Names

Abela

Facts

Abela no zanaka lahin'i Adama sy Eva faharoa. Izy no zandry lahin'i Kaina.

  • Mpiandry ondry i Abela.
  • Nanao sorona ny sasany tamin'ireo bibiny i Abela mba ho fanatitra ho an'Andriamanitra.
  • Nankasitrahan'Andriamanitra i Abela sy ny sorony.
  • Novonoin'i Kaina zanaka lahimatoan'i Adama sy Eva i Abela.

Abia

Facts

Abia dia anarana mpanjaka iray tao Joda izay nanjaka tamin'ny 915-913 talohan'i Jesosy Kristy. Zanaka lahin'i Rehoboama mpanjaka izy. Nisy lehilahy maro hafa koa antsoina hoe Abia ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Abia sy Joela zanak'i Samoela dia mpitarika ireo vahoakan'Israely tao Beri-Sheba. Satria tsy marina sady tsy mahonon-tena i Abia sy ny rahalahiny, dia nangataka tamin'i Samoela mba hanendry mpanjaka hanapaka eo amin'izy ireo ho solony ny vahoaka.
  • Ny Abia anankiray hafa dia mpisorona iray tao an-tempoly tamin'ny andron'i Davida Mpanjaka.
  • Abia dia anaran'ny zanaka lahin'i Jerobohama iray.
  • Abia koa dia anarana lohan'ny mpisorona iray izay niverina avy tamin'ny fambaboan'ny Babyloniana nakany Jerosalema niaraka tamin'i Zarobadela.

Abiatara

Facts

Abiatara dia mpisoronaben'ny firenen'Israely tamin'ny andron'i Davida mpanjaka.

  • Rehefa novonoin'i Saoly ireo mpisorona, dia nandositra i Abiatara ary nankany amin'i Davida tany an'efitra.
  • Nanompo an'i Davida tamim-pahatokiana nandritry ny fanjakany manontolo i Abiatra sy ny mpisorona iray hafa antsoina hoe Zadoka.
  • Taorian'ny nahafatesan'i Davida, dia nanampy an'i Adonia i Abiatara mba hiezaka ny ho tonga mpanjaka fa tsy i Solomona.
  • Noho izany, dia nesorin'i Solomona tamin'ny fisoronana i Abiatrara.

Abimeleka

Facts

Abimeleka dia mpanjaka Filistina iray teo amin'ny faritr'i Gerara tamin'ny andro niainan'i Abrahama sy Isaka tao amin'ny tany Kanana.

  • Nofitahin'i Abrahama i Abimeleka Mpanjaka tamin'ny nilazany fa anabaviny i Saraha fa tsy vadiny.
  • Nanao fifanarahana i Abrahama sy Abimeleka mahakasika izay tompon'ny fatsakana iray tao Beri-Sheba.
  • Taona maro taty aorina, dia namitaka an'i Abimeleka sy ireo lehilahy hafa avy ao Gerara ihany koa Isaka tamin'ny nilazany fa anabaviny i Rebeka, fa tsy vadiny.
  • Nananatra mafy an'i Abrahama ary avy eo an'Isaka i Abimeleka Mpanjaka nohon'ny laingan'izy ireo taminy.
  • Nisy lehilahy iray hafa nanana anarana hoe Abimeleka zanak'i Gideona ary rahalahin'i Jotama. Mety misy dikan-teny sasany mampiasa fomba fanoratra samihafa ny anarany mba hampazava tsara fa olona hafa amin'i Abimeleka Mpanjaka izy.

Abnera

Facts

Abnera dia zanaky ny mpiray tampoa tamin'ny ray aman-drenin'i Saoly Mpanjaka tao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Abnera dia lehibe mpifehy ny tafik'i Saoly, ary nampahafantatra an'i Davida kely tamin'i Saoly taorian'ny namonoan'i Davida an'i Goliata.
  • Taorian'ny nahafatesan'i Saoly Mpanjaka, dia nanendry ny zanaka lahin'i Saoly ho mpanjakan'Israely i Abnera, raha voatendry ho mpanjakan'i Joda kosa i Davida.
  • Taoriana kely, dia matin'ny lehiben'ny mpifehin'i Davida, Joaba, tamin'ny fitaka i Abnera.

Abrahama, Abrama

Facts

Abrama dia lehilahy Kaldeana avy tamin'ny tanànan'i Ora izay voafidin'Andriamanitra mba ho razan'ny Zanak'Israely. Novain'Andriamanitra ho "Abrahama ny anarany."

  • Ny anarana hoe "Abrama" dia midika hoe "ray nasandratra"
  • "Abrahama" dia midika hoe: ''rain'ny maro"
  • Nampanantena an'i Abrahama Andriamanitra fa hanana taranaka maro izy, izay hanjary ho firenena lehibe.
  • Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoa Azy. Notarihan'Andriamanitra mba hifindra hiala tany Kaldea hakany amin'ny tany Kanana i Abrahama.
  • Raha mbola nitoetra tany an-tany Kanana, rehefa tena antitra tokoa izy ireo, dia nanan-janaka lahy i Abrahama sy Saraha vadiny, dia Isaka.

Absaloma

Facts

Absaloma no zanaka lahin'i Davida fahatelo. Fantatra tamin'ny endriny tsara tarehy sy ny toetrany mirehi-po izy.

  • Rehefa voaolan'ny rahalahy tsy iray rà taminy, Amnona, ny anabavin'i Absaloma, dia nanao tetika ny hamonoana an'i Amona i Absaloma.
  • Taorian'ny famonoana an'i Amnona, dia nandositra nankany amin'ny faritr'i Gesora (izay niavian'i reniny) i Absaloma ary nitoetra telo taona tany. Ary naniraka olona hampiverina azy tany Jerosalema i Davida Mpanjaka, saingy tsy namela an'i Absaloma hankeo anatrehany nandritra ny roa taona.
  • Nampiodina ny olona sasany hanohitra an'i Davida Mpanjaka i Absaloma ary nitarika fikomiana nanohitra azy.
  • Niady tamin'i Absaloma ny tafik'i Davida ary namono azy. Nalahelo mafy i Davida tamin'ny nitrangan'izany.

Adama

Facts

Adama no olona noforonin'Andriamanitra voalohany indrindra. Izy sy Eva vadiny dia namboarina araka ny endrik'Andriamanitra.

  • Namboarin'Andriamanitra avy tamin'ny vovoka i Adama ary nasiany fofon'aina tao aminy.
  • Ny anaran'i Adama dia toa mifanakaiky amin'ny teny Hebreo ilazana ny "tany mena" na "vovo-tany."
  • Ny olona rehetra dia taranak'i Adama sy Eva.
  • Tsy nankatoa an'Andriamanitra i Adama sy Eva. Izany no nanasaraka azy ireo tamin'Andriamanitra ka nahatonga ny fahotana sy ny fahafatesana ho tonga teto amin'izao tontolo izao.

Adonia

Facts

Adonia no zanak'i Davida Mpanjaka fahefatra.

  • Niezaka ny haka ny toeran'ny mpanjakan'Israely i Adonia taorian'ny nahafatesan'i Absaloma sy Amona rahalahiny.
  • Na izany aza dia nampananantena ny fiandrianana ho an'ny Solomona zanak'i Davida Andriamanitra, koa dia rava ny tetik'i Adonia ary nomena an'i Solomona ny fiandrianana.
  • Rehefa niezaka fanindroany ny hampanjaka ny tenany i Adonia, dia novonoin'i Solomona.

Ahaba

Facts

Ahaba dia mpanjaka tena ratsy fanahy izay nanjaka teo amin'ny ilany avaratry ny fanjakan'Israely nanomboka tamin'ny 875 ka hatramin'ny 854 talohan'i Kristy.

  • Nisarika ireo vahoakan'Israely hanompo andriamanitra sandoka i Ahaba Mpanjaka.
  • Niatrika an'i Ahaba i Elia mpaminany ary nilaza taminy fa hisy hain-tany lehibe mandritra ny telo taona sy tapany ho famaizana nohon'ny fahotana izay nampanaovin'i Ahaba an'Israely.
  • Nanao zavatra ratsy maro hafa i Ahaba sy ny vadiny, ao anatin'izany ny fampiasana ny fahefan'izy ireo mba hamonoana olona tsy manan-tsiny.

Ahasoerosy

Facts

Ahasoerosy dia mpanjaka izay nanjaka teo amin'ny fanjakan'ny Persia nandritra ny roapolo taona.

  • Tamin'ny fotoana izay nitoeran'ireo Jiosy natao sesi-tany tany Babylona izany, izay tao ambanin'ny fahefan'ny Persiana.
  • Mety ho Ksersesy no anarana iray hafa niantsoana an'io mpanjaka io.
  • Taorian'ny nandroahany ny mpanjaka vaviny tamin-katezerana, dia nisafidy vehivavy Jiosy iray antsoina hoe Estera ho vadiny vaovao sy mpanjaka vaviny i Ahasoerosy Mpanjaka.

Ahaza

Facts

Ahaza dia mpanjaka ratsy fanahy izay nanapaka teo amin'ny fanjakan'i Joda nanomboka taminy 732 ka hatramin'ny 716 talohan'i Kristy. Teo ho eo amin'ny 140 taona talohan'ny fotoana izay naha lasan-ko babo tany Babylona ny olona maro tao Israely sy Joda izany.

  • Tamin'ny nanapahany teo amin'i Joda, dia nanana alitara natao hivavahana amin'ny andriamanitra sandoka izay an'i Asiriana i Ahaza, izay nahatonga ny olona hiala tamin'ny ilay Andriamanitra tokana marina, dia Yaveh.
  • 20 taona i Ahaza Mpanjaka no nanomboka nanapaka tao Joda, ary nanapaka nandritra ny 16 taona izy.

Ahazia

Facts

Ahazia dia anarana mpanjaka anankiroa: ny iray dia nanapaka teo amin'ny fanjakan'Israely, ny iray kosa dia nanapaka teo amin'ny fanjakan'i Joda.

  • Zanak'i Jehorama Mpanjaka i Ahazia mpanjakan'i Joda. Nanjaka nandritra ny herintaona izy (841 TK) ary avy eo dia novonoin'i Jeho. Nandray ny toerany ho mpanjaka i Joasy zanaka lahin'i Ahazia taorian'izany.
  • Ahazia Mpanjakan'Israely no zanak'i Ahaba Mpanjaka. Nanjaka nandritra ny roa taona (850-849 TK) izy. Maty nohon'ny ratra nahazo azy tamin'ny fianjerana tao an-dapany izy ary i Jorama rahalahiny no lasa mpanjaka.

Ahia

Facts

Anarana lehilahy maromaro ao amin'ny Testamenta Taloha ny hoe Ahia. Ireto manaraka ireto ny sasany amin'ireo lehilahy ireo.

  • Ahia no anaran'ny mpisorona iray tamin'ny andron'i Saoly.
  • Nisy lehilahy iray antsoina hoe Ahia izay mpitan-tsoratra tamin'ny nanjakan'i Solomona Mpanjaka.
  • Ahia no anaran'ny mpaminany iray avy tany Siloha izay nilaza mialoha fa hizara ho fanjakana roa ny firenen'Israely.
  • Ahia ihany koa no anaran'ny ny rain'i Basa mpanjakan'Israely.

Ai

Facts

Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, Ai dia anarana tanàna kananita iray izay hita tany atsimon'i Betela ary teo ho eo amin'ny 8 km avaratra-andrefan'i Jeriko.

  • Taorian'ny nandreseny an'i Jeriko, dia nitarika an'ireo zanak'Israely hanafika an'i Ai i Josoa. Saingy resy mora foana izy ireo satria tsy faly tamin'izy ireo Andriamanitra.
  • Nisy Israelita iray nantsoina hoe Asana izay nangalatra tao Jeriko ary nanome baiko ny hamonoana azy sy ny fianakaviany Andriamanitra. Ary avy eo dia nanampy an'ireo Zanak'Israely handresy ny vahoakan'i Ai Andriamanitra.

Amaleka, Amalekita

Facts

Ny Amalekita dia vondron'olona mpifindrafindra toerana izay nonina nanerana ny ilany atsimon'ny Kanana, nanomboka tany Negeva ka hatrany amin'ny tany Arabia. Io vondron'olona io dia taranaka avy amin'i Amaleka, zafin'i Esao.

  • Nifahavalo maty tamin'Israely mihitsy ireo Amalekita nanomboka tamin'ny andro voalohany nahatongavan'Israely nonina tao Kanana.
  • Indraindray ny teny hoe "Amaleka'' dia ampiasaina hilazana ireo Amalakita rehetra.
  • Tamin'ny ady iray nifandrinana tamin'ny Amalekita, rehefa nanandratra ny tanany ambony i Mosesy, dia nandresy ny zanak'Israely. Rehefa niha-reraka i Mosesy ka nahidiny ny tanany, dia nanomboka resy izy ireo. Koa nampian'i Arona sy Hora i Mosesy mba hanandratra ny tanany hatrany mandra-pandresen'ny tafik'Israely ireo Amalekita.
  • I Saoly Mpanjaka sy Davida Mpanjaka dia samy nitarika ady miaramila nanohitra an'ireo Amalekita.
  • Taorian'ny fandresena iray azony tamin'ny Amalekita, dia tsy nankatoa an'Andriamanitra tamin'ny nitazonany ny sasany tamin'ireo babo ary tamin'ny tsy namonoany ny mpanjakan'ny Amalekita araka izay nandidian'Andriamanitra hataony.

Amazia

Facts

Lasa mpanjaka teo amin'ny fanjakan'i Joda i Amazia rehefa nisy namono i Joasy Mpanjaka, rainy.

  • Nanjaka tao Joda nandritra ny sivy amby roapolo taona, nanomboka tamin'ny 796 ka hatramin'ny 767, i Amazia Mpanjaka.
  • Mpanjaka tsara izy, saingy tsy noravany ireo toerana avo nanompoana an'ireo sampy.
  • Novonoin'i Amazia avokoa ireo olona tompon'antoka tamin'ny famonoana ny rainy.
  • Nandresy ireo Edomita mpikomy izy ary namerina azy ireo ho eo ambanin'ny fifehezan'ny fanjakan'i Joda.
  • Nihantsy ady tamin'i Joasy Mpanjakan'Israely izy, saingy resy. Rava ny ampahany tamin'ny mandan'i Jerosalema ary nisy nangalatra ireo lovia volafosty sy volamenan'ny tempoly.
  • Taona maro taty aoriana dia niala tamin'i Yaveh i Amazia ary nisy lehilahy sasantsany tao Jerosalema nanao teti-dratsy ary namono azy.

Amnona

Facts

Amnona no zanaka lahy matoan'i Davida Mpanjaka sy ny Ahinoama vadiny.

  • Naolan'i Amnona i Tamara ny anabaviny, izay anabavin'i Absaloma.
  • Noho izany, dia nanao teti-drasty ary namono an'i Amnona i Absaloma.

Amona, Amonita

Facts

Ireo "vahoakan'i Amona" na ireo "Amonita" dia vondron'olona tao Kanana. Taranak'i Benamy, izay zanak'i Lota tamin'ny zanany fara-vavy.

  • Nonina tany antsimon'ny Reniranon'i Jordana ireo Amonita ary fahavalon'ny Israelita.
  • Indray mandeha dia nanakarama mpaminany iray atao hoe Balama ireo Amonita mba hanisy ozona tamin'Israely, saingy tsy navelan'Andriamanitra izany.

Amorita

Facts

Vondron'olona matanjaka izay taranak'i Kanana zafikelin'i Noa ny Amorita.

  • Midika hoe "ilay avo" ny anaran'izy ireo, izay mety ho maneho ilay faritra tendrombohitra nonenan'izy ireo na mety maneho ny halavan'izy ireo izay nahafantarana azy.
  • Nonina tany amin'ny faritra teny amin'ny sisin'ny Reniranon'i Jordana anankiroa ny Amorita. Tao amin'ny tanànan'ny Ai no nitoeran'ireo Amorita.
  • Niresaka momba ny "fahotan'ny Amorita" Andriamanitra ary ao anatin'izany ny fanompoana Andriamanitra sandoka sy fanaovana asa feno fahotana.
  • Nitarika ireo Zanak'Israely tamin'ny fandringanana an'ireo Amorita i Josoa, araka izay nasain'Andriamanitra nataon'izy ireo.

Amosa

Facts

Mpaminany Israelita iray izay niaina tamin'ny andron'i Ozia Mpanjakan'i Joda i Amosa.

  • Talohan'ny niantsoana azy ho mpaminany, tany am-boalohany i Amosa dia mpiandry ondry sady tantsaha nipetraka tao amin'ny fanjakan'i Joda.
  • Naminany ny amin'ny hanjoa ny fanjakana miroborobo tavaratr'Israely i Amosa manoloana ny fitondran'izy ireo ny vahoaka amin'ny tsy rariny.

Amoza

Facts

Amoza no rain'i Isaia mpaminany.

  • Rehefa ilazana an'Isaia ho "zanak'i Amoza" ihany no hanononana azy ao amin'ny Baiboly.
  • Samy hafa amin'ny anaran'i Amosa mpaminany izany ary tokony ho soratana amin'ny fomba samy hafa.

Anasy

Facts

Anasy dia mpisoronabe Jiosy tao Jerosalema nandritra ny 10 taona, nanomboka teo ho eo amin'ny taona 6 ka hatramin'ny 15. Avy eo izy dia nesorin'ny governemanta Romana tamin'ny asa fisoronambeny, na izany aza dia nitohy ho mpitarika nahasarika olona hatrany teo amin'ireo Jiosy izy.

  • Anasy no ray kelin'i Kaifasy, ilay mpisoronabe ofisialy tamin'ny nanaovan'i Jesosy ny asa fanompoany.
  • Taorian'ny nanesorana azy tsy ho mpisoronabe, dia mbola notazonin'ireo izany fiantsoana izany, niaraka tamin'ny andraikitra sasantsasany tao amin'ny fiasany, koa dia mpisorona be hatrany no niantsoana an'i Anasy nandritra ny fisoronan'i Kefasy sy ireo hafa.
  • Tamin'ny fitsarana Azy teo anoloan'ireo mpitarika Jiosy, dia tany amin'ny Anasy no nitondrana an'i Jesosy voalohany mba hadihadiana.

Andrea

Facts

Iray tamin'ireo roa amibin'ny folo lahy nofidian'i Jesosy ho mpianatra akaiky Azy indrindra (izay natsoina hoe apostoly taty aorina) i Andrea.

  • Simona Petera no rahalahin'i Andrea. Samy mpanarato izy ireo.
  • Nanarato teo amin'ny Ranomasin'i Galilia i Petera sy Andrea tamin'ny niantsoan'i Jesosy azy ireo ho mpianany.
  • Talohan'ny nihaonan'i Petera sy Andrea tamin'i Jesosy, dia mpianatr'i Jaona Mpanao Batisa izy ireo.

Antioka

Facts

Antioka dia anarana tanàna anakiroa ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny iray tany Syria, akaiky ny sisin-tanin'ny Ranomasina Mediteraneana. Ny iray hafa dia tany amin'ny Pisidia tany Roma, akaiky ny tanànan'i Kolosia.

  • Ny fiangonana teo an-toerna tany Antiokan'i Syria no toerana voalohany niantsoana ny mpino an'i Jesosy hoe "Kristiana." Nazoto tamin'ny fandefasana misionera mna hanatrarana ireo Jentilisa ihany koa ny fiangonana tany.
  • Nandefa taratasy tany amin'ireo mpino tao amin'ny fiagonana tany Antioka ireo mpitarika ny fiangonana tany Jerosalema mba hanampy azy ireo hahafantatra fa tsy voatery hihazona ireo lalàn'ny Jiosy izy ireo mba ho Kristiana.
  • Nandeha tany Antioka tany Pisidia i Paoly, Baranabasy ary Jaona Marka mba hizara ny filazantsara. Nisy Jiosy sasany avy amin'ny tanàna hafa tonga tany mba hanetsika korontana ary niezaka ny hamono an'i Paoly. Saingy olona maro hafa, sady Jiosy no Jentilisa, no nihaino ny fampianarana ary nino an'i Jesosy.

Apolosy

Facts

Jiosy avy any amin'ny tanànan'i Aleksadria any Egypta izay nanana fahaizana manokana tamin'ny fampianarana ny olona momba an'i Jesosy i Apolosy.

  • Nobeazina tsara tamin'ny Soratra Masina Hebreo i Apolosy ary nanan-talenta tamin'ny fitenenana.
  • Nampianarin'ny Kristiana anankiroa tao Efesosy antsoina Akila sy Prisila izy.
  • Notsindrian'i Paoly fa niasa nandroso ho amin'ny tanjona mitovy, dia ny fanampiana ny olona hino an'i Jesosy izy sy Apolosy, sy ny evanjelistra ary mpampianatra hafa.

Araba

Facts

Matetika ny teny hoe ''Araba" ao amin'ny Testamenta taloha dia ilazana tany efitra lehibe sy faritra lemaka, ao anatin'izany ny lohasaha manodidina ny Reniranon'ny Jordana ary mitohy mianatsimo makany amin'ny sisiny avaratry ny Ranomasina Mena.

  • Nandeha namaky io farity ny tany efitra io ireo Zanak'Israely tamin'ny dian'izy ireo avy any Egypta nankany amin'ny tany Kanana.
  • Ny "Ranomasin'i Araba" dia azo adika ihany koa hoe: "ranomasina hita any amin'ny faritry ny efitr'i Araba." Matetika io ranomasina io dia antsoina hoe "Ranomasin'ny Sira" na "Ranomasina Maty."
  • Ny teny hoe "araba" dia azo ilazana ny tany efitra rehetra amin'ny ankapobeny.

Arabia, Arabo

Facts

Arabia no saikinosy lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao, saiky mahatratra hatramin'ny 3.000.000 kilometatra tora-droa. Izany dia hita any amin'ny avaratra-atsinanan'Israely, ary voadidin'ny Ranomasina Mena, ilay Ranomasina Arabo, sy ny Hoala Persika.

  • Ny teny hoe "Arabo" dia ampiasaina mba hilazana olona iray monina any Arabia na zavatra iray izay misy hifandraisany amin'i Arabia.
  • Ny olona nipetraka voalohany indrindra tao Arabia dia ireo zafin'i Sema. Ny olona nipetraka voalohandohany tany Arabia koa dia i Ismaela zanaka lahin'i Abrahama sy ny taranany, ary koa ireo taranak'i Esao.
  • Tany Arabia no nisy faritry ny tany efitra nirenirenen'ireo Zanak'Israely nandritra ny 40 taona.
  • Taorian'ny ny nahatongavany ho mpino an'i Jesosy, dia nijanona nandritra ny taona vitsivitsy tao amin'ny tany efitr'i Arabia i Paoly.
  • Ao amin'ny taratasiny ho an'ireo Kristiana ao Galatia dia voalazan'i Paoly fa ny Tendrombohitr'i Sinay dia hita any Arabia.

Arama, Aramiana, teny Aramiana

Facts

"Arama" dia anarana lehilahy roa ao amin'ny Testamenta Taloha. Anaran'ny faritra avaratra-atsinanan'i Kanana ihany koa izany, izay misy an'i Syria amin'izao fotoana izao.

  • Fantatra amin'ny hoe "Aramiana" ireo olona mipetraka any Arama ary miteny "Aramiana." Niteny Aramiana ihany koa i Jesosy sy ireo Jiosy tamin'ny androny.
  • Arama no anaran'ny zanak'i Sema iray. Ny lehilahy iray hafa antsoina hoe Arama dia ny mpiray tampoa amin'i Rebeka. Mety azo heverina fa ny anaran'ny faritr'i Arama dia avy amin'ny iray amin'ireo lehilahy roa ireo.
  • Lasa fantatra tamin'ny anarana Grika hoe: "Syria" i Arama taty aoriana.
  • Ny teny hoe hoe "Arama-zoba" dia midika hoe "tani-hain'i Arama" ary hita any amin'ny ilany avaratr'i Arama.
  • Ny sasany tamin'ireo havan'i Abrahama dia nonina tao amin'ny tanànan'i Harana, izay hita any "Arama-zoba."
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny teny hoe "Arama" sy "Arama-zoba" dia manondro faritra iray mitovy ihany.
  • Ny teny hoe "Arama Naharaima" dia mety hidika hoe "Araman'ny Renirano Roa." Hita tany amin'ny ilany avaratr'i Mesospotamia io faritra io ary tany antsinanan'i "Arama-zoba."

Ararata

Facts

Ao amin'ny Baiboly, "Ararata" no anarana nomena ny tany iray, fanjakana iray, ary tandavan-tendrombohitra iray.

  • Azo heverina fa tany amin'ny toerana izay efa ilany avaratra-antsinanan'i firenen'i Tiorka ankehitriny ny "Tany Ararata."
  • Ny tena ahafantarana an'i Ararata dia anaran'ireo tendrombohitra niantsonan'ny sambofiaran'i Noa rehefa nanomboka niharitra ny rano tamin'ny safo-drano lehibe.
  • Amin'ny vanim-potoana ankehitriny, dia heverina matetika fa ny tendrombohitra iray antsoina hoe "Tendrombohitr'i Ararata" no toerana nisy ireo "tendrombohitr'i Ararata" ao amin'ny Baiboly.

Arona

Facts

Arona dia zoky lahin'i Mosesy. Nofidian'Andriamanitra ho mpisoronabe voalohany ho an'ireo vahoakan'Israely i Arona.

  • Nanampy an'i Mosesy hiresaka tamin'i Farao ny amin'ny tokony hamelana ireo Zanak'Israely handeha malalaka i Arona.
  • Raha nandeha namakivaky ny tany efitra ireo Zanak'Israely, dia nanota tamin'ny nanamboarany sampy hivavahan'ireo vahoaka i Arona.
  • Nanendry an'i Arona sy ireo taranany ihany koa Andriamanitra mba ho mpisorona ho an'ireo vahoakan'Israely.

Artaksersesy

Facts

Artaksersesy dia mpanjaka iray izay nanjaka teo amin'ny fanjakan'i Persia nanomboka teo ho eo amin'ny 464 ka hatramin'ny 424 talohan'i Kristy.

  • Nandritra ny niandrianan'i Artaksersesy, dia natao sesitany tany Babylona, izay teo ambanin'ny fifehezan'i Persia tamin'izany fotoana izany, ireo Zanak'Israely avy any Joda.
  • Navelan'i Artaksersesy niala tao Babylona ary niverina tany Jerosalema mba hampianatra ny Zanak'Israely ny lalàn'Andriamanitra i Ezra mpaminany sy ny mpisorona hafa ary mpitarika Jiosy hafa.
  • Taoriana kely tamin'izany fotoana izany ihany, dia navelan'i Artaksersesy hiverina tany Jerosalema mba hitarika ny Jiosy amin'ny fanorenana ny manda nanodidina ny tanàna indray i Nehemia mpitondra kapoakany.
  • Satria tao ambanin'ny fanapahan'i Persia i Babylona, dia nantsoina hoe "mpanjakan'i Babylona" Artaksersesy indraindray.
  • Mariho tsara fa i Artaksersesy dia tsy ilay olona atao hoe Ksersesy (Ahasoerosy).

Asa

Facts

Mpanjaka iray izay nanapaka teo amin'ny fanjakan'i Joda nandritra ny efa-polo taona i Asa, nanomboka tamin'ny 913 ka hatramin'ny 873 talohan'i Kristy.

  • Asa dia mpanjaka tsara izay nanaisotra sampin'Andriamanita tsy izy maro ary nahatonga ny Zanak'Israely nanomboka nanompo an'i Yaveh indray.
  • Nomen'i Yaveh fandresena tamin'ny adiny nanoloana ny firenena hafa i Asa Mpanjaka.
  • Na izany aza, taoriana kely tamin'ny najakany, dia nitsahatra ny nino an'i Yaveh i Asa Mpanjaka ary nanomboka nararin'ny aretina izay namono azy ny farany.

Asafa

Facts

Asafa dia mpisorona Levita iray sady mpitendry zava-maneno havanana izay namorona ny feon-kira ho an'ny salamo nataon'i Davida Mpanjaka. Nanoratra ny salamony manokana ihany koa izy.

  • Voatendrin'i Davida Mpanjaka i Asafa mba ho iray amin'ireo mpitendry telo niandraikitra ny fanomezan-kira fiderana tao amin'ny tempoly. Ny sasany tamin'ireo hira ireo koa dia faminaniana.
  • Nampianarin'i Asafa ireo zanany ary nanohy izany andraikitra izany hatrany izy ireo tamin'ny fitendrena zava-maneno sy faminaniana tao an-tempoly.
  • Tao anatin'ireo zava-maneno ireo ny sodina, lokanga, trompetra, ary ny kipantsona.
  • Vaoambara fa nosoratan'i Asafa ny Salamo faha 50 sy 73-83. Mety hoe nosoratan'ny isan'ny fianakaviany ny sasany amin'ireo Salamo ireo.

Asdoda

Facts

Iray tamin'ireo tanàna dimy lehibe indrindra tao Filistina i Asdoda. Tany amin'ny atsimo-andrefan'i Kanana akaikin'i Ranomasina Mediteraneana, teo anelanelan'ny tanànan'i Gaza sy Jopa no nisy azy.

  • Tany Asdoda no nisy ny tempolin'i Dagona andriamanitra sandok'ireo Filistina.
  • Nofaizin'Andriamanitra mafy ireo vahoakan'i Asdoda tamin'ny nangalaran'ireo Filistina ny fiaran'ny fanekena ka nametrahany izany teo amin'ny tempolin'ny mpanompo sampy tao Asdoda.
  • Azotosy no anarana Grika ilazana izany tanàna izany. Iray tamin'ireo tanàna nitorian'i Filipo, ilay evanjelistra ny filazantsara izany.

Asera

Facts

Asera no zanaka lahy fahavalon'i Jakoba. Iray tamin'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely izay antsoina ihany koa hoe "Asera" ny taranany.

  • Zilpa, ilay mpanompon'i Lea no renin'i Asera.
  • Midika hoe "faly" na "tahiana" ny anarany.
  • Anaran'ilay faritra voatokana ho an'ny fokon'i Asera fony niditra tao amin'ny tany nampanantenaina ihany koa ny hoe Asera.

Aseraha, hazon'i Aseraha, Astoreta

Facts

Aseraha no anaran'ny andriamanitra vavy notompoin'ireo vahoaka Kananita tamin'ny andro niainan'ny olona tao amin'ny Testamenta Taloha. Mety ho anarana hafa hiantsoana an'i "Aseraha" ny hoe "Astoreta," na mety ho anarana Andriamanitra vavy hafa izay misy hitoviana tokoa.

  • Ny teny hoe "hazon'i Aseraha" dia ilazana ny sary voasokitra hazo na hazo voasokitra natao mba haneho izany andriamanitra vavy izany.
  • Ny hazon'i Aseraha matetika dia napetraka teo akaikin'ny alitaran'ilay andriamanitra tsy izy atao hoe Bala, izay noheverina ho vadin'i Aseraha. Nisy vondron'olona sasany nivavaka tamin'i Bala ho toy ny hoe andriamanitry ny masoandro, ary Aseraha na Astoreta ho toy ny andriamanitra vavin'ny volana.
  • Nodidian'Andriamanitra hamotika ny sary sokitr'i Aseraha rehetra ny Zanak'Israely.
  • Nisy mpitarika Israelita sasantsasany toa an'i Gideona, Asa Mpanjaka, ary Josia Mpanjaka nankatoa an'Andriamanitra ary nitarika ny olona tamin'ny famotehana ireo sampy ireo.
  • Fa nisy mpitarika Israelita toa an'i Solomona Mpanjaka, Manase Mpanjaka, ary Ahaba Mpanjaka no tsy nanary ny hazon'i Aseraha ary nisarika ny olona hanompo ireny sampy ireny.

Asia

Facts

Tamin'ny andron'ny Baiboly, dia anarana faritany iray ao amin'ny Fanjakana Romana ny hoe "Asia." Tany amin'ny ilany andrefan'ny Torkia amin'izao no nisy azy.

  • Nandeha tany Asia i Paoly ary nizara ny filazantsara tao amin'ny tanàna maromaro tao. Isan'izany ny tanànan'i Efesosy sy Kolosia.
  • Mba hialana aminy fampifangaroana ny Asia amin'izao fotoana izao. dia mety ho ilaina ny mandika izany hoe: "ilay fanjakana Romana taloha antsoina hoe Asia" na "Faritanin'i Asia."
  • Ny fiangonana hita ao amin'ny Apokalypsy dia tao Asia, faritany Romana avokoa.

Askelona

Facts

Tamin'ny andro niainan'ny olona tao amin'ny Baiboly, i askelona dia tanàna lehiben'i Filistina hita teny amin'ny sisin-tanin'ny Ranomasin'i Mediterane. Mbola misy ao Israely izany ankehitriny.

  • Iray tamin'ireo tanàna dimy manana ny lanjany indrindra tao Filistina i Askelona, niaraka tamin'i Asdoda, Ekrona, Gata, ary Gaza.
  • Tsy tena nandresy tanteraka ny vahoakan'i Askelona ireo Zanak'Israely, na dia nitoeran'ny fanjakan'i Joda aza ny tany havoany.
  • Nitohy nitoeran'ireo Filistina an-jato taonany maro i Askelona.

Asyria, Asyriana, Fanjakana Asyriana

Facts

Firenena natanjaka tamin'ny fotoana nonenan'ny Zanak'Israely tao amin'ny tany Kanana i Asyria. Ny Fanjakana Asyriana dia vondrona firenena nanjakan'ny Mpanjaka Asyriana iray.

