin'ny teny hoe "mpisoronabe" ny fandikana ity teny ity.

lehilahy hendry

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "lehilahy hendry" matetika dia maneho lehilahy izay manompo an'Andriamanitra ary miasa am-pahendrena, fa tsy amin'ny adalana. Izany ihany koa dia teny manokana izay maneho lehilahy manana fahalalana sy fahaizana hafa manompo tao amin'ny fitsaran'ny mpanjaka.

  • Indraindray ny teny hoe: "lehilahy hendry" dia hazavaina ao amin'ny lahatsoratra hoe: "lehilahy mitandrina" na "lehilahy manana fahazavan-tsaina." Izany dia maneho lehilahy miasa am-pahendrena sy am-pahamarinana satria mankato an'Andriamanitra izy ireo.
  • Ny hoe: "lehilahy marina" izay manompo ireo farao na mpanjaka hafa matetika dia izay nianatra momban'ny kintana, indrindra amin'ny fikarohana manokana ny fomba filaharan'ny kintana eny amin'ny lanitra.
  • Matetika ny lehilahy hendry dia hantenaina hanazava ny dikan'ny hoe nofy. Ohatra, Nebokadnezara Mpanjaka dia nanontany ireo lehilahiny mba hamaritra ny nofiny ary hilaza azy ny dikany, kanefa tsy nisy na iza na iza aminin'zy ireo afaka nanao izany, afa-tsy Daniela izay efa nandray izany fahalalana izany avy amin'Andriamanitra.
  • Indraindray ny lehilahy hendry ihany koa dia manao zava-mahagaga toy ny sikidy na fahagagana izay natao tamin'ny alalan'ireo herin'ny fanahy ratsy.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo vondrona lehilahy izay tonga avy any amin'ny faritra antsinanana dia nantsoina hoe: "magy," izay matetika adika hoe: "lehilahy hendry" satria azo heverina izany fa maneho an'ireo manam-pahaizana izay manompo ny mpitondra ny firenena antsinanana.
  • Azo heverina tokoa fa ireo lehilahy ireo dia mpanandro izay mianatra ny kintana.

Mihevitra ny sasany fa mety ho taranaky ny lehilahy hendry izay nampianarin'i Daniela izy ireo tamin'ny izy tany Babylona.

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny teny hoe: "lehilahy hendry" dia afaka adika amin'ny fampiasana ny teny hoe: " hendry" na amin'ny andian-teny hoe: "lehilahy manam-pahaizana" na "lehilahy nianatra" na teny hafa milaza lehilahy izay manana asa lehibe ho an'ny mpanapaka.
  • Rehefa andian-teny tsotra ny hoe: "lehilahy hendry", dia tokony adika amin'ny fomba mitovy ny ao amin'ny Baiboly ny hoe: "hendry."

lehilahy manapahalalana, manampahaizana amin'ny kintana

Famaritana

Ao amin'ny tantaran'ny nahaterahan'i Kristy ao amin'ny Matio, ireo "lehilahy manapahalalana" na "manampahaizana" dia "lehilahy hendry" izay nitondra fanomezana ho an'i Jesosy tao Betlehema fotoana taorian'ny nahaterahany. Mety ho "manampahaizana amin'ny kintana" izy ireo, izay olona nianatra ny kintana.

  • Ireo lehilahy ireo dia namakivaky toerana lavitra avy any atsinan'Isiraely. Tsy fantatra mazava tsara hoe avy aiza izy ireo na iza izy ireo. Fa ny fantatra dia izy ireo dia manam-pahaizana amin'ny fandinihana ny kintana.
  • Mety ho taranaka lehilahy hendry izy ireo izay nanompo ny mpanjakan'i Babilona tamin'ny andron'i Daniela ary izay nampiofanina tamin'ny zavatra maro, tao ny fianarana ny kintana ny famakiana ny nofy.
  • Ny fomba fiteny dia hoe lehilahy hendry na lehilahy manapahalalana telo izy ireo noho ilay fanomezana izay niisa telo nentin'izy ireo. Kanefa, ny Baiboly dia tsy milaza hoe firy izy ireo.

lela

Famaritana

Misy hevitra ambadika maro ny hoe "lela" ao amin'ny Baiboly.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny hevitra ambadika tena mahazatra indrindra ilazana an'io teny io dia "fiteny" na "teny."
  • Indraindray dia mety entina ilazana ny fiteny izay ampiasain'ny vondron'olona sasany ny "lela."
  • Ankoatra izay dia entina ilazana ny fiteny tsy fantatra izay omen'ny Fanahy Masina ho an'ireo mpino an'i Kristy ho "fanomezam-panahy" iray izany.
  • Ny fomba fiteny hoe: "Lelan'afo" dia ilazana ny "afo."
  • Ao amin'ny fomba fiteny hoe "miravo ny lelako," ny teny hoe "lela" dia maneho ilay olona manontolo.
  • Ny andian-teny hoe "lela mandainga'' dia maneho ny feo na tenin'ny olona iray.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "lela" dia azo adika hoe "fiteny" na "fiteny ara-panahy." Raha tsy mazava tsara izay tondroiny, dia tsara kokoa ny mandika izany hoe "fiteny."
  • Raha afo no resaka, io teny io dia azo adika hoe: "afo."
  • Ny fomba fiteny hoe "miraoravo ny lelako" dia azo adika hoe: "miravoravo aho ka midera an'Andriamanitra" na "midera an'Andriamanitra amin-karavoana aho."
  • Ny andian-teny hoe: "lela mandainga" dia azo adika hoe "olona milaza lainga" na "olona mandainga.''
  • Ny andian-teny toy ny hoe "amin'ny lelan'izy ireo" dia azo adika hoe: "amin'izay lazain'izy ireo" na "amin'ny tenin'izy ireo."

Leoparda

Famaritana

Ny leoparda dia tahaka ny saka fa lehibe ary bibidia miloko volontany ary misy teboteboka.

  • Ny leoparda dia karazana biby izay manenjika biby hafa ary dia minana azy ireo.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny loza mitranga tampoka dia ampitahana amin'ny leoparada, misaoty tampoka eny amin'ny hazany.
  • Daniela mpaminany sy Jaona Apostoly dia nilaza momban'ny fahitana izay nahitan'izy ireo ilay biby izay tahaka ny leoparda.

Liona

Famaritana

Ny liona dia bibidia lehibe, maka hendrika saka, ary manana hoho sy nify matanjaka mba hamonoany sy handrovitany ny hazany.

  • Ny liona dia manana vatana mafy ary mandeha mafy be ihany koa mba hisamborany ireo hazany. Ny volon'izy ireo dia fohy ary miloka volon-tany manompo volamena.
  • Ny liona lahy dia misy volo be manodidina ny lohany.
  • Ny liona dia mamono sy mihinana ireo biby hafa ary mety ho mapidi-doza ho an'ny olona ihany koa izy ireny
  • Tamin'ny mbola kely Davida mpanjaka, dia namono liona izy, liona izay saika hanafika ireo ondriny.
  • Samsona dia namono liona tamin'ny tanany ihany koa.

loha

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "loha" dia nampiasaina tamin'ny heviny ara-tsary teny maro.

  • Matetika io teny io dia nampiasaina mba hanehona ny fahefana eo amin'ny olona, tahaka ny ao amin'ny hoe "Ianao no nanao ahy ho lohan'ny firenena." Izany dia afaka adika hoe "Ianao no nanao ahy ho mpanapaka..." na "Ianao no nanome ahy ny fahefana amin'ny..."
  • Jesosy dia nantsoina hoe "lohan'ny fiangonana." Tahaka ny hoe lohan'olona izay mitondra sy manome baiko ny ratsam-batana rehetra, ka Jesosy no mampianatra sy mitarika ny ratsam-batany, izany hoe ny fiangonana.
  • Ny Testamenta Vaovao dia mampianatra fa ny lahy no "lohany" na fahefana eo amin'ny vavy ao amin'ny fanambadiana. Izy dia nomena ny andraikitra hitarika sy hitondra ny vadiny sy ny ankohonany.
  • Ny fomba fiteny hoe "tsy misy hareza hikasika ny lohany" dia midika hoe "izy dia tsy hanaratra mandrakizay ny volony."
  • Ny teny hoe "loha" dia afaka maneho ihany koa ny fiatombohana na ny loharanon'ny zavatra iray tahaka ny hoe "ny fiatombohan'ny lalana"
  • Ny fiteny hoe "ny lohan'ny voa" dia maneho ny tampon'ny vary maniry na ny tampon'ny vary hordea izay misy ny voa an'ilay vary.
  • Ny fomba fampiasa ny teny hoe "loha" ihany koa dia rehefa te-hilaza olona iray mihintsy tahaka ny hoe "ny lohan'ny Josefa" izay maneho an'i Josefa.
  • Ny fomba fiteny hoe "avelao ny ràn'izy ireo ho eo amin'ny lohany" dia midika hoe io lehilahy io dia tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'izy ireo koa dia hahazo ny sazy nohon'ny amin'izany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny teny hoe "loha" dia afaka adika hoe "fahefana" na "ilay iray izay mitondra sy mitantana" na "ilay iray izay tompon'andraikitra ny amin'ny"
  • Ny teny hoe "lohan'ny" dia afaka maneho ny vatan'ilay olona manontolo ka dia afaka adika amin'ny anaran'ilay olona fotsiny izany. Ohatra, "ny lohan'i Josefa" dia afaka atao hoe "Josefa"
  • Ny fomba fiteny hoe "ho eo amin'ny lohany" dia afaka adika hoe "ho eo aminy" na "ho voasazy noho izany izy" na "izy no tazomina ho tompon'andraikitra ny amin'ny" na "izy no atao ho meloka ny amin'ny."
  • Miankina amin'ny fotoana izay ampiasaina azy ihany, ny fomba hafa andikana izany dia hoe "fanombohany" na "loharano" na "mpanapaka" na "mpitarika" na "eo amin'ny tampony"

loholona

Famaritana

Ireo loholona dia ireo lehilahy matotra ara-panahy nanana andraikitra mpitarika ara-panahy sy ara-pomba teo amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

  • Ny teny hoe "loholona" dia avy amin'ny toe-javatra niseho hoe: lehilahy nahazo taona izay nanana fahendrena lehibe kokoa, nohon'ny taona sy ny zavatra efa niainan'izy ireo ny loholona tany am-boalohany.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha dia nanampy hitarika ny zanak'Israely teo amin'ny lafiny fitsarana ara-piarahamonina sy ny lalàn'i Mosesy ireo loholona.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo loholona Jiosy dia mpitarika teo amin'ny fiarahamonin'izy ireo hatrany sady mpitsaran'ny olona.
  • Tao amin'ny fiangonana Kristiana tany am-boalohany, ireo loholona Kristiana dia nanome sehatra fitarihana teo amin'ny fivondronan'ny mpino teo an-toerana.
  • Tafiditra tao amin'ny loholona tao amin'izany fiangonana izany ireo lehilahy tanora matotra ara-panahy.
  • Io teny io dia azo adika hoe "lehilahy zoky" na "lehilahy matotra ara-panahy izay mitarika ny fiangonana."

Lokanga

Famaritana

Ny lokanga dia zava-maneno misy tady, izay manana rafitra lehibe miaraka amin'ny tady mitsangana maromaro.

  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, dia kesika no nanamboarana ireny lokanga sy zava-maneno ireny.
  • Ny lokanga dia matetika tazomina amin'ny tanana ary dia tendrena eny am-pandehanana.
  • Ao amin'ny toerana maro ao amin'ny Baiboly, ny lokanga dia lazaina ho tahaka ny zava-maneno izay nampiasaina mba hiderana sy hankalazana an'Andriamanitra.
  • Davida dia nanoratra salamo be dia be izay ampiarahana amin'ny mozikan'ny lokanga.
  • Izy ihany koa dia nitendry lokanga ho an'i Saoly mpanjaka mba hampitony ny fanahian'ny fanahin'ny mpanjaka.

loza

Famaritana

Ny loza dia tranga izay mahatonga fahoriana be na fahafatesana amin'ny olona maro. Matetika ny loza dia aretina izay miparitaka faingana ary mahatonga olona maro ho faty mialohan'ny hifaranan'izany.

  • Ny loza sasany dia manana antony ara-boajanahary, fa ny sasany dia Andriamanitra mihitsy no mandefa azy mba hanasaziana ny olona nohon'ny fahotana.
  • Tamin'ny andron'i Mosesy, dia nandefa loza folo tamin'i Egypta Andriamanitra mba hanerena an'i Farao hamela ny Isiraely handao an'i Egypta. Ireo loza ireo dia rano nivadika rà, aretina ara-batana, fahasimban'ny vokatra tamin'ny biby kely sy havandra, telo andro maizina tenteraka, ary fahafatesan'ny zanaka lahy voalohany.
  • Izany koa dia afaka adika hoe "fiparitahan'ny loza hatraiza hatraiza" na "fiparitahan'ny aretina hatraiza hatraiza," miankina amin'ny zavatra resahana.

mafy hatoka, mafy loha

Famaritana

Ny teny hoe "mafy hatoka" dia fomba fiteny ao amin'ny Baiboly mba hamaritana olona izay tsy mitsahatra ny tsy mankatoa an'Andriamanitra ary tsy manaiky hibebaka. Izy ireo dia mirehareha sady tsy manaiky ny fahefan'Andriamanitra.

  • Ny teny hoe "mafy loha" dia midika hoe tsy manaiky hiova fisainana sy fihetsika na dia misy mandrisika hanao izany aza izy. Ny olona mafy loha dia tsy mihaino ny toro-hevitra tsara na fampitandremana izay hatolotry ny olona ho azy.
  • Ny Testamenta Taloha dia milaza fa ny Israelita dia "mafy hatoka" satria izy ireo dia tsy mihaino ny hafatra avy amin'ireo mpaminanin'Andriamanitra izay nandrisika azy ireo hibebaka sy hiverina makany amin'Yaveh.
  • Fomba hafa andikana izany teny izany ihany koa ny hoe "hendratrendratra" na "miavonavona sy tsy azo ahitsy" na "tsy manaiky miova"

mafy, hamafiny, manamafy

Famaritana

Ny teny hoe "mafy" dia manana dikany maro samihafa izay miankina amin'ny fotoana sy tranga hilazana azy. Izany matetika dia maneho zavatra sarotra, mila fikirizana na tsy mihozongozona.

  • Ny fomba fiteny hoe "mafy fo" na "mafy loha" dia maneho olona izay tsy manaiky manatsara ny fitondra-tenany mihintsy. Izany fomba fiteny izany dia mamaritra ireo olona izay miziriziry amin'ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra.
  • Ny sari-teny hoe "ny hamafin'ny fo" na "hamafin'ny fon'izy ireo" dia maneho ihany koa hoe mafy loha amin'ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra.
  • Raha misy olona mafy fo dia midika izany fa io olona io dia tsy manaiky ny hankatoa ary dia hiziriziry amin'ny tsy fibebehana.
  • Rehefa atao ao aorian'ny teny iray ny hoe "mafy" dia midika fa tena manao ny rehetra mba havitana ilay asa tsara, ohatra "miasa mafy" na "miezaka mafy"

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "mafy" dia afaka adika koa hoe "sarotra" na "mafy loha" na hoe "manosika," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny teny hoe "hamafiny" na "hamafin'ny fo" na "mafy fo" dia afaka adika hoe "hamafisan-doha" na "toetra mpikomy" na "fikomiana maharitra" na "mafy loha amin'ny tsy fankatoavana"
  • Ny fomba hafa mety andikany ny hoe "mafy loha" na "mafy fo" dia ny hoe "tsy manaiky ny hibebaka" na "tsy manaiky ny hankatoa"
  • Ny hoe "aza atao mafy ny fonao" dia afaka adika hoe "aza tsy manaiky hibebaka" na "aza miziriziry amin'ny tsy fankatoavana"
  • Amin'ny fomba fiteny tahaka ny hoe "miasa mafy" na "miezaka mafy" ny teny hoe "mafy" dia afaka adika hoe "amin'ny faharetana."
  • Ny fomba fiteny hoe "tsindrio mafy" dia afaka adika hoe "mifofotra amin'ny hery" na "atosika mafy amin'ny."
  • Ny hoe "mampahory ny olona amin'ny asa mafy" dia afaka adika hoe "manery ny olona hiasa mafy loatra ka hatonga azy ireo hijaly" na "mahatonga olona hijaly nohon' ny fanerena azy ireo hiasa mafy loatra"
  • Misy karazana "asa mafy" izay ny vehivavy ny manao azy dia ny fampiterahana ny zaza ao aminy.

mahalala mialoha, fahalalana mialoha

Famaritana

Ireo teny ireo dia midika hoe: efa nahafantatra mialoha fa hiseho ny zavatra iray.

  • Andriamanitra dia tsy voafetran'ny fotoana. Izy dia mahafantatra ny zava-drehetra izay efa nitranga tany aloha, ankehitriny, ary ny ho avy.
  • Io teny io matetika dia ampiasaina amin'ny foto-kevitra hoe efa fantatr'Andriamanitra mialoha izay ho voavonjy amin'ny alalan'ny fandraisana an'i Jesosy ho Mpamonjy.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "nahalala mialoha" dia afaka adika ihany koa hoe: "nahafantatra mialoha" na "nahafantatra fotoana mialoha" na "efa nahafantatra mialoha" na "efa nahalala mialoha."

mahalala, fahalalana, mampahalala

Famaritana

Ny hoe: "mahalala" dia midika hoe mahatakatra zavatra iray na tonga saina amin'ny zavatra iray. Ny teny hoe: "mampahalala" dia midika hoe: milaza ny fampahafantarana.

  • Ny teny hoe: "fahalalana" dia maneho ny fampahafantarana izay fantatry ny olona. Ao anatin'izany ny fahalalana ny tontolo fizika sy ara-panahy.
  • Ny hoe: "mahalala ny momba an'Andriamanitra" dia midika hoe: mahatakatra ny zava-misy momba Azy noho izay nasehony tamintsika.
  • Ny hoe: "mahalala an'Andriamanitra" dia midika hoe: manana fifandraisana Aminy. Ao anatin'izany ihany koa ny fahalalana ny olona.
  • Ny hoe: mahalala ny sitrapon'Andriamanitra dia midika hoe: mahafantatra izay handidiany na mahatakatra izay tiany ho ataon'ny olona iray.
  • Ny hoe: "mahalala ny Lalàna" dia midika hoe: mahafantatra izay nandidian'Andriamanitra na mahatakatra izay nampianarin'Andriamanitra tao amin'ny lalàna izay nomeny an'i Mosesy.
  • Indraindray ny hoe: "fahalalana" dia ampiasaina tahaka ny teny mitovy hevitra amin'ny "fahendrena" ary tafiditra ao anatin'izany ny fiainana araka ny fomba mahafaly an'Andriamanitra.
  • Ny "fahalalana an'Andriamanitra" indraindray dia ampiasaina ho mitovy hevitra amin'ny hoe: "tahotra an'Yaveh."

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Tafiditra ao anatin'ny fomba handikana ny hoe: "mahalala" ny "mahatakatra" na "mifankazatra amin'ny" na "nampahafantarina ny" na "mifandray amin'ny", arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny fiteny sasany dia manana teny roa samy hafa hilazana ny "mahalala" miankina amin'ny hoe: maneho ny fahalalana ny zava-misy na maneho ny fahalalana olona iray izay hananana fifandraisana.
  • Ny teny hoe: "mampahalala" dia afaka adika hoe: "mahatonga ny olona hahalala" na "mampiseho" na "milaza momba ny" na "manazava."
  • Ny hoe: "mahafantatra momba ny zavatra iray" dia afaka adika hoe: "tonga saina amin'ny" na "mifankazatra amin'ny."
  • Ny andian-teny hoe: "mahalala ny atao" dia midika hoe: mahatakatra ny dingana sy ny fomba hanatanterahana zavatra iray. Afaka adika ihany koa hoe: "afaka manao ny" na "manana ny fahaiza-manao hanao ny ... ."
  • Ny teny hoe: "fahalalana" dia afaka adika ihany koa hoe: "izay fantatra" na "fahendrena" na "fahatakarana," arakaraky ny foto-kevitra.

maharikoriko, mankahala

Famaritana

Ny teny hoe "maharikoriko" dia mamaritra zavatra izay tokony tsy tiana sy nolavina. Ny "mankahala" dia midika hoe tsy tiana mafy dia mafy.

  • Matetika ny Baiboly dia miresaka momban'ny fankahalana ny ratsy. Izany dia midika hoe mankahala sy mandà izany.
  • Andriamanitra dia nampiasa ny teny hoe "maharikoriko" mba hamaritana ireo fanao ratsin'ireo izay midere andriamanitra diso.
  • Ireo Israelita dia no didina mba "hankahala" ny mpanota, ny fitondran-tena tsy mendrika izay nataon'ny vondron'olona manodidina.
  • Andriamanitra dia nanao ny firaisana ara-nofo tsy mendrika rehetra hoe "maharikoriko"
  • Sikidy, famosaviana ary ny fanaovana sorona ny zazakely dia "maharikoriko" avy koa ho an'Andriamanitra.
  • Ny teny hoe "mankahala" dia afaka adika hoe "mandà mafy" na "raisina ho tena ratsy"
  • Ny teny hoe "maharikoriko" dia afaka adika ihany koa hoe "mahatsiravina" na "mendrika fandavana"
  • Rehefa ampiharina amin'ny olo-marina ny hoe "maharikoriko amin'ny" ratsy fanahy, dia afaka adika izany hoe "heverina fa tsy nirina" na "naharikoriko" na "nolaviny tamin'ny"
  • Andriamanitra nilaza tamin'ireo Israelita mba "hankahala" ireo karazana biby izay nambaran'Andriamanitra fa "tsy madio" ary tsy tsara atao sakafo. Afaka adika ihany koa hoe "tena tsy tiana" na "nolavina" na "raisina ho tsy azo ekena"

maharitra, faharetana

Famaritana

Ny teny hoe "maharitra" sy "faharetana" dia maneho ny fifikirana amin'ny toe-javatra sarotra. Matetika ny hoe maharitra dia mila fiandrasana.

  • Ny olona rehefa maharitra amin'ny olona iray, dia midika izany fa tia an'io olona io izy ireo ary mamela na inona na inona hadisoana ananan'io olona io.
  • Ny Baiboly dia mampianatra ny olon'Andriamanitra mba haharitra rehefa miatrika fahasarotana ary haharitra amin'ny hafa.
  • Nohon'ny famindram-pony, dia maharitra amin'ny olona Andriamanitra, na dia mpanota mendriky ny ho saziana aza izy ireo.

maharitra, faharetana

Famaritana

Ny teny hoe "maharitra" sy "faharetana" dia maneho fanaovana zavatra hatrany na dia mety sarotra na mandany fotoana ela aza izany.

  • Ny maharitra koa dia mety midika hoe mihetsika hatrany tahaka ny fomban'i Kristy na dia fitsapana mahamay na fotoan-tsarotra aza.
  • Raha manana "faharetana" ny olona iray dia midika izany fa mahavita manoy manao ny zavatra izay tokony ataony izy, na dia maharary na sarotra aza izany.
  • Ny finoana hatrany izay hampianarin'Andriamanitra dia mitaky faharetana, indrindra rehefa miatrika fampianarana diso.
  • Kendreo mba tsy hampiasa teny toy ny hoe "mafy loha" izay matetika manana hevitra ratsy.

mahatakatra, fahatakarana

Famaritana

Ny teny hoe: "mahatakatra" dia midika hoe mandre na mandray fampahafantarana sy mahafantatra ny dikany.

  • Ny hoe: "fahatakarana" dia afaka maneho "fahalalana" na "fahendrena" na fahafantarana ny fomba fanaovana zavatra.
  • Ny hoe mahatakatra olona iray ihany koa dia midika hoe mahafantatra ny fihetsem-pon'ilay olona.
  • Raha mbola nandeha tamin'ny lalana makany Emmasy, dia nataon'i Jesosy nahatakatra ny dikan'ny soratra masina momba an'i Mesia ireo mpanompony.
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny teny hoe: "mahatakatra" dia afaka adika hoe: "mahafantatra " na "mino" na "mahazo" na "mahafantatra ny dikan-javatra."
  • Matetika ny teny hoe "fahatakarana" dia afaka adika hoe: "fahalalana" na "fahendrena" na "fahamalinana."

mahatratra, nahatratra

Famaritana

Ny teny hoe "mahatratra" na "nahatratra" dia midika hoe nahazo ilay zavatra rehefa avy nanenjika izany. Na mety koa hoe manana fahefana eo amin'ny olona na zavatra iray. *Rehefa ny miaramila no "mahatratra" fahavalo, izany dia midika hoe naharesy izany fahavalo izany tamin'ny ady izy ireo. *Rehefa ny mpiremby no mahatratra ny hazany, dia midika izany fa nanenjika ka nahatratra izany hazany izany izy. *Raha mahatratra olona ny ozona, dia midika izany fa na inona na inona no lazaina tao dia hitranga amin'ilay olona izany ozona izany *Raha mahatratara olona ny tso-drano, izany dia midika fa ireo olona ireo dia hiaina izany fitahiana izany. *Miankina amin'ny foto-keviny, ny "mahatratra" dia afaka adika hoe "mandresy" na "misambotra" na "naharesy" na "manatratra" na "voa tanteraka" *Rehefa ampiasaina ho fampitandremana fa ny haizina, ny fanasaziana na ny fampihorohoroana dia hahatratra ireo olona noho ny otan'izy ireo dia midika izany fa ireo olona ireo dia hiaina izany zavatra ratsy izany raha tsy mibebeka. *Ny fehezanteny "Ireo teniko dia nahatratra ny rainareo" dia midika izany fa ireo fampianarana izay nomen'Yaveh ho an'ny razamben'izy ireo dia hatonga azy ireo hahazo sazy ankehitriny noho ny tsy fankatoavan'izy ireo izany fampianarana izany.


mahay, mahafeno fepetra

Famaritana

Ny teny hoe: "mahay" dia maneho ny fahazoana alalana handray tombontsoa sasan-tsasany na fantatra hoe manana fahaiza-manao sasan-tsasany.

  • Ny olona iray izay "mahafeno fepetra" amin'ny asa manokana dia manana ny fahaiza-manao ilaina sy fanofanana hanao ilay asa.
  • Ao amin'ny taratasy ho an'ny fiangonana Kolosiana, Paoly apostoly dia nanoratra fa Andriamanitra ilay Ray dia nanao ireo mpino ho "mahafeno fepetra" handray anjara amin'ny fanjakan'ny hazavana izay Azy. Izany dia midika fa Andriamanitra dia nanome azy ireo ny zava-drehetra izay nilain'izy ireo mba hiaina fiainana araka an'Andriamanitra.
  • Ny mpino dia tsy afaka mahazo alalana ho isan'ny fanjakan'Andriamanitra. Izy irery no mahafeno fepetra satria Andriamanitra nanavotra azy tamin'ny ràn'i Kristy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny hoe: "mahafeno fepetra" dia afaka adika hoe: "ary fitaovana" na "mahay" na "afaka," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny hoe: "mahatonga olona ho mahafeno fepetra" dia afaka adika hoe: "mahatonga ho ary fitaovana" na "mahatonga ho afaka" na "manome hery."

mahery, hery

Famaritana

Ny teny hoe "mahery" sy "hery" dia maneho fananana tanjaka na fahefana lehibe.

  • Matetika ny teny hoe "hery" dia teny hafa ilazana ny "tanjaka." Rehefa miresaka momba an'Andriamanitra, dia mety hidika hoe "fahefana" izany.
  • Ny andian-teny hoe: "lehilahy mahery" matetika dia maneho ireo lehilahy be herim-po sady mpandresy an'ady. Ireo antokon'olona mahatokin'i Davida izay nanampy hiaro azy dia nantsoina matetika hoe "lehilahy mahery."
  • Andriamanitra ihany koa dia antsoina hoe "Ilay mahery."
  • Io teny io dia mifandray amin'ny teny hoe "Mahery indrindra," izay famaritana mahazatra anehoana an'Andriamanitra, ary midika fa manana ny fahefana tanteraka Izy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "mahery" dia azo adika hoe: "mahagaga" na "tena matanjaka."
  • Ny teny hoe "ny heriny" dia azo adika hoe "ny fahefany."
  • Ao amin'ny Asan'ny Apostoly 7, Mosesy dia voafaritra ho "mahery amin'ny teny sy asa." Izany dia azo adika hoe: "Nanambara teny mahery avy amin'Andriamanitra i Mosesy ary nanao zava-mahagaga." na "Nanambara ny tenin'Andriamanitra tamin-kery i Mosesy ary nanao zava-mahagaga maro."
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny "asa mahagaga" dia azo adika hoe: "zava-mahagaga izay ataon'Andriamanitra'' na "fahagagana" na "Andriamanitra manao zavatra amin-kery.''
  • Ny teny hoe "hery" dia azo adika ihany koa hoe "hery lehibe."

mahery, manamafy

Famaritana

Ny teny hoe "mahery" dia maneho ny hoe mafy ara-batana, ara-pihetseham-po na ara-panahy. Ny "manamafy" dia midika hoe manao olona na zavatra ho mafy.

  • "Mahery" dia maneho ihany koa fa mahavita mitsangana manohitra ireo karazana hery mpanohitra.
  • Ny olona dia manana herin'ny sitrapo raha mahavita tsy mankany any amin'ny fankam-panahy izy.
  • Mpanoratra iray an'i Salamo no niantso an'Yaveh hoe Heriny, izay midika fa Andriamanitra dia manampy azy mba ho mahery izy.
  • Raha rindrina na trano no "natao mafy", izany dia midika fa olona no nanamboatra izany zavatra izany, mba hanamafy izany amin'ny vato na biriky mba hahafahan'izany miaritra amin'ny fanafihana.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Amin'ny ankapobeny, ny teny hoe "manamafy" dia afaka adika hoe "mahatonga ho mafy" na "mampatanjaka"
  • Amin'ny lafiny ara-panahy, ny fehezanteny hoe "hampeherezo ny rahalahinao" dia afaka adika hoe "hampirisiho ny rahalahinao" na "ampio ny rahalahinao mba haharitra"
  • Ny "mametraka tanjaka amiko tahaka ny fehikibo" dia midika hoe "mahatonga ahy ho mahery tanteraka, tahaka ny fehikibo eo amin'ny valahana"
  • Ny "amin'ny fahanginana sy fahatokiana no hisian'ny herinareo" dia midika hoe "ny miasa mangina sady mahatoky ao amin'Andriamanitra dia hahatonga anao ho mahery ara-panahy"
  • Ny "Hanavao ny herin'izy ireo" dia midika hoe "ho lasa mahery indray"
  • "manamafy ny rindrina" dia midika hoe "fanamafisana ny rindrina" na "manamboatra ny rindrina"
  • "Hanamafy anao Aho" midika hoe "Izaho hahatonga anao ho mahery"
  • "Ao amin'Yaveh irery ihany ny famonjena sy ny hery" dia midika hoe "Yaveh irery ihany no hanavotra antsika sy hanome hery antsika."
  • "Ny vaton'ny herinao" dia midika hoe "ilay iray izay azo hatokisana no mampahery ahy"
  • Ny "amin'ny herin'ny famonjen'ny tanany ankavanana" dia midika hoe: "izy dia nanavotra anao tamin'ny korontana tahaka ny olona izay miaro anao amin'ny tanany mahery"
  • Ny "amin'ny hery kely" dia midika hoe "tsy tena mafy" na "malemy".
  • Ny "amin'ny heriko iray manontolo" dia midika hoe "mampiasa ny fara-heriko"

mahitsy, ny fahitsiana

Famaritana

Ny teny hoe: "mahitsy" sy "ny fahitsiana" dia milaza ny fomba fanao izay manaraka ny lalàn'Andriamanitra.

  • Hevtry ny hoe mitsangana mahitsy ary mijery mivantana ny dikan'ireo teny ireo.
  • Ny olona iray izay "mahitsy" dia olona iray izay mankato ireo lalàn'Andriamanitra ary tsy manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapony.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Fomba fandikana ny hoe: "mahitsy" dia ahitana ny hoe: "miasa tsara" na "ilay iray izay miasa tsara" na "manaraka ny lalàn'Andriamanitra" na "mankato an'Andriamanitra" na "mitandrina amin'ny fomba tsara."
  • Ny teny hoe: "ny fahitsiana" dia afaka adika hoe: "madio fitondran-tena" na "tsara fitondran-tena" na "rariny."
  • Ny fehezanteny hoe: "mahitsy" dia afaka adika hoe: "ireo olona izay mahitsy" na "ireo olona mahitsy."

maka tahaka, mpaka tahaka

Famaritana

Ny teny hoe "maka tahaka" dia ilazana ny fandikana (ny fihetsika) olona iray, ary ny fanaovana tanteraka araka izay ataon'izany olona izany.

  • Ampianarina ireo Kristiana mba haka tahaka an'i Jesosy Kristy amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny hafa, tahaka ny nataon'i Jesosy.
  • Nilaza tamin'ny fiangonana tany am-boalohany i Paoly mba haka tahaka azy, tahaka ny nakany tahaka an'i Kristy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "maka tahaka" dia azo adika hoe: "manao zavatra mitovy amin'ny" na "manaraka ny ohatra."
  • Ny fomba fiteny hoe: "aoka ho mpaka tahaka an'Andriamanitra" dia azo adika hoe: "aoka ho olona izay manao tahaka an'Andriamanitra" na "aoka ho olona izay manao ireo karazan-javatra hataon'Andriamanitra."
  • Ny hoe "Lasa mpaka tahaka anay ianareo" dia azo adika hoe: "Nanaraka ny ohatray ianareo" na "Manao ireo karazan-javatra araka an'Andriamanitra izay hitanareo nataonay ianareo."

malala

Famaritana

Ny teny hoe "malala" dia midika ara-bakiteny hoe "olona izay tia". Izany matetika dia maneho ireo olona izay miray ara-nofo, amin'ny dika teny hafa.

  • Rehefa ny teny hoe "malala" no ampiasaina ao amin'ny Baiboly , dia matetika maneho olona izay miray ara-nofo amin'ny olona tsy vadiny.
  • Izany firaisana ara-nofo tsy mendrika izany matetika nampiasaina ao amin'ny Baiboly rehefa milaza ny tsy fankatoavan'Isiraely an'Andriamanitra amin'ny fanompoan'izy ireo sampy. Noho izany ny teny hoe "ireo malala" dia afaka ampiasaina ihany koa ara-tsari-teny mba hanehoana ireo sampy izay no tompoin'ireo vahoakan'Isiraely. Amin'izany foto-kevitra izany, io teny io dia afaka adika hoe "namana tsy mendrika" na "namana amin'ny fijangajangana" na "sampy"
  • Ny hoe "malala" vola dia olona izay manome lanja be loatra ny fahazoana vola sy ny ampampanakarena azy.
  • Ao amin'ny bokin'ny Testamenta Taloha, Tono-kiran'i Solomona, ny teny hoe "malala" dia nampiasaina tamin'ny heviny tsara.

malemy fanahy, halemem-panahy

Famaritana

Ny teny hoe hoe "malemy fanahy" dia mamaritra ny olona iray izay tsara fanahy, mora manaiky, ary vonona ny hiaritra ny tsy rariny. Ny halemem-panahy dia ny fahafahana ho tsara fanahy na rehefa ny fahasiahana sy ny hery aza no toa mety kokoa.

  • Ampifandraisina amin'ny fanetren-tena matetika ny halemem-panahy.
  • Io teny io dia azo adika ihany koa hoe "tsara fanahy" na "tsara toetra" na "mahari-po."
  • Ny teny hoe "halemem-panahy" dia azo adika hoe: "hatsaram-panahy" na "fanetren-tena."

malina

Famaritana

Ny teny hoe "malina" dia mamaritra olona izay mieritreritra tsara momban'izay zavatra ataony sy fandraisana fanapahan-kevitra hendry.

  • Matetika ny hoe "malina" dia maneho ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra hendry momban'ny raharaha ara-batana, toy ny fitantanam-bola na fananana.
  • Na dia mitovy hevitra aza ny hoe "fahamalinana" sy "fahendrena," dia matetika ny "fahendrena" mivelatra kokoa ary mifantoka amin'ny raharaha ara-panahy na ar-moraly.
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny hoe "malina" dia afaka adika koa hoe "mahiran-tsaina" na "mitandrina" na "hendry."

Malina

Famaritana

Ny teny hoe "malina" dia mamaritra olona izay maranin-tsaina, indrindra amin'ny zavatra atao.

  • Matetika ny teny hoe "malina" dia manana hevitra ratsy satria ahitana fitiavan-tena foana izany.
  • Ny olona malina dia mifantoka amin'ny fanampiana ny tenany foana, fa tsy ny hafa.
  • Ireo fomba hafa handikana ity teny ity dia ahitana ny hoe "fetsy" na "mahay" na "maranin-tsaina," miankina amin'ny zavatra resahana.

maloto

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "maloto", dia hevitra ambadika ilazana ireo zavatra izay nambaran'Andriamanitra fa tsy mety ho an'ny olony ny mikasika, mihinana, na manao sorona izany.

  • Andriamanitra nanome torolalana ireo Israelita momban'ireo biby "madio" sy ireo biby "maloto." Ny biby maloto dia tsy navela natao sakafo na atao sorona.
  • Ireo olona misy aretin-koditra sasany dia nolazaina fa "maloto" mandra-pahasitrany.
  • Raha mikitika zavatra "maloto" ireo Israelita, dia heverina ho maloto ny tenan'izy ireo mandritra ny fotoana maro.
  • Ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra momba ny tsy fikasihana na fihinanana ireo zavatra maloto no mahatonga ireo Israelita voatokana ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra.
  • Izany fahalotona ara-batana sy ara-pomba izany ihany koa dia marika fahalotoana ara-pitondran-tena.
  • Amin'ny hevitra ambadika hafa, ny "fahalotoan'ny fanahy" dia maneho fanahy ratsy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe: "maloto" dia afaka adika hoe: "tsy madio" na "tsy mendrika eo imason'Andriamanitra" na "maloto ara-batana" na "voaloto."
  • Rehefa ny demonia no resahina ho fanahy maloto, ny "maloto" dia afaka adika hoe: "ratsy" na "voaloto."
  • Ny fandikana izany teny izany dia tokony haneho ny fahalotoana ara-panahy. Tokony afaka maneho ny zavatra rehetra izay nambaran'Andriamanitra ho maloto raha kasiana, hohanina, na atao sorona izany.

mamadika, mpamadika

Famaritana

Ny teny hoe: "mamadika" dia midika hoe manao zavatra izay mandiso fanantenana na manao ratsy amin'ny olona iray. Ny "mpamadika" dia ilay olona izay mamadika ny namany nahatoky azy.

  • Jodasy no "mpamadika" satria izy niteny tamin'ireo Jiosy ny fomba hisamborana an'i Jesosy.
  • Ny famadihana nataon'i Jodasy dia ratsy tokoa satria izy dia apostolin'i Jesosy nandray vola ho takalon'ny fanomezany fampahafantarana ny lehiben'ny Jiosy ka nahatonga ny fahafatesana tsy rarin'i Jesosy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Arakaraky ny foto-kevitra, ny teny hoe: "mamadika" dia afaka adika hoe: "mandiso fanantenana ary manao ratsy" na "mitodika amin'ny fahavalo" na "olona izay mamadika" na "roa loha" na "mpamadika."

mamafa, voafafa

Famaritana

Ny hoe "mamafa" na "voafafa" dia maneho fihetsika aingana izay manala ny loto amin'ny fampiasana kifafa na borosy. Ireo teny ireo ihany koa dia ampiasaina anaovana sari-teny.

  • Ny teny hoe "mamafa" dia nampiasaina mba hanehoana an-tsari-teny ny fomba fanafian'ny tafika amin'ny fihetsika haingam-pandeha, misy vokany ary amin'ny fihetsika mahatakatra alavitra.
  • Ohatra: Isaia naminany fa ny Asyriana dia "hamafa" ny fanjakan'i Joda. Izany dia midika fa izy ireo dia handrava an'i Joda sy hisambotra ny olony.
  • Ny teny hoe "mamafa" dia afaka ampiasana mba hamaritana ny fomba izay hanosehan'ny rano zavatra ka manery azy ireo mba hiala alavitra.
  • Ny hoe manana zavatra "hamafa ny" olona dia midika fa hoe hisy zavatra mapatahotra na sarotra izay hitranga aminy.

mamafy, mpamafy, mamboly

Famaritana

Ny "mamafy" dia midika hoe mametraka voa ao anaty tany mba hampamokatra voly. Ny "mpamafy" dia olona izay mamafy na mamboly voa.

  • Ny fomba fambolena dia miovaova, fa ny iray amin'ireo dia ny maka voa be dia be amin'ny tanana ary dia manaparitaka izany amin'ny tany.
  • Ny fomba hafa ihany koa dia ny mandavaka eo amin'ny nofon-tany ary mametraka ireo voa ao anatin'ireo lavaka.
  • Ny teny hoe "mamafy" dia afaka atao sari-teny ilazana ny hoe "ny olona dia hijinja izay nafafiny". Izany dia midika fa raha manao ny ratsy ny olona iray dia hahazo vokatra ratsy. Ary raha manao tsara kosa dia hahazo vokatra tsara.

mamaly faty, famaliana, valifaty

Famaritana

Ny "mamaly faty" na ny "manao valifaty" na "manatanteraka valifaty" dia manafay olona iray mba hiverina aminy ny ratsy nataony.

  • Matetika ny "mamaly faty" dia midika fikasana ny hahita ny rariny hihatra na hanitsy ny diso.
  • Rehefa olona no resahina, ny fiteny hoe "mamaly faty" na "manao valifaty" dia midika faniriana ny hiverenan'ny ratsy amin'ilay olona nanao izany.
  • Rehefa "mamaly faty" Andriamanitra na "manatanteraka ny famaliana," dia miasa am-pahamarinana Izy satria manasazy ny fahotana sy ny fikomiana.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba fiteny hoe: "mamaly faty" olona iray dia azo adika ihany koa hoe "manitsy ny fahadisoana" na "mahazo rariny nohon'ny."
  • Rehefa olombelona no resahina, ny "mamaly faty" dia azo adika hoe "mamerina" na "mamely mba hanafay" na "miverina amin'ny."
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny "valifaty" dia azo adika hoe "famaizana" na "sazin'ny ota" na "fanonerana ny ratsy natao."
  • Rehefa miteny hoe "hanao ny famaliako" Andriamanitra, dia azo adika amin'ny hoe: "hanafay azy ireo nohon'ny fahadisoana nataony tamiko" na "hahatonga zava-dratsy satria nanota tamiko izy ireo."
  • Raha miresaka momba ny famalian'Andriamanitra, dia ezaho mba hazava tsara fa marina amin'ny famaizany nohon'ny ota Andriamanitra.

mamitaka, famitahana, fitaka

Famaritana

Ny teny hoe "mamitaka" dia midika hoe manosika ny olona hino zavatra tsy marina. Ny fanaovana izany fihetsika izany dia antsoina hoe "famitahana".

  • Teny hafa, "fitaka" dia maneho ihany koa ny fihetsika izay mahatonga olona hino zavatra izay tsy marina.
  • Ny olona izay mahatonga ny olona hafa hino zavatra diso dia "mpamitaka". Ohatra, Satana antsoina hoe "mpamitaka." Ireo fanahy ratsy izay baikoany dia mpamitaka ihany koa.
  • Ny olona, fihetsika na hafatra izay tsy marina dia azo atao hoe "fitaka"
  • Ny teny hoe "famitahana" sy "fitaka" dia mitovy dika ihany, fa misy mampiavaka kely azy ireo ihany eo amin'ny fomba fampiasa azy ireo.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Fomba hafa andikana ny "mamitaka" dia mety ahitana ny hevitra hoe "mandainga" na "mahatonga hananana finoana diso" na "mahatonga olona hieritreritra zavatra izay tsy marina".
  • Ny teny hoe "namitaka" dia afaka adika koa hoe "mahatonga hieritreritra zavatra diso" na "nandainga" na "vaofitaka"
  • Mpamitaka" dia azo adika hoe "mpandainga" na "olona izay mamitaka" na "olona izay mamitaka"
  • Miankina amin'ny tranga miseho, ny teny hoe "fitaka" na "famitahana" dia azo adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "lainga" na "tsy marina"
  • Ny teny "fitaka" dia afaka adika amin'ny teny hoe "tsy marina" na "lainga" mba hanamaritana olona izay miresaka na miasa amin'ny fomba izay mahatonga ny hafa hino zavatra tsy marina.

mamo, mamo lava

Famaritana

Ny teny heo "mamo" dia midika hoe be loatra ny alikaola ao amin'ny tena noho ny fisotroana toaka be loatra.

  • Ny "mamo lava" dia olona mamo matetika. Izany karazan'olona izany dia antsoina koa hoe "mpiboboka toaka"
  • Ny Baiboly miteny amin'ireo mpino mba tsy ho mamon'ny toaka, fa kosa mba ho baikon'ny Fanahy Masin'Andriamanitra.
  • Ny Baiboly mampianatra fa ny fahamamoana dia tsy fahendrena sy fitarihana ny olona hanota amin'ny fomba hafa.
  • Fomba hafa afaka andikana ny hoe "mamo" dia mety ahitana ny hoe "be alikaola be lotra ao anaty" na "feno zava-pisotro misy alikaola."

mamono (manalefaka)

Famaritana

Ny teny hoe: "mamono" dia midika hoe manala na manajanona zavatra iray izay mangataka ny ho afa-po.