  • Tany amin'ny faritra iray izay ilany avaratry ny Iràka amin'izao ny firenen'i Asyria.
  • NIady tamin'Israely imbetsaka ny Asyriana tao amin'ny tantara.
  • Tamin'ny taona 722 Talohan'i Kristy, dia nambabo tanteraka ny fanjakan'Israely ireo Asyriana ary nanery ny maro tamin'ireo Israelita hifindra any Asyria.
  • Ireo Israelita sisa tavela dia nifanambady tamin'ireo vahiny izay nentin'ny Asyriana avy any Samaria tao Israely. Ny taranak'ireo olona nifanambady ireo no nantsoina taty aoriana hoe Samaritana.

Atalia

Facts

Atalia dia vady rasty fanahin'i Jehorama mpanjakan'i Joda. Zafikelin'i Omry Mpanjaka ratsy fanahin'Israely izy.

  • Taorian'ny nahafatesan'i Jehorama dia lasa mpanjaka i Ahazia zanaka lahin'i Atalia.
  • Rehefa maty i Ahazia zanany, dia nikonokonona ny hamono ny fianakaviana sisan'ny mpanjaka i Atalia.
  • Fa nafenin'ny nenitoany ary avotra tsy voavono i Joasy zafikelin'i Atalia. Izy no tonga mpanjakan'i Joda taty aoriana.

Azaria

Facts

Anarana lehilahy maromaro ao amin'ny Testamenta Taloha ny hoe Azaria.

  • Ny Azaria iray dia fantatra kokoa amin'ny anarana Babyloniana hoe: Abednego. Iray tamin'ireo Zanak'Israely maro avy any Joda izay nalain'ny tafik'i Nebokadnezara ho babo ary nentina nipetraka tany Babylona izy. Nandà ny hivavaka amin'ny mpanjakan'i Babylona i Azaria sy ireo Israelita namany, Hanania sy Misaela, koa dia natsipiny tao amin'ny lafaoro mirehitra afo izy ireo mba ho famaizana. Saingy narovan'Andriamanitra izy ireo ka tsy naninona akory.
  • Fantatra amin'ny hoe "Azaria" i Ozia mpanjakan'i Joda.
  • Ny Azaria iray hafa dia mpisoronabe iray ao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Tamin'ny andron'i Jeremia mpaminany, dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Azaria namporisika tamin'ny fomba tsy mety ny zanak'Israely tsy hankatoa an'Andriamanitra amin'ny fandaozana ny tany niavian'izy ireo.

Babela

Facts

Babela dia lehiben'ny tanàna ao amin'ny faritra iray antsoina hoe: Sinara ao amin'ny faritra atsimon'i Mesopotamia. Sinara izay nantsoina taty aoriana hoe: Babilona.

  • Ny zafikelin'i Ham: Nimroda, izay nitondra ny faritr'i Sinara no nahita ny tanànan'i Babela.
  • Ny vahoakan'i Sinara dia nanomboka nieboebo ary nanapa-kevitra hanangana tilikambo avo manakatra ny lanitra. Nantsoina hoe: "Tilikambon'i Babela" io taty aoriana.
  • Satria ny vahoaka nanangana ny tilikambo dia nandà hanaparitaka fa Andriamanitra no mibaiko, dia nafangarony ny fitenin'izy ireo mba tsy hampifankahazo azy ireo. Voatery nandeha nipetraka tamin'ny toerana maro samihafa nanerana ny tany izy ireo noho izany.
  • Ny dikan'ny fototry ny teny hoe: "Babela" dia "fifangaroana," izay nomena anarana rehefa nanafangaro ny fitenin'ny olona Andriamanitra.

Babilona, Babiloniana

Facts

Ny tanànan'i Babilona no renivohitry ny faritr'i Babilona taloha, izay anisan'ny fanjakan'ny Babiloniana.

  • Babilona dia hita eny amin'ny reniranon'i Efrata, ao amin'ny faritra izay nananganana ny Tilikambon'i Babela zato taona tany aloha tany.
  • Indraindray ny teny hoe: "Babilona" dia maneho ny Fanjakana Babiloniana manontolo. Ohatra: ny "mpanjakan'i Babilona" no nanapaka ny fanjakana manontolo, fa tsy ny tanàna fotsiny ihany.
  • Ireo Babiloniana dia vondron'olona mahery izay nanafika ny fanjakan'i Jodia ary nanao an-tsesitany ny olon'ny Babilona nandritry ny 70 taona.
  • Ny ampahany amin'io faritra io dia antsoina hoe: "Kaldea" ary ny olona mipetraka ao no "Kaldeana." Vokatr'izany, ny teny hoe: "Kaldea" dia matetika ampiasaina mba hanehoana an'i Babilona.
  • Ao amin'ny Testamenta vaovao, ny teny hoe: "Babilona" indraindray dia ampiasaina toy ny hoe sarinteny hanehoana toerana, olona, ary fomba fieritreretana izay mifandray amin'ny fanompoan-tsampy sy ny toetra feno fahotana hafa.
  • Ny andian-teny hoe: "Babilona Lehibe" na "tanàna lehiben'i Babilona" dia maneho tanàna iray na firenena iray izay midadasika, manan-karena, sy feno fahotana, tahaka ny tanànan'i Babilona taloha.

Bala

Facts

"Ny Bala" dia midika hoe: "tompo" ary anaran'ilay andriamanitra sandoka voalohany izay noderain'ireo Kananita.

  • Nisy andriamanitra sandoka teo an-toerana ihany koa nanana ny anarana hoe: "Bala" tamin'ny anaran'izy ireo, toy ny hoe: "Bala_peora." Indraindray ireo andriamanitra sandoka rehetra ireo dia miaraka antsoina hoe: "ilay Bala."
  • Ny anaran'ny olona sasany dia misy hoe: "Bala" ao anatiny.
  • Ny fiderana an'i Bala dia fanaovan-dratsy toy ny fanaovana sorona ny zanaka sy fijangajangana.
  • Amin'ny vanim-potoana samihafa amin'ny tantaran'izy ireo, ireo Israelita ihany koa dia lasa niditra lalina tokoa tamin'ny fanompoana an'i Bala, nanaraka ny ohatry ny firenena manompo sampy nanodidina azy ireo.
  • Nandritry ny fitondran'i Ahaba Mpanjaka, dia nametraka fitsapana ny Andriamanitr'i Elia mpaminany mba hanaporofoana amin'ny olona fa Bala dia tsy misy fa Yaveh irery ihany no Andriamanitra marina. Ka noho izany, ireo mpaminanin'i Bala dia rava ary nanomboka nanompo an'Yaveh indray ny olona.

Balama

Facts

Balama dia mpaminany mpanompo sampy izay nokaramain'i Baleka Mpanjaka mba hanisy ozona an'Israely raha mbola nitoby tao amin'ny Reniranon'i Jordana ao Moaba avaratra izy ireo, teo am-piomanana hiditra ny tanin'i Kanana.

  • Balama dia avy any amin'ny tanànan'i Petora, izay hita ao amin'ny faritra manodidina ny Reniranon'i Efrata, eo amin'ny 400 kilometatra miala amin'ny tanin'i Moaba.
  • Midiana mpanjaka, Baleka, dia natahotra ny hery sy ny isan'ireo Israelita, ka nanakarama an'i Balama izy mba hanisy ozona azy ireo.
  • Raha nandeha tany Israely i Balama, dia nisy anjelin'Andriamanitra iray nitsangana teo amin'ny lalany ka nijanona ny ampondran'i Balama. Nomen' Andriamanitra fahafahana miresaka amin'i Balama ihany koa ilay ampondra.
  • Andriamanitra dia tsy namela an'i Balama hanisy ozona an'ireo Israelita fa kosa nibaiko azy mba hanamasina azy ireo.
  • Taty aoriana anefa, Balama dia mbola nitondra ny ratsy tamin'ireo Israelita rehefa nitarika azy ireo hanompo an'i Bala-peora andriamanitra sandoka.

Barabasy

Facts

Barabasy dia gadra iray tao Jerosalema tamin'ny fotoana izay nisamborana an'i Jesosy.

  • Barabasy dia jiolahy izay namono olona sy mpikomy tamin'ny governemanta Romana.
  • Rehefa nanolotra Pilato hoe hamotsitra an'i Jesosy na Barabasy, dia nisafidy an'i Barabasy ny vahoaka.
  • Ka navotsitr'i Pilato i Barabasy mba ho olon'afaka, fa Jesosy nohelohina ho faty.

Barnabasy

Facts

Barnabasy dia iray amin'ireo Kristiana teo aloha izay niaina nandritry ny fotoan'ireo apostoly.

  • Barnabasy dia avy amin'ny foko Israelitan'i Levy ary avy amin'ny nosin'i Kyprosy.
  • Rehefa lasa Kristiana i Saoly (Paoly), dia nampirisika ireo mpino hafa Barnabasy mba hanaiky azy toy ny namana mpino.
  • Barnabasy sy Paoly dia niara-dalana mba hitory ny vaovao mahafaly momban'i Jesosy tamin'ny tanàna samihafa.
  • Ny anarany dia Josefa, fa nantsoina hoe: "Barnabasy" izy, izay midika hoe: "zanaky ny fankaherezana."

Baroka

Facts

Ny Baroka dia anarana lehilahy maromaro ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Baroka iray (zanaka lahin'i Zabala) niasa niaraka tamin'i Nehemia mba hanamboatra ny rindrin'i Jerosalema.
  • Ary ihany koa nandritry ny fotoan'i Nehemia, Baroka iray hafa (zanaka lahin'i Kol hozea) mpitarika iray izay nanorim-ponenana tao Jerosalema rehefa voatsangana indray ny rindrina.
  • Baroka hafa (zanaka lahin'i Neria) mpanampy an'i Jeremia mpaminany, izay nanampy azy tamin'ny raharaha samihafa toy ny fanoratana ny hafatr' Andriamanitra nomena an'i Jeremia ary mamaky izany ho an'ny vahoaka.

Bartolomeo

Facts

Bartolomeo dia iray amin'ireo apostoly roa ambinifolon'i Jesosy.

  • Niaraka tamin'ny apostoly hafa, Bartolomeo dia nalefa mba hitory ny filazantsara sy hanao fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy.
  • Izy ihany koa dia iray tamin'ireo izay nahita an'i Jesosy niverina any an-danitra.
  • Herinandro vitsivitsy taorian'izay, dia niaraka tamin'ireo apostoly hafa tany Jerosalema izy tamin'ny Pantekosta rehefa nidina teo ambonin'izy ireo ny Fanahy Masina.

Basa

Facts

Basa dia iray amin'ireo mpanjaka ratsin'Israely, izay nitarika ireo Israelita hanompo sampy.

  • Basa no mpanjakan'Israely fahatelo ary nanjaka efatra amby roapolo taona, nandritra ny fotoana izay Asa no mpanjakan'i Joda.
  • Miaramila mpibaiko izay lasa mpanjaka tamin'ny alalan'ny famonoana ny mpanjaka teo aloha izy, dia i Nadaba izany.
  • Nandritry ny fanjakan'i Basa dia nisy ady marobe teo amin'ny fanjakan'Israely sy Joda, indrindra indrindra tamin'i Asa mpanjakan'i Joda.
  • Ireo fahotana maro nataon'i Basa dia nahatonga an'Andriamanitra nanala azy teo amin'ny toerany tamin'ny alalan'ny fahafatesany.

Basana

Facts

Basana dia faritra iray amin'ny tany atsinanan'ny Ranomasin'i Galilia. Niely ny faritra iray izay ampahany amin'ny Siria sy ny Golana.

  • Ny tanàna fialofana ao amin'ny Testamenta Taloha antsoina hoe: "Golana" dia hita ao amin'ny faritr'i Basana.
  • Basana dia faritra tena mamokatra malaza amin'ny hazo oaka ao aminy sy ireo biby fiompy.
  • Genesisy 14 dia nanoratra fa Basana no toeran'ny ady nisy teo amin'ny mpanjaka maro sy ny firenen'izy ireo.
  • Nandritry ny firenirenin'Israely tany an'efitra taorian'ny fitsoahan'izy ireo tany Egypta, dia nahazo ampahany tamin'ny faritr'i Basana izy ireo.
  • Taona maromaro taty aoriana, dia nahazo fanampiana avy tamin'io faritra io Solomona mpanjaka.

Batseba

Facts

Batseba dia vadin'i Oria, miaramila iray tao amin'ny tafik'i Davida Mpanjaka. Taorian'ny nahafatesan'i Oria, dia lasa vadin'i Davida izy, ary renin'i Solomona.

  • Nanao fijangajangana tamin'i Batseba i Davida tamin'i Batseba mbola vadin'i Oria.
  • Rehefa nitoe-jaza tamin'i Davida i Batseba, dia nataon'i Davida ho faty an'ady i Oria.
  • Nanambady an'i Batseba i Davida avy eo ary niteraka ny zanak'izy ireo i Batseba.
  • Nanasazy an'i Davida noho ny otany Andriamanitra tamin'ny alalan'ny famonoana ny zanany andro maromaro taorian'ny nahaterahany.
  • Taty aoriana, Batseba dia niteraka zanaka lahy hafa, dia Solomona, izay niha-lehibe ka lasa mpanjaka taorian'i Davida.

Belzeboba

Facts

Ny Belzeboba dia anarana hafan'i Satana, na ilay devoly. Indraindray izany dia soratana hoe: "Belzebola."

  • Io anarana io dia midika ara-bakiteny hoe: "mpanjakan'ny lalitra" izay midika hoe: "mpanapaka eo amin'ny demonia." Fa tsara raha atao mifanakaiky amin'ny tena fanoratana azy ny dikany toy izay mandika ny heviny.
  • Afaka adika ihany koa hoe: "Belzeboba ilay ratsy" mba hampazava kokoa hoe iza no resahana.
  • Io anarana io dia misy hifandraisany amin'ny anaran'ilay andriamanitra sandoka "Bal-zeboban'i Ekrona."

Benaia

Facts

Benaia dia anarana olona maromaro ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Benaia zanak'i Jehoda dia iray tamin'ireo lehilahy maherin'i Davida. Izy dia miaramila mahay miady ary notendrena ho mpiaro an'i Davida.
  • Rehefa lasa mpanjaka Salomona, dia nanampy azy handrava ireo fahavalony i Benaia. Lasa mpibaiko ny tafika Israelita izy.
  • Ny olona hafa ao amin'ny Testamenta Taloha dia manome anarana an'i Benaia sy Levita telo hoe: mpisorona, mpitendry zava-maneno, ary taranak'i Asafa.

Benjamina

Facts

Benjamina no zanaka faralahin'i Jakoba sy Rahely vadiny. Ny anarany dia midika hoe: "zanaky ny tanana havanako."

  • Izy sy ny zokiny lahy Josefa ihany no zanak'i Rahely, izay maty taorian'ny nahaterahan'i Benjamina.
  • Ny taranak'i Benjamina dia lasa iray amin'ireo foko roa ambinifolon'Israely.
  • Saoly Mpanjaka dia avy amin'ny foko Israelitan'i Benjamina.
  • Paoly apostoly ihany koa avy amin'ny foko Israelitan'i Benjamina.

Beri-sheba

Facts

Ao amin'ny Testamenta Taloha, Beri-sheba dia tanàna iray izay hita eo ho eo amin'ny 45 kilometatra atsimo_andrefan'i Jerosalema any amin'ny tany efitra faritra izay antsoina hoe: Negeva.

  • Ny tany efitra manodidina an'i Beri-sheba no tany efitra izay nirenirenen'i Hagara sy Ismaely taorian'ny nandroahan'i Abrahama azy ireo tao amin'ny lainy.
  • Ny dikan'io anaran-tanàna io dia hoe: "fantsakan'ny fianianana." Nomena izany anarana izany io rehefa nianiana tsy hanasazy ny olon'i Abimeleka mpanjaka tamin'ny fanaovana bodongerony ny iray amin'ny fantsakany Abrahama.

Beria

Facts

Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao, Beria (na Beroia) dia tanàna Grika mivoatra ao atsimo antsinanan'i Makedonia, eo ho eo amin'ny 80 kilometatra atsimon'i Tesalonika.

  • Paoly sy Silasy nandositra tany amin'ny tanànan'i Beria rehefa nanampy azy ireo handositra ny Jiosy sasan-tsasany izay niteraka olana ho azy ireo tao Tesalonika ny Kristiana naman'izy ireo.
  • Rehefa nandre an'i Paoly nitory ny olona nipetraka tao Beria, dia nitady Soratra Masina izy ireo mba hanamafisana fa marina izay lazainy.

Beta Shemesha

Facts

Beta Shemesha dia anaran-tanàna Kananita tokotokony eo amin'ny 30 kilometatra andrefan'i Jerosalema.

  • Ireo Israelita dia nambabo an'i Beta Shemesha nandritry ny fotoana nitantanan'i Josoa.
  • Beta Shemesha dia tanàna iray izay natsangana ho toerana hipetrahan'i Levita mpisorona .
  • Rehefa nentin'ireo Filistina niverina tao Jerosalema ny fiaran'ny fanekena nisy nangalatra, dia Beta Shemesha no tanàna voalohany nijanonan'izy ireo niaraka tamin'izany.

Betania

Facts

Ny tanànan'i Betania dia hita ao amin'ny fototry ny sisiny antsinanan'ny Tendrombohitr'Oliva, eo ho eo amin'ny 2 kilometatra antsinanan'i Jerosalema.

  • Betania dia akaikin'ny lalana eo anelanelan'i Jerosalema sy Jeriko.
  • Jesosy matetika dia mankany Betania toerana izay honenan'i Lazarosy namany akaiky, Marta, ary Maria.
  • Betania dia fantatra amin'ny hoe: toerana nananganan'i Jesosy tamin'ny maty an'i Lazarosy.

Betela

Facts

Betela dia tanàna iray izay hita ao avaratr'i Jerosalema ao amin'ny tanin'i Kanana. Teo aloha izany dia nantsoina hoe: "Luz."

  • Taorian'ny nandraisana voalohany ny fampanantenan'Andriamanitra, Abrama (Abrahama) dia nanangana alitara iray ho an'Andriamanitra teo akaikin'i Betela. Ny anaran'ilay tanàna amin'izao dia tsy mbola Betela tamin'izany, fa matetika izany dia atao hoe: "Betela" izay fantatra kokoa.
  • Rehefa nitsoaka an'i Esao rahalahiny, dia nijanona alina iray teo akaikin'io tanàna io Jakoba ary natory tamin'ny tany teo ivelany teo. Raha mbola natory izy, dia nanofy anjely niakatra sy nidina tamin'ny tohatra nankany an-danitra.
  • Io tanàna io dia tsy nanana ny anarana hoe: "Betela" raha tsy efa nomen'i Jakoba izany anarana izany. Mba hampazava kokoa izany, ny fandikan-teny sasany dia mety mandika izany hoe: "Luz ( nantsoina hoe Betela taty aoriana)" ao amin'ny andalana momba an'i Abrahama, sy ny nahatongavan'i Jakoba voalohany tao (talohan'ny nanovany ny anarana).
  • Betela matetika dia voatonona anarana ao amin'ny Testamenta Taloha ary toerana izay nisehoan'ny tranga maro.

Betlehema, Efrata

Facts

Betlehema dia tanàna kely ao amin'ny tanin'Israely, akaikin'ny tanànan'i Jerosalema. Fantatra amin'ny hoe: "Efrata," izay mety ho anarana niatombohany.

  • Betlehema dia nantsoina hoe: "tanànan'i Davida," satria tao Davida no teraka.
  • Mika mpaminany dia nilaza fa ny Mesia dia tokony avy ao "Betlehema Efrata."
  • Mba hahatanteraka io faminaniana io, dia teraka tao Betlehema i Jesosy, taona maro taty aoriana.
  • Ny anarana hoe: "Betlehema" dia midika hoe: "tranon'ny mofo" na "tranon'ny sakafo."

Betoela

Facts

Betoela dia zanaka lahin'i Nahora rahalahin'i Abrahama.

  • Betoela no rain'i Rebeka sy Labana.
  • Nisy tanàna iray ihany koa antsoina hoe: Betoela, izay hita ao atsimon'i Joda, tsy dia lavitra ny tanànan'i Beri-sheba.

Boaza

Facts

Boaza dia lehilahy Israelita vadin'i Rota, raiben'i Davida Mpanjaka, ary razamben'i Jesosy Kristy.

  • Boaza dia niaina nandritry ny fotoana nisian'ny mpitsara tao Israely.
  • Havana vehivavy iray Israelita antsoina hoe Naomy izay niverina tany Israely taorian'ny nahafatesan'ny vadiny sy ireo zanany lahy tao Moaba.
  • Boaza "nanavotra" ny vinantovavy mpitondra tenan'i Naomy, i Rota tamin'ny alalan'ny fampanambadiany sy fanomezany ho avy azy miaraka amin'ny vadiny sy ny zanany.
  • Toy ny kisarisarin'ny famonjena sy fanavotan'i Jesosy antsika tamin'ny fahotana izy.

Damaskosy

Facts

Damaskosy dia renivohitry ny firenena Syriana. Ary dia mbola eo amin'ilay toerany ao amin'ny Baiboly ihany noho misy azy.

  • Damaskosy dia iray amin'ireo tanàna taloha indrindra eran-tany, izay tanàna be mponina be.
  • Tamin'ny andron'i Abrahama, Damaskosy dia renivohitry ny fanjakana Arama(Izay hita ao Syria amin'izao).
  • Nandritra ny Testamenta Taloha, dia maro ireo fanehoana ny fifandraisana nisy teo amin'ireo mponin'i Damaskosy sy ny vahoakan'Israely.
  • Faminaniana maro tao amin'ny Baiboly no nilaza ny fandringanana an'i Damaskosy. Ireo faminaniana ireo dia mety ho tanteraka raha noravain'i Asyria ny tanàna nandritry ny Testamenta Taloha, na mety koa hoe hisy fandringanana tanteraka an'ity tanàna ity.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, Saoly ilay Fariseo (fantatra taty aoriana hoe Paoly) dia an-dalana ny hisambotra an'ireo Kristianina raha niatrika azy Jesosy ary nahatonga azy ho tonga mpino.

Dana

Facts

Dana dia ilay zanaka lahy fahadimin'i Jakoba ary iray tamin'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely. Ny faritra dia napetraka tao amin'ny fokon'i Dana tany amin'ny tapany avaratr'i Kanàna ary koa nomena io anarana io.

*Nandritra ny andron'i Abrahama, dia nisy tanàna natsoina hoe Dana izay hita tany andrefan'i Jerosalema. *Taona maro taty aoriana, nandritra ny fotoana izay nidiran'ny firenena Israely tao amin'ilay tany nampanantenaina, nisy tanàna hafa natsoina hoe Dana izay teo amin'ny 60km mianavaratra an'i Jerosalema. *Ny teny hoe, "Danita" dia maneho ireo taranak'i Dana, izay mpikambana ao amin'ny fianakaviambeny.


Daniela

Facts

Daniela dia mpaminany Israelita, izay tovolahy nogadrain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tamin'ny taona 600 Talohan'i Kristy.

  • Izany dia nandritra ny fotoana izay nanagadraina Israelita maro hafa avy tao Joda nandritry ny 70 taona
  • Daniela dia nomena anarana Babylonianina hoe Beltesazara.
  • Daniela dia tovolahy mendri-boninahitra sy marina izay manaja anÁndriamanitra.
  • Andriamanitra dia namela an'i Daniela hamaky nofy na fahitana maromaro ho an'ireo mpanjakan'i Babylona.
  • Noho ny fahaizana sy noho ny toetra mendrikany, Daniela dia nomena toerana ambony hitarika tao amin'ny fanjakana Babylona.
  • Taona maro taty aoriana, ireo fahavalon'i Daniela dia namitaka an'i Dariosy mpanjakan'i Babylona tamin'ny fanaovana ho lalana ny tsy fahafahana midera an'iza na iza afa-tsy ny mpanjaka ihany. Daniela dia mbola nanohy ny vavaka tamin'Andriamanitra, koa dia voasambotra ary dia natsipy tao anatin'ny lavak'ireo liona. Fa Andriamanitra dia namonjy azy ary dia tsy naratra izy.

Dariosy

Facts

Dariosy dia anaran'ireo mpanjaka maro tao Persia. Izany dia mety hoe "Dariosy" dia kely noho ny anarana.

  • "Dariosy ilay Mediana" dia ilay mpanjaka izay voafitaka mba hanipy an'i Daniela ao amin'ny lavaky ny liona ho fanasaziana tamin'ny nivavahany tamin'Andriamanitra.
  • "Dariosy ilay Persia" dia nanampy mba hanamora ny fanavaozana ny tempoly tao Jerosalema nandritra ny andron'i Ezra sy Nehemia.

Davida

Facts

Davida dia ilay mpanjaka faharoa an'Israely ary dia tia sy nanompo an'Andriamanitra koa izy. Izy no mpanoratra fototra ny bokin'ny Salamo.

  • Tamin'ny Davida mbola tovolahy mpikarakara ny ondrim-pianakaviny, Andriamanitra dia nisafidy azy ho mpanjakan'Israely manaraka.
  • Davida dia lasa mpiady lehibe ary nitarika ny tafika Israelita hiady amin'ireo fahavalony. Ny fahandreseny an'ilay Filistina Goliata dia fantatsika tsara.
  • Saoly mpanjaka dia niezaky ny namono an'i Davida, fa Andriamanitra dia niaro azy, ary dia nataon'Andriamanitra mpanjaka izy tao aorian'ny fahafatesan'i Saoly.
  • Davida dia nanota be, fa nibebeka izy ka namela azy Andriamanitra.
  • Jesosy, ilay Mesia, dia natsoina hoe ilay "Zanak'i Davida" satria dia avy amin'ny taranaky Davida mpanjaka Izy.

Delila

Facts

Delila dia vehivavy Filistina izay tian'i Samsona, fa tsy vadiny.

  • Delila dia tia vola mihoatra ny fitiavany an'i Samsona.
  • reo filistina dia nanao kolikoly tamin'i Delila mba hamitahana an'i Samsona hilaza hoe inona no mampalemy azy. Ary rehefa niala ny heriny, dia nosamborin'ireo filistina izy.

Edena, Saha Edena

Facts

Tamin'ny andro taloha, Edena dia faritra iray nisy ny saha izay nametrahan'Andriamanitra ny lehilahy sy vehivavy voalohany mba honenany.

  • Ampahany tamin'i Edena ihany no nonenan'i Adama sy Eva.
  • Ny toerana mazava nisy ny faritr'i Edena dia tsy tena fantatra loatra, saingy namaky izany ny Reniranon'i Efrata sy Tigris.
  • Ny teny hoe "Edena" dia avy amin'ny teny Hebreo izay midika hoe "mankafy fatratra ny."

Edoma, Edomita

Facts

Edoma no anarana hafa niantsoana an'i Esao. Ny faritra izay nonenany dia nanjary fantatra tamin'ny hoe "Edoma." Ireo "Edomita" no taranany.

  • Niova ny haben'ny faritr'i Edoma rehefa nandeha ny taona. Tany atsimon'Israely no nisy azy ary taty aoriana dia nihitatra tany atsimon'i Joda.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Taloha, nameno ny tapany atsimon'ny faritanin'i Joda i Edoma. Nantsoin'ireo Grika hoe "Idomea" izany.
  • Midika hoe "mena" ny anarana hoe "Edoma,'' izay mety misy hifandraisany amin'ny naha feno volo menamena an'i Esao tamin'ny nahaterahany. Na mety misy hifandraisany amin'ilay voanemba mena namarotan'i Esao ny fizokiany izany.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny tanin'i Edoma dia voatonona matetika ho fahavalon'Israely.
  • Ny bokin'i Obadia manontolo dia miresaka momba ny fandravana an'i Edoma. Nisy mpaminany hafa koa tao amin'ny Testamenta Taloha naminany ratsy ny amin'i Edoma.

Efesosy

Facts

Efesosy dia tanàna Grika taloha, any amin'ny sisin-tany andrefan'ilay antsoina hoe Tiorka ankehitriny.

  • Tamin'ny andron'ireo Kristiana tany am-boaloha, Efesosy dia renivohitr'i Asia, izay faritany kely tao Roma tamin'izany andro izany.
  • Nohon'ny toerana nisy azy, dia ivon'ny varotra sy ny fitsangatsanganana lehibe izany tanàna izany.
  • Tao Efesosy no nisy ny tempolin'ny mpanompo sampy fanta-daza iray natao hivavahana tamin'i Artemisy (Diana) dia ilay andriamanitra vavy.
  • Nipetraka sy niasa tany Efesosy nandritra ny roa taona mihoatra i Paoly ary taty aoriana dia notendreny i Timoty mba hitarika ireo mpino vaovao tany.
  • Ny bokin'ny Efesiana ao amin'ny Testamenta Vaovao dia taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ireo mpino tao Efesosy.

Efraima

Facts

Zanaka lahy faharoan'i Josefa i Efraima. Ireo Efraimita, taranany, dia nivondrona ho iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely.

  • Iray tamin'ireo foko folo hita tany amin'ny faritra avaratr'Israely ny fokon'i Efraima.
  • Indraindray ny teny hoe Efraima ao amin'ny Baiboly dia entina ilazana ny fanjakana avaratr'Israely manontolo.
  • Raha ny hita dia faritra feno tendrombohitra sy havoana i Efraima, izay mifototra amin'ny fiantsoana azy hoe "tanàna havoan'i Efraima" na "ny tendrombohitr'i Efraima."

Efrata, Efratita

Facts

Anarana tanàna sy faritra tany amin'ny ilany avaratr'Israely ny hoe Efrata. Io tanànan'i Efrata io no nantsoina taty aoriana hoe "Betlehema" na "Efrata-Betlehema."

  • Anaran'ny iray tamin'ny zanak'i Kaleba i Efrata. Mety ho avy aminy no nahatonga ny anaran'ny tanànan'i Efrata.
  • Ny olona izay avy amin'ny tanànan'i Efrata dia antsoina hoe "Efratita."
  • Boaza, raiben'i Davida dia Efratita.

Egypta, Egyptiana

Facts

Firenena any amin'ny ilany avaratra-atsinanan'i Afrika i Egypta, any atsimo-atsinanan'ny tany Kanana. Ny Egyptiana dia olona avy amin'ny tany Egypta.

  • Tamin'ny andro taloha dia firenena matanjaka sady manan-karena i Egypta.
  • Ny Egypta teo aloha dia nizara roa, Egypta Ambany (ilany avaratra izay hivarinan'ny Reniranon'i Neily any an-dranomasina) ary Egypta Ambony (any amin'ny ilany atsimo). Ao amin'ny Testamenta Taloha, ireo fizarana ireo dia antsoina hoe "Egypta" sy "Patrosy" araka ny fitenin'ny lahatsoratra nipoirany.
  • Imbetsaka, rehefa kely ny sakafo tao Kanana, dia nandeha tany Egypta mba hividy sakafo ho an'ny fianakaviany ny patriarik'Israely.
  • An-jato taonany maro no andevo tany Egypta ireo Zanak'Israely.
  • Nidina nakany Egypta i Josefa sy Maria niaraka tamin'i Jesosy zazakely, mba handositra an'i Heroda tsara indrindra.

Ekrona

Facts

Tanàna lehibe tao Filistina i Ekrona, sivy kilometatra miala amin'ny Ranomasina Mediteraanena any afovoan-tany no misy azy.

  • Tao Ekrona no nisy tempolin'andriamanitra tsy izy natao hoe Bal-zeboba.
  • Rehefa nogiazan'ireo Filistina ny fiaran'ny fanekena, dia nentin'izy ireo tany Asdoda izany, ary avy eo dia nafindran'izy ireo tany Gata sy Ekrona satria nataon'Andriamanitra narary sy maty hatrany ny olona tany amin'izay tanàna rehetra nitondrana ny fiara.
  • Rehefa nianjera avy teny an-tafo-tranony ka naratra i Ahazia Mpanjaka, dia nanota tamin'ny niezahany hahafantatra tany amin'ny andriamanitra sandok'i Ekrona raha ho fatin'ny ratra nahazo azy izy na tsia. Noho izany fahotana izany, dia nambaran'Yaveh fa ho faty izy.

Elama

Facts

Zanaka lahin'i Sema i Elama ary zafikelin'i Noa.

  • Nantsoina hoe "Elamita" ny taranak'i Elama ary ny faritra nonenan'izy ireo dia nantsoina ihany koa hoe "Elama."
  • Tany atsimo-atsinanan'ny Reniranon'i Tigris, ilay antsoina ankehitriny hoe tany Iraniana no nisy ny faritr'i Elama.

Eleazara

Facts

Anarana olona lehilahy maromaro ao amin'ny Baiboly ny hoe Eleazara.

  • Zanaka lahy fahatelon'i Arona rahalahin'i Mosesy i Eleazara. Taorian'ny nahafatesan'i Arona, dia lasa mpisoronabe tao Israely i Eleazara.
  • Eleazara koa dia anaran'ny "lehilahy maherin'i Davida" iray.
  • Ny Eleazara iray hafa dia razamben'i Jesosy.

Elia

Facts

Iray amin'ireo mpaminan'i Yaveh lehibe indrindra i Elia. Naminany tamin'ny fanjakan'ny mpanjakan'Israely na Joda maromaro i Elia, ao anatin'izany i Ahaba Mpanjaka.

  • Nanao fahagagana maro tamin'ny alalan'i Elia Andriamanitra, isan'izany ny fanaganana zazalahy iray tamin'ny maty.
  • Niteny mafy an'i Ahaba Mpanjaka nohon'ny fanompoany an'i Bala ilay andriamanitra tsy izy i Elia.
  • Nihantsy ireo mpaminanin'i Bala izy mba hanao fitsapana izay manaporofo fa i Yaveh ihany no hany Andriamanitra marina.
  • Teo am-pahataperan'ny ain'i Elia, dia nalain'Andriamanitra tamin'ny fomba mahagaga niakatra tany an-danitra izy raha mbola velona.
  • Efa an-jato taonany maro taty aoriana dia niseho niaraka tamin'i Jesosy teo an-tendombohitra i Elia, niaraka tamin'i Mosesy ary niara-niresaka momba ny fijaliana sy fahafatesan'i Jesosy any Jerosalema izay efa ho avy izy ireo.

Eliakima

Facts

Anarana lehilahy anankiroa ao amin'ny Testamenta Taloha ny hoe Eliakima.

  • Ny lehilahy iray izay antsoina hoe Eliakima dia mpitandrin-draharaha tao amin'ny lapa tao ambany fahefan'i Hezekia Mpanjaka.
  • Ny lehilahy iray hafa izay antsoina hoe Eliakima dia ny zanaka lahin'i Josia Mpanjaka. Nataon'i Neko, farao Egyptiana ho mpanjakan'i Joda izy.
  • Novain'i Neko ho Joiakima ny anaran'i Eliakima.

Elisa

Facts

Elisa dia mpaminany tany Israely nandritra ny fanjakan'ny mpanjakan'Israely maro: Ahaba, Ahazia, Jehorama, Jeho, Joahaza, Joasy.

  • Nasain'Andriamanitra nanosotra an'i Elisa ho mpaminany i Elia mpaminany.
  • Rehefa nakarina ho any an-danitra tao amin'ny kalesy afo i Elia, dia i Elisa no lasa mpaminanin'Andriamanitra teo amin'ireo mpanjakan'Israely.
  • Nanao fahagagana maro i Elisa, ao anatin'izany ny fanasitranana lehilahy iray avy any Syria izay nisy habokana, sy ny fananganana tamin'ny maty ny zanaka lahin'i Sonema.

Elizabeta

Facts

Elizabeta no renin'i Jaona Mpanao Batisa. Zakaria no anaran'ny vadiny.

  • Tsy nety nahazo zaza mihitsy i Zakaria sy Elizabeta, fa tamin'ny fahanteran'izy ireo, dia nampanantena an'i Zakaria Andriamanitra fa hanan-janaka lahy aminy i Elizabeta.
  • Nihazona ny fampanantenany Andriamanitra, ary tsy ela akory dia afaka nitoe-jaza i Elizabeta, ary niteraka zaza lahy. Nantsoin'izy ireo hoe Jaona ilay zazakely.
  • I Elizabeta ihany koa dia Havana akaikin'i Maria renin'i Jesosy.

En Gedi

Facts

Anarana tanàna iray tany amin'ny tany efitr'i Joda atsimo-atsinanan'i Jerosalema i En Gedi.

  • Tany amin'ny sisiny andrefan'ny Ranomasina Maty no nisy an'i En Gedi.
  • Ny ampahany amin'ny anarany dia midika hoe "loharano," izay misy hifandraisany amin'ny loharano iray izay mikoriana midina ny tanàna makany amin'ny ranomasina.
  • Fantatra tamin'ny fananany tanim-boaloboka tsara tarehy sy tany mahavokatra hafa koa i En Gedi, izay mety ho vokatry ny fanondrahan'ilay loharano tsy miato.
  • Nisy fiarovana mafy tany En Gedi izay nandehanan'i Davida nandositra rehefa nanao haza-lambo azy i Saoly Mpanjaka.

Enoka

Facts

Anarana lehilahy anankiroa ao amin'ny Testamenta Taloha ny hoe Enoka.

  • Ny lehilahy iray antsoina hoe Enoka dia taranaka avy amin'i Seta. Izy no raiben'i Noa.
  • Nanana fifandraisana akaiky tamin'Andriamanitra io Enoka io ary rehefa 365 taona izy, dia nalain'Andriamanitra niakatra tany an-danitra raha mbola tsy maty akory.
  • Ny lehilahy hafa antsoina hoe Enoka dia ny zanaka lahin'i Kaina.

Esao

Facts

Iray tamin'ireo zanaka lahy kamban'i Rebeka i Esao. Izy no zaza teraka voalohany. I Jakoba no rahalahy kambana taminy.

  • Nivarotra ny fizokiany tamin'i Jakoba rahalahiny izy ho takalona sakafo iray lovia jobo.
  • Satria teraka voalohany i Esao, dia tokony ho nanome tso-drano manokana ho azy Isaka rainy. Saingy namitaka an'Isaka i Jakoba mba hanomezany izany tso-drano izany hoe azy kosa. Tamin'ny voalohany dia tezitra mafy i Esao hany ka nitady ny hamono an'i Jakoba, fa taty aorina dia namela azy izy.
  • Nanan-janaka sy zafy maro i Esao, ary ireo taranaka ireo no lasa vondron'olona lehibe nonina tao amin'ny tany kanana.

Estera

Facts

Estera dia vehivavy Jiosy izay lasa mpanjakan'ny fanjakana Persiana tamin'ny andro nahalasan-ko babon'ny Babyloniana an'ireo Jiosy.

  • Ny bokin'i Estera dia mitantara ny nahatonga an'i Estera ho lasa vadin'i Ahasoerosy Mpanjakan'i Persia sy ny nampiasan'Andriamanitra azy mba hamonjy ny vahoakany.
  • Estera dia kamboty izay nobeazin'i Mordekay, havana mpiray tampoa aminy.
  • Ny fankatoavany ny ray nanangana azy no nanampy azy ho mpankatoa an'Andriamanitra.
  • Nankatoa an'Andriamanitra i Estera ary nanao vy very ny ainy mba hamonjy ny vahoakany, dia ireo Jiosy.
  • Ny tantaran'i Estera dia maneho ny fifehezan'Andriamanitra ny tranga eo amin'ny tantara amin'ny maha mpanjaka Azy, indrindra ny fomba fiarovany ny olony sy ny fiasany amin'ny alalan'ireo izay mankatoa Azy.

Etiopia, Etiopiana

Facts

Etiopia dia firenena any Afrika hita tany atsimon'i Egypta, voafetran'ny Reniranon'i Neily any andrefana ary ny Ranomasina Mena any antsinanana. Ny olona izay avy any Etiopia dia antsoina hoe "Etiopiana."

  • Tany atsimon'i Egypta no nisy ny Etiopia taloha ary nisy ireo tany izay isan'ireo firenena Afrikana maromaro ankehitriny, tahaka an'i Sodana, Etiopia taty aoriana, Somalia, Kenia, Oganda, Repobika Afovoan'i Afrika, ary Chad.
  • Ao amin'ny Baiboly, i Etiopia matetika dia antsoina hoe "Cush" na "Nobia."
  • Ny firenen'i Etiopia sy Egypta matetika dia miara-voatonona ao amin'ny Baiboly, mety hoe nohon'ny fifanakekezan'izy ireo izany ary mety ho nisy razambe nikambanan'ireo vahoaka.
  • Naniraka an'i Filipo evanjelisitra tany amin'ny tany efitra iray izay nizarany ny vaovao mahafaly momba an'i Jesosy niaraka tamina ionoka Etiopiana iray Andriamanitra.

Eva

Facts

Io no anaran'ny vehivavy voalohany. Midika hoe "aina" na "velona" ny anarany.

  • Namboarin'Andriamanitra avy tamin'ny taolan-tehezana izay nalainy avy tamin'i Adama i Eva.
  • Namboariana mba ho "mpanampy" an'i Adama i Eva. Niaraka teo akaikin'i Adama hatarany i Eva mba hanampy azy tamin'ny asa izay nomen'Andriamanitra ho ataon'izy ireo.
  • Nalain'i Satana fanahy (tamin'ny endrika menarana) i Eva ary izy no nanota voalohany tamin'ny nihinanany ny voankazo izay nambaran'Andriamanitra mba tsy hohanina.

Ezekiela

Facts

Mpaminany tamin'ny fotoan'ny fanaovan-tsesitany izay nitondrana ny Jiosy maro nakany Babylona i Ezekiela.

  • Mpisorona nonina tany amin'ny fanjakan'i Joda tamin'ny nambaboan'ny tafika Babyloniana azy sy ireo Jiosy maro hafa izy.
  • Nandritra ny roapolo taona noho mihoatra, dia nipetraka tany Babylona teo akaikin'ny renirano iray izy sy ny vadiny, ary tonga teny ny Jiosy mba hiaino azy manambara ny hafatra avy amin'Andriamanitra.
  • Tamin'ny zavatra maro hafa, dia naminany ny amin'ny fandravana sy ny fanorenana an'i Jerosalema sy ny tempoly indray i Ezekiela.
  • Naminany momba ny fanjakan'i Mesia amin'ny ho avy ihany koa izy.

Ezra

Facts

Ezra dia mpisorona Israelita sady mpahay lalàn'ny Jiosy izay nandrakitra ny tantaran'ny niverenan'ny Zanak'Israely nakany Jerosalema avy tany Babylona izay nahalasan-ko babo an'Israely nandritra ny 70 taona.

  • Noraketin'i Ezra tao amin'ny bokin'i Ezra ao amin'ny Baiboly io ampahan'ny tantaran'Israely io. Mety ho izy koa no nanoratra ny bokin'i Nehemia, satria tany am-boalohany dia boky iray tokana ireo boky roa ireo.
  • Rehefa niverina tany Jerosalema i Ezra dia nametraka indray ny Lalàna, satria nitsahatra ny nitandrina ny lalàn'ny Sabata ireo Zanak'Israely ary nifanambady tamin'ny vehivavy izay nanaraka ny fivavahan'ny mpanompo sampy.
  • Nanampy tamin'ny fanaganana indray ny tempoly izay noravan'ireo Babyloniana tamin'ny nambaboan'izy ireo an'i Jerosalema ihany koa izy.
  • Misy lehilahy anakiroa antsoina hoe Ezra voatonona ao amin'ny Baiboly.

fanjakan'Israely

Facts

Ny teny hoe: "fanjakan'Israely" dia maneho ny ampahan'ny firenen'Israely avaratra rehefa nizara fanjakana roa ny foko roambinifolon'Israely taorian'ny nahafatesan'i Solomona.

  • Manana foko folo ny fanjakan'Israely avaratra ary ny fanjakan'i Joda ao atsimo dia manana foko roa.
  • Samaria no tanàna renivohitry ny fanjakan'Israely. 50 kilometatra miala an'i Jerosalema, tanàna renivohitr'i Joda.
  • Andriamanitra nandefa ireo Asiriana hanafika ny fanjakan'Israely. Maro tamin'ireo Israelita no voasambotra ary nalefa nipetraka tao Asiria.
  • Ireo Asiriana dia nitondra vahiny mba hipetraka eo amin'ireo olon'ny fanjakan'Israely teo an-toerana. Nifangaro tamin'ireo Israelita ireo vahiny ireo, ary lasa Samaritana ireo taranaka.

Farao, mpanjakan'i Egypta

Facts

Tamin'ny andro taloha, ireo mpanjaka izay nanapaka tamin'ny firenen'i Egypta dia nantsoina hoe Farao.

  • Raha atambatra, dia teo amin'ny 300 Farao teo no nanjaka tamin'i Egypta nandritry ny 2.000 taona mihoatra.
  • Maro tamin'ireo farao ireo no voatonona ao amin'ny Baiboly.
  • Matetika io fiantsoana io dia nampiasaina ho anarana fa tsy toerana. Amin'ireo tranga ireo, dia atao sora-baventy hoe "Farao" izany.

Filipia

Facts

Filipia dia tanàna lehibe iray ary zanatany Romana miorina any Makedonia any avaratry ny ampahan'ny tany Grika.

  • Paoly sy Silasy dia nandeha nankany Filipy mba hitory momban'i Jesosy amin'ireo olona tany.
  • Rehefa tao Filipy, dia voasambotra Paoly sy Silasy, fa Andriamanitra nanafaka azy ireo am-pahagagana.
  • Ny bokin'ny Filipiana ao amin'ny Testamenta Vaovao dia taratasy nosoratan'i Paoly apostoly ho an'ireo Kristiana tao amin'ny fiangonan'i Filipy.
  • Mariho fa ity dia tanàna samihafa amin'ny Kaisaria-filipo izay miorina any avaratra-andrefan'Isiraely akaikin'ny tendrombohitra Hermona.

Filipo, ilay apostoly

Facts

Filipo dia iray tamin'ireo apostoly roa ambin'ny folon'i Jesosy tany am-piandohana. Avy any Betsaida izy.

  • Filipo dia nitondra an'i Natanaela mba hiaona amin'i Jesosy.
  • Nanontany an'i Filipo momba ny fomba hamatsiana sakafo ho an'ny vahoaka mihoatra ny 5000 Jesosy.
  • Tamin'ny sakafo faran'ny Paska izay nihinanan'i Jesosy niaraka tamin'ireo mpianany, dia niresaka tamin'izy ireo momba an'Andriamanitra, Rainy Izy. Nangataka an'i Jesosy mba hampiseho azy ireo ny Rainy Filipo.
  • Ny fiteny sasany dia mety te-hanoratra ity anaran'i Filipo ity amin'ny fomba hafa miavaka amin'ilay Filipo hafa (evanjelista) mba hialana amin'ny fifangaroana.

Filipo, ilay evanjelista

Facts

Tamin'ny fiangonana Kristiana teo aloha tao Jerosalema, dia iray tamin'ireo mpitarika fito voasafidy hikarakara ny mahantra sy ireo Kristiana tao anatin'ny tsy fahampiana, indrindra ireo mananotena i Filipo.

  • Andriamanitra nampiasa an'i Filipo mba hizara ny filazantsara amin'ny olona any amin'ny tanàna samihafa any amin'ny faritr'i Jodia sy Galilia, isan'izany ny lehilahy Etiopiana izay nihaona taminy tany amin'ny lalan'ny tany efitra nankany Gaza avy any Jerosalema.
  • Taona maro taty aoriana Filipo dia nipetraka tao Kaisaria rehefa nipetraka tao amin'ny tranony Paoly sy ireo namany tamin'ny dia miverina ho any Jerosalema.
  • Ny fampianarana Baiboly maro dia mieritreritra fa Filipo ilay evanjelista dia lehilahy hafa amin'ny apostolin'i Jesosy. Ireo fiteny sasany dia mety te-hampiasa somary samihafa ho an'ny anaran'ireo lehilahy roa ireo mba hampazava tsara fa lehilahy samihafa ireo.

Filistia

Facts

Filistia dia anarana faritra lehibe iray any amin'ny tany Kanana, miorina manaraka ny moron'ny Ranomasina Mediteraneana.

  • Ilay faritra dia niorina manaraka ny tany hay mahavotra amoron-tsiraka tonga any Joppa any avaratra mankany Gaza any atsimo. Izany dia teo amin'ny 64km teo ny halavany ary 16km ny sakany.
  • Filistia dia nahitana ireo "Filistina," vondron'olona mahery izay fahavalon'ireo Isiraelita matetika.

Filistina

Facts

Ireo Filistina dia vondron'olona izay nipetraka tao amin'ny faritra antsoina hoe Filistia manaraka ny moron'ny Ranomasina Mediteraneana. Ny anaran'izy ireo dia midika hoe "'olon'ny ranomasina."

  • Nisy tanàna Filistina dimy lehibe: Asdoda, Askelona, Ekrona, Gata, ary Gaza.
  • Ny tanànan'i Asdoda dia any amin'ny ampahany avaratr'i Filistina, ary ny tanànan'i Gaza dia any amin'ny ampahany atsimo.
  • Ireo Filistina dia mety fantatra tsara noho ireo taona maro niadian'izy ireo tamin'ireo Isiraelita.
  • Samsona mpitsara dia mpiady malaza nanohitra ireo Filistina, tamin'ny fampiasana hery mihoatry ny voajanahary avy amin'Andriamanitra.
  • Davida mpanjaka matetika dia nitarika ady tamin'ireo Isiraelita, isan'izany ny fotoana naha-kely azy tamin'izy nandresy an'i Goliata, ilay mpiady Filistina.

Finehasa

Facts

Finehasa dia anarana lehilahy roa ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny iray tamin'ireo zafikelin'i Arona dia mpisorona antsoina hoe Finehasa, izay nanohitra mafy ny fiderana andriamanitra diso tao Isiraely.
  • Finehasa dia nanavotra ireo Isiraelita tamin'ny loza izay nalefan'i Yaveh mba hanafaizana azy ireo nohon'ny fanambadiana vehivavy Midianita sy fiderana ny andriamanitra dison'izy ireo.
  • Imbetsaka Finehasa no nandeha niaraka tamin'ireo tafika Isiraelita mba handringana ireo Midianita.
  • Ilay Finehasa hafa voatonona ao amin'ny Testamenta Taloha dia iray amin'ireo zanaka lahy ratsy fanahin'i Ely mpaminany tamin'ny andron'i Samoela mpaminany.
  • Finehasa sy Hofinia rahalahiny dia samy maty tamin'ny ireo Filistina nanafika an'Isiraely sy nangalatra ny sambo fiaran'ny fanekem-pihavanana.

Foinika

Facts

Tamin'ny andro taloha, Foinika dia firenena nanan-karena tany Kanana nanaraka ny moron'ny Ranomasina Mediteraneana, avaratr'Isiraely.

  • Foinika dia nampiasa fari-tany izay faritra andrefana izay firenen'i Lebanona amin'izao.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia Tyria no renivohitr'i Foinika. Sidona ihany koa dia tanàna Foinika manan-danja iray hafa.
  • Ireo Foinikana dia nalaza tamin'ny fahalala'izy ireo manao asa fanaovan-kazo tamin'ny fampiasana ny hazo sedara maron'ny tanànan'izy ireo, ho an'ny famokarana loko volomparasy lafo vidy, sy ho an'ny fahaizan'izy ireo mandeha sy manao varotra an-dranomasina. Izy ireo ihany koa dia tena mpamboatra sambo mahay.
  • Ny iray tamin'ireo abidy voalohany indrindra dia noforonin'ireo vahoaka teratany Foinika. Ny abidin'izy ireo dia nampiasaina nohon'ny fifanarahana tamin'ny vondron'olona maro tamin'ny alalan'ny varotra.

Gabriela

Facts

Gabriela no anaran'ny iray amin'ireo anjelin'Andriamanitra. Izy dia notononina tamin'ny anarana matetika, tao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao.

  • Andriamanitra naniraka an'i Gabriela mba hilaza an'i Daniela mpaminany ny hevitry ny fahitana hitany.
  • Ary koa, rehefa nivavaka Daniela, dia nanidina tany aminy ary naminany momban'izay hitranga amin'ny ho avy. Daniela dia namaritra azy hoe "lehilahy."
  • Voasoratra ao amin'ny Testamenta Vaovao fa Gabriela dia tonga tany amin'i Zakaria mba haminany fa Elizabeta vadiny dia hanan-janaka lahy, Jaona.
  • Enim-bola taorian'izany, dia nirahina ho any amin'i Maria i Gabriela mba hilaza azy fa Andriamanitra dia hanorotoro azy hanan'anaka izay ho "Zanak'Andriamanitra." Gabriela niteny tamin'i Maria mba hiantso ny zanany hoe "Jesosy."

Gada

Facts

Gada dia anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Jakoba, izay, Israely.

  • Ny fianakavian'i Gada dia lasa iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely.
  • Misy lehilahy iray hafa ao amin'ny Baiboly antsoina hoe Gada izay mpaminany niatrika an'i Davida mpanjaka nohon'ny fahotany naka fanisam-bahoakan'ny olona Israelita.
  • Ireo tanàna: Balagada sy migdalagada dia samy teny roa ao amin'ny soratra niandohana ary indraindray voasoratra hoe: "Bala-Gada" sy "Migdala-Gada."

Galatia

Facts

Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Vaovao, Galatia dia faritany Romana lehibe tany afovoan'ilay firenena izay antsoina hoe Torkia amin'izao.

  • Ny ampahany amin'i Galatia dia manamorona ny Ranomasina Mainty mianavaratra. Izany koa dia ahitana ny faritanin'i Asia, Bitynia, Kapadokia, Kilikia, ary Pamfilia.
  • Paoly apostoly dia nanoratra taratasy ho an'ireo Kristiana izay nipetraka tany amin'ny faritanin'i Galatia. Io taratasy io no bokin'ny Testamenta Vaovao antsoina hoe "Galatiana."
  • Antony iray nanoratan'i Paoly ny taratasiny ho an'ireo Galatiana ny mba hanamafisana indray ny fialazantsaran'ny famonjena amin'ny fahasoavana, fa tsy amin'ny asa.
  • Ireo Jentilisa Kristiana any Galatia dia nampianarin'ireo Kristiana Jiosy tany fa nilaina ho an'ireo mpino ny nitazona lalàna Jiosy manokana.

Galilia, Galiliana

Facts

Galilia no faritra avaratra indrindra amin'Israely, avaratr'i Samaria. Ny hoe "Galiliana" dia olona izay nipetraka tao Galilia.

  • Galilia, Samaria, ary Jodia no faritany telo lehiben'Israely tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao.
  • Galilia dia voadidina farihy lehibe any atsinanana antsoina hoe "Ranomasiní Galilia."
  • Jesosy dia niha-lehibe sy nipetraka tany amin'ny tanànan'i Nazareta ao Galilia.
  • Ny ankamaroan'ireo fahagagana sy fampianaran'i Jesosy dia niseho tao amin'ny faritr'i Galilia.

Gata

Facts

Gata dia iray amin'ireo tanàna lehibe dimy any Filistina. Izany dia hita tany avaratr'i Ekrona ary atsinanan'i Asdoda sy Askelona.

  • Goliata mpiady Filistina dia avy tao amin'ny tanànan'i Gata.
  • Tamin'ny andron'i Samoela, dia nangalatra ny fiaran'ny fanekena tao Israely ireo Filistina ary nitondra izany nankany amin'ny tempoly fanompoan-tsampin'izy ireo tao Asdoda. Avy eo izany dia nafindra tany Gata ary avy eo tany Ekrona. Fa Andriamanitra nanasazy ny vahoaka tao amin'ireo tanàna ireo tamin'ny aretina, noho izany dia naverin'izy ireo tany Israely indray izany.
  • Rehefa nitsaoka an'i Saoly mpanjaka Davida, dia nankany Gata ary nipetraka tany fotoana fohy niaraka tamin'ireo vadiny roa sy lehilahy aman-jatony izay mpanara-dia mahatokiny.

Gaza

Facts

Tamin'ny andron'ny olona ao amin'ny Baiboly, Gaza dia tanàna Filistina nanan-karena tany amoron'ny Ranomasina Mediteraneana, teo amin'ny 38 kilometatra mianatsimon'i Asdoda teo. Izany dia iray tamin'ireo tanàn-dehibe dimin'i Filistina.

  • Nohon'ny toerana misy azy, Gaza dia seranan-tsambo izay nisy ireo asa ara-barotra teo amin'ny vondron'olona sy firenena samihafa.
  • Ankehitriny, ny tanànan'i Gaza dia mbola seranan-tsambo lehibe iray ao amin'ny lemak'i Gaza, izay fari-tany iray any amin'ny morontsiraky ny Ranomasina Mediteraneana izay sisin-tanin'Israely any avaratra sy atsinanana, ary Egypta any atsimo.
  • Gaza dia ilay tanàna izay nitondran'ireo FIlistina an'i Samsona taorian'ny nisamboran'izy ireo azy.
  • Ny evanjelista Filipo dia nandeha teny amin'ny lalan-tany hay nankany Gaza raha nihaona tamin'ny tandapa Etiopiana iray izy.

Gerara

Facts

Gerara dia tanàna sy faritra any amin'ny tanin'i Kanàna, miorina any atsimon'i Hebrona sy avaratr'i Beri-sheba.

  • Abimeleka mpanjaka no mpanapaka tao Gerara tamin'i Abrahama sy Saraha nipetraka tany.
  • Ireo Filistina dia nanjaka ny faritr'i Gerara nandritra ny fotoana nipetrahan'ireo Israelita tao Kanana.

Gesora

Facts

Tamin'ny andron'i Davida mpanjaka, Gesora dia tanàna kely niorina tany atsinanan'ny moron'ny Ranomasin'i Galilia, teo anelanelan'ny firenen'i Israely sy Arama.

  • Davida mpanjaka dia nanambady an'i Maka, zanaka vavin'ny mpanjakan'i Gesora ary izy niteraka zazalahy taminy, dia Absaloma.
  • Rehefa avy namono an'i Amnona rahalahy tsy ray reny taminy, dia lasa nitsaoka tany avaratra atsinanana avy ao Jerosalema nankany Gesora izy, halavirana eo amin'ny 88 metatra eo. Nijanona tany telo taona izy.

Getsemane

Facts

Getsemane dia sahan'oliva any atsinanan'i Jerosalema tandrifin'ny lohasahan'i Kidrona sy akaikin'ny tendrombohitr'Oliva.

  • Ny sahan'i Getsemane dia toerana izay falehan'i Jesosy sy ireo mpanara-dia aminy mba ho irery sy hiala sasatra, lavitr'ireo vahoaka.
  • Tao Getsemane no nivavahan'i Jesosy tamin'ny alahelo lalina, talohan'ny nisamboran'ireo mpitarika Jiosy Azy teo.

Gibea

Facts

Gibea dia anaran-tanàna izay any avaratr'i Jerosalema sy atsimon'i Betela.

  • Gibea dia tao amin'ny faritanin'ny fokon'i Benjamina.
  • Io no tobin'ady lehibe eo amin'ireo Benjamita sy Israely.

Gibeona, Gibeonita

Facts

Ny Gibeonita dia tanàna izay miorina any amin'ny 13 kilometatra avaratra-atsinanan'i Jerosalema. Ny olona mipetraka ao Gibeona no Gibeonita.

  • Rehefa nandre ny momban'ny namotehan'ny Israelita ireo tanànan'i Jeriko sy Ay ireo Gibeonita, dia natahotra izy ireo.
  • Ka dia nanatona ireo mpitarik'Israely tao Gilgaly ireo Gibeonita ary mody nisehoa ho olona avy tany amin'ny firenena tena lavitra.
  • Voafitaka ireo mpitarika Israelita ary nanao fifanekena tamin'ireo Gibeonita fa hiaro azy ireo ary tsy hamotika azy ireo.

Gideona

Facts

Gideona dia lehilahy Israelita iray izay natsangan'Andriamanitra mba hanafaka ireo Israelita amin'ireo fahavalon'izy ireo.

  • Tamin'ny andro niainan'i Gideona, dia nisy vondron'olona antsoina hoe Midianita nanafika ireo Israelita ary namotika ireo vokatr'izy ireo.
  • Na dia natahotra aza Gideona, dia nampiasain'Andriamanitra hitarika ireo Israelita izy mba hiady amin'ireo Midianita sy handresy azy ireo.
  • Gideona koa dia nankatoa an'Andriamanitra tamin'ny fanesorana ny altaran'ireo andriamanin-diso Bala sy Aseraha.
  • Tsy nitarika ny vahoaka handresy ireo fahavalon'izy ireo fotsiny izy fa nankahery azy ireo hankatoa sy hidera an'i Yaveh koa, ilay Andriamanitra marina.

Gileada

Facts

Gileada dia anaram-paritra feno tendrombohitra any atsinanan'ny reniranon'i Jordana, izay nipetrahan'ny foko Israelitan'i Gada, Robena, ary Manase.

  • Io faritra io koa dia antsoina hoe "tendrombohitr'i Gileada" na "Tendrombohitra Gileada."
  • "Gileada" koa dia anaran'ny lehilahy maro tao amin'ny Testamenta Taloha. Iray amin'ireo lehilahy ireo ny zafikelin'i Manase. Misy Gileada iray hafa izay rain'i Jefta.

Gilgala

Facts

Ny teny hoe Gilgala dia tanàna any avaratr'i Jeriko ary toerana voalohany izay nitobian'ireo Israelita taorian'ny niampitana ny reniranon'i Jordana hiditra ao Kanàna.

  • Tany Gilgala, dia nametraka vato roa ambin'ny folo nalaina tao amin'ny renirano mainaJosoa
  • Gilgala dia tanàna nipetrahan'i Elia sy elisa raha namakivaky an'i Jordana izy ireo rehefa nampiakarina tany an-danitra Elia.
  • Nisy toerana maro hafa nantsoina hoe "Gilgala" koa ao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ity anarana ity dia miseho matetika ho hoe "ilay gilgala." Izany dia mety manondro fa tsy anaran-toerana miavaka izany fa kosa famaritana anarana karazan-toerana.

Girgasita

Facts

Ireo Girgasita dia vondron'olona mipetraka eny akaikin'ny Ranomasina Galilia eny amin'ny tanin'i Kanàna.

  • Izy ireo dia taranak'i Kanana zanak'i Hama ary iray amin'ireo vondrona maro izay fantatra koa amin'ny anarana hoe "Kananita."
  • Andriamanitra dia nanome toky ireo Israelita fa hanampy azy ireo handresy ireo Girgasita sy ireo vondron'olona Kananita hafa.
  • Toy ny Kananita rehetra, dia nidera andriamanitra sandoka ireo Gargasita ary tafiditra ao amin'izay fivavahana izany ny fanaovana zavatra mahatsiravina.

Golgota

Facts

Ny teny hoe "Golgota" dia anaran'ilay toerana izay nanomboana an'i Jesosy. Avy amin'ny teny Armaika izany izay midika hoe "Karan-doha" na "Toeran'ny Karan-doha."

  • Golgota dia niorina teny ivelan'ny rindrin'ny tanànan'i Jerosalema, teny amin'ny toerana manodidina. Mety teny amin'ny hantsan'ny Tendrombohitra Oliva izany.
  • Amin'ny Baiboly amin'ny dikan-teny Anglisy sasany taloha, ny Golgota dia nadika hoe "Kalvary," izay avy amin'ny teny Latina ho an'ny hoe "karan-doha."
  • Baiboly amin'ny dikan-teny maro no mampiasa teny izay hita sy re mitovitovy amin'ny hoe "Golgota," satria ny dikan'izany dia efa nazavaina tao amin'ny Baiboly.

Goliata

Facts

Goliata dia miaramila tena lava sy lehibe amin'ny miaramilan'i Filistina izay novonoin'i Davida.

  • Goliata dia teo anelanelan'ny roa na telo metatra teo ny halavany. Matetika izy dia raisina toy ny olona goavambe nohon'ny habeny.
  • Na dia nanana fitaovam-piadiana tsara kokoa aza Goliata ary lehibe lavitra noho i Davida, dia nomen'Andriamanitra ny tanjaka sy fahaizana handresena an'i Goliata i Davida.
  • Ireo Israelita dia nambara ho mpandresy ny Filistina vokatry ny fandresen'i Davida an'i Goliata.

Gomora

Facts

Gomora dia tanàna any amin'ny lohasaha mahavokatra, akaikin'i Sodoma izay nosafidian'i Lota zana-drahalahin'i Abrahama hipetrahana.

  • Ny tena misy an'i Gomora sy Sodoma dia tsy fantatra mazava, fa misy famantarana hoe mety tany atsimon'ny Ranomasina masirasira ireo, akaikin'ny lohasahan'i Sidima.
  • Nisy mpanjaka maro an'ady tany amin'ny faritra izay nisy an'i Sodoma sy Gomora.
  • Rehefa voasambotra tamin'ny ady teo amin'i Sodoma sy ireo tanàna hafa ny fianakavian'i Lota, dia nanavotra azy ireo Abrahama sy ireo lehilahiny.
  • Tsy ela taorian'izany dia noravain'Andriamanitra i Sodoma sy Gomora nohon'ny faharatsian'ny olona izay nipetraka tao.

Gosena

Facts

Gosena dia anaran-tany mamokatra izay miorina manaraka ny renirano Neily any avaratr'i Egypta.

  • Fony Josefa mpanapaka tao Egypta, dia tonga hipetraka tao Gosena ny rainy sy ireo rahalahiny ary ireo fianakaviany mba hitsoaka ny mosary tao Kanàna.
  • Niaina tsara tao Gosena izy ireo sy ny taranak'izy ireo nandritra ny 400 taona, fa avy eo izy ireo nandevozin'i Farao Egyptiana.
  • Ny farany Andriamanitra dia naniraka an'i Mosesy mba hanampy ny vahoakan'Israely hiala amin'ny tanin'i Gosena ary hitsaoka izany fanandevozana izany.

Grika

Facts

Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, dia faritany any amin'ny fanjakana Romana ny tany Grika.

  • Tahaka ny firenena mandroson'i Grika, dia niorina tany amin'ny sisin-dranomasina iray voahodidin'ny Ranomasina Mediteraneana, Ranomasina Aegena, ary ny ranomasina Ioniana izany.
  • Paoly apostoly dia nitsidika tanàna maro tao Grika ary nanorina fiangonana tao amin'ny tanànan'i Korinto, Tesalonika, ary Filipia sy mety hafa koa.
  • Ny olona avy ao amin'ny tany Grika dia antsoina hoe "Grika" ary "Grika" no fitenin'izy ireo. Ny olona avy amin'ireo faritra Romana hafa koa dia miteny Grika, ao anatin'izany ireo Jiosy.
  • Indraindray ny teny hoe "Grika" dia ampiasaina hanehoana Jentilisa.

Grika

Facts

Ny teny hoe "Grika" dia maneho ny fiteny ao amin'ny tany Grika. Ny teny Grika ihany koa dia tenenina manerana ny fanjakana Romana.

  • Satria miteny Grika ny ankamaroan'ireo vahoaka tsy Jiosy amin'ny Fanjakana Romana, dia matetika raisina ho "Grika" ireo Jentilisa ao amin'ny Testamenta Vaovao, indrindra rehefa ampifanoharana amin'ireo Jiosy.
  • Ny fehezanteny hoe "Jiosy Grika" dia maneho ireo Jiosy izay miteny Grika mifanohatra amin'ny hoe "Jiosy Hebreo" izay miteny Hebreo fotsiny ihany, na mety Armaika.
  • Rehefa entina anehoana ireo tsy Jiosy, dia afaka adika hoe "Jentilisa" ny hoe "Grika."