  • Io teny io matetika dia ampiasaina amin'ny resaka momba ny fanalefahana ny hetaheta ary midika hoe mitsahatra amin'ny hetaheta amin'ny alalan'ny fisotroana zava-pisotro.
  • Izany ihany koa dia afaka ampiasaina mba haneho ny famonoana afo.
  • Ny hetaheta sy ny afo dia samy vonoina na lefahana amin'ny rano.
  • Paoly dia mampiasa ny teny hoe "mamono" amin'ny hevitra ambadika rehefa mampianatra ireo mpino mba tsy "hamono ny Fanahy Masina." Izany dia midika hoe tsy manakivy ny olona amin'ny famelana ny Fanahy Masina hamokatra voa sy fanomezana ao amin'izy ireo. Ny famonoana ny Fanahy Masina dia midika hoe manao zavatra izay manakana ny Fanahy Masina amin'ny fanomezana malalaka ny heriny sy ny fiasany amin'ny olona.

mamono ny , mamafa ny

Famaritana

Ireo teny hoe: "mamono ny" na "mamafa ny" dia fomba fiteny izay midika hoe: manala tanteraka na manimba zavatra na olona.

  • Afaka atao tso-drafitra ny hevitry ny fampiasana ireo fomba fiteny ireo, toy ny hoe: tamin'Andriamanitra "namafa ny" ota tamin'ny alalan'ny famelana azy ireo sy fisafidianana ny tsy hahatsiaro izany.
  • Matetika ihany koa ny hevitr'izany dia atao mivadi-drafitra, toy ny hoe: tamin'Andriamanitra "namono ny" na "namafa" ny vondron'olona, namotika azy ireo noho ny fahotan'izy ireo.
  • Ny Baiboly dia miresaka momba ny anaran'olona izay "voavono" na "voafafa" tao amin'ny bokin'ny fiainan'Andriamanitra, izay midika fa ilay olona dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ireo fomba fiteny ireo dia afaka adika hoe: "manafoana" na "manala" na "manimba tanteraka" na "manala tanteraka," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Rehefa ny fanalana ny anaran'olona iray ao amin'ny Bokin'ny Fiainana no resahana, dia afaka atao hoe: "nesorina tao amin'ny" na "nofafaina."

mamono, voavono

Famaritana

Ny "mamono" dia mety midika hoe mamono amin'ny fomba feno abibiana.

  • Rehefa biby no resahana na olona maro dia ny teny hoe "famonoana" matetika no ampiasaina.
  • Ny teny hoe "ireo voavono" dia afaka adika hoe "ireo olona voavono" na "ireo olona izay novonoina"

mamorona, zavaboahary, Mpahary

Famaritana

Ny teny hoe "mamorona" dia midika hoe manamboatra zavatra, na mampisy zavatra. Na inona na inona voaforona dia antsoina hoe "zava-boahary." Andriamanitra dia antsoina hoe "Mpahary" satria Izy no nampisy ny zavatra rehetra eto amin'izao rehetra izao mba hisy.

  • Ity teny ity rehefa ampiasaina hanehoana an'Andriamanitra mamorona izao tontolo izao, dia midika izany fa nataony avy tamin'ny tsy misy izany.
  • Ny olombelona rehefa "mamorona" zavatra, dia midika izany fa nataon'izy ireo avy tamin'ny zavatra efa nisy izany.
  • Indraindray ny hoe "mamorona" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hamaritana zavatra tsy hita maso, toy ny hoe mamorona fiadanana na mamorona fo madio oa anatin'ny olona iray.
  • Ny teny hoe "zava-boahary" dia afaka maneho ny tena fiantombohan'izao tontolo izao tamin'Andriamanitra namorona ny zavatra rehetra voalohany. Izany koa dia afaka ampiasaina hanehoana amin'ny ankapobeany ny zavatra rehetra izay noforonin'Andriamanitra. Indraindray ny teny hoe "zava-boahary" dia maneho manokana ny olona eto amin'izao tontolo izao ihany kokoa.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fiteny sasany dia mety manana teny hilazana mivantana fa Andriamanitra dia namorona izao tontolo izao "tamin'ny tsy misy" mba hazoana antoka fa mazava tsara ny dikan'ity.
  • Ny fehezanteny hoe "nanomboka tamin'ny fahariana izao tontolo izao" dia midika hoe "nanomboka tamin'ny fotoana naharian'Andriamanitra izao tontolo izao."
  • Fehezanteny mitovitovy hoe "tamin'ny fiantombohan'ny famoronana" dia afaka adika hoe "Rehefa nahary izao tontolo izao Andriamanitra tamin'ny fiantombohan'ny voalohany" na "tamin'izao tontolo izao nohariana voalohany."
  • Ny fitoriana ny vaovao mahafaly "amin'ny zava-boahary rehetra" dia midika hoe mitory ny vaovao mahafaly "amin'ny olona rehetra maneran-tany."
  • Ny fehezanteny hoe "Avelao hifaly ny zava-boahary rehetra" dia midika hoe "Avelao hifaly ny zavatra rehetra izay noharian'Andriamanitra."
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny hoe "mamorona" dia afaka adika hoe "manamboatra" na "mampisy" na "manamboatra avy amin'ny tsy misy."
  • Ny teny hoe "Mpahary" dia afaka adika hoe "ilay Iray izay namorona ny zavatra rehetra" na "Andriamanitra, izay namorona an'izao tontolo rehetra izao."
  • Ny fehezanteny hoe "ilay Mpahary anao" dia afaka adika hoe "Andriamanitra, ilay nahary anao."

mamotopototra (mangataka)

Famaritana

Ny teny hoe "mamotopototra" dia midika fangatahana fampahafantarana amin'ny olona iray. Ny fomba fiteny hoe "mangataka amin'i" dia ampiasaina matetika ilazana ny fangatahana fahendrena na fanampiana amin'Andriamanitra.

  • Ny Testamenta Taloha dia mirakitra ohatra maro izay nangatahan'ny olona an'Andriamanitra.
  • Io teny io ihany koa dia azo ampiasaina ilazana mpanjaka na olom-panjakana iray izay manao fanadihadiana amin'ny alalan'ny zavatra voarakitra an-tsoratra.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny "mamotopototra" dia azo adika hoe "mangataka" na "mangataka fampahafantarana."
  • Ny fomba fiteny hoe "mangataka amin'i Yaveh" dia azo adika hoe "mangataka ny fitantanan'i Yaveh" na "manontany amin'i Yaveh izay hatao."
  • Ny "mamotopototra" zavatra iray dia azo adika hoe "mametraka fanontaniana momba ny" na "mangataka fampahafantarana momba ny."
  • Rehefa miteny Yaveh hoe: "tsy ho anontanianareo Aho" dia azo adika izany hoe: "tsy hamela anareo hangataka fampahafantarana amiko Aho" na "tsy hahazo alalana ny hitady fanampiana avy aty Amiko ianareo."

mampahatezitra

Famaritana

Ny teny hoe "mampahatezitra" dia midika hoe mahatonga olona iray hiaina fihetseham-po na fahatsapana ratsy.

  • Ny hoe mampahatezitra olona dia midika hoe manao zavatra izay mety hahatonga olona iray ho tezitra. Izany koa dia afaka adika hoe "manao izay mampahatezitra."
  • Raha ampiasaina amin'ny teny toy ny hoe: "aza mihantsy azy," izany dia azo adika hoe "aza mampatezitra azy." na "aza manao izay hahtezitra" na "aza atao tezitra aminareo izy."

Mampahery, fampaherezana

Famaritana

Ny teny hoe "mampahery" sy "fampaherezana" dia ilazana ny fitenenana na fanaovana zavatra mba hahatonga ny olona iray hanana herin-tsaina, fanantenana, toky, ary herim-po.

  • Ny teny mitovitovy amin'izany dia hoe "mamporisika," izay midika fanosehana ny olona iray mba handà ny fanaovana asa ratsy ary hanao zavatra tsara sy marina kosa.
  • Nampianatra an'ireo Kristiana mba hifamporisika hitia sy hanompo ny hafa i Paoly apostoly sy ireo mpanoratra hafa ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, fomba azo andikana ny "mampahery" koa ny hoe: "maporisika" na "mampionona'' na "milaza teny malefaka" na "manampy sy manohana."
  • Ny fehezanteny hoe: "manome teny fampaherezana" dia midika hoe "manambara teny izay mahatonga ny olona hafa hahatsapa hoe tiana, ekena, ary ampatanjahina."

mampahory, fampahoriana, mpampahory

Famaritana

Ny teny hoe "mampahory" na "fampahoriana" dia maneho ny fitondrana olona amin'ny fomba entitra. Ny "mpampahory" dia olona izay mampahory ny olona. *Ny teny hoe "fampahoriana" dia maneho indrindra ny tranga fampijaliana na fandevozanan'ireo olona lehibe sady matanjaka ny olona izay ao ambanin'ny fahefany sy ny heriny. *Ny teny hoe "nampahoriana" dia mamaritra ny olona izay nanaovana fihetsika ratsy. *Matetika ny firenena fahavalo sy ny mpanapaka eo aminy no nampahory ny vahoakan'Isiraely.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

*Miankina amin'ny zava-misy ny heviny; ny teny hoe "mampahory" dia afaka adika hoe "mampijaly mafy" na "mahatonga vesatra" na "manao fanandevozana" na "manjaka amin'ny fomba entitra" *Ny fomba hafa andikana ny "fampahoriana" dia mety hoe "famoretana sy fanandevozana mavesatra" na "fanaraha-maso mavesatra" *Ny fomba hafa andikana ny hoe "ireo nampahoriana" dia hoe "vahoaka nampahoriana" na "olona nanandevozana amin'ny fomba mampiori-koditra" na "ireo izay nampijaliana" *Ny teny hoe "mpampahory" dia afaka adika hoe "olona izay mampahory" na "firenena izay manara-maso sy manjaka amin'ny fomba entitra" na "mpanenjika"


mampianatra, fampianarana, mpampianatra, nampianarina

Famaritana

Ny teny hoe "mampianatra" sy "fampianarana" dia ilazana ny fanambarana amin'ny olona hafa ny fampahalalana izay tsy hain'izy ireo teo aloha. Matetika izany fampahalalana izany dia omena amin'ny fomba mihaja na misy rafitra.

  • Ny "mpampianatra" dia olona iray izay mampianatra.
  • Tamin'ny nampianatra i Jesosy, dia nanazava ireo zavatra momba an'Andriamanitra sy ny fanjakany Izy.
  • Ireo mpianatr'i Jesosy dia niantso Azy hoe "Mpampianatra" mba ho fomba fiantsoana heni-kaja ny olona iray izay nampianatra ny olona momba an'Andriamanitra.
  • Ny fampahalalana izay ampianarina dia mety haseho na lazaina.
  • Ny teny hoe "foto-pampianarana" dia ilazana ireo karazam-pampianarana avy amin'Andriamanitra momba Azy ihany sy ny toro-lalan'Andriamanitra amin'ny fomba fiainana. Azo adika ihany koa izay hoe "fampianarana avy amin'Andriamanitra" na "izay ampianarin'Andriamanitra antsika."
  • Ny andian-teny hoe "izay nampianarina anareo" dia azo adika hany koa hoe: "izay nampianarin'ireo olona ireo anareo" na "izay nampianarin'Andriamanitra anareo," arakaraka ny foto-kevitra ihany.
  • Ny fomba hafa azo andikana ny "mampianatra" dia: "milaza" na "manazava" na "manoro lalana."
  • Matetika io teny io dia azo adika hoe: "fampianarana ny olona momba an'Andriamanitra."

mampijaly, mandratra

Famaritana

Ny "mampijaly" olona iray dia midika hoe mitondra ny olona iray amin'ny fomba tsy rariny sy tsy marina.

  • Ny "mampijaly" dia midika fanaovana zava-dratsy na mafy amin'ny olona, izay mandratra ara-batana sy ara--pihetseham-pon'izany olona izany.
  • Ny "mandratra" dia mivelatra kokoa ary midika hoe: "mandratra ny olona amin'ny fomba maro." Matetika izany dia midika hoe: "ratra ara-nofo."
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ireo teny ireo ihany koa dia afaka adika hoe: "manao ny tsy mety" na "mitondra amin'ny tsy rariny" na "mamely ny olona" na mitondra ny olona amin'ny fomba maharary" na "mandratra."

manafaka

Famaritana

Ny teny hoe "manafaka" dia midika fanambarana ara-dalàna fa tsy meloka nohon'ny fitondran-tena tsy araka ny lalàna na maloto izay niampangana azy ny olona iray.

  • Io teny io matetika dia ampiasaina ao amin'ny Baiboly mba hilazana ny famelan-keloka.
  • Matetika ny foto-kevitr'izany dia momba ny fanafahana ny olona ratsy fanahy sy mikomy amin'Andriamanitra.
  • Azo adika hoe: "manambara fa tsy manan-tsiny" na "mitsara azy ho tsy meloka."

manafaka, mpanafaka, fanafahana

Famaritana

Ny teny hoe "manafaka" olona dia midika hoe mamonjy izany olona izany. Ny teny hoe "mpanafaka" dia maneho ilay olona izay hanavotra na hanafaka ireo olona amin'ny fanandevozana, fampahoriana na amin'ny loza. Ny teny hoe "fanafahana" dia maneho izay hitranga rehefa manavotra na manafaka ireo olona amin'ny fanandevozana, fampahoriana na amin'ny loza ny olona iray.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia nanendry mpanafaka mba hiaro ireo Israelita tamin'ny alalan'ny fitondrana azy ireo hiady amin'ireo vondron'olona izay tonga hanafika azy ireo.
  • ireo mpanafaka ireo dia nantsoina ihany koa hoe "mpitsara" ary ny bokin'ny Mpitsara ao amin'ny Testamenta Taloha dia mirakitra ny fotoana teo amin'ny tantara rehefa nanjaka an'Israely ireo mpitsara ireo.
  • Andriamanitra dia nantsoina ihany koa hoe Ilay "mpanafaka". Nandritran'ny tantara an'Israely, Izy no nanafaka sy namonjy ny vahoakany tamin'ireo fahavalony.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha amin'ny hoe fanampiana olona hitsoaka amin'ny fahavalo, ny teny hoe "manafaka" dia afaka adika hoe "mamonjy" na "manavotra"
  • Ny teny hoe "mpanafaka" dia afaka adika ihany koa hoe "mpamonjy" na "mpanavotra"
  • Raha maneho ireo mpitsara izay nitarika an'Israely ny teny hoe "mpanafaka" dia afaka adika hoe "governora" na "mpitsara" na "mpitarika"

manaiky

Famaritana

Ny teny hoe "manaiky" dia midika fanomezana fankatoavana manokana ny zavatra na olona iray.

  • Ao anatin'ny fanekena an'Andriamanitra ihany koa ny fananana toetra izay mampiseho fa marina izay lazainy.
  • Ireo olona izay manaiky an'Andriamanitra dia mampiseho izany amin'ny fankatoavana Azy, izay manome voninahitra ny anarany.
  • Ny fanekena ny zavatra iray dia midika finoana fa marina izany, arahina asa sy teny izay manamafy izany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ao amin'ny fehin-kevitra hanekena fa marina ny zavatra iray, ny "manaiky" dia azo adika hoe "miaiky" na "manambara" na "manaiky fa marina" na "mino."
  • Raha ilazana fanekena olona iray indray, io teny io dia azo adika hoe "manaiky" na "miaiky ny lanjan'ny" na "milaza amin'ny hafa fa."

manaiky

Famaritana

Ny teny hoe "manaiky" dia matetika midika hoe manaiky an-tsitrapo hoe mametraka ny tena ho ambanin'ny fahefan'ny olona na fanjakana.

  • Ny Baiboly dia milaza fa ny mpino ao amin'i Jesosy dia manaiky an'Andriamanitra sy ireo manam-pahefana hafa eo amin'ny fiainany.
  • Ny fampianarana hoe "mifanaiky" dia midika hoe manaiky am-panetren-tena ny fanitsiana ary mifantoka amin'izay ilain'ny hafa noho ny amin'izay ilainao.
  • Ny hoe "miaina amin'ny fanekena" dia midika hoe mametraka ny tenanao ambaniny fahefan'olona na zavatra .

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "manaiky" dia afaka adika hoe "mametraka eo ambanin'ny fahefan'ny" na "manaraka ny fitondran'ny" na "manaja sy manome voninahitra am-panetren-tena.
  • Ny teny hoe "manaiky" dia afaka adika ihany koa hoe "fankatoavana" na "manaraka ny fahefan'ny"
  • Ny teny hoe "miaina am-panekena" dia afaka adika ihany koa hoe "mankatoa an'ny" na "mametraka ny tenanao eo ambanin'ny fahefan'ny"
  • Ny teny hoe "manaiky an'ny" dia afaka adika hoe "manaiky am-panetren-tena ny fahefan'ny"

manala baraka, fanalam-baraka

Famaritana

Ny teny hoe "manala baraka" dia midika hoe mampamenatra olona. Izany dia fanao eo imason'olona. Ny fihetsika izay mahatonga olona ho menatra dia antsoinan hoe "fanalam-baraka."

  • Rehefa mampanetry tena olona Andriamanitra dia midika izany fa Izy dia manosika ny olona feno avonavona mba hiaina ny tsy fahombiazana mba hanampiana azy handresy ny avonavony. Izany dia samihafa amin'ny fanalam-baraka olona izay matetika natao mba handratrana izany olona izany.
  • Ny "manala baraka" dia afaka adika hoe "mampamenatra" na "mahatonga fahamenarana" na "hahamenatra."

manala-baraka, tsy mendrika

Famaritana

Ny teny hoe "manala-baraka" dia midika hoe manao zavatra izay tsy manaja olona iray. Izany dia mety mahatonga ilay olona ho menatra na afa-baraka.

  • Ny teny hoe "tsy mendrika" dia mamaritra fihetsika izay mahamenatra na izay mahatonga olona iray hafa-baraka.
  • Indraindray ny hoe "tsy mendrika" dia ampiasaina mba hanehoana ireo zavatra izay tsy misy ilaivana azy amin'ny zavatra manandanja
  • Ny zazakely dia voa baiko mba hanaja sy ankatoa an'ireo ray aman-dreniny. Rehefa tsy manakatoa ny zanaka, dia afa-baraka ny ray aman-dreni'izy ireo. Izy ireo dia manao tsinotsinona ny ray aman-dreniny.
  • Ireo Israelita dia nanala-baraka an'Yaveh rehefa nanompo andriamanitra sandoka sy nanao fihetsika mamoafady.
  • Ireo Jiosy dia nanala-baraka an'i Jesosy tamin'ny nilazan'izy ireo fa nitoeran'ny devoly Izy.
  • Afaka adika koa izany hoe "tsy manome haja" na "atao toy ny tsy misy lanjany."
  • Ny hoe "manala-baraka" dia afaka adika hoe "tsy fanajana" na "fahaverezan'ny haja."
  • Arakaraky ny zava-miseho, "tsy mendrika" dia afaka adika hoe "tsy amin'ny voninahitra" na "mahamenatra" na "tsy mahasoa" na "tsy sarobidy."

manamafy, fanamafisana

Famaritana

Ny teny hoe "manamafy" sy "fanamafisana" dia maneho ny filazana na fanomezana antoka fa marina na mendri-pitokiana ny zavatra iray.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra miteny ny olony fa "hanamafy" ny fanekem-pihavanany amin'izy ireo Izy.
  • Rehefa "voamarina" ny mpanjaka iray dia midika izany fa ny fanapahan-kevitra ny hampanjaka azy dia efa nifanekena sy notohanan'ny vahoaka.
  • Ny fanamafisana izay nosoratan'ny olona iray dia midika hoe milaza fa marina izay voasoratra.
  • Ny hoe "fanamafisana" ny filazantsara dia midika fampianarana ny olona momban'ny vaovao mahafalin'i Jesosy amin'ny fomba izay mampiseho fa marina izany.
  • Ny manao fianianana ho "fanamafisana" dia midika hoe milaza mafy na mianiana fa marina na mendri-pitokiana ny zavatra iray.
  • Ireo fomba andikana ny "manamafy" dia mety ahitana ny hoe "milaza fa marina" na " manaporofo fa mendri-pitokiana" na "manaiky" na "manome antoka" na "mampanantena," miankina amin'ny zavatra resahana.

manamarina, fanamarinana

Famaritana

Ny teny hoe "manamarina" sy "fanamarinana" dia maneho ny fanaovana olo-meloka mba ho marina. Andriamanitra irery no tena afaka manamarina olona.

  • Rehefa manamarina olona Andriamanitra, dia avelany ny fahotan'izy ireo ary manao izany toy ny hoe tsy misy ota izy ireo. Manamarina ny olona izay mibebaka sy mahatoky an'i Jesosy Izy mba hamonjena azy ireo amin'ny fahotan'izy ireo.
  • Ny hoe "fanamarinana" dia maneho izay nataon'Andriamanitra tamin'izy namela ny fahotan'ny olona iray ary manambara izany olona izany ho marina eo imasony.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba hafa handikana ny hoe "manamarina" dia mety ahitana ny hoe "manambara."

manambara, fanambarana

Famaritana

Ny teny hoe "manambara" sy "fanambarana" dia maneho ny fanambarana ampahibemaso na amin'ny fomba ofisialy, izay matetika manamafy zavatra.

  • Ny "fanambarana" dia tsy manamafy ny lanjan'izay nolazaina ihany, fa misintona ny saintsika makany amin'ilay iray izay milaza ny fanambarana.
  • Ohatra, ao amin'ny Testamenta Taloha, ny hafatra avy any amin'Andriamanitra dia matetika arahina hoe, "fanambaran'Yaveh" na "izany no lazain'Yaveh". Izany fomba fiteny izany dia manamafy fa Yaveh tenena mihintsy no nilaza izany. Ny fahatongavan'ilay hafatra avy tany amin'Yaveh dia mampiseho ny lanjan'ilay hafatra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny tranga miseho, "manambara" dia afaka adika hoe "niteny ampahibemaso" na "niteny mafy" na "nitena hentitra"
  • Ny fehezanteny, "izany dia fanambaran'Yaveh" dia afaka adika hoe "izany no fanambaran'Yaveh" na "izany no lazan'Yaveh".

manambara, fanambarana

Famaritana

Ny manambara dia filazana na fitenenana zavatra am-pahibemaso sy am-pahasahiana.

  • Matetika ao amin'ny Baiboly, ny hoe "manambara" dia midika hoe milaza am-pahibemaso ny zavatra izay nandidian'Andriamanitra, na milaza ireo hafa ny momban'Andriamanitra sy ny halehibeny.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia nanambara ny vaovao mahafaly momban'i Jesosy tamin'ny olona maro tany amin'ny tanàna sy faritra samihafa ireo apostoly.
  • Ny teny hoe "manambara" koa dia afaka ampiasaina amin'ny lalàna nataon'ireo mpanjaka na fanamelohana ratsy amin'ny fomba am-pahibemaso.
  • Ireo fomba hafa handikana ny hoe "manambara" dia ahitana ny hoe "milaza" na "mitory am-pahibemaso" na "miteny am-pahibemaso."
  • Ny teny hoe "fanambarana" dia afaka adika hoe "filazana" na "fitoriana ampahibemaso."

manana, fananana

Famaritana

Ny teny hoe "manana" sy "fananana" matetika dia maneho ny fananan-javatra iray. Ireo ihany koa dia afaka midika hoe mahazo ny famehezan-javatra na fananana ampahan-tany.

  • Yaveh rehefa nandidy ireo Israelita mba "haka" ny tany Kanana, dia midika izany fa tokony handeha any amin'ilay tany izy ireo ary mipetraka any. Ity dia maneho hoe mandresy ireo Kananita mipetraka ao amin'ilay tany aloha voalohany indrindra.
  • Yaveh dia niteny tamin'ireo Israelita fa nanome azy ireo ilay tany Kanana ho "fananan'izy ireo" Izy. Izany ihany koa dia afaka adika hoe "ny toerana honenan'izy ireo."
  • Ny olon'Isiraely dia antsoina koa hoe "fananana manokan'i" Yaveh. Izany dia midika fa Azy izy ireo toy ny olony izay nantsoina manokana mba hivavaka sy hanompo Azy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "manana" dia mety adika hoe "manana andraikitra amin'ny."
  • Ny fehezanteny hoe "maka fananana ny" dia afaka adika hoe "mamehy ny" na "mibodo" na "miaina ao," miankina amin'ny zavatra resahana.
  • Yaveh rehefa miantso ireo Isiraelita hoe "ny fananako manokana" dia afaka adika hoe "ny oloko manokana" na "olona izay Ahy" na "ny olona izay tiako sy feheziko" ihany koa izany.
  • Ny fehezanteny hoe "ireo dia ho tonga fananan'izy ireo" rehefa miresaka tany, dia midika hoe "hibodo ilay tany izy ireo" na "ho lasa an'izy ireo ilay tany."
  • Ny fomba fiteny hoe "hita tao amin'ny fananany" dia afaka adika hoe "izay nohazoniny" na "izay niaraka taminy."
  • Ny fehezanteny hoe "ho fanananao" dia mety adika hoe "ho zavatra izay anao" na "ho toerana izay hitoeran'ny vahoakanao."
  • Ny fehezanteny hoe "ho fananany" dia mety adika hoe "izay hananany" na "izay azy."

mananatra

Famaritana

Ny teny hoe "mananatra" dia midika fampitandremana mafy na fanoroana hevitra ny olona iray.

  • Matetika ny "mananatra" dia midika fanoroana hevitra ny olona iray mba tsy hanao zavatra iray.
  • Ao amin'ny tenan'i Kristy, ireo mpino dia ampianarina mba hifananatra hialana amin'ny ota ary hiainana am-pahamasinana.

Ny teny hoe "mananatra'' dia azo adika hoe: "mampahery mba tsy hanota" na "mamporisika ny olona iray mba tsy hanota."


manandevo, voafatotra

Famaritana

Ny "manandevo" olona iray dia midika hoe manery izany olona izany mba hanompo tompo na firenena mpanapaka iray. Ny hoe "andevozina" na "voafatotra" dia midika hoe ambanin'ny fifehezan'ny olona na zavatra iray.

  • Tsy maintsy manompo ny hafa tsy misy tambiny ny olona izay andevozina na voafatotra; tsy afaka manao izay tiany izy.
  • Ny "manandevo" koa dia midika fanesorana ny fahafahan'ny olona iray.
  • Teny iray hafa ilazana ny "fifatorana" koa ny "fanandevozana."
  • Raha atao sarinteny, ny olombelona "nandevozin'ny fahotana" nandra-panafahan'i Jesosy azy ireo tamin'ny fifehezany sy ny fanapahany.
  • Rehefa mandray fiainam-baovao ao amin'i Kristy ny olona iray, dia mitsahatra tsy andevon'ny fahotana izy ary zary lasa andevon'ny fahamarinana.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "manandevo" dia azo adika hoe "mahatonga anao tsy ho afaka" na "manery hanompo ny hafa" na "mametraka eo ambanin'ny fifehezan'ny hafa."
  • Ny teny hoe "andevozin'ny" na "voafatotry ny" dia azo adika hoe "terena ho andevon'ny" na "voatery hanompo" na "ambanin'ny fifehezan'ny."

manangana, mitsangana, nitsangana, natsangana

Famaritana

Amin'ny ankapobeny, ny teny hoe "manangana" dia midika hoe "mampiarina" na "manao ho ambony."

  • Ny hoe "manangana" dia midika hoe mampisy zavatra iray. Afaka midika ihany koa izany hoe: manendry olona iray hanao zavatra iray.
  • Indraindray ny hoe "manangana" dia midika hoe "manamboatra" na "manorina indray."
  • Ny "manangana" dia manana dika manokana amin'ny fehezan-teny hoe "manangana amin'ny maty." Izany dia midika hoe mampitsangana olona maty mba ho velona indray.
  • Indraindray ny hoe "manangana" dia midika hoe "manandratra" olona iray na zavatra iray.

Ny "mitsangana" na "nitsangana" dia midika hoe "niakatra" na "nifoha."

  • Raha "nitsangana" ny zavatra iray, izany dia midika hoe "miseho" na "manomboka miseho."
  • Jesosy dia nilaza mialoha fa Izy dia "hitsangana amin'ny maty." Telo andro taorian'ny nahafatesan'i Jesosy, dia nisy anjely iray nilaza hoe: "efa nitsangana Izy"!

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny "mampitombo ny herin'ireo fahavalonareo" dia afaka adika hoe "mahatonga ireo fahavalonao ho mahery."
  • Ny hoe "manangana olona iray amin'ny maty" dia afaka adika hoe "mahatonga olona iray avy any amin'ny fahafatesana hiverina amin'ny fiainana" na "mahatonga olona iray ho velona indray."
  • Ny "manangana" dia afaka adika hoe "manome" na "manendry" na "mahatonga ny olona iray hanana" na "manorina indray" na "manamboatra" arakaraka ny foto-kevitra.
  • Ny hoe "natsangana" dia afaka adika hoe "manomboka" na "miakatra" na "mitsangana" arakaraky ny foto-kevitra.

manantona

Famaritana

Ny teny hoe "manantona" dia midika hoe manantona zavatra na olona tsy hikasi-tany.

  • Ny fahafatesana tamin'ny fanantonan-tena dia atao miaraka amin'ny tady mifatotra eo amin'ny tendan'ilay olona ary dia ahantona amin'ny zavatra ambony toerana na amin'ny sampan'ny hazo lehibe. Jodasy dia namono tena tamin'ny fanantoan-tena.
  • Ny fahafatesan'i Jesosy niantona teo amin'ny hazofijaliana dia natao tamin'ny fomba hafa: nofantsihan'ireo miaramila ny tanany sy ny tongony mba hiantona eo amin'ny hazofijaliana Izy.
  • Ny manantona olona dia maneho fona ny fomba famonona olona amin'ny fanantonana azy ireo amin'ny tady mifatotra eo amin'ny tendan'izy ireo.

Manapaka

Famaritana

Ny fomba fiteny hoe "voatapaka" dia entina hilazana ny hoe voahilika, voaroaka na mitoka-monina amin'ny vondrona lehibe. Izany koa dia afaka maneho ny hoe novonoina ho fitsaràna avy amin'Andriamanitra nohon'ny fahotana.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny tsy fankatoavana ireo didin'Andriamanitra dia miafara amin'ny fanapahana, na fisarahana, amin'ny vahoakan'Andriamanitra sy amin'ny fanatrehany.
  • Andriamanitra koa dia nilaza fa Izy dia "hanapaka" na hamotika ny firenena tsy Israelita, satria tsy nidera na nankatoa Azy izy ireo ary fahavalon'Israely.
  • Ny fomba fiteny hoe "manapaka" koa dia nampiasaina hanehoana an'Andriamanitra manajanona ny renirano tsy hikoriana.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba fiteny hoe "tapaka" dia afaka adika hoe "voaroaka" na "voasaraka amin'ny" na "maty" na "simba."
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny hoe "manapaka" dia afaka adika hoe "manimba" na "mandroaka" na "manasaraka amin'ny."
  • Amin'ny hevitra hoe rano mikoriana tapaka, dia afaka adika hoe "voajanona" na "najanona tsy hikoriana" na "nosarahana" izany.
  • Ny dika ara-bakitenin'ny hoe manapaka zavatra amin'ny antsy dia tokony avahana amin'ny fampiasana ambadika ity teny ity.

manaparitaka, fiparitahana

Famaritana

Ny teny hoe "manaparitaka" sy ny "fiparitahana" dia maneho ny fandehanan'ny olona maro na zavatra miparitaka any amin'ny lalana samy hafa.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia miresaka momban'ny "fiparitahin'ny olona", ary mahatonga azy ireo hisaratsaraka ary hiaina any amin'ny toerana samihafa avy. Nataony izany mba hanasaziany azy ireo noho ny otan'izy ireo. Angamba ny fanaparitahana azy ireo dia hanampy azy ireo hibebaka sy hanomboka ivavaka amin'Andriamanitra indray.
  • Ny teny hoe "fiparitahana" dia nampiasaina tao amin'ny Testamenta Vaovao mba hanehoana ireo Kristiana izay tsy maintsy nandao ny tranony ary ny findra toerana maro hafa mba hitsoahana amin'ny fanenjehana.
  • Ny teny hoe "ny fiparitahana" dia afaka adika hoe "ireo mpino izay any amin'ny toerana samihafa" na "ireo olona izay niala mba hipetraka any amin'ny tany hafa."
  • Ny teny hoe "hanaparitahana" dia afaka adika hoe "nalefa nakany amin'ny toerana maro hafa" na "naparitaka any ampitan-dranomasina" na "mahatonga fifindrana mba hipetrahana any amin'ny tanàna samihafa."

manasazy, sazy

Famaritana

Ny teny hoe "manasazy" dia midika hoe mampijaly olona nohon'ny fanaovana zavatra tsy nety. Ny teny hoe "sazy" dia maneho vokatra ratsy izay omena vokatry ny fitondran-tena tsy nety.

  • Matetika ny sazy dia niandrasana mba handrisihana olona iray tsy hanota intsony.
  • Andriamanitra dia nanasazy ireo Isiraelita rehefa tsy nankatoa Azy, indrindra tamin'izy ireo nidera andriamanitra diso. Nohon'ny fahotan'izy ireo, dia navelan' Andriamanitra hanafika sy hisambotra azy ireo ny fahavalon'izy ireo.
  • Andriamanitra dia marina, noho izany Izy dia mila manasazy ny fahotana. Ny olombelona rehetra dia nanota tamin'Andriamanitra ary mendrika ny fanasaziana.
  • Jesosy dia nofaizina noho ireo zavatra ratsy rehetra izay nataon'ny olona rehetra. Nandray ny sazin'ny olona tsirairay Izy na dia tsy nanao na inona na inona tsy nety sy tsy mendrika ny ho saziana aza.
  • Ny fomba fiteny hoe "mandeha afa-maina" sy "miaina afa-maina" dia midika hoe manapa-kevitra tsy hanasazy olona tamin'ny zavatra ratsy nataon'izy ireo. Andriamanitra matetika dia mamela ny fahotana handeha afa-maina eo am-piandrasana ny olona hibebaka.

manasitrana, fanafany

Famaritana

Ny teny hoe "manasitrana" sy "fanafany" dia midika hoe mahatonga olona marary, maratra na sembana ho sitrana indray.

  • Ny olona izay "sitrana" dia olona izay natao ho "salama."
  • Ny fanasitranana dia mety mitranga ara-boajanahary satria Andriamanitra nanome ho an'ny vatantsika ny fahefana hanasitrana karazan'aretina sy ratra maro. Izany fanasitranana izany dia mitranga tsikelikely.
  • Kanefa, misy ny aretina sasany izay tsy voasitran'ny vatana tahaka ny paralisisa na ny fahajambana. Rehefa sitrana amin'ireo ny olona dia fahagagana izay no niseho tampoka.
  • Ohatra, Jesosy dia nanasitrana ireo olona jamba, malemy na marary ka dia lasa salama tsara izy ireny.
  • Ny apostoly ihany koa dia nanasitrana olona tamin'ny fahagagana, tahaka an'ilay lehilahy nandringa izay natoan'i Paoly afaka nandeha.

mandà (manilika)

Famaritana

Ny "mandà" olona na zavatra iray dia midika hoe tsy mandray ilay olona na ilay zavatra.

  • Ny teny hoe "mandà" ihany koa dia midika hoe "tsy mino" zavatra iray.
  • Ny manilika an'Andriamanitra ihany koa dia midika hoe mandà ny hankatoa Azy.
  • Rehefa nandà ny fitondran'i Mosesy ireo Israelita, izany dia midika fa izy ireo dia nikomy nanohitra ny fahefany. Izy ireo dia tsy te-hankato azy.
  • Ireo Israelita dia nampiseho fa izy ireo dia manilika an'Andriamanitra rehefa manompo andriamanitra sandoka.
  • Ny teny hoe: "manosika" no dika ara-bakitenin'io teny io. Ny fiteny hafa dia mety manana teny mitovy izay midika hoe manilika na mandà ny finoana olona iray na zavatra iray.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "mandà" dia afaka adika ihany koa hoe "tsy manaiky" na "mijanona amin'ny fanampiana" na "mandà ny hankatoa" na "mijanona amin'ny fankatoavana" arakaraka ny foto-kevitra.
  • Ao amin'ny fitenenana hoe "ny vato natsipin'ny mpanori-trano," ny teny hoe "natsipy" dia afaka adika hoe "mandà ny hampiasa" na "tsy manaiky" na "nanary izany zavatra izany toy ny tsy misy dikany."
  • Amin'ny hevitra hoe mandà ireo didin'Andriamanitra ny olona, izany dia afaka adika hoe "mandà ny hankatoa" ireo baikony na "manao mafy loha ka nisafidy ny tsy hanaiky" ireo lalàn'Andriamanitra.

mandefa, maniraka, nirahina

Famaritana

Ny "mandefa" dia mampandeha ny olona na zavatra iray any ho any. Ny "maniraka" olona iray dia milaza amin'izany olona izany mba handeha hanao asa manokana.

  • Matetika ny olona izay "irahina" dia voatendry hanao asa manokana.
  • Ny andian-teny toy ny hoe "mandefa orana" na "mandefa loza" dia midika hoe: "mahatonga ny ... ho avy." Io karazam-pitenenana io matetika dia ampiasaina entina ilazana ny fampitrangan'Andriamanitra zavatra iray.
  • Ny teny hoe "maniraka" ihany koa dia ampiasaina ao amin'ny fomba fiteny toy ny hoe "mandefa teny" na "mandefa hafatra" izay midika hoe: manome hafatra ho an'ny olona iray mba ho lazaina amin'ny olona hafa.
  • Ny "mandefa" olona "miaraka" amin'ny zavatra iray dia midika hoe: "manome" izany zavatra izany "ho an'ny" olona iray hafa, avy lavitra mba handraisan'ilay olona izany.
  • Matetika Jesosy dia mampiasa ny andian-teny hoe: "ilay iray izay naniraka Ahy" mba hilazana an'Andriamanitra Ray izay "naniraka" Azy tety an-tany mba hanavotra sy hamonjy ny olona. Azo adika ihany koa izany hoe: "nampanao asa Ahy" na "nahatonga Ahy ho tonga" na "nanendry Ahy handeha."

mandefona

Famaritana

Ny teny hoe "mandefona" dia midika hoe manindrona zavatra amin'ny fitaovana maranitra. Izany koa dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana fampanaintainana lalina ara-pihetseham-po ny olona iray.

  • Nisy miaramila nandefona ny lanivoan'i Jesosy tamin'izy teo amin'ny hazofijaliana.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, dia noratraina ny sofin'ny andevo izay nafahana mba ho famantarana fa voasafidy hanohy hiasa ho an'ny tompony izy.
  • Simeona dia niresaka ambadika tamin'izy niteny tamin'i Maria fa hisy sabatra handefona ny fony, izay midika fa hiaina alahelo lalina noho izay hanjoa an'i Jesosy zanany izy.

Mandeha

Famaritana

Ny teny hoe: "mandeha" matetika dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba ilazana hoe: "miaina."

  • Ny hoe: "Nandeha niaraka tamin'Andriamanitra i Enoka" dia midika fa niaina fifandraisana akaiky tamin'Andriamanitra i Enoka.
  • Ny hoe: "Mandeha miaraka amin'ny fanahy" dia midika hoe tarihin'ny Fanahy Masina mba hanao ny zavatra mampifaly sy manome voninahitra an'Andriamanitra.
  • Ny "Mandehana" amin'ny didin'Andriamanitra na ny fomban'Andriamanitra dia midika hoe: "miaina amin'ny fankatoavana ireo" didiny, izany hoe: "hankato ny didiny" na "hanao ny sitrapony."
  • Rehefa miteny Andriamanitra hoe: "handeha eo amin'ny olony izy, dia midika izany fa miaina eo amin'izy ireo izy na mifandray akaiky miaraka amin'izy ireo."
  • Ny "Mandeha mifanohitra amin'ny" dia midika hoe miaina na mitondra tena amin'ny fomba izay manohitra zavatra na olona.
  • Ny "mandeha manaraka ny" dia midika hoe mitady na manenjika olona na zavatra. Izany dia midika manao zavatra mitovy amin'ny olona hafa.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny mety indrindra dia ny mandika ny hoe: "mandeha" ara-bakiteny, raha toa ka takatra ny dikany marina.
  • Raha tsy izany, ny hevitra ambadiky ny hoe: "mandeha" dia afaka adika amin'ny alalan'ny: "miaina" na "miasa" na "fitondran-tena."
  • Ny fehezanteny hoe: "mandeha amin'ny alalan''ny fanahy" dia afaka adika hoe: "miaina amin'ny fankatoavana ny Fanahy Masina" na "mitondra tena amin'ny fomba izay mampifaly ny Fanahy Masina" na "manao ireo zavatra izay mety hampifaly an'Andriamanitra toy ny Fanahy Masina izay mitarika anareo."
  • Ny "mandeha amin'ny didin'Andriamanitra" dia afaka adika hoe: "miaina ireo didin'Andriamanitra" na "mankato ny didin'Andriamanitra."
  • Ny fehezanteny hoe: "nandeha niaraka tamin'Andriamanitra" dia afaka adika hoe: "mifandray akaiky amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fankatoavana sy fanomezam-boninahitra azy."

mandevina, voalevina, fandevenana

Famaritana

Ny teny hoe: "mandevina" matetika dia ampiasaina mba hanehoana ny fametrahana ny razana ao anaty lavaka na toerana fandevenana hafa. Ny teny hoe: "fandevenana" dia anarana azo avy amin'ny mandevina na ampiasaina mba hamaritana ny toerana handevenana zavatra.

  • Matetika ny olona dia mandevina razana amin'ny alalan'ny fametrahana izany ao anatin'ny lavaka lalina ao anaty tany ary manarona izany amin'ny vovoka.
  • Indraindray ny razana dia apetraka ao anaty vata-paty alohan'ny handevenana azy.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny olona maty matetika dia alevina ao anaty lava-bato na toerana mitovitovy amin'izany. Taorian'ny nahafatesan'i Jesosy, ny vatany dia nofonosina tamin'ny lamba ary napetraka tao amin'ny fasana vato izay nidina tamin'ny vato lehibe.
  • Ireo teny hoe: "toerana fandevenana" na "trano fandevenana" na "lava-bato fandevenana" no fomba fiteny rehetra hilazana ny toerana izay handevenana ny razana.
  • Ny zavatra hafa ihany koa dia afaka alevina, toy ny nandevenan'i Akana volafotsy sy zavatra hafa izay nangalariny tao Jerikao.
  • Ny andian-teny hoe: "nandevina ny tavany" matetika dia midika hoe: "nanarona ny tavany tamin'ny tanany."
  • Indraindray ny teny hoe: "manafina" dia midika hoe: "mandevina" toy ny fanafenan'i Akana zavatra izay nangalarina tao Jerikao tao anaty tany. Izany dia midika hoe: naleviny tao anaty tany ireo.

Mandidy

Famaritana

Ny "mandidy" dia midika hoe manendry olona iray ara-pomba ofisialy mba hanao andraikitra na asa manokana. Izany ihany koa dia midika hoe manamboatra lalàna na fitsipika amin'ny fomba ofisialy. *Ny teny hoe "mandidy" dia matetika maneho ny fametrahana olona ho mpisorona, mpampianatra na mpisolontena. *Ohatra, Andriamanitra dia nandidy an'i Arona sy ny taranany mba hanao mpisorona. *Izany ihany koa dia midika hoe mametraka na manangana zavatra, tahaka ny hoe fifanekena na fety ara-pivavahana. *Miankina amin'ny zava-misy ny heviny, ny "mandidy" dia afaka adika hoe "manendry" na "manonona" na "manamboatra fitsipika" na "mametraka"


mandika, fandikana

Famaritana

Ny teny hoe "mandika" sy "fandikana" dia ilazana ny fahazoana sy fanazavana ny hevitry ny zavatra iray izay tsy mazava.

  • Matetika ao amin'ny Baiboly ireo teny ireo dia ampiasaina amin'ny resaka fanazavana ny hevitry ny nofy na fahitana.
  • Rehefa nahazo nofy nampikorontana ny mpanjakan'i Babylona, dia nanampy an'i Daniela handika izany sy hanazava ny hevitr'izany Andriamanitra.
  • Ny "fandikana" nofy iray dia "fanazavana" ny hevitr'ilay nofy.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, matetika Andriamanitra dia nampiasa ny nofy mba hampisehoana ny olona izay hitranga amin'ny ho avy. Noho izany dia faminaniana ny fandikana ireny nofy ireny.
  • Ny teny hoe "mandika" dia azo ilazana ny fahazoana ny hevitry ny zavatra hafa ihany koa, toy ny fahazoana izay mety ho toetry ny andro izay mifototra amin'ny hatsiaka sy ny hafanan'ny andro, ny fitsokan'ny rivotra, ary ny endriky ny lanitra.
  • Ny fomba hafa azo andikana ny teny hoe "mandika" dia: "mahazo ny hevitry ny" na "manazava" na "manome ny hevitry ny."
  • Ny teny hoe "fandikana" dia azo adika ihany koa hoe: "fanazavana" na "fanomezana ny hevitry ny."

mandinika

Famaritana

Ny teny hoe "mandinika" dia midika hoe mandany fotoana misaina tsara sady lalina momba ny zavatra iray.

  • Io teny io matetika dia ampiasaina ao amin'ny Baiboly mba hilazana ny fiheverana an'Andriamanitra sy ireo fampianarany.
  • Ny Salamo 1 dia manambara fa ny olona izay mandinika ny lalan'ny Tompo "andro aman'alina" dia ho sambatra tokoa.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny "mandinika ny" dia azo adika hoe "misaina tsara sady lalina" na "mandray am-piheverana" na "mieritreritra lalandava."
  • Ny anarana avy amin'izany dia "fandinihana" ary azo adika hoe: "fisainana lalina." Ny andian-teny toy ny "fandinihan'ny foko" dia azo adika hoe: "izay sainiko lalina" na "izay eritreretiko lalandava."

mandrakizay

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "mandrakizay" dia maneho ny tsy fahataperan'ny fotoana mandrakizay. Indraindray izany dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika izay midika hoe: "fotoana lava be."

  • Ny teny hoe: "mandrakizay doria" dia manambara fa ny zavatra iray dia hitoetra foana (hisy mandrakariva).
  • Ny hoe: "mandrakizay doria" dia fomba hanehoana hoe toy ny ahoana ny fiainana mandrakizay. Izany ihany koa dia midika hoe fotoana izay tsy hifarana mandrakizay.
  • Andriamanitra niteny fa ny seza fiandrianan'i Davida dia haharitra "mandrakizay." Izany dia maneho fa Jesosy taranak'i Davida dia hanjaka mandrakizay.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Io teny io ihany koa dia afaka adika hoe: "mandrakariva" na "tsy misy fiafarana."
  • Ny andian-teny hoe: "haharitra mandrakizay" dia afaka adika hoe: "misy mandrakariva" na "tsy hijanona mandrakizay."
  • Ny andian-teny fanamafisana hoe: "mandrakizay doria" dia afaka adika hoe: "mandrakizay tsy misy fetra" na "tsy misy fiafarana" na "izay tsy ho tapitra mandrakizay doria."
  • Ny hoe: "Ny seza fiandrianan'i Davida dia haharitra mandrakizay" dia azo adika amin'ny hoe: "Ny taranak'i Davida dia hanjaka mandrakizay" na "Ny taranako dia hanjaka mandrakariva."

mandrapaka

Famaritana

Ny teny hoe "mandrapaka" dia midika hoe mihinana amin'ny fomba masika.

  • Ampiasaina amin'ny sarin-teny tahaka izao, Paoly dia nampitandrina ireo mpino mba tsy hifampihinana, izay midika hoe tsy mifandramatra na mifamotika amin'ny teny na fihetsika (Galatiana 5:15).
  • Raha sarin-teny ihany, matetika ny teny hoe "mandrapaka" dia nampiasaina amin'ny heviny hoe "mandrava tanteraka" toy ny rehefa miresaka momban'ny firenenana mifandrapaka na afo mandoro ny trano sy ny olona.
  • Izany teny izany dia afaka adika koa hoe "lany tanteraka" na "potika tanterak."

mandrava, faharavana

Famaritana

Ny hoe "mandrava" zavatra dia midika hoe manimba, mamotika, na mahatonga zavatra iray ho tsy azo ampiasaina intsony. Ireo teny hoe "mandrava" na "fandravana" dia maneho ny ambin'ny fahapotehana sy ny fahasimban-javatra izay nosimbaina na nopotehina.

  • Zefania mpaminany dia miresaka momban'ny andron'ny fahatezeran'Andriamanitra ho "andron'ny faharavana" rehefa ho tsaraina sy ho voasazy izao tontolo izao.
  • Ny bokin'ny Ohabolana dia milaza fa ny faharavana sy ny fahasimbana dia miandry ireo izay tsy araka an'Andriamanitra.
  • Ny hoe "mandrava" dia afaka adika hoe "mamotika" na "manimba" na "mahatonga zavatra ho tsy azo ampiasaina intsony" na "mamaky" arakaraka ny foto-kevitra.
  • Ny teny hoe "mandrava" na "faharavana" dia afaka adika hoe "izay sisa tavela tamin'ny faharavana" na "trano rava" na "tanàna potika" na "fahavakisana" na "fahapotehana," arakaraky ny foto-kevitra.

mandrava, fandravana

Famaritana

Ny teny hoe "mandrava" na "fandravana" dia maneho fananana na tanin'olona iray rava na potika. Matetika izany dia ahitana ny hoe fanapotehana na fisamborana ireo olona izay monina eo amin'izany tany izany.

  • Izany dia maneho fahasimbana tanteraka sy mafy.
  • Ohatra, ny tanànan'ny Sodoma dia noravain'Andriamanitra mba ho sazy ny amin'ny otan'ny olona niaina tao.
  • Ny teny hoe "fandravana" dia ahitana ny mahatonga ny alahelo lehibe noho ny fanasaziana na ny fandravana.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "mandrava" dia afaka adika hoe "rava tanteraka" na "potika tanteraka"
  • Miankina amin'ny zava-misy, "fandravana" afaka adika hoe "fandravana tanteraka" na "faharavana tanteraka" na "alahelo mampiori-koditra" na "loza."

mandray

Famaritana

Ny teny hoe "mandray" amin'ny ankapobeny dia midika hoe mahazo na manaiky zavatra iray izay nomena, natolotra, na notolorana.

  • Ny "mandray" ihany koa dia midika hoe mijaly amin'ny na miaina zavatra iray, toy ny ao amin'ny hoe "nandray fanasaziana tamin'izay nataony izy."
  • Misy dikany hafa manokana izany amin'ny hoe afaka "mandray" olona isika. Ohatra, ny hoe "mandray" vahiny na mpamangy dia midika hoe mampandroso azy ireo na mitondra azy ireo am-panajana mba hanorina fifandraisana amin'izy ireo.
  • Ny hoe "mandray ny fanomezan'ny Fanahy Masina" dia midika hoe nomena ny Fanahy Masina isika ka mandray azy hiasa amin'ny fiainantsika.
  • Ny hoe "mandray an'i Jesosy" dia midika hoe manaiky ny tolo-pamonjen'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
  • Rehefa "nandray ny fahitany" ny olona jamba iray, dia midika izany fa Andriamanitra no nanasitrana azy ary namela azy hahita.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny "mandray" dia afaka adika hoe "manaiky" na "mampandroso" na "miaina ny" na "nomena" arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny fiteny hoe "handray fahefana ianao" dia afaka adika hoe "homena fahefana ianao" na "Andriamanitra hanome fahefana anao" na "fahefana no homena anao."

mandringana, fandringanana

Famaritana

Ny teny hoe "mandringana" sy ny "fandringanana" dia maneho fandravana tanàna misy mponina mba ho tonga tanàna foana.

  • Rehefa miresaka momban'ny olona, ny teny hoe "mandringana" dia mamaritra ny faharavana, fahatsapana ho irery ary alahelo.
  • Ny teny hoe "fandringanana" dia toetra na ny fepetran'ny fahalavoana
  • Raha misy saha izay anirian'ny voly ka voaringana, izany dia midika fa nisy zavatra namotika ireo voly, tahaka ny hoe biby kely na fanafian'ny tafika.
  • Ny "tanàna lao" dia maneho faritra amin'ny tany izay vitsy ny olona mipetraka ao noho ny avitsian'ny voly na ny zavamaniry eo aminy.
  • Ny "tany lao" na "efitra" dia matetika ipetran'ireo izay voaroaka(tahaka ny boka) sy ireo bibidia.
  • Raha ny tanàna no "voaringana" dia midika fa ireo trano be sy ireo fananany dia potika sy nangalarina avy koa, ary ny mponina tao aminy dia novonoina na nosamborina. Ny tanàna dia lasa "foana" sy "rava." Izany dia manana dika mitovy amin'ny hoe "mandrava" na "noravaina", fa manindry be be kokoa eo amin'ny hoe "foana".
  • Miankina amin'ny toe-java-misy, izany teny izany dia afaka adika hoe "simba" na "rava" na "tany ngazana" na "irery sy voaroaka" na "foana"

mandroaka, mamoaka, manipy

Famaritana

Ny hoe "mandroaka" na "mamoaka" olona na zavatra dia midika hoe manery izany olona na zavatra izany mba hivoaka.

  • Ny teny hoe "manoraka" dia mitovy dika amin'ny hoe "manipy." Ny manoraka harato dia midika hoe manipy ilay harato ho any anaty rano.
  • Amin'ny hevitra ambadika, ny hoe "mandroaka" olona dia mety midika hoe mandà izany olona izany ary mampody azy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankia amin'ny foto-kevitra, ireo fomba hafa azo andikana an'io dia hoe: "manery" na "mampody" na "manafoana."
  • Ny hoe "mandroaka demonia" dia afaka adika hoe "manala ireo demonia" na "misintona ilay fanahy ratsy hivoaka" na "mandroaka ireo demonia" na "mandidy ilay demonia mba hivoaka."

mandry amin'ny, miray amin'ny, firaisana ara-nofo

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ireo teny ireo dia fanalefahan-teny izay entina ilazana ny fanaovana firaisana ara-nofo.

  • Ny "mandry amin'ny" olona iray dia fomba mahazatra entina ilazana ny fanaovana firaisana.
  • Ao amin'ny bokin'ny Testamenta taloha, dia ny "Tononkiran'i Solomona," ny ULB dia mampiasa ny teny hoe "mandry" mba handikana ny teny hoe "fitiavana," izay midika hoe "fanaovana firaisana" ao amin'izany foto-kevitra izany. Mifandray amin'ny fomba fiteny hoe: "miray" izany.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Mety hisy fitenim-paritra hampiasa fomba fiteny hafa ilazana io teny io amin'ny foto-kevitra hafa, raha resaka momba ny mpivady izany na fifandraisana hafa. Ezaho mba hanana ny hevitra marina tsara araka ny foto-kevitra tsirairay ny fandikana io teny io.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, azo ampiasaina handikana ny hoe "mandry amin'ny" ny fomba fiteny toy ireto : "matory amin'ny" na "manao firaisana amin'ny" na "miray mangingina amin'ny."
  • Ny fomba hafa azo andikana ny "miray amin'ny" dia: "manao firaisana ara-nofo amin'ny" na "manao ny firaisan'ny mpivady."
  • Ny teny hoe "manao firaisana" dia azo adika ihany koa hoe: "mitia" na "firaisana manokana." Na mety hisy fomba fiteny hafa izay tsotra entina handikana io teny io.
  • Zava-dehibe ny mijery tsara raha azo ekena eo amin'ny olona izay hampiasa ny dikan-tenin'ny Baiboly ny teny nampiasaina handikana io teny io.

manendrikendrika, mpanendrikendrika

Famaritana

Ny fanedrikendrehina dia milaza ny tsy marina, mamorona zavatra momban'ny olona hafa.

  • Ny endrikendrika dia mety tatitra marina na diso, fa ny vokany dia mahatonga ny hafa hieritreritra ratsy amin'ilay olona izay no hendrikendrehana.
  • Ny teny sasany andikana ny teny hoe "manendrikendrika" dia ny hoe "miteny manohitra" na "manaparitaka tatitra ratsy" na "manala baraka"
  • Ny mpanendrikendrika dia nantsoina ihany koa hoe "mpitatitra" na "mpitondra tantara"

manendry, voatendry

Famaritana

Ny teny hoe "manendry" sy "voatendry" dia ilazana ny fiantsoana ny olona iray hanao asa manokana.

  • Samoela mpaminany dia nilaza mialoha fa "hanendry" ny zatovolahy tsara indrindra hanompo an'Israely ao amin'ny miaramila i Saoly Mpanjaka.
  • "Nanendry" ampahan'ny tany Kanana ho an'ny fokon'Israely isanisany i Mosesy mba honenan'izy ireo.
  • Tao ambanin'ny lalàn'ny Testamenta Taloha, dia nisy fokon'Israely sasantsasany voatendry hanompo ho mpisorona, mpanao zava-kanto, mpihira ary mpanorina.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny hoe "manendry" dia azo adika hoe "manome" na "miantso" na "mifidy mba hanao ny asan'ny."
  • Ny teny hoe "voatendry" dia azo adika hoe "voatondro" na "nomena ny asa."

manenjika, fanenjehana

Famaritana

Ny teny hoe "manenjika" sy "fanenjehana" dia maneho ny fitondrana olona iray na vondron'olona amin'ny fomba sarotra izay mandratra azy ireo.

  • Ny fanenjehana dia mety amin'ny olona iray na olona maro ary matetika ahitana fanafihana miverimberina sy feno fikirizana.
  • Ireo Isiraelita dia nenjehin'ny vondron'olona maro samihafa izay nanafika, nisambotra azy ireo, ary nangalatra zavatra teny amin'izy ireo.
  • Ny olona matetika dia manenjika ny olona hafa izay manana finoam-pivavahana hafa na tsy manan-kery.
  • Ireo mpitarika fivavahana Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy satria tsy tian'izy ireo izay nampianarin'i Jesosy.
  • Rehefa niverina avy any an-danitra Jesosy, dia nosamborin'ireo mpitarika fivavahana Jiosy sy ny fanjakana Romana ireo mpanara-dia Azy.
  • Ny teny hoe "manenjika" dia afaka adika koa hoe "mampahory" na "mampijaly."
  • Ireo fomba handikana ny hoe "fanenjehana" dia ahitana ny hoe "fampijaliana mafy" na "fampahoriana."

maneso, manaraby, maniratsira, mpanaraby

Famaritana

Ny teny hoe "maneso," "manaraby" sy "manevateva" dia ilazana ny famazivaziana olona avokoa, indrindra amin'ny fomba tsy rariny.

  • Ny maneso matetika dia maka tahaka ny teny sy ny fihetsiky ny olona amin'ny fikendrena ny hahamenatra azy ireo na hanaovana tsinotsinona azy ireo.
  • Naneso na nanaraby an'i Jesosy ireo miaramila Romana tamin'ny nampanaovan'izy ireo akanjo lava Azy sy ny mody nisehoan'izy ireo ho nanaja tamin'ny maha-mpajaka Azy.
  • Ny teny hoe "maniratsira" ihany koa dia azo ilazana ny fanarabiana hevitra iray izay tsy raisina ho azo inoana na manan-danja.
  • Ny "mpanaraby" dia olona iray izay maneso sy maniratsira hatrany hatrany.

manimba

Famaritana

Ny teny hoe "manimba" ara-bakiteny dia midika fampiasana ny zavatra iray. Manana dikanteny ambadika maro izany.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "manimba" matetika dia maneho ny famotehana zavatra na olona.
  • Ny afo dia nolazaina ho manimba zavatra, izay midika hoe manimba azy ireo amin'ny fandoroana ireo izany.
  • Andriamanitra dia voafaritra ho "afo manimba," izay famaritana ny hatezerany amin'ny fahotana. Ny hatezerany dia miafara amin'ny fanasaziana be ho an'ireo mpanota izay tsy mibebaka.
  • Ny fehezanteny hoe "mandevona ny tany" dia afaka adika hoe "manimba ny tany."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ao amin'ny hevitra resahana hoe mandevona ny tany na olona, ity teny ity dia afaka adika hoe "mamotika."
  • Ny afo raha antsoina hoe "mandevona" dia afaka adika toy ny hoe "mandrehitra"
  • Ny kirihitra nirehitra izay hitan'i Mosesy dia "tsy levona" izay afaka adika hoe "tsy may" na "tsy nirehitra."
  • Rehefa miresaka momba ny fihinanana, ny hoe "mandevona" dia afaka adika hoe "mihinana."
  • Raha "lany" ny herin'ny olona iray, midika izany fa "nampiasaina" na "lefy" ny heriny.
  • Ny fomba fiteny hoe "Andriamanitra dia afo mandevona" dia afaka adika hoe "Andriamanitra dia toy ny afo izay mandrehitra ireo zavatra" na "Andriamanitra dia tezitra amin'ny fahotana ary hamotika ireo mpanota toy ny afo."

manimbazimba

Famaritana

Ny teny hoe "manimbazimba" dia midika hoe manimba na mandoto toerana na zavatra masina amin'ny fomba izay tsy azo ekena ny fampiasana azy amin'ny fiderana.

  • Matetika ny fanimbazimbana zavatra dia mitarika makany amin'ny fanehoana tsy fanajana lehibe ho an'izany zavatra izany.
  • Ohatra, ireo mpanjaka mpanompo sampy dia nanimbazimba ny sakafo natokana ho an'ny tempolin'Andriamanitra tamin'ny fampiasana izany tamin'ny lanona izay tao amin'ny lapan'izy ireo.
  • Ireo taolana avy amin'ireo maty dia nampiasain'ireo fahavalo mba hanimbazimbana ny alitara tao an-tempolin'Andriamanitra.
  • Ity teny ity dia afaka adika hoe "mahatonga ho tsy masina" na "fahafaham-baraka amin'ny fanaovana izay tsy madio" na "fanazimbazimbana" na "mahatonga tsy fahadiovana"

manitsakitsaka

Famaritana

Ny "manitsakitsaka" da midika hoe mandeha amin'ny zavatra iray na manorotoro izany amin'ny tongotra. Io teny io ihany koa ao amin'ny Baiboly dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana ny hoe "mamotika" na "mandresy" na "mampihetry."

  • "Fanitsakitsahana'' ohatra raha mihazakazaka eo amin'ny saha feno bozaka ny olona ary manorotoro ny bozaka amin'ny tongotr'izy ireo.
  • Tamin'ny andro taloha, ny divay matetika dia namboarina tamin'ny alalan'ny fanitsakitsahana ireo voaloboka mba hitsihifana ny ranom-boakazo.
  • Indraindray ny teny hoe "manitsakitsaka" dia misy hevitra ambadika izay midika famaizana amin'ny alalan'ny fampihetrena, ary ampitahaina amin'ny fanitsahana fotaka.
  • Ny teny hoe "manitsakitsaka" dia ampiasaina ho hevitra ambadika hanehoana ny fomba hamaizan'i Yaveh ny olony Israely nohon'ny fieboeboana sy fikomian'izy ireo.
  • Ny fomba hafa handikana ny "manitsakitsaka" dia azo atao hoe: "manorotoro amin'ny tongotra" na "mamotipotika amin'ny tongotra" na "manorotoro sy mamotika" na "manorotoro amin'ny tany."
  • Arakaraka ny foto-kevitra, io teny io dia azo adika amin'ny hevitra mivantana ihany koa toy ny hoe: "mamotika" na "mandavo" na "mampietry" na "manafay" na "mandresy tanteraka."

mankahery, mpankahery

Famaritana

Ny teny hoe "mankahery" sy "mpankahery" dia maneho fanampiana ny olona izay mijaly ara-batana na ara-pihetseham-po.

  • Ny olona izay mankahery olona iray dia antsoina hoe "mpankahery."
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny teny hoe "mankahery" dia nampiasaina mba hamaritana ny hatsaram-panahin'Andriamanitra sy ny fitiavany ny vahoakany ary manampy azy ireo rehefa mijaly.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia milaza fa hankahery ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Ireo izay mandray ny fampaherezana dia afaka manome izany fampaherezana izany amin'ireo izay mijaly avy eo.
  • Ny fomba fiteny hoe "mpankaherin'Israely" dia naneho ilay Mesia izay ho avy mba hanavotra ny olony.
  • Jesosy dia niantso ny Fanahy Masina toy ny hoe "Mpankahery" izay manampy ireo mpino an'i Jesosy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny hoe "mankahery" dia afaka adika koa hoe "mampitony ny fanaintainan'ny" na "manampy."

mankato, mpankato, fankatoavana

Famaritana

Ny teny hoe "mankatoa" dia midika hoe manao izay notakiana sy nodidiana. Ny teny hoe "mpankato" dia mamaritra ny toetran'ny olona izay mankato. Indraindray ny didy dia ny hoe "aza atao izao", ohatra "aza mangalatra" *Matetika ny teny hoe "mankato" dia ampiasaina amin'ny foto-kevitry ny fankatoavana ireo didy na lalànan'ny olona ao amin'ny fahefana. *Ohatra, ny olona dia mankatoa ny lalàna izay napetraky ny mpitarika ao amin'ny firenena, fanjakana na vondrona sasany. *Ny ankizy dia mankato ny ray aman-dreniny, ny mpanompo dia mankato ireo tompony, ny olona dia mankato an'Andriamanitra ary ny vahoaka dia manakato ny lalànan'ny fireneny. *Rehefa olona ao amin'ny fahefana no mandidy olona tsy anao zavatra, dia mankato ireo olona ireo ny amin'ny tsy hanaovany izany. *Ny fomba andikana izany teny izany dia hoe "ataovy izay nandidiana" na "araho ny baiko" na "ataovy izay lazain'i Tompo atao" *Ny teny hoe "mpankato" dia afaka adika hoe "manao izay nasaina natao" na "manaraka ny baiko" na "manao izay no baikon'Andrimanitra."


manolotra, manolo-tena, fanoloran-tena

Famaritana

Ny teny hoe "manolotra" sy "manolo-tena" dia maneho fandraisana fanapahan-kevitra na fampanantenana hanao zavatra.

  • Ny olona izay mampanantena hanao zavatra dia faritana koa hoe "manolo-tena" hanao izany.
  • Ny hoe "manolotra" asa sasantsasany ho an'olona iray dia midika hoe manendry izany asa izany ho an'io olona io. Ohatra, ao amin'ny 2 Korintiana Paoly dia milaza fa Andriamanitra "nanolo-tena" (na "nanome") antsika ny asa fanompoana amin'ny fanampiana olona mba hihavana amin'Andriamanitra.
  • Ireo teny hoe "manolotra" sy "manolo-tena" koa matetika dia maneho fanaovana zavatra diso sasantsasany toy ny hoe "manota" na "mijangajanga" na "mamono olona."
  • Ny fomba fiteny hoe "nanolotra azy ny asa" koa dia afaka adika hoe "nanome azy ny asa" na "nanankina ny asa taminy" na "nanendry ny asa ho azy."
  • Ny teny hoe "fanoloran-tena" dia afaka adika hoe "asa izay nomena" na "fampanantenana natao."

manome voninahitra

Famaritana

Ny fehezanteny hoe "manome voninahitra" dia midika fampisehoana na filazana ny mahalehibe na mahazava-dehibe ny zavatra na olona iray.

  • Ny olona dia afaka manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny filazana ny momban'ireo zavatra mahafinaritra vitany.
  • Izy ireo ihany koa dia afaka manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fiainana amin'ny fomba izay manome voninahitra Azy ary mampiseho ny halehibeny sy ny mahatalanjona Azy.
  • Ny Baiboly rehefa miteny fa Andriamanitra dia manome voninahitra ny tenany, dia midika izany fa mampiseho amin'ny olona ny fahalebiazany mahagaga Izy, matetika amin'ny alalan'ny fahagagana.
  • Ny olona rehetra izay mino an'i Kristy dia homem-boninahitra miaraka aminy. Rehefa atsangana amin'ny fiainana izy ireo, dia hovaina mba hampitaratra ny voninahiny ary hampiseho ny fahasoavany amin'ny zava-boahary rehetra.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity koa dia afaka adika hoe "manome voninahitra an'i" na "mitondra voninahitra ho an'ny" na "mampiseho ho lehibe."
  • Ny fehezanteny hoe "manome voninahitra an'Andriamanitra" dia afaka adika koa hoe "midera an'Andriamanitra" na "miresaka momba ny halehiben'Andriamanitra" na "mampiseho ny maha-lehibe an'Andriamanitra" na "manome voninahitra an'Andriamanitra."

manompo, fanompoana

Famaritana

Ny teny hoe: "manompo" dia midika fanampiana ny olona hafa. Mety hidika ihany koa izany hoe "mivavaka."

  • Eo amin'ny resaka vehivavy manompo ny vahininy, io teny io dia midika hoe: "mikarakara" na "mandroso sakafo" na "manome sakafo ho an'ny."
  • Rehefa nasain'i Jesosy nandroso ny hazandrano tamin'ireo olona ny mpianatra, dia azo adika izany hoe: "mizara" na "manolotra" na "manome."
  • Ny teny hoe "manompo" dia ilazana ny asa fanompoana. Azo ampiasaina entina hilazana ny "fihaonan'ny" Kristiana rehefa miara-mivavaka ihany koa izany.
  • Ny teny hoe "manompo" dia azo adika ihany koa hoe: "miasa ho an'ny" na "mikarakara ny" na "mankatoa," arakaraka ny foto-kevitra ihany.
  • Ny "manompo an'Andriamanitra" dia azo adika ihany koa hoe: "mivavaka ary mankatoa an'Andriamanitra" na "manao ny asa nandidian'Andriamanitra."
  • Ny "mandroso eo an-databatra" dia midika fandrosoana sakafo ho an'ny olona izay mipetraka eo an-databatra.
  • Ny olona izay mampianatra ny hafa momba an'Andriamanitra dia ambara fa sady manompo an'Andriamanitra no manompo ireo izay ampianariny.
  • Nanoratra tamin'ireo Korintiana Kristiana momba ny fomba "nanompoan'izy ireo" ny fanekena taloha i Paoly apostoly. Maneho ny fankatoavana ny lalàn 'i Mosesy.
  • Ankehitriny izy ireo dia "manompo" ny fanekena vaovao, izany hoe: nohon'ny soron'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana, ny Fanahy Masina dia mamela ireo mpino an'i Jesosy hahazo sitraka amin'Andriamanitra sy hiaina fiainana masina.
  • Miresaka momba izany eo amin'ny "fanompoan'izy ireo " ny fanekena taloha sy ny vaovao i Paoly. Azo adika ihany koa izany hoe "mankatoa" na "manolo-tena ho an'ny."

manoro-lalana, toro-lalana

Famaritana

Ny teny hoe "manoro-lalana" sy "toro-lalana" dia ilazana ny fanomezana tari-dalana manokana momba izay tokony ho atao.

  • Ny "manome toro-lalana" dia midika filazana amin'ny olona iray amin'ny fomba voafaritra izay tokony hataony.
  • Rehefa nanolotra ireo mofo sy hazandrano ho an'ireo mpianatra mba ho zaraina amin'ny vahoaka i Jesosy, dia nanome toro-lalana manokana ho azy ireo ny amin'ny fomba fanaovana izany Izy.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "manoro-lalana" dia azo adika hoe: ''milaza" na "mitari-dalana" na ''mampianatra" na "manome toro-lalana ho an'i."
  • Ny teny hoe "toro-lalana" dia azo adika ihany koa hoe "tari-dalana" na "fanazavana" na "izay nolazaina ho ataonareo.''
  • Rehefa manome toro-lalana Andriamanitra, dia azo adika hoe: "mandidy" na "mibaiko" io teny io.

manosika

Famaritana

Ny teny hoe "manosika" dia midika ara-bakiteny hoe manetsika zavatra iray ara-batana amin'ny fampiasana tanjaka.

  • Ny fomba fiteny hoe "manosika hiala" dia mety midika hoe "mandà" na "tsy te-hanampy."
  • Ny hoe "manosika midina" dia mety midika hoe "mampahory" na "manenjika" na "mandresy." Izany koa dia midika ara-bakiteny hoe manosika olona iray ho amin'ny tany.
  • Ny hoe "manosika olona hivoaka" dia midika hoe "manafoana" na "mampody" izany olona izany.
  • Ny fomba fiteny hoe "manosika mialoha" dia midika hoe miharitra na manohy manao zavatra tsy hananana antoka na marina na azo antoka izany.

mapahory, fahoriana

Famaritana

Ny teny hoe "mampahory" dia midika fanaovana zavatra izay mahatonga fahoriana na fijaliana ho an'ny olona iray. Ny "fahoriana" dia ny aretina, alahelo am-po, na loza hafa vokatr'izany.

  • Nampahorian'Andriamanitra tamin'ny aretina sy ady sarotra hafa ny vahokany mba hahatonga azy ireo hibebaka amin'ny fahotany ary hiverina Aminy.
  • Nahatonga fahoriana na loza ho tonga teo amin'ny vahoakan'i Egypta Andriamanitra satria nandà ny hankatoa an'Andriamanitra ny mpanjakan'izy ireo.
  • Ny hoe "ampahorian'ny" dia midika fijaliana nohon'ny karazam-pahoriana samihafa, toy ny aretina, fanenjehana, na alahelo am-po.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny mampahory olona dia azo adika hoe "mahatonga ny olona iray hiaina fikorontanana" na "mahatonga ny olona iray hijaly" na "mahatonga ny fahoriana hiavy."
  • Ao amin'ny foto-kevitra sasany ny "mampahory" dia azo adika hoe "nanjoa" na "tonga tamin'ny" na "nitondra fijaliana."
  • Ny fehezanteny toy ny hoe: "mampahory ny olona iray amin'ny habokana" dia azo adika hoe: "mahatonga ny olona iray hararin'ny habokana."
  • Rehefa alefa "hampahory" ny olona na biby ny aretina na loza iray, dia azo adika hoe "mampijaly ny" izany.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "fahoriana" dia azo adika hoe "loza" na "aretina" na "fijaliana" na "fahoriana lehibe" ara-batana.
  • Ny andian-teny hoe "ampahorian'ny" dia azo adika ihany ka hoe: "mijaly" na "mararin'ny."

masina

Famaritana

Ny teny hoe "masina" dia mamaritra zavatra izay mampiseho ny fiderana an'Andriamanitra na fiderana ireo sampy.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny teny hoe "masina" dia nampiasaina mba hamaritana ireo vato sampy sy zavatra nampiasaina hiderana andriamanitra diso. Izany dia afaka adika hoe "ara-pivavahana"
  • Ny "Hira masina" na "mozika masina" dia maneho mozika izay lalaovina na hiraina ho voninahitr'Andriamanitra. Izany dia afaka adika hoe "mozika fiderana an'Yaveh" na "hira izay midera an'Andriamanitra"
  • Ny teny hoe "adidy masina" dia maneho "adidy ara-pivavahana" na "fombafomba" izay tanterahin'ny mpisorona mba hitarihana ireo olona hivavaka amin'Andriamanitra. Izany dia afaka maneho ihany koa ny fombafomba fanaon'ny mpanompo sampy rehefa mivavaka amin'ireo andriamanitra diso izy ireo.

masoivoho, mpisolotena

Famaritana

Ny masoivoho dia olona iray izay voafidy mba hisolo-tena amin'ny fomba ofisialy ny fireneny any amin'ny firenena any ivelany. Ampiasaina ho hevitra ambadika ihany koa izany ary indraindray dia adika hoe "mpisolotena."

  • Ny masoivoho na mpisolotena no manome ny hafatra avy amin'ny olona na fanjakana izay naniraka azy ho an'ny vahoaka.
  • Ny teny mivelatra kokoa hoe "mpisolotena" dia ilazana ny olona izay nomena fahefana hiasa sy hiteny ho an'ny olona izay hisoloany tena.
  • Paoly apostoly dia nampianatra fa "masoivoho" na "mpisolotenan'i Kristy" ireo Kristiana satria misolotena an'i Kristy eto amin'izao tontolo izao ary mampianatra ny hafa ny hafany.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, io teny io dia azo adika hoe: "mpisolotena ofisialy" na "iraka voatendry" na "mpisolotena voafidy" na "mpisolotena voafidin'Andriamanitra."
  • Ny "vondrona masoivoho" dia azo adika hoe "iraka ofisialy" na "vondrona mpisolotena voatendry " na "antokon'olona hiteny ho an'ny vahoaka rehetra."

matory, tafatory

Famaritana

Ireo teny ireo dia manana hevitra ara-tsari-teny izay maneho ny fahafatesana.

  • Ny "matory" na "tafatory" dia sari-teny midika hoe "maty"
  • Ny fomba fiteny hoe "tafatory" dia maneho ny fotoana izay hanombohan'ny olona atory, raha amin'ny heviny ara-tsari-teny, ny fotoana hafatesany.
  • Ny "matory miaraka amin'ny rainy" dia midika hoe maty tahakan'ireo razambeny.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny teny hoe "matory" na "tafatory" dia afaka adika hoe "maty"
  • Ny "tafatory" dia afaka adika hoe "natory tampoka" na "nanomboka natory" na "maty" miankina amin'ny heviny.
  • Fanamarihana : tsara kokoa ny mitazona ny fomba fiteny ara-tsari-teny raha toa ka tsy azon'ny mpamaky. Ohatra, tamin'i Jesosy nilaza fa natory Lazarosy dia nieritreritra ny olona fa ny tiany lazaina dia hoe Lazarosy dia tena natory fotsiny. Raha amin'izany foto-kevitra izany dia tsy mitombona raha adika hoe "maty izy"
  • Mety manana fomba fiteny andikana ny hoe fahafatesana na maty ny fiteny andikana azy izay afaka hampiasana raha toa ka tsy mitovy amin'ny hoe maty ny teny hoe "matory" na "tafatory"

menaka

Famaritana

Ny menaka dia tsiranoka matevina madio izay nalaina avy tamin'ny voankazo na zava-maniry sasany. Ao amin'ny Baiboly, ny menaka dia avy amin'ny oliva foana matetika. *Menaka oliva dia ampiasaina amin'ny fahandroana sakafo, fanosorana, sorona, jiro na fanafody. *Tamin'ny andro fahiny, ny menaka oliva dia lafo vidy ary ny fananana ireny menaka ireny dia no heverina fa fandrefesana ny harena. *Kendreo ny fandikana ireo teny ireo mba haneho ireo karazana menaka izay atao amin'ny sakafo fa tsy hoe menaka ho ana fiara. Ny fiteny sasany dia manana karazana fiteny hilazana ireo karazana menaka ireo.


mendri-kaja, olona mendri-kaja

Famaritana

Ny teny hoe: "mendri-kaja" dia maneho zavatra iray izay lafatra sy ambony kalitao. Ny "olona mendri-kaja" dia olona iray izay ao anatin'ny politika ambony na sokajy ambony ara-tsosialy.

  • Ny olona mendri-kaja matetika dia manam-boninahitra ao amin'ny fanjakana, mpanompo akaikin'ny mpanjaka.
  • Ny teny hoe: "olona mendri-kaja" ihany koa dia afaka adika hoe: "mpanjaka manam-boninahitra" na "olona manam-boninahitra ao amin'ny governemanta" na "olona avo firazanana."

miaina, fofon'aina

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ireo teny hoe: "miaina" sy "fofon'aina" matetika dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana ny fanomezana fiainana na fananana fiainana.

  • Ny Baiboly dia mampianatra fa Andriamanitra dia "nanisy fofon'aina" tamin'i Adama. Tamin'izany no nahatonga an'i Adama ho fanahy velona.
  • Rehefa nanome fofon'aina tamin'ireo mpianatra Jesosy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "raiso ny Fanahy," dia mety hoe nitsoka rivotra tamin'izy ireo ara-bakiteny mba ho mariky ny Fanahy Masina tonga ao amin'izy ireo.
  • Indraindray ireo teny hoe: "mifoka rivotra" sy "mitsoka rivotra" dia ampiasaina mba hanehoana ny firesahana.
  • Ny hevitra ambadiky ny fomba fiteny hoe: "fofon'ain'Andriamanitra" na "fofon'ain'Yaveh" matetika dia maneho ny fahatezeran'Andriamanitra izay nahidiny tamin'ireo mpanohitra na firenena tsy manana an'Andriamanitra. Izany dia maneho ny heriny.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny fomba fiteny hoe: "fofon'ainy farany" dia fomba ambadika hilazana ny hoe: "maty izy." Izany ihany koa dia afaka adika hoe: "namoaka ny fara-fofon'ainy farany izy" na "tsy niaina intsony izy ka maty" na "nifoka rivotra indray mandeha farany izy."
  • Ny famaritana ao amin'ny Soratra Masina hoe: "tsindrimandrin'Andriamanitra" dia midika hoe: Andriamanitra miresaka na manindry mandry ireo tenin'ny Soratra Masina izay soratan'ny mpanoratra avy eo. Tsara kokoa raha mety, ny mandika ny "tsindrimandrin'Andriamanitra" ara-bakiteny satria sarotra ny maneho ny tena dikan'izany.
  • Afaka adika ihany koa hoe: "nosoratan'Andriamanitra" na "nolazain'Andriamanitra."
  • Ireo fomba fiteny hoe: "manome fofon'aina" na "manome fiainana" dia afaka adika hoe: "mampiaina" na "mahavelona indray" na "mahatonga azy ireo ho velona sy ho afaka miaina indray" na "manome fiainana."
  • Ny "fofon'ain'Andriamanitra" ihany koa dia afaka adika hoe: "herin'Andriamanitra" na "tenin'Andriamanitra."
  • Ny fomba fitenenana hoe: "maka aina" dia afaka adika hoe: "maka aina kely mba hifoka rivotra moramora" na "mijanona amin'ny fihazakazahana mba hiverina moramora ny fiaina (mba tsy ho sempotra)."
  • Ny fomba fiteny hoe: "lahitokana ny aina" dia midika hoe: "fotoana fohy no hahaveloman'ny olona" na "raha ampitahaina amin'Andriamanitra, ny fiainan'ny olona iray dia fohy tahaka ny fifohana rivotra indray mandeha.

mialona, mitsiriritra

Famaritana

Ny teny hoe "mialona" dia azo lazaina mitsiriritra ny olona iray noho izay hananan'izany olona izany na nohon'ny hatsarana mahavariana hanana'izany olona izany. Ny teny hoe "mitsiriritra" dia midika hoe mialona olona iray hany ka maniry mafy ny hanana izay hananan'izany olona izany.

  • Raha ny tena izy, ny fialonana dia fahatsapana fahasosorana ratsy nohon'ny fahombiazana, vintana tsara, na fananan'ny hafa.
  • Ny fitsiriritana dia faniriana mafy ny hanana ny fananan'ny olona iray, na dia ny vadin'olon-kafa aza.

Miampanga, fiampangana, mpiampanga

Famaritana

Ny teny hoe: "miampanga" sy "fiampangana" dia ilazana ny fandisoan'ny olona iray nohon'ny fanaovana zavatra tsy mety. Ny olona izay miampanga olona iray dia "mpiampanga."

  • Rehefa tsy marina ny fiampangana enti-manohitra ny olona iray dia atao hoe fiampangana lainga, tahaka ny niampangan'ireo mpitarika ny Jiosy lainga an'i Jesosy ho nanao ratsy.
  • Ao amin'ny Apokalypsy ao amin'ny bokin'ny Testamenta Vaovao, i Satana dia antsoina hoe "ilay mpiampanga."

miangatra, fiangarana

Famaritana

Ny teny hoe "miangatra" sy "fiangarana" dia maneho ny fanaovana safidy hitondra olona iray ho manan-danja kokoa noho ny olona hafa.

  • Ity dia mitovy amin'ny fizahan-tavan'olona, izay midika hoe mitondra olona sasany tsara kokoa noho ny hafa.
  • Matetika ny fiangarana na fizahan-tavan'olona dia aseho amin'ny olona satria manan-karena kokoa na malaza kokoa noho ny olona hafa izy ireo.
  • Ny Baiboly dia mampianatra ny olony mba tsy ampiseho fiangarana na fizahan-tava amin'ny olona izay manan-karena na manana toerana ambony.
  • Tao amin'ny taratasiny ho an'ireo Romana, dia mampianatra Paoly fa Andriamanitra dia mitsara ny olona ara-drariny fa tsy misy fiangarana.
  • Ny bokin'i Jakoba dia mampianatra fa diso ny fanomezana toerana tsara kokoa na fitondrana tsara kokoa ny olona iray satria hoe manan-karena izy ireo.

miangavy, fitarainana, fiangaviana

Famaritana

Ny teny hoe "miangavy" sy "fitarainana" dia maneho fangatahana maika amin'ny olona mba hanao zavatra. Ny hoe "fiangaviana" dia fangatahana maika.

  • Ny fitarainana matetika dia midika fa mahatsiaro ao anaty filàna tanteraka ilay olona na maniry fanampiana mafy.
  • Ny olona dia afaka miangavy na manao antso maika amin'Andriamanitra hahazo famindram-po na mangataha aminy mba hanome zavatra, na ho an'ny tenan'izy ireo na ho an'ny hafa.
  • Ireo fomba hafa handikana ity dia ahitana ny hoe "managtaka" na "mangatakaa maika."
  • Ny teny hoe "miangavy" dia afaka adika koa hoe "fangatahana maika" na "famporisihana mafy."
  • Kendreo mba hazava tsara ao amin'ny foto-kevitra fa ity teny ity dia tsy maneho fangatahana vola.

miankohoka

Famaritana

Ny teny hoe "miankohoka" dia midika hoe mitsilany mahitsy amin'ny tany dia ny tarehy no amin'ny tany.

  • Ny hoe "miankohoka" na "miankohoka" eo anoloan'ny olona dia midika hoe miondrika tena ambany na eo anoloan'izany olona izany.
  • Matetika ity fihetsika fiankohofana ity dia valiny izay mampiseho fahatairana, fahatalanjonana nohon'ny zavatra mahagaga iray nitranga. Izany koa dia mampiseho voninahitra sy haja ho an'ilay olona hiankohofana.
  • Ny fiankohofana ihany koa dia fomba iray hiderana an'Andriamanitra. Ny olona matetika dia namaly an'io fomba io tamin'i Jesosy tamin'ny tolo-pisaorana sy fiderana rehefa nanao fahagagana na hanome voninahitra Azy ho ilay mpampianatra lehibe.
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba handikana ny hoe "miankohoka" dia ahitana ny hoe "miondrika ambany tsara miaraka amin'ny tarehy amin'ny tany" na "nidera Azy tamin'ny fanaovana ny tarehy ho amin'ny tany teo anoloany" na "niondrika ambany tamin'ny tany tamin'ny fahagagana" na "nidera."
  • Ny fehezanteny hoe "tsy hampiankohoka ny tenanay" dia midika hoe "tsy hidera" na "tsy hiankohoka amin'ny fiderana" na "tsy hiondrika sy hidera."
  • Ny hoe "mampiankohoka ny tena" dia afaka adika hoe "midera" na "miondrika eo anoloany."

miaritra, fiaretana

Famaritana

Ny teny hoe "miaritra" dia midika hoe mizaka zava-tsarotra amim-paharetana.

  • Midika ihany koa izany hoe miorina tsara ka tsy milavo lefona raha tonga ny andron'ny fitsapana.
  • Ny teny hoe "fiaretana" dia mety hidika ihany koa hoe "faharetana," "fizakana fitsapana," na "faharetana raha enjehina."
  • Ny fampaherezana ny Kristiana mba "hiaritra hatramin'ny farany" dia milaza amin'izy ireo mba hankatoa an'i Jesosy, na dia mahatonga azy ireo hijaly aza izany.
  • Ny "miaritra fijaliana" dia mety hidika ihany koa hoe "miaina fahoriana."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba azo andikana ny teny hoe "miaritra" ihany koa dia hoe: "maharitra" na "mino hatrany" na "manohy manao izay tian'Andriamanitra hataonao" na "miorina tsara."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny "miaritra" dia azo adika hoe: "miaina" na "mandalo."
  • Raha hoe maharitra mandritra ny fotoana ela no tena heviny, dia azo adika hoe "maharitra" na "mitohy" ihany koa ny teny hoe "miaritra." Ny teny hoe "tsy miaritra" dia azo adika ihany koa hoe "tsy haharitra" na "tsy ho velona intsony."
  • Ny fomba mety andikana ny "fiaretana" dia hoe: "faharetana" na "finoana hatrany" na ''fahatokiana hatrany."

miavona

Famaritana

Ny teny hoe "miavona" dia midika ho feno avonavona. Izany dia maneho olona izay mieritreritra be loatra ny tenany.

  • Matetika io teny io dia mamaritra ny fireharehan'ny olona izay tsy mitsahatry ny manota eo anatrehan'Andriamanitra.
  • Matetika ny olona miavona dia mirehareha ny amin'ny tenany.
  • Ny olona miavona dia adala fa tsy hendry.
  • Izany teny izany dia afaka adika hoe "mirehareha" na "miresaka ny tenany foana."
  • Ny sari-teny hoe "maso miavona" dia afaka adika hoe "fomba fijery mirehareha" na "manao ny hafa ho tsy manan-danja" na "olona mirehareha izay mijery ny olona ho ambany"

mibedy (miteny mafy)

Famaritana

Ny atao hoe mibedy dia manome fanitsiana entitra am-bava ny olona iray, matetika izany dia mba hanampiana io olona io hiala amin'ny ota.

  • Ny Testamenta Vaovao dia mandidy ireo Kristiana mba hibedy ireo mpino hafa rehefa hita mazava tsara fa tsy mankatoa an'Andriamanitra izy ireo.
  • Ny bokin'ny Ohabolana dia mampianatra ny ray aman-dreny mba hibedy ireo zanany rehefa tsy mankatoa izy ireo.
  • Ny fibedesana matetika dia atao mba hisorohana ilay iray izay manao ny tsy mety amin'ny fampidiran'izy ireo ny tenan'izy ireo lalina amin'ny fahotana.
  • Izany ihany koa dia afaka adika hoe "manitsy mafy" na "mananatra."
  • Ny hoe "fibedesana" dia afaka adika hoe "fanitsiana mafy" na "kiana mafonja."
  • Ny hoe "tsy misy fibedesana" dia afaka adika hoe "tsy misy fananarana" na "tsy misy kiana."

midera

Famaritana

Ny midera olona dia fanehoana fahatalanjonana sy haja ho an'izany olona izany.

  • Ny olona dia midera an'Andriamanitra nohon'ny halehibeny sy noho ireo zavatra mahagaga rehetra nataony amin'ny maha-Mpahary sy Mpamonjy an'izao tontolo izao Azy.
  • Ny fiderana an'Andriamanitra matetika dia ahitana fankasitrahana noho izay nataony.
  • Ny mozika sy hira matetika dia nampiasaina ho fomba hiderana an'Andriamanitra.
  • Ny fiderana an'Andriamanitra dia ampahany amin'izay atao hoe mankalaza Azy.
  • Ny teny hoe "midera" dia mety adika hoe "manonona haja" na "fitenenana manaja" na "miresaka zavatra tsara momba ny."

mifady hanina

Famaritana

Ny teny hoe: "mifady hanina" dia midika hoe: mitsahatra mihinana mandritry ny fe-potoana voafaritra, toy ny hoe andro anankiray na maro. Indraindray dia tafiditra ao anatin'izany ny tsy fisotroana.