Habakoka

Facts

Habakoka dia mpaminanin'ny Testamenta Taloha tamin'ny andro nanjakan'ny mpanjaka Joiakima tao Jodia. Jeremia mpaminany dia niaina tamin'izany andro izany ihany koa.

  • Io mpaminany io no nanoratra ny bokin'ny Habakoka tany ho any amin'ny taona 600 talohan'i Kristy rehefa nandresy an'i Jerosalema ireo Babyloniana, ary dia naka olona maro tao Jodia atao sesitany.
  • Yaveh dia nanome an'i Habakoka faminaniana momban'ny hoe ahoana ny hahatongavan'ireo "Kaldeana" (Babiloniana) sy ny fomba hahazoany ny vahoakan'ny Jodia.
  • Fomba fiteny iray amin'ireo izay tena fantatra ao amin'ny Habakoka ny hoe "fa ny marina ho velon'ny finoany"

Hagara

Facts

Hagara dia vehivavy Egyptiana izay mpanompovavin'i Saray manokana.

  • Rehefa tsy afaka nitoe-jaza Saray, dia nomeny an'i Abrahama vadiny Hagara mba hanome zaza ho azy.
  • Hagara dia nitoe-jaza ary dia niteraka ny zanaka lahin'i Abrahama, Isimaela.
  • Andriamanitra dia nitsinjo an'i Hagara rehefa tao anatin'ny fahasahiranana izy tany an'efitra ary dia nampanantena azy fa hitahy ny taranany.

Hagay

Facts

Hagay dia mpaminan'i Joda nandritry ny fotoana izay niverena'ireo Jiosy avy gadra tao Babilona.

  • Nandritry ny vanim-potoana naminanian'i Hagay, dia ny mpanjaka Ozia no nanjaka tao Joda.
  • Ny mpaminany Zakaria dia naminany ihany koa tamin'izany fotoana izany.
  • Hagay sy Zakaria dia nanentana ireo Jiosy mba hanamboatra ny tempoly, izay noravain'ireo Babiloniana tamin'ny fitondran'i Nebokadnezara.

Hakila

Facts

Hakila dia Kristiana Jiosy avy any amin'ny faritanin'i Ponto, faritra manaraka ny sisin-tanin'ny Ranomasina Mainty.

  • Nipetraka tany Roma, Italia nandritra ny fotoana fohy i Prisila sy Hakila, saingy avy eo dia noteren'i Klaodio, ilay emperora Romana hiala tao Roma ny Jiosy rehetra.
  • Taorian'izany dia nandeha tany Korinto i Hakila sy Prisila, izay nihaonan'izy ireo tamin'i Paoly apostoly.
  • Niasa ho mpanamboatra lay niaraka tamin'i Paoly izy ireo, ary nanampy azy tamin'ny asa misionera ihany koa.
  • Hakila sy Prisilia dia samy nampianatra ireo mpino ny marina momba an'i Jesosy; ny iray tamin'ireo mpino ireo dia mpampianatra mahay iray antsoina hoe Apolosy.

Hama

Facts

Hama dia ilay zanak'i Noe faharoa amin'ireo telo lahy.

  • Nandritry ny tondra-drano lehibe izay nandrakotra ny tany, dia niaraka tamin'i Noa tao anatin'ilay sambo fiara Hama sy ireo rahalahiny, niaraka tamin'ireo vadiny avy.
  • Taorian'ny tondra-drano, dia nanala baraka tanteraka an'i Noa rainy Hama. Koa dia nozonin'i Noa ny zanaka lahin'i Hama, dia i Kanana izany ary koa ny taranany rehetra, izay lasa fantatra tamin'ny anarana hoe Kananita.

Hamata, hamatita

Facts

Hamata dia tanàna lehibe ao avaratr'i Siria, avaratry ny tany Kanana. Ireo Hamanita dia taranaky ny zanak'i Noa, Kanana.

  • Ny teny hoe "hamata" dia maneho ihany koa ilay fidirana eo amin'ny tendrombohitra izay akaikin'ny tanànan'i Hamata.
  • Ny dikan-teny sasany dia mandika ny "Hamata" hoe "fidirana ao Hamata."
  • Davida mpanjaka dia nandresy ny fahavalon'i Toy mpanjakan'i Hamata, izay nahatonga ny fifandraisan'izy ireo ho tsara.
  • Hamata dia iray amin'ireo tanàna fitehirizan'i Solomona izay nametrahana ireo tahiry.
  • Ny tanin'i Hamata dia ilay tany izay namonoan'ny mpanjaka Nebokadnezara an'i Zedekia mpanjaka ary ilay tany izay nisamboran'i Farao Egyptiana an'i Joahaza mpanjaka.
  • Ny teny hoe "Hamatita" dia afaka adika hoe "olona avy ao Hamata."

Hamora

Facts

Hamora dia lehilahy Kananita izay nonina tao amin'ny tanàn'i Sekema raha nipetraka nanodidina an'i Sokota Jakoba sy ny fianakaviany.

  • Jakoba dia nividy tany fandevenana fianakaviana tany amin'ireo zanak'i Hamora.
  • Rehefa tonga teo izy ireo, dia nanolana an'i Dina zanaka vavin'i Jakoba i Sekena zanaka lahin'i Hamora.
  • Ireo rahalahin'i Dina dia namaly faty tamin'ireo fianakavian'i Hamora ka novonoin'izy ireo avokoa ny lehilahy rehetra tao amin'ny tanànan'i Sekema.

Hana

Facts

Hana no renin'i Samoela mpaminany. Izy dia iray tamin'ireo vady roa ambin'ny folon'i Elkana.

  • Hana dia tsy afaka nitoe-jaza, ka nahatonga alaheho be teo aminy.
  • Tao an-tempoly Hana dia nivavaka fatratra tamin'Andriamanitra mba hanomezany zanaka lahy ho azy, ka nanome toky fa hanokana izany zaza izany hanompo ny Tompo.
  • Andriamanitra namaly ny fangatahany ary rehefa lehibe tsara Samoela dia nentiny mba hanompo tao an-tempoly

Hanania

Facts

Ny hoe Hanania dia anarana lehilahy tao amin'ny Testamenta Taloha, maro ny olona nitondra io anarana io.

  • Ny Hanania iray dia Israelita izay gadra tany Babilona izay navadika hoe "Sadraka" ny anarany.
  • Izy dia nomena toerana ho mpanompo ny mpanjaka nohon'ny toetra tsarany sy ny fahaizany.
  • Indray andro Hanania (Sadraka) sy namany Israelita roa hafa natsipy tao anaty lafaoro lehibe satria tsy nanaiky hidera ny mpanjakan'i Babiloniana izy ireo. Andriamanitra dia nampiseho ny heriny tamin'ny fiarovana azy ireo mba tsy ho may.
  • Lehilahy hafa natsoina hoe Hanania dia hita fa taranak'i Solomona mpanjaka.
  • Ary nisy Hanania hafa ihany koa izay mpaminany sandoka tamin'ny andron'i Jeremia mpaminany.
  • Ary lehilahy hafa natsoina hoe Hanania koa izay mpisorona nanampy nitarika ny firavoravoana nandrity ny andron'i Nehemia.

Harana

Facts

Harana dia zandrin'i Abrahama ary rain'ny Lota.

  • Harana dia anaran-tanàna ihany koa izay nipetrahan'Abrahama sy ny fianakaviany nandritry ny fotoana fohy tamin'izy ireo nandeha avy tao Ora ho any amin'ny tany Kanana.
  • Ary nisy lehilahy hafa natsoina hoe Harana ihany koa, izay zanak'i Kaleba

Hebrona

Facts

Hebrona dia hita teny amin'ny toerana avo feno vato eo amin'ny 30 kilometatra atsimon'ny Jerosalema.

  • Ny tanàna dia natsangana tamin'ny taona 2000 Talohan'i Kristy nandritry ny fotoanan'i Abrahama. Izany dia voatonona imbetsaka ao amin'ireo tantara maro ao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Hebrona dia tena nanana ny tantarany be teo aminny fiainan'i Davida mpanjaka. Maro tamin'ireo zanany, izan'izany Absaloma, no teraka tao.
  • Manodidina ny 70 taona taorian'ny nahaterahan'i Kristy dia nosimbain'ny Romana ny tanàna.

Heroda Antipasy

Facts

Nandritry ny fotoana niainan'i Jesosy, dia Heroda Antipasy no nanjaka ny ampahan'ny fanjakana Romana, tafiditra tamin'izany ny faritr'i Galilia.

  • Toy ny rainy Heroda mpanjaka, Antipasy dia matetika natao hoe "Heroda mpanjaka" na dia tsy tena mpanjaka ary izy.
  • Heroda Antipasy dia nanjaka tamin'ny iray ampa-efan'ny fanjakana Romana ary dia nantsoina ihany koa hoe "Heroda mpanapka" izy.
  • Antipasy dia ilay "Heroda" izay nanome baiko hanapahana ny lohan'i Jaona mpanao Batisa.
  • Dia Heroda Antipasy ihany koa ilay nametraka fanontaniana an'i Jesosy talohan'ny nanomboana Azy.
  • Ary ireo Heroda hafa ao amin'ny Testamenta Vaovao dia zanak'i Antipasy (Agripa) ary zafikeliny (Agripa 2) izay nitondra tamin'ny andron'ireo apostoly.

Heroda mpanjaka

Facts

Heroda mpanjaka dia nanjaka tao Jodia tamin'ny nahaterahan'i Jesosy. Izy no voalohany tamin'ireo Edomita maro nanjaka ireo natsoina hoe Heroda izay nanjaka tamin'ny ampahan'ny fanjakana Romana.

  • Ny razambeny dia nivadika nanaraka ny fivavahana Jiosy ary dia notezaina ho tahaka ny Jiosy izy.
  • Kaisara Aogostosy no niantso azy hoe "Heroda mpanjaka" na dia tsy tena mpanjaka aza izy. Izy dia nanjaka teo amin'ireo Jiosy nandritry ny 33 taona.
  • Heroda mpanjaka dia fantatra tamin'ireo trano tsara lehibe izay nasainy namboarina, tao anatin'izany ny fanamboarana indray ny tempolin'i Jiosy tao Jerosalema.
  • Ity Heroda ity dia tena lozabe ary dia namono olona be dia be. Ary rehefa nahare izy fa teraka tao Betlehema ilay "mpanjakan'i Jiosy," dia novonoiny daholo ireo zaza lahy rehetra tao amin'ny tanàna.
  • Ireo zanany, Heroda Antipasy sy Heroda Filipo, ary Heroda Agripa zafikeliny ihany koa dia lasa mpanapaka Romana. Heroda Agripa II zafiafiny (natsoina hoe "Agripa mpanjaka") dia nanjaka teo amin'ny faritr'i Jodia iray manontolo.

Herodiasy

Facts

Herodiasy dia ilay vadin'i Heroda Antipasy tao Jodia tamin'ny andron'i Jaona mpanao Batisa.

  • Herodiasy dia vadin'i Filipo rahalahin'i Heroda Antipasy tamin'ny voalohany, fa noho ny ela dia nanambady tsy ara-dalàna an'i Heroda Antipasy izy.
  • Jaona mpanao Batisa dia niteny mafy an'i Heroda sy Herodiasy nohon'ny fanambadiana tsy ara-dalàna izay natoan'izy ireo. Noho izany zavatra izany, dia nampidrin'i Heroda am-ponja Joana ary dia novonoiny tamin'ny fanapahan-doha izy.

Hetita

Facts

Ireo Hetita ireo dia taranak'i Hama avy amin'i Kanana zanany. Izy ireo dia lasa fanjakana lehibe izay hita ao amin'ilay antsoina hoe Torkia sy Palestina avaratra ankehitriny.

  • Abrahama dia nividy tapa-tany tany amin'i Efrona ilay Hetita mba afahany mandevona an'i Saraha vadiny ao amin'ny lava-bato izay tao. Ary ny farany dia Abrahama sy ireo taranany maro ihany koa dia nalevona tao amin'ilay lava-bato.
  • Nalahelo ny ray aman-drenin'i Esao raha nanambady vehivavy Hetita roa izy.
  • Iray tamin'ireo lehilahy maherin'i Davida dia nantsoina hoe Oria ilay Hetita.
  • Sasany tamin'ireo vehivavy vahiny izay novadian'i Solomona no Hetita. Ireo vehivavy vahiny ireo dia nanodina ny fon'i Solomona hiala amin'Andriamanitra noho ireo andriamanitra diso izay noderain'izy ireo.
  • Ireo Hetita ireo dia matetika mampidi-doza an'ireo Israelita ireo, na eo amin'ny ara-nofo izany na eo amin'ny ara-panahy.

Hezekia

Facts

Hezekia no mpanjaka faha-13 izay nanjaka teo amin'ny fanjakana Joda. Izy no mpanjaka nahatoky sy nankatoa an'Andriamanitra.

  • Tsy tahaka an'i Ahaza rainy izay mpanjaka ratsy, Hezekia mpanjaka dia mpanjaka tsara izay namotika ireo toeram-panompoan-tsampy rehetra tao Joda.
  • Indray andro tena narary mafy Hezekia efa ho faty mihintsy, ary dia nivavaka fatratra izy mba hamindran'Andriamanitra fo ny fiainany. Koa dia nositranin'Andriamanitra izy ary dia navelany hiaina 15 taona hafa indray.
  • Ho famantarana ho an'i Hezekia fa hitranga izany, dia nanao fahagagana Andriamanitra izay namerina ny fotoana.
  • Andriamanitra ihany koa no namaly ny vavak'i Hezekia izay hoe mba hanavotra ny vahoakany amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria, izay nanafika azy ireo.

Hilkia

Facts

Hilkia dia anaran'ilay mpisorona be nandritry ny fanjakan'i Josia mpanjaka.

  • Rehefa avy namboarina ilay tempoly, dia nahita ny bokin'ny Lalàna i Hikia ary dia nandidy mba hitondrana izany ho any amin'i Josia mpanjaka.
  • Rehefa avy novakiana taminy ilay Bokin'ny Lalàna, dia nalahelo Josia ary dia nahatonga ireo olona tao Jodia hidera indray an'Yaveh ary hankatoa ny lalàny izy noho ny avy eo.
  • Ary nisy lehilahy hafa natsoina hoe Hilkia ihany koa zanak'i Eliakima ary niasa tao an-dapa tamin'ny andron'i Hezekia mpanjaka.

Hivita

Facts

Ireo Hivita dia iray amin'ireo vondron'olona fito lehibe izay monina ao amin'ny tany Kanana.

  • Tahaka ireo vondrona rehetra ireo, ny Hivita dia taranaka avy amin'i Kanana, izay zafikelin'i Noa.
  • Sekema ilay Hivita nanolana an'i Dina zanak'i Jakoba, ary ireo anadahiny dia namaly faty tamin'ny famonoana Hivita maro.
  • Rehefa nitondra ireo Israelita hanafika ny tany Kanana i Josoa, dia nanao fifanarahana tamin'ireo Hivita ireo ny Israelita raha tokony hoe hanafika azy ireo no tanjona.

Horeba

Facts

Ny tendrombohitr'i Horeba dia anarana hafa hiantsoana ny tondrombohitr'i Sinay, izay nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka misy ny didy folo ho an'i Mosesy.

  • Ny tendrombohitr'i Horeba dia natsoina hoe "tendrombohitr'Andriamanitra"
  • Horeba dia ilay toerana izay nahitan'i Mosesy ilay hazo nirehitra tamin'izy nitady ny ondriny.
  • Ny tendrombohitr'i Horeba dia ilay toerana izay nampisehoan'Andriamanitra ny fifanekeny tamin'ireo Isiraelita tamin'ny fanomezana azy ireo vato fisaka misy ny didiny izay nosoratana tamin'izany.
  • Izany ihany koa dia ilay toerana izay nasain'Andriamanitra nikapohan''i Mosesy ilay vato mba hanome rano ho an'ireo zanak'Isiraely raha izy ireo nirenireny tany an'efitra.
  • Ny toerana marina misy ilay tendrombohitra dia tsy fantatatra, fa mety hoe any atsimon'izay fanatatra hoe Sinay Saikinosy ankehitriny.
  • Mety hoe anarana tendrombohitra ankehitriny ihany koa ny "Horeba" ary io "tendrombohitr'i Sinay" io dia midika hoe "tendrombohitra an'i Sinay" izay maneho fa hita ao amin'ny tany efitr'i Sinay ny tendrombohitr'i Horeba.

Hosea

Facts

Hosea dia mpaminanin'Israely izay niaina nanodidina ny 750 taona talohan'ny nahaterahan'i Kristy.

  • Ny fanompoany dia naharitra taona maro, nandalo fitondrana mpanjaka maro, toy Jeroboama, Zakaria, Jotama, Ahaza, Hosea, Ozia ary Ezekia.
  • Hosea dia nasain'Andriamanitra hanambady vehivay janga izay nantsoina hoe Gomera ary nanohy ny hitia azy nadia tsy hendry taminy ary izy.
  • Izany dia sary maneho ny fitiavan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany, Isiraely, izay tsy manaja Azy,
  • Hosea dia naminany nanohitra ny vahoaka Isiraely noho ny otan'izy ireo, nampitandrina azy ireo mba hiala amin'ny fanompoana ireo sampy.

Hosea

Facts

Hosea dia anarana ny mpanjakan'Israely sy lehilahy maro hafa tao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Hosea zanak'i Elaha dia mpanjakan'Israely nandritry ny sivy taona tamin'ny fitondran'i Ahaza sy Hezekia, mpanjakan'i Joda.
  • Josoa zanak'i Nona dia nantsoina hoe Hosea taloha. Mosesy no nanovan'ny anaran'i Hosea ho Josoa alohan'ny nandefasany azy sy olona iraika ambin'ny folo hafa mba hitsikilo ny tanànan'ireo Kananita.
  • Taorian'ny nahafaty an'i Mosesy, dia nitondra ireo vahoakan'Isiraely i Josoa mba haka ny tany Kanana.
  • Ary lehilahy hafa nantsoina hoe Hosea dia zanak'Azazia ary iray tamin'ireo mpitondran'i Efraimita.

Ikonioma

Facts

Ikonioma dia anarana tanàna iray tany amin'ny faritra afovoan'ny firenen'i Tiorka ankehitriny.

  • Tamin'ny voalohany amin'ny maha-misionera an'i Paoly, dia nandeha tany Ikonioma izy sy Barnabasy taorian'ny naneren'ny Jiosy azy ireo handao ny tanànan'i Antioka.
  • Ary nikonokonona ny hitora-bato an'i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy ihany koa ireo Jiosy sy Jentilisa tsy mino tao Ikonioma, saingy nandositra tany amin'ny tanànan'i Lystra teo akaiky teo izy ireo.
  • Taorian'izany dia samy nankany Lystra ireo olona avy any Antioka sy Ikonioma ary nanetsiketsika ny vahoaka tany mba hitora-bato an'i Paoly.

Isaia

Facts

Isaia dia mpaminanin'Andriamanitra izay naminany tamin'ny nanjakan'ny mpanjaka efatra tao Joda: Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia.

  • Nipetraka tany Jerosalema izy tamin'ny fotoana izay nanafihan'ireo Asyriana ny tanana, tamin'ny nanjakan'i Hezekia.
  • Ny bokin'Isaia ao amin'ny Testamenta Taloha no isan'ny boky lehibe indrindra ao amin'ny Baiboly.
  • Nanoratra faminaniana maro izay tanteraka tamin'ny fahavelony Isaia.
  • Isaia dia fantatra manokana amin'ireo faminaniana izay nosoratany momba ny Mesia, izay tanteraka afaka 700 taona taty aoriana tamin'ny nahaveloman'i Jesosy tety an-tany.
  • Notsongain'i Jesosy sy ireo mpianany ireo faminanian'Isaia mba hampianarana ny olona momba ny Mesia.

Isaka

Facts

Isaka no zanaka tokan'i Abrahama sy Saraha. Nampanantena Andriamanitra fa hahazo zanaka lahy izy ireo na dia efa tena antitra aza.

  • Ny anarana hoe "Isaka'' dia midika hoe "miomehy izy." Rehefa niteny tamin'i Abrahama Andriamanitra fa hiteraka zaza lahy i Saraha, dia niomehy Abrahama satria tena efa samy antitra izy roa. Fotoana kely taty aoriana, dia niomehy ihany koa i Saraha rehefa nandre izany vaovao izany.
  • Fa tanterak'Andriamanitra ny fampanantenany ary nateraka ho an'i Abrahama sy Saraha tamin'ny fahanterany Isaka.
  • Nambaran'Andriamanitra tamin'i Abrahama fa ny fanekena izay nataony tamin'i Abrahama dia ho an'Isaka sy ny taranany mandrakizay ihany koa.
  • Rehefa tovolahy Isaka, dia nizaha toetra ny finoan'i Abrahama tamin'ny fandidiana azy mba hanao sorona an'Isaka Andriamanitra.
  • Nanan-janaka roa ambin'ny folo i Jakoba zanak'Isaka, izay nanjary ho ireo foko roa ambin'ny folon'ny firenen'Israely ireo taranany taty aoriana.

Isakara

Facts

Isakara no zanaka lahy fahadimin'i Jakoba. Lea no reniny.

  • Isan'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely ny fokon'i Isakara.
  • Voafefin'i Naftaly, Manase ary Gada ny sisin-tanin'i Isakara.
  • Tany atsimon'ny Ranomasin'i Galilia no nisy izany.

Ismaela

Facts

Zanak'i Abrahama sy Hagara andevo Egyptiana i Ismaela. Misy lehilahy maromaro hafa ihany koa antsoina hoe Ismaela ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny teny hoe "Ismaela" dia midika hoe: "Mahare Andriamanitra."
  • Nampanantena ny hitahy an'Ismaela zanaka lahin'i Abrahama Andriamanitra, saingy tsy izy ilay zanaka nampanantenain'Andriamanitra hanaovany ny fanekem-pihavanany.
  • Narovan'Andriamanitra i Hagara sy Ismaela fony nalefa tany an'efitra izy ireo.
  • Raha nonina tany amin'ny efitr'i Parana Ismaela, dia nanambady vehivavy Egyptiana iray.
  • Ismaela zanak'i Netania dia miaramila manam-boninahitra avy tany Joda, izay nitarika andian'olona hamono ny governora iray izay votendrin'ireo Babyloniana ho mpanjaka, dia i Nebokadnezara.
  • Misy lehilahy efatra hafa ihany koa antsoina hoe Ismaela ao amin'ny Testamenta Taloha.

Israely, Jakoba

Facts

Kambana roa lahy ny zanak'Isaka sy Rebeka, ary Jakoba no zandriny.

  • Ny anaran'i Jakoba dia midika hoe "mpamingana" izay fomba fiteny midika hoe: "mamitaka izy." Raha ho teraka iny i Jakoba, dia nihazona ny vodi-tongotr'i Esao rahalahy kambana aminy izy.
  • Taona maro taty aoriana, novain'Andriamanitra ho "Israely" ny anaran'i Jakoba, izay midika hoe: "nitolona tamin'Andriamanitra izy."
  • Fetsy sady mpamitaka i Jakoba. Nahita hevitra ahazoana ny tso-dranon'ny fizokiana sy ny anjara lova avy tamin'i Esao, zokiny lahy izy.
  • Tezitra i Esao ary nikonokonona ny hamono azy, koa dia nandao ny tany niaviany i Jakoba. Saingy taona maro taty aoriana dia nverina niaraka tamin'ireo vadiny sy zanany tany amin'ny tany Kanana izay nipetrahan'i Esao i Jakoba, ary niaina tsy nisy rahoraho ary nifanakaiky izy ireo.
  • Nanan-janaka roa ambin'ny folo i Jakoba. Ny taranak'izy ireo no lasa foko roa ambin'ny folon'Israely.
  • Ny lehilahy iray hafa antsoina hoe Jakoba dia voaisa ho rain'i Josefa ao amin'ny tetiaran'i Matio.

Jafeta

Facts

Zafeta dia iray amin'ireo zanaka lahin'i Noa.

  • Nandritry ny tondra-drano maneran-tany izay nandrakotra izao tontolo rehetra izao, dia niaraka tamin'i Noa tao anaty sambo fiara Jafeta sy ireo rahalahiny roa, niaraka tamin'ny vadin'izy ireo
  • Ireo zanak'i Noa matetika dia voatanisa araka ny laharany: "Sema, Hama, ary Jafeta." Izany dia manondro fa Jafeta no zandriny indrindra.

Jakoba (rahalahin'i Jesosy)

Facts

Jakoba dia zanak'i Maria sy Josefa. Iray amin'ireo rahalahin'i Jesosy.

  • Ireo rahalahin'i Jesosy hafa dia nantsoina hoe Josefa, Jodasy, ary Simona.
  • Nandritra ny fotoana niainan'i Jesosy, dia tsy nino Jakoba sy ireo rahalahiny fa Jesosy ilay Mesia.
  • Taty aoriana, taorian'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, dia nino Azy Jakoba ary lasa mpitarika ny fiangonana ao Jerosalema.
  • Ny bokin'i Jakoba ao amin'ny Testamenta Vaovao dia taratasy nosoratan'i Jakoba ho an'ireo Kristiana izay nandositra tany amin'ireo firenena hafa mba hialana amin'ny fanenjehana.

Jakoba (zanak'i Alfeo)

Facts

Jakoba, zanak'i Alfeo, dia iray amin'ireo apostoly roa ambin'ny folon'i Jesosy.

  • Ny anarany dia nomena tao amin'ny lisitr'ireo mpianatr'i Jesosy ao amin'ny filazantsaran'i Matio, Marka, ary Lioka.
  • Izy ihany koa dia voatonona ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly ho iray amin'ireo mpianatra iraika ambin'ny folo izay niara-nivavaka tao Jerosalema taorian'ny niverenan'i Jesosy tany an-danitra.

Jakoba (zanak'i Zebedio)

Facts

Jakoba, zanak'i Zebedio, dia iray amin'ireo apostoly roa ambin'ny folon'i Jesosy. Nanana rahalahy antsoina hoe Jaona izy izay iray amin'ireo mpianatr'i Jesosy koa.

  • Jakoba sy Jaona rahalahiny dia niasa nanjono niaraka tamin'i Zebedio rain'izy ireo.
  • Jakoba sy Jaona dia nomena anaram-bositra hoe "zana-baratra," satria mety hoe mora tezitra izy ireo.
  • Petera, Jakoba, ary Jaona no mpianatra akaiky an'i Jesosy indrindra sy niaraka taminy tamin'ireo tranga mahatalanjona toy ny fotoana niarahan'i Jesosy tamin'i Elia sy Mosesy teny an-tendrombohitra ary ny fotoana nananganan'i Jesosy zazavavy iray tamin'ny maty.
  • Jakoba hafa amin'ilay iray izay nanoratra boky ao amin'ny Baiboly ity. Ny fiteny sasany dia mety mila manoratra ny anaran'izy ireo amin'ny fomba samihafa mba hanazavana fa lehilahy roa samihafa izy ireo.

Jaona (ilay apostoly)

Facts

Jaona dia iray amin'ireo apostoly roa ambin'ny folon'i Jesosy ary iray amin'ireo namana akaiky an'i Jesosy.

  • Jaona sy Jakoba rahalahiny dia zanaka mpanjono iray atao hoe Zebedio.
  • Ao amin'ny filazantsara izay nosoratany momban'ny fiainan'i Jesosy, dia naneho ny tenany ho "mpianatra tian'i Jesosy" izy. Izany dia toa manondro fa Jaona dia namana akaiky manokana an'i Jesosy.
  • Ny apostoly Jaona dia nanoratra ny dimy tamin'ireo boky ao amin'ny Testamenta Vaovao: filazantsaran'i Jaona, ny fanambaran'i Jesosy Kristy, ary taratasy telo nosoratana ho an'ireo mpino hafa.
  • Aza adinoina fa ny apostoly Jaona dia olona hafa fa tsy Jaona mpanao batisa.

Jaona (Mpanao Batisa)

Facts

Jaona dia zanak'i Zakaria sy Elizabeta. Satria ny hoe "Jaona" dia anarana mahazatra, dia matetika izy natsoina hoe "Jaona mpanao batisa" mba hanavahana azy amin'ireo olona hafa antsoina hoe Jaona, toa an'ny apostoly Jaona.

  • Jaona dia mpaminany izay nirahin'Andriamanitra mba hanomana ny olona hino sy hanaraka ny Mesia.
  • Jaona dia niteny tamin'ny olona mba hihaiky ny fahotan'izy ireo, hitodika amin' Andriamanitra, ary tsy hanota intsony, mba ho vonona handray ilay Mesia izy ireo.
  • Nanao batisa olona maro tamin'ny rano Jaona ho famantarana fa tena nalahelo tamin'ny fahotany izy ireo ary hanalavitra ireo.
  • Jaona dia nantsoina hoe "Jaona mpanao batisa" satria nanao batisa olona maro.
  • Kendreo mba ho azon'ny olona fa ny hoe "mpanao batisa" dia tsy maneho ny fiangonana amin'ity anarana ity. Izany dia mety ilaina mba tsy hilazana hoe "Jaona ilay mpanao batisa" na "Jaona izay manao batisa."

Jaona Marka

Facts

Jaona Marka, fantatra koa amin'ny hoe "Marka," dia iray amin'ireo lehilahy izay nandeha niaraka tamin'i Paoly tamin'ny dia maha-misionera azy. Izy no mpanoratra ny filazantsaran'i Marka.

  • Jaona Marka dia niaraka tamin'i Barnabasy sy Paoly tamin'ny dia misioneran'izy ireo voalohany.
  • Rehefa nahiditra am-ponja tao Jerosalema Petera, dia nivavaka ho azy tao an-tranon'ny maman'i Jaona Marka ireo mpino tany.
  • Marka dia tsy apostoly no niandohany, fa nampianarin'i Paoly sy Petera ary niara-niasa tamin'izy ireo tamin'ny asa fanompoana.

Jebosita, Jebosa

Facts

Ireo Jebosita dia vondron'olona mipetraka ao amin'ny tany Kanana. Izy ireo dia taranaka avy amin'i Kanana zanak'i Hama.

  • Ireo Jebosita dia nipetraka tao amin'ny tanànan'i Jebosa, izay nivadika ho Jerosalema taty aoriana rehefa lasan'i Davida mpanjaka izany.
  • Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, dia mety Jebosita no niandohany.

Jefta

Facts

Jefta dia mpiady Gileada izay

  • Ao amin'ny Hebreo 11:32, Jefta dia deraina ho mpitarika manan-danja izay nanafaka ny vahoakany tamin'ireo fahavalon'izy ireo.
  • Nanavotra ireo Isiraelita tamin'ireo Amonita izy ary nitarika ny vahoakany handresy ireo Efraimita.
  • Na izany aza Jefta dia nanao voady adaladala sy maimaika tamin'Andriamanitra izay niafara tamin'ny fanaovany sorona ny zanany.

Jeho

Facts

Jeho dia anaran-dehilahy roa ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Jeho zanaka lahin'i Hanany dia mpaminany tamin'ny nanjakan'i Ahaba mpanjakan' Isiraely sy Josafata mpanjakan'i Joda.
  • Jeho zanaka lahin' (na taranak') i Josafata dia jeneraly tao amin'ny tafika Isiraelita izay mpanjaka voaosotra tamin'ny baikon'i Elisa mpaminany.
  • Jeho dia namono mpanjaka ratsy roa: Jorama mpanjakan'Isiraely sy Ahazia mpanjakan'i Joda.
  • Jeho mpanjaka koa dia namono ireo havan'i Ahaba mpanjaka teo aloha, ary namono an'i Jezebela mpanjakavavy.
  • Jeho dia namotika ireo toerana rehetra fivavahana amin'i Bala ao Samaria ary namono ireo mpaminan'i Bala rehetra.
  • Jeho mpanjaka dia nanompo ilay hany Andriamanitra marina, Yaveh, ary mpanjakan'Israely nandritra ny valo amby roapolo taona.

Jehorama, Jorama

Facts

Jehorama dia anarana mpanjaka roa samihafa ao amin'ny Testamenta Taloha. Ireo mpanjaka roa ireo dia samy fantatra koa amin'ny hoe "Jorama."

  • Ny mpanjaka iray Jehorama dia nanjaka tao amin'ny fanjakana Joda nandritry ny valo taona. Izy dia zanaka lahin'i Josafata mpanjaka. Io no mpanjaka izay fantatra matetika indrindra amin'ny hoe Jehorama.
  • Ilay mpanjaka Jehorama hafa dia nanjaka tao amin'ny fanjakana Israely nandritry ny roa ambin'ny folo taona. Izy dia zanak'i Ahaba mpanjaka.
  • Jehorama mpanjakan'i Joda dia nanjaka tamin'ny andro naminanian'i Jeremia, Daniela, Obadia, ary Ezekiela tao amin'ny fanjakana Joda.
  • Jehorama ihany koa dia nanjaka tamin'ny andro sasany izay nanjakan'i Josafata rainy tao Joda.
  • Ireo fandikan-teny sasany dia mety misafidy ny hampiasa hatrany ny anarana hoe "Jehorama" rehefa voatonona ity mpanjakan'Israely ity ary ny anarana hoe "Jorama" ho an'ny mpanjakan'i Joda.
  • Fomba hafa hanehoana mazava ny tsirairay amin'ireo ny fampidirana ny anaran-drainy.

Jeremia

Facts

Jeremia dia mpaminanin'Andriamanitra ao amin'ny fanjakana Joda. Ny bokin'i Jeremia ao amin'ny Testamenta Taloha dia mandrakitra ireo faminaniany.