  • Ny fifadian-kanina dia afaka manampy ny olona mba hifantoka kokoa amin'Andriamanitra sy hivavaka tsy voaelingelin'ny fikarakarana sakafo sy ny fihinanana.
  • Jesosy dia nanameloka ireo mpitarika fivavahana Jiosy tamin'ny fifadian-kanina amin'ny antony diso. Nifady hanina izy ireo mba hieritreretan'ny olona hoe marina izy ireo.
  • Indraindray ny olona dia mifady hanina satria izy ireo dia malahelo mafy na misaona amin'ny zavatra iray.
  • Ny matoanteny hoe: "mifady hanina" dia afaka adika ihany koa hoe: "manajanona ny fihinanana" na "tsy mihinana."
  • Ny anarana hoe: "fifadian-kanina" dia azo adika hoe: "fotoana tsy hihinanana" na "fotoana tsy hisakafoana."

mifaly

Famaritana

Ny teny hoe "mifaly" dia midika hoe feno hafaliana sy haravoana.

  • Io teny io matetika dia maneho hoe tena faly amin'ny zavatra tsara izay nataon'Andriamanitra.
  • Ity dia afaka adika hoe "faly tanteraka" na "ravo tanteraka" na "feno hafaliana."
  • Rehefa niteny Maria hoe: "mifaly ao amin'Andriamanitra Mpamonjiko ny fanahiko" ny tiany ho lazaina dia hoe: "Andriamanitra Mpamonjiko no nahatonga ahy ho tena faly" na "Mahatsiaro ho feno hafaliana aho noho izay nataon'Andriamanitra Mpamonjy tamiko."

mihazakazaka, fihazakazahana

Famaritana

Ara-bakiteny ny teny hoe "mihazakazaka" dia maneho ny fihetsehana haingana amin'ny alalan'ny tongotra, matetika haingana noho ny fandehanana tongotra tsotra. Ny dika fototry ny hoe "mihazakazaka" ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika toy ireto manaraka ireto:

  • "mihazakazaka mba hahazo loka" izay maneho ny fiaretana amin'ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra toy ny faharetana amin'ny fihazakazahana mba handresy.
  • mihazakazaka amin'ny lalan'ny didinao" izay midika hoe mankato am-pifaliana ireo didin'Andriamanitra.
  • "mihazakazaka ao aorian'ireo andriamanitra hafa" izay midika hoe misisika amin'ny fanompoana andriamanitra hafa.
  • "Mihazakazaka ho eny aminao aho mba hanafina ahy" izay midika hoe: "miverina faingana amin'Andriamanitra izay fialofana sy fiarovana rehefa tojo zava-tsarotra.

Ireo dika ambadika hafan'ny "mihazakazaka"

  • Ny rano sy ny zavatra mitsiranoka hafa toy ny ranomaso, ny rà, ny hatsembohana ary ny renirano dia lazaina hoe "milatsaka." Izany ihany koa dia afaka adika hoe "mikoriana."
  • Ny sisin'ny firenena na faritra dia lazaina hoe "mihazakazaka manaraka" ny sisin'ny reniranon'ny firenena samihafa. Afaka adika ihany koa hoe "Ny sisiny dia akaikin'ny."
  • Ny renirano sy ny riaka dia mety ho "maina," izay midika fa efa ela no tsy nisy rano tao amin'izy ireny.
  • Ny andron'ny fety dia mety ho "tapitra fotoana," izay midika hoe "efa lasa" na "efa vita."

mihoby

Famaritana

Ny teny hoe "mihoby" dia midika hoe: mahatonga ny zavatra na olona iray ho lehibe kokoa na misarika ny saina amin'ny fahalebiazan'ny olona iray.

  • Rehefa ampiasaina ao amin'ny Baiboly, ny "mihoby" matetika dia ilazana ny fanandratana mpanjaka iray na Andriamanitra mihitsy.
  • Rehefa manandratra (mihoby) ny tenany ny olona iray, dia midika izany fa mihambo izy ary te hampiseho ny tenany ho manan-danja noho ny olona hafa.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba hafa azo andikana ny "mihoby" dia: "milaza ny halehibe"

mihoby, mpihoby

Famaritana

Ny teny hoe "mihoby" sy "mpihoby" dia ilazana ny fifaliam-be nohon'ny fahombiazana na fitahiana manokana.

  • Ny "mihoby" dia fahatsapana ny fankalazana zavatra mahafinaritra iray.
  • Afaka mihoby amin'ny fahatsaran'Andriamanitra ny olona iray.
  • Ny hoe "mpihoby" ihany koa dia mety hisy hevitra fieboeboana ao amin'ny fahatsapan'ny olona iray fifaliana nohon'ny fahombiazana sy fanambinana.
  • Ny hoe "mihoby" koa dia azo adika hoe "mankalaza am-pifaliana" na "midera amim-pifaliam-be."
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny teny hoe "mpihoby" dia azo adika ihany koa hoe: "midera am-pandresena" na "mankalaza amin'ny fideran-tena" na "mieboebo."

mihodina, miala, miverina (mitodika)

Famaritana

Ny "mihodina" sy "manodina" dia miova lalana na mahatonga ny zavatra iray hiova lalana.

  • Ny teny hoe "miodina" dia azo adika ihany koa hoe "mitoditodika" mba hiherika any ivoho na hijery lalana hafa.
  • Ny "miverina" na "miala" dia midika hoe: "mandeha miverina" na "mandeha miala."
  • Ny ''miala amin'ny'' dia mety hidika hoe "mitsahatra" manao zavatra iray na manda olona iray.
  • Ny "mitodika makany" amin'olona iray dia midika hoe mijery mivantana an'izany olona izany.
  • Ny "mitodika dia mandao" na "mitodi-damosina mba handao" dia midika hoe "miala lavitra."
  • Ny "miverina amin'ny" dia midika hoe: "manomboka manao zavatra iray indray."
  • Ny "miala amin'ny" dia midika hoe: "mitsahatra manao zavatra iray."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny "mihodina" dia azo adika hoe "miova lalana" na "mandeha" na "mifindra."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny "mampihodina" dia azo adika hoe: "mahatonga."

mihovitra

Famaritana

Ny teny hoe "mihovitra" dia midika hoe mangovitra na mangozohon'ny tahotra na fahoriana lehibe.

  • Io teny io dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana hoe "matahotra mafy."
  • Indraindray ny teny hoe "mangovitra" dia ilazana ny tany mihozongozona nohon'ny feo mafy dia mafy.
  • Ny Baiboly dia milaza fa hihovitrovitra manolona ny fanatrehan'ny Tompo ny tany. Mety hidika izany fa hangovitry ny tahotra an'Andriamanitra ny olona eto an-tany na ny tany mihitsy no hihovitrovitra.
  • Io teny io dia azo adika hoe: "matahotra" na "tahotra an'Andriamanitra" na "mangozohozo," arakaraka ny foto-kevitra ihany.

mijaly, fijaliana

Famaritana

Ny teny hoe "mijaly" sy "fijaliana" dia maneho fa niaina zavatra tena tsy tsara, tahaka ny hoe aretina, fanaintainana na zava-tsarotra hafa.

  • Rehefa ny olona no henjehina na tena marary mafy dia mijaly izy ireny.
  • Indraindray ny olona dia mijaly noho ireo zavatra tsy nataony, na koa mijaly izy ireo noho ny ota sy ny aretina misy eto amin'izao tontolo izao.
  • Fijaliana dia mety ho ara-nofo, toy ny hoe mahatsapa fanaintainana na aretina. Mety koa izany ho fijaliana ao anaty toy ny hoe mahatsapa tahotra, malahelo na manirery.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "mijaly" dia afaka adika hoe "mahatsapa fanaintainana" na "mizaka ny sarotra" na "miaina zava-tsarotra" na "mandalo zava-tsarotra sy mampalahelo"
  • Miankina amin'ny zava-misy ny heviny, "fijaliana" dia afaka adika hoe "tranga tena sarotra" na "zava-tsarotra mafy" na "miaina zava-tsarotra" na "fotoanan'ny fandalovana zavatra mankarary"
  • Ny teny hoe "mijaly amin'ny hetaheta" dia afaka adika hoe "mahatsapa mangetaheta" na "mijaly amin'ny fangetahetana"
  • Ny "mijaly amin'ny herisetra" dia afaka adika hoe "miaritra herisetra" na "maratra noho ny fihetsika maherisetra"

mijery, mpiambina

Famaritana

Ny teny hoe: "mijery" dia midika hoe manara-maso akaiky sy am-pitandremana ny zavatra iray. Manana hevitra ambadika maro izany. Ny "mpiambina" dia olona izay miambina tanàna ny asany amin'ny alalan'ny fijerena am-pitandremana ny manodidina azy amin'ny loza na fandrahonan'ny olona ao an-tanàna.

  • Ny mibaiko hoe: "jereo akaiky ny fiainanao sy ny fombanao" izay midika hoe mitandrina mba hiaina am-pahendrena ary tsy hino ireo fampianarana diso.
  • Ny hoe: "malina amin'ny" dia fampitandremana amin'ny loza na amin'ny voka-dratsy.
  • Ny hoe: "miambina" na "mitandrina" dia midika hoe: malina hatrany ary mailo amin'ny fahotana sy ny ratsy. Izany ihany koa dia midika hoe "mivonona."
  • Ny hoe: "mijery akaiky" dia afaka midika hoe: miambina, miaro na mikarakara olona iray na zavatra iray.
  • Ao anatin'ireo fomba hafa handikana ny hoe: "mijery" ny hoe: "mijereva akaiky ny" na " mba mailo" na "mitandrema tsara" na "aoka ho malina."

mijinja, mpinjinja

Famaritana

Ny teny hoe "mijinja" dia midika hoe manangom-bokatra toy ny vary. Ny "mpinjinja" dia olona iray izay mijinja ny vokatra.

  • Matetika ireo mpinjinja dia mijinja ny vokatra amin'ny tanana, manongotra ilay zava-maniry na manapaka azy ireo amin'ny fitaovana maranitra.
  • Ny hevitry ny fijinjana ny vokatra matetika dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana ny filazana vaovao mahafaly momban'i Jesosy amin'ny olona sy ny fitondrana azy ireo hidtra amin'ny fianakavian'Andriamanitra.
  • Io teny io ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana ny vokatry ny zavatra nataon'ny olona iray, toy ny amin'ny filazana hoe "mijinja izay nafafiny ny olona."
  • Ao anatin'ny fomba hafa handikana ny "mijinja" sy ny "mpinjinja" ny hoe "manangom-bokatra" sy "mpanangom-bokatra" ( na "olona izay manangom-bokatra").

mikatsaka (mitady), nokatsahina (notadiavina)

Famaritana

Ny teny hoe "mikatsaka" dia midika hoe mitady zavatra na olona iray. Mety hidika ihany koa izany hoe "miezaka mafy" na "mikely hery" mba hanao zavatra iray.

  • Ny "mikatsaka" na "mitady" irika dia midika hoe "miezaka ny hahita fotoana" hanaovana zavatra iray manokana.
  • Ny "mitady an'Andriamanitra" dia midika hoe: "mandany fotoana sy hery mba hahafantatra an'i Yaveh ary mianatra mankatoa Azy."
  • Ny "mitady fiarovana" dia midika hoe: "miezaka mitady olona na toerana izay hiaro anao amin'ny loza."
  • Ny "mitady rariny" dia midika hoe: "mikely hery mba hahita ny olona hoentina araka ny marina sy ny rariny."
  • Ny "mikatsaka ny fahamarinana" dia midika hoe: "manao ezaka mba hahalala ny fahamarianana."
  • Ny "mitady sitraka" dia midika hoe: "miezaka ny hahazo sitraka" na "manao zavatra izay mahatonga ny olona iray hanampy anao."

mikitro-nify

Famaritana

Ny mikitro nify dia midika hoe mihidy vazana ary mampisakokasoka izay. Matetika izany dia maneho fanaintinana mafy dia mafy na hatezerana.

  • Ny Baiboly dia miteny antsika fa ny fikotroha-nify dia zavatra iray ho ataon'ireo izay any amin'ny helo amin'ny fotoana mampahory azy ireo.
  • Ity teny ity dia ihany koa dia afaka adika hoe "mampiady nify."

mikomy, mpikomy, fikomiana

Famaritana

Ny teny hoe "mikomy" dia midika hoe mandà ny hanaiky ny fahefan'ny olona iray. Ny olona "mpikomy" matetika dia tsy mankatoa ary manao zavatra ratsy.

  • Atao hoe mikomy ny olona iray rehefa minia manao ny zavatra izay tsy avelan'ireo manam-pahefana ho ataony.
  • Ny olona ihany koa dia afaka mikomy amin'ny alalan'ny fandavana hanao izay nasain'ireo manam-pahefana ho atao.
  • Indraindray ny olona dia mikomy manohitra ny governemantan'izy ireo na ny mpitondran'izy ireo.
  • Ny teny hoe "mikomy" dia afaka adika ihany koa hoe "tsy mankatoa" arakaraky ny foto-kevitra.
  • "Ny mpikomy" dia afaka adika ihany koa hoe "tsy mankatoa lalandava" na "mandà ny hankatoa."
  • Ny teny hoe "fikomiana" dia midika hoe "fandavana hankatoa" na "tsy fankatoavana" na "fandikana lalàna."
  • Ny teny hoe "fikomiana" na "vondrona mpikomy" ihany koa dia afaka maneho vondron'olona izay mikomy manohitra ampahibemaso ny fitondran'ireo manam-pahefana amin'ny alalan'ny fandikana lalàna sy fanafihana ireo mpitarika ary ny olona hafa. Matetika izy ireo dia miezaka mitarika ny olona hafa mba hiaraka amin'izy ireo hanao ny fikomiana.

mikororoka vary, fikororoham-bary

Famaritana

Ny teny hoe "mikororoka vary" sy ''fikororoham-bary" dia ilazana ny dingana voalohany hanasarahana ny voam-bary amin'ny akofa.

  • Ny fikororoham-bary dia manala ny voa amin'ny mololo sy ny akofa. Aorian'izany dia "ahofa" mba hampisarahana tanteraka ny voam-bary amin'ny zavatra tsy ilaina rehetra, ka ny voa azo hanina ihany no avela.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny "tany fikororoham-bary" dia vato fisaka lehibe izay mifanaingina amin'ny tany, izay manome toerana mahitsy tsy mikitaontaona hikapohana ny tahom-bary ary hanalana ny voa.
  • Ny "milina fikororoham-bary" indraindray dia ampiasaina hikapohana ny voa ary manampy hanavaka izany amin'ny akofa sy mololo.
  • Ny "vy fikororoham-bary" na "takela fikororoham-bary" ihany koa dia nampiasaina mba hanasarahana ny voa. Vita tamin'ny takela hazo izay nisy vy maranitra teo amin'ny lohany izany.

mikororoka, manasivana

Famaritana

Ireo teny hoe "mikororoka" sy "manasivana" dia midika hoe manasaraka ny vary amin'ny akofa. Ao amin'ny Baiboly, ireo teny roa ireo dia samy ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana ny fanasarahana na fizarana olona.

  • Ny teny hoe: "mikororoka" dia maneho ny fanasarahana ny vary amin'ny akofa amin'ny alalan'ny fitsofan-drivotra.
  • Ny teny hoe: "manasivana" dia maneho ny fanetsiketsehana ny vary voakororoka amin'ny sivana mba hialan'ny akofa, ny ahi-dratsy ary ny vato.
  • Ao amin'ny Testamenta taloha, ireo teny hoe: "mikororoka" na "manivana" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hamaritana ny zava-tsarotra izay manasaraka ny olona marina amin'ny olona tsy marina.
  • Jesosy ihany koa dia mampiasa ny teny hoe: "manasivana" amin'ny hevitra ambadika rehefa miteny an'i Simeona Petera momba Azy sy ireo mpianatra ho tsapaina amin'ny finoan'izy ireo Izy.
  • Mba handikana ireo teny ireo, ampiasao ny teny na andian-teny ao amin'ny teny entina mandika izay maneho ireo asa ireo, ireo mety ho fandikana izany dia hoe: "fanakororohana" na "fitsofana."

miondrika, miankohoka

Famaritana

Ny "miondrika" dia midika hoe: miondrika am-panetren-tena mba hanehoana fanajana sy voninahitra manoloana ny olona iray. Ny "miankohoka" dia midika hoe: miondrika miankohoka amin'ny tany, matetika amin'ny tava sy tanana eo amin'ny tany.

  • Ireo fomba fiteny hafa dia ahitana ny hoe: "mandohalika" sy "manondrika ny loha"( midika hoe manondrika ny loha mba ho fanajana na fanehoana alahelo).
  • Ny miankohoka dia afaka adika hoe mariky ny fahoriana na fisaonana. Ny olona iray izay "miankohoka" dia tonga eo amin'ny toeran'ny fietrena.
  • Matetika ny olona iray dia hiondrika eo anatrehan'ny olona iray izay ambony toerana kokoa na lehibe kokoa, toy ny mpanjaka sy ireo mpanapaka hafa.
  • Ny miondrika eo anatrehan'Andriamanitra dia fanehoana ny fiderana Azy.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny olona dia miondrika eo anatrehan'i Jesosy rehefa tonga saina tamin'ny alalan'ireo fahagagana sy ny fampianarana izay azony avy amin'Andriamanitra.
  • Ny Baiboly dia miteny fa rehefa hiverina Jesosy indray andro any, ny olona rehetra dia handohalika mba hitsaoka Azy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Io teny io ihany koa dia afaka adika hoe: "miondrika eo anatrehan'ny."
  • Ny "miankohoka" dia midika hoe: "mandohalika" na "manondrika ny tena."
  • Ny fitenim-paritra sasany dia mety manana fomba hafa handikana io teny io, arakaraky ny foto-kevitra.

mirehareha

Famaritana

  • Ny olona mirehareha dia manana toetra mahatsapa ho ambony noho ireo hafa.
  • Paoly dia nampianatra fa ny fahalalana zavatra be dia be na fananana traikefa ara-pivavahana dia afaka mitarika ho amin'ny "fireharehana."
  • Ireo fiteny hafa dia mety manana fomba fiteny mitovy na hafa izay maneho ity hevitra ity, toy ny hoe "be loha."
  • Ity ihany koa dia mety adika hoe "tena mirehareha" na "mieboebo amin'ny hafa" na "manambony" na "mieritreritra ny tena ho tsara kokoa noho ireo hafa."

mirehareha, fieboeboana, mieboebo

Famaritana

Ny teny hoe "mirehareha" sy "mieboebo" dia maneho olona mieritreritra ny tenany ho ambony, ary indrindra, mieritreritra fa tsara noho ny hafa.

  • Ny olona mirehareha matetika dia tsy miaiky ny hadisoany. Tsy manetry tena izy.
  • Ny fieboebo dia mety mitarika amin'ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra amin'ny fomba hafa.
  • Ny teny hoe "mirehareha" sy "eboebo" koa dia afaka ampiasaina amin'ny lafiny tsara, toy ny hoe "mirehareha amin'izay" tratran'ny olona iray sy hoe "mirehareha amin'ny" zanakao. Ny fomba fiteny hoe "mirehareha amin'ny asanao" dia midika hoe mahita fifaliana amin'ny fanaovana tsara ny asanao.
  • Ny olona dia afaka mirehareha amin'izay nataony tsy am-pieboeboana tamin'izany. Ireo fiteny sasany dia manana teny hafa ho an'ireo hevitry ny hoe "fieboeboana" roa ireo.
  • Ny teny hoe "mieboebo" dia amin'ny lafiny ratsy foana, miaraka amin'ny hevitra hoe "miavonavona" na "manambony tena."

misambotra (mahazo, fanagiazana)

Famaritana

Ny teny hoe "misambotra" dia midika fakàna na fisamborana olona iray an-keriny. Mety hidika ihany koa izany hoe: manararao-pahefana ary mifehy ny hafa.

  • Rehefa azo tamin'ny alalan'ny herin-tafika ny tanàna iray, dia giazin'ireo miaramila ny fananan-tsarobidin'ny olona izay babon'izy ireo.
  • Rehefa ampiasaina ho hevitra ambadika, ny olona iray dia azo faritana ho "azon-tahotra." Midika izany fa "resin-tahotra" tampoka ilay olona. Azo adika ihany koa izany hoe: "lasa natahotra mafy tampoka."
  • Eo amin'ny resaka fanaintainana avy amin'ny asa izay "mahazo" ny vehivavy, ny dikan'izany dia tampoka tokoa ny fanaintainana ary mandresy azy. Azo adika izany hoe: "mandresy" na "tonga tampoka amin'ny."
  • Io teny io ihany koa dia azo adika hoe: "mifehy" na "mahazo tampoka" na "misambotra."
  • Ny fomba fiteny hoe: "nisambotra ary nandry taminy" dia azo adika hoe "nanolana azy" na "nametaveta azy." Ezaho mba ho azo ekena ny fandikana izany.

misaona, fisaonana

Famaritana

Ny teny hoe "misaona" sy "fisaonana" dia ilazana ny fanehoana alahelo lalina, matetika izany dia ho setrin'ny fahafatesan'ny olona iray.

  • Amin'n kolotsaina maro, ao anatin'ny fisaonana ny fisian'ny fitondran-tena manokana ivelany izay mampiseho izany alahelo sy fahoriana izany.
  • Ny Israelita sy ireo vondron'olona hafa taloha dia naneho ny fisaonana tamin'ny alalan'ny hiakiaka mafy sy fitomaniana. Nanao akanjo fisaonana marokoroko ary nanisy lavenona teo amin'ny tenany ihany koa izy ireo.
  • Ireo mpisaona voakarama, izay vehivavy matetika, dia nitomany mafy sy nihiakiaka manomboka amin'ny andron'ny fahafatesana ka hatramin'ny fametrahana ny faty ao am-pasana.
  • Ny fotoam-pisaonana mahazatra dia fito andro, fa mety haharitra hatramin'ny telopolo andro (toy ny an-dry Mosesy sy Arona) na fitopolo (toy ny an'i Jakoba) izany.
  • Mampiasa io teny io ho hevitra ambadika ihany koa ny Baiboly, mba hilazana ny "fisaonana" nohon'ny fahotana. Maneho ny fahatsapana alahelo lalina izany satria mandratra an'Andriamanitra sy ny olona ny fahotana.

Misitery (zava-miafina), fahamarinana miafina

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "misitery" dia maneho zavatra tsy fantatra na tsy hay takarina izay hazavain'Andriamanitra ankehitriny.

  • Ny Testamenta Vaovao dia mametraka mazava fa ny filazantsaran'i Kristy dia misitery izay tsy fantatra tamin'ny andro taloha.
  • Ny iray amin'ireo hevitra voafaritra fa misitery ny mety hitovizan'ny Jiosy sy Jentilisa eo amin'i Kristy.
  • Io teny io dia azo adika hoe "tsiambaratelo" na "zava-miafina" na "zavatra tsy fantatra."

mitafy,

Famaritana

Rehefa ampiasaina ho hevitra ambadika ao main'ny Baiboly, ny hoe "mitafy" dia midika hoe ari-fitaovana. Ny hoe "manafy" ny tenanao amin'ny zavatra iray dia midika hoe mikatsaka ny hanana toetra tsara.

  • Tahaka ny akanjo izay ivelany amin'ny vatanao ary hitan'ny rehetra, rehefa "mitafy" toetra tsara ianao, dia afaka hitan'ny hafa avy hatrany izany. Ny hoe "manafy ny tenanao amin'ny hatsaran-toetra" dia midika hoe mamela ny asanao ho voamarika amin'ny hatsaram-panahy izay mora hitan'ny olon-drehetra.
  • Ny hoe "mitafy hery avy any ambony" dia midika hoe manana hery nomena anao.
  • Ity teny ity koa dia nampiasaina mba hilazana zavatra ratsy niainana, toy ny hoe "mitafy henatra" na "mitafy fampihorohoroana."

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha azo atao, tsara indrindra ny mitazona ny endrika ara-bakiteny amin'ny teny hoe "tafio ... ny tenanao."
  • Raha tsy manome ny dikany marina izany, dia fomba hafa handikana ny hoe "mitafy" ny hoe "mampiseho" na "maneho" na "feno" na "manana ny hatsaran'ny."
  • Ny teny hoe "tafio ... ny tenanao" dia afaka adika hoe "rakofy ... ny tenanao" na "mitondrà tena amin'ny fomba izay mampiseho."

mitalaho, mpangataka

Famaritana

Ny teny hoe: "mitalaho" dia midika hoe mangataka zavatra amin'ny olona iray amin'ny fahaporetana. Izany matetika dia maneho ny fangatahana vola, fa ny mahazatra dia ampiasaina mba hanehoana fangatahan-javatra izany.

  • Matetika ny olona dia mitalaho mafy rehefa tena mila zavatra izy ireo, kanefa tsy mahafantatra na hanome izay hangatahan'izy ireo ilay olona na tsia.
  • Ny "mpangataka" dia olona iray izay matetika mipetraka na mitsangana amin'ny toeran'ny daholobe mba hangataka vola amin'ny olona.
  • Arakaraky ny foto-kevitra, io fiteny io dia afaka adika hoe: "mitalaho" na "mangataka vola" na "mangataka vola matetika."

mitatitra

Famaritana

Ny teny hoe "mitatitra" dia midika hoe milaza amin'ny olona momba ny zavatra izay niseho, matetika izany dia filazana amin'ny antsipiriany ny momba izany tranga izany. Ny tatitra dia afaka resahana na soratana.

  • Ny "mitatitra" ihany koa dia afaka adika hoe "milaza" na "manazava" na "milaza amin'ny antsipiriany ny."
  • Ny fitenenana hoe "Aza lazaina an'iza na iza izany" dia afaka adika hoe "Aza resahana amin'iza na iza ny momba izany" na "Aza miresaka momba izany amin'iza na iza."
  • Ao anatin'ny fomba handikana ny "tatitra" ny hoe "fanazavana" na "tantara" na "tatitra amin'ny antsipiriany" arakaraka ny foto-kevitra.

mitombo

Famaritana

Ny teny hoe "mitombo" dia midika hoe mihamaro isa. Mety hidika ihany koa izany hoe mahatonga zavatra iray hitombo habe, toy ny fampitomboana ny fanaintainana.

  • Niteny tamin'ny biby sy ny olombelona Andriamanitra mba "hitombo" sy hameno ny tany. Didy mba hanamboatra maro dia maro tokoa amin'ny karazan'izy ireo avy izany.
  • Nampitomboan'i ireo mofo sy hazandrano mba hamokisana ireo vahoaka 5000. Nitombo hatrany ny haben'ny sakafo hany ka nisy sakafo ampy hamokisana ny olon-drehetra teo.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, io teny io dia azo adika hoe "mihamaro" na "mahalasa mitombo'' na "mitombo isa tokoa" na "mihamaro isa" na "lasa maro isa kokoa."
  • Ny teny hoe "hampitombo fatratra ny fanaintainanao" dia azo adika hoe: "hahatonga ny fanaintainanao ho mafy kokoa" na "hahatonga ny zavatra iainanao ho fanaintainana."
  • Ny "mampitombo soavaly" dia midika hoe "maka soavaly hatrany tsy am-pahononana" na "mahazo soavaly maro isa."

mitondra

Famaritana

Ny teny hoe: "mitondra" dia midika ara-bakiteny hoe: "mitondra zavatra." Misy hevitra ambadika maromaro ihany koa ampiasana io teny io.

  • Rehefa vehivavy iray mitondra vohoka no resahina , dia midika hoe: "miteraka zaza."
  • Ny "mitondra enta-mavesatra" dia midika hoe: "misedra zavatra sarotra." Ireo zavatra sarotra ireo dia ara-batana na fijaliana ara-pietseham-po.
  • Ny fomba fiteny hiraisana ao amin'ny Baiboly dia hoe: "mamoa" izay midika hoe: "mamokatra voa" na "misy voa."
  • Ny fomba fiteny hoe: "mitondra fijoroana vavombelona" dia midika hoe: "mijoro vavolombelona" na "mitatitra izay hita na niainan'ny anankiray."
  • Ny filazana fa "ny zanaka lahy dia tsy hitondra ny heloky ny rainy" dia midika fa "izy dia tsy ho tompon'antoka amin'ny" na "tsy ho voasazin'ny" fahotan'ny rainy.
  • Amin'ny ankapobeny, io fiteny io dia afaka adika hoe: "mitondra" na "tompon'antoka amin'ny" na "mamokatra" na "manana" na "miaritra," arakaraky ny foto-kevitra.

mitory

Famaritana

MIresaka amin'ny vondron'olona, mampianatra azy ireo momban'Andriamanitra ary mamporisika azy ireo hankatoa Azy.

  • Matetika ny fitoriana dia ataon'ny olona iray amin'ny vondron'olona maro. Izany matetika dia resahana, fa tsy soratana.
  • Ny "fitoriana" sy "fampianarana" dia mitovy fa tsy sahala.
  • Ny "fitoriana" dia maneho fanambarana fahamarinana ara-panahy sy ara-moraly am-pahibemaso, ary famporisihana ny mpihaino mba hamaly. Ny "fampianarana" dia teny izay manamafy ny fampahafantarana, izany hoe, mampahafantatra na mampianatra azy ireo ny fomba fanaovana zavatra.
  • Ny teny hoe "mitory" matetika dia ampiasaina miaraka amin'ny teny hoe "filazantsara."
  • Izany notorian'ny olona iray tamin'ny hafa dia afaka atao hoe "fampianarana" ihany koa amin'ny ankapobeny.

mitsimpona, fanangonam-bokatra

Famaritana

Ny teny hoe "mitsimpona" dia midika hoe mandeha mamakivaky saha mba hanangona na inona na inona voa na voankazo navelan'ny mpinjinja teny.

  • Andriamanitra dia nitemy ireo Israelita mba hamela ireo mpitondratena, olona mahantra, ary vahiny hanangona ireo voa tavela mba hanomezana sakafo ho an'ny tenan'izy ireo.
  • Indraindray ny tompon-tany dia mamela ireo mpanangom-bokatra handeha mivantana aorian'ireo mpinjinja mba hitsimpona, izay mamela azy ireo hitsimpona betsaka amin'ireo voa.
  • Ohatra mazava amin'ny fomba fiasan'izany ny tantaran'i Rota, izay navela hitsimpona be teo amin'ireo mpinjinja teny an-tsahan'ny Boaza havany.
  • Ny fomba hafa handikana ny hoe "mitsimpona" dia mety hoe "manangona."

mitsonika, natsonika

Famaritana

Ny teny hoe "mitsonika" dia ilazana ny zavatra iray izay miova ho tsiranoka rehefa hafanaina. Ny zavatra izay izay mitsonika dia voafaritra ho "natsonika."

  • Misy karazam-by samihafa izay hafanaina mandra-pitsonika azy ary araraka anaty lasitra mba hanamboarana zavatra toy ny fitaovam-piadiana na sampy.
  • Rehefa mirehitra ny jiro (labozia), dia mitsonika ny savoka ary mitete. Tamin'ny andro taloha, ny taratasy matetika dia tombohana amin'ny alalan'ny fandrarahana savoka kely eo amin'ny sisiny.
  • Ny hevitra ambadika ampiasana ny "mitsonika" dia midika hoe: nanjary malefaka sy malemy, tahaka ny savoka nitsonika.
  • Ny fomba fiteny hoe: "hitsonika ny fon'izy ireo" dia midika fa hanjary halemy tokoa izy ireo nohon'ny tahotra.
  • Misy hevitra ambadika ihany koa hoe: "hitsonika izy ireo" izay midika fa ho voatery hiala izy ireo ary hiseho ho osa ka handeha am-paharesena.
  • Ny hevitra ara-bakitenin'ny "mitsonika" dia azo adika hoe: "miova ho tsiranoka" na "avadika hitsiranoka" na "amboarina ho lasa tsiranoka."
  • Ny fomba hafa azo handikana ny hevitra ambadiky ny "mitsonika" dia: "zary malemy" na "zary osa" na "resy."

miverina

Famaritana

Ny teny hoe "miverina" dia midika hoe mankany amin'izay niandohana na mamerina zavatra iray.

  • Ny hoe "mamerina zavatra" dia midika hoe miverina manao ilay zavatra indray.
  • Rehefa niverina tamin'ny fanompoana sampy ireo Israelita, izany dia midika fa niverina nidera azy ireo indray izy ireo.
  • Rehefa niverina tamin'Yaveh izy ireo, dia nibebaka ary niverina nanompo an'Yaveh indray.
  • Ny hoe mamerina tany na zavatra izay nalaina na azo tamin'olona iray hafa dia midika hoe mamerina indray ilay fananana any amin'ilay olona tompony.

momba

Famaritana

Ny atao hoe: "momba" dia midika hoe tsy mamokatra na tsy miteraka.

  • Ny tany izay momba dia tsy afaka mamokatra.
  • Ny vehivavy izay momba dia tsy mitoe-jaza.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Rehefa ampiasaina mba hanehoana ny tany ny hoe: "momba," dia afaka adika hoe: "tsy mamokatra" na "tsy misy voany"
  • Rehefa maneho ny vehivavy momba izany, dia afaka adika hoe: "tsy miteraka" na "tsy afaka mitoe-jaza."

mosary

Famaritana

Ny teny hoe: "mosary" dia maneho ny tsy fisian-tsakafo goavana manerana ny firenena iray na faritra iray, matetika izany dia noho ny tsy fahampian'ny orana.

  • Ny vokatra dia mety ho faty nohon'ny tsy fisian'orana goavana, aretina mpahazo ny vokatra, na bibikely.
  • Ny tsy fahampian'ny sakafo dia mety ho ny olona no mahatonga izany, toy ny fahavalo izay manimba ny vokatra.
  • Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra matetika no mahatonga ny mosary mba ho fanasaziana ny firenena rehefa manota manohitra Azy izy ireo.
  • Ao amin'i Amosa 8:11 ny teny hoe: "mosary" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana ny fotoana izay nanasazian'Andriamanitra ny olony tamin'ny alalan'ny tsy firesahana tamin'izy ireo. Afaka adika amin'ny tenim-paritrao ihany koa ny teny hoe: "mosary", na amin'ny andian-teny toy ny: "tsy fisiana goavana" na "tsy fahampiana goavana."

mpaminany sandoka

Famaritana

Ny mpaminany sandoka dia olona iray izay manambara am-pahadisoana fa ny hafany dia avy amin'Andriamanitra.

  • Ireo faminanian'ireo mpaminany sandoka matetika dia tsy tanteraka. Izany hoe, tsy tontosa ireo.
  • Ireo mpaminany sandoka dia mampianatra hafatra izay misy ampahany na tena mifanohitra tanteraka amin'izay lazain'ny Baiboly.
  • Io teny io dia afaka adika ihany koa hoe: "olona izay manambara am-pahadisoana hoe mpitondra tenin'Andriamanitra" na "olona izay manambara am-pahadisoana hoe milaza ireo tenin'Andriamanitra."
  • Ny Testamenta Vaovao dia mampianatra fa amin'ny fara andro dia hisy mpaminany sandoka maro izay hiezaka hamitaka ny olona amin'ny fieritreretana fa izy ireo dia avy amin'Andriamanitra.

mpamory hetra

Famaritana

Ny "mpamory hetra" dia mpiasam-panjakana izay nanana ny asan'ny fandraisana ny vola izay takiana amin'ny olona haloa amin'ny fanjakana hatao hetra.

  • Tamin'ny andron'i Jesosy sy ireo apostoly, ny fanjakana Romana dia nitaky hetra tamin'ny olon-drehetra nipetraka tany amin'ny fanjakana Romana, tao anatin'izany ny Jiosy.
  • Ireo olona izay nanangona ny hetra ho an'ny fanjakana Romana matetika dia nangataka vola avy amin'ny vahoaka mihoatra noho izay notakian'ny fanjakana. Notazonin'ireo mpamory hetra ho azy ireo ihany izany vola mihoatra izany.
  • Satria nisoloky tamin'ny vahoaka tahaka izany ireo mpamory hetra, dia noraisin'ny Jiosy ho isan'ireo mpanota ratsy indrindra izy ireo.
  • Noraisin'ny Jiosy ho mpamadika ny olony manokana ihany koa ireo mpamory hetra Jiosy satria niasa ho an'ny fanjakana Romana izay mampahory ny vahoaka Jiosy.
  • Ny andian-teny hoe: "mpamory hetra sy mpanota" dia fomba fiteny iombonana ao amin'ny Testamenta Vaovao, izay mampiseho ny fanarabian'ireo Jiosy ireo mpamory hetra.

mpampianatra, Mpampianatra

Famaritana

Ny mpampianatra dia olona iray izay manome fampahalalana vaovao. Ny mpampianatra dia manampy ny hafa mba handray sy hampiasa ny fahalalana sy ny fahaizana.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "mpampianatra" dia ampiasaina amin'ny fomba manokana hanondroana olona iray izay mampianatra momba an'Andriamanitra. Tsy manondro ny mpampianatra any an-tsekoly akory izany.
  • Ny olona mianatra amin'ny mpampianatra no antsoina hoe "mpianatra."
  • Ao amin'ny dikan-tenin'ny Baiboly sasany, io teny io dia atao sora-baventy ("Mpampianatra") rehefa ampiasaina ho fiantsoana an'i Jesosy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny mahazatra ilazana ny mpampianatra dia azo ampiasaina handikana io teny io, raha tsy hoe ampiasaina hanondroana ny mpampianatra any an-tsekoly izany.
  • Ny kolontsain'ny hafa dia mety hanana fomba manokana izay ampiasaina ilazana ny mpampianatra ara-pivavahana, toy ny hoe "Tompoko" na "Raby" na "Mpitory."

mpanao ratsy

Famaritana

Ny teny hoe "mpanao ratsy" dia ilazana ny olona izay manao zavatra feno fahotana sy faharatsiana.

  • Mety ho teny amin'ny ankapobeny ilazana ny olona tsy mankatoa an'Andriamanitra ihany koa izany.
  • Io teny io dia azo adika amin'ny fampiasana ny teny entina ilazana ny "rasty" sy "faharastiana," ary ampiarahana amin'ny teny mahalaza ny hoe "manao" na "mahatonga" zavatra iray.

mpanapaka, manapaka

Famaritana

Ny teny hoe "mpanapaka" dia fanehoana amin'ny ankapobeny ny olona iray izay manana fahefana amin'ny olona hafa, toy ny mpitondra firenena, fanjakana, vondrona relijiosy.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny mpanjaka ihany koa dia lazaina ho "mpanapaka" amin'ny ankapobeny, toy ny ao amin'ny fehezan-teny hoe "nanendry azy ho mpanapaka eo amin'Israely."
  • Andriamanitra dia toy ny mpanapaka fara tampony, izay manapaka eo amin'ny mpanapaka hafa rehetra.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny mpitarika ny synagoga dia nantsoina hoe "mpanapaka."
  • Ny karazana mpanapaka hafa ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ny "governora."
  • Arakaraky ny foto-kevitra, ny "mpanapaka" dia azo adika hoe "mpitarika" na "olona iray izay manana fahefana ambony amin'ny."
  • Ny "fanapahana" dia midika hoe "fitarihana" na "fananana fahefana amin'ny." Izany dia mitovy dika amin'ny hoe "manjaka" rehefa mpanjaka indray no resahina.

mpanarato, mpanjono

Famaritana

Ny mpanarato dia ireo olona izay manarato hazandrano mba ho fitadiavam-bola. Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny mpanarato dia mampiasa arato lehibe mba hisakàna trondro. Ny teny hoe: "mpanjono" dia anarana hafa hilazana ny mpanarato.

  • Petera sy ireo apostoly hafa dia mpanarato ny asan'izy ireo talohan'ny niantsoan'i Jesosy azy ireo.
  • Satria ny tanin'Israely dia akaikin'ny rano, ny Baiboly dia manana fanehoana maro hilazana ny hazandrano sy ny mpanarato.
  • Io teny io ihany koa dia afaka adika amin'ny andian-teny toy ny hoe: "olona izay manarato hazandrano" na "olona izay mahazo vola amin'ny alalan'ny fanjonoana."

Mpandefa tsipîka

Famaritana

Ny teny hoe ''mpandefa tsipîka'' dia ilazana lehilahy iray izay havanana amin'ny fampiasana tsipîka sy zana-tsipîka hatao fiadiana.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny mpandefa tsipîka matetika dia miaramila mampiasa tsipîka sy zana-tsipîka hiadiana ao amin'ny tafika iray.
  • Ampahany manan-danja teo amin'ny tafika miaramila Asyriana ireo mpandefa tsipîka.
  • Mety misy fiteny sasany hanana fiteny ilazana izany toy ny hoe: ''lehila mpitan-tsipîka."

mpandika lalàna, ny fandikan-dalàna

Famaritana

Ny teny hoe "mpandika lalàna" dia mamaritra olona izay tsy manaraka ny lalàna na ny fitsipika. Rehefa ny tanàna na vondron'olona no ao amin'ny fanjakan'ny "fandikan-dalàna" dia midika hoe miely patrana ny tsy fankatoavana, ny fikomiana sy ny fitondran-tena moloto.

  • Ny olona mpandika lalàna dia mpikomy sy tsy mankatoa an'ny lalàn'Andriamanitra.
  • Paoly Apostoly dia nanoratra fa amin'ny andro farany dia hisy "lehilahy mpandika lalàna" na "mpandika lalàna iray" , izay ho tarihan'i Satana hanao asa ratsy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

*Ny teny hoe "mpandika lalàna" dia afaka adika hoe "mpikomy" na "tsy mpankatoa." *Ny teny hoe "fandikan-dalàna" dia afaka adika hoe "tsy manaraka ny lalàna misy" na "mikomy."


mpandova

Famaritana

Ny "mpandova" dia olona izay mahazo ara-dalàna ny fananana na ny vola izay an'ny olona efa maty.

  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny tena mpandova dia ny lahimatoa, izay mandray ny ampahany be amin'ny fananana na volan'ny rainy.
  • Ny Baiboly koa dia mampiasa ny hoe "mpandova" amin'ny fanehona ireo Kristiana izay mandray ny tombontsoa ara-panahy avy amin'Andriamanitra izay Ray ara-panahin'izy ireo.
  • Amin'ny maha zanak'Andriamanitra ny Kristiana dia "miara-mandova" amin'i Kristy. Izany dia afaka adika hoe "miaraka mandova" na "mpiara-mandova" na "mandova miaraka amin'ny."
  • Ny teny hoe "mpandova" dia afaka adika hoe "olona nandray tombontsoa" na izay fomba fiteny ampiasaina hilazana fa nandray ny fananan'ny ray aman-dreniny maty na ny havany maty ny olona iray.

mpandrava

Famaritana

Ny teny hoe "mpandrava" ara-bakiteny dia midika hoe "olona mandrava."

  • Ity teny ity matetika dia nampiasaina tao amin'ny Testamenta Taloha mba hilazana ireo rehetra izay mandrava eo amin'ny olona amin'ny ankapobeany, tahaka ny fanafian'ny tafika.
  • Rehefa nandefa ny anjeliny Andriamanitra hamono ireo lahy matoa tao Egypta, izany anjely izany dia natsoina ho tahaka ny hoe "ilay mpandrava lahy matoa". Izany dia afaka adika koa hoe "ilay iray (na anjely) izay namono ny lahy matoa."
  • Ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy momban'ny fara-andro, Satana sy ny fanahy ratsy sasany dia natsoina hoe "mpandrava." Izy dia ilay "iray izay mandrava" satria ny tanjony dia ny handrava sy handrodana ny zavatra rehetra izay namboarin'Andriamanitra.

mpanelanelana (mpanalalana)

Famaritana

Ny mpanelanelana dia olona iray izay manampy olona roa na mihoatra handamina ny disadisa na ady eo amin'izy ireo. Manampy azy ireo izy ary zary mihavana.

  • Satria nanota ny olona, dia fahavalon'Andriamanitra izay mendrika ny fahatezerany ny famaizany. Nohon'ny fahotana, dia tapaka ny fifandraisana teo amin'Andriamanitra sy ireo olony.
  • Jesosy no mpanalana eo amin'Andriamanitra sy ireo olony, ary mamerina amin'ny laoniny izany fifandraisana tapaka izany amin'ny alalan'ny fahafatesany ho onitra nohon'ny fahotan'izy ireo.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny fomba andikana ny "mpanalalana" dia azo atao hoe: "manelanalana ny olona" na "mpampihavana" na "olona izay mitondra fihavanana."
  • Ampitahao amin'ny fandikana ny teny hoe "mpisorona" io teny io. Tsara tokoa raha adika amin'ny fomba hafa amin'izany ny "mpanalalana."

mpangalatra, jiolahy

Famaritana

Ny teny hoe "mpangalatra" dia ilazana ny olona izay mangalatra vola na fananana amin'ny olona hafa amin'ny ankapobeny. Ny teny hoe "jiolahy" matetika dia entina ilazana ny mpangalatra izay mamely sy mandrahona ny olona izay hangalarany.

  • Nilaza fanoharana momba ny lehilahy Samaritana izay nikarakara lehilahy iray voatafiky ny jiolahy i Jesosy. Nokapohin'ireo jiolahy sy noratrainy ilay lehilahy mialohan'ny nandroban'izy ireo ny volany sy ny fitafiany.
  • Na ny mpangalatra na ny jiolahy dia samy tonga tampoka mba hangalatra, rehefa tsy manampo izany ny olona. Matetika izy ireo dia mampiasa ny fandrakofan'ny alina mba hanafenana izay ataon'izy ireo.
  • Raha atao sarinteny, i Satana dia faritan'ny Testamenta Vaovao ho toy ny mpangalatra izay tonga amin'ny alina, mamono, ary mandrava. Midika izany fa ny tetik'i Satana dia ny hiezaka ny hisintona ny olona tsy hankatoa an'Andriamanitra intsony, ary hanaisotra amin'izy ireo ny zava-tsoa izay narafitr'Andriamanitra mba hiainan'izy ireo.
  • Nampitahain'i Jesosy tamin'ny fiavian'ny mpangalatra tampoka mba hangalatra amin'ny olona ny fiverenany tampoka. Toy ny mpangalatra izay tonga amin'ny fotoana tsy ampoizin'ny olona, dia toy izany koa ny hiverenan'i Jesosy amin'ny fotoana tsy hanampoizan'ny olona izany.

mpanjaka

Famaritana

Ny teny hoe: "mpanjaka" dia maneho olona iray izay mpanapaka fara tampon'ny tanàna iray, na fanjakana iray, na firenena iray.

  • Ny mpanjaka iray matetika dia voafidy hanapaka nohon'ny fifandraisan'ny fianakaviany tamin'ireo mpanjaka teo aloha.
  • Rehefa miamboho ny mpanjaka iray, dia matetika ny zokiny lahimatoa amin'ny zanany no lasa mpanjaka.
  • Tamin'ny andro taloha, ny mpanjaka dia manana ny fahefana rehetra amin'ny olona ao amin'ny fanjakany.
  • Tsindraindray ihany ny teny hoe: "mpanjaka" no ampiasaina mba hanehoana olona iray izay tsy tena mpanjaka, toa an'i "Heroda mpanjaka" ao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra matetika dia antsoina hoe mpanjaka izay manapaka ny olony.
  • Ny hoe: "fanjakan'Andriamanitra" dia maneho ny fitondran'Andriamanitra ny olony.
  • Jesosy dia nantsoina hoe: "mpanjakan'i Jiosy," "mpanjakan'Israely," ary "mpanjakan'ny mpanjaka."
  • Rehefa hiverina Jesosy, dia hitondra izao tontolo izao toy ny mpanjaka Izy.
  • Io teny io ihany koa dia afaka adika hoe: "lehibe fara tampony" na "mpitarika ambony" na "mpitondra fiandrianana."
  • Ny andian-teny hoe: "mpanjakan'ny mpanjaka" dia afaka adika hoe: "mpanjaka izay manapaka ambonin'ny mpanjaka rehetra" na "mpitondra ambony izay manana fahefana amin'ny mpanjaka hafa rehetra."

mpanjakavavy

Famaritana

Ny mpanjakavavy dia na vehivavy mpitondra firenena na vehivavy vadin'ny mpanjaka.

  • Estera dia lasa mpanjakavavin'ny fanjakan'ny Persiana rehefa nanambady an'i Ahasoerosy mpanjaka.
  • Jezebela no ilay vady ratsy fanahin'i Ahaba Mpanjaka.
  • Ny mpanjakavavin'i Seba dia mpitondra malaza izay tonga namangy an'i Solomona Mpanjaka.
  • Ny teny hoe: "reny mpanjakavavy Ataliahera" matetika dia maneho ny reny na ny reniben'ny mpanjaka izay mitondra na ny vady navelan'ilay mpanjaka teo aloha. Ny reny mpanjakavavy dia manana fitarihana be, toy ny hita amin'i Ataliahera izay nitarika ny olona mba hanompo sampy.

mpanompo sampy

Famaritana

Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "mpanompo sampy" dia nampiasaina hamaritana ny olona izay nanompo andriamanitra diso raha tokony ho Yaveh.

  • Na inona na inona mifandray amin'ireo olona ireo, toy ny alitara izay hideran'izy ireo, ny fombafombam-pivavahana ataon'izy ireo, sy ny finoan'izy ireo, dia antsoina koa hoe "mpanommpo sampy."
  • Ny fomba finoan'ny mpanompo sampy matetika dia ahitana ny fanompoana andriamanitra diso sy fanompoana ny natiora.
  • Ny fivavahan'ny mpanompo sampy sasany dia ahitana fombafomba vetaveta na famonoana olombelona ho isan'ny fivavahan'izy ireo.

mpanompo, andevo, fanandevozana

Famaritana

Ny teny hoe "mpanompo" dia mety hidika ihany koa hoe: "andevo" ary entina ilazana ny olona izay miasa ho an'ny olona hafa, na safidy na an-tery. Ny lahatsoratra matetika dia mampazava izany raha toa ka mpanompo na andevo no resahina.

  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, tsy dia tena nisy fahasamihafana teo amin'ny mpanompo sy andevo raha mitaha ny amin'izao. Ny mpanompo sy andevo dia samy nanan-danja teo amin'ny ankohonan'ny tompony ary maro no nentina ho toy ny isan'ny fianakavian'izy ireo. Indraindray ny mpanompo dia nisafidy ny ho lasa mpanompon'ny tompony mandrakizay.
  • Ny andevo dia karazana mpanompo izay fananan'ny olona hiasany. Ny olona izay mividy andevo dia antsoina hoe "tompo." Misy ny tompo sasany no mitondra ny andevony amin'ny fomba tena ratsy, raha mitondra tsara ny azy kosa ireo sasany, toy ny mpanompo izay isam-pianakaviana omen-danja.
  • Tamin'ny andro taloha, ny olona sasany dia lasa andevon'ny olona izay nitrosan'izy ireo vola an-tsitrapo mba hanonerana ny trosany amin'izany olona izany.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny andian-teny hoe: "mpanomponao aho" dia nampiasaina ho mari-panajana sy fanompoana ny olona iray izay ambony toerana kokoa, toy ny mpanjaka. Tsy midika akory izany fa tena mpanompon'ilay olona tokoa ilay miteny.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny mpamiananin'Andriamanitra sy ny olona hafa izay nivavaka Taminy matetika dia nantsoina hoe: "mpanompony.''
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny olona izay mankato an'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy matetika dia antsoina hoe: "mpanompony."
  • Antsoina ihany koa hoe "mpanompon'ny fahamarianana" ny Kristiana, izay sarinteny mampitaha ny fanoloran-tena hankatoa an'Andriamanitra amin'ny fanoloran-tenan'ny andevo hankatoa ny tompony.

mpiady, miaramila

Famaritana

Ireo teny hoe "mpiady" sy "miaramila" dia manambara olona izay miady amin'ny tafika iray. Kanefa misy ihany koa ireo fahasamihafana.

  • Matetika ny teny hoe: "mpiady" dia teny ankapobeny, teny malalaka milaza lehilahy iray izay manan-talenta sy be herim-po amin'ny ady.
  • Yaveh dia hevitra ambadika mamaritra ny "mpiady."
  • Ny teny hoe: "miaramila" dia manambara manokana ny olona izay an'ny tafika sasany na izay miady amin'ny ady sasany.
  • Ireo miaramila Romana ao Jerosalema dia tany mba hitazona filaminana sy hanatanteraka andraikitra toy ny famonona ireo gadra. Niambina an'i Jesosy izy ireo talohan'ny nanomboana azy ary ny sasany dia nobaikoina mba hiambina ny fasany.

mpiandraikitra

Famaritana

Ny teny hoe "mpiandraikitra" dia maneho olona izay tompon'andraikitra ny asa sy ny tombontsoan'ny olona hafa. *Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny mpiandraikitra dia manara-maso hoe ireo mpiasa ao ambaniny ireo dia miasa tsara. *Ao amin'ny Testamenta Vaovao, izany teny izany dia nampiasaina mba hanamaritana ireo mpitarika ny fiangonana Krisitiana teo aloha. Ny asan'izy ireo dia ny mikarakara izay ilain'ny fanahy ao amin'ny fiangonana, mikendry fa ireo mpino rehetra dia mahazo tsara ny fampianaran'ny Baiboly *Paoly dia maneho ny mpiandraikitra ho tahaka ny mpiandry ondry izay mikarakara ny mpino ao amin'ny fiangonana eo an-toerana, izay "ondriny". *Ny mpiandraikitra, tahaka ny mpiandry ondry, dia mitsinjo ireo ondry. Izy dia miambina sy miaro ireo mpino amin'ny fiampianara ara-panahy diso sy ny fitarihan-dratsy rehetra. *Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "mpiandraikitra", "loholona" sy "mpiandry ondry/Pasitera" dia samy fomba fiantso ny mpitarika ara-panahy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

*Fomba hafa andikana izany teny izany koa ny hoe "mpanara-maso" na "mpikarakara" na "mpitantana" *Rehefa miresaka mpitarika vondron'olon'Andriamanitra eo an-toerana dia afaka adika izany teny izany hoe "mpanara-maso ara-panahy" na "olona izay mikarakara ny zavatra ilain'ny fanahy ao amin'ilay vondrona mpino" na "olona izay miandraikitra izay ilain'ny fanahy ao amin'ny fiangonana.


mpiandry ondry, miandry ondry

Famaritana

Ny mpiandry ondry dia olona iray izay mikarakara ny andian'ondry. Ny hoe: "miandry ondry" dia midika hoe miaro ny andian'ondry sy manome sakafo ary manome rano azy ireo.

  • Ireo mpiandry ondry dia miambina ny ondry, mitarika azy ireo amin'ny toerana misy sakafo tsara ary misy rano. Ireo mpiandry ondry ihany koa dia manao izay tsy hahavery ireo ondry ary miaro azy ireo amin'ny bibidia.
  • Io teny io matetika dia ampiasaina atao sarin-teny ao amin'ny Baiboly mba hanehoana ny fikarakarana izay ilain'ny olona ara-panahy. Ao anatin'izany ny fampianarana azy ireo izay nolazain'Andriamanitra azy ireo tao amin'ny Baiboly ary mitari-dalana azy ireo amin'ny lalana tokony hiainan'izy ireo.
  • Mosesy dia mpiandry ondrin'ireo Israelita izay nitari-dalana ara-panahy azy ireo tamin'ny fiderana an'Yaveh sy nitarika azy ireo ara-batana tamin'ny dian'izy ireo tany amin'ny tany Kanana.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, Jesosy dia miantso ny tenany hoe: "mpiandry ondry tsara." Paoly apostoly ihany koa dia manao azy hoe: "mpiandry ondry lehibe" eo amin'ny Fiangonana.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao ihany koa, ny teny hoe: "mpiandry ondry" dia ampiasaina mba hanehoana olona iray izay mpitarika ara-panahy eo amin'ireo mpino hafa. Ny teny hoe: "mpitandrina" ihany koa dia mitovy amin'ny hoe: "mpiandry ondry." Ireo mpitarika sy ireo mpanara-maso ihany koa dia antsoina hoe: mpiandry ondry.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Rehefa adika ara-bakiteny ny "miandry ondry" dia afaka adika hoe: "mikarakara ny ondry" na "miambina ny ondry."
  • Ny "mpiandry ondry" dia afaka adika hoe: "olona izay mikarakara ny ondry" na "mpiandry ondry tsara fanahy."
  • Rehefa ampiasaina atao sarin-teny io teny io dia afaka atao hoe: "mpiandry ondry ara-panahy" na "mpitarika ara-panahy" na "ilay iray izay tahaka ny mpiandry ondry" na "ilay iray izay mikarakara ny olony tahaka ny mpiandry ondry mikarakara ny ondriny" na "ilay iray izay mitarika ny olony tahaka ny mpiandry ondry mitari-dalana ny andian'ondriny" na "ilay iray izay mikarakara ny andian'ondrin'Andriamanitra."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, "ny mpiandry ondry" dia afaka adika hoe: "mpitarika" na "mpitari-dalana" na "mpikarakara."

mpiara-

Famaritana

Ny teny hoe "mpiara" dia maneho olona iray izay miaraka amin'ny olona hafa na izay mifandray amin'ny olona hafa, toy ny amin'ny finamanana na fanambadiana.

  • Ireo mpiaraka dia miara-mamakivaky ny traikefa, mifampizara sakafo, ary mifanohana sy mifankahery.
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ity teny ity koa dia afaka adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "namana" na "mpiara-dia" na "mpanohana izay mandeha miaraka."

mpiara-monina

Famaritana

Ny teny hoe: "mpiara-monina" matetika dia maneho olona iray izay mipetraka eo akaiky. Izany ihany koa dia afaka maneho olona na vondron'olona izay miray tanàna.

  • Ny "mpiara-monina" dia olona iray izay mety ho arovana sy atao tsara fitondra satria anisan'ny fiaraha-monina.
  • Ao amin'ny ohabolan'ilay Samaritana Tsara fanahy ao amin'ny Testamenta Taloha, Jesosy dia mampiasa ny teny hoe: "mpiara-monina" amin'ny hevitra ambadika, amin'ny fanitarana ny dikany izay tafiditra ao anatiny ny olombelona rehetra, eny fa na dia ny olona izay noheverina ho fahavalo aza.
  • Raha mety, dia tsara raha adika ara-bakiteny io teny io, teny na andian-teny izay mahalaza ny hoe: "olona izay mipetraka eo akaiky." amin'ny tenim-paritrao.

mpibaiko, baiko

Famaritana

Ny teny hoe "mpibaiko" dia maneho mpitari-tafika iray izay miandraikitra ny fitarihana sy fibaikoana vondrona miaramila sasantsasany.

  • Ny hoe "mibaiko" tafika dia midika hoe mitarika sy miandraikitra ilay tafika.
  • Ny mpibaiko dia afaka miandraikitra vondrona kelin'ireo miaramila na vondrona lehibe, toy ny lehilahy arivo.
  • Ity teny ity koa dia nampiasaina mba hanehoana an'Yaveh toy ny mpibaiko ireo tafik'anjely.
  • Fomba hafa azo andikana ny hoe "mpibaiko" koa ny hoe "mpitarika" na "kapiteny" na "manam-boninahitra."
  • Ny teny hoe "mibaiko" tafika dia afaka adika hoe "mitarika" na "miandraikitra."

mpifanandrina, fahavalo

Famaritana

Ny "mpifanadrina" dia olona na vondrona izay manohitra ny olona iray na zavatra iray. Ny teny hoe "fahavalo" dia mitovy hevitra amin'izany ihany.

  • Ny mpifanandriana dia mety hoe olona iray izay mitady ny hanohitra na hamely anao.
  • Azo antsoina hoe "mpifanandrina" ny firenena iray rehefa miady amina firenena iray hafa.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny devoly dia atao hoe "mpifanadrina" sy "fahavalo."
  • Ny mpifanandrina dia azo adika hoe "mpanohitra" na "fahavalo," saingy fanoherana mafonja kokoa no hevitra aroson'izany.

mpino

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "mpino" dia maneho olona iray izay mino ary manaraka an'i Jesosy Kristy ho Mpanavotra.

  • Ny teny hoe: "mpino" ara-bakiteny dia midika hoe: "olona izay mino."
  • Ny teny hoe: "Kristiana" taty aoriana dia lasa fiantsoana ny mpino satria izany dia manondro fa izy ireo dia mino an'i Kristy ary mankato ireo fampianarana.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny fandikan-teny sasany dia mety misafidy miteny hoe: "mpino an'i Jesosy" na "mpino an'i Kristy."
  • Io fiteny io dia afaka adika amin'ny alalan'ny teny iray na fehezanteny iray izay midika hoe: "olona mahatoky an'i Jesosy" na "olona iray mahafantatra an'i Jesosy ary velona ho Azy."
  • Ny fomba hafa handikana ny "mpino" dia mety hoe: "mpanaraka an'i Jesosy" na "olona izay mahafantatra ka manaiky an'i Jesosy."
  • Ny teny hoe: "mpino" dia teny amin'ny ankapobeny hilazana ny mpino an'i Kristy rehetra, raha ampiasaina hilazana manokana ny olona izay nahafantatra an'i Jesosy tamin'izy mbola velona kosa ny hoe: "mpianatra" sy "apostoly." Tsara ny mandika ireo teny ireo amin'ny fomba maro, mba hahasamihafa azy ireo.

mpisikidy, sikidy

Famaritana

Ny teny hoe "sikidy" dia ilazana ny fampiharana zavatra amin'ny fampiasana hery mihoatra ny voajanahary izay tsy avy amin'Andriamanitra. Ny "mpisikidy" dia olona izay manao sikidy.

  • Tany Egypta, rehefa nanao zava-mahagaga tamin'ny alalan'i Mosesy Andriamanitra, dia afaka nanao nitovy ny sasany tamin'ireo zavatra ireo ny mpisikidy Egyptian'i Farao, saingy tsy avy amin'Andriamanitra ny herin'izy ireo.
  • Matetika dia tafiditra ao amin'ny sikidy ny famosaviana na ny famerimberenana teny sasantsasany mba hisehoan'ny zavatra mihoatra ny voajanahary.
  • Andriamanitra dia mandidy ny olony mba tsy hanao na inona na inona amin'ireny fanaovana sikidy na mosavy ireny.
  • Ny mpamosavy dia karazana mpisikidy, izay mampiasa ody matetika mba hamelezana ny hafa.

mpitaingin-tsoavaly

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "mpitaingin-tsoavaly" dia maneho ireo lehilahy mitaingina soavaly any amin'ny ady.

  • Ny mpiady izay mitaingina sarety tarisin-tsoavaly dia antsoina ihany koa hoe "mpitaingin-tsoavaly," izany teny izany dia maneho olona mitaingina soavaly ihany koa.
  • Ireo Israelita dia nino fa ny fampiasana soavaly amin'ny ady dia mampiseho sy manamafy be loatra ny herin'izy ireo noho ny an'Yaveh, noho izany dia tsy mampiasa mpitaingin-tsoavaly be loatra izy ireo.
  • Izany teny izany dia afaka adika hoe "olona mitaingina soavaly" na "olona mandeha soavaly."

mpitandrin-draharaha, mpitandrim-pananana

Famaritana

Ny teny hoe "mpitandrin-draharaha'' sy ''mpitandrim-pananana'' ao amin'ny Baiboly dia ilazana ny mpanompo iray izay nanankinana ny fikarakarana ny fananan'ny tompony sy ny raharaha amin'ny fidiram-bolany.

  • Ny mpitandrim-pananana iray dia omena andraikitra be dia be, ao anatin'izany ny fanaraha-maso ny asan'ny mpanompo hafa.
  • Ny teny hoe "mpitandrim-pananana'' dia fiteny vaovao kokoa ilazana ny mpitandrim-draharaha. Ireo teny ireo dia samy entina ilazana olona iray izay mitantana ny raharaha ho an'ny olona iray hafa.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Io dia azo adika hoe: "mpanara-maso" na "mpandamina ny ao an-tokatrano'' na "mpanompo izay mitantana" na "olona mandamina.''

mpitarika Jiosy, manam-pahefana Jiosy, mpitarika fivavahana

Famaritana

Ny teny hoe "mpitarika Jiosy" na "manam-pahefana Jiosy" dia maneho ireo mpitarika fivavahana toa an'ireo mpisorona sy mpampianatra ny lalàn'Andriamanitra. Izy ireo ihany koa dia nanana ny fahefana hitsara momban'ireo zavatra tsy araky ny fivavahana.

  • Ireo mpitarika Jiosy no mpisoronabe, lohan'ny mpisorona, ary mpanora-dalàna (mpampianatra ireo lalàn'Andriamanitra).
  • Vondrona lehiben'ireo mpitarika Jiosy ireo Fariseo sy Sadoseo.
  • Nisy mpitarika Jiosy fitopolo nihaona tao amin'ny Synedriona Jiosy tao Jerosalema mba hitsara momba ny lalàna.
  • Mpitarika Jiosy maro no nirehareha sy nihevitra fa marina izy ireo. Nialona an'i Jesosy izy ireo ka te-hanao ratsy aminy. Nilaza ho mahafantatra an'Andriamanitra izy ireo nefa tsy nankatoa Azy.
  • Matetika ny fehezanteny hoe "ireo Jiosy" dia maneho ireo mpitarika Jiosy, indrindra amin'ny foto-kevitra hoe tezitra amin'i Jesosy izy ireo ary miezaka ny hamitaka na hanao ratsy Azy.
  • Ireo teny ireo dia mety adika hoe "mpanapaka Jiosy" na "lehilahy izay manapaka ny vahoaka Jiosy" na "mpitarika fivavahana Jiosy."

mpitondra hafatra (iraka)

Famaritana

Ny teny hoe: "iraka" dia ilazana ny olona iray izay nomena hafatra hambara amin'ny hafa.

  • Tamin'ny andro taloha, ny iraka dia nalefa avy tany amin'ny sahan'ady mba hamerina hilaza amin'ireo olona any an-tanana izay nitranga.
  • Ny anjely dia iraka manokana izay alefan'Andriamanitra hanome hafatra ny olona. Ny dikan-teny sasany dia mandika ny "anjely" ho "iraka."
  • Nantsoina hoe iraka izay tonga talohan'i Jesosy mba hanambara ny fiavian'ny Mesia sy hanomana ny olona handray Azy i Jaona Mpanao Batisa.
  • Ireo apostolin'i Jesosy dia irany mba handeha hizara amin'ny olona hafa ny vaovao mahafaly momba ny fanjakan'Andriamanitra.

mpitondra kapoaka

Famaritana

Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny "mpitondra kapoaka" dia mpanompon'ny mpanjaka izay nomena ny asa fitondrana ny kapoaka misy divain'ny mpanjaka, matetika manandrana ilay divay aloha mba azoana antoka fa tsy misy pozina izany.

  • Ny dikan'ity teny ity ara-bakiteny dia hoe "mpitondra kapoaka" na "olona izay mitondra ilay kapoaka."
  • Ny mpitondra kapoaka dia fantatra tamin'ny hoe mendri-pitokisana sy tsy mivadika amin'ny mpanjakany.
  • Nohon'ny toerany nahatokisana, ny mpitondra zava-pisotro iray matetika dia manana teny amin'ny fanapahan-kevitra ataon'ny mpanapaka.
  • Nehemia dia mpitondra zava-pisotro ho an'i Artaksersesy mpanjakan'i Persia tamin'ny andro nahababo ny sasany tamin'ireo Israelita tany Babylona.

mpitsara

Famaritana

Ny mpitsara dia olona manapa-kevitra amin'izay marina na diso rehefa misy fifandirana eo amin'ny vahoaka, matetika amin'ny zavatra izay mahakasika ny lalàna.

  • Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra matetika dia aseho ho mpitsara satria Izy ilay mpitsara iray tonga lafatra izay mandray ny fanapaha-kevitra farany momban'izay marina na diso.
  • Taorian'ny nidiran'ny vahoakan'Isiraely tao amin'ny tany Kanana sy talohan'ny nananan'izy ireo mpanjaka hanapaka amin'izy ireo, dia nanondro mpitarika Andriamanitra izay antsoina hoe "mpitsara" mba hitarika azy ireo amin'ny fotoanan'ny olana. Matetika ireo mpitsara ireo dia mpitarika miaramila izay nanavotra ireo Isiraelita tamin'ny fandresena ireo fahavalon'izy ireo.
  • Ny teny hoe "mpitsara" ihany koa dia afaka antsoina hoe "mpandray fanapahan-kevitra" na "mpitarika" na "mpamonjy" na "governora," miankina amin'ny zavatra resahana.

mpitsara, ireo mpitsara

Famaritana

Ny mpitsara dia olom-panjakana voatendry izay manao ny asan'ny mpitsara ary manapaka eo amin'ny resaka lalàna.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny mpitsara dia nandamina ny fifandirana teo amin'ny olona ihany koa.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny fomba azo andikana io teny io dia: "mpitsara manapaka" na "manam-boninahitra ara-dalàna" na "mpitarika ny tanàna."

mpivaro-tena, vehivavy janga

Famaritana

Ny teny hoe "mpivaro-tena" sy "vehivavy janga" dia samy maneho ny olona izay manao asa ara-nofo mba hahazoana vola na ho an'ny fombafombam-pivavahana. Ny mpivaro-tena na vehivavy janga dia matetika vehivavy, fa ny sasany lehilahy.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "mpivaro-tena" matetika dia nampiasaina ambadika mba hanehoana olona iray izay midera andriamanitra diso na manao ody ratsy.
  • Ny fomba fiteny hoe "manao vehivavy janga" dia midika hoe manao fihetsika toy ny vehivavy janga amin'ny alalan'ny fitondran-tena ratsy. Ity fomba fiteny ity ihany koa dia nampiasaina tao amin'ny Baiboly mba hanehoana olona iray izay manompo sampy.
  • Ny hoe mivaro-tena" dia zavatra midika hoe manao fitondran-tena ratsy na rehefa ampiasaina ambadika, dia midika hoe tsy mino an'Andriamanitra amin'ny fanompoana sampy.
  • Tamin'ny andro taloha, dia nisy tempolin'ny mpanompo sampy sasany nampiasa lehilahy sy vehivavy mpivaro-tena ho isan'ny fombafomban'izy ireo.
  • Ity teny ity dia mety adika amin'ny teny na fehezanteny izay ampiasaina ao amin'ny teny handikana azy mba hanehoana ny mpivaro-tena.

mponina

Famaritana

Ny mponina dia olona mipetraka any amin'ny tanàna, firenena, na fanjakana manokana. Izany dia maneho manokana ny olona izay fantatra ofisialy hoe mponina ara-dalàna ao amin'izany toerana izany.

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, azo adika koa hoe "mponina" na "mponina ara-dalàna" izany.
  • Ny mponina iray dia afaka mipetraka ao amin'ny faritra izay anjaran'ny fanjakana lehibe iray na fanjakana izay anjakan'ny mpanjaka, amperora, na mpanapaka. Ohatra, Paoly dia mponin'ny fanjakana Romana, izay mizara ho faritany maro samihafa; Paoly dia mipetraka tao amin'ny iray tamin'ireo faritany ireo.
  • Amin'ny hevitra ambadika, ireo mpino an'i Jesosy dia antsoina hoe "mponin'" ny lanitra amin'ny hevitra hoe honina any andro maromaro izy ireo. Tahaka ny mponina ao amin'ny tanàna iray, dia an'ny fanjakan'Andriamanitra ireo Kristiana.

nakarina,

Famaritana

Ny teny hoe "nakarina" matetika dia maneho an'Andriamanitra mampiakatra olona ho any an-danitra tampoka, sy amin'ny fomba mahagaga.

  • Ny fehezanteny hoe "mahatratra" dia maneho fahatrarana olona rehefa avy nanatona azy faingana. Ny hevitra manakaiky kokoa dia hoe "nahatratra."
  • Paoly Apostoly dia niresaka momban'ny "fampakarana" ho any amin'ny lanitra fahatelo. Izany dia afaka adika koa hoe "nalaina."
  • Paoly dia nilaza fa rehefa miverina Kristy, dia ho "ampakarina" miaraka ireo Kristiana mba hiaona aminy eny an'abakabaka.
  • Ny hevitra ambadiky ny hoe "namely ahy ny fahotako" dia afaka adika hoe "mandray ny vokatry ny fahotako aho" na "nohon'ny fahotako dia mijaly aho" na "manakorontana ahy ny fahotako."

nihiaka, nihiaka mafy

Famaritana

Ireo teny hoe "nihiaka" na "nihiaka mafy" matetika dia midika hoe milaza zavatra amin'ny feo mafy sy maika. Ny olona dia afaka "mihiaka mafy" amin'ny fangirifiriana na amin'ny fahoriana na amin'ny hatezerana.

  • Ny fehezanteny hoe "mihiaka mafy" koa dia midika hoe miantso mafy, matetika miaraka amin'ny fikasana mangataka fanampiana.
  • Ity teny ity koa dia afaka adika hoe "miteny mafy" na "mangataka fanampiana haingana," miankina amin'ny zavatra resahana.
  • Ny fomba fiteny tahaka ny hoe "mitaraina aminao aho" dia afaka adika hoe "mila fanampiana avy aminao aho" na "mangataka fanampiana maika aminao aho."

Nofy

Famaritana

Ny nofy dia zavatra izay hitan'ny olona na hiainan'izy ireo ao an-tsainy rehefa matory izy ireo.

  • Ireo Nofy matetika dia tahaka ny hoe tena miseho, fa nefa dia tsy tena miseho.
  • Indraindray Andriamanitra dia mampanofy olona momban'ny zavatra iray mba hafahan'izy ireo mandray lesona avy amininy. Na mety tonga dia miresaka mivantana amin'ireo olona Izy ao anatin'ny nofin'izy ireo.
  • Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra dia manome nofy manokana ho an'ny olona sasany mba hanomezany azy ireo hafatra, matetika momban'ny zavatra izay hitranga amin'ny fotoana ho avy.
  • Ny nofy dia samy hafa amin'ny fahitana. Ireo ny nofy dia mitranga rehefa matory ny olona, fa ny fahitana matetika dia miseho rehefa mifoha ny olona.

ny afo

Famaritana

Ny afo dia hafanana, hazavana, ary lelan'afo izay mipoitra rehefa may ny zavatra iray.

  • Ny hazo rehefa dorana amin'ny afo dia lasa lavenona
  • Ny teny hoe: "afo" ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika, matetika izany dia maneho ny fitsarana na fanadiovana.
  • Ny fitsarana faran'ireo tsy mpino dia ny afon'ny helo.
  • Ny afo dia ampiasaina mba hanefena volamena sy vy hafa. Ao amin'ny Baiboly, io dingana io dia ampiasaina mba hanazavana ny fomba hizahan'Andriamanitra ny toetran'ny olona amin'ny alalan'ny zavatra izay miseho eo amin'ny fiainan'izy ireo.
  • Ny andian-teny hoe: "natao batisa tamin'ny afo" ihany koa dia afaka adika hoe: "nahatonga anao hiaina ny fijaliana mba hanadio anao."

ny ampakarina

Famaritana

Ny ampakarina dia ilay vehivavy izay alain'ilay lehilahy mpampakatra vady amin'ny alalan'ny lanonam-panambadiana.

  • Ny teny hoe: "ampakarina" dia ampiasaina ho sarin-tenin'ireo mpino an'i Jesosy, dia ny fiangonana.
  • Ho an'ny fiangonana dia Jesosy no antsoina hoe: "mpampakatra."

ny aviavy

Famaritana

Ny aviavy dia voa kely, malefaka, ary mamy izay maniry amin'ny hazo. Rehefa matoy, io voa io dia misy loko isan-karazany: volon-tany, mavo, na voloparasy.

  • Ny hazon'aviavy dia afaka mahatratra 6 metatra ny hahavony ary ny raviny lehibe dia manome aloka mahafinaritra. Ny voany dia eo amin'ny 3 hatramin'ny 5 santimetatra ny halavany.
  • Adama sy Eva dia nampiasa ny ravin'ny hazon'aviavy mba hatao akanjo ho azy ireo taorian'ny nanotan'izy ireo.
  • Ny aviavy dia afaka hohanina manta, andrahoina, na hamainina. Ny olona ihany koa dia mamotipotika azy ireny sy manapotsitra azy ireny ao anaty mofo mba hohanina rehefa avy eo.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny aviavy dia manan-danja tokoa ary loharanon'ny sakafo sy fidiram-bola.
  • Ny fisian'ny hazon'aviavy mamokatra matetika dia lazaina ao amin'ny Baiboly hoe: mariky ny fanambinana.
  • Imbetsaka Jesosy no nampiasa ny hazon'aviavy ho fanoharana mba hampianarana ny fahamarinana ara-panahy an'ireo mpianatra.

Ny Bokin'ny Fiainana

Famaritana

Ny teny hoe: "Ny Bokin'ny Fiainana" dia ampiasaina mba hanehoana toerana izay hanoratan'Andriamanitra ireo anaran'ny olona rehetra izay voaavotra sy nomena ny fiainana mandrakizay.

  • Ny Apokalypsy dia maneho io boky io toy ny hoe: "ny Bokin'ny fiainan'ilay Zanak'ondry." Izany ihany koa dia afaka adika hoe: "ny bokin'ny fiainana izay an'i Jesosy, ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra." Ny soron'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana nandoa ny sazin'ny fahotan'ny olona mba hampahazo azy ireo ny fiainana mandrakizay amin'ny alalan'ny finoana Azy.
  • Ny teny hoe: "boky" dia afaka midika hoe: "horonan-taratasy" na "taratasy" na "fanoratana" na "antontan-taratasy ara-dalàna." Izany dia afaka adika ara-bakiteny na atao hevitra ambadika.

ny fahavetavetana (ny fijangajangana)

Famaritana

Ny teny hoe: "fahavetavetana" dia maneho ny fanaovana firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadian'ny lehilahy sy ny vehivavy. Izany dia manohitra ny fikasan'Andriamanitra. Ny Baiboly Anglisy Tonta dia mandika izany hoe: "fijangajangana."

  • Io teny io dia afaka maneho ny karazana firaisana ara-nofo izay manohitra ny sitrapon'Andriamanitra, ao anatin'izany ny firaisan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy.
  • Karazana fahavetavetana iray ny fijangajangana, izay firaisana ara-nofon'ny olona iray efa manambady miaraka amin'ny olona iray izay tsy vadin'io olona io.
  • Karazana fahavetavetana iray ihany koa ny "fivarotan-tena," izay midika hoe: mahazo tambim-bola amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo amin'ny olona iray.
  • Io teny io ihany koa dia afaka ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana ny fampirafesan'Israely an'Andriamanitra rehefa nanompo andriamanitra sandoka izy ireo.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ireo fomba hafa handikana io teny io ny hoe: "fanaovana firaisana ara-nofo diso" na "firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana."
  • Io teny io dia tokony adika amin'ny fomba maro hafa miainga avy amin'ny teny hoe: "fijangajangana."
  • Ny fandikana io hevitra ambadika io dia tokony tazomina ara-bakiteny raha mety satria misy fampitahana hiraisana ny fampirafesana an'Andriamanitra sy ny fampirafesana amin'ny firaisana ara-nofo ao amin'ny Baiboly.

ny fandatsahan-drà

Famaritana

Ny teny hoe: "ny fandatsahan-drà" dia maneho ny fahafatesan'ny olombelona nohon'ny famonoana, ady, na fihetsika mahery setra hafa.

  • "Ny mandatsaka rà" dia maneho ny fivoahan'ny rà avy amin'ny ratra misokatra amin'ny vatan'olombelona.
  • Ny teny hoe: "fandatsahan-drà" matetika dia ampiasaina mba hanehoana ny famonoana olona miely patrana.
  • Izany ihany koa dia ampiasaina toy ny fanehoana amin'ny ankapobeny ny fahotan'ny mpamono olona.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny hoe "ny fandatsahan-drà" dia afaka adika ihany koa hoe: "ny famonoana olona" na "ireo olona maro be izay novonoina."
  • Ny hoe "amin'ny alalan'ny fandatsahan-drà" dia afaka adika ihany koa hoe: "amin'ny alalan'ny famonoana olona."
  • Ny hoe "fandatsahan-drà ny tsy manan-tsiny" dia afaka adika ihany koa hoe: "famonoana ny olona tsy manan-tsiny."
  • Ny hoe "fandatsahan-drà miampy fandatsahan-drà" dia azo adika ihany koa hoe: "mbola mamono olona foana izy ireo" na "mitohy hatrany ny famonoana olona" na "efa namono olona maro be izy ireo ary mbola manohy manao izany hatrany" na "mbola mamono olona foana ny olona."
  • Ny hevitra ambadika hafa hoe: " Ny fandatsahan-drà dia hanenjika anao" dia afaka adika hoe: "mbola hiaina fandatsahan-drà foana ny olonao" na "mbola ho vonoina foana ny olonao" na "mbola hiady amin'ny firenena hafa foana ny olonao ary ho faty izy ireo."

ny firavoravoana

Famaritana

Amin'ny ankapobeny, ny firavoravoana dia fankalazana ataon'ny fikambanan'olona.

  • Ny teny hoe: "firavoravoana" ao amin'ny Testamenta Taloha dia midika ara-bakiteny hoe: "fotoana voatondro."
  • Ny firavoravoana hankalazain'ireo Israelita dia fotoana voatondro miavaka na vanim-potoana izay handidian'Andriamanitra azy ireo handinika.
  • Amin'ny teny malagasy, dia ny teny hoe: "fety" no ampiasaina satria izany no misy fihinanam-be miaraka aminy.
  • Ireto misy karazana firavoravoana maromaro izay hankalazain'ireo Israelita isan-taona:
  • Paska
  • Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Lalivay
  • Voaloham-bokatra
  • Herinandro firavoravoana (Pentekosta)
  • Firavoravoana amin'ny Trompetra
  • Andron'ny Fanavotana
  • Firavoravoana amin'ny Fialofana
  • Ny anton'ireo firavoravoana ireo dia ny fisaorana an'Andriamanitra sy mba ho fahatsiraovana ny zava-mahagaga nataony hanavotana, hiarovana, ary homena ny olony.

ny loharano

Famaritana

Ny teny hoe: "loharano" matetika dia maneho rano be izay mikoriana ara-boajanahary avy amin'ny tany.

  • Io teny io ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika ao amin'ny Baiboly mba hanehoana ireo fitahiana mikoriana avy amin'Andriamanitra na mba hanehoana zavatra iray izay manadio.
  • Amin'izao fotoana izao, ny loharano dia zavatra namboarin'ny olona izay misy rano mikoriana avy aminy, toy ny fisotroana rano. Kendreho mba haneho rano voajanahary mikoriana ny dikan'io teny io.
  • Ampitahao amin'ny fomba fandikana ny "tondra-drano" ny fandikana io teny io.

ny maha-mpanjaka

Famaritana

Ny hoe "ny maha-mpanjaka" dia mamaritra olona sy zavatra izay mifandray amin'ny mpanjakalahy na ny mpanjakavavy.

  • Ohatra amin'ny zavatra izay afaka antsoina hoe "maha-mpanjaka" ny akanjon'ny mpanjaka, ny lapa, ny seza fiandrianana, na ny satro-boninahitra.
  • Ny mpanjakalahy na mpanjakavavy matetika dia mipetraka amin'ny lapan'ny mpanjaka.
  • Ny mpanjaka dia manao akanjo manokana, indraindray antsoina hoe "fanamiana maha-mpanjaka." Matetika ny akanjon'ny mpanjaka dia miloko voloparasy, izay karazana fandokoana tsy dia betsaka ary lafo.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo mpino an'i Jesosy dia antsoina hoe "fisoronan'ny mpanjaka." Ao anatin'ny fomba hafa handikana izany ny hoe "mpisorona izay manompo an'Andriamanitra ilay Mpanjaka" na "voaantso mba ho mpisoron'Andriamanitra Mpanjaka."
  • Ny teny hoe "maha-mpanjaka" ihany koa dia faka adika hoe "manjaka" na "an'ny mpanjaka."

ny mofo

Famaritana

Ny mofo dia sakafo vita tamin'ny foto-koba nafangaro tamin'ny rano sy menaka mba hahazoana koba. Ny koba avy eo no atao misy endriny ka lasa mofo.

  • Ny mofo matetika dia vita amin'ny zavatra izay mampitombo azy, toy ny lalivay.
  • Ny mofo ihany koa dia afaka tsy asiana lalivay mba tsy hampitombo azy. Ao amin'ny Baiboly izany dia antsoina hoe: "mofo tsy misy lalivay" ary nampiasain'ireo Jiosy tamin'ny sakafon'ny Paska.
  • Satria ny mofo no sakafo fototra ho an'ny olona maro tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, io fiteny io ihany koa dia ampiasaina ao amin'ny Baiboly mba hanehoana ny sakafo amin'ny ankapobeny.
  • Ny teny hoe: "mofon'ny fanatrehana" dia maneho ny mofo roa ambinifolo izay napetraka teo amin'ny latabatra volamena teo amin'ny tabernakely na tempoly namboarina toy ny sorona ho an'Andriamanitra. Ireo mofo ireo dia maneho an'ireo foko roa ambinifolon'Israely ary ny mpisorona ihany no mihinana izany. Izany dia afaka adika hoe: "mofo mampiseho fa Andriamanitra dia velona eo amin'izy reo."
  • Ny hevitra ambadiky ny hoe: "mofo avy any an-danitra" dia maneho ny sakafo fotsifotsy manokana antsoina hoe: "mana" izay nomen'Andriamanitra ireo Israelita rehefa nirenireny tany an'efitra izy ireo.
  • Jesosy ihany koa dia niantso ny tenany hoe: "mofo izay nidina avy any an-danitra" ary hoe: "mofon'ny fiainana."
  • Rehefa niara-nihinana ny sakafon'ny Paska talohan'ny nahafatesany Jesosy sy ireo mpianany, dia nampitaha ny mofo tsy misy lalivain'ny Paska tamin'ny vatany izay ho ratraina sy ho vonoina eo amin'ny hazofijaliana Izy.
  • Matetika ny teny hoe: "mofo" dia afaka adika amin'ny ankapobeny hoe: "sakafo."

ny mpampakatra

Famaritana

Amin'ny lanonam-panambadiana, ny mpampakatra dia ilay lehilahy izay maka vady an'ilay ampakarina.

  • Tamin'ny kolon-tsaina Jiosy nandritry ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny lanonana dia mifototra manodidina ny mpampakatra izay tonga mba haka izay ampakariny.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny sarin-teny hiantsoana an'i Jesosy dia hoe: "Ilay Mpampakatra" izay indray andro any ho avy "ho an'ilay Ampakariny", dia ny Fiangonana.
  • Jesosy dia mampitaha ireo mpianany amin'ny naman'ilay mpampakatra izay manao lanonana rehefa mbola eo amin'izy ireo ny mpampakatra, kanefa halahelo rehefa lasa izy.

ny safo-drano

Famaritana

Ny teny hoe: "safo-drano" dia maneho ara-bakiteny ny rano be izay mandrakotra tanteraka ny tany.

  • Io teny io ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana fihoaran-javatra be, indrindra indrindra izay miseho tampoka.
  • Tamin'ny andron'i Noa, niha-ratsy ny olona ka nahatonga an'Andriamanitra nanao safo-drano manerana ny tany izay nandrakotra izao tontolo izao, eny fa na dia ny tapon-tendrombohitra aza sarona. Ny olona rehetra izay tsy tao anatin'ny sambo niaraka tamin'i Noa dia maty an-drano. Ny safo-drano hafa rehetra dia nanarona faritra kelikely maro.
  • Io teny io ihany koa dia mety hoe anjara asa toy ny hoe: "ny tany dia voatondraky ny riaka."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ao anatin'ny fomba handikana ny hevitra ara-bakitenin'ny hoe: "safo-drano" ny "fihoaran'ny rano" na "rano be."
  • Ny fampitahana ambadika hoe: "tahaka ny safo-drano" dia azo tazomina amin'ny heviny ara-bakiteny, na afaka mampiasa teny fanampiny izay maneho zavatra iray izay manana endrika mikoriana mitovy amin'izany, tahaka ny renirano.
  • "Ny safo-drano" dia azo atao ihany koa hoe: "tondra-drano."
  • Io teny io dia afaka ampiasaina ho toy ny sarin-teny hoe: "aza avela hanenika ahy ny safo-drano," izay midika hoe: "aza avela hiseho amiko ny fioharan'ny aretina" na "aza avela ho ravan'ireo aretina aho" na "aza avela ho ravan'ny hatezeranao aho."

ny varahina

Famaritana

Ny teny hoe: "varahina" dia maneho ny karazana vy izay vita tamin'ny fanatsonihana miaraka ny vy sy ny fanitso. Miloko volo-tany matroka, somary mena.

  • Ny varahina dia mahazaka harafesina sy misintona tsara ny hafanana.
  • Tamin'ny andro taloha, ny varahina dia nampiasaina niaraka tamin'ny zavatra hafa tamin'ny fanamboarana fitaovana, fitaovam-piadiana, taozavatra, alitara, vilany fandrahoana, ary fitaovam-piarovan'ny miaramila.
  • Maro ny fitaovana fananganana tabernakely sy tempoly no vita tamin'ny varahina.
  • Ireo sampin'andriamanitra sandoka matetika dia vita tamin'ny varahina vy.
  • Ny zavatra varahina voalohany dia vita tamin'ny alalan'ny fanatsonihana ny varahina vy mba hiempo ary avy eo namboarina. Izany dingana izany no antsoina hoe: "fikirakirana."

ohabolana

Famaritana

Ny ohabolana dia fanambarana fohy izay milaza fahendrena na fahamarinana sasany.

  • Ny ohabolana dia mahery satria mora tadidy sy averina.
  • Matetika ny ohabolana dia ahitana ohatra ara-panao avy amin'ny fiainana andavan' andro.
  • Ny ohabolana sasany dia tena mazava sy mahitsy, raha sarotra takarina kokoa ny sasany.
  • Solomona mpanjaka dia fantatra tamin'ny fahendreny ary nanoratra ohabolana teo amin'ny 1.000 teo.
  • Jesosy matetika dia nampiasa ohabolana na fanoharana rehefa nampianatra ny olona.
  • Ireo fomba handikana ny hoe "ohabolana" dia ahitana ny hoe "teny hendry" na "teny marina."