  • Toy ny ankamaroan'ireo mpaminany, dia matetika Jeremia nila nampitandrina ny vahoakan'Isiraely fa hanasazy azy ireo nohon'ny fahotan'izy ireo Andriamanitra.
  • Jeremia dia naminany fa haka an'i Jerosalema ireo Babyloniana, izay nampatezitra ny sasany tamin'ireo vahoakan'i Joda. Noho izany dia nataon'izy ireo tao anaty fatsakana lalina sy maina izy ary namela azy ho faty tao. Fa ilay mpanjakan'i Joda nibaiko ireo mpanompony mba hamonjy an'i Jeremia ao amin'ilay fatsakana.
  • Nanoratra Jeremia fa iriany mba ho "loharanon-dranomaso" ny masony, mba hanehoany ny alahelony lalina tamin'ny fikomiana sy ny fijalian'ny olony.

Jeriko

Facts

Jeriko dia tanàna matanjaka any amin'ny tany Kanana. Miorina any andrefan'ny reniranon'i Jordana sy avaratr'ilay Ranomasin'ny Sira izany.

  • Toy ireo Kananita rehetra, dia nanompo andriamanitra sandoka ny vahoakan'i Jeriko.
  • Jeriko no tanàna voalohany any amin'ny tany Kanana izay nolazain'Andriamanitra an'ireo Isiraelita mba ho alaina.
  • Rehefa nitarika ireo Israelita hanohitra an'i Jeriko i Josoa, dia nanao fahagagana lehibe Andriamanitra mba hanampiana azy ireo handresy ilay tanàna.

Jeroboama

Facts

Jeroboama zanak'i Nebata no mpanjaka voalohan'ny fanjakan'Isiraely avaratra nanodidina ny 900-910 Talohan'i Kristy. Nisy Jeroboama hafa, zanak'i Joasy, nanjaka tao Isiraely teo amin'ny 120 taona taty aoriana.

  • Nampisehoan'i Yaveh faminaniana i Jeroboama zanak'i Nebata fa ho lasa mpanjaka izy aorian'i Solomona ary hanapaka ny fokon'Isiraely folo.
  • Rehefa maty i Solomona, dia nikomy nanohitra an'i Rehoboama zanak'i Solomona ireo foko folo avaratr'Isiraely ary nampanao an'i Jeroboama ho mpanjakan'izy ireo, namela an'i Rehoboama ho mpanjakan'ilay foko roa any atsimo fotsiny, dia Joda sy Benjamina.
  • Jeroboama dia lasa mpanjaka ratsy toeta izay nitarika ny vahoaka lavitry ny fiderana an'Yaveh ary nametra sampy ho azy ireo mba ho deraina. Ireo mpanjakan'Isiraely hafa rehetra dia nanaraka ny lalan'i Jeroboama ary lasa ratsy tahaka azy.
  • Efa ho 120 taona taty aoriana, dia nisy mpanjaka Jeroboama hafa nanjaka ny fanjakana avaratr'Isiraely. Io Jeroboama io no zanak'i Joasy mpanjaka ary ratsy toetra tahaka ireo mpanjakan'Isiraely rehetra teo aloha.
  • Na dia teo aza izany, dia nanana famindram-po tamin'Isiraely Andriamanitra ary nanampy ity Jeroboama mpanjaka ity hahazo tany sy hametraka sisin-tany ho an'ny faritanin'izy ireo.

Jerosalema

Facts

Jerosalema tany am-boalohany dia tanàna Kananita taloha izay lasa tanànan'Isiraely manan-danja indrindra taty aoriana. Hita any amin'ny 34km andrefan'ny Ranomasin-tsira izany ary mianavaratr'i Betlehema. Izany dia mbola renivohitr'Israely amin'izao fotoana.

  • Ao amin'ny bokin'i Josoa no voatonona voalohany ny anarana hoe "Jerosalema". Ireo anarana hafa ao amin'ny Testamenta Taloha ilazana an'ity tanàna ity dia ahitana ny hoe "Salema," "tanànan'ny Jebosa," ary "Ziona." "Jerosalema" sy "Salema" dia manana dika hoe "fiadanana."
  • Jerosalema tany am-piandohana dia fiarovana mafy Jebosita antsoina hoe "Ziona" izay nalain'i Davida mpanjaka ary nataony tao an-drenivohitry ny tanànany.
  • Solomona zanak'i Davida no nanangana ny tempoly voalohany tao Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, izay tendrombohitra nanaovan'i Abrahama sorona ny zanany lahy ho an'Andriamanitra. Naorina tany indray ilay tempoly taorian'ny nandravan'ireo Babyloniana izany.
  • Satria tany Jerosalema ilay tempoly, dia nankalazaina tany ireo firavoravoana lehibe Jiosy.
  • Ny vahoaka dia entina ilazana ny hoe mandeha "miakatra" any Jerosalema satria niorina teny an-tendrombohitra izany.

Jese

Facts

Jese dia rain'i Davida mpanjaka, ary zafikelin'i Rota sy Boaza.

  • Jese dia avy amin'ny taranak'i Joda.
  • "Efratita" izy, izay midika hoe avy any amin'ny firenen'i Efrata (Betlehema).
  • Isaia mpaminany dia naminany momban'ny "tsimoka" na "sampana" izay hivoaka amin'ny "fakan'i Jese" ary hitondra voa. Ity dia maneho an'i Jesosy izay taranak'i Jese.

Jetro, Roela

Facts

Ny anarana hoe "Jetro" sy "Roela" dia samy maneho ny rain'ny vadin'i Mosesy, Zipora. Nisy lehilahy roa hafa koa antsoina hoe "Roela" ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Tamin'i Mosesy mpiandry ondry tany amin'ny tanin'i Midiana, dia nanambady ny zanaka lehilahy Midianita iray antsoina hoe Roela izy.
  • Taty aoriana Roela dia nantsoina hoe "Jetro, mpisoron'i Midiana." Mety ho anaran'ny fianakaviambeany ny hoe "Roela."
  • Andriamanitra rehefa niresaka tamin'i Mosesy tamin'ny voaroy midedadeda, dia nirona tamin'ny ondrin'i Jetro i Mosesy.
  • Fotoana maro taty aoriana, taorian'ny nanavotan'Andriamanitra ireo Iisiraelita tamin'i Egypta, dia nanatona ireo Isiraelita tany an'efitra Jetro ary nanome soso-kevitra tsara an'i Mosesy momban'ny fitsaràna ny olan'ny vahoaka.
  • Nino an'Andriamanitra izy rehefa nandre momba ireo fahagagana rehetra nataon' Andriamanitra ho an'ireo Israelita tany Egypta.
  • Ny iray amin'ireo zanak'i Esao dia antsoina hoe Roela.
  • Nisy lehilahy hafa nantsoina hoe Roela voatonona ao amin'ny tetiaran'ireo Isiraelita izay niverina mba hiverina hanori-ponenana ao Joda rehefa tapitra ny fahababoana azy ireo tany Babylona.

Jezebela

Facts

Jezebela dia vady ratsy fanahin'i Ahaba mpanjakan'Israely.

  • Jezebela dia nitarika an'i Ahaba sy ny sisan'Isiraely hanompo sampy.
  • Izy ihany koa dia namono maro tamin'ireo mpaminanin'Andriamanitra.
  • Jezebela dia nahatonga lehilahy tsy manan-tsiny iray antsoina hoe Nabota ho faty mba afahan'i Ahaba mangalatra ny tanim-boalobok'i Nabota.
  • Maty Jezebela ny farany noho ireo zavatra ratsy rehetra izay nataony. Elia dia naminany momban'ny fomba hafatesany ary nitranga araka izay naminaniany izany.

Jezirela

Facts

Jezirela dia anaran-tanàna manan-danja ao amin'ny tanin'ny foko Isakara, any atsimo-atsinanan'ny Ranomasin'ny sira.

  • Ny tanànan'i Jezirela dia iray amin'ireo
  • Mpanjakan'Isiraely maro no nanana ny toeran'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Jezirela.
  • Ny tanim-boalobok'i Nabota dia niorina tany akaikin'ny lapan'i Ahaba mpanjaka any Jezirela. Elia mpaminany dia naminany nanohitra an'i Ahaba tany.
  • Ny vady ratsy fanahin'i Ahaba dia maty tao Jezirela.
  • Nisy tranga manan-danja hafa niseho tao amin'io tanàna io, isan'izay ireo ady maro.

Joaba

Facts

Joaba dia mpitarika miaramila iray an'i Davida Mpanjaka nandritry nyfanjakany iray manontolo.

  • Talohan'ny naha-mpanjaka an'i Davida, dia efa isan'ny iray tamin'ireo mpanara-dia azy Joaba.
  • Taty aoriana, tamin'ny fanjakan'i Davida amin'ny maha-mpanjaka, dia lasa mpibaiko ny tafik'i Davida mpanjaka i Joaba.
  • Joaba ihany koa dia zanak'anabavin'i Davida.
  • Absaloma zanak'i Davida rehefa namadika azy tamin'ny fitadiavana haka ny fanjakany, dia novonoin'i Joaba mba hiarovana ny mpanjaka.

Joasy

Facts

Joasy dia anarana lehilahy maro ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny Joasy iray dia rain'ny mpanafaka ny Isiraelita, Gideona.
  • Nisy lehilahy iray hafa antsoina hoe Joasy izay taranaky ny zanak'i Jakoba farany indrindra, Benjamina.
  • Ny Joasy tena fatatra indrindra dia lasa mpanjakan'i Joda tamin'ny faha-sivy taonany. Zanak'i Ahazia izy, mpanjakan'i Joda, izay novonoina.
  • Tamin'i Joasy mbola kely, dia namonjy azy tsy ho vonoina ny nenintoany tamin'ny fanafenana azy lavitra mandra-pahalehibeny tsara ho tolorana satro-boninahitra maha-mpanjaka.
  • Joasy mpanjaka dia mpanjaka tsara izay nankatoa an'Andriamanitra tamin'ny voalohany fa tsy nanala ireo toerana avo ka nanomboka nanompo sampy indray ireo Isiraelita.
  • Joasy mpanjaka dia nanjaka tao Joda nandritry ny taona maro nanjakan'i Joahaza mpanjaka an'Isiraely. Mpanjaka roa samihafa izy ireo.

Joba

Facts

Joba dia lehilahy izay voafaritra ao amin'ny Baiboly ho tsy manan-tsiny sy marina eo anatrehan'Andriamanitra. Izy dia fantatra tsara amin'ny faharetany amin'ny finoany an'Andriamanitra amin'ny andro fahoriana be.

  • Joba dia nipetraka tany amin'ny tanin'i Oza, izay niorina tany atsinanan'ny tanin'i Kanàna, mety akaikin'ny faritr'ireo Edomita.
  • Noeritreretina hoe niaina fotoana maro tamin'ny andron'i Esao sy Jakoba izy satria ny iray amin'ireo naman'i Joba dia "Temanita," izay vondron'olona nomena anarana taorian'ny zafikelin'i Esao.
  • Ny bokin'i Joba ao amin'ny Testamenta Taloha dia milaza momban'ny fomba namalian'i Joba sy ireo hafa ny fahoriany. Izany ihany koa dia manome ny hevitr'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka mpahary Azy sy mpanapaka an'izao rehetra izao.
  • Taorian'ireo loza rehetra, dia nanasitrana an'i Joba farany Andriamanitra ary nanome zanaka maro sy harena ho azy.
  • Ny bokin'i Joba dia milaza fa tena antitra izy tamin'izy maty.

Joda

Facts

Joda dia iray amin'ireo zanak'i Jakoba lahy. Lea no reniny. Ireo taranany dia antsoina hoe "fokon'i Joda."

  • Joda no niteny tamin'ny rahalahiny mba hivarotra ny zandrin'izy ireo kely indrindra Josefa ho andevo fa tsy namela azy ho faty ao anaty lava-drano lalina.
  • Davida mpanjaka sy ireo mpanjaka rehetra taoriany dia taranak'i Joda avokoa. Jesosy, ihany koa, dia taranak'i Joda.
  • Rehefa nifarana ny fanjakan'i Solomona sy nizara ny firenen'Isiraely, dia ny fanjakan'i Joda no ampahany atsimo tamin'ilay firenena.
  • Ao amin'ny bokin'ny Fanambarana ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia antsoina hoe "Lion'i Joda" Jesosy.
  • Ny teny hoe "Jiosy" sy "Jodia" dia avy amin'ny anarana hoe "Joda."

Joda, fanjakan'i Joda

Facts

Ny fokon'i Joda no foko lehibe amin'ireo foko roambinifolon'Israely. Ny fanjakan'i Joda dia niforona tamin'ny alalan'ireo fokon'i Joda sy Benjamina.

  • Rehefa maty Solomona mpanjaka, dia nizara ho fanjakana roa ny firenen'Israely: Israely sy Joda. Ny fanjakan'i Joda no fanjakana atsimo, ao andrefan'ny Ranomasin'ny Sira.
  • Jerosalema no tanàna renivohitry ny fanjakan'i Joda.
  • Mpanjakan'i Joda valo no manompo an'Yaveh ary mamela ny olona hidera an'Yaveh. Ireo mpanjakan'i Joda hafa dia ratsy fanahy ary namela ny olona hanompo sampy.
  • 120 taona taorian'ny nandresen'i Asiria an'Israely (fanjakana avaratra), Joda dia babon'ny firenen'i Babylona. Noravan'ireo Babiloniana ny tanàna sy ny tempoly, ary maro tamin'ireo olon'i Joda no lasa gadra tao Babylona.

Jodasy Iskariota

Facts

Jodasy Iskariota dia iray amin'ireo apostolin'i Jesosy. Izy ilay iray izay namadika an'i Jesosy tamin'ireo mpitarika Jiosy.

  • Ny anarana hoe "Iskariota" dia mety midika hoe "avy any Keriota," mety manondro fa Jodasy dia niha-lehibe tao amin'io tanàna io.
  • Nitantana ny volan'ireo apostoly i Jodasy Iskariota ary nangalatra matetika ny sasany tamin'izany mba hampiasaina ho an'ny tenany.
  • Jodasy dia namadika an'i Jesosy tamin'ny filazana ireo mpitarika fivavahana izay nisy an'i Jesosy mba afahan'izy ireo misambotra Azy.
  • Rehefa avy nanameloka an'i Jesosy ho faty ireo mpitarika fivavahana, dia nanenina Jodasy fa namadika an'i Jodasy, noho izany dia naveriny tamin'ireo mpitarika Jiosy ilay vola famadihana ary avy eo namono ny tenany.
  • Nisy apostoly hafa koa nantsoina hoe Jodasy izay iray tamin'ireo rahalahin'i Jesosy. Ireto misy lehilahy hafa antsoina hoe Jodasy ao amin'ny Baiboly, toa an'ny rahalahin'i Jesosy sy apostoly hafa. Ny rahalahin'i Jesosy ihany koa dia fantatra amin'ny hoe "Joda."

Jodasy, zanak'i Jakoba

Facts

Jodasy, zanak'i Jakoba, dia iray amin'ireo apostoly roa ambin'ny folon'i Jesosy. Tsy ilay lehilahy Jodasy Iskariota ity fa hafa.

  • Matetika ao amin'ny Baiboly, ny lehilahy mitovy anarana dia avahana amin'ny filazana hoe zanak'iza izy ireo. Eto, Jodasy dia aseho hoe "zanak'i Jakoba."
  • Nisy lehilahy iray hafa antsoina hoe Jodasy izay rahalahin'i Jesosy. Izy ihany koa dia fantatra amin'ny hoe "Joda."
  • Ny bokin'ny Testamenta Vaovao antsoina hoe "Joda" dia mety nosoratan'i Jodasy rahalahin'i Jakoba, satria izy maneho ny tenany hoe "rahalahin'i Jakoba." Jakoba dia rahalahin'i Jesosy hafa.
  • Mety azo eritreretina ihany koa hoe mpianatr'i Jesosy, i Jodasy, zanak'i Jakoba no nanoratra ny bokin'i Joda.

Jodia

Facts

Ny teny hoe "Jodia" dia maneho fari-tany iray tamin'Isiraely taloha. Matetika izany dia ampiasaina amin'ny hevitra tery ary amin'ny hevitra mivelatra amin'ny fotoana sasany.

  • Indraindray ny hoe "Jodia" dia ampiasaina amin'ny hevitra tery mba hanehoana ny faritany hita any amin'ny tapany atsimon'Isiraely taloha izay andrefan'ny Ranomasina Maty fotsiny. Ny fandikan-teny sasany dia miantso ity faritany ity hoe "Jodia."
  • Indraindray ny hoe "Jodia" dia manana hevitra mivelatra ary maneho ireo faritany rehetran'Isiraely taloha, isan'izany Galilia, Samaria, Perea, Edoma ary Jodia (Joda).
  • Raha mila manao mazava tsara ny fanavahana ireo mpandika teny, dia ny hevitra mivelatry ny hoe Jodia (Oh. Lioka 1:5) dia afaka adika hoe "Tanànan'i Jodia" ary ny hevitra tery (oh. Lioka 1:39) dia afaka adika hoe "Faritanin'i Jodia" na "Faritanin'i Joda" satria ity dia ampahany amin'ny tanin'Isiraely taloha izay niainan'ny foko Joda tany am-piandohana.

Joela

Facts

Joela dia anarana mpaminany iray izay mety niaina tamin'ny nanjakan'i Joasa mpanjakan'i Joda. Misy lehilahy maro hafa antsoina hoe Joela koa ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny bokin'i Joela dia iray amin'ireo boky faminaniana fohy roa ambin'ny folo ao amin'ny fizarana faran'ny Testamenta Taloha.
  • Ny fampahafantarana hany hananantsika momban'i Joela mpaminany dia hoe Petoela no anaran'ny rainy.
  • Tamin'ny toriteniny tamin'ny Pentekosta, dia nilaza teny nalaina tao amin'ny bokin'i Joela i Petera apostoly.

Joiada

Facts

Joiada dia mpisorona izay nanampy nanafina sy niaro an'i Joasy zanak'i Ahazia mpanjaka mandrapaha-tonga azy lehibe tsara mba ho ambara ho mpanjaka.

  • Joiada dia nandamina mpiambina an-jatony mba hiaro an'i Joasy tamin'izy nambaran'ny vahoaka azy ho mpanjaka tao an-tempoly.
  • Joiada dia nitarika ny vahoaka tamin'ny fanafoanana ireo alitara rehetran'i Bala andriamanitra sandoka.
  • Ireo andro sisa niainany, dia nanoro hevitra an'i Joasy mpanjaka i Joiada mba hanampy azy hankatoa an'Andriamanitra sy hanapaka am-pahendrena ny vahoaka.
  • Nisy lehilahy hafa antsoina hoe Joiada izay rain'i Benaia.

Joiakima

Facts

Joiakima dia mpanajaka ratsy fanahy izay nanjaka tao amin'ny fanjakan'i Joda, nanomboka tamin'ny 608 Talohan'i Kristy. Izy dia zanak'i Joasy mpanjaka. Eliakima no tena anarany.

  • I Neko, ilay farao Egyptiana no nanova ny anaran'i Eliakima ho Joiakima ary nanao azy ho mpanjakan'i Joda.
  • Neko dia nanery an'i Joiakima mba handoa hetra lafo amin'i Egypta.
  • Taty aoriana rehefa voatafik'i Nebokadnezara mpanjaka ny tany Joda, dia isan'ireo nisambotra sy nitondra azy tany Babylona i Joiakima.
  • Joiakima dia mpanjaka ratsy izay nitarika an'i Joda lavitra an'Yaveh. Jeremia mpaminany no naminany nanohitra azy.

Joiakina

Facts

Joiakina dia mpanjaka nitondra tao amin'ny fanjakan'i Joda.

  • Joiakina dia lasa mpanjaka tamin'ny faha18 taonany. Telo volana ihany izy no nanjaka ary taorian'izay dia voasambotry ny tafika Babyloniana ary nentina tany Babylona.
  • Nandritra ny fotoana nanjakany, dia nanao zavatra ratsy Joiakima toy ny nataon'i Manase raibeny sy Joiakima rainy.

Jona

Facts

Jona dia mpaminany Hebreo ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny bokin'i Jona dia milaza ny tantaran'ny fotoana nanirahan'Andriamanitra an'i Jona mba hitory amin'ny vahoakan'i Ninive.
  • Nandà tsy ho any Ninive i Jona fa kosa niditra tao an-tsambo iray mankany amin'ny tanàna hafa.
  • Nanisy tafio-drivotra lehibe Andriamanitra mba hanafotra ilay sambo.
  • Rehefa hitan'ireo lehilahy nitaingina sambo fa tsy nankatoa an'Andriamanitra i Jona, dia natsipin'izy ireo tany an-dranomasina izy ary nitsahatra ilay tafio-drivotra.
  • Natelin'ny trondro lehibe Jona ka tao an-kibon'izany trondro izany izy nandritra ny telo andro sy telo alina.
  • Taorian'izay, lasa nankany Ninive Jona ary nitory tamin'ny vahoaka tao, ka niala tamin'ireo otany izy ireo.

Jonatana

Facts

Jonatana dia anarana lehilahy folo farafahakeliny ao amin'ny Testamenta Taloha. Ilay anarana dia midika hoe "Yaveh no nanome."

  • Jonatana namana akaiky indrindra amin'i Davida no lehilahy tena fantatra indrindra amin'izany anarana izany ao amin'ny Baiboly. Jonatana dia zanak'i Saoly lahy zokiny indrindra.
  • Ireo lehilahy hafa voatonona ao amin'ny Testamenta Taloha dia ahitana an'i: taranak'i Mosesy iray; zana-drahalahin'i Davida; mpisorona maro, isan'izany ny zanak'i Abiatara; ary mpanora-dalàna ao amin'ny Testamenta Taloha izay nanagadrana an'i Jeremia mpaminany ny tranony.

Jopa

Facts

Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, dia seranan-tsambo ara-barotra manan-danja ny tanànan'i Jopa hita any amin'ny Ranomasina Mediteraneana, atsimon'ny tany hain'i Sarona.

  • Ny toerana nisy an'i Jopa taloha dia tanànan'i Jafa amin'izao fotoana, izay ampahan'ny tanànan'i Telabiba amin'izao.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, dia Jopa ilay tanàna izay nandehanan'i Jonà an-tsambo nankany Tarsisy.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia nisy vehivavy Kristiana antsoina hoe Tabita maty tao Jopa ary Petera nanangana azy tamin'ny maty.

Jorama

Facts

Jorama zanak'i Ahaba dia mpanjakan'Isiraely. Izy ihany koa matetika dia antsoina hoe "Jehorama."

  • Jorama mpanjakan'Isiraely dia nanjaka tamin'ny fotoana naha-mpanjaka an'i Jehorama mpankan'i Joda.
  • Jorama dia mpanjaka ratsy izay nidera andriamanitra diso ary nampanota an'Isiraely.
  • Jorama mpanjakan'Isiraely ihany koa dia nanjaka tamin'ny andron'i Elia sy Obadia mpaminany.
  • Nisy lehilahy hafa antsoina hoe Jorama izay zanak'i Toy mpanjakan'i Hamata tamin'i Davida mbola mpanjaka.

Josafata

Facts

Josafata dia anarana lehilahy roa farafahakeliny ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny lehilahy tena fantatra tsara amin'io anarana io dia Josafata mpanjaka izay mpanjaka faha-efatra nanjaka teo amin'ny fanjakana Joda.
  • Namerina ny fiadanana teo amin'i Joda sy Israely izy, ary namotika ireo alitaran'ireo Andriamanitra sandoka.
  • Nisy Josafata iray hafa izay "mpitam-bokin" i Davida sy Solomona. Tao anatin'ny asany ny fanoratana antontan-taratasy ho an'ny mpanaka mba asiana sonia sy ny fandraketana ny tantaran'ireo hetsika manan-danja izay nitranga teo amin'ny fanjakana.

Josefa (TT)

Facts

Josefa no zanaka lahy faha iraika ambin'ny folon'i Jakoba sy zanaka lahy voalohan'i Rahely reniny.

  • Josefa no zanaka tena tian'ny rainy.
  • Nialona azy ireo rahalahiny ka nivarotra azy ho andevozina.
  • Tamin'ny tany Egypta, dia noendrikendrehana Josefa ary nalefa tany am-ponja.
  • Na teo aza ny olany, dia nahatoky an'Andriamanitra hatrany Josefa.
  • Nitondra azy tany amin'ny toeran'ny hery faharoa avo indrindra tany Egypta Andriamanitra ary nampiasa azy mba hamonjy ny vahoaka amin'ny fotoana izay tsy hisy sakafo be. Ny vahoakan'i Egypta, sy ny fianakaviany dia avotra tsy ho mosarena.

Josefa (TV)

Facts

Josefa dia rain'i Jesosy etp an-tany ary nanangana Azy ho zanany. Lehilahy marina izay mpandrafitra izy.

  • Josefa dia nanambady vehivavy Jiosy antsoina hoe Maria, izay nosafidian' Andriamanitra mba ho renin'i Jesosy ilay Mesia.
  • Nisy anjely niteny tamin'i Josefa fa ny Fanahy Masina dia nampananan'anaka an'i Maria tamin'ny fahagagana, ary ny zanak'i Maria dia ilay Zanak'Andriamanitra.
  • Taorian'ny nahaterahan'i Jesosy, dia nisy anjely nampitandrina an'i Josefa mba haka ilay zaza sy Maria ho any Egypta mba hitsoaka an'i Eroda.
  • Josefa sy ny fianakaviany dia nipetraka tao amin'ny tanànan'i Nazareta ao Galilia izay nivelomany tamin'ny fanaovana rafitra.

Josia

Facts

Josia dia mpanjaka araka an'Andriamanitra izay nanjaka tao amin'ny fanjakan'i Joda nandritry ny iraika amby telopolo taona. Nitarika ny vahoakan'i Joda mba hibebaka sy hidera an'Yaveh izy.

  • Taorian'ny namonoana an'i Amona mpanjaka rainy, dia lasa mpanjaka nanerana an'i Joda i Josia tamin'izy valo taona.
  • Tamin'ny faha valo ambin'ny folo taona nanjakany, dia nibaiko an'i Hilkia mpisoronabe mba hamerina hanorina ny tempolin'Andriamanitra i Josia mpanjaka. Rehefa ho vita izany, dia hita ny bokin'ny lalàna.
  • Rehefa novakiana tamin'i Josia ny bokin'ny lalàna, dia sosotra tamin'ny fomba tsy nankatoavan'ny vahoakany an'Andriamanitra izy. Nibaiko ny handravana ireo toerana rehetra fiderana sampy izy ary mba ho vonoina ireo mpisoron'ny andriamanitra diso.
  • Izy ihany koa dia nibaiko ny vahoaka mba hanomboka hankalaza ny firavoravoan'ny Paska indray.

Josoa

Facts

Nisy lehilahy Isiraelita maro nantsoina hoe Josoa ao amin'ny Baiboly. Ny tena fantatra indrindra dia Josoa zanak'i Nona izay mpanampy an'i Mosesy ary lasa mpitarika manan-danja ny vahoakan'Andriamanitra taty aoriana.

  • Josoa dia iray amin'ireo mpitsikilo roa ambin'ny folo izay nirahin'i Mosesy mba hizaha ilay Tany Nampanantenaina.
  • Niaraka tamin'i Kaleba, dia namporisika ireo vahoaka Isiraelita Josoa mba hankatoa ny didin'Andriamanitra mba hiditra ilay Tany Nampanantenaina ary handresy ireo Kananita.
  • Taona maro taty aoriana, taorian'ny nahafatesan'i Mosesy, dia nanondro an'i Josoa mba hitarika ny vahoakan'Isiraely handresy ny tanànan'i Jeriko Andriamanitra.
  • Ny bokin'i Josoa ao amin'ny Testamenta Taloha dia milaza ny fomba nitarihan'i Josoa ireo Isiraelita tamin'ny fanaraha-maso ilay Tany Nampanantenaina sy ny fomba nanendreny ampahan-tany samihafa ho an'ny fokon'Isiraely tsirairay mba hipetrahana.
  • Josoa zanak'i Jozadaka dia voatonona ao amin'ny bokin'i Hagay sy Zakaria; izy dia mpisoronabe izay nanampy namerina nanorina ny rindrin'i Jerosalema.
  • Nisy lehilahy maro hafa antsoina hoe Josoa voatonona ao amin'ireo tetiarana sy hafa ao amin'ny Baiboly.

Jotama

Facts

Ao amin'ny Testamenta Taloha dia misy lehilahy telo manana anarana mitovy.

  • Ny lehilahy iray antsoina hoe Jotama dia zanaka lahy faran'i Gideona. Jotama dia nanampy nandresy an'i Abimeleka rahalahiny, izay namono ireo rahalahin'izy ireo sisa tavela.
  • Ny lehilahy iray hafa antsoina hoe Jotama dia mpanjaka tao Joda nandritry ny enina ambin'ny folo taona taorian'ny nahafatesan'i Ozia (Azaria) rainy.
  • Tahaka ny rainy, dia nankatoa an'Andriamanitra sy mpanjaka tsara i Jotama mpanjaka.
  • Na izany aza, tsy nanala ireo toerana fiderana sampy izy ka nampatonga ny olona tao Joda nanalavitra an'Andriamanitra indray taty aoriana.
  • Jotama ihany koa dia iray amin'ireo razambe voatanisa ao amin'ny tetiaran'i Jesosy Kristy ao amin'ny bokin'i Matio.

Kadesy, Kadesy-Barnea, Meriba Kadesy

Facts

Ireo anarana hoe: Kadesy, Kadesy-Barnea, Meriba Kadesy dia samy maneho anarana tanàna manan-danja ao Israely avokoa izay hita ao atsimon'Israely, akaikin'ny faritr'i Edoma.

  • Ny tanànan'i Kadesy dia lonaka, toerana iray izay misy rano ary tany mamokatra eo afovoan'ny tany efitra antsoina hoe: Zina.
  • Mosesy nandefa mpitsikilo roa ambin'ny folo tany amin'ny tanin'i Kanana avy any Kadesy Barnea.
  • Israely ihany koa dia nitoby tao Kadesy nandritra ny firenirenena tao amin'ny tany efitra.
  • Tao Kadesy Barnea i Miriama no maty.
  • Tao Meriba Kadesy i Mosesy no tsy nankatoa an'Andriamanitra ary namaky vato mba hahazoana rano ho an'Israely, raha tokony niresaka izany araka izay nolazain'Andriamanitra ho ataony izy.
  • Ny anarana hoe: "Kadesy" dia avy amin'ny teny Hebreo izay midika hoe: "masina" na "voatokana."

Kaina

Facts

Kaina sy Abela zandriny lahy no zanak'i Adama sy Eva voalohany notononina tao amin'ny Baiboly.

  • Kaina dia mpamboly izay namokatra ny vokatry ny tany raha mpiandry ondry kosa Abela.
  • Kaina dia namono an'i Abela rahalahiny tamin'ny fialonana, satria Andriamanitra nanaiky ny soron'i Abela, fa tsy nanaiky ny an'i Kaina.
  • Ho famaizana, dia nalefan'Andriamanitra niala an'i Edena izy ary nolazainy taminy fa tsy hamokatra ho azy intsony ny taniny.
  • Nasian'Andriamanitra marika ny andrin'i Kaina ho famantarana fa Andriamanitra dia hiaro azy amin'ny famonoan'ny olona hafa raha mirenireny izy.

Kaisara

Facts

Ny teny hoe "Kaisara" dia anarana na toerana nampiasain'ny maro tamin'ireo mpanapaka tamin'ny fanjakana Romana, io anarana io dia maneho mpanapaka Romana telo samihafa.

  • Ny mpanapaka Romana voalohany Kaisara dia "Aogosto Kaisara," izay nanapaka tamin'ny andro nahaterahan'i Jesosy.
  • Teo amin'ny telo-polo taona taty aoriana, tamin'ny andro nitorian'i Jaona mpanao Batisa, dia Tiberia Kaisara no mpanapaka ny fanjakana Romana.
  • Tiberia Kaisara dia mbola nanapaka an'i Roma tamin'i Jesosy niteny ny olona mba hanome an'i Kaisara izay tokony ho azy ary hanome an'Andriamanitra izay tokony ho Azy.
  • Rehefa niantso an'i Kaisara i Paoly, dia maneho an'i Nero, amperora Romana izany, izay nanana ny fiantona hoe "Kaisara" ihany koa.
  • Rehefa ampiasaina ho fiantoana ny hoe "Kaisara," dia afaka adika hoe: "ilay Amperora" na "ilay Mpanapaka Romana" ihany koa izany.
  • Amin'ireo anarana toy ny Aogosto Kaisara na Tiberia Kaisara, dia afaka tononina manakaiky ny fomba fanononan'ny tenim-pirenena iray izany ny hoe "Kaisara."

Kaisaria, Kaisaria-filipo

Facts

Kaisaria dia tanàna manan-danja any amin'ny faritry ny Ranomasina Mediteraneana, eo amin'ny 39 km mianatsimo ny tendrombohitra Karmela. Kaisaria-filipo dia tanàna ao amimn'ny faritra avaratra-atsinanan'Israely, akaikin'ny tendrombohitra Hermona.

  • Ireo tanàna ireo dia nomena anarana ho an'ireo Kaisaria izay nanapaka ny fanjakana Romana.
  • Ny morontsirak'i Kaisaria dia lasa tanàna renivohitr'ilay faritany Romana ao Jodia nanodidina ny fotoana nahaterahan'i Jesosy.
  • Paoly dia niondrana an-tsambo avy any Kaisaria nankany Tarsosy ary nandalo io tanàna io indroa tamin'ireo dia amin'ny maha-misionera azy.
  • Jesosy sy ireo mpianany dia nandeha tany amin'ny faritra manodidina an'i Kaisaria-filipo any Syria. Ireo tanàna roa ireo dia samy nomena anarana avy tamin'i Heroda Filipo.

Kaldeana, kaldea

Facts

Kaldea dia faritra any atsimon'i Mesopotania sy Babylona. NY olona izay nipetraka tao amin'io faritra io dia antsoina hoe Kaldeana.