Oliva

Famaritana

Ny oliva dia voankazo kely, boribory lavalava izay avy amin'ny hazon'oliva, izay tena maniry ao amin'ireo tanàna manodidina ny Ranomasin'ny Mediterane. *Ny hazon'oliva dia zava-maintso kely misy voninkazo fotsy kely. Maniry tsara kokoa izy ireo amin'ny toetr'andro mafana ary afaka miaina tsara na dia kely rano ary manodidina. *Ny voankazon'oliva dia maitso, dia miova ho mainty rehefa masaka. Ny oliva dia natao hohanina sy natao ho fangalana menaka. *Ny menaka oliva dia natao fahandrona sakafo, fandrehitana jiro, ary ho an'ny lanonana masina. *Ao amin'ny Baiboly, ny hazon'oliva sy ny sampany dia nampiasaina tamin'ny heviny ara-tsari-teny mba hanehoana olona.


ombivavy kely

Famaritana

Ny ombivavy kely dia omby mbola tsy niteraka.


omby

Famaritana

Ny "omby" dia fampiasa amin'ny asa tany rehefa makasika fambolena. Matetika ireny omby ireny dia vosirina. *Ao amin'ny Baiboly, ireo omby dia aseho hoe mifamatotra amin'ny alalan'ny zioga mba hitarika sarety na angadin'omby. *Ireo omby ireo dia miaraka miasa ambanin'ny zioga iray, izay lasa sari-teny fampiasa ao amin'ny Baiboly hoe "ambanin'ny zioga" izay midika hoe miasa mafy. *Misy ihany koa ireo omby tsy novosirina anefa fa tsy ampiasaina amin'ny asa an-tanimbary.


omby vavy, zanak'omby, omby lahy, omby

Famaritana

Ny teny hoe "omby" dia maneho ireo karazam-biby fiompy lehibe, misy tongotra efatra izay mihinana ahitra ary ompiana ho an'ny hena sy rononony.

  • Ny vavy amin'ity karazam-biby ity dia atao hoe "omby vavy", ny lahy atao hoe "omby lahy," ary ny zanany atao hoe "zanak'omby."
  • Indraindray ny teny hoe "omby lahy" dia ampiasaina amin'ny fomba ankapobeany mba hanehoana ireo karazam-biby fiompy rehetra.
  • Amin'ny kolontsaina sasany, ny omby dia amidy atakalo entana. Indraindray ireo ampiasaina atao fanomezana omena ny ray aman-drenin'ny zazavavy iray izay irian'ny lehilahy iray ho vadiana.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny vahoaka Jiosy dia mampiasa omby atao sorona, indrindra ilay karazany manokana antsoina hoe omby vavy kely mena.
  • Ny "omby vavy kely mena" dia omby izay tsy mbola nanan'anaka.
  • Misy koa ny karazana omby natokana ho ampiasaina hiasa tany, toy ny hoe mandragiragy.

ondry, ondrivavy

Famaritana

Ny "ondry" dia biby antonony halava izay manan-tongotra efatra ary misy volo ny vatany rehetra.

  • Ireo Israelita matetika dia mampiasa ondry atao sorona, indrindra indrindra ny ondry lahy sy ny ondry tanora.
  • Ny olona dia mihinana henan'ondry ary mampiasa ny volon'izy ireny mba hanaovana akanjo sy zavatra hafa.
  • Ny ondry dia tena matoky, malemy, ary menatra. Izy ireo ihany koa dia mora tarihina hirenireny. Izy ireo dia mila mpiandry ondry mba hitarika azy, hiaro azy, ary hanome azy ireo sakafo, rano, ary fialofana.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny olona dia ampitahaina amin'ny ny ondry izay manana an'Andriamanitra ho mpiandry azy ireo.

Ora

Famaritana

Ankoatran'ny fampiasana azy amin'ny famantarana hoe oviana sy hoe afirina ny zavatra iray no nitranga, ny teny "ora" dia ampiasaina amin'ny sari-teny hafa maro ihany koa:

  • Indraindray ny "ora" dia maneho fandaharam-potoana tsy miovaova, tahaka ny hoe ny "oram-pivavahana."
  • Rehefa miteny ny Soratra Masina hoe "tonga ny fotoana" hijaliana sy hamonoana an'i Jesosy dia midika izany hoe ilay fotoana voatondro izay nanapahan'Andriamanitra hoe tsy misy hitranga izany zavatra izany.
  • Ny teny "ora" dia nampiasaina ihany koa mba hilazana hoe "tamin'izany fotoana izany" na "tamin'izany mihintsy."
  • Rehefa miresaka ny lahatsoratra hoe mandroso ny "ora," dia midika izany fa hoe harivariva, rehefa hilentika iny ny masoandro.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Rehefa ampiasaina amin'ny sari-teny ny hoe "ora" dia afaka adika hoe "fotoana" na "fotoana voatondro."
  • Ny fehezanteny hoe "tamin'izany ora izany" na "tamin'io fotoana io" dia afaka adika hoe "teo no eo" na "tamin'izany mihintsy."
  • Ny fomba fiteny hoe "mandroso ny ora" dia afaka adika hoe "efa ho maizina ny andro" na "efa harivariva."

oram-panala

Famaritana

Ny teny hoe: "oram-panala" dia maneho rano mandry izay milatsaka avy any amin'ny rahoana rehefa mangatsika ny toetr'andro

  • Ny oram-panala dia milatsaka amin'ny toerana avo tao Israely, fa tsy mijanona ela eo amin'ny tany fa mitsonika aloha. Ny tendron'ny tendrombohitra dia misy oram-panala izay maharitra ela. Ohatra ao amin'ny Baiboly, ny oram-panala an'ny tendrombohitr'i Lebanona.
  • Ny loko fotsy dia matetika ampitahana amin'ny lokon'ny oram-panala, tahaka ny tamin'ny namaritana ny akanjo na ny volon'i Jesosy ho "fotsy toy ny oram-panala"
  • Ny fahafotsin'ny oram-panala dia maneho hoe madio na mangatsakatsaka. Ohatara, ny fomba fiteny hoe "ny ota dia ho fotsy tahaka ny oram-panala" izay midika hoe Andriamanitra dia nanadio tanteraka ny olony tamin'ny ota.
  • Ny fiteny sasany dia maneho ny oram-panala toy ny "orana mivaingana" na "potipotika rano mandry"

oroka

Famaritana

Ny oroka dia fihetsika izay maneho ny fametrahan'ny olona iray ny molony amin'ny molotra na tarehin'ny olona iray hafa. Afaka ampiasaina amin'ny hevitra ambadika ihany koa io teny io.

  • Ny fomba fanorohana sasany dia mifanoroka eo amin'ny takolaka mba ho fifampiarahabana na fanaovam-beloma.
  • Ny oroka dia mariky ny fifankatiavana lalin'ny olon-droa, toy ny mpivady lahy sy vavy.
  • Indraindray ny teny hoe: "oroka" dia ampiasaina mba hidika hoe: "veloma." Rehefa nilaza tamin'i Elia i Elisa hoe: "Avelao handeha aho aloha ka hanoroka ny raiko sy ny reniko," ny tiany ho lazaina dia hoe: hanao veloma ny ray aman-dreniny izy alohan'ny handaozany azy ireo ka hanaraka an'i Elia.

osy, zanak'osy

Famaritana

Ny osy dia biby tsy tena lehibe, manana tongotra efatra ary mitovitivy amin'ny ondry ary ompiana voalohany ho an'ny rononony sy henany. Ny osy kely dia antsoina hoe "'zanak'osy."

  • Tahaka ny ondry, ny osy dia biby manan-danja amin'ny sorona, indrindra amin'ny Paska.
  • Na dia mitovitovy aza ny osy sy ondry, ireto misy fomba maro amneho ny maha-samihafa azy:
  • Ny osy dia mafy volo; ny ondry misy volony malefaka.
  • Ny rambon'osy dia mitsangana; ny rambon'ondry midina.
  • Ny ondry matetika dia tia mijanona miaraka amin'ny mpiandry azy ireo, fa ny osy mahaleo tena kokoa ary zatra mirenireny lavitry ny mpiandry azy.
  • Tamin'ny andron'ny olona ao amin'ny Baiboly, ny osy matetika no loharanon'ny ronono any Israely.
  • Ny hoditr'osy dia nampiasaina handrakofana lay sy hanaovana siny fasiana divay.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ny osy dia dia nampiasaina ho famantarana ny olona tsy marina, mety nohon'ny fahazaran'izy ireo mirenireny lavitry ny olona mikarakara azy ireo.
  • Ireo Israelita ihany koa dia nampiasa osy ho fanehoana mpitondra heloka. Rehefa misy osy iray natao sorona, dia apetrakin'ny mpisorona eo amin'ny osy iray hafa velona ny tanany ary mandefa izany any an'efitra ho famantarana ilay biby mitondra ny fahotan'ny olona.

patriarka

Famaritana

Ny teny hoe "patriarka" ao amin'ny T.T dia maneho ireo razambe nipoiran'ny Jiosy, indrindra fa Abrahama, Isaka, ary Jakoba.

  • Ity ihany koa dia mety maneho ireo zanaka roa ambin'ny folo lahin'i Jakoba izay lasa patriarka roa ambin'ny folon'ny foko roa ambin'ny folon'Isiraely.
  • Ny teny hoe "patriarka" dia manana hevitra mitovy amin'ny hoe "razambe," fa maneho manokana ireo razambe lahy fanatra tsara mpitarika ny vondron'olona.

pentina

Famaritana

Ny teny hoe: "pentina" dia maneho ny kilema ara-batana na tsy fahatomombanana amin'ny biby na olona. Izany ihany koa dia maneho tsy fahatomombanana ara-panahy sy fahadisoana ao amin'ny olona.

  • Amin'ny sorona sasany, Andriamanitra dia nampianatra ireo Israelita hanolotra biby izay tsy misy kilema.
  • Izany dia kisarisary maneho fa Jesosy no ilay sorona tonga lafatra, tsy misy fahotana.
  • Ireo mpino an'i Kristy dia efa voadio tamin'ny fahotan'izy ireo tamin'ny alalan'ny ràny ary noraisina ho tsy misy pentina.
  • Ny fomba handikana ireo teny hoe: "kilema" na "tsy fahatomombanana" na "fahotana" dia arakaraky ny foto-kevitra ihany.

rameva

Famaritana

Ny rameva dia biby lehibe, manana tongotra efatra miaraka amin'ny vokoka iray na roa eo amin'ny lamosiny.


Ranabavy

Famaritana

Ny "ranabavy" dia ilay vehivavy iray reny na ray amin'ny olona iray hafa.

  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny "anabavy" dia nampiasaina ara-tsarin-teny mba hanehoana ireo vehivavy izay mpiara-mino ao amin'i Jesosy Kristy
  • Ny teny hoe "rahalahy sy ranabavy" dia nampiasaina mba hanehoana ireo mpino Kristiana rehetra, na lahy io na vavy.
  • Ao amin'ny bokin'ny Tonon-kiran'i Solomona ao amin'ny Testamenta Taloha, ny "ranabavy" dia maneho ny olo-tiana na vady.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Tsara raha tonga dia io ihany no hampiasaina ara-bakiteny raha haneho anabavy iray reny na iray ray aminao, raha tsy hoe midika zavatra ny dikany amin'ny fiteny andikana azy.
  • Ny fomba hafa andikana izany dia ny hoe "anabavy ao amin'i Kristy" na "anabavy ara-panahy" na "vehivavy izay mino an'i Jesosy" na "mpiara-mino vehivavy"
  • Raha azo atao, dia tsara raha mampiasa ny fomba fiteny mahazatra.

rano

Famaritana

Ny "rano" matetika dia maneho ny ranomasim-be, ranomasina, farihy, na renirano.

  • Ny teny hoe: "rano" dia maneho loharano maro. izany ihany koa dia fanehoana amin'ny ankapobeny ny rano be midadasika.
  • Ny hevitra ambadiky ny "rano" dia maneho fahoriana lehibe, fahasarotana, ary fijaliana. Ohatra amin'izany, Andriamanitra nampanantena fa rehefa "mandeha ambony ny rano Izy" dia hiaraka amintsika.
  • Ny teny hoe: "rano maro" dia manamafy ny halehiben'ny fahasarotana.
  • Ny "manome rano" ny biby fiompy sy ny biby hafa dia midika hoe: "mampisotro rano azy ireo." Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, izany matetika maneho ny fisotoman-drano avy ao amin'ny lavadrano amin'ny siny ary mandraraka ny rano ao anatin'ny tavy na vata fitoerana hafa mba hisotroan'ireo biby.
  • Ao amin'ny Testamenta taloha, Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe loharan'ny"rano velona" ho an'ny olony. Izany dia maneho fa izy no loharanon'ny hery ara-panahy ary famelombelomana.
  • Ao amin'ny Testamenta taloha, Jesosy dia nampiasa ny teny hoe: "rano velona" hanehoana ny Fanahy Masina miasa ao amin'ny olona iray mba hanova sy hitondra fiainam-baovao.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe: "maka rano" dia afaka adika hoe: "misintona rano ao amin'ny lavadrano amin'ny siny."
  • "Ny fikorian-drano velona dia hiraraka amin'izy ireo" izany dia afaka adika hoe: "ny hery sy ireo fitahiana avy amin'ny Fanahy Masina dia hivoaka amin'izy ireo tahaka ny fikorianan-drano velona." Ankoatran'ny "fitahiana" ny teny hoe: "fanomezana" na "voankazo" na "toetran'Andriamanitra" dia afaka ampiasaina.
  • Rehefa niresaka tamin'ilay vehivavy samaritana teo amin'ny lavadrano i Jesosy, ny teny hoe: "rano velona" dia afaka adika hoe: "rano izay manome fiainana" na "rano mahavelona."
  • Ny teny hoe: "rano" na "rano maro be" dia afaka adika hoe "fahoriana lehibe" arakaraka ny foto-kevitra.

rantsana

Famaritana

Ny teny hoe "rantsana" dia ilazana ny ampahany iray amin'ny vatana na vondrona manontolo.

  • Faritan'ny Testamenta Vaovao ho "rantsam-batan'i Kristy" ireo Kristiana. Ireo mpino an'i Kristy dia isan'ny vondrona iray izay misy rantsana maro.
  • Jesosy Kristy no "lohan'ny" Vatana ary ary ny mpino tsirairay no miasa ho rantsan'ny vatana. Ny Fanahy Masina no manome anjara asa manokana ny rantsam-batana tsirairay mba hanampiana ny vatana manontolo hiasa tsara.
  • Ny olona tsirairay izay mikambana amin'ny vondrona toy ny Synedriona Jiosy sy ny Fariseo dia antsoina hoe "rantsan'ireo" vondrona ireo.

razam-be, ray, raibe

Famaritana

Rehefa ampiasaina ara-bakiteny, ny teny hoe: "ray" dia maneho ny loham-pianakaviana. Misy hevitra ambadika maromaro ihany koa io teny io.

  • Ireo teny hoe: "ray" sy "raibe" matetika dia ampiasaina mba hanehoana ireo razam-ben'ny olona na vondron'olona. Izany dia afaka adika hoe: "razam-be" na "razam-be taloha."
  • Ny fiteny hoe: "rain'ny" dia afaka atao hevitra ambadika maneho olona iray izay mpitarika ao amin'ny vondron'olona mifandray na loharanon'ny zavatra iray. Ohatra: ao amin'ny Genesisy 4, "ny rain'ireo rehetra izay mipetraka ao anaty lay" izay mety midika hoe: "mpitariky ny foko voalohan'ny olona izay nipetraka voalohany tao anaty lay."
  • Paoly Apostoly dia miantso amin'ny hevitra ambadika ny tenany hoe: "ilay rain' " ireo izay nanampy azy mba ho tonga Kristiana amin'ny alalan'ny fizarana ny filazantsara tamin'izy ireo.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • "Andriamanitra ilay Ray" dia afaka adika amin'ny tenim-paritrao mahazatra hilazana ny hoe: ray.
  • Rehefa ny "raibe" no resahina, io teny io dia afaka adika hoe: "razam-be" na "razam-be taloha."
  • Rehefa maneho ny tenany amin'ny hevitra ambadika hoe rain'ireo mpino ao amin'i kristy i Paoly, dia afaka adika hoe: "ray ara-panahy" na "ray ao amin'i Kristy" izany.
  • Indraindray ny teny hoe: "ray" dia afaka adika hoe: "mpitarika ny foko."
  • Ny andian-teny hoe: "rain'ny lainga rehetra" dia afaka adika hoe: "loharanon'ny lainga rehetra" na "ilay iray izay avy aminy no hahatongavan'ny lainga rehetra."

rofia

Famaritana

Ny teny hoe "rofia" dia maneho karazan-kazo lava misy raviny malefaka mivelatra eo an-tampony.

  • Ny hazon-drofia ao amin'ny Baiboly matetika dia maneho karazana hazon-drofia izay mamokatra voa antsoina hoe "daty." Ireo raviny dia manana
  • Ny hazon-drofia dia maniry any amin'ny toerana manana toetr'andro mafana, mando. Ny raviny dia mijanona maitso mandritry ny taona.
  • Rehefa niditra tao Jerosalema Jesosy nitaingina ampondra, dia namelatra ravin-drofia tamin'ny tany teo anoloany ireo olona.
  • Ny ravin-drofia dia manambara fiadanana sy fankalazana fandresena.

Sabatra

Famaritana

Ny Sabatra dia fitaovam-piadiana vita amin'ny vy fisaka sady maranitra mba hanapahana na hanindromana. Izy io dia misy fitazomana ary dia lava be no maranitra ny lohany ary miaraka amin'ny sisiny maranitra sady manapaka.

  • Ny lelan'ny sabatra dia nanodidina ny 60 na 91 santimetatra ny alavany tamin'ny andro taloha.
  • Ny sabatra sasany dia manana lela roa maranitra ary dia nantsoina hoe sabatra "roa lela" na sabatra "manana lela roa"
  • Ny mpianatr'i Jesosy dia nanana sabatra izay nomanin'izy ireo hiarovan-tena. Tamin'ny sabatrany, Petera no nanapaka ny sofin'ilay mpanompon'ny mpisoronabe.
  • Na Jaona mpanao Batisa na Jaona Apostoly dia samy notapahana loha tamin'ny sabatra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny sabatra dia nampiasaina hilazana ny tenin'Andriamanitra ihany koa. Ny fampianaran'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly dia mampiseho ny fisainana lalina indrindra ary managadra azy ireo amin'ny otan'izy ireo. Afaka adika hoe, sabatra manapaka lalina ka mahatonga fanaintainana.

sahy, amim-pahasahiana, fahasahiana

Famaritana

Ireo teny rehetra ireo dia maneho ny fananana herin-tsaina sy fahatokiana hilaza ny marina sy hanao zavatra marina na dia sarotra na mampidi-doza aza izany.

  • Ny olona "sahy" dia tsy matahotra hiteny sy hanao izay tsara sy marina, ao anatin'izany ny fiarovana ny olona izay ampahoriana. Afaka adika ihany koa hoe: "manana herim-po" na "tsy manan-tahotra."
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo mpianatra dia mbola mitory momba an'i Kristy amim-pahasahiana eny amin'ny toeran'ny daholobe, na dia midi-doza amin'ny figadrana na famonoana aza. Afaka adika hoe: "amim-pahatokiana" na "amin-kerim-po tanteraka"
  • Ny "fahasahian'ireo" mpianatra taloha tamin'ny filazana ny vaovao mahafalin'ny fanavotan'i Kristy tamin'ny fahafatesany teo amin'ny hazofijaliana dia nahatonga ny fiparitahan'ny filazantsara erak'Israely sy ny firenena akaiky ary farany, erak'izao tontolo izao. "Ny fahasahiana" dia tokony adika hoe: "herim-po feno fahatokiana."

saina

Famaritana

Ny teny hoe "saina'' dia ilazana ny ampahan'ny olona iray izay mihevitra sy mandray fanapahan-kevitra.

  • Ny sain'ny olona tsirairay no fahafenoan'ny fieritreretany sy ny fahafahany mihevitra.
  • Ny "fananana ny fisainan'i Kristy'' dia midika fa mihevitra sy miasa tahaka ny hiheveran'i Kristy sy ny fiasany. Izany dia midika fankatoavana ny Andriamanitra Ray, fanarahana ny fampianaran'i Kristy, sy fahafahana manao izany amin'ny herin'ny Fanahy Masina.
  • Ny "miova hevitra" dia midika fa nandray fanapahan-kevitra iray hafa na nanana fomba fijery hafa amin'ny teo aloha ny olona iray.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "saina" dia azo adika iany koa hoe "eritreritra" na "fisainana" na "fiheverana" na "fahatakarana."
  • Ny fomba fiteny hoe "hazony ao an-tsaina" dia azo adika hoe: "tsarovy'' na "hevero tsara izao" na "ataovy fatatrao izao.''
  • Ny fomba fiteny hoe "fo, fanahy, sy saina" dia azo adika ihany koa hoe: "izay tsapanao, izay hinoanao, izay heverinao."
  • Ny fomba fiteny hoe "ataovy an-tsaina" dia azo adika ihany koa hoe: "tsarovy" na "hevero."
  • Ny fomba fiteny hoe "niova hevitra ka nandeha" dia azo adika ihany koa hoe: "nandray fanapahan-kevitra hafa ka nandeha" na "nanapa-kevitra ny handeha na izany aza" na "nanova ny fomba fijeriny ary nandeha."

sampy, mpanompo sampy

Famaritana

Ny sampy dia zavatra iray izay amboarin'ny olona mba hahafahan'izy ireo mivavaka amin'izany. Voafaritra ho "fanompoan-tsampy" ny zavatra iray rehefa misy fanomezam-boninahitra zavatra iray afa-tsy ilay hany Andriamanitra marina.

  • Manamboatra sampy ny olona mba hanehoana ny andriamanitra sandoka izay hivavahan'izy ireo.
  • Tsy misy akory ireo andriamanitra sandoka ireo, tsy misy Andriamanitra afa-tsy Yaveh.
  • Indraindray ny demonia dia miasa ao amin'ny sampy mba hahatonga izany ho toy ny manana hery, na dia tsy manana aza.
  • Vita amin'ny fitaovana sarobidy toy ny volamena, volafotsy, alimo na hazo lafo vidy matetika ny sampy.
  • Ny "fanjakana mpanompo sampy" dia midika hoe "fanjakam-bahoaka izay manompo sampy" na "fanjakan'ny vahoaka izay mivavaka amin'ny zavatra eto an-tany."
  • Ny teny hoe "endrika sampy" dia teny iray hafa ilazana ny "sary voasokitra" na "sampy."

sarisary, sary voasokitra, endrika voasokitra, endrika vita amin'ny vy natsonika

Famaritana

Ireo teny ireo dia ampiasaina ilazana ny sampy izay namboarina hanompoana andriamanitra sandoka avokoa. Amin'ny resaka fivavahana amin'ny sampy, ny teny hoe "sarisary" dia fanafohizana ny "sary voasokitra.''

  • Ny "sary voasokitra" na "endrika voasokitra" dia zavatra vita amin'ny hazo izay natao mba hanana endrika biby, olona, na zavatra.
  • Ny "endrika vita amin'ny vy natsonika" dia zavatra na sary vongana namboarina avy tamin'ny fanatsonihana vy sy fandrarahana izany anaty fanaovana lasitra izay manana endrika zavatra, biby, na olona iray.
  • Ireo zavatra vita hazo na vy ireo dia ampiasaina hivavahana amin'ny andriamanitra sandoka.
  • Rehefa entina ilazana sampy iray ny teny hoe "sarisary" dia mety haneho sampy hazo na vy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Rehefa entina ilazana sampy iray, ny teny hoe "sarisary" dia azo adika ihany koa hoe "sary vongana" na "sampy voasokitra" na "zavatra fivavahana voasokitra."
  • Mety hazava kokoa amin'ny fiteny sasany ny mampiasa teny voafaritra hatrany mba hilazana io teny io, toy ny hoe "sary voasokitra" na "endrika vita amin'ny vy natsonika," na dia ny teny hoe "sarisary" na "endrika" ihany aza no ao amin'ny lahatsoratra niaingany.
  • Ezaho tsara mba ho samy hafa amin'ny teny ampiasaina hilazana ny hoe araka ny endrik'Andriamanitra io teny io.

sarobidy

Famaritana

Ny teny hoe "sarobidy" dia mamaritra olona na zavatra izay raisina ho tena manan-danja be.

  • Ny teny hoe "vato sarobidy" na "firavaka sarobidy" dia maneho ireo vatolampy sy mineraly izay milokoloko na manana kalitao hafa izay mampantsara sy ilàna azy ireo.
  • Ohatra amin'ny vato sarobidy ny diamondra, robia, ary emeroda.
  • Ny volamena sy volafotsy dia antsoina hoe "vy sarobidy."
  • Yaveh dia nilaza fa ny olony dia "sarobidy" eo imasony (Isaia 43:4).
  • Petera dia nanoratra fa ny fanahy tsara fanahy sy mangina dia sarobidy eo imason' Andriamanitra (1 Petera 3:4).
  • Ity teny ity dia afaka adika koa hoe "tena malala" na "tena sarobidy."

satro-boninahitra, manome satro-boninahitra

Famaritana

Ny satro-boninahitra dia zavatra fandravahana boribory atao amin'ny lohan'ny mpanapaka toy ny mpanjaka sy mpanjaka vavy. Ny teny hoe "manome satro-boninahitra" dia midika hoe mametraka satro-boninahitra eo amin'ny lohan'ny olona iray; amin'ny hevitra ambadika izany dia midika hoe "manome voninahitra."

  • Ireo satro-boninahitra matetika dia vita amin'ny volamena na volafotsy, ary voaravaka vatosoa sarobidy toy ny emeroda sy robia.
  • Ny satro-boninahitra dia natao ho mariky ny hery sy haren'ny mpanjaka.
  • Mifanohitra amin'izany, ny satro-boninahitra vita tamin'ny tsilo izay napetrak'ireo miaramila Romana teo amin'ny lohan'i Jesosy dia natao haniratsirana sy handratrana Azy.
  • Tamin'ny andro taloha, ireo mpandresin'ny fifaninanana ara-panatanjahantena dia tolorana fehiloha vita amin'ny sampan'oliva. Paoly apostoly dia nanonona ity satro-boninahitra ity tao amin'ny taratasiny faharoa ho an'i Timoty.
  • Raha ampiasaina amin'ny hevitra ambadika, ny hoe "manome satro-boninahitra" dia midika hoe manome voninahitra olona iray. Isika dia manome voninahitra an' Andriamanitra amin'ny fankatoavana sy fiderana Azy amin'ny hafa. Ity dia tahaka ny hoe mametraka satro-boninahitra eo aminy ary manaiky fa Izy dia mpanjaka.
  • Paoly dia niantso ireo namana mpino hoe "fifaliana sy satro-boninahiny." Amin'ity fomba fiteny ity, ny hoe "satro-boninahitra" dia tsy nampiasaina ara-bakiteny mba hilazana fa Paoly dia tena voatahy ary nomem-boninahitra tamin'ny fahatokian'ireo mpino ireo tamin'ny fanompoana an'Andriamanitra.
  • Raha amin'ny hevitra ambadika, ny hoe "satro-boninahitra" dia azo adika hoe "loka" na "voninahitra" na "valisoa."
  • Ny hevitra ambadika hoe "manome satro-boninahitra" dia afaka adika hoe "manome voninahitra" na "mandravaka."
  • Raha "nahazo satro-boninahitra" ny olona iray dia afaka hoe "nametrahana satro-boninahitra teo amin'ny lohany" izany.
  • Ny fomba fiteny hoe "nosatrohina voninahitra sy haja izy" dia afaka adika hoe "nomena voninahitra sy haja izy" na "notafiana voninahitra sy haja izy."

Sedera

Famaritana

Ny teny hoe "sedera" dia maneho hazo kesika lehibe izay miloko volon-tany manopy mena. Tahaka ireo kesika hafa, dia manana voan-kesika sy ravina miendrika fanjaitra izany.

  • Ampifandraisin'ny Testamenata Taloha amin'i Lebanona matetika ny hazo sedera rehefa manonona izany, izay nahavokaran'ireo tanteraka.
  • Ny hazo sedera dia nampiasaina tamin'ny fanamboarana ilay tempolin'i Jerosalema.
  • Izany koa dia nampiasaina ho sorona sy fanatitra fanadiovana.

sela

Famaritana

Ny teny hoe "sela" dia teny Hebreo izay ao amin'ny bokin'ny Salamo no tena ahitana azy. Maro ny mety ho dikan'izany.

  • Mety hidika izany hoe: "miato sady midera," izay manasa ny mpihaino hisaina tsara momba izay vao nilazaina.
  • Satria maro amin'ireo Salamo no nosoratana ho hira, dia heverina fa ny "sela" dia mety ho fomba fiteny fampiasa amin'ny zava-maneno izay entina ampianarana ny mpihira mba hiato rehefa mihira mba hamelana ny zava-maneno haneno na hamporisihana ireo mpihaino mba handinika ny teny ambaran'ny hira.

sento

Famaritana

Ny teny hoe "sento" dia maneho feo lalina, ambany izay vokatry ny fahoriana ara-batana na ara-moraly. Matetika ny sento dia tsy avoaka amin'ny teny.

  • Ny olona dia afaka misento nohon'ny alahelo.
  • Ny sento dia mety ho vokatry ny fahatsapana vesatra mafy sy mampijaly.
  • Ireo fomba hafa andikana ny hoe "sento" dia azo atao hoe "mamoaka feo mangina amin'ny fangirifiriana" na "malahelo fatratra."
  • Izany koa dia afaka adika hoe "hiaka mangina amin'ny alahelo" na "fimonomononana lalina amin'ny fangirifiriana."

sesin-tany, ny Sesin-tany

Famaritana

Ny teny hoe "sesin-tany" dia ilazana ny olona izay noterena hipetraka any amina toerana lavitry ny fireneny.

  • Matetika ny olona dia alefa sesin-tany ho famaizana na nohon'ny antony ara-politika.
  • Ny vahoaka voababo dia mety ho lasa sesin-tany any amin'ny firenen'ny tafika izay nambabo azy, mba hiasa ho azy ireo.
  • Ny "Fanaovan-tsesin-tany Babyloniana" (na "ny Sesin-tany") dia fotoana iray ao amin'ny Baiboly izay nakana ireo mponina Jiosy tao amin'ny faritr'i Joda hiala amin'ny fonenan'izy ireo ka noterana hipetraka any Babylona. Naharitra 70 taona izany.
  • Ny teny hoe "ireo sesin-tany" dia manondro ireo olona izay miaina an-tsesin-tany, lavitry ny firenena niavian'izy ireo.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "manao sesin-tany" dia azo adika ihany koa hoe: "mandefa" na "manery hiala" na "mandroaka."
  • Ny teny hoe "ny Sesin-tany" dia azo adika amina teny na andian-teny izay midika hoe: "ny andron'ny fandefasana" na "ny andron'ny fandroahana" na "ny andron'ny faneren-kiala" na "ny fandroahana."
  • Ny fomba azo andikana ny hoe "ireo sesin-tany" koa dia: "ireo olona natao sesin-tany" na "ireo olona voaroaka" na "ireo olona nalefa sesin-tany tany Babylona."

seza fiandrianana

Famaritana

Ny seza fiandrianana dia seza namboarina manokana izay hipetrahan'ny mpanjaka rehefa manapaka raharaha lehibe ary mihaino ny fangatahan'ny vahoakany.

  • Ny seza fiandrianana ihany koa dia mariky ny fahefana sy hery hananan'ny mpanjaka iray.
  • Ny teny hoe "seza fiandrianana" matetika dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana ny mpanjaka, ny fiandrianany, na ny fahefany.
  • Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra matetika dia voafaritra ho mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany. Jesosy dia voafaritra fa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra ray.
  • Nambaran'i Jesosy fa ny lanitra no seza fiandrianan'Andriamanitra. Ny fomba iray azo handikana izany dia: "izay hanjakan'Andriamanitra."

Sikidy, mpisikidy, mpanandro

Famaritana

Ny teny hoe "sikidy" sy ny "mpanandro" dia maneho ny fomba fanao izay mihezaka ny mangataka toro-marika avy amin'ireo fanahy any amin'ny tontolon'ny mihoatra ny voajanahary. Indraindray ny olona izay manao izany dia atsoina hoe "mpisikidy."

  • Tamin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia nandidy ireo Israelita mba tsy hisikidy na hanandro.
  • Andriamanitra dia namela ny olony hitady toro-marika avy Aminy amin'ny fampiasaina ny Orima sy Tomima, izay vato natokany mba hampiasain'ny mpisoronabe ho amin'izany tanjona izany. Fa tsy navelany kosa ireo olony hitady fahalalana amin'ny alalan'ny fanampian'ireo fanahy ratsy.
  • Ny mpanompo sampy dia mampiasa karazana fomba mba hakan'izy ireo toro-marika avy amin'ny tontolon'ny fanahy. Indraindray izy ireo dia mikirakira fatim-biby na taolam-biby eo amin'ny tany, mitady fomba izay mety adikan'izy ireo ho hafatra avy amin'ireo andriamanitra dison'izy ireo.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, Jesosy sy ny apostoly koa dia nitsipaka ny sikidy, ny famosaviana ary ny ody. Tafiditra ao amin'izany fanao rehetra izany ny fampiasana ny herin'ny fanahy ratsy, ary dia melohan'Andriamanitra izany.

simba toetra, fahasimban-toetra

Famaritana

Ny teny hoe "simba toetra" sy "fahasimban-toetra" dia maneho fanaovana raharaha izay mahatonga ny olona ho lasa potika, ratsy fitondran-tena, tsy marina.

  • Ny teny hoe "simba toetra" ara-bakiteny dia midika hoe "voahenjana" na "tapaka" ara-pitondran-tena.
  • Ny olona simba toetra dia nivadika tamin'ny marina ary manao zavatra izay tsy marina na ratsy.
  • Ny manimba toetra ny olona dia midika hoe mitarika izany olona izany hanao zavatra tsy marina sy ratsy.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "manimba toetra" dia azo adika hoe "mamporisika ny olona hanao ratsy" na "hanjary haloto."
  • Ny olona simba toetra dia azo faritana ho olona "izay lasa ratsy fitondran-tena" na "izay manao ratsy."
  • Ity teny ity dia afaka adika hoe "ratsy" na "ratsy fitondran-tena."
  • Ny teny hoe fahasimban-toetra dia afaka adika hoe "fanaovana ny ratsy" na "ratsy" na "fitondran-tena maloto."

soavaly

Famaritana

Ny soavaly dia biby lehibe manana tongotra efatra izay nampiasaina anao ny asa any an-tsaha sy hitondrana olona tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly.

  • Ny soavaly sasany dia natao hitondra sarety, fa ny sasany kosa dia nitondrana olona.
  • Ny soavaly matetika dia asiana lamboridy eo amin'ny lohany mba hibaikona sy hamiliana azy.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny soavaly dia natao hoe zavatra manan-danja be ary fitaovana fandrefesana harena, noho izy fampiasa amin'ny ady. Ohatra, ny ampahany be amin'ny harenan'i Solomona dia ireo soavaly sy sarety aman'arivo izay nananany.
  • Ny biby mitovy amin'ny soavaly dia ny ampondra.

Solifara

Famaritana

Ny solifara dia akora miloko mavo izay lasa tsiranoka mirehitra rehefa asiana afo.

  • Solifara dia manana fofona manaikitra be izay toy ireny lamokan'atody ireny.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny solifara mirehitra dia mariky ny fitsaran'Andriamanitra eo amin'ireo olona ratsy fanahy sy mpikomy.
  • Tamin'ny andron'i Lota, Andriamanitra dia nandatsaka afo sy solifara avy tany an-danitra teo amin'ny tanànan'ny ratsy tao Sodoma sy Gomora.
  • Ao amin'ny dika teny hafa dia natsoina hoe "vato mirehitra afo"

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny mety andikana io teny io ihany koa dia ny hoe "vato mavo izay mirehitra" na "vato mavo mirehitra"

sorona, fanatitra

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly ny teny hoe "sorona" sy "fanatitra" dia maneho fanomezana manokana atolotra ho an'Andriamanitra mba ho mariky ny fiderana Azy. Ny olona ihany koa dia manolotra sorona ho an'ireo andriamanitra diso ireo.

  • Ny teny hoe "fanatitra" dia maneho ireo zavatra atolotra na omena amin'ny ankapobeny. Ny teny hoe "sorona" dia maneho ireo zavatra izay nomena na nataon'ilay mpanolotra tamin'ny vidiny lafo.
  • Ny fanomezana ho an'Andriamanitra dia zavatra miavaka izay nandidiny an'ireo Israelita mba hanehoan'izy ireo fanoloran-tena sy fankatoavana Azy.
  • Ny karazana anaran'ireo fanatitra ireo, toy ny hoe "fanatitra nodorana" na "fanatitry ny fiadanana", dia mampiseho hoe karazana fanatitra toy ny ahoana no natolotra.
  • Ny sorona ho an'Andriamanitra matetika dia midika hoe famonoana ny biby.
  • Ny soron'i Jesosy ihany, ilay Zanaka lahin'Andriamanitra izay tsy misy ota sy lafatra, no afaka manadio tanteraka ny olona amin'ny ota. Ny biby atao sorona dia tsy hahavita izany mandrakizay.
  • Ny fomba fiteny hoe "atolory ho fanatitra ny tenanao" dia midika hoe "hiaino tanteraka amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra ny fiainanao , hafohizo ireo zavatra rehetra mba hanompoana Azy"

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "fanatitra" dia afaka adika hoe "fanomezana ho an'Andriamanitra" na "zavatra izay omena an'Andriamanitra" na "zavatra izay manan-danja aseho an'Andriamanitra"
  • Miankina amin'ny zava-misy ny heviny, ny teny hoe "sorona" dia afaka adika hoe "zavatra manan-danja natolotra ho fiderana" na "biby miavaka izay novonoina ary natolotra an'Andriamanitra"
  • Ny fanaovana ny "sorona" dia afaka adika hoe "mahafoy zavatra manan-danja" na "mamono biby ary manolotra izany ho an'Andriamanitra"
  • Ny fomba hafa handikana ny hoe "atolory ny tenanao ho fanatitra velona" dia hoe "tahaka ny hiainanao ny fiainanao, atolory an'Andriamanitra tanteraka ny tenanao ho toy ny biby izay atolotra eo amin'ny alitara."

synedriona

Famaritana

Ny synedriona dia vondron'olona izay mihaona mba hiresaka, hifanome hevitra, ary handray fanapahan-kevitra momban'ny zavatra manan-danja.

  • Ny synedriona matetika dia voalamina amin'ny fomba ofisialy sy somary maharitra ho amin'ny tanjona manokana, toy ny fandraisana fanapahan-kevitra momban'ireo zavatra ara-dalàna.
  • Ny "Synedriona Jiosy" ao Jerosalema, fantatra koa amin'ny hoe "filan-kevitra," manana mpikambana 70, dia ahitana mpitarika Jiosy toy ny lohan'ny mpisorona, zokiolona, mpanora-dalàna, Fariseo, ary Sadoseo izay nihaona tsy tapaka mba hanapaka ireo zavatra amin'ny lalàna Jiosy. Io synedrionan'ireo mpitarika fivavahana io no nametraka an'i Jesosy ho amin'ny fitsaràna sy nanapa-kevitra fa tokony ho vonoina Izy.
  • Nisy synedriona Jiosy kelikely kokoa ihany koa tany amin'ny tanàna hafa.
  • Paoly apostoly dia nentina teo anoloan'ny Synedriona Romana rehefa nosamborina nohon'ny fampianarana filazantsara izy.
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "synedriona" dia afaka adika hoe "fikambanana ara-dalàna" na "fikambanana politika."
  • Ny hoe "ao amin'ny synedriona" dia midika hoe ao anaty fivoriana miavaka mba hanapa-kevitra ny amin'ny zavatra iray.

tafintohina

Famaritana

Ny teny hoe "tafintohina" dia midika hoe "efa saika lavo" raha nihazakazaka na nandeha. Midika izany fa nidona tamina zavatra.

  • Ara-tsari-teny, "tafintohina" dia midika hoe "manota" na "mihozongozona" amin'ny finoana.
  • Izany teny izany dia maneho ihany koa hoe mihozongozona na mampiseho fahalemena manoloana ny ady na ny fanenjehana na ny fanasaziana.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Amin'ny foto-kevitra izay midika hoe voafingana tamina zavatra ny heviny dia afaka adika hoe "saika lavo" na "voafingana" ny teny hoe "tafintohina"
  • Amin'ny fampiasana ara-tsari-teny izay tsy misy heviny raha atao ara-bakiteny dia afaka adika hoe "ota" na "mihozongozona" na "mitsahatra mino" na "lasa malemy" ny teny hoe "tafintohina"

talanjona, gaga, taitra

Famaritana

Ireo teny rehetra ireo dia ilazana ny fahagagana tanteraka nohon'ny zavatra miavaka izay niseho avokoa.

  • Ny sasany amin'ireo dikan-teny ireo dia avy amin'ny fomba fiteny Grika izay midika hoe "talanjom-pahagagana." Io fomba fiteny io dia maneho ny fahagagana na ny fahatairana tsapan'ilay olona. Mety misy fiteny hafa manana fomba fiteny anehoana izany.
  • Matetika ny tranga izay nahatonga ny fahatairana dia fahagagana, zavatra izay Andriamanitra ihany no afa-manao izany.
  • Ny hevitr'ireo teny ireo ihany koa dia ho fahatsapana na fahaverezan-kevitra satria tsy nampoizina tanteraka izay nitranga.
  • Ny fomba hafa azo adikana ireo teny ireo dia: "gaga tanteraka" na "taitra mafy."
  • Ireo teny mifandraika amin'izany dia: "mahagaga," "fahagagana.''
  • Amin'ny ankapobeny, ireo teny ireo dia maneho hevitra tsara ary maneho fa faly ny amin'izay nitranga ny olona.

Tanàna masina

Famaritana

Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "Tanàna masina" dia maneho ny tanànan'i Jerosalema.

  • Izany teny izany dia nampiasaina mba hanehoana ny tanàna talohan'i Jerosalema ary koa ny vaovao, ny Jerosalema any an-danitra dia ilay toerana izay hipetrahana sy hanjakan'Andriamanitra eo amin'ny olony.

Tanana, Tanana havana, manolotra

Famaritana

Maro ireo sari-teny izay fampiasa amin'ny teny hoe "tanana" ao amin'ny Baiboly:

  • Ny hoe "manolotra" zavatra ho an'ny olona dia midika hoe mametraka zavatra eo am-pelatanan'izany olona izany.
  • Ny teny hoe "tanana" dia matetika nampiasaina mba hanehoana ny herin'Andriamanitra sy ny asany, tahaka an'Andriamanitra rehefa niteny hoe " Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako"
  • Ny fomba fiteny hoe "manolotra ho an'ny" na "manome an-tanana ny" dia maneho fa ambanin'ny fahefana na ny herin'ilay olona nanolorana azy ilay olona natolotra.
  • Ny mametra-tanana eo amin'ny olona dia matetika atao rehefa miresaka fitahiana ho an'izany olona izany.
  • Ny teny hoe "mametraka ny tanana eo amin'ny" dia maneho fa mametraka tanana eo amin'izany olona izany mba hanolorana izany olona izany hanao ny asan'Andriamanitra na mivavaka mba hanasitranana azy.
  • Ny hoe "mikasi-tanana" dia midika hoe "mandratra"
  • Ny hoe "manafaka eo am-pelatanany" dia midika fa manatsahatra ny fikasian-tanan'ny olona iray amin'ny olona iray.
  • Ny hoe "manakaiky ny tanana" dia midika fa efa "akaiky."
  • Ny toerana eo "an-kavanan'ny tanana" dia midika hoe "eo amin'ny sisiny an-kavanana" na "eo amin'ny havanana"
  • Ny fomba fiteny hoe "tamin'ny tanan'ny" olona dia midika hoe "tamin'ny" na "tamin'ny alalan'ny" asa nataon'izany olona izany. Ohatra, ny hoe "tamin'ny tanan'ny Tompo" dia midika fa ny Tompo dia ilay iray izay nahatonga ilay zavatra nitranga.
  • Rehefa miteny Paoly hoe "nosoratany tamin'ny tanany" dia midika izany fa ny ampahany amin'ireo taratasiny dia nosoratany mihintsy, fa tsy notenenina tamin'ny olona hafa hoe soraty.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

*Ireo fomba fiteny sy sari-teny ireo dia afaka adika amin'ny fampiasana sari-teny izay manana hevitra mitovy amin'izy ireo ihany.


Tandroka

Famaritana

Ny tandroka dia zavatra mafy maniry ary maranitra eo amin'ny karazana loham-biby tahaka ny omby, ondry, osy ary serfa.

  • Ny tandroky ny ondry lahy dia natao ho zava-maneno izay antsoina hoe "anjomara" izay tsofina rehefa amin'ny fiaravoravona miavaka ara-pivavahana ihany.
  • Andriamanitra niteny tamin'Israelita mba hanamboatra tandroka teo amin'ny zorony efatry ny alatara manitra sy varahina. Kanefa ireo tandroka ireo dis tsy avy amin'ny tandroky ny biby.
  • Ny teny hoe "tandroka" dia maneho "tavoara" izay maka hendriky ny tandroka na izay nampiasaina mba hitahirizana rano na menaka. Ny tavoara fasiana menaka dia nampiasaina ho fanosorana mpanjaka, tahak'izay nataon'i Samoela tamin'ny Davida.
  • Io teny io dia tokony afaka adika amin'ny teny izay hafa amin'ny teny maneho trompetra.
  • Ny teny hoe "tandroka" dia nampiasaina ihany koa ho sari-teny mba ho fanehoana ny tanjaka, hery, fahefana ary ny fitondrana.

tanim-boaloboka

Famaritana

Ny tanim-boaloboka dia tany midadasika izay hambolena voaloboka.