  • Tao Kaldea no nisy ny tanànan'i Ora, izay niavian'i Abrahama. Izany matetika dia antsoina hoe "Oran'ny Kaldeana."
  • Nebokadnezara mpanjaka dia iray amin'ireo Kaldeana maro izay lasa mpanjaka manerana an'i Babylona.
  • Taorian'ny taona maro, nanodidina ny 600 taona talohan'i Kristy, dia lasa hoe "Babyloniana" ny dikan'ny teny hoe "Kaldeana."
  • Ao amin'ny bokin'i Daniela, ny teny hoe "Kaldeana" koa dia maneho sarangan'olona manokana izay nahita fianarana ambony sy nandinika momba ireo kintana.

Kaleba

Facts

Kaleba dia iray amin'ireo mpitsikilo Israelita roa ambin'ny folo izay nirahin'i Mosesy mba hizaha ny tanin'ny Kanàna.

  • Izy sy Josoa dia nilaza tamin'ny olona mba hahatoky an'Andriamanitra fa hanampy azy ireo handresy ireo Kananita.
  • Josoa sy Kaleba irery no lehilahy tamin'ireo mitovitovy taona tamin'izy ireo, afaka niditra tao amin'ilay tany nampanantenaina tao Kanàna.
  • Kaleba dia nangataka ny mba hanomezana azy sy ny fianakaviany ny tanin'i Hebrona. Fantany fa Andriamanitra dia hanampy azy handresy ny olona izay nipetraka tao.

Kanà

Facts

Kanà dia vohitra na tanàna ao amin'ny faritanin'i Galilia, eo amin'ny sivy metatra mianavaratra an'i Nazareta.

  • Kanà no tanàna niavian'i Natanaela, iray tamin'ireo Roa ambin'ny folo.
  • Jesosy dia nanatrika lanonam-panambadiana iray tao Kanà ary nanatanteraka ny fahagagany voalohany tao rehefa namadika ny rano ho lasa divay Izy.
  • Fotoana vitsivitsy taorian'izany, niverina tao Kanà i Jesosy ary nifanena tamin'ny manam-boninahitra iray tao avy any Kapernaomy izay nangataka fanasitranana ho an'ny zanany lahy.

Kanana, Kananita

Facts

Kanana dia zanak'i Hama, izay iray tamin'ireo zanaka lahin'i Noa. Ireo Kananita dia taranak'i Kanana.

  • Ny teny hoe "Kanana" na hoe "tanin'i Kanana" ihany koa dia maneho fari-tany iray eo anelanelan'ny reniranon'i Jordana sy ny ranomasina Mediteraneana. Mihitatra mianatsimo mankany amin'ny fari-tanin'i Egypta izany ary mianavaratra mankany amin'ny fari-tanin'i Syria.
  • Ity tany ity dia tsy nonenan'ireo Kananita, tahaka an'ireo vondron'olona maro hafa.
  • Andriamanitra dia nampanantena ny hanome ny tany Kanana ho an'i Abrahama sy ireo taranany, ireo Israelita.

Kapernaomy

Facts

Kapernaomy dia tanàna fanjonoana iray any avaratra-andrefan'ny moron'ny ranomasin'i Galilia.

  • Jesosy dia nipetraka tao Kapernaomy na oviana na oviana nampianatra tao Galilia Izy.
  • Maro tamin'ireo mpianany no avy ao Kapernaomy.
  • Jesosy ihany koa dia nanao fahagagana maro tao amin'io tanàna io, isan'izany ny fananganana zazavavy iray tamin'ny maty.
  • Kapernaomy dia iray tamin'ireo tanàna izay notenenin'i Jesosy mafy ampahibemaso satria nandà Azy ary tsy nino ny hafany ny olon'izy ireo. Nampitandrina azy ireo Izy fa Andriamanitra dia hanasazy azy ireo nohon'ny tsy finoan'izy ireo.

Karmela, Tendrombohitra Karmela

Facts

Ny "Tendrombohitra Karmela" dia maneho laharan-tendrombohitra izay hita manaraka ny moron'ny Ranomasina Mediteraneana mianavaratra ny tany hain'i Sarona. Ny tendrony avo indrindra dia mirefy 546 metatra ny haavony.

  • Nisy tanàna koa nantsoina hoe "Karmela" tany Joda, atsimon'ilay Ranomasin'ny Sira.
  • Ilay tompon-tany manan-karena Nabala sy ny vadiny Abigaila dia nipetraka tany akaikin'ny tanànan'i Karmela izay nanampian'i Davida sy ireo lehilahiny niambina ireo mpanakapaka ny volon'ireo ondrin'i Nabala.
  • Tany amin'ny tendrombohitra Karmela, dia nitsapa ireo mpaminanin'i Bala ho amin'ny fifaninanana Elia mba hanaporofoina fa Yaveh irery no Andriamanitra marina.
  • Mba hanazavana tsara izany fa tsy tendrombohitra fotsiny ihany io, ny "tendrombohitra Karmela" dia afaka adika hoe "tendrombohitra any amin'ny laharan-tendrombohitra Karmela" na "laharan-tendrombohitra Karmela."

Kedara

Facts

Kedara dia anaran'ny zanaka lahy faharoan'Ismaely. Anarana tanàna manan-danja iray, izay mety ho nomena anarana taorian'ny olona.

  • Ny tanànan'i Kedara dia hita ao avaratry ny ampahan'i Arabia akaikin'ny sisiny atsimon'i Palestina. Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Baiboly, dia fantatra tamin'ny halehibeny sy ny hatsarany izany.
  • Ny taranak'i Kedara dia nanangona vondron'olona izay antsoina ihany koa hoe: "Kedara."
  • Ny andian-teny hoe: "lay matrok'i Kedara" dia maneho ny lay volon'osy mainty izay hipetrahan'ny olon'i Kedara.
  • Ireo olona ireo dia niompy ondry sy osy. Izy ireo ihany koa dia nampiasa rameva natao mpitatitra zavatra.
  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe: "ny voninahitr'i Kedara" dia maneho ny halehiben'io tanàna io sy ny olony.

Kedesa

Facts

Kedesa dia tanàna Kanana izay nandevozin'ireo Israelita rehefa niditra ny tanin'i Kanana izy ireo.

  • Io tanàna io dia hita ao amin'ny faritra avaratr'Israely, ao amin'ny ampahan-tany izay nomena ny fokon'i Naftaly.
  • Kedesa dia iray amin'ireo tanàna izay nosafidiana ho toerana afaka hipetrahan'i mpisorona Levita, satria izy ireo dia tsy manana tany izay azy ireo manokana.
  • Io ihany koa dia voatokana ho "tanàna fialofana."

Kefasy

Facts

Kefasy dia mpisoronaben'Israely tamin'ny andron'i Jaona mpanao Batisa sy Jesosy.

  • Kefasy dia nanana andraikitra lehibe tamin'ny fitsaràna sy fanamelohana an'i Jesosy.
  • Ny mpisoronabe Anasy sy Kefasy dia tao amin'ny fitsaràna an'i Petera sy Jaona rehefa nosamborina izy ireo taorian'ny nanasitranana lehilahy mandringa.
  • Kefasy dia ilay iray izay niteny fa tsara kokoa ho an'ny lehilahy iray ny maty ho an'ny firenena manontolo toy izay ny firenena manontolo no ringana. Andriamanitra nampiteny azy izany ho faminaniana ny fomba hahafatesan'i Jesosy mba hamojena ny olony.

Keretita

Facts

Ireo Keretita dia vondron'olona izay mety isan'ireo Filoistina. Soratana ihany koe hoe "Keretita."

  • Ireo "Keretita sy Peletita" dia vondrona miaramila manokana avy amin'ny tafik'i Davida mpanjaka izay tena feno fanoloran-tena taminy toy ny mpiaro azy akaiky.
  • Benaia, zanak'i Joiada, mpikambana ao amin'ny fitendeman-draharahan'i Davida, no mpitarika ireo Keretita sy Peletita.
  • Nitoetra niaraka tamin'i Davida ireo Keretita rehefa nila nandositra an'i Jerosalema izy nohon'ny fikomian'i Absaloma.

Kilikia

Facts

Kilikia dia faritany kely Romana any astimo atsinanan'ny tanàna iray izay firenen'iTorkia amin'izao.

  • Paoly apostoly dia mponina avy ao amin'ny tanànan'i Tarsosy any Kilikia.
  • Paoly dia nandany fotoana maro tany Kilikia taorian'ny fihaonany tamin'i Jesosy teny amin'ny lalana mankany Damaskosy.
  • Ny sasany tamin'ireo Jiosy avy any Kilikia dia teo amin'ireo izay niatrika an'i Stefana ary nitarika ny olona hitora-bato azy ho faty. Manamorona ny ranomasina mena izany.

Kolosia, Kolosiana

Facts

Ao amin'ny Testamenta Vaovao, Kolosia dia tanàna ao amin'ny faritanin'i Roma ao Frygia, toerana iray any atsimo andrefan'i Torkia. Ireo Kolosiana dia olona nipetraka tao Kolosy.

  • Miorina eo amin'ny 100 metatra afovoan-tany avy eo amin'ny Ranomasina Mediteranena, Kolosiana dia teo amin'ny lalana fivarotana manan-danja anelanelan'i tanànan'i Efesosy sy ny Renirano Eofrata.
  • Fonytany am-ponja tany Roma, dia nanoratra taratasy ho an'ireo "Kolosiana" Paoly mba hanitsiana ireo fampianarana diso teo amin'ireo mpino tao Kolosy.
  • Rehefa nanoratra io taratasy io izy, dia tsy nitsidika ilay fiangonana tao Kolosy, fa nandre ny momban'ireo mpino tany avy tamin'ny mpiara miasa taminy, Epafra.
  • Epafra dia mety ilay mpiasa Kristiana izay nanomboka ny fiangonana tao Kolosia.
  • Ny bokin'i Filemona dia taratasy avy amin'i Paoly nosoratana ho an'ny tompon'andevo iray tao Kolosy.

Kora

Facts

Kora dia anarana lehilahy telo ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny anaran'ny zanaka lahin'i Esao iray dia Kora. Lasa mpitarika tao amin'ny fiaraha-moniny izy.
  • Ilay Kora faharoa dia taranak'i Levy ary nanompo tahaka ny mpisorona tao amin'ny tabernakely. Nialona an'i Mosesy sy Arona izy ka nitarika vondron'olona mba hikomy hanohitra azy ireo.
  • Ilay lehilahy fahatelo antsoina hoe: Kora dia voasoratra ho taranak'i Joda.

Korinto, Korintiana

Facts

Korinto dia tanàna iray ao amin'ny firenena Grika, eo amin'ny 50 metatra andrefan'i Atena. Ireo Korintiana dia olona nipetraka tao Korinto.

  • Korinto no toerana nisy ny iray tamin'ireo fiangonana Kristiana teo aloha.
  • Ny bokin'ny Testamenta Vaovao, 1 Korintiana sy 2 Korintiana dia taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ireo Kristiana mipetraka ao Korinto.
  • Tamin'ny dia misionera voalohany nataony, dia nipetraka tao Korinto Paoly teo amin'ny 18 volana teo.
  • Rehefa tao Korinto Paoly dia nihaona tamin'ireo mpino Hakila sy Prisila.
  • Ireo mpitarika fiangonana hafa teo aloha nifandray amin'ny hoe Korinto dia ahitana an'i Timoty, Titosy, Apolosy, ary Silasy.

Kornelio

Facts

Kornelio dia Jentily, na lehilahy tsy Jiosy, izay miaramila manam-boninahitra ao amin'ny tafika Romana.

  • Nivavaka tsy tapaka tamin'Andriamanitra izy ary tena nalala-tanana tamin'ny fanomezana ny mahantra.
  • Rehefa nandre ny apostoly Petera nanazava ny filazantsara Kornelio sy ny fianakaviany, dia lasa mpino an'i Jesosy.
  • Ny olona tao amin'ny tokantranon'i Kornelio no olona tsy Jiosy voalohany lasa mpino.
  • Ity dia nampiseho tamin'ireo mpanara-dia an'i Jesosy fa tonga hanavotra ny olona rehetra izy, ao anatin'izany ireo Jentilisa.

Kosy

Facts

Kosy dia zanaka lahimatoan'i Hama zanaka lahan'i Noa. Izy koa dia taranak'i Nimroda. Ny roa amin'ireo rahalahiny dia antsoina hoe Egypta sy Kanana.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, "Kosa" dia anaram-paritra iray lehibe amin'ny tany atsimon'Israely. Mety azo eritreretina fa ilay tany dia nomena anaranaavy tamin'i Kosa zanaka lahin'i Hama.
  • Ilay faritr'i Kosa taloha dia nandrakotra fari-tany izay mety manana fotoana hafa ahitana anjara firenena maoderin'i Sodana, Egypta, Etiopia, ary mety, Arabia Saodita.
  • Nisy lehilahy hafa antsoina hoe Kosa voatonona ao amin'i Salamo. Izy dia Benjamita.

Kreta, Kretana

Facts

Kreta dia nosy iray izay miorina amin'ny morontsiraka atsimon'ny tany Grika. Ny "Kretana" dia olona izay mipetraka ao amin'io nosy io.

  • Paoly apostoly dia nandeha tany amin'ny nosin'i Kreta nandritr'ireo dia misionera nataony.
  • Navelan'i Paoly tao Kreta ny mpiara-miasa aminy Titosy mba hampianatra ireo Kristiana ary hanampy hanendry mpitarika ho an'ny fiangonana any.

Kyprosy

Facts

Kyprosy dia nosy any amin'ny Ranomasina Mediteraneana, eo amin'ny 64 kilometatra eo mianatsimon'ny firenena maoderin'i Torkia.

  • Barnabasy dia avy any Kyprosy noho izany dia mety azo eritreretina hoe avy any koa Jaona Marka zana-drahavavin-dreniny.
  • Paoly sy Barnabasy dia niara-nitory tany amin'ny nosin'i Kyprosy tamin'ny dia misioneran'izy ireo voalohany. Jaona Marka dia tonga hanampy azy ireo tamin'izany dia izany.
  • Taty aoriana, nitsidika an'i Kyprosy indray Barnabasy sy Kryprosy.
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, Kyprosy dia voatonona ho loharano lehiben'ny hazo Kypreso.

Kyrena

Facts

Kyrena dia tanàna Grika any avaratrin'ny moron'i Afrika any amin'ny Ranomasina Mediteraneana, mivantana any atsimon'i nosin'i Kreta.

  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ireo Jiosy sy ireo Kristiana dia samy nipetraka tao Kyrena.
  • Ilay tanàna niavian'ny lehilahy iray antsoina hoe Simona izay nitondra ny hazofijalian'i Jesosy no mety tena ahafantarana an'i Kyrena ao amin'ny Baiboly.

Kyrosy

Facts

Kyrosy dia mpanjaka Persiana izay nanangana ny fanjakana Persiana tamin'ny taona 550 talohan'i Kristy, tamin'ny alalan'ny fandresena miaramila. Amin'ny tantara izy dia fantatra koa amin'ny hoe Kyrosy ilay Lehibe.

  • Kyrosy mpanjaka dia nandresy ny tanànan'i Babylona, izay niafara tamin'ny fanafahana ireo Israelita izay natao sesi-tany tany.
  • Kyrosy dia fantatra amin'ny fandeferany amin'ny vahoaka eo amin'ny firenena izay azony. Ny hatsaran-toetrany tamin'ireo Jiosy dia nitarika tamin'ny fananganana ny tempolin'i Jerosalema indray taorian'ny sesi-tany.
  • Kyrosy dia nanjaka tamin'ny andro niainan'i Daniela, Ezra, ary Nehemia.

Labana

Facts

Ao amin'ny Testamenta Taloha, Labana dia rahalahin'ny renin'i Jakoba no sady rafozan-dahiny.

  • Jakoba dia nipetraka tao an-tokantranon'i Labana tao Mesopotamia ka nikarakara ireo ondry sy osiny mba ho takalon'ny fanambadiany amin'ireo zanaky Labana.
  • Jakoba dia nifidy manokana an'i Rahely zanak'i Labana ho vady.
  • Labana dia namitaka an'i Jakoba ka nataony izay hanambadian'i Lea vavy matoany voalohany taminy, avy eo vao nomeny ho vadiny i Rahely.

Lameka

Facts

Lameka dia anaran'ireo lehilahy roa voalaza ao amin'ny bokin'i Genesisy.

  • Ny Lameka voalohany dia voalaza fa taranak'i Kaina. Nirehareha tamin'ireo vadiny roa izy fa namono olona satria nanopa azy.
  • Ny Lameka faharoa dia taranak'i Seta. Izy ihany koa no rain'i Noa.

Lazarosy

Facts

Lazarosy sy ireo anabaviny, Maria sy Marta, dia naman'i Jesosy manokana. Izy dia nijanona niaraka tamin'izy ireo tao an-tranon'izy ireo tao Betany.

  • Lazarosy dia fantantsika tsara tamin'ny nanangan'i Jesosy tamin'ny maty rehefa avy nalevona fito andro izy.
  • Ireo mpitarika Jiosy dia tezitra sy nialona satria Jesosy nanao fahagagana dia niezaka ny hamono an'i Jesosy sy Lazarosy izy ireo.
  • Jesosy dia nitantara fanoharana momban'ilay mpangataka sy mpanankarena izay Lazarosy ny anaran'ilay mpangataka.

Lea

Facts

Lea dia iray tamin'ireo vadin'i Jakoba. Izy dia renin'ny folo amin'ireo zanak'i Jakoba izay sasany amin'ny foko 12 an'Isiraely ny taranany.

  • Labana no rain'i Lea, izay anadahin'i Rebeka renin'i Jakoba.
  • Jakoba dia tsy dia tian'i Lea tahaka ny fitiavany an'i Rahely, fa Andriamanitra dia tena nitahy an'i Lea tamin'ny fanomezany zanaka maro ho azy.
  • Joda dia iray tamin'ny zanaky Lea, izay razambe an'i Davida mpanjaka sy Jesosy.

lehilahin'Andriamanitra

Facts

Ny fomba fiteny hoe "lehilahin'Andriamanitra" dia fomba henin-kaja ilazana ny mpaminanin'i Yaveh. Ampiasaina ilazana ny anjelin'i Yaveh ihany koa izany.

  • Rehefa entina milaza mpaminany iray, izany dia azo adika ihany koa hoe: "lehilahy izay an'Andriamanitra" na "lehilahy izay nofidian'Andrimanaitra" na "lehilahy izay manompo an'Andriamanitra."
  • Rehefa entina ilazana ny anjely, izany dia azo adika hoe: "irak'Andriamanitra" na "anjelinao" na "zava-manan'aina avy any an-danitra izay nanana endrika olona."

leviatana

Facts

Ny teny hoe "leviatana" dia biby lehibe, izay efa tsy hita intsony, voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha, ao amin'ireo bokin'i Joba, Salamo ary Isaia.

  • Leviatana dia nofaritana ho lehibe, maka hendrika bibilava, matanjaka ary masiaka ary mahavita mampangotraka ny rano izay manodidina azy. Mitovy amin'ny fahamaritana ny dinôzôro ihany izy ireny.
  • Isaia mpaminany dia maneho fa ny leviatana dia toy ny "bibilava mikisaka"
  • Joba dia nanoratra avy tamin'ny fahalalana voalohany ny leviatana, ka noho izany ilay biby dia mety hoe nisy tamin'ny androny.

Levita, levy

Facts

Levy dia iray tamin'ireo zanaka roa ambin'ny folo lahin'i Jakoba, na Isiraely. Ny teny hoe "Levita" dia maneho ireo olona izay mpikambana ao amin'ny fokon'Isiraelita izay taranak'i Levy.

  • Ireo Levita no tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana ny tempoly sy mitarika ny fomba ara-pivavahana, tafiditra amin'izany ny fanolorana sorona sy ireo vavaka.
  • Ny Jiosy mpisorona rehetra dia Levita avy koa, taranak'i Levy ary ampahany amin'ny fokon'i Levy. (Fa tsy ny Levita rehetra no mpisorona anefa.)
  • Ny mpisorona Levita dia natokana ary natokana ho amin'ny asam-panompoana manokana an'Andriamanitra ao an-tempoly.
  • Lehilahy roa hafa ihany koa nantsoina hoe "Levy" dia razambe an'i Jesosy ary ny anaran'izy ireo dia ao amin'ny tetirana izay ao amin'ny filazantsaran'i Lioka.

Libanona

Facts

Libanona dia tendrombohitra tsara tarehy izay hita ao amin'ny moron'ny ranomasin'ny Mediterane, ao avaratr'Isiraely. Ao amin'ny Baiboly izany toerana izany dia voarakotra kesika, toy ny kipreso sy ny sedera.

  • Solomona mpanjaka dia nandefa mpiasa ho an'i Libanona mba hijinja ireo kipreso mba hanamboarana ny tempolin'Andriamanitra.
  • Libanona taloha dia nipetrahan'ireo vahoakan'i Foinika izay nanampahaizana tamin'ny fanamboarana sambo izay nampiasana tamin'ny fanankalozana entana.
  • Ny tanàn'ny Tyro sy Sidona izay hita ao Libanona. Ary tao amin'ireo tanàna ireo no nampiasana voalohany ny loko voloparasy sarobidy.

Lioka

Facts

Lioka dia ilay mpanoratra ny boky roa ao amin'ny Testamenta Vaovao: ny filazan-tsaran'i Lioka sy ny bokin'ny Apokalipsy.

  • Ao amin'ny taratasiny ho an'i Kolosiana, Paoly dia milaza an'i Lioka tahaka ny hoe dokotera. Paoly ihany koa dia nanonona an'i Lioka tao amin'ny taratasy roa izay nosoratany.
  • No heverina fa Grika sy Jentilisa Lioka alohan'ny nahafantarany an'i Kristy. Ao amin'ny filazan-tsarany, Lioka dia nampiditra tantara be dia be izay manamafy ny fitiavan'i Jesosy an'ny olona rehetra, na Jiosy io na Jentilisa.
  • Lioka dia indroa niaraka tamin'i Paoly tamin'ireo dia ara-misionera nataony ka dia nanampy azy tamin'ny asany.
  • Ao amin'ny soratran'ny fiangonana taty aoriana, dia nilaza fa Lioka dia teraka tao amin'ny tanànan'ny Antioka tao Syria.

Lohasaha Kidrona

Facts

Ny lohasaha Kidrona dia lohasaha lalina izay ao ivelany kelin'i Jerosalema, eo anelanelan'ny rindrina antsinanana sy ny Tendrombohitr'Oliva.

  • Ilay lohasaha dia maherin'ny 1000 metatra ny halaliny ary 32 kilometatra ny halavany.
  • Rehefa nandositra an'i Absaloma zanany lahy i Davida, dia nandeha namakivaky ny lohasaha Kidrona mba hihazo ny tendrombohitr'i Oliva.
  • Josia Mpanjaka sy Asa Mpanjaka dia nandidy fa ny toerana ambony sy ny alitaran'ireo andriamanitra sandoka dia mila potehina sy dorana; ny lavenona dia nafafy tamin'ny lohasaha Kidrona.
  • Nandritry ny fitondran'i Hezekia mpanjaka, ny lohasaha Kidrona no famafazan'ireo mpisorona zavatra maloto izay nesorin'izy ireo avy ao amin'ny tempoly.
  • Atalia ilay mpanjakavavy ratsy fanahy dia novonoina tao amin'ny lohasaha nohon'ny zavatra ratsy vitany.

Lota

Facts

Lota dia anaran'ny zana-drahalahin'i Abrahama.

  • Izy dia ilay zanaka lahin'i Harana rahalahin'i Abrahama
  • Lota dia niaraka tamin'i Abrahama nankany Kanana ary nipetraka tao amin'ny tanàn'i Sodoma
  • Lota no razamben'ireo Moabita sy Amonita ireo.
  • Rehefa ny mpanjakan'ny fahavalo no nanafika an'i Sodoma ary nisambotra an'i Lota, Abrahama dia niaraka tamin'ny lehilahy zato hanavotra an'i Lota ary naka ny fananany izy.
  • Ny olona izay monina tao amin'ny tanàn'i Sodoma dia olona ratsy ka nopotehin'Andriamanitra izany tanàna izany. Fa mialohan'izay dia niteny tamin'i Lota sy ny fianakaviany izy mba hiala tao amin'ny tanàna mba hafahan'izy ireo mandositra.

Lystra

Facts

Lystra dia anarana tanàna tao amin'ny "Azia Minor" izay notsidihan'i Paoly tamin'iray tamin'ireo dia ara-misionera nataony. Izany dia hita tao amin'ny faritr'i Lykaonia izay ao amin'ny Tiorka ankehitriny.

  • Paoly sy ny namany dia tafatsaoka tao Derbe sy Lystra rehefa no rahonan'ireo Jiosy tao Ikonioma izy ireo.
  • Tao Lystra, Paoly dia nifanena tamin'i Timoty, izay lasa evanjelistra sy lasa mpamboly fiangonana niaraka taminy.
  • Avy eo Paoly dia nanasitrana lehilahy nandringa tao Lystra, ary ny olona dia niezaka ny hankalaza an'i Paoly sy Barnabasy ho tahaka an'Andriamanitra, fa ireo Apostoly dia niteny mafy azy ireo ary nanakana azy ireo tsy hanao izany.

Maaka

Facts

Maaka dia iray amin'ireo zanak'i Nahora rahalahin'i Abrahama. Misy olona hafa manana io anarana io ihany koa ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Tany avaratra lavitr'Israely no nisy ny tananan'i Maaka, tany amin'ny faritra nitoeran'ny fokon'i Naftaly.
  • Tanana lehibe izany ary notafihin'ny fahavalo matetika.
  • Anarana vehivavy maromaro ny hoe Maaka, isan'izany ny renin'i Absaloma zanaka lahin'i Davida.
  • Noesorin'i Asa Mpanjaka tamin'ny maha mpanjaka vavy azy i Maaka renibeny satria namporisika ny fivavahana Asera izy.

Makedonia

Facts

Tamin'ny andron'ny olona tao amn'ny Testamenta Taloha, Makedonia dia faritany Romana tany avaratry ny Tany Grika taloha.

  • Berea, Filipiana, ary Tesalonika dia sasany tamin'ireo tanana Makedoniana lehibe voalaza ao amin'ny Baiboly.
  • Tamin'ny fahitana, dia nilaza tamin'i Paoly mba hitory ny Filazantsara amin'ny olona any Makedonia Andriamanitra.
  • Nandeha tany Makedonia i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy dia nampianatra ny olona tany momba an'i Jesosy ary nanampy ireo mpino vaovao mba hitombo amin'ny finoan'izy ireo.
  • Ao amin'ny Baiboly dia misy taratasy izay nosoratan'i Paoly ho an'ireo mpino tany amin'ireo tanana Makedoniana tao Filipiana sy Tesalonika.

Malakia

Facts

Malakia dia iray tamin'ireo mpaminanin'Andriamanitra ho an'ny fanjakan'i Joda. Niaina teo ho eo amin'ny 500 taona talohan'ny naha-teto an-tany an'i Kristy izy.

  • Naminany nandritra ny fotoana nanorenana indray ny tempolin'Israely rehefa niverina avy tamin'ny fambaboan'ny Babyloniana i Malakia.
  • Ezra sy Nehemia koa dia velona niarakaraka tamin'ny andron'i Malakia ihany.
  • Ny bokin'i Malakia no boky farany ao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Toy ny mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha rehetra, dia nitaona ny olona mba hibebaka amin'ny fahotan'izy ireo sy hiverina amin'ny fanompoana an'i Yaveh i Malakia.

Manase

Facts

Misy lehilahy dimy antsoina hoe Manase ao amin'ny Testamenta Taloha:

  • Manase no anaran'ny lahimatoan'i Josefa.
  • Samy natsangan'i Jakoba rain'i Josefa, izay nanome tombony ho an'ireo taranany ho isan'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely, i Manase sy Efraima zandriny lahy.
  • Iray tamin'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely ny taranak'i Manase.
  • Ny fokon'i Manase matetika dia nantsoina hoe "antsasaky ny fokon'i Manase" satria ampahany tamin'ny foko ihany no nonina tao amin'ny Tany Kanana, tany amin'ny ilany andrefan'ny Ranomasin'i Jordana. Ny ampahany hafa dia nonina tany amin'ny ilany antsinanan'ny Ranomasin'i Jordana.
  • Manase koa no anaran'ny mpanjakan'i Joda iray.
  • Manase Mpanjaka dia mpanjaka ratsy fanahy izay nanao sorona ireo zanany manokana ho fanatitra dorana ho an'ireo andriamanitra sandoka.
  • Nofaizin'Andriamanitra tamin'ny namelany azy ho babon'ny tafika fahavalo iray i Manase Mpanjaka. Niverina tamin'Andriamanitra i Manase ary nandrava ireo alitara izay nanompoana ireo andriamanitra sandoka.
  • Nisy lehilahy roa antsoina hoe Manase izay velona tamin'ny andron'i Ezra. Notakiana tamin'ireo lehilahy ireo ny hisarahany amin'ireo mpanompo sampy vadin'izy ireo, izay nisarika azy ireo hanompo andriamanitra sandoka.
  • Ny lehilahy iray antsoina hoe Manase dia ny raiben'ireo Danita sasany izay mpisoron'ireo andriamanitra sandoka.

Maria (rahavavin'i Marta)

Facts

Vehivavy iray avy tany Betania izay nanara-dia an'i Jesosy i Maria.

  • Nanana rahavavy antsoina hoe Marta sy anadahy atao hoe Lazarosy izay nanara-dia an'i Jesosy ihany koa i Maria.
  • Indray mandeha dia nambaran'i Jesosy fa nisafidy izay tsara indrindra i Maria tamin'ny nisafidianany hihaino Azy mampianatra fa tsy ho sahiran-tsaina amin'ny fikarakarana sakafo ho Azy tahaka an'i Marta.
  • Novelomin'i Jesosy indray ny anadahin'i Maria.
  • Fotoana kely taty aoriana, raha nisakafo tao an-tranon'ny olona iray tao Betania iny i Jesosy, dia nandraraka ranomanitra lafo vidy teo amin'ny tongony i Maria mba hiderana Azy.
  • Nidera azy nohon'ny fanaovany izany i Jesosy ary nanambara fa nanomana Azy ho amin'ny fandevenana izy.

Maria Magdalena

Facts

Maria Magdalena dia iray tamin'ireo vehivavy maro izay nino an'i Jesosy ary nanara-dia Azy tamin'ny asa fanompoany. Fantatra amin'ny hoe ilay iray izay nositranin'i Jesosy ho afaka tamin'ny demonia fito izay nibaiko azy izy.

  • Nanampy tamin'ny fanohanana an'i Jesosy sy ireo apostoly tamin'ny alalan'ny fanomezana ho azy ireo i Maria Magdalena sy ireo vehivavy hafa.
  • Voatonona ho isan'ireo vehivavy izay nahita an'i Jesosy voalohany taorian'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty ihany koa izy.
  • Raha iny nijoro teo ivelan'ny fasana foana iny i Maria Magdalena, dia nahita an'i Jesosy nitsangana teo ary niteny taminy mba hilaza amin'ireo mpianatra hafa fa velona indray Izy.

Maria, renin'i Jesosy

Facts

Maria dia tovovavy iray nipetraka tany amin'ny tananan'i Nazareta izay voafatotra hanambady lehilahy iray antsoina hoe Josefa. Nofidian'Andrimananitra i Maria ho renin'i Jesosy ilay Mesia, Zanak'Andriamanitra.

  • Nataon'ny Fanahy Masina nitoe-jaza tamin'ny fomba mahagaga i Maria raha mbola virijiny.
  • Nisy anjely nilaza tamin'i Maria fa ny zaza izay haterany no Zanak'Andriamanitra ary tsy maintsy antsoiny hoe Jesosy Izy.
  • Tia an'Andriamanitra i Maria ary nidera Azy nohon'ny fahasoavany taminy.
  • Nanambady an'i Maria i Josefa, saigny nijanona ho virijiny nandra-pahateraky ny zaza izy.
  • Nisaina lalina momba ireo zava-mahagaga izay nolazain'ireo mpiandry ondry sy ireo lehilahy manam-pahaizana momba an'i Jesosy zazakely i Maria.
  • Nentin'i Maria sy Josefa mba hatokana tao amin'ny tempoly i Jesosy Zazakely. Taty aoriana kely dia netin'izy ireo nankany Egypta Izy mba handositra ny fikonokononan'i Heroda hamono ny zaza. Niverina nifindra tany Nazareta ihany izy ireo taty aoriana.
  • Rehefa olon-dehibe i Jesosy, da niaraka Taminy i Maria tamin'ny nanovany ny rano ho divay tao amin'ny lanonam-panambadiana iray tao Kana.
  • Ambaran'ny filazantsara ihany koa fa teo akaikin'ny hazofijaliana i Maria rehefa ho faty i Jesosy. Nasainy nikarakara azy toy ny reny niteraka azy i Jaona mpianany.

Marta

Facts

Vehivavy iray avy any Betania izay nanara-dia an'i Jesosy i Marta.

  • Nanana rahavavy iray atsoina hoe Maria i Marta ary anadahy iray atao hoe Lazarosy, izay nanara-dia an'i Jesosy ihany koa.
  • Indray mandeha Jesosy namangy ny ankohonan'izy ireo, variana tamin'ny fikarakarana sakafo i Marta raha nipetraka ary nihaino an'i Jesosy nampianatra kosa i Maria rahavaviny.
  • Tamin'ny maty i Lazarosy, dia nilaza tamin'i Jesosy i Marta fa nino izy fa Jesosy no Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra.