  • Ny tanim-boaloboka matetika dia misy manda manodidina izany mba hiarovana ny voankazo amin'ny mpangalatra sy ny biby.
  • Andriamanitra dia mampitaha ny olon'Israely amin'ny tanim-boaloboka izay tsy mahavokatra.
  • Ny tanim-boaloboka ihany koa dia afaka adika hoe "saham-boaloboka."

tantara

Famaritana

Ny teny hoe "tantara" dia maneho fandraketana an-tsoratra ireo tranga nandritry ny vanim-potoana iray.

  • Ny bokin'ny Testamenta Taloha dia antsoina hoe "Tantara Voalohany" sy "Tantara Faharoa."
  • Ny Boky antsoina hoe "Tantara" dia mandrakitra an-tsoratra ny ampahany amin'ny tantaran'ny vahoaka Israelita, manomboka amin'ny lisitrin'ny olona amin'ny taranaka rehetra nanomboka tany amin'i Adama.
  • Ny "Tantara Voalohany" dia mandrakitra an-tsoratra ny faran'ny fiainan'i Saoly sy ireo tranga tamin'ny fitondran'i Davida mpanjaka.
  • Ny "Tantara Faharoa" dia mandrakitra an-tsoratra ny fitondran'i Solomona Mpanjaka sy ireo mpanjaka maro hafa, ao anatin'izany ny fananganana ny tempoly sy ny fisarahan'ny fanjakana avaratr'Israely amin'ny fanjakana atsimon'i Joda.
  • Ny faran'ireo Tantara 2 dia mamaritra ny fiantombohan'ny sesi-tanin'ny Babyloniana.

Tantely, toho-tantely

Famaritana

Ny tantely dia ilay dity mamy fihinana avy amin'ny tantely(biby) namboarina avy tamin'ny voninkazo mamimbony. Ny toho-tantely dia manana endrika savoka izay fametrahan'ny tantely ny tanteliny.

  • Miankina amin'ny karazany, ny tantely dia manana loko mavo na volontsôkôlà.
  • Ny tantely dia hita any anaty ala, amin'ny lavaka eo amin'ny hazo, na eny amin'izay misy ny akaniny. Ny olona dia miompy tantely ao amin'ireny toho-tantely ireny mba hivarotana na hinanana ny tantely izay vokarin'izy ireo, fa ny tantely voalaza ao amin'ny Baiboly dia ilay tantely dia.
  • Olona telo izay voalaza ao amin'ny Baiboly fa nihinana ireny tantely dia ireny Jonatana, Samsona ary Jaona mpanao Batisa.
  • Izany teny izany dia matetika hanehoana zavatra mamy na tena hoe mahafinaritra. Ohatra, ny tenin'Andriamanitra dia nolazaina fa hoe "mamy noho ny tantely."
  • Indraindray ny tenin'olona dia faritina ho mamy tahaka ny tantely, fa anefa dia mamono sy mandratra ny hafa.

tany, an'ny tany

Famaritana

Ny teny hoe "tany" dia ilazana ny tontolo izay hipetrahan'ny olombelona, sy ireo zava-manan'aina hafa.

  • Ny "tany" ihany koa dia azo hilazana ny nofon-tany izay manarona ny tany.
  • Io teny io matetika dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana ireo olona mipetraka eto an-tany.
  • Ny fomba fiteny hoe: "aoka hiravoravo ny tany" sy hoe "Izy no histara ny tany" dia ohatry ny hevitra ambadika azo ampiasaina an'io teny io.
  • Ny teny hoe "an'ny tany" matetika dia ilazana ireo zavatra mivaingana mifanohitra amin'ny zavatra ara-panahy.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Io teny io dia azo adika amin'ny teny na fehezanteny izay ampiasain'ny fitenim-paritra na fiteny eto an-toerana ilazana ny planeta tany izay honenantsika.
  • Arakaraka ny foto-kevitra, ny "tany" dia azo adika ihany koa hoe: "izao tontolo izao" na "vovon-tany."
  • Rehefa ampiasaina ho hevitra ambadika: "ny tany dia azo adika hoe "olona monina eto an-tany" na "olona eto an-tany" na "ny zava-drehetra eto an-tany."
  • Ny fomba azo andikana ny hoe "an'ny tany koa" dia azo atao hoe: "ara-nofo" na "zavatry ny tany" na "hita maso."

Taranaka, taranaka avy amin'ny

Famaritana

Ny "taranaka" dia olona izay iray rà amin'ny olona hafa tany aloha tany izay teo amin'ny tantara.

  • Ohatra, Abrahama dia taranak'i Noa
  • Ny taranaky ny olona dia ireo zanany, zafikely, zafin-doalika sy ny sisa. Ny taranaky Jakoba dia ireo foko roa ambin'ny volo an'Israely.
  • Ny teny hoe "taranaka avy amin'ny" dia fomba hafa ilazana ny hoe "ny taranak'i" tahaka ny hoe "Abrahama dia taranaka avy amin'i Noa ." Izany dia afaka adika koa hoe "avy amin'ny tetiaran'i Noa"

taratasy, epsitily

Famaritana

Ny taratasy dia hafatra nosoratana ka nalefa ho an'ny olona na vondron'olona izay alavitra an'ilay mpanoratra. Ny epistily dia karazana taratasy manokana, izay nosaratana tamin'ny fomba mihaja, ho amina tanjona manokana, toy ny hoe fampianarana.

  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo epistily sy karazana taratasy hafa ireo dia nosoratana teo amin'ny hodi-biby na teo amin'ny taratasy vita amin'ny ravin-kazo.
  • Ny epistilin'ny Testamenta Vaovao avy amin'ny Paoly, Jaona, Joda, Petera ary Jaona dia taratasy fampianarana izay nosoratana mba hampaherezana, hananarana ary hampianarana ireo Kristiana tany am-boalohany tao amin'ireo karazana tanàna manerana ny fanjakana Romana.
  • Ny fomba hafa andikana io teny io ny hoe "hafatra nosoratana" na "ireo teny voasoratra" na ireo "soratra."

tava

Famaritana

Ny teny hoe: "tava" dia midika ara-bakiteny hoe faritra eo aloha amin'ny lohan'ny olona. Io teny io ihany koa dia manana hevitra ambadika maro.

  • Ny fiteny hoe: "ny tavanao" matetika dia hevitra ambadika hilazana hoe: "ianao." Mitovitovy amin'izay ihany, ny fiteny hoe: "ny tavako" matetika dia midika hoe: "izaho."
  • Raha amin'ny hevitra ara-batana, ny hoe: "manatri-tava" olona iray na zavatra iray dia midika hoe mijery any amin'ilay olona iray na ilay zavatra iray.
  • Ny hoe: "mifanatri-tava amin'ny hafa" dia midika hoe: "mifampijery mivantana."
  • Ny hoe: "mifanatri-tava" dia midika fa mifankahita mivantana ny olona roa, mifanakaiky ny olona roa.
  • Rehefa "nampitodika maharitra ny tavany ho any Jerosalema Jesosy," izany dia midika hoe: "tena nanapa-kevitra ny ho any Izy."
  • Ny hoe: "nitodi-doha tamin'ny" olona na tanàna dia midika hoe: manapa-kevitra mafy ny tsy hiharitra intsony, na mandà ilay tanàna na ilay olona.
  • Ny fomba fiteny hoe: "ny tavan'ny tany" dia maneho ny velaran'ny tany ary matetika ampiasaina mba ho fanehoana amin'ny ankapobeny ny tany iray manontolo. Ohatra: "ny mosary izay manarona ny tavan'ny tany" dia midika hoe ny mosary izay miely patrana amin'ny olona maro ety an-tany.
  • Ny hevitra ambadiky ny fomba fiteny hoe: "aza manafina ny tavanao amin'ny olona dia midika hoe: "aza mandà ny olonao" na "aza aringana ny olonao" na "aza mijanona mikarakara ny olonao."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Raha mety, dia tazomina ny hevitry ny fomba fiteny, na mampiasa fomba fiteny ao amin'ny teny entina mandika izay manana dika mitovitovy amin'ilay fomba fiteny.
  • Ny teny hoe: "manatri-tava" dia afaka adika hoe: "mitodika any amin'ny" na "mijery mivantana any amin'ny" na "mijery manatrika ny."
  • Ny fiteny hoe: "mifanatri-tava" dia afaka adika hoe: "mifanakaiky" na "akaikin'ny" na "eo anatrehan'ny."
  • Ny teny hoe: "manoloana ny tavany" dia afaka adika hoe: "eo alohany" na "eo anoloany" na "eo anatrehany."
  • Ny fiteny hoe: "manatrika ny tavany any amin'ny" dia afaka adika hoe: "nanomboka nandroso nankany amin'ny" na "nanamafy ny sainy handeha any amin'ny."
  • Ny fiteny hoe: "nanafina ny tavany amin'ny" dia afaka adika hoe: "nitodi-doha tamin'ny" na "nijanona nanampy na niaro ny" na "nandà."
  • Ny hoe: "nampanohitra ny tavany tamin'ny" tanàna na olona iray dia afaka adika hoe: "mijery am-pahatezerana na am-panamelohana" na "mandà ny hanaiky" na "manapa-kevitra ny handà" na " manameloka sy mandà" na "mitsara."
  • Ny fiteny hoe: "lazao eo amin'ny tavan'izy ireo" dia afaka adika hoe: "lazao mivantana amin'izy ireo" na "lazao eo anatrehan'izy ireo" na "lazao eo imason'izy ireo."
  • Ny fiteny hoe: "amin'ny tavan'ny tany" dia afaka adika hoe: "ny tany manontolo" na "amin'izao tontolo izao manontolo" na "miaina eran'ny tany manontolo."

tehim-panjakana

Famaritana

Ny teny hoe: "tehim-panjakana" dia maneho tsoran-kazo voarafitra na tehina izay tazomin'ny mpanapaka, toy ny mpanjaka.

  • Ny tehim-panjakana taloha dia rantsan-kazo lehibe izay vita sikotra tamin'ny haingo. Taty aoriana ny tehim-panjakana dia vita tamin'ny volamena.
  • Ny tehim-panjakana dia marika maha-mpanjaka sy fahefana izay manamarika ny voninahitra.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia voafaritra ho manana ny tehim-panjakan'ny fahamarinana. Izany dia mifandray amin'ny fitondran'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka eo amin'ny olona.
  • Ny faminanian'ny Testamenta Taloha dia maneho an'ilay Mesia ho tehim-panjakana izay ho tonga avy any Israely mba hanapaka ny firenena rehetra.
  • Afaka adika ihany koa hoe: "tehina fitondrana" na "tehin'ny mpanjaka" io teny io.

tehina

Famaritana

Ny tehina dia tsorakazo, izay fampiasa atao tehim-pandehanana

  • Rehefa antitra Jakoba, dia nampiasa tehina izy mba hanampy azy amin'ny fandehanana.
  • Andriamanitra dia namadika ny tehin'i Mosesy ho bibilava mba hanehoany ny heriny amin'i Farao.
  • Ny mpiandry ondry dia mampiasa izany tehina izany ihany koa mba hitarihany ireo ondriny, na hamonjeny ireo ondry izay lavo sy mirenireny.
  • Ny tehin'ny mpiandry ondry dia misy faraingo kely eo amin'ny lohany izay hafa noho ilay famonoana ireo bibidia izay manafika ireo ondry, izay tehina maranitra.

tenin'ny fahamarinana

Famaritana

Ny "tenin'ny fahamarinana" dia fomba hafa hilazana ny teny sy fampianaran'Andriamanitra.

  • Ny tenin'ny fahamarinan'Andriamanitra dia ahitana ny zavatra rehetra izay nampianarin'Andriamanitra ny olona momba ny tenany, ny fahariany sy ny drafim-pamonjena amin'ny alalan'i Jesosy.
  • Io teny io dia manamafy ny zava-nisy fa izay nolazain'Andriamanitra antsika dia marina, mahatoky, ary tena izy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Izany dia afaka adika hoe: "hafatra marin'Andriamanitra" na "tenin'Andriamanitra, izay marina."
  • Zava dehibe ho an'ny fandikana an'io teny io ny fampidirana ny dikan'ny hoe marina.

teny

Famaritana

Ny "teny" dia maneho zavatra izay nolazain'ny olona.

  • Ny ohatra amin'izany dia rehefa miresaka amin'ny Zakaria ny anjely, manao hoe: "tsy mino ireo teniko ireo enao," izay midika hoe: "tsy mino izay nolazaiko ianao."
  • Izany teny izany dia mitovitovy amin'ny hafatra iray manontolo, fa tsy teny iray fotsiny.
  • Ao amin'ny Baiboly matetika ny "teny" dia manambara izay rehetra nolazaina na nandidin'Andriamanitra, toy ny hoe: "ny tenin'Andriamanitra" na "ny tenin'ny fahamarinana."
  • Matetika ny "teny" dia maneho ny fitenenana amin'ny ankapobeny, toy ny hoe: "mahery amin'ny teny sy amin'ny asa" izay maneho hoe: "fitenenana sy fitondran-tena mahery."
  • Ny fampiasana sarobidy indrindra amin'izany teny izany dia rehefa antsoina hoe: "Ilay Teny" Jesosy."

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny karazana fomba handikana ny "teny" dia hoe: "fampianarana" na "hafatra" na "fampahalalana" na "fitenenana" na "izay nolazaina."
  • Rehefa maneho an'i Jesosy ny "teny," dia afaka adika hoe: "ny hafatra" na "ny Fitenenana."

tezitra, fahatezerana

Famaritana

Ny "tezitra" na "manana fahatezerana" dia midika hoe tena tsy mankasitraka, rangitra ary tohina nohon'ny zavatra iray na amin'ny olona iray.

  • Rehefa tezitra ny olona, dia feno fahotana sy fitiavan-tena izany matetika, saingy indraindray izany dia fahatezerana marina manoloana ny tsy rariny sy ny famoretana.
  • Ny fahatezeran'Andriamanitra (antsoina ihany koa hoe "fahavinirana") dia maneho ny tsy fankasitrahany mafy ny fahotana.
  • Ny fehezanteny hoe: "mihantsy ny fahatezeran'Andriamanitra" dia midika hoe "mahatonga an'Andriamanitra ho tezitra."

tilikambo fiambenana, tilikambo

Famaritana

Ny teny hoe: "tilikambo fiambenana" dia maneho ny rafitra avo natsangana ho toerana hahafahan'ny mpiambina mitsinjo ny loza. Ireo tilikambo ireo matetika dia vita amin'ny vato.

  • Ny tompon-tany indraindray dia manangana tilikambo izay ahafahan'izy ireo miambina ny voly ary miaro azy ireo amin'ny halatra.
  • Ny tilikambo matetika dia hahitana efitra izay hipetrahan'ny mpiambina na ny fianakaviana, mba hahafahan'izy ireo miambina ny voly andro aman'alina.
  • Ireo tilikambo ho an'ny tanana dia natao avo kokoa noho ireo rindrin'ny tanana mba mba hahafahan'ny mpiambina mijery raha misy fahavalo tonga hanafika ny tanana.
  • Ny teny hoe: "tilikambo" ihany koa dia ampiasaina tahaka ny marika fiarovana amin'ireo fahavalo.

toerana avo

Famaritana

Ny teny hoe "toerana avo" dia maneho ny alitara sy ny toerana masina izay natao hiderana sampy. Matetika izy ireo dia nantsangana eo amin'ny toerana avo, tahaka ny hoe tendrombohitra na havoana.

  • Maro tamin'ireo mpanjakan'Israely no nanota nanohitra an'Andriamanitra tamin'ny fananganana alitara ho an'ireo andriamanitra diso ireo teo amin'izany toerana avo izany. Izany no nitarika ny olona ho lasa tafaroboka tanteraka tamin'ny fiderana ireo sampy.
  • Rehefa ilay mpanjaka matahotra an'Andriamanitra no nanomboka nanjaka tao Israely na Joda, dia nanala ireo toerana avo na alitara mba hanajanona ny fanompoana ireo sampy ireo.
  • Kanefa, sasany tamin'ireo mpanjaka tsara ireo no nitandrina sy tsy nanala ireo toerana avo ireo, izay nahatonga ny fitohizan'ny fanompoana ireo sampy ireo nanerana ny firenena Israely.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba hafa andikana izany teny izany dia hoe "manandratra toerana ho an'ireo sampy tompoina." na "tampon-kavoana masina fitazomana sampy" na "alitaran-tsampy vita amin'ny dongon-tany."
  • Kendreo mba hazava fa izany teny izany dia maneho ny alitaran-tsampy, fa tsy hoe toerana avo izay ahitana ireo alitara ireo fotsiny ihany.

Tokantrano

Famaritana

Ny teny hoe "Tokantrano" dia maneho ireo rehetra izay monina ao amin'ilay trano, tafiditra ao ny mpanompo ary indrindra ny mpikambana oa amin'ny fianakaviana.

  • Raha misy olona mitantana ny tokantrano, izany dia midika fa izy no manome baiko ny mpanompo tahaka ny fikarakarany ny fananany.
  • Indraindray ny "tokantrano" dia afaka hanehoana ny taranaky ny olona iray.

tolam-baravarana

Famaritana

Ny teny hoe "tolam-baravarana" dia ilay ampahany eo amban'ny varavarana na ny ampahan'ny amin'ny trano izay eo amin'ny varavarana mihitsy.

  • Indraindray ny tolam-baravarana dia hazo na vato narafitra izay tsy maintsy hitsahina mba hidirana ao amin'ny trano iray.
  • Ny vavahady sy ny fidirana amin'ny trano lay dia samy mety hanana tolana avokoa.
  • Io teny io dia tokony hadika amin'ny teny izay mahalaza ny toerana eo amin'ny fidirana amin'ny trano izay dinganin'ny olona.
  • Raha tsy misy teny hilazana izany, ny "tolam-baraarana" dia azo adika hoe: "fidirana eo am-baravarana" na "lalana fidirana," arakaraka ny foto-kevitra.

Tolam-baravarana

Famaritana

Ny "tolam-baravarana" dia andry mijoro eo amin'ny havia sy havan'ny varavarana izay mizaka ny eo ambonin'ny varavarana.

  • Talohan'ny nanampian'Andriamanitra ireo Israelita nitsaoko tany Egypta, dia nanome toro-marika azy ireo Izy mba hamono ondry ary dia hanisy ny ràny eo amin'ny tolam-baravaran'izy ireo.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny andevo izay te-hanompo ny tompony mandrapaha-fatiny dia tokony mametraka ny sofiny eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranon'ny tompony mba hasiana fantsika ny sofony eo amin'ilay tolam-baravarana.
  • Izany dia afaka adika hoe "tsato-kazo eo amin'ny sisiny roa amin'ny varavarana" na "sisin'ny hazo amin'ny varavarana."

tombony, mahasoa

Famaritana

Amin'ny ankapobeny, ny teny hoe "tombony" sy "mahasoa" dia maneho ny fahazoana zavatra tsara tamin'ny alalan'ny fanaovana zavatra na fitondran-tena sasany izay manondro ny zavatra izay tsara azo. Ny zavatra iray dia "mahasoa" ny olona raha mitondra zavatra tsara ho azy ireo na manampy azy ireo hitondra zavatra tsara ho an'ny olona hafa izany.

  • Mazava kokoa, ny teny hoe "tombony" matetika dia maneho ny vola izay azo avy tamin'ny raharaham-barotra. Ny raharaham-barotra dia "mahasoa" raha ahazoana vola kokoa bebe kokoa noho ny mandany.
  • Ny hetsika dia mahasoa raha mitondra zavatra tsara ho an'ny olona izany.
  • 2 Timoty 3:16 dia milaza fa ny Soratra Masina rehetra dia "mahasoa" amin'ny fanitsiana sy fampianarana ny olona amin'ny fahamarinana. Izany dia midika fa ireo fampianaran'ny Baiboly dia manampy sy ilaina amin'ny fampianarana ny olona hiaina araka ny sitrapon'Andriamanitra.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny teny hoe "tombony" dia mety adika koa hoe "tombontsoa" na "vonjy."
  • Ny teny hoe "mahasoa" dia mety adika hoe "ilaina" na "ahazoana tombontsoa" na "manampy."
  • Ny hoe "maka tombony amin'ny" zavatra iray dia mety adika hoe "tombontsoa amin'ny" na "vola azo amin'ny" na "fanampiana azo amin'ny."
  • Amin'ny hevitra hoe raharaham-barotra, ny hoe "tombony" dia mety adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "vola mihoatra" na "vola fanampiny."

Tompo

Famaritana

Ny teny hoe "Tompo" dia maneho olona izay manana fahefana amin'ny olona. Rehefa atao sora-baventy izany, dia natao fiantsoana an'Andriamanitra.(Rehefa tsy maneho an'Andriamanitra fa olona hafa dia midika hoe "fiantsoana" manaja fotsiny ihany io ary tsy atao sora-baventy raha tsy hoe fanombohana fehezanteny).

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, izany teny izany dia nampiasana tamin'ny fomba fiteny hoe "Tompo Andriamanitra Tsitoha" na "Tompo Yaveh" na "Yaveh Tompontsika."
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo apostoly dia nampiasa io teny io toy ny tamin'ny hoe "Jesosy Tompo" na "Jesosy Kristy Tompo" izay manambara fa Jesosy dia Andriamanitra.
  • Ny teny hoe "Tompo" ao amin'ny Testamenta Vaovao dia nampiasana ihany koa ho fiantsoana an'Andriamanitra mihitsy, indrindra fa rehefa milaza izay voalaza tao amin'ny Testamenta Taloha. Ohatra, ny Testamenta Taloha dia milaza hoe "Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Yaveh" ary ao amin'ny Testamenta Vaovao dia milaza hoe "Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'ny Tompo."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fiteny sasany dia mandika io teny io hoe "Mpanapaka" na fiteny hafa izay maneho ny fahefana na mpitondra fara-tampony.
  • Ny fandikana io teny io dia atao Sora-baventy foana mba hapazava tsara ho an'ny mpamaky fa fiantsoana an'Andriamanitra no lazaina eto.

toro-hevitra, mpanolo-tsaina

Famaritana

Ny teny hoe "toro-hevitra" dia midika fanampiana olona handray fanapahan-kevitra hendry momban'izay tokony atao amin'ny toe-javatra iray. Ny "mpanolo-tsaina" hendry dia olona manome toro-hevitra izay hanampy olona iray hanao safidy marina.

  • Ireo mpanjaka matetika dia manana mpanolo-tsaina ofisialy mba hanampy azy ireo hanapa-kevitra amin'ny zavatra manan-danja izay miantraika amin'ny vahoaka tantanin'izy ireo.
  • Indraindray ny toro-hevitra izay omena dia tsy tsara. Ireo mpanolo-tsaina ratsy dia mety mampirisika mpanjaka hanao asa na lalàna izay handratra azy na ny vahoakany.
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny hoe "toro-hevitra" dia afaka adika koa hoe "fanampiana amin'ny fanapahan-kevitra" na "fampitandremana" na "fananarana" na "tari-dalana."
  • Ny asa hoe "manoro hevitra" dia afaka adika hoe "manome soso-kevitra" na "mananatra."

torontoronina, fanorontoronana

Famaritana

Ny teny hoe "torontoronina" sy "fanorontoronana" matetika dia maneho hoe hitoe-jaza. Izany koa dia afaka ampiasaina amin'ireo biby izay manan'anaka.

  • Ny fehezanteny hoe "manan'anaka" dia afaka adika koa hoe "lasa mitoe-jaza" na teny hafa sasany izay ekena hanehoana ity.
  • Ny teny mifandray hoe "fanorontoronana" dia afaka adika hoe "fiantombohan'ny vohoka" na "fotoana maha-bevohoka."
  • Ireo teny ireo koa dia afaka maneho ny famoronana zavatra na fieritreretana zavatra, toy ny hevitra, drafitra, na asa. Ireo fomba handikana izany dia mety ahitana ny hoe "mieritreritra" na "drafitra" na "mamorona," miankina amin'ny foto-kevitra.
  • Indraindray ity teny ity dia afaka ampiasaina ho hevitra ambadika toy ny amin'ny hoe "rehefa voatorotoro ny fahotana" izay midika hoe "rehefa nosainina voalohany ny fahotana" na "tamin'ny fiantombohan'ny fahotana" na "rehefa nanomboka ny fahotana."

toy ny, ho endriky

Famaritana

Ny teny hoe "toy ny" sy "ho endriky" dia maneho zavatra izay mitovy, na sahala amin'ny zavatra iray hafa.

  • Ny teny hoe "toy ny" dia ho entina mampitaha zavatra roa, matetika dia manamafy ny zavatra hitovizana. Ohatra, "ny akanjony dia mamiratra toy ny masoandro" na "midoboka toy ny kotroka ny feony."
  • Ny hoe "mitovy " na "sahala" amin'ny zavatra na olona dia midika hoe manana zavatra itovizana amin'ilay zavatra na olona ampitahana aminy.
  • Ny olona dia namboarina ho tahaka ny endrik'Andriamanitra, izay midika hoe "mamoka ny endriny". Izany dia midika hoe manana kalitao sy toetoetra izay "tahaka" na "mitovy" amin'ny toetra izay ananan'Andriamanitra, tahaka ny hoe fahaizana mampiasa ny saina, miresaka , mahatsapa.
  • Ny hoe manana "hitovizana" amin'ny zavatra na olona dia midika fa manana toetra izay mitovy amin'ny an'ilay zavatra na olona.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny fomba fiteny hoe "hitovizana" dia afaka adika hoe "izay mitovy" na "izay hita fa"
  • Ny fomba fiteny hoe "tamin'ny endriky ny fahafatesany" dia afaka adika hoe "mizara ao amin'ny niainany ny fahafatesany" na "raha niaina ny fahafatesny niaraka taminy"
  • Ny fomba fiteny hoe "araka ny endriky ny nofo feno ota" dia afaka adika hoe "tahaka ny olombelona mpanota" na "mba ho olombelona". Tandremo mba tsy ho lasa hoe Jesosy dia mpanota ny fandikana io teny io.
  • "Amin'ny hendriny" dia afaka adika hoe "tahaka azy" na "manana toetra maro izay ananany hitovizana aminy"
  • Ny fomba fiteny hoe "tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka" dia afaka adika hoe "sampy vita tahaka ny olona, biby, vorona, bibiy mikisaka mety maty sy lo."

trano

Famaritana

Ny teny hoe "trano" matetika dia ampiasaina ao amin'ny Baiboly amin'ny alalan'ny sari-teny.

  • Indraindray izany dia midika hoe "tokantrano," izay maneho ireo olona miara-monina ao amin'ny trano iray.
  • Indraindray ny "trano" dia maneho taranak'olona na havana akaiky. Ohatra, ny teny hoe "tranon'i Davida" dia maneho ireo taranak'i Davida mpanjaka.
  • Ny teny hoe "tranon'Andriamanitra" sy ny "tranon' Yaveh" dia maneho ny tabernakely na ny tempoly. Ireo fiteny ireo dia maneho ny toerana misy an'Andriamanitra amin'ny ankapobeny.
  • Ao amin'ny Hebreo 3, "ny tranon'Andriamanitra" dia nampiasaina ho tahaka ny sari-teny mba hanehoana ny olon'Andriamanitra na ny zavatra mahakasika an'Andriamanitra.
  • Ny teny hoe "tranon'Israely" dia afaka adika hoe ny fanjakan'Israely manontolo na indrindra ny fokon'ny fanjakana avaratr'Israely.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny teny hoe "trano" dia afaka adika hoe "tokantrano" na "olona" na "fianakaviana" na "taranaka" na "tempoly" na "toeram-ponenana."
  • Ny teny hoe "tranon'i Davida" dia afaka adika hoe "fianakaviamben'i Davida" na "fianakavian'i Davida" na "taranak'i Davida". Ny fomba fiteny mifandraika amin'izany dia afaka adika sahala amin'izany ihany koa.
  • Fomba hafa andikana ny hoe "tranon'Israely" ny hoe "olon'Israely" na "taranak'Israely" na "Israelita."
  • Ny teny hoe "tranon'Andriamanitra" dia afaka adika hoe "tempolin'i Yaveh" na "toerana izay hiderana an'i Yaveh" na "toerana izay hisehoan'Yaveh amin'ireo olony" na "toerana izay honenan'Yaveh."
  • Ny "tranon'Andriamanitra" dia afaka adika ho tahakan'ireo ihany koa.

trano fitehirizana

Famaritana

Ny "trano fitehirizana" dia trano lehibe izay fasiana sakafo na zavatra hafa, matetika mandritra ny fotoana maharitra.

  • Ao amin'ny Baiboly ny "trano fitehirizana" dia matetika nampiasaina mba hanangonana ny voa na sakafo mihoatra mba ampiasaina amin'ny manaraka rehefa misy tsy fahampian'ny sakafo noho ny mosary.
  • Izany teny izany dia nampiasaina amin'ny heviny ara-tsari-teny mba hanehoana ny zavatra tsara rehetra izay tian'Andriamanitra omena ny vahoakany.
  • Ny trano fitehirizan'ny tempoly dia misy ireo zavatra manan-danja, tahaka ny hoe volamena na volafotsy, izay natokana ho an'Yaveh. Sasany amin'ireo zavatra ireo no nampiasaina mba hanamboarana sy hikarakarana ny tempoly.
  • Ny fomba hafa izay andikana ny hoe "trano fitehirizana" dia hoe "trano fitehirizana voa" na "toerana hitazomana sakafo" na "efitra fitazomana ireo zavatra manan-danja ka azo antoka"

trano lain'ny fihaonana

Famaritana

Ny teny hoe "trano lain'ny fihaonana" dia maneho lay iray izay toerana vonjimaika nihaonan'Andriamanitra tamin'i Mosesy talohan'ny nitsanganan'ny tabernakely.

  • Naorina teny ivelan'ny tobin'ny Zanak'Israely ny lain'ny fihaonana.
  • Rehefa nankao amin'ny lain'ny fihaonana mba hihaona tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia nisy andrin-drahona nitsangana teo amin'ny fidirana tao amin'ny lay mba ho mariky ny fanatrehan'Andriamanitra tao.
  • Taorian'ny nanorenan'ny Zanak'Israely ny tabernakely, dia tsy nilaina intsony io lay vonjimaika io, ary ny teny hoe "trano lain'ny fihaonana" dia nampiasaina tsindraindray mba hilazana ny tabernakely.

trano lay

Famaritana

Ny trano lay dia fialofana azo entina mifindrafindra, vita amin'ny lamba matevina izay asarona eo amin'ny tsato-kazo narafitra ary afatotra amin'izany.

  • Mety ho kely ny trano lay, ary misy toerana ampy handrian'ny olona vitsivitsy ihany, na mety hoe lehibe koa izany, izay misy toerana handrian'ny fianakaviana manontolo, hikarakarana sakafo, ary honenana.
  • Amin'ny olona maro, ny trano lay dia ampiasaina ho fonenana maharitra. Tamin'ny fotoana nipetrahan'ny fianakavian'i Abrahama tany an-tany Kanana ohatra, dia nonina tao amina trano lay lehibe vita tamin'ny lamba matevina natao tamin'ny volon'osy izy ireo.
  • Nipetraka tao anaty lay ihany koa ireo Israelita nandritra ny 40 taona nirenirenena tany an-tany efitr'i Sinay.
  • Ny fanorenan'ny tabernakely dia karazana trano lay lehibe, nisy rindrina matevina vita amin'ny lamba lehibe.
  • Rehefa nandeha tany amin'ny tanana samihafa i Paoly apostoly mba hizara ny filazantsara, dia nanamboatra trano lay izy mba ho fidiram-bola ho azy.
  • Ny teny hoe "trano lay" matetika dia ampiasaina ho hevitra ambadika ilazana ny toerana ipetrahan'ny olona amin'ny ankapobeny. Azo adika ihany koa izany hoe "fonenana" na "trano."

Trompetra

Famaritana

Ny teny hoe "trompetra" dia ilazana ny fitaovana natao hamoaka zava-maneno na hiantsoana vahoaka mba hiangona nohon'ny fanambarana na fivoriana iray.

  • Ny trompetra matetika dia natao tamin'ny vy, na akorandriaka, na tandroka biby.
  • Ny trompetra matetika dia notsofina mba hiantsoana ny olona hiara-handeha hiady, na ho amin'ny fivoriam-ben'ny vahoakan'Israely.
  • Ny bokin'ny Apokalypsy dia manazava tranga iray hiseho amin'ny andro farany izay hitsofan'ny anjely ny trompetran'izy ireo mba ho famantarana ny fianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra eto an-tany.

tsilo

Famaritana

Ny tsilo dia zava-maniry izay misy rantsana na voninkazo manindrona. Ireo zava-maniry ireo dia tsy mamoa voa na zavatra ilaina.

  • Ny "tsilo" dia zavatra mafy, maranitra mitsiry eo amin'ny rantsana na tahon'ny zava-maniry iray. Ny "tsilo" dia hazo kely izay feno tsilo eo amin'ny sampany.
  • Ny "tsilo" dia zava-maniry misy taho na ravina manindrona. Matetika dia voloparasy ny voniny.
  • Ny tsilo dia zava-maniry izay mitombo haingana dia haingana ary mety hahatonga ny zava-maniry na ny vokatra manakaiky izany tsy ho afa-maniry. Kisarisarin'ny fangejan'ny fahotana ny olona mba tsy hamoa ny vokatry ny fanahy izany.
  • Nasiana fehiloha vita tamin'ny tsiko narandrana teo amin'ny lohan'i Jesosy talohan'ny nanomboana Azy teo amin'ny hazofijaliana.

tsipîka sy zana-tsipîka

Famaritana

Karazana fitaovam-piadiana izay natao handefasana zana-tsipîka mitifitra avy amin'ny tsipîka maranitra. Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly izany dia ampiasaina hiadiana amin'ireo fahavalo sy hamonoana biby ho atao sakafo.

  • Ny tsipîka dia vita tamin'ny hazo, taolana, vy, na zavatra mafy hafa, toy ny tandroka diera. Manana endrika miolana ary nasina tady mihenjana.
  • Ny tsipîka dia vita tamin'ny zana-tsipîka maranitra, marani-doha. Tamin'ny andro taloha, ny tsipîka dia mety ho natao tamin'ny karazana fitaovana toy ny hazo, taolana, na vy.
  • Ny tsipîka sy ny zana-tsipîka dia samy ampiasaina amin'ny fihazana sy fiadiana.
  • Ny teny hoe: "tsipîka" ihany koa indraindray dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika ao amin'ny Baiboly mba hanehoana ny fanafihan'ny fahavalo na fitsaran'Andriamanitra.

tsoran-kazo

Famaritana

Ny teny hoe "tsoran-kazo" dia maneho fitaovana kely, mafy, izay ampiasaina amin'ny fomba maro samihafa. Mety ho fandrefesana halavana izany.

  • Ny tsoran-kazo dia nampiasain'ny mpiandry ondry mba hiarovana ny ondriny amin'ny biby hafa. Izany ihany koa dia natao hamerenana ny ondry mirenireny amin'ny andian'ondry namany.
  • Ao amin'ny Salamo 23, Davida Mpanjaka dia mampiasa ireo teny hoe "tsoran-kazo" sy "hazo lava" mba ho sarin-teny hanehoana ny fanoroan'Andriamanitra lalana sy ireo fitsipi-pifehezany ny olony.
  • Ny tsoran-kazon'ny mpiandry ondry ihany koa dia nampiasaina mba hanisana ireo ondry rehefa mandalo eo ambanin'izany izy ireo.
  • Misy sarin-teny hafa hoe "tehim-by," izay maneho ny fanasazian'Andriamanitra ny olona izay mikomy manohitra Azy sy manao ny ratsy.
  • Tamin'ny andro taloha, ny tsoran-kazo fandrefesana vita tamin'ny vy, hazo, na vato dia nampiasaina mba handrefesana ny halavan'ny trano na zavatra.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny tsoran-kazo ihany koa dia maneho fitaovana hamehezana ny ankizy.

tsy ara-dalàna

Famaritana

Ny teny hoe: "tsy ara-dalàna" dia ampiasaina hamaritana asa izay mandika lalàna.

  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe: "tsy ara-dalàna" dia tsy hilazana ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra fotsiny ihany, fa matetika milaza ny fandikana ny lalàn'ny Jiosy izay nataon'ny olombelona ihany koa.
  • Nandritra ny taona maro, nampian'ireo Jiosy ny lalàna izay nomen'Andriamanitra. Ireo mpitarika Jiosy dia miantso zavatra iray hoe: "tsy ara-dalàna" raha toa ka tsy mifanaraka amin'ny lalàna izay nataon'ny olombelona izany.
  • Rehefa nanangona ny voa tamin'ny andro Sabata i Jesosy sy ireo mpanompony, dia niampanga azy ireo tamin'ny fanaovan-javatra "tsy ara-dalàna" ny Farisianina satria mandika ny lalàn'ny Jiosy momban'ny tsy fiasana amin'ny io andro io izany.
  • Rehefa nilaza i Petera fa ny fihinanana sakafo maloto dia "tsy ara-dalàna" ho azy, ny tiany holazaina dia hoe raha nihinana ireo sakafo ireo izy dia handika ny lalàna izay nomen'Andriamanitra ireo Israelita momban'ny tsy fihinana ireo sakafo sasantsany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny fomba hafa handikana ny hoe: "tsy ara-dalàna" dia afaka atao hoe: "tsy avela" na "tsy araka ny lalàn'Andriamanitra" na "tsy mifanaraka amin'ny lalàntsika."
  • Ny teny hoe "manohitra ny lalàna" dia mitovy dika amin'ny hoe: "tsy ara-dalàna."

tsy araka an'Andriamanitra, tsy manana an'Andriamanitra, toetra tsy araka an'Andriamanitra, tsy fananana an'Andriamanitra

Famaritana

Ny teny hoe: "tsy araka an'Andriamanitra" sy "tsy manana an'Andriamanitra" dia mamaritra ny olona izay mikomy manohitra an'Andriamanitra. Ny miaina amin'ny lalana ratsy, tsy araka ny eritreritr'Andriamanitra no antsoina hoe: "toetra tsy araka an'Andriamanitra" na "tsy fananana an'Andriamanitra."

  • Ny dikan'ireo teny ireo dia mitovy tokoa. Fa kosa ny hoe: "tsy manana an'Andriamanitra" sy ny hoe "tsy fananana an'Andriamanitra" dia mety mamaritra misimisy kokoa ny toe-javatra momba ny tsy faneken'ny olona sy ny firenena an'Andriamanitra na ny Zony handidy azy ireo.
  • Andriamanitra dia manonona ny fitsarana sy fahatezerana amin'ny olona tsy araka an'Andriamanitra, amin'ny olona rehetra izay mandà azy sy ireo fombany.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny teny hoe "tsy araka an'Andriamanitra" dia afaka adika hoe: "tsy mampifaly an'Andriamanitra" na " maloto fitondran-tena " na "tsy mankato an'Andriamanitra."
  • Ny hoe: "tsy manana an'Andriamanitra" sy "tsy fananana an'Andriamanitra" dia midika ara-bakiteny fa ireo olona dia "tsy misy an'Andriamanitra" na "tsy manan-tsaina an'Andriamanitra" na "miasa amin'ny fomba izay tsy manaiky an'Andriamanitra."
  • Ireo fomba hafa handikana ny hoe: "toetra tsy araka an'Andriamanitra" na "tsy fananana an'Andriamanitra" dia mety hoe: "faharatsiana" na "ratsy" na "fikomiana manohitra an'Andriamanitra."

tsy mahasoa

Famaritana

Ny teny hoe: "mahasoa" dia midika hoe tsy ilaina.

  • Izany dia midika ara-bakiteny hoe tsy manome soa na tsy manampy ny olona hahazo tombon-javatra.
  • Ny zavatra tsy mahasoa dia tsy mendrika ny ho atao satria tsy manome tombontsoa.
  • Izany dia afaka adika hoe: "tsy misy ilàna azy" na "zava-poana" na "tsy ilaina" na "tsy mendrika" na "tsy misy tombontsoa" na "tsy manome soa."

tsy mahatoky, tsy fahatokiana

Famaritana

Ny teny hoe "tsy mahatoky" dia mamaritra ireo olona tsy manao izay nandidian'Andriamanitra ho ataon'izy ireo. Ny toe-javatra na ny fampiharana ny tsy mahatoky no atao hoe: "tsy fahatokiana."

  • Ireo olon'Israely dia antsoina hoe: "tsy mahatoky" rehefa nanomboka nanompo sampy sy rehefa tsy nankato an'Andriamanitra tamin'ny fomba hafa izy ireo.
  • Amin'ny fanambadiana, ny olona izay mijangajanga dia "tsy mahatoky" ny vadiny.
  • Andriamanitra dia mampiasa ny teny hoe: "tsy fahatokiana" mba hamaritana ny fitondran-tenan'ireo Israelita tsy mankato. Tsy nankato na tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy ireo.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny hoe: "tsy mahatoky" dia afaka adika hoe: "tsy mino" na "tsy mankato" na "mivadika amin'ny."
  • Ny hoe "izay tsy mahatoky" dia afaka adika hoe: "ny olona izay tsy mahatoky"

tsy manaja ny masina

Famaritana

Ny hoe tsy manaja ny masina dia midika hoe manao zavatra izay mandoto, na tsy manaja zavatra iray izay masina.

  • Ny olona tsy manaja ny masina dia izay manao zavatra tsy masina sy tsy manaja an'Andriamanitra.
  • Ny hoe "tsy manaja ny masina" dia mety adika hoe "manao zavatra iray ho tsy masina" na "tsy manisy fanajana ny" na "tsy manaja."
  • Andriamanitra dia niteny ireo Isiraelita fa "tsy nanaja" ny tenan'izy ireo tamin'ny sampy izy ireo, midika fa "nandoto" ny tenan'izy ireo ny olona na "tsy misy haja" nohon'ny ota. Tsy nanaja an'Andriamanitra ihany koa izy ireo.
  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ny hoe "tsy misy haja" dia afaka adika hoe "ratsy fanahy" na "tsy masina."

tsy mankatoa, tsy mpankatoa, tsy fankatoavana

Famaritana

Ny teny hoe "tsy mankatoa" dia midika hoe tsy manaraka ny fahefana izay no baikona na nasaina natao. Ny olona manao izany dia atao hoe "tsy mpankatoa" *Ny olona izay manao zavatra izay nolazaina taminy fa tsy azo atao dia tsy mpankatoa.

  • Ny tsy mankatoa koa dia midika hoe tsy manaiky ny anao izay nasaina natao.
  • Ny teny hoe "tsy mpankatoa" dia ampiasaina ihany koa mba hamaritana ny toetran'ny olona sasany izay mananana fahazarana tsy mankatoa na mpikomy. Izany dia midika fa izy ireo dia feno fahotana na ratsy fanahy.
  • Ny teny hoe "tsy fankatoavana" dia midika hoe "ny fihetsika tsy mankatoa" na "ny toetra izay manohitra izay tian'Andriamanitra."
  • Ny "olona tsy mpankatoa" dia afaka adika hoe "ireo olona izay tsy mankatoa hatrany" na "ireo olona izay tsy te-hanao izay nandidin'Andriamanitra atao."

Tsy marina, tsy fahamarinana

Famaritana

Ny teny hoe: "tsy marina" dia midika hoe mpanota sy maloto fitondran-tena. Ny "tsy fahamarinana" dia maneho ny fahotana na ny toetry ny maha-panota.

  • Ireo teny ireo dia manambara indrindra momban'ny fiainana izay tsy mankato ny fampianaran'Andriamanitra sy ny didiny.
  • Ireo olona tsy marina dia maloto fitondran-tena amin'ny eritreriny sy ny ataony.
  • Matetika "ny tsy marina" dia maneho indrindra indrindra ireo olona izay tsy mino an'i Jesosy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ity teny ity dia afaka adika tsotsotra hoe: "tsy marina."
  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ireo fomba hafa afaka handikana izany dia ahitana hoe: "ratsy fanahy" na "maloto fitondran-tena" na "ireo olona izay mikomy manohitra an'Andriamanitra" na "mpanota."
  • Ny teny hoe: "tsy marina" dia afaka adika hoe: "ireo olona tsy marina."
  • Ny teny hoe: "tsy fahamarinana" dia afaka adika hoe: "fahotana" na "eritreritra sy fihetsika ratsy" na "faharatsiana."

tsy masina

Famaritana

Ara-bakiteny, ny teny hoe "tsy masina" dia midika hoe "tsy manaja izay masina." Izany dia mamaritra olona na zavatra izay tsy manaja an'Andriamanitra.

  • Izany teny izany dia ampiasaina hamaritana olona izay tsy manaja an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fikomiana izay manohitra Azy.
  • Ny zavatra izay antsoina hoe: "tsy masina" dia azo lazaina ho mahazatra, tsy madio na maloto. Izay tsy an'Andriamanitra.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fomba handikana izany teny izany dia ahitana ny hoe: "tsy masina" na "tsy an'Andriamanitra" na "tsy manaja an'Andriamanitra" na "tsy araka an'Andriamanitra."
  • Amin'ny foto-kevitra sasany, ny hoe: "tsy masina" dia afaka adika hoe: "maloto."

tsy mpino, tsy finoana

Famaritana

Ny teny hoe: "tsy finoana" dia milaza ny tsy finoana zavatra na olona.

  • Ao amin'ny baiboly, ny hoe: "tsy finoana" dia milaza ny tsy fahatokisana an'i Jesosy ho ilay iray Mpamonjy.
  • Ny olona iray izay tsy mino an'i Jesosy dia antsoina hoe: "tsy mpino."

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ireo fomba hafa handikana ny hoe "tsy finoana" dia mety ahitana ny hoe: "tsy ampy finoana" na "tsy mino."
  • Ny teny hoe "tsy mpino" dia afaka adika hoe: "olona izay tsy mino an'i Jesosy" na "olona izay tsy mahatoky an' i Jesosy ho Mpamonjy."

tsy rariny, tsy ara-drariny, tsy fahamarinana

Famaritana

Ny teny hoe: "tsy rariny" sy "tsy ara-drariny" dia milaza ny fitondrana ny olona amin'ny tsy rariny, ary matetika, amin'ny fomba ratsy.

  • Ny hoe: "tsy fahamarinana" dia zavatra ratsy izay natao tamin'ny olona tsy mendrika izany akory. Izany dia milaza ny fitondrana ny olona tsy ara-dariny.
  • Ny tsy fahamarinana ihany koa dia midika fa ny olona sasany dia entina amin'ny fomba ratsy kanefa ny hafa amin'ny fomba tsara.
  • Ny olona izay miasa amin'ny fomba tsy rariny dia "ampahany" na "manavakavaka" satria tsy mitondra ny olona amin'ny fomba mitovy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny foto-kevitra, ny hoe: "tsy rariny" dia afaka adika hoe: "tsy ara-drariny" na "ampahany" na "tsy marina."
  • Ny fehezanteny hoe: "ny tsy rariny" dia afaka adika hoe: "ireo izay tsy rariny" na "ireo olona tsy rariny" na "ireo olona izay mitondra ny hafa amin'ny fomba tsy rariny" na "ireo olona tsy marina" na "ireo olona izay tsy mankato an'Andriamanitra."
  • Ny teny hoe: "tsy ara-drariny" dia afaka adika, hoe: "amin'ny fomba tsy rariny" na "diso" na "tsy ara-drariny."
  • Ireo fomba handikana ny hoe "tsy fahamarinana" dia ahitana ny: "fitondrana tsy mety" na "fitondrana tsy rariny" na "manao ny tsy ara-drariny"

tsy voafora, tsy famoràna

Famaritana

Ny hoe: "tsy voafora" sy "tsy famoràna" dia maneho lehilahy iray izay tsy mbola voafora ara-batana. Ireo teny ireo ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika.

  • Egypta dia firenena iray izay nitaky ihany koa ny famoràna. Ka rehefa miresaka momban'ny Egypta izay resy nohon'ny "tsy famorana" Andriamanitra, dia maneho ireo olona izay nataon'ireo Egyptiana tsinontsinona tamin'ny tsy famoràna Izy.
  • Ny Baiboly dia milaza ny olona izay manana "fo tsy voafora" na izay "tsy voafora ao am-po." Izany dia fomba fanehoan-kevitra entina ilazana fa ireo olona ireo dia tsy olon'Andriamanitra, ary mafy loha tsy mankato azy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe: "tsy famorana" dia afaka adika hoe: "olona izay tsy voafora" na "olona izay tsy an'Andriamanitra," miankina amin'ny foto-kevitra.
  • Ireo hevitra ambadik'ity teny ity dia mety ahitana hoe: "tsy olon'Andriamanitra" na "mpikomy toy ireo izay tsy an'Andriamanitra" na "ireo olona izay tsy manana famantarana hoe an'Andriamnitra."
  • Ny hoe: "tsy voafora ao am-po" dia afaka adika hoe: "mpikomy mafy loha" na "mandà mino." Fa kosa, raha azo atao dia tazomina ny teny na izay mitovy hevitra iray hafa satria ny famoràna dia foto-kevitra manan-danja.

vadikely

Famaritana

Ny vadikely dia vehivavy iray izay vady faharoan'ny lehilahy iray efa manam-bady. Matetika ny vadikely dia tsy vita fanambadiana ara-dalàna amin'ilay lehilahy.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo vadikely matetika dia vehivavy andevo.
  • Ny vadikely dia afaka azo amin'ny fividianana, amin'ny alalan'ny fandresen'ny miaramila, na amin'ny fandoavana trosa.
  • Ho an'ny mpanjaka, ny fananana vadikely be dia be matetika dia famantarana ny hery.
  • Ny Testamenta Vaovao dia mampianatra fa ny fampiharana ny fananana vadikely dia mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra.

valahana

Famaritana

Ny teny hoe "valahana" dia ampahan'ny vatan'ny biby na amin'ny olona izay eo anelanelan'ny taolan-tehezana sy ny taolam-pe, fatatra ihany koa amin'ny hoe kibo.

  • Ny fomba fiteny hoe "manery ny kibo" dia maneho fa miomana amin'ny asa mafy. Izany dia azo avy amin'ilay fomba fanao rehefa mapiakatra ny akanjo lavany hatreo amin'ny kibony ny olona iray mba afahany mamindra mora.
  • Ny teny hoe "valahana" dia matetika nampiasaina tao amin'ny Baiboly mba hanehoana ny ao amin'ny lamosina amban'ny biby izay natao sorona.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "valahana" dia nampiasaina amin'ny hendriny ara-tsarin-teny mba hanehoana ny tovam-pananahan'ny olona ho tahaka ny fototry ny taranany.
  • Ny fomba fiteny hoe "ho avy amin'ny kibonao" dia afaka adika hoe "ho zanakao" na "ho teraka avy amin'ny voanao".
  • Miankina amin'ny zava-misy ny heviny, mety hoe "kibo" na "valahana" na "andilany."

valala

Famaritana

Ny "valala" dia biby manidina miaraka be dia be izay tena mpamotika zavatra, mihinana ny voly rehetra izay andalovan'izy ireo.

  • Ny valala dia bibikely manana ranjo lava be izay manome azy ireo ny fahefana mitsambikina alavitra be.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny andiam-balala dia noentina nanehoana ara-tsari-teny ny fanimbana mampiori-koditra izay tonga tamin'ireo Isiraelita noho ny tsy fankatoavany.
  • Andriamanitra dia nandefa ireo valala , iray tamin'ireo loza folo nataony, tamin'ny Egyptiana.
  • Ny Testamenta Vaovao dia milaza fa ny valala dia sakafo izay nahavelona an'i Jaona mpanao Batisa tamin'izy tany an-efitra.

valisoa (valim-pitia)

Famaritana

Ny teny hoe "valisoa( valim-pitia)" dia maneho izay azon'ny olona iray nohon'ny zavatra izay nataony, mety ho tsara mety ho ratsy. Ny hoe "manome valisoa" olona iray dia manome zavatra izay mendrika an'iny olona iray iny.

  • Ny valisoa dia mety ho tsara na zavatra mahasoa izay azon'ny olona iray nohon'ny fanaovany zavatra tsara na nohon'ny fankatoavany an'Andriamanitra.
  • Indraindray ny valim-pitia dia maneho zavatra ratsy izay vokatry ny fitondran-tena ratsy, toy ny "valim-pitia ratsy." Amin'ity foto-kevitra ity, ny "valim-pitia" dia maneho ny fanasaziana na vokatra ratsy nohon'ny fanaovana asa ratsy.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "valisoa" dia afaka adika hoe "tamby" na "zavatra izay mendrika ny" na "fanasaziana."
  • Ny "manome valisoa" olona iray dia afaka adika hoe "manome tamby" na "manasazy" na "manome izay mendrika ny."
  • Kendreo mba tsy haneho ny karama ny fandikan-teny. Ny valisoa dia tsy maneho manokana ny fahazoana vola amin'ny asa (karama).

varim-bazaha

Famaritana

Ny teny hoe "varim-bazaha" matetika dia maneho ny voan'ny zava-maniry toy ny vary, orza, katsaka, apemba. Izany koa dia afaka maneho ilay zava-maniry iray manontolo.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny varim-bazaha resahana dia ny vary, sy orza.
  • Ny loham-barim-bazaha dia ampahany amin'ilay zava-maniry izay mihazona ilay varim-bazaha.
  • Jereo fa ny dikan-teny sasany amin'ny Baiboly dia mampiasa ny teny hoe "katsaka" mba hanehoana ny varim-bazaha amin'ny ankapobeany. Amin'ny teny Anglisy maoderina kosa ny teny hoe "katsaka" dia maneho karazana varim-bazaha iray ihany.

Vary

Famaritana

Ny vary dia karazana voa izay volen'ny olona hatao sakafo.

  • Ny vary dia voa izay maniry amin'ny tendron'ny tahom-bary.
  • Aorian'ny finjijana ny vary, dia sarahina amin'ny tahony ny vary amin'ny fikororohana azy. Ny taom-bary ihany koa dia antsoina hoe: "mololo" ary matetika apetraka amin'ny tany izany mba hatorian'ny biby.
  • Aorian'ny fikororohana azy, dia sarahina amin'ny vary ny akofa manodidina ny voa ary sivanina.
  • Halain'ny olona ny vary hanaovana lafarinina, ary ampiasaina hanaovana mofo.

vary hordea

Famaritana

Ny teny hoe: "vary hordea" dia maneho karazana voa izay ampiasaina mba hanaovana mofo.

  • Ny vary hordea dia zava-maniry izay eny amin'ny laingony ny voa no mitsimoka.
  • Ny vary hordea dia tsara kokoa amin'ny andro mafana ka jinjaina amin'ny lohataona na fahavaratra.
  • Rehefa voavely ny vary hordea, ireo voa azo hohanina dia misaraka amin'ireo akofa.
  • Ny voan'ny vary hordea dia avadika ho koba, izay afangaro amin'ny rano na menaka mba hanaovana mofo.
  • Rehefa tsy fantatra ny vary hordea, dia afaka adika hoe: "voa antsoina hoe hardea" na "voan'ny vary hardea."

vato mahatafintohina

Famaritana

Ny teny hoe "vato mahatafintohina" dia maneho zavatra hita maso izay mahatonga ny olona ho lavo na tafintohina.

  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, izany teny izany dia maneho hazo na zavatra izay miteraka fandrika ho an'ny biby izay tafintohina eo aminy.
  • Ny sari-tenin'ny teny hoe vato mahatafintohina dia zavatra izay mahatonga olona ho lavo ara-moraly na ara-panahy.
  • Ara-tsari-teny ihany koa, ny "vato mahatafintohina" dia mety zavatra izay manankana ny olona hanana finoana ao amin'i Jesosy na mahatonga ny olona tsy hiroborobo ara-panahy.
  • Matetika dia fahotana ny manome fanafintohinana olona.
  • Indraindray Andriamanitra dia mametraka vato mahatafintohina eo amin'ny lalan'ny olona izay mikomy manohitra Azy.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Raha manana teny hilazana ny zavatra izay miteraka fandrika dia tsara raha izay no ampiasaina.
  • Izany teny izany dia afaka adika hoe "vato izay mahatonga fanafintohina" na "zavatra izay mahatonga ny olona tsy hino" na "sakana izay mampisy fisalasalana" na "sakana amin'ny finoana" na "zavatra izay mahatonga ny olona hanota"

vavahady, hidim-bavahady

Famaritana

Ny "vavahady" dia sakana kopa-droa eo amin'ny toerana fidirana amin'ny fefy na manda manodidina ny trano na tanàna iray. Ny "hidim-bavahady" dia maneho zavatra lava vita amin'ny hazo na vy izay afaka mihetsiketsika eo amin'ny toerany hamahana ilay vavahady.

  • Ny vavahadin-tanàna dia afaka vahana mba hamelàna ny vahoaka, biby, ary entana mba handeha miditra sy mivoaka an'ilay tanàna.
  • Mba hiarovana ilay tanàna, dia natao matevina sy mafy ireo rindrina sy vavahady. Ireo vavahady dia nakatona sy nohidiana tamin'ny vy na hazo mba hisorohana ny fidiran'ireo miaramila fahavalo ao.
  • Ny vavahadin'ny tanàna matetika no fidirana ao amin'ny tanàna iray. Teo amin'izany koa no natao ny raharaham-barotra sy ny fitsaràna, satria ny mandan'ny tanàna dia matevina. Ny mponina dia nahita hoe mahafinaritra ny mipetraka eo amin'ny alok'izany mba hanaovana ny raharaham-barotr'izy ireo eny fa na dia ny fitsaràna raharaha ara-dalàna aza.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Miankina amin'ny zavatra resahana, ireo fomba hafa azo andikana ny "vavahady" dia mety ho "varavarana" na "fisokafana eo rindrina" na "sakana" na "lalana fidirana."

vavolombelona diso, vavolombelona ratsy, fijoroana vavolombelona diso, tatitra diso

Famaritana

Ireo teny hoe: "vavolombelona diso" sy "vavolombelona ratsy" dia maneho olona iray izay milaza zavatra diso momba ny olona iray na tranga iray, matetika any amin'ny toerana mihaja toy ny fitsarana.

  • Ny "fijoroana vavolombelona diso" na "tatitra diso" dia ny lainga izay voalaza.
  • Ny "mitondra fijoroana vavolombelona diso" dia midika hoe: mandainga na manome tatitra diso momban'ny zavatra iray.
  • Ny Baiboly dia manome tantara maromaro ao izay ny vavolombelona diso dia nokaramaina mba handainga momban'ny olona iray mba hahavoasazy na hahafaty io olona io.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny hoe: "mitondra fijoroana vavolombelona diso" na "manao fijoroana vavolombelona diso" dia afaka adika hoe: "mijoro vavolombelona tsy marina" na "manao tatitra diso momban'ny olona iray" na "miteny diso manohitra ny olona iray" na "mandainga."
  • Rehefa olona no resahina amin'ny hoe: "vavolombelona diso" dia afaka adika hoe: "olona iray mandainga" na "olona iray izay mijoro vavolombelona tsy marina" na "olona iray izay miteny zavatra tsy marina."

vavolombelona, nanatri-maso

Famaritana

Ny teny hoe: "vavolombelona" dia milaza olona niaina manokana zavatra izay niseho. Matetika ny hoe vavolombelona dia olona mijoro vavolombelona momba izay marina fantatr'izy ireo. Ny teny hoe: "nanatri-maso" dia manamafy fa ilay olona dia teo tokoa ary nahita izay niseho.

  • Ny hoe: "vavolombelona" dia maneho fahitana zavatra miseho.
  • Amin'ny fitsarana, ny vavolombelona dia "mitory" na "mijoro vavolombelona."
  • Ireo vavolombelona dia andrasana hilaza ny marina momba izay hita sy ren'izy ireo.
  • Ny vavolombelona izay tsy miteny ny marina momba izay niseho dia antsoina hoe: "vavolombelona sandoka." Lazaina hoe: "mijoro vavolombelona tsy marina" izy.
  • Ny teny hoe: "ho vavolombelona eo anelanelan'ny" dia midika zavatra na olona ho porofo fa efa nisy fifanarahana natao. Ny vavolombelona dia hanome antoka ny olona tsirairay hanao izay efa nampantenainy hatao.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "vavolombelona" na "nanatri-maso" dia afaka adika miaraka amin'ny teny na andian-teny maneho hoe: "olona mahita izany" na "ilay iray izay nahita ny zava-niseho" na " ilay iray nahita izay niseho" na "ireo izay nahita sy nandre."

very, ngazana

Famaritana

Ny hoe mandany zavatra iray dia midika fanipazana tsy am-pitandremana na fampiasa izany amin'ny hadalana. Ny zavatra izay atao hoe: "ngazana" na "ny fandaniam-poana" dia maneho ny tany na tanàna izay efa simba mba tsy hahafahan'ny zavatra miaina eo amin'izany intsony.

  • Ny teny hoe "lazonina" dia teny izay midika hoe miharatsy hatrany hatrany na very. Olona iray izay lazonina dia matetika lasa mahia noho ny aretina na tsy fahampian-tsakafo.
  • Ny "mandrava" tanàna na tany dia midika hoe manimba izany.
  • Teny hafa ho an'ny "ngazana" dia afaka atao hoe "efitra" na "tany efitra." Fa ny hoe ngazana ihany koa dia midika fa ny olona dia efa nipetraka tany ary ny tany dia efa nanirian'ny hazo sy zava-maniry izay mamokatra sakafo.

vesatra

Famaritana

Ny vesatra dia enta-mavesatra. Ara-bakiteny izany dia maneho ny entana mivaingana toy ny asan'ny biby mitondra entana. Ny teny hoe: "vesatra" ihany koa dia manana hevitra ambadika maro:

  • Ny vesatra dia afaka maneho asa sarotra be na andraikitra manan-danja izay ataon'ny olona iray. Nolazaina fa "mitondra" na "milanja" "enta-mavesatra" izy.
  • Ny mpitarika ratsy fanahy dia mety hampitondra enta-mavesatra ny olona izay tarihiny, ohatra: amin'ny alalan'ny fanerena azy ireo handoa hetra lafo dia lafo.
  • Ny olona iray izay tsy te-ho enta-mavesatra ho an'ny olona hafa dia tsy manao izay hanakorontanana ny olona hafa.
  • Ny heloky ny fahotan'ny olona iray dia enta-mavesatra ho azy.
  • Ny hoe: "enta-mavesatry ny Tompo" dia hevitra ambadika izay maneho ny "hafatra avy amin'Andriamanitra" fa ny mpaminany dia tsy maintsy manavotra ny olon'Andriamanitra.
  • Ny teny hoe: "enta-mavesatra" dia afaka adika hoe: "andraikitra" na "asa" na "hafatra," arakaraky ny foto-kevitra.

vetaveta, am-pahavetavetana, mametaveta

Famaritana

Ny teny hoe "vetaveta" dia nampiasaina mba hamaritana olona iray na hetsika izay manameloka na ratsy ara-pitondran-tena. Ny teny hoe "am-pahavetavetana" dia midika hoe "amin'ny fomba vetaveta." Ny hoe "mametaveta" zavatra dia midika hoe mandika vilana izany na mamadika izay tsara sy marina tamin'izany ho amin'ny ratsy.

  • Ny olona na zavatra vetaveta dia niala tamin'izay tsara sy marina.
  • Ao amin'ny Baiboly, dia nanao zavatra am-pahavetavetana ireo Isiraelita rehefa tsy nankatoa an'Andriamanitra izy ireo. Matetika izy ireo nanao izany tamin'ny tamin'ny fiderana andriamanitra diso.
  • Ny fihetsika izay manohitra ny fenitra na fitondran-tenan'Andriamanitra dia noraisina ho vetaveta.
  • Ireo fomba handikana ny hoe "vetaveta" dia ahitana ny hoe "ratsy fitondran-tena" na "mivadika amin'ny lala-mahitsin'Andriamanitra," miankina amin'ny zavatra resahana.
  • Ny hoe "teny vetaveta" dia mety adika hoe "miteny amin'ny fomba ratsy" na "resaka mamitaka" na "fomba firesaka ratsy."
  • Ny "olona vetaveta" dia azo adika hoe "olona ratsy fitondran-tena" na "olona izay manohy tsy mankatoa an'Andriamanitra."
  • Ny fehezanteny hoe "manao fihetsika am-pahavetavetana" dia mety adika hoe "manao fitondran-tena ratsy" na "manao zavatra tsy araky ny didin'Andriamanitra" na "miaina amin'ny fomba izay mandà ny fampianaran'Andriamanitra."
  • Ny teny hoe "vetaveta" dia mety adika koa hoe "manimba toetra" na "mamadika ho amin'ny zavatra ratsy."

Virjiny

Famaritana

Ny vehivavy virjiny dia vehivavy izay tsy mbola nanao firaisana ara-nofo.

  • Isaia mpaminany niteny fa ny Mesia dia ho ateraky ny virjiny.
  • Maria dia virjiny rehefa bevohoka an'i Jesosy. Tsy nanana ray ara-nofo Izy.
  • Ny fitenim-paritra hafa dia mety manana fomba mihaja hafa hilazana ny hoe virjiny.

voa, mamokatra

Famaritana

Ny teny hoe: "voa" dia maneho ara-bakiteny ny ampahany amin'ny hazo izay azo hohanina. Ny zavatra iray izay "mamokatra" dia misy voankazo be dia be. Ireo teny ireo ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika ao amin'ny Baiboly.

  • Ny Baiboly matetika dia mampiasa ny "voa" mba hanehoana ny asa sy ny eritreritry ny olona iray. Tahaka ny voa eny amin'ny hazo izay ahitana hoe karazany inona io hazo io, dia tahaka izany ihany koa ny teny sy ny asan'ny olona iray no maneho ny toetrany.
  • Ny olona iray dia afaka mamokatra vokatra ara-panahy tsara na ratsy, fa ny teny hoe: "mamokatra" kosa dia hevitra tsara hoe mamoa voankazo betsaka foana no dikany.
  • Ny teny hoe: "mamokatra" ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika izay midika hoe: "manan-karena." Izany matetika dia maneho ny fananana zanaka maro na taranaka maro, toy ny fananana sakafo maro be sy harena hafa.
  • Amin'ny ankapobeny, ny teny hoe: "vokatry ny" dia maneho ny zavatra iray avy amin'ny na vokarin'ny zavatra iray hafa. Ohatra: "ny vokatry ny fahendrena" dia maneho ny zavatra tsara izay avy amin'ny toetra hendry.
  • Ny fomba fiteny hoe: "vokatry ny tany" dia maneho amin'ny ankapobeny ny zavatra rehetra izay vokarin'ny tany mba hohanin'ny olona. Tsy ny voankazo tahaka ny voaloboka na ny daty irery ihany, fa ny legioma, ny voanjo, sy ny vary ihany koa.
  • Ny fomba fiteny hoe: "vokatry ny Fanahy" dia maneho ny toetra araka an'Andriamanitra izay vokarin'ny Fanahy Masina amin'ny fiainan'ny olona izay mankato Azy.
  • Ny fiteny hoe: "vokatry ny tranon-jaza" dia maneho "izay vokarin'ny tranon-jaza," izany hoe: ny zanaka.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe: "mamokatra" dia afaka adika hoe: "manome vokatry ny fanahy maro" na "manan-janaka maro" na "manan-karena," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny fomba fiteny hoe: "vokatry ny tany" dia azo adika hoe: "sakafo izay novokarin'ilay tany" na "vokatra izay naniry tao amin'ilay faritra iray."
  • Rehefa nahary ny biby sy ny olombelona Andriamanitra, dia nandidy azy ireo mba "hamokatra sy hitombo" izay maneho hoe: manàna zanaka maro. Afaka adika ihany koa izany hoe: "manàna zanaka sy taranaka maro" na "manàna zanaka maro mba hanana taranaka maro ianao."
  • Ny fiteny hoe: "vokatry ny tranon-jaza" dia afaka adika ihany koa hoe: "izay novokarin'ny tranon-jaza" na "ny zanaka nateraky ny vehivavy" na hoe "zanaka" fotsiny. Rehefa niteny tamin'i Maria Elizabeta hoe: "voatahy ny vokatry ny kibonao" ny tiany ho lazaina dia hoe: "nosoavina ny zaza hateraky ny kibonao." Ny fandikana teny hafa dia mety manana fomba hafa handikana io fomba fiteny io.
  • Ny fomba fiteny hafa hoe: "vokatry ny voaloboka" dia afaka adika hoe: "divay."
  • Ny fomba fiteny hoe: "hamokatra be" dia azo adika hoe: "hamokatra voankazo betsaka" na "hanan-janaka maro" na "hanan-karena," arakaraky ny foto-kevitra.
  • Ny fomba fitenin'i Paoly apostoly hoe: "tany mamokatra" dia afaka adika hoe: "asa izay mitondra vokatra tsara" na "ezaka izay vokatry ny finoan'ny olona maro an'i Jesosy."
  • Ny "vokatry ny Fanahy" dia afaka adika ihany koa hoe: "asa izay novokarin'ny Fanahy Masina" na "teny na fihetsika izay maneho fa miasa ao aminao ny Fanahy Masina."

voa, tsirinaina

Famaritana

Ny voa dia ampahany amin'ny zava-maniry izay ambolena amin'ny tany mba hamoa zava-maniry tahaka izany karazany izany maro. Misy hevitra ambadika maro ihany koa izany.

  • Ny teny hoe "voa" dia ampiasaina ho hevitra ambadika sy fanalefahan-teny ilazana ny sela madinika ao amin'ny lehilahy na vehivavy izay mikambana mba hahatonga ny zaza hitsaika ao amin'ny vehivavy, io sela io no antsoina hoe tsirinaina.
  • Raha ampifandraisina amin'izay ihany, ny "voa" dia entina ilazana ny zanaka na taranaky ny olona.
  • Io teny io matetika dia misy hevitra maro, izay maneho mihoatra ny voa iray na taranaka iray.
  • Ao amin'ny fanoharana momba ny mpamboly namboly voa, Jesosy dia nampitaha ny voa tamin'ny Tenin'Andriamanitra izay ambolena ao am-pon'ny olona mba hamoa ny vokatry ny fanahy.
  • Paoly apostoly ihany koa dia nampiasa ny teny hoe "voa" mba hilazana ny Tenin'Andriamanitra.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Raha voa ara-bakiteny no resahina, dia tsara tokoa ny mampiasa ny teny ara-bakiteny ilazana ny "voa" izay ampiasain'ny mpamboly ao amin'ny sahany.
  • Ny teny ara-bakiteny ilazana io teny io teny io dia tokony ho ampiasaina amin'ny foto-kevitra izay maneho izany ho hevitra ambadika maneho ny Tenin'Andriamanitra.
  • Raha ho an'ny hevitra ambadika entina ilazana ny olona izay avy amin'ny fianakaviana iray firazanana, dia mety hazava kokoa ny mampiasa ny teny hoe "taranaka" fa tsy voa. Mety hisy fiteny hafa hanana teny izay midika hoe "zanaka sy zafy."
  • Ho an'ny "voan'ny" vehivavy na lehilahy indray, hevero tsara ny fomba anehoan'ny teny ho adika mba tsy hanohina na hahamenatra ny olona.

voaloboka

Famaritana

Ny voaloboka dia voankazo kely, boribory, malama hoditra izay mitombo isan-tsapany. Ny ranom-boaloboka dia nampiasaina hanaovana divay.

  • Misy loko samihafa ny voaloboka, tahaka ny maitso kely, volopatasy, na mena.
  • Ny voaloboka tsirairay dia mety ho iray na telo santimetatra eo ny habeny.
  • Ny olona dia mamboly voaloboka eo amin'ny zaridaina antsoina hoe tanim-boaloboka. Ireo dia misy ravim-boloboka lava.
  • Ny voaloboka dia sakafo tena manan-danja tamin'ny andron'ny Baiboly ary ny fananana tanim-boaloboka dia mariky ny harena.
  • Mba hihazonana ny voaloboka tsy ho lo, dia hamainin'ny olona matetika izany. Ny voaloboka maina dia ampiasain'izy ireo hanaovana mofomamy.
  • Nanao fanoharana momban'ny tanim-boaloboka Jesosy mba hampianarana ireo mpianany momban'ny fanjakan'Andriamanitra.

voaloboka

Famaritana

  • Ny tahon'ny voaloboka dia atambatra ho fototra iray izay manome rano sy otrikaina hafa mba hitomboany.
  • Jesosy dia niantso ny tenany hoe "ilay voaloboka" ary niantso ny olona hoe "sampany." Amin'izany foto-kevitra izany, ny teny hoe "voaloboka" dia afaka adika hoe "foto-boaloboka."

voaloham-bokatra

Famaritana

Ny teny hoe: "voaloham-bokatra" dia maneho ny ampahan'ny vokatra voalohany sy legioma izay jinjaina isaky ny fararano.

  • Ireo Israelita dia manolotra ireo voaloham-bokatra ireo ho an'Andriamanitra mba ho sorona fanatitra .
  • Io teny io ihany koa dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika ao amin'ny Baiboly mba hanehoana ny zanaka lahy voalohany hoe voaloham-bokatry ny fianakaviana. Izany hoe, satria izy no zanaka lahy teraka voalohany ao amin'io fianakaviana io, dia izy izany no ilay iray izay mitondra ny anaran'ny fianakaviana sy ny voninahiny.
  • Satria Jesosy nitsangana tamin'ny maty, dia antsoina Izy hoe: "voaloham-bokatry" ny mpino rehetra ao Aminy izay maty fa indray andro any dia ho velona indray.
  • Ireo mpinon'i Jesosy dia antsoina ihany koa hoe: "voaloham-bokatry" ny zava-boahary rehetra, izay maneho ny tombontsoa manokana sy ny toeran'izay navotan'i Jesosy sy voaantso mba ho olony.

Torohevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny ara-bakitenin'io teny io dia afaka atao hoe: "ampahany voalohany."

voaly

Famaritana

Ny teny hoe "voaly" matetika dia maneho lamba manify izay ampiasaina mba ho fisalobonana loha, mba tsy hampahita ny loha na ny endrika.

  • Mosesy dia nanasarona ny endriny tamin'ny voaly taorian'ny fanatrehan'Yaveh azy, mba hiafina amin'ny olona ny hazavan'ny endriny.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny vehivavy dia manao voaly mba hanaronana ny lohan'izy ireo, ary matetika ny endrik'izy ireo ihany koa, rehefa amin'ny toerana be olona na rehefa eo anatrehan'ny lehilahy.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "voaly" ihany koa dia afaka adika hoe "lamba fanaronana manify" na "fanaronana loha."
  • Amin'ny kolon-tsaina sasany, dia mety efa misy fiteny hilazana ny voaly ho an'ny vehivavy. Rehefa entina hilazana an'i Mosesy izany dia mety ho ilaina ny mitady teny hafa.

voamboana

Famaritana

Ny teny hoe: "voamboana" dia maneho karazan-kazo izay maitso lalandava mandritry ny taona rehetra ary misy voany.

  • Ny hazo voamboana ihany koa dia maneho ny "hazo-maitso lalandava."
  • Tamin'ny andro taloha, ny hazon'ny voamboana dia nampiasaina mba hanamboarana zava-maneno sy hananganana rafi-trano toy ny sambo, trano, ary tempoly.
  • Ohatra sasany amin'ny hazo voamboana voatonona ao amin'ny Baiboly ny: kesika, sedera, kypreso, ary zenevrie.

Voasoratra

Famaritana

Ny hoe: "araka ny voasoratra" na "izay voasoratra" dia miseho matetika amin'ny Testamenta Vaovao ary matetika maneho didy na faminaniana izay voasoratra ao amin'ny soratra masina Hebreo.

  • Matetika ny teny hoe "araka izay efa voasoratra" dia maneho izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy.
  • Indraidray koa dia teny notsongaina avy amin'izay efa nosoratan'ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha izany.
  • Azo adika ihany koa izany hoe: "araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy" na "araka izay efa nosoratan'ny mpaminany hatry ny ela" na "izay voalaza ao amin'ny lalàn'Andriamanitra izay nosoratan'i Mosesy hatry ny ela."
  • Zavatra iray azo atao koa ny mitazona ny hoe: "voasoratra hoe" ary manome fanamarihana izay manazava ny hevitr'izany.

Volafotsy

Famaritana

Ny volafotsy dia mamiratra, nampiasaina anamboarana vola madinika, firavaka, fitoeran-javatra.

  • Ireo fitoeran-javatra dia ahitana kapoaka sy vilia boribory, miaraka amin'ireo zavatra hafa ampiasaina ho amin'ny nahandro, fihinanana, na fandrosoana.
  • Ny volafotsy sy volamena dia nampiasaina tamin'ny fananganana ny tabernakely sy ny tempoly. Ny tempoly ao Jerosalema dia manana fitoeran-javatra vita amin'ny volafotsy.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, ny vola madinika sy ny lanjan'ny volafotsy antsoina hoe sekely no nampiasaina.
  • Ny rahalahin'i Josefa dia nivarotra azy ho andevo tamin'ny vidiny volafotsy roapolo sekely.
  • Jodasy dia nomena vola madinika volafotsy telopolo nohon'ny famadihana an'i Jesosy.

volamena

Famaritana

Ny volamena dia vy mavomavo tena tsara kalitao izay nampiasaina hanaovana firavaka sy fitaovana ara-pivavahana. Izany no vy tena sarobidy indrindra tamin'izany andro izany.

  • Tamin'ny andron'ny olona ao amin'ny Baiboly, karazan-javatra maro samihafa no natao tamin'ny volamena na norakofana tamin'ny takela-bolamena manify.
  • Ao anatin'ireo zavatra ireo ny kavina sy firavaka hafa, sampy, altara, ary zavatra hafa nampiasaina tao amin'ny tabernakely na tempoly, toy ny fiaran'ny fanekena.
  • Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, ny volamena dia nampiasaina ho fitaovana fifanakalozana amin'ny fividianana sy fivarotana. Nolanjaina tamin'ny fandanjana iray izany mba hamantarana ny lanjany.
  • Taty aoriana, ny volamena sy vy hafa toy ny volafotsy dia nampiasaina mba hanaovana vola madinika hampiasaina amin'ny fividianana sy fivarotana.
  • Raha entina anehoana zavatra izay tsy volamena mafy, fa misy rakotra volamena manify fotsiny, dia afaka ampiasaina koa ny hoe "rako-bolamena."
  • Indraindray ny zavatra iray dia faritana ho "miloko volamena," izay midika fa manana ny loko mavon'ny volamena izany, fa tsy tena vita amin'ny volamena akory.

volana vaovao

Famaritana

Ny teny hoe: "volana vaovao" ao amin'ny Baiboly dia maneho ny tsinam-bolana. Io no fiantombohan'ny fiodidin'ny volana amin'ny tany.

  • Tamin'ny andro taloha, ny volana vaovao dia nampiasaina mba hanamarika ny fiantombohan'ny vanim-potoana sasan-tsasany, toy ireo volana mandritry ny taona.
  • Ireo Israelita dia mankalaza ny fetin'ny volana vaovao izay marihina amin'ny alalan'ny fitsofana ny tandroky ny ondry.
  • Ny Baiboly ihany koa dia maneho io vanim-potoana io ho "fiantombohan'ny volana."

volomparasy

Famaritana

Ny teny hoe "volomparasy" dia anarana loko izay fifangaroan'ny manga sy mena.

  • Tamin'ny andro taloha, ny volomparasy dia vitsy ary loko tena sarobidy izay nampiasaina handokoana ny akanjon'ireo mpanjaka sy ireo manam-pahefana ambony hafa.
  • Satria lafo vidy sy mandany fotoana ny famokarana ity loko ity, dia noraisina ho famanatarana ny harena, fanavahana, sy ny maha-fianakavian'ny mpanjaka izany.
  • Ny volomparasy ihany koa dia iray amin'ireo loko nampiasaina ho an'ny lamba ao amin'ny tabernakely sy tempoly, ary ho an'ny efoda azon'ireo mpisorona.
  • Ny loko volomparasy dia nalaina avy tamin'ny karazana sifo-dranomasina amin'ny fanorotoroana na fampangotrahana ireo sifotra na amin'ny fanaovana azy ireo mba hamoaka ilay loko raha mbola velona. Izany dia dingana lafo vidy.
  • Lydia avy any amin'ny firenen'i Filipiana dia vehivavy iray izay niaina tamin'ny famarotana lamba volomparasy.

volotara

Famaritana

Ny teny hoe "volotara" dia maneho zava-maniry izay lava taho maniry ao anaty rano, matetika manaraka ny moron'ny renirano na ny riaka.

  • Ny volotara amin'ny Reniranon'i Neily izay nanafenana an'i Mosesy tamin'izy mbola zazakely dia antsoina ihany koa hoe "zozoro." Lava izy ireo, poakaty ny tahony ary maniry eny amin'ny lobolobon'ny rano ao amin'ny renirano.
  • Io zava-maniry miendrika kofehy io dia ampiasaina mba hanaovana taratasy, harona, tao amin'ny Egypta taloha.
  • Ny tahon'ny zozoro dia malefaka ka mora milofika amin'ny rivotra.

vondron'olona, vahoaka, ny olona, olona

Famaritana

Ny teny hoe "vahoaka" na "vondron'olona" dia maneho ireo vondron'olona izay mizara teny iombonana sy kolontsaina. Ny fehezanteny hoe "ireo olona" matetika dia maneho ny fanangonan'olona amin'ny toerana iray na amin'ny hetsika miavaka.

  • Rehefa nanokana "olona iray" ho an'ny tenany Andriamanitra, dia midika izany fa nisafidy olona manokana mba ho Azy sy hanompo Azy Izy.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, dia matetika ireo mpikambana amin'ny vondron'olona nanana razambe mitovy ary niara-nipetraka tany amin'ny firenena manokana na fari-tany.
  • Minakina amin'ny zavatra resahana, ny fehezanteny toy ny hoe "ny olonao" dia mety midika hoe "ny vondron'olonao" na "ny fianakavianao" na "ireo havanao."
  • Ny teny hoe "vahoaka" matetika dia nampiasaina hanehoana ny vondron'olona rehetra eto an-tany. Indraindray izany dia maneho kokoa ny olona izay tsy Isiraelita na izay tsy manompo an'Yaveh. Amin'ny fandikana Baiboly Anglisy sasany ny teny hoe "firenena" dia nampiasaina koa tamin'ity fomba ity.

TORO-HEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Ny teny hoe "vondron'olona" dia mety adika amin'ny teny na fehezanteny izay midika hoe "vondrom-pianakaviana maro" na "fianakaviambe" na "vondrom-poko."
  • Ny fehezanteny toy ny hoe "ny oloko" dia mety adika hoe "ireo havako" na "ireo Isiraelita namako" na "ny fianakaviako" na "ny vondron'oloko," miankina amin'ny zavatra resahana.
  • Ny fomba fiteny hoe "hanaparitana anao amin'ireo oloko" dia mety adika hoe "hampandeha anao hipetraka miaraka amin'ny vondron'olona maro samihafa" na "hampisaraka anao amin'ny tsirairay ary hipetraka any amin'ireo faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao."
  • Ny teny hoe "ireo vahoaka" na "ny olona" dia afaka adika koa hoe "ny olona eto amin'izao tontolo izao" na "ireo vondron'olona," miankina amin'ny zavatra resahana.
  • Ny fehezanteny hoe "ny vahoakan'ny" dia afaka adika hoe "ny olona mipetraka any amin'ny" na "ny olona avy amin'ny taranak'i" na "ny fianakavian'i" miankina amin'izay anaran-toerana na olona manaraka azy.
  • Ny hoe "ny olona rehetra eto ambonin'ny tany" dia afaka adika hoe "ny rehetra izay miaina eto an-tany" na "ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao" na "ny olona rehetra."
  • Ny hoe "olona" dia afaka adika koa hoe "vondron'olona" na "vahoaka iray" na "fiaraha-monin'olona" na "fianakavian'olona."

voromahery

Famaritana

Ny voromahery dia vorona mpihaza goavana, mahery izay mihinana biby toy ny trondro, voalavo, bibilava, ary akoho.

  • Oharin'ny Baiboly amin'ny fidinan'ny voromahery tampoka hisambotra ny hazany ny fahafainganana sy ny tanjaky ny tafika iray.
  • Ambaran'Isaia fa ireo izay matoky ny Tompo dia hanidina tahaka ny voromahery. Izany no hevitra ambadika ampiasaina hamaritana ny fahafahana sy ny hery azo avy amin'ny fatokisana an'Andriamanitra.
  • Ao amin'ny bokin'i Daniela, dia noharina tamin'ny halavan'ny volo-boromahery ny halavan'ny volon'i Nebokadnezara mpanjaka, izay mahatratra hatramin'ny 50 santimetatra mahery.

Voromailala

Famaritana

Ny voromailala dia karazana vorona kely, miloko volo-tany manopy volo-davenina. Ny voromailala dia matetika eritreretina ho mazava loko kokoa, efa ho fotsy tanteraka.

  • Ny fiteny sasany dia manana teny roa ilazana io vorona io.
  • Ny voromailala dia fampiasa amin'ny sorona ho an'Andriamanitra, indrindra ho an'ny olona izay tsy mahatakatra mividy biby lehibe.
  • Ny voromailala dia nitondra ravin'oliva ho an'i Noa rehefa nanomboka ritra ny tondra-drano.
  • Ireo voromailala matetika dia fanehoana fahadiovana, tsy fananan-tsiny na ny fiadanana.

zanany

Famaritana

Ny teny hoe "zanany" dia maneho ny taranaka ara-biolojikan'ny olona na ny biby. *Matetika ao amin'ny Baiboly ny hoe "zanany" dia mitovy dika amin'ny hoe "zanaka" na "taranaka" *Ny teny hoe "voa" dia matetika ampiasaina amin'ny hevitra ara-tsari-teny mba hanehoana hoe zanany.


zava-manan'aina

Famaritana

Ny teny hoe "zava-manan'aina" dia maneho ireo zavatra miaina rehetra izay noharian' Andriamanitra, ny olombelona sy ireo biby.

  • Ezekiela mpaminany dia namaritra ho nahita "zava-manan'aina" tao anatin'ny fahitany ny voninahitr'Andriamanitra. Tsy nahafantatra izy hoe inona ireo, noho izany dia nomeny ity marika ankapobeany ity izy ireo.
  • Hevero fa ny teny hoe "zava-boahary" dia manana dika hafa satria ao anatin'izany ny zavatra rehetra noharian'Andriamanitra, na zava-manan'aina na zavatra tsy manan'aina ( tahaka ny tany, rano, ary kintana). Ny teny hoe "zava-manan'aina" dia ahitana ireo zava-miaina fotsiny ihany.

Zava-pisotro atao fanomezana

Famaritana

Ny zava-pisotro atao fanomezana dia sorona ho an'Andriamanitra izay midika hoe mandraraka divay eo amin'ny alitara. Izany matetika dia atolotra miaraka amin'ny fanatitra efa nodorana sy voa.

  • Paoly dia maneho ny fiainany ho nararaka tahaka ny zava-pisotro atao fanomezana. Izany dia midika fa izy dia tena nanolo-tena tanteraka mba hanompo an'Andriamanitra ary hiteny ny vahoaka ny momban'i Jesosy, na dia fantany ary fa hijaly ary mety ho vonoina noho ny amin'izany ary izy.
  • Ny fahafatesan'i Jesosy no fara-tampony amin'ny zava-pisotro atao fanomezana, raha nararaka tamin'ny hazofijaliana ny ràny ho an'ny otantsika.

TOROHEVITRA AMIN'NY FANDIKAN-TENY

  • Fomba hafa andikana ny ity teny ity dia hoe "manome fanatitra voaloboka"
  • Rehefa miteny Paoly hoe izy dia ho "araraka tahaka ny fanatitra" dia midika izany fa afaka adika hoe "adidiko tanteraka ny mampianatra ny hafatr'Andriamanitra ho an'ny olona, tahaka ny divay fanatitra izay nararaka tanteraka teo amin'ny alitara."

zava-pisotro mahery

Famaritana

Ny teny hoe "zava-pisotro mahery" dia maneho ireo zava-pisotro izay mialon'andro ary misy alikaola ao amin'izany.

  • Ny zava-pisotro maha mamo dia vita amin'ny voa na voankazo ary nandalo tamin'ny dingana fanaovana azy ho mahery.
  • Ny karazana "zava-pisotro mahery" dia ny divay vita amin'ny voaloboka, divay an-drofia, labiera, ary paoma marikivy. Ao amin'ny Baiboly, ny voaloboka vita amin'ny divay no tena voatonona ho zava-pisotro mahery ao.
  • Ny mpisorona sy izay olona izay nanao ny voady manokana tahaka ny hoe voady amin'ny "Nazirita" dia tsy mahazo misotro zava-pisotro mahery.
  • Izany teny izany dia afaka adika hoe "zava-pisotro misy alikaola"

zava-poana

Famaritana

Ny teny hoe "zava-poana" dia mamaritra zavatra iray izay tsy misy ilàna azy intsony na tsy misy antony. Ny zava-poana dia banga.

  • Ny teny hoe "zava-poana" dia maneho ny fahabangana. Izany ihany koa dia maneho ny avonavona na fiavonavonana.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo sampy dia faritana ho zava-poana izay tsy azo avotana sy vonjena. Izy ireo dia tsy misy ilàna azy na tsy misy antony.
  • Raha natao "very maina" ny zavatra iray, izany dia midika fa tsy nisy vokatra tsara ny fanaovana izany. Ny ezaka sy ny asa dia tsy nisy vokany.
  • Ny hoe "minomino foana" dia midika hoe mino zavatra iray izay tsy marina sy mampanantena tsy misy.

Toro-hevitra amin'ny fandikan-teny

  • Ny teny hoe "zava-poana" dia afaka adika hoe "banga" na "tsy misy ilàna azy" na "tsy misy fanantenana" na "tsy misy dikany" arakaraka ny foto-kevitra.
  • Ny teny hoe "very maina" dia afaka adika hoe "tsy misy vokany" na "tsy misy antony."
  • Ny "zava-poana" dia afaka adika ihany koa hoe "avonavona" na "zavatra tsy misy dikany" na "fahadisoam-panantenana."

zioga

Famaritana

Ny zioga dia hazo na vy apetaka amin'ny biby roa na mihoatra mba hampifandraisana azy ireo mba hitarika angadin'omby na sarety. Misy hevitra ambadika maro ihany koa io teny io.

  • Ny teny hoe "zioga" dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana zavatra izay mampifandray olona amin'ny fiaraha-miasa, toy ny fanompoana an'i Jesosy.
  • Paoly dia mampiasa ny teny hoe "namana" mba hanehoana olona iray izay nanompo an'i Kristy toa azy. Ity dia afaka adika hoe "mpiara-miasa" na "mpiara-manompo."
  • Ny teny hoe "zioga" ihany koa matetika dia ampiasaina amin'ny hevitra ambadika mba hanehoana enta-mavesatra izay entin'ny olona iray, toy ny rehefa ampahorian'ny fanandevozana na fanenjehana.
  • Ireo teny ambadika afaka handikana io teny io dia hoe "enta-mavesatra" na "fifamatorana" arakaraky ny foto-kevitra.