Matio, Levy

Facts

Iray tamin'ireo lehilahy roa ambin'ny folo izay nofidian'i Jesosy ho apostoliny i Matio. Fantatra amin'ny hoe Levy, zanak'i Alfeosy ihany koa izy.

  • Levy (Matio) dia mpamory hetra avy tany Kapernaomy talohan'ny nihaonany tamin'i Jesosy.
  • Nanoratra ny filazantsara izay mitondra ny anarany i Matio.
  • Misy lehilahy maro hafa antsoina hoe Levy ao amin'ny Baiboly.

Media, Mediana

Facts

Media dia fanjakana taloha izay hita tany antsinanan'i Asyria sy Babylona, ary avaratr'i Elama sy Persia. Ireo olona izay nipetraka tany amin'ny fanjakan'i Media dia natsoina hoe "Mediana."

  • Nanerana ny faritr'i Tiorka, Tany Iraniana, Syria, Iraka ary Afganistana amin'izao fotoana izao ny fanjakana Media tamin'izany.
  • Nifandray akaiky tamin'ireo Persiana ireo Mediana ary nambatra hery handresy ny fanjakana Babyloniana ireo fanjakana roa ireo.
  • Voatafik'i Dariosy Mediana i Babylona tamin'ny andro niainan'i Daniela mpaminany tany.

Melkizedeka

Facts

Tamin'ny andro niainan'i Abrama, dia i Melkizedeka no mpanjakan'ny tananan'i Salema (''Jerosalema'' taty aoriana).

  • Ny hevitry ny anaran'i Melkizedeka dia "mpanjakan'ny fahamarinana" ary ny fiantsoana azy hoe "mpanjakan'i Salema" dia "andrian'ny fiadanana" no dikany.
  • Natsoina ihany koa hoe "mpisoron'ny Andriamanitra Avo Indrindra" izy.
  • Tamin'ny nandrosoany ny mofo sy divain'i Abrama taorian'ny nanavotan'i Abrama an'i Lota zana-dralahiny tamin'ny mpanjaka mahery no nanononana voalohany an'i Melkizedeka ao amin'ny Baiboly. Nomen'i Abrama ny iray ampahafolon'ny izay voarobany tamin'ny fandreseny i Melkizedeka.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, i Melkizedeka dia voafaritra ho olona iray izay tsy nanan-dray na reny. Natsoina hoe mpisorona sy mpanjaka izay hanjaka mandrakizay izy.
  • Milaza ihany koa ny Testamenta Vaovao fa i Jesosy dia mpisorona araka ny "fanadaharam-pisoronan'i Melkizedeka." Tsy avy amin'ny taranak'i Levy tahaka an'ireo Israelita i Jesosy. Avy amin'Andriamanitra mivantana mihitsy ny fisoronany, toa ny an'i Melkizedeka.
  • Mifototra amin'ireo famaritana azy avy ao amin'ny Baiboly, i Melkizedeka dia olombelona mpisorona izay voafidin'Andriamanitra ihany koa mba haneho na hanondro an'i Jesosy, ilay andrian'ny fiadanana sy fahamarinana mandrakizay ary mpisoronabe.

Memfisa

Facts

Renivohi-paritany iray tany Egypta taloha i Memfisa, nanaraka ny Reniranon'i Neily.

  • Tany Egypta Ambany no nisy an'i Memfisa, tany atsimon'ny fihaonan-dranon'ny Renirano Neily, izay nahalonaka ny tany tokoa ary namokaran'ny voly be.
  • Ny tany lonaka sy ny toerany manan-danja teo anelanelan'ny Egypta Ambony sy Ambany no nahatonga an'i Memfisa ho lasa tanana ivon'ny varotra.

Meseka

Facts

Anarana lehilahy anankiroa ao amin'ny Testamenta Taloha ny hoe Meseka.

  • Ny Meseka iray dia zanak'i Jafeta.
  • Ny Meseka iray hafa dia zafikelin'i Sema.
  • Anarana faritra iray ihany koa ny Meseka, izay mety ho nomena anarana avy tamin'ny iray amin'ireo lehilahy ireo.
  • Mety ho tany amin'ny ilan'ny firenen'ny Tiorka ankehitriny no nisy ny faritr'i Meseka.

Mesopotamia, Arama Naharaima

Facts

Meospotamina dia fari-tany iray manelanelana ny Reniranon'i Tigris sy Eofrata. Tany amin'ny faritr'Iraka amin'izao fotoana izao no toerana nisy azy.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, io faritra io dia nantsoina hoe: "Arama Naharaima."
  • Ny teny hoe "Mesopotamia" dia midika hoe: "manelanelana renirano." Ny teny hoe "Arama Naharaima" dia midika hoe: "Araman'ny renirano roa."
  • Nipetraka tany amin'ny tananan'i Ora sy Haranatany tany Mesopotamia i Abrahama talohan'ny nifindrany tany amin'ny Tany Kanana.
  • Tanana lehibe iray hafa tany Mesopotamia i Babylona.
  • Isan'ny faritr'i Mesopotamia ihany koa ny faritra antsoina hoe "Kaldea."

Midiana, Midianita

Facts

Midiana dia zanaka lahin'i Abrahama sy Ketora vadiny. Anarana vondron'olona sy faritra hita tany Avaratry ny Efitra Arabo any atsimon'ny Tany Kanana ihany koa izany. Ny olona tany amin'izany vondrona izany no nantsoina hoe "Midianita."

  • Tamin'ny nandaozan'i Mosesy an'i Egypta voalohany, nandeha nankany amin'ny Faritr'i Midiana izay nihaonany tamin'ireo zanaka vavin'i Jetro izy ary nanampy azy ireo hanome rano ny andian'ondriny. Taty aoriana kely dia nanambady ny iray tamin'ny zanaka vavin'i Jetro i Mosesy.
  • Netin'ny vondrona mpivarotra andevo Midianita tany Egypta i Josefa.
  • Taona maro taty aoriana dia nanafika sy nandravarava tampoka ny Zanak'Israely tao an-tany Kanana ireo Midianita. Nitarika ny Zanak'Israely tamin'ny fandresena azy ireo i Gideona.
  • Maro amin'ireo foko Arabo amin'izao no taranak'io vondrona io.

Mika

Facts

Mika dia mpaminany iray tao Joda teo ho eo amin'ny 700 taona talohan'i Kristy, tamin'ny mbola nanao asa fanompoana tao Joda koa Isaia mpaminany. Nisy lehilahy hafa ihany koa antsoina hoe Mika izay velona tamin'ny andron'ny mpitsara.

  • Manakaiky ny faran'ny Testamenta Taloha ny bokin'i Mika.
  • Naminany momba ny fandravan'ny Asyriana an'i Samaria i Mika.
  • Niteny mafy ny vahoakan'i Joda i Mika nohon'ny tsy fankatoavan'izy ireo an'Andriamanitra ary nampitandrina azy ireo fa hanafika azy ireo ny fahavalony.
  • Ny faminaniany dia mifarana amin'ny hafatra fanantenana an'Andriamanitra, izay mahatoky ary mamonjy ny olony.
  • Ao amin'ny bokin'ny Mpitsara, misy tantara ana lehilahy iray antsoina hoe Mika nipetraka tany Efraima, izay nanamboatra sampy tamin'ny volafotsy. Nisy Levita mbola tanora izay tonga mba hiara-hipetraka aminy nangalatra ilay sampy sy zavatra hafa, niaraka tamina vondrona Danita iray. Taty aoriana kely dia nanorim-ponenana tany amin'ny tananan'i Laish ireo Danita sy ny mpisorona ary nametraka izany sampy volafotsy izany mba hivavahana.

Mikaela

Facts

Mikaela no lehiben'ireo masin'Andrimanitra, ireo anjely mpankatoa rehetra. Izy no hany anjely antsoina manokana hoe "arkanjelin'Andriamanitra."

  • Ny teny hoe "arkanjely" dia midika ara-bakiteny hoe "lehiben'ny anjely" na "anjely mpanapaka."
  • Mikaela dia mpiantafika izay miady amin'ireo fahavalon'Andriamanitra ary miaro ny olon'Andriamanitra.
  • Nitarika ireo Israelita tamin'ny ady nanohitra ny tafika Persiana izy. Amin'ny fara-andro dia hitarika ny tafik'Israely amin'ny ady farany manohitra ny herin'ny ratsy izy, araka izay efa voalazan'i Daniela mialoha.
  • Misy lehilahy maro koa ao amin'ny Baiboly antsoina hoe Mikaela. Lehilahy maro no voasokajy ho "zanak'i Mikaela."

Miriama

Facts

Zoky vavin'i Arona sy Mosesy i Miriama.

  • Tamin'ny mbola kely, dia nasain'ny reniny nanara-maso an'i Mosesy zazakely izay tao anaty sobika teny amin'ny volotaran'ny Reniranon'i Neily i Miriama. Rehefa hitan'ny zanaky ny farao ilay zaza ka nila olona hikarakara izany ho azy izy, dia nentin'i Miriama mba hanao izany ny reniny.
  • Nitarika ireo Zanak'Israely tamin'ny dihy fanehoam-pifaliana sy fanoloram-pisaorana i Miriama taorian'ny nandosiran'izy ireo ny Egyptiana rehefa namaky ny Ranomasina Mena.
  • Taona maro taty aoriana, raha nirenireny tany an'efitra ny Zanak'israely, dia nanomboka niteny ratsy momba an'i Mosesy i Miriama sy Arona satria nambady vehivavy Kosita i Mosesy.
  • Nohon'ny fikomiany tamin'ny fitenenany nanohitra an'i Mosesy, dia nataon'Andriamanitra nararin'ny habokana i Miriama. Fa nositranin'Andriamanitra izy taty aoriana rehefa niavaka ho azy i Mosesy.

Misaela

Facts

Anarana lehilahy telo ao amin'ny Testamenta Taloha ny hoe Misaela.

  • Ny lehilahy iray antsoina hoe Misaela dia mpiray tampoa amin'i Arona. Rehefa novonoin'Andriamanitra ny roa tamin'ny zanaki Arona taorian'ny nanoloran'izy ireo emboka manitra tamin'ny fomba izay tsy araka izay nasain'Andriamanitra nataon'izy ireo, dia nomena an'i Misaela sy ny rahalahiny ny andraikitry ny filanjana ireo faty hivoaka ny toby Israelita.
  • Nisy lehilahy hafa antsoina hoe Misaela nijoro teo akaikin'i Ezra rehefa namaky ampahibemaso ny lalana izay hita indray izy.
  • Tamin'ny andro izay nanaovana sesin-tany ny vahoakan'Israely tany Babylona, dia nisy tovolahy iray antsoina hoe Misaela izay voasambotra sy noterena hipetraka tany Babylona ihany koa. Nomen'ireo Babyloniana anarana hoe: "Mesaka" izy. Tsy nanaiky ny hivavaka tamin'ny sary vongan'ny mpanjaka izy sy ireo namany, dia i Azaria (Sadraka) sy Hanania (Abednego) ka natsipy tao amin'ny lafaoro mirehitra afo.

Mizpa

Facts

Mizpa dia anaran-tanana maromaro voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha. Ny hevitr'izany dia hoe: "toerana fanaraha-maso ny ivelany'' na "tilikambo fiambenana."

  • Rehefa nenjehin'i Saoly i Davida, dia nandao ireo ray aman-dreniny tany Mizpa, tao ambanin'ny fiarovan'ny mpanjakan'i Moaba izy.
  • Misy tanana iray antsoina hoe Mizpa izay hita tany amin'ny sisin-tany manelanelana ny fanjakan'i Joda sy Israely. Ivon-toeran'ny miaramila lehibe io.

Moaba, Moabita

Facts

Zanaka lahin'ny vavy matoan'i Lota i Moaba. Zary lasa anaran'ny tany izay nonenany sy ny fianakaviany koa izany. Ny teny hoe "Moabita" dia ilazana ny olona izay avy amin'ny taranak'i Moaba na nipetraka tao amin'ny firenen'i Moaba.

  • Tany atsinanan'ny Ranomasin'ny Sira no nisy ny firenen'i Moaba.
  • Atsimo-andrefana miala an'i Betlehema izay nonenan'ny fianakavian'i Naomy no nisy an'i Moaba.
  • Natsoin'ireo olona tao Betlehema hoe "vahivavy Moabita" i Rota satria vehivavy avy tany amin'ny firenen'i Moaba izy. Io teny io koa dia azo adika hoe: "vehivavy avy any Moaba.''

Moleka

Facts

Moleka no anaran'ny iray amin'reo andramanitra sandoka notompoin'ireo Kananita.

  • Ny olona nivavaka tamin'i Moleka dia nanao sorona ny zanak'izy ireo manokana tamin'ny alalan'ny afo.
  • Ny sasany tamin'ireo Zanak'Israely ihany koa dia nanompo an'i Moleka fa tsy ilay hany Andriamanitra marina, dia Yaveh. Nanaraka ireo fomba ratsin'ny mpivavaka amin'i Moleka izy ireo, ao anatin'izany ny fanaovana sorona ny zanak'izy ireo.

Mordekay

Facts

Lehilahy Jiosy nipetraka tany amin'ny firenen'i Persia i Mordekay. Izy no mpiambina an'i Estera mpiray tampoa aminy, izay lasa vadin'i Ahaseorosy mpanjaka Persiana taty aoriana.

  • Raha iny izy niasa tao an-dapa iny, dia nandre tsy sazoka ny fikonokononan'olona hamono an'i Ahaserosy Mpanjaka i Mordekay. Notateriny izany ary avotra ny ain'ny mpanjaka.
  • Fotoana maromaro taty aoriana, tratran'i Mordekay ihany koa ny teti-dratsy iray hamonoana ireo Jiosy tao amin'ny fanjakan'i Persia. Nanoro hevitra an'i Estera mba hiantso ny mpanjaka hamonjy ny olony izy.

Mosesy

Facts

Mosesy dia mpaminany sady mpitarika ny Zanak'Israely nandritra ny 40 taona na mihoatra.

  • Fony mbola zaza i Mosesy, dia nataon'ny ray aman-dreniny tao anaty sobika teny amin'ny volotaran'ny Reniranon'i Neily mba hanafenana azy amin'ny Farao Egyptiana. Nitsinjo azy teo i Miriama anabavin'i Mosesy. Avotra ny ain'i Mosesy tamin'ny nahitan'ny zanaka vavin'i Farao azy sy nakany azy tany an-dapa mba hitaizana azy tahaka ny zanany.
  • Nofidian'Andriamanitra i Mosesy mba hanafaka ny Zanak'Israely tamin'ny fanandevozana tany Egypta ary hitarika azy ireo ho any amin'ny Tany Nampanantenaina.
  • Rehefa avy nandositra an'i Egypta ny Zanak'Israely, ary raha mbola nirenireny tany an'efitra, dia nomen'Andriamanitra an'i Mosesy ireo vato fisaka roa nisy ny Didy Folo voasoratra teo.
  • Rehefa akaiky ho tapitra ny ainy, dia nahita ny Tany Nampanantenaina i Mosesy, saingy tsy nonina tao amin'izany satria tsy nankatoa an'Andriamanitra.

Mpahary

Facts

Amin'ny ankapobeny, ny "Mpahary" dia olona izay mamorona na manamboatra zavatra.

  • Ao amin'ny Baiboly, ny teny hoe "Mpahary" matetika dia ampiasaina ho anarana na fiantsoana ilazana an'i Yaveh, satria Izy no nahary izao rehetra izao.
  • Matetika io teny io dia ampiarahina amin'ny hoe "azy" na "ahy" na "anao."

Torohevitra amin'ny fandikan-teny:

  • Ny teny hoe "Mpahary" dia azo adika hoe "ilay Mpamorona" na "Andriamanitra mpamorona" na "ilay Iray izay nanao izao rehetra izao.''
  • Ny teny hoe "Mpahary azy" dia azo adika ihany koa hoe: "ilay Iray izay namorona azy" na "Andriamanitra, ilay namorona azy."
  • Ny teny hoe "Mpahary anao" sy ''Mpahary ahy" dia azo adika tahaka izany ihany.

Naamana

Facts

Ao amin'ny Testamenta Taloha, Naamana no lehiben'ny tafik'i Arama mpanjaka.

  • Naamana dia nanana aretin-koditra mahatsiravina antsoina hoe: habokana izay mety tsy ho afaka tsaboina intsony.
  • Andevo iray tao amin'ny tranon'i Naamana no niteny taminy handeha hangataka amin'i Elisa mpaminany mba hanasitrana azy.
  • Elisa niteny tamin'i Naamana mba hisasa im-pito ao amin'ny Reniranon'i Jordana. Rehefa nanaiky i Naamana, dia nanasitrana azy tamin'ny aretiny Andriamanitra.
  • Vokatr'izany Naamana dia lasa nino an'ilay Andriamanitra marina sady tokana, dia Yaveh.
  • Lehilahy roa izay taranaky ny zanaka lahin'i Jakoba dia i Benjamina dia antsoina ihany koa hoe Naamana.

Naftaly

Facts

Naftaly no zanaka lahin'i Jakoba faha-enina. Ireo taranany no namorona ny fokon'i Naftaly, izay iray amin'ireo fokon'Israely.

  • Indraindray ny anarana hoe: Naftaly dia ampiasaina mba hanehoana ny tany izay hipetrahan'ilay foko.
  • Ny tanin'i Naftaly dia hita ao amin'ny ampahany avaratr'Israely, eo akaikin'ny fokon'i Dana sy Asera. Hita any amin'ny sisiny andrefan'ny Ranomasin'i Kinereta ihany koa.
  • Io foko io dia sady voatonona ao amin'ny Testamenta Taloha no voatonona ao amin'ny Testamenta Vaovaon'ny Baiboly.

Nahoma

Facts

Nahoma dia mpaminany iray izay nitory nandritry ny fotoana nanjakan'ilay Mpanjaka ratsy Manase teo amin'i Joda.

  • Nahoma dia avy amin'ny tanàn-dehiben'i Elkosa, eo amin'ny 20 kilometatra miala an'i Jerosalema eo.
  • Voarakitra an-tsoratra ao amin'ny bokin'i Nahoma ao amin'ny Testamenta Taloha ireo faminaniany momban'ny fahapotehan'ireo tanàna Asirian'i Ninive.

Nahora

Facts

Nahora dia anaran'ny havan'i Abrahama anankiroa: dia ny raibeny sy ny rahalahiny.

  • Nahora rahalahin'i Abrahama no raiben'i Rebeka vadin'Isaaka.
  • Ny andian-teny hoe: " tanànan'i Nahora" dia mety hidika hoe: " ilay tanàna antsoina hoe: Nahora" na "ilay tanàna izay nonenan'i Nahora" na "ny tanàn'i Nahora."

Natana

Facts

Natana dia mpaminan'Andriamanitra mahatoky izay niaina nandritra ny fotoana nanjakan'i Davida teo amin'Israely.

  • Andriamanitra nandefa an'i Natana mba hiatrika an'i Davida taorian'ny nanaovan'i Davida fahotana mahatsiravina tamin'i Oria.
  • Nibedy an'i Davida i Natana, na dia hoe mpanjaka aza izy.
  • Nibebaka tamin'ny helony Davida taorian'ny fiatrehan'i Natana taminy.

Nazareta, Nazareana

Facts

Nazareta dia tanàn-dehibe ao amin'ny faritr'i Galilia ao avaratr'Israely. Eo ho eo amin'ny 100 kilometatra avaratr'i Jerosalema, izay eo amin'ny telo hatramin'ny dimy andro raha atao dia an-tongotra.

  • Josefa sy Maria dia avy ao Nazareta, ary tao Jesosy no notaizaina. Izany no mahatonga an'i Jesosy ho "Nazareana."
  • Maro amin'ireo Jiosy mipetraka ao Nazareta no tsy nanaja ny fampianaran'i Jesosy, satria Izy dia niha-lehibe teo amin'izy ireo ka mieritreritra izy ireo fa olon-tsotra Izy.
  • Indray mandeha rehefa nampianatra tao amin'ny synagogan'i Nazareta Jesosy, dia nikasa ny hamono Azy ireo Jiosy izay teo nohon'ny fanambarany fa Mesia Izy ka nibedy azy ireo tamin'ny fanilihan'izy ireo Azy.
  • Ny fanamarihan'i Natanaela rehefa nandre izy fa Jesosy dia avy any Nazareta dia manoro fa io tanàna io dia tsy noheverina ho ambony.

Nebokadnezara

Facts

Nebokadnezara dia mpanjakan'ny fanjakan'i Babylona izay tafika mahery nandresy vondron'olona maro sy firenena.

Teo ambany fitondran'i Nebokadnezara, dia nanafika ary nahazo ny fanjakan'i Joda ny tafiky ny Babyloniana, ary naka ho babo ny ankamaroan'ny olon'i Joda tany Babylona. Io "sesi-tanin'i Babylona" io dia naharitra 70 taona.

  • Iray tamin'ireo sesi-tany, i Daniela, izay nandika ireo nofin'i Nebokadnezara Mpanjaka.
  • Ireo Israelita telo hafa izay babo, dia Hanania, Mesaela, ary Azaria, dia natsipy tao amin'ny lafaoro mirehitra afo rehefa nandà ny hiankohoka tamina sary vongana volamena lehibe izay nataon'i Nebokadnezara.
  • Nebokadnezara dia Mpanjaka miavonavona ary nanompo andriamanitra sandoka. Rehefa nahazo an'i Joda izy, dia nangalatra volamena sy volafotsy maro tao amin'ny tempoly tao Jerosalema.
  • Satria Nebokadnezara dia nirehareha ary nandà ny hiala amin'ny fanompoana andriamanitra sandoka, dia nataon'Yaveh niala tamin'ny fitondrany nandritry ny fito taona izy ary niaina tahaka ny biby. Taorian'ny fito taona, dia naverin'Andriamanitra tamin'ny toerany izy rehefa nanetry ny tenany ary nidera ilay Andriamanitra iray marina, dia Yaveh.

Negeva

Facts

Negeva dia tany efitra ao atsimon'ny ampahan'Israely, atsimo andrefan'ny Ranomasin'ny sira.

  • Ny teny tany am-boalohany dia midika hoe: "ilay Atsimo."
  • Io faritra atsimo io dia tsy ilay toerana izay Negeva tany efitra amin'izao fotoana izao.
  • Rehefa nipetraka tao amin'ny tanànan'i Kadesa i Abrahama, dia tao Negeva izy na tao amin'ny faritra atsimo.
  • Isaaka dia nipetraka tao Negeva rehefa nandeha nihaona taminy i Rebeka ary lasa vadiny.
  • Ireo foko Jiosin'i Joda sy Simeona dia nipetraka tao amin'io faritra atsimo io.
  • Berseba no ilay tanàna lehibe ao amin'ny faritr'i Negeva.

Nehemia

Facts

Nehemia dia Israelita izay nipetraka tao amin'ny fanjakan'ny Babyloniana rehefa babon'ireo Babyloniana ny olon'Israely sy Joda.

  • Raha mbola mpitondra kapoakan'ilay Persiana mpanjaka izy, Artaksersesy izany, dia nangataka fahalalahana hiverina any Jerosalema tamin'ilay mpanjaka i Nehemia.
  • Nehemia dia nitarika ireo Israelita tamin'ny fananganana indray ny rindrin'i Jerosalema izay simban'ireo Babyloniana.
  • Roa ambinifolo taona Nehemia no governoran'i Jerosalema talohan'ny niverenany tany amin'ny lapan'ny mpanjaka.
  • Ny bokin'i Nehemia ao amin'ny Testamenta Taloha dia milaza ny tantaran'ny asan'i Nehemia tamin'ny fananganana indray ny rindrina sy ny fitondrany ny olon'i Jerosalema.
  • Misy olona hafa antsoina hoe Nehemia ihany koa ao amin'ny Testamenta Taloha. Matetika dia ampiana ny anaran'ilay Ray izany mba hanavahana hoe Nehemia iza no resahina.

Ninive, Ninivita

Facts

Ninive no tanàna renivohitr'i Asyria. "Ninivita" dia olona izay mipetraka ao Ninive.

  • Andriamanitra dia nandefa an'i Jona mpaminany mba hampitandrina ireo Ninivita hiala amin'ny fomba ratsin'izy ireo. Nibebaka ny olona ka tsy namotika azy ireo Andriamanitra.
  • Ireo Asyriana dia nijanona nanompo an'Andriamanitra taty aoriana. Azon'izy ireo ny fanjakan'Israely ary nesorin'izy ireo tao ny olona mba ho any Ninive.

Noa

Facts

Noa dia lehilahy izay niaina nihoatry ny 4000 taona, tamin'ny fotoana izay nanisian'Andriamanitra safo-drano manerana ny tany mba hamotika ny olon-dratsy rehetra eran'ny tany. Andriamanitra niteny tamin'i Noa mba hanangana sambo lehibe izay afaka hipetrahany sy ny fianakaviany rehefa mandrakotra ny tany ny safo-drano.

  • Noa dia lehilahy marina izay nankatoa an'Andriamanitra tamin'ny zavatra rehetra.
  • Rehefa niteny tamin'i Noa ny fomba hananganana ilay sambo Andriamanitra, dia nataon'i Noa araka izay nolazain'Andriamanitra azy izany.
  • Tao anatin'ilay sambo Noa sy ny fianakaviany dia avotra ary taty aoriana ny zanak'izy ireo sy ny zafikelin'izy ireo indray no nameno olona ny tany.
  • Ny olon-drehetra izay teraka nanomboka tamin'ny safo-drano dia taranak'i Noa avokoa.

ny ranomasina, ny Ranomasina Be, ny Ranomasina Tandrefana, ny Ranomasina Mediteraneana

Facts

Ao amin'ny Baiboly, ny "Ranomasina Be" na "ranomasina tandrefana" dia manondro ilay antsoina hoe "Ranomasina Mediteraneana" akehitriny, izay ranomasina lehibe indrindra fantatry ny olona tamin'ny andron'ny Baiboly.

  • Voafefin'i Israely (atsinanana), Eoropa (avaratra sy andrefana), ary Afrika (atsimo) ny Ranomasina Mediteraneana.
  • Nanan-danja teo amin'ny varotra sy fiondranana tokoa io ranomasina io tamin'ny andro taloha satria vofaritry ny firenena maro. Ny tanana sy vondron'olona hita tany amin'ny sisin-tanin'io ranomasina io dia nanan-karena tokoa nohon'ny fahamoran'ny fidiran'ny vokatra avy amin'ny firenena hafa amin'ny sambo.
  • Satria tany andrefan'Israely no nisy ny Ranomasina Be, dia nantsoina matetika hoe "ranomasina tandrefana'' izany.

Obadia

Facts

Obadia dia mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha izay naminay nanohitra ny olon'ny Edoma, izay taranak'Esao. Ary maro koa ny lehilahy nantsoina hoe Obadia tao amin'ny Testamenta Taloha. *Ny bokin'i Obadia no fohy indrindra ao amin'ny bokin'ny Testamenta Taloha ary miteny ny faminaniana izay azon'Obadia amin'ny fahitana izay avy amin'Andriamanitra. *Tsy mazava hoe taiza Obadia no nipetraka sy naminany. Mety tamin'ny andron'ny fanjakan'i Jehorama, Ahazia, Joasy, Atalia sy Juda mpanjaka. Ny mpaminany Daniela, Ezekiela ary Jeremia dia mety tamin'ireo vanim-potoana ireo ihany koa no naminany *Obadia koa anefa mety taoriana kelin'izany fotoana izany no nisy azy, nandritran'ny fitondran'i Zedekia mpanjaka sy tamin'ny fisamboarana ireo Babiloniana. *Lehilahy hafa nantsoina hoe Obadia ihany koa dia taranak'i Saoly, Gadita izay lasa olon'i Davida; mpandrindra ny lapa ho an'Ahaba mpanjaka; manam-pahefana an'i JEHOSAFATA mpanjaka; lehilahy izay nanampy ny fanamboarana ny tempoly tamin'ny andron'ny Josia mpanjaka; Levita izay mpiambina vavahady tamin'ny andron'i Nehemia. *Mety iray amin'ireo no nanoratra ny bokin'i Obadia.


Omry

Facts

Omry dia mpitari-tafika izay lasa mpanjaka fahenin'Isiraely. *Ormy mpanjaka dia nanjaka nandritra ny roa ambin'ny folo taona tao amin'ny tanànan'i Tirza. *Tahaka ny mpanjakan'Isiraely rehetra teo alohany, Omry dia tena mpanjaka ratsy izay nitondra ny olon'Isiraely ho any amin'ny fanompoan-tsampy. *Omry dia rain'ny mpanjaka Ahaba ihany koa.


Ora

Facts

Ora dia tanana manan-danja iray amin'ny Reniranon'i Eofrata tany amin'ny faritanin'i Kaldea fahiny, izay anisan'ny Mesopotamia. Izany faritra izany dia hita ao amin'ny firenena Iraka amin'izao andro ankehitriny izao

  • I Abrahama dia avy amin'ny tananan'ny Ora ary avy any no niantsoan'Andriamanitra azy hiala handeha ho any amin'ny tanin'ny Kanana.
  • Harana, ilay rahalahin'i Abrahama ary rain'i Lota, dia maty tao Ora. Mety ho izany no antony nisarika an'i Lota hiala tao Ora niaraka tamin'i Abrahama.

Oria

Facts

Oria dia lehilahy marina ary iray amin'ny miaramila tsara indrindran'i Davida Mpanjaka. Izy matetika dia antsoina hoe: "Oria ilay Hetita."

  • Oria dia nanana vady tsara iray antsoina hoe: Beri-sheba.
  • Nijangajanga tamin'ny vadin'i Oria i Davida, ary bevohokan'i Davida izy.
  • Mba hanafenana io fahotana io, dia nomono an'i Oria tamin'ny ady i Davida. Avy eo nanambady an'i Beri-sheba i Davida.
  • Lehilahy iray hafa antsoina hoe Oria dia mpisorona iray nandritran'ny andron'i Ahaza Mpanjaka.

Ozia, Azaria

Facts

Ozia dia lasa mpanjakan'ny Joda tamin'ny faha-16 taonany ary nanjaka nandritran'ny 52 taona, izay fanjakana ela tsy fahita firy izany. Ozia dia fantatra ihany koa amin'ny hoe: "Azaria."

  • Ny Mpanjaka Ozia dia fanta-daza ho miaramila milamina sy mahay. Nanana trano be maro hiarovana ny tanana izy ary nanana fitaovam-piadiana manokana amin'ny ady eo amin'izy ireo mba hikendry zana-tsipika sy vato lehibe.
  • Raha mbola manompo ny Tompo Ozia, dia nanam-paharetana izy. Tamin'ny faran'ny fotoana nanjakany, izy kosa dia nirehareha ary tsy nankato ny Tompo tamin'ny alalan'ny fandoroana ditin-kazo ao an-tempoly, izay ny mpisorona ihany no navela hanao izany.
  • Noho izany fahotana izany, dia tratrin'ny habokana i Ozia ary tsy maintsy niaina nisaraka tamin'ireo olona hafa mandra-pahatapitrin'ny fanjakany.

Padana-Arama

Facts

Padana-Arama dia anaram-paritra iray izay nonenan'ny fianakavian'i Abrahama talohan'ny nifindrana tany amin'ny tany Kanana. Izany dia midika hoe "tany hain'i Arama."

  • Rehefa nandao an'i Harana tao Padana-Arama i Abrahama mba handeha ho any amin'ny tany Kanana, dia nijanona tao Harana ny ankamaroan'ny fianakaviany sisa.
  • Taona maro taty aoriana, dia nankany Padana-Arama ny mpanompon'i Abrahama mba hitady vady ho an'Isaka amin'ireo havany any ka nahita an'i Rebeka, zanak'i Betoela.
  • Jakoba zanak'Isaka sy Rebeka ihany koa dia nandeha nankany Padana-Arama ary nanambady ny roa tamin'ny zanak'i Labana anadahin'i Rebeka izay nipetraka tany Harana.
  • Arama, Padana-Arama, ary Arama-naharaima dia samy fizarana amin'ny faritra iray ihany izay misy ny tanànan'i Syria amin'izao.

Paoly, Saoly

Facts

Paoly dia mpitarika ny finagonana teo aloha izay nirahin'i Jesosy mba haka ny vaovao mahafaly amin'ny vondron'olona maro hafa.

  • Paoly dia Jiosy izay teraka tany amin'ny tanàna Romana tany Tarsosy, ary noho izany ihany koa dia olom-pirenena Romana.
  • Paoly tany am-piandohana dia nantsoina tamin'ny anarany Jiosy hoe Saoly.
  • Saoly dia lasa mpitarika fivavahana Jiosy ary nisambotra ireo Jiosy izay lasa Kristiana satria noheveriny ho tsy nanaja an'Andriamanitra izy ireo tamin'ny finoana an'i Jesosy.
  • Jesosy dia nanambara ny tenany tamin'i Saoly tamin'ny alalan'ny hazavana mamiratra ary niteny azy mba tsy handratra ireo Kristiana intsony.
  • Saoly dia nino an'i Jesosy ary nanomboka nampianatra ireo namany Jiosy momba Azy.
  • Taty aoriana Andriamanitra dia naniraka an'i Saoly mba hampianatra ny olona tsy Jiosy momban'i Jesosy ary nanomboka fiangonana tany amin'ny tanàna sy faritany samihafan'ny fanjakana Romana. Tamin'izany andro izany izy dia nanomboka nantsoina tamin'ny anarana Romana hoe "Paoly."
  • Paoly ihany koa dia nanoratra taratasy mba hampaherezana sy hampianarana ireo Kristiana amin'ireo fiangonana tany amin'ireo tanàna ireo. Maro tamin'ireo taratasy ireo no ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Parana

Facts

Parana dia tany efitra faona any atsinanan'i Egypta sy atsimon'ny tanin'i Kanana. Nisy tendrombohitra Parana ihany koa, izay mety anarana hafa ho an'i Tendrombohatr'i Sinay.

  • Hagara andevo sy Ismaela zanany dia lasa nandeha nipetraka tany an'efitr'i Parana taorian'ny nandidian'i Saray an'i Abrahama mba handroaka azy ireo.
  • Mosesy rehefa niterika ireo Isiraelita nivoaka an'i Egypta, dia nandeha namakivaky ny tany efitr'i Parana.
  • Tany Kadesi-barnea tany an'efitr'i Parana no nanirahan'i Mosesy lehilahy roa ambin'ny folo mba hitsikilo ny tany Kanana sy hitondra tatitra miverina.
  • Ny tany efitr'i Zina dia avaratr'i Parana ary ny tany efitr'i Sina dia atsimon'i Parana.

Peora, Tendrombohitra Peora, Bala-peora

Facts

Ny teny hoe "Peora" sy "Bala-peora" dia maneho tendrombohitra hita any avaratrin'ny Ranomasin'ny Sira, any amin'ny faritr'i Moaba.

  • Ny anarana hoe "Beti-peora" dia anaran-tanàna iray, mety miorina any amin'izany tendrombohitra izany na akaiky izany. Ity dia toerana nahafatesan'i Mosesy taorian'ny nampisehoan'Andriamanitra azy ilay Tany Nampanantenaina.
  • Ny "Bala-peora" dia andriamanitra dison'ireo Moabita izay noderain'izy ireo tany amin'ny Tendrombohitra Peora. Ireo Isiraelita koa dia nanomboka nidera ity sampy ity ary nosazian'Andriamanitra noho izany izy ireo.

Perizita

Facts

Ireo Perizita dia iray amin'ny vondron'olona maro any amin'ny tany Kanana. Vitsy no fantatra momban'ity vondrona ity toy ny hoe iza ireo razamnben'izy ireo na ampahany aiza amin'i Kanana izy ireo no mipetraka.

  • Ireo Perizita dia voatonona matetika ao amin'ny bokin'ny Mpitsara ao amin'ny Testamenta Taloha, izay nanoratana fa ireo Perizita dia nifanambady tamin'ireo Isiraelita ary nitarika azy ireo mba hidera andriamanitra diso.
  • Mariho fa ny fianakavimben'i Perezy, antsoina hoe "Perezita," dia vondron'olona samihafa amin'ireo Perizita. Mety ilaina ny fanoratana ireo anarana ireo amin'ny fomba samihafa mba hampazava azy tsara.

Persia, Persiana

Facts

Persia dia firenena izay lasa fanjakana matanjaka koa naorin'i Kyrosy mpanjaka tamin'ny 550 TK. Ny firenen'i Persia dia niorina tany atsimo-atsinanan'i Babylona sy Asyria any amin'ny faritra izay firenena mandroson'Iran amin'izao.

  • Ny vahoakan'i Persia dia nantsoina hoe "Persiana."
  • Tao ambanin'ny lalàn'i Kyrosy mpanjaka, dia afaka tamin'ny fahababoana tany Babylona ireo Jiosy ary navela hody, ary ny tempoly tao Jerosalema dia naverina naorina, tamin'ny vola nomen'ny Fanjakana Persiana.
  • Artaksersesy mpanjaka dia mpanapaky ny Fanjakana Persiana tamin'i Ezra sy Nehemia niverina tany Jerosalema mba hamerina hanorina ny rindrin'i Jerosalema.
  • Lasa mpanjakavavin'ny fanjakana Persiana i Estera rehefa nanambady an'i Ahasoerosy mpanjaka.

Petera, Simona Petera, Kefasy

Facts

Petera dia iray amin'ireo apostoly roa ambin'ny folon'i Jesosy. Izy dia mpitarika manan-danja tamin'ny Fiangonana teo aloha.

  • Talohan'ny niantsoan'i Jesosy azy ho mpianany, dia Simona no anaran'i Petera.
  • Taty aoriana, dia nomen'i Jesosy ny anarana hoe "Kefasy" koa izy, izay midika hoe "vato" na "vatolampy" amin'ny fiteny Armaika. Ny anarana hoe Petera ihany koa dia midika hoe "vato" na "vatolampy" amin'ny fiteny Grika.
  • Andriamanitra dia miasa amin'ny alalan'i Petera mba hanasitranana sy hitoriana ny vaovao mahafaly momban'i Jesosy.
  • Ny boky roa ao amin'ny Testamenta Vaovao dia taratasy izay nosoratan'i Petera mba hankaherezana sy hampianarana ireo namana mpino.

Pilato

Facts

Pilato dia governoran'ny Romana faritr'i Jodia izay nanameloka an'i Jesosy ho faty.

  • Satria Pilato no governora, dia nanana fahefana hamono ireo mpanao heloka bevava izy.
  • Ireo mpitarika fivavahana Jiosy dia te-hanombo an'i Jesosy, noho izany dia nandaina izy ireo ary nilaza fa mpanao heloka bevava Jesosy.
  • Fantatr'i Pilato fa tsy meloka Jesosy, fa natahotra ny vahoaka izy ary te-hampifaly azy ireo, noho izany dia nibaiko ireo miaramilany izy mba hanombo an'i Jesosy.

Ponto

Facts

Ponto dia faritra Romana tamin'ny andron'ny fanjakana Romana sy fiangonana teo aloha. Izany dia niorina tany amin'ny morontsiraka atsimon'ny Ranomasina Mena, any amin'ny ampahany avaratry ny firenen'i Torkia amin'izao.

  • Araky ny voarakitra tao amin'ny bokin'ny Asan'ny apostoly, dia tany Jerosalema ny olona avy any amin'ny faritr'i Ponto rehefa tonga voalohany tao amin'ireo apostoly tamin'ny Andron'i Pantekosata ny Fanahy Masina.
  • Nisy mpino iray antsoina hoe Hakila avy any Ponto.
  • Petera rehefa nanoratra ho an'ireo Kristiana izay niparitaka tany amin'ny faritra samihafa, dia isan'ireo faritra notononiny Ponto.

Potifara

Facts

Potifara dia tandapan'i Farao any Egypta nandritry ny andro namarotana an'i Josefa ho andevo tamin'ny sasany tamin'ireo Ismaelita.

  • Potifara no nividy an'i Josefa tamin'ireo Ismaelita ary nanondro azy ho tompon'andraikitry ny tokantranony.
  • Rehefa nendrikendrehana ho nanao zavatra tsy nety i Josefa, dia nalefan'i Potifara tany am-ponja izy.

Prisila

Facts

Prisila sy Akoila vadiny dia Kristiana Jiosy izay niasa niaraka tamin'i Paoly tamin'ny asa fanompoany.

  • Prisila sy Akoila dia nandao an'i Roma nohon'ny amperora izay nanery ireo Kristiana hiala ao.
  • Paoly dia nihaona tamin'i Akoila sy Prisila tany Korinto. Izy ireo dia mpanao lay ary Paoly nanatona azy ireo tamin'ity asa ity.
  • Rehefa nandao an'i Korinto ho any Syria i Paoly, dia niaraka taminy Prisila sy Akoila.
  • Avy any Syria, dia nankany Efesosy ny telo tamin'izy ireo. Rehefa nandao an'i Efesosy i Paoly, dia nijanona sy nanohy ny asa fitoriana ny filazantsara tany Prisila sy Akoila.
  • Izy ireo dia nampianatra lehilahy iray manokana antaoina hoe Apolosy tao Efesosy izay nino an'i Jesosy ary nahazo fanomezana mpandahan-teny sy mpampianatra.

Raba

Facts

Raba dia tanàna manan-danja indrindra amin'ny olona Amonita.

  • Amin'ny fiadiana manohitra ireo Amonita, ireo Israelita matetika dia manafika an'i Raba.
  • Davida mpanjakan'Israely dia naka an'i Raba ho isan'ny fandreseny farany.
  • Ny tanànan'i Amana Jordana amin'izao andro izao no misy an'i Raba.

Rahaba

Facts

Rahaba dia vehivavy iray izay nipetraka tany Jeriko rehefa notafihan'Israely ny tanàna. Mpivaro-tena izy.

  • Rahaba dia nanafina ireo Israelita roa izay tonga mba hitsikilo ao Jeriko talohan'ny nanafihan'ireo Israelita izany. Nanampy ireo mpitsikilo mba hitsoaka ny tobin'ireo Israelita izy.
  • Rahaba dia lasa mpino an'Yaveh.
  • Izy sy ny fianakaviany dia avotra rehefa potika Jeriko ary lasa nipetraka niaraka tamin'ireo Israelita avokoa izy ireo.

Rahely

Facts

Rahely dia iray amin'ireo vadin'i Jakoba. Izy sy ny rahavaviny Lea dia zanaka vavin'i Labana, rahalahin'ny ray na anadahin'ny renin'i Jakoba.

  • Rahely no renin'i Josefa sy Benjamina, izay lasa foko roan'Israely ireo taranany.
  • Nandritry ny taona maro, dia tsy afaka niteraka Rahely. Andriamanitra no nanao azy ho afaka niteraka an'i Josefa.
  • Taona maromaro taty aoriana, rehefa niteraka an'i Benjamina izy, dia maty Rahely ary nalevin'i Jakoba teo akaikin'i Betlehema izy.

Rama

Facts

Rama dia tanàna Israelita taloha izay eo amin'ny 8 kilometatra miala an'i Jerosalema no misy azy. Ao amin'ny faritra hipetrahan'ny fokon'i Benjamina izany.

  • Tao Rama i Rahely no maty taorian'ny niterahany an'i Benjamina.
  • Rehefa babo tao Babylona ireo Israelita, dia tao Rama aloha izy ireo no nentina voalohany ary avy eo nifindra tany Babylona.
  • Rama no fonenan'ny ray sy renin'i Samoela.

Ramota

Facts

Ramota dia tanàna manan-danja iray ao amin'ny tendrombohitr'i Gileada akaikin'ny Reniranon'i Jordana. Antsoina ihany koa hoe Ramota Gileada.

  • Ramota dia an'Israelita fokon'i Gada ary notendrena ho tanànan'ny fialofana.
  • Ahaba Mpanjakan'Israely sy Josafata Mpanjakan'i Joda dia nanangana ady nanohitra an'i Arama mpanjaka tao Ramota. Maty tamin'izany ady izany Ahaba.
  • Fotoana vitsivitsy taty aoriana, Ahazia Mpanjaka sy Jorama Mpanjaka dia nanandrana ny haka ny tanànan'i Ramota tamin'i Arama Mpanjaka.
  • Tao Ramota Gileada i Jeho no voahosotra ho mpanjaka teo amin'Israely.

Ranomasin'i Galilia, Ranomasin'i Kinereta, Farihin'i Genesareta, Ranomasin'i Tiberiasy

Facts

Ny "Ranomasin'i Galilia" dia anarana farihy iray any antsinanan'Israely. Ao amin'ny Testamenta taloha izany dia nantsoina hoe "Ranomasin'i Kinereta."

  • Ny ranon'io farihy io dia nikoriana nianatsimo namaky ny Reniranon'i Jordana nidina tany amin'ny Ranomasin'ny Sira.
  • Kapernaomy, Betsaida, Genesareta, ary Tiberiasy no sasany amin'ireo tanàna izay hita tany amin'ny Ranomasin'i Galilia tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha.
  • Tranga maro tamin'ny fiainan'i Jesosy no niseho tany amin'ny Ranomasin'i Galilia na teo akaiky teo.
  • Ny Ranomasin'i Galilia ihany koa dia nantsoina hoe "Ranomasin'i Tiberiasy" sy "Farihin'i Genesareta."
  • Io teny io ihany koa dia azo adika hoe: "farihy tany amin'ny faritr'i Galilia" na "Farihin'i Galilia" na "farihy akaikin'i Tiberiasy (Genesareta)."

Ranomasin'ny Sira, Ranomasina Maty

Facts

Teo anelanelan'ny Israely-atsimo nankany andrefana sy i Moaba avy eny antsinanana no nisy ny Ranomasin'ny Sira (antsoina ihany koa hoe: Ranomasina Maty).

  • Nivarina nankao amin'ny Ranomasin'ny Sira ny Reniranon'i Jordana.
  • Satria kely kokoa noho ny akamaroan'ny ranomasina izany, dia azo antsoina hoe: "Farihin'ny Sira."
  • Ambony be ny tahan'ny mineraly (na "sira") ao amin'izany ranomasina izany, izay midika fa tsy misy afaka miaina ao anatin'ilay rano. Izany no niavian'ny anarana hoe: "Ranomasina Maty."
  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, io ranomasina io dia nantsoina ihany koa hoe "Ranomasin'i Araba" sy "Ranomasin'i Negeva" nohon'ny toerana nisy azy teo akaikin'ny faritr'i Araba sy Negeva.

Ranomasin'ny volotara, Ranomasina Mena

Facts

Ny "Ranomasin'ny volotara" dia anaran'ny rano izay hita eo anelanelan'i Egypta sy Arabia. Antsoina hoe "Ranomasina Mena" izany ankehitriny.

  • Ny Ranomasina Mena dia lava fa tsy mivelatra. Mivelatra kokoa noho ny renirano, fa kely raha oharina amin'ny ranomasim-be.
  • Ireo Israelita dia tsy maintsy niampita ny Ranomasina Mena rehefa nandositra an'i Egypta. Andriamanitra dia nanao fahagagana ary nampizara roa ny ranomasina mba afahan'ny olona miampita amin'ny tany maina.
  • Ny tany Kanana dia avaratr'io ranomasina io.
  • Ity dia afaka adika ihany koa hoe "Ranomasina Volotara."

Rebeka

Facts

Rebeka dia zafikely vavin'i Nahora rahalahin'i Abrahama.

  • Andriamanitra nifidy an'i Rebeka mba ho vadin'Isaka zanaka lahin'i Abrahama.
  • Rebeka dia niala tao amin'ny faritr'i Arama Naharaima izay nipetrahany ka nandeha niaraka tamin'ny mpanompon'i Abrahama ho any amin'ny faritr'i Negeva izay misy an'Isaka.
  • Fotoana maro no tsy nananan'i Rebeka anaka, farany anefa dia nitahy azy Andriamanitra ka nanome kambana roa lahy azy, dia Esao sy Jakoba.

Rehoboama

Facts

Rehoboama dia iray tamin'ireo zanaka lahin'i Solomona Mpanjaka, ary lasa mpanjakan'ny firenen'Israely taorian'ny nahafatesan'i Solomona.

  • Tamin'ny fiatombohan'ny fanjakany, dia nasiaka tamin'ny olony Rehoboama, ka folo tamin'ireo fokon'Israely no nikomy nanohitra azy ary namorona ny "fanjakan'Israely" tao avaratra.
  • Rehoboama dia mbola nitohy ho mpanjakan'ny fanjakan'i Joda atsimo izay misy foko roa, dia Joda sy Benjamina.
  • Rehoboama dia mpanjaka ratsy fanahy izay tsy nankatoa an'Yaveh, fa nanompo andriamanitra sandoka.

Reniranon'i Eofrata

Facts

Anaran'ireo renirano efatra nikoriana namaky ny Saha Edena ny hoe Eofrata. Io no renirano voatonona matetika indrindra ao amin'ny Baiboly.

  • Tany Afovoany Atsinanana (Moyen Orient) no nisy renirano antsoina hoe Eofrata izay renirano lava indrindra sy lehibe indrindra any Asia.
  • Nametra ny faritry ny tanàna iray fantatra amin'ny hoe Mesopotamia ny Reniranon'i Eofrata niaraka tamin'i Tigris.
  • Teo amin'ny vava-ranon'i Eofrata no nisy ny tanànan'i Ora taloha izay niavian'i Abrahama.
  • Iray amin'ireo fetran'ny tany izay nampanantenain'Andriamanitra homena an'i Abrahama io renirano io (Genesisy 15:18).
  • Indraindray i Eofrata dia antsoina tsotra hoe "ilay Renirano."

Reniranon'i Jordana, Jordana

Facts

Ny Reniranon'i Jordana dia renirano izay mikoriana avy any avaratra mankany atsimo, ary avy any amin'ny sisiny atsinanan'ilay tany izay antsoina hoe Kanàna.

  • Ankehitriny, ny Reniranon'i Jordana dia manasaraka an'Israely any andrefana amin'i Jordana any atsinanana.
  • Josoa rehefa nitarika ireo Israely ho any Kanàna, dia nila niampita ny reniranon'i Jordana. Satria lalina loatra izany, dia nanao fahagagana nanajanona ilay rano tsy hikoriana Andriamanitra mba afahan'izy ireo mpiampita.
  • Matetika ao amin'ny Baiboly ny reniranon'i Jordana dia aseho hoe "Jordana."

Reniranon'i Neily, Reniranon'i Egypta

Facts

Neily dia renirano lava sy mivelatra ao andrefana antsinanan'i Afrika. Fantatra manokana amin'ny hoe renirano lehiben'i Egypta.

  • Ny Reniranon'i Neily dia mikoriana mamakivaky an'i Egypta ary amin'ny Ranomasina Mediteraneana.
  • Mitombo tsara amin'ny tany mamokatra ny vokatra amin'ny sisin'ny Reniranon'i Neily.
  • Ny ankamaroan'ireo Egyptiana dia mipetraka eny akaikin'ny Reniranon'i Neily satria loharano tsara ho an'ny vokatra izany.
  • Ireo Israelita dia mipetraka amin'ny tanin'i Gosena izay tena mamokatra tokoa satria eny amin'ny sisintsisin'ny Reniranon'i Neily io tany io.
  • Tamin'i Mosesy mbola zazakely, dia nametraka azy tanaty harona teo amin'ny volotaran'i Neily ireo ray aman-dreniny mba hanafina azy amin'ireo olon'i Faraona.

Rimona

Facts

Rimona dia anarana lehilahy iray sy toerana maromaro voatonona ao amin'ny Baiboly. Izany ihany koa dia anarana andriamanitra sandoka iray.

  • Ilay lehilahy iray izay antsoina hoe Rimona dia Benjamita avy amin'ny tanànan'i Berota ao Zebolona. Ny zanak'io lehilahy io no namono an'Isboseta, ilay zanaka mandringan'i Jonatana.
  • Rimona dia tanàn-dehibe ao atsimon'ny ampahan'i Joda, ao amin'ny faritra hitoeran'ny fokon'i Benjamina.
  • Ny "vatolampin'i Rimona" dia toerana azo antoka izay nitsoahan'ireo Benjamita nohon'ny famonoana tamin'ny ady.
  • Rimona Pareza dia toerana tsy fantatra ao amin'ny tany efitr'i Jodia.
  • Namana ilay mpandidy Syriana dia niresaka ny tempolin'ireo andriamanitra Rimona sandoka, tao amin'ilay niderana ny mpanjakan'i Syria.

Robena

Facts

Robena no zanaka lahimatoan'i Jakoba. Lea no reniny.

  • Rehefa nikasa ny hamono an'i Josefa zandrin'izy ireo ireo rahalahiny, dia nanavotra ny fiainan'i Josefa tamin'ny alalan'ny fitenenana azy ireo Robena hoe atao ao anaty lava-drano izy.
  • Robena dia niverina avy eo mba hanavotra an'i Josefa, kanefa ireo rahalahy hafa efa nivarotra azy ho andevo tamin'ny mpividy iray nandalo.
  • Ireo taranak'i Robena dia lasa iray tamin'ireo fokon'Israely.

Roma, Romana

Facts

Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Vaovao, dia ny tanànan'i Roma no foiben'ny Fanjakana Romana. Renivohitry ny firenen'Italia amin'izao fotoana izao izany.

  • Ny Fanjakana Romana dia nanapaka teo amin'ny faritra rehetra manodidina ny Ranomasina Mediteraneana, ao anatin'izany Israely.
  • Ny teny hoe "Romana" dia maneho ny zavatra rehetra izay mifandray amin'ireo faritra izay eo ambany fitondran'ny governemanta ao Roma, ao anatin'izany ny mponin'i Roma ary ireo manam-pahefana Romana.
  • Paoly Apostoly dia gadra tao amin'ny tanànan'i Roma satria nitory ny vaovao mahafaly momban'i Jesosy izy.
  • Ny bokin'i "Romana" ao amin'ny Testamneta Vaovao dia taratasy izay nosoratan'i Paoly ho an'ireo Kristiana ao Roma.

Rota

Facts

Rota dia vehivavy Moabita izay nanambady lehilahy Israelita izay nifindra tany Moaba niaraka tamin'ny fianakaviany nandritry ny fotoana nitarihan'ny mpitsara an'Israely.

  • Ny vadin'i Rota dia maty ary fotoana vitsy taorian'izay dia niala tao Moaba izy mba ho any amin'i Naomy rafozam-baviny izay niverina tany Betlehema tanindrazany any Israely.
  • Rota dia tsy nivadika tamin'i Naomy ary niasa mafy mba hahazo sakafo ho azy.
  • Izy ihany koa dia nanolo-tena hanompo ilay Andriamanitra tokan'Israely.
  • Rota dia nanambady lehilahy Israelita antsoina hoe Boaza ary niteraka zanaka lahy izay lasa raiben'i Davida Mpanjaka ary razamben'i Jesosy Kristy.

Saharona, Tany hain'i Saharona

Facts

Saharona dia anarana faritany mahitsy sy mamokatra amin'ny sisin'ny Ranomasina Mediteraneana, atsimon'ny tendrombohitr'i Karmely. Izany ihany koa dia fantatra amin'ny hoe: "Tany hain'i Saharona."

  • Tanàna maro voatonona ao amin'ny Baiboly no hita eo amin'ny tany hain'i Saharona, ao anatin'izany Jopa, Lyda, ary Kaisara.
  • Izany ihany koa dia afaka adika hoe: "ilay tany antsoina hoe: Saharona" na "Saharona Tany haina."
  • Ny olona izay mipetraka amin'ny faritr'i Saharona dia antsoina hoe: "Saharonita."

Samaria, Samaritana

Facts

Samaria dia anaran-tanàna iray sy ny manodidina azy any amin'ny faritra avaratr' Israely. Ilay faritra dia niorina teo anelanelan'ny tany hain'i Sarona any andrefana sy ny Reniranon'i Jordana any antsinanana.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, dia tanàna renivohitry ny fanjakana avaratr'Israely i Samaria. Taty aoriana ny faritra manodidina izany dia nantsoina koa hoe Samaria.
  • Rehefa nibodo ny fanjakana avaratr'Israely ireo Asyriana, dia azon'izy ireo ny tanànan'i Samaria ary nanery ny ankamaroan'ireo Israelita avaratra mba handao ny faritra ary nandefa azy ireo lavitra any amin'ireo tanàna samihafa any Asyria.
  • Ireo Asyriana ihany koa dia nitondra vahiny maro tao amin'ny faritr'i Samaria mba hanolo ireo Israelita izay nifindra.
  • Ny sasany tamin'ireo Israelita izay nijanona nitoetra tao amin'izany faritra izany dia nanambady ireo vahiny izay nifindra tao, ary ny taranak'izy ireo dia nantsoina hoe Samaritana.
  • Nataon'ireo Jiosy tsinontsinona ireo Samaritana satria Jiosy amin'ny ampahany fotsiny izy ireo ary satria nanompo andriamanitra sampy ireo taranak'izy ireo.
  • Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Vaovao, ny faritr'i Samaria dia voahodidin'ny faritr'i Galilia any avaratra sy ny faritr'i Jodia any atsimo.

Samoela

Facts

Samoela dia mpaminany iray sy mpitsara faran'Israely. Izy no nanosotra an'i Saoly sy Davida ho mpanjakan'Isiraely.

  • Samoela dia terak'i Elkana sy Hana tany amin'ny tanànan'i Rama.
  • Hana dia momba, noho izany dia nivavaka fatratra izy mba hanomezan' Andriamanitra azy zanaka lahy. Samoela no valin'izany vavaka izany.
  • Tamin'i Samoela mbola kely, dia nalefan'i Hana hanampy an'i Elia mpaminany any amin'ny tempoly izy mba hanatanterahana ny fampanantenany tamin'Andriamanitra.
  • Andriamanitra nanangana an'i Samoela mba ho mpaminany lehibe ho Azy.

Samsona

Facts

Samsona dia iray tamin'ireo mpitsara, na mpanafak'Israely. Izy dia avy amin'ny fokon'i Dana.

  • Andriamanitra dia nanome tanjaka mahery an'i Samsona izay nampiasainy hiady amin'ireo fahavalon'Israely, dia ireo Filistina.
  • Natao voady Samsona mba tsy hanapaka ny volony mihitsy ary tsy hisotro divay na zava-pisotro hafa. Raha mbola nitàna ny voadiny izy, dia nanohy nanome tanjaka azy Andriamanitra.
  • Ny farany dia nandrava ny voadiny izy ary navelany ho tapahana ny volony, izay nahafahan'ireo Filistina nisambotra azy.
  • Raha mbola babo Samsona, dia navelan'Andriamanitra hahazo ny tanjany indray izy ary nanome azy ny fahafahana handrava ny tempolin'i Dagona andriamanitra diso, niaraka tamin'ny Filistina maro.

Sankeriba

Facts

Sankeriba dia mpanjaka nahery tao Asyria izay nahatonga an'i Ninive ho lasa tanàna manan-karena sy lehibe.

  • Sankeriba Mpanjaka dia fantatra tamin'ny adiny nanohitra an'i Babylona sy ny fanjakan'i Joda.
  • Mpanjaka niavonavona izy ary naniratsira an'i Yaveh.
  • Nanafika an'i Jerosalema i Sankeriba tamin'ny andron'i Hezekia Mpanjaka.
  • Nataon'i Yaveh ho rava ny tafik'i Sankeriba.
  • Ny bokin'ny Mpanjaka sy Tantara ao amin'ny Testamenta Taloha dia mirakitra ny tranga sasany niseho tamin'ny nanjakan'i Sankeriba.

Saoly (TT)

Facts

Saoly dia lehilahy Israelita izay nofidin'Andriamanitra mba ho mpanjakan'Israely voalohany.

  • Saoly dia lava ary tsara tarehy, miaramila be fahefana. Izy no karazana lehilahy izay tian'ireo Israelita ho mpanjakan'izy ireo.
  • Na dia nanompo an'Andriamanitra aza izy taloha, ilay Saoly taty aoriana dia lasa nirehareha ka tsy nankato an'Andriamanitra. Vokatr'izany, Andriamanitra nanendry an'i Davida mba haka ny toeran'i Saoly ho mpanjaka ary namela an'i Saoly ho faty tamin'ny ady.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia misy Jiosy antsoina hoe: Saoly fantatra amin'ny hoe Paoly izay lasa apostolin'i Jesosy Kristy.

Saraha, Saray

Facts

  • Saraha dia vadin'i Abrahama
  • Ny tena anarany dia "Saray," fa Andriamanitra nanova izany ho "Saraha."
  • Saraha dia niteraka ny zanaka lahy izay nampanantenain'Andriamanitra azy sy Abrahama.

Seba

Facts

Tamin'ny andro taloha, Seba dia tanàna na faritra fahinin'ny tany izay hita manodidididina ny atsimon'i Arabia. * Ny faritra na firenen'i Seba dia mety ho hita akaikin'ny firenen'i Yemena na Etiopia amin'izao fotoana izao.

  • Ny mponin'izany dia mety ho taranak'i Hama.
  • Ny mpanjakavavin'i Seba dia tonga mba hamangy an'i Solomona Mpanjaka rehefa nandre ny lazan'ny harenany sy ny fahendreny izy.
  • Misy olona maro antsoina hoe: "Seba" misoratra ao amin'ny tetiarana ao amin'ny Testamenta Taloha. Mety ho avy amin'ny iray amin'ireo lehilahy ireo ny fiavian'ny anaran'ny faritra hoe Seba.
  • Ny tanànan'i Berseba dia nafohezina ho Seba ao amin'ny Testamenta Taloha.

Sekema

Facts

Sekema dia anarana tanàn-dehibe ao Kanaana izay hita eo amin'ny 40 kilometatra avaratr'i Jerosalema. Sekema ihany koa dia anarana lehilahy iray ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Tao amin'ny tanàn-dehiben'i Sekema Jakoba no nanorim-ponenana taorian'ny nihavanany tamin'i Esao rahalahiny.
  • Jakoba nividy tany tamin'ny zanak'i Hamora ilay Hivita tao Sekema, izay lasa tany fandevenan'ny fianakaviana izay nandevenan'ny zanak'i Jakoba azy.
  • Sekema zanaka lahin'i Hamora dia nanolana an'i Dina zanaka vavin'i Jakoba, izay niteraka ny famonoan'ny zanaka lahin'i Jakoba ny lehilahy rehetra tao amin'ny tanàn-dehiben'i Sekema.

Sema

Facts

Sema dia iray amin'ny zanaka lahy telon'i Noa izay nandeha niaraka taminy tao anatin'ny sambo fiara nandritra ny safo-drano nanerana ny tany izay voafaritra ao amin'ny bokin'i Genesisy.

  • Sema no razamben'i Abrahama sy ny taranany.
  • Ireo taranak'i Sema dia fantatra amin'ny hoe: "Semita" izay miteny ny fiteny "Semitika" toy ny Hebreo sy Arabika.
  • Mirakitra an-tsoratra ao amin'ny Baiboly ny halavan'ny fiainan'i Sema izay manakaiky ny 600 taona.

Seta

Facts

Ao amin'ny bokin'ny Genesisy, i Seta no zanaka lahy fahatelon'i Adama sy Eva.

  • Nambaran'i Eva fa i Seta dia nomena ho azy, ho solon'i Abela zanany lahy izay novonoin'i Kaina rahalahiny.
  • Iray tamin'ny ireo taranak'i Seta i Noa, koa ny olon-drehetra izay niaina nanomboka tamin'ny andron'ny Safo-drano dia taranak'i Seta ihany koa.
  • Seta sy ny fianakaviany no olona voalohany "niantso ny anaran'ny Tompo."

Sidona, Sidoniana

Facts

Sidona no zokiny indrindra tamin'ny zanak'i Kanana. Misy tanàna Kananita koa antsoina hoe Sidona, mety nomena anarana taorian'ny zanak'i Kanana.

  • Ny tanànan'i Sidona dia niorina tany avaratra-andrefan'Isiraely any amin'ny moron'ny Ranomasina Mediteraneana any amin'ny faritra izay ampahany amin'ny firenen'i Lebanona amin'izao.
  • Ireo "Sidoniana" dia vondron'olona fenisianina izay nipetraka tany Sidona taloha sy ny faritra manodidina izany.
  • Ao amin'ny Baiboly, Sidona dia mifandray akaiky amin'ny tanànan'i Tyry, sy ireo tanàna izay fantatra amin'ny harena sy fitondran-tena tsy mendrikin'ny vahoakan'izy ireo.

Silasy, Silvanosy

Facts

Silasy dia mpitarika teo amin'ireo mpino tao Jerosalema.

  • Ireo loholon'ny fiangonana tao Jerosalema dia nanondro an'i Silasy mba handeha hiaraka tamin'i Paoly sy Barnabasy mba hitondra taratasy ho an'ny tanànan'i Antioka.
  • Ny taratasin'i Silasy dia nandeha niaraka tamin'i Paoly tany amin'ireo tanàna hafa mba hampianatra ny olona momban'i Jesosy.
  • Paoly sy Silasy dia nalefa tany am-ponja tany amin'ny tanànan'i Filipy. Nanao hira fiderana an'Andriamanitra izy ireo tany ary Andriamanitra nanafaka azy ireo tao am-pigadrana. Lasa Kristiana ilay mpiandry fonja vokatrin'ny fijoroan'izy ireo vavolombelona.

Siloha

Facts

Siloha dia rindrin'ny tanàn-dehiben'ny Kananita izay azon'ireo Israelita teo ambany fitondran'i Josoa.

  • Ny tanàn-dehiben'i Siloha dia hita ao andrefan'ny Reniranon'i Jordana ary avaratry ny tanàn-dehiben'i Betela.
  • Nandritra ny fitondran'i Josoa an'Israely, ny tanàn-dehiben'i Siloha dia toerana fihaonan'ireo mponin'Israely.
  • Ireo foko roa ambinifolon'Israely dia mihaona ao Siloha mba handre an'i Josoa hilaza amin'izy ireo hoe iza amin'ny tanin'ny Kanana no anjara tany voatendry ho an'ny tsirairay amin'izy ireo.
  • Talohan'ny nananganana tempoly tao Jerosalema, Siloha no toerana fanaovan'ireo Israelita sorona ho an'Andriamanitra.
  • Raha mbola zatovolahy i Samoela, ny reniny Hana dia nitondra azy hipetraka any Siloha mba hofanin'i Elia mpaminany hanompo an'Yaveh.

Simeona

Facts

Ao amin'ny Baiboly dia misy lehilahy maro antsoina hoe Simeona.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny zanaka faharoan'i Jakoba (Israely) sy Lea dia antsoina hoe Simeona. Ny taranak'izy ireo dia lasa iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely.
  • Ny fokon'i Simeona dia nobodoin'ireo faritany atsimo any amin'ilay tany Kanana nampanantenaina, faritra izay ampahany amin'ny lovan'i Joda.
  • Tamin'i Josefa sy Maria nitondra an'i Jesosy tany an-tempoly tao Jerosalema mba hanosotra Azy ho an'Andriamanitra, dia nisy lehilahy zokiolona antsoina hoe Simeona nidera an'Andriamanitra nohon'ny famelana azy ahita ilay Mesia

Simey

Facts

Simey dia anarana lehilahy maro ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Simey zanak'i Gera, dia Benjamita izay nanozona an'i Davida Mpanjaka ary nanipy vato azy raha nandositra an'i Jerosalema mba hitsoaka ny famonoan'i Absaloma zanany.
  • Misy mpisorona Levita maro ihany koa ao amin'ny Testamenta Taloha izay antsoina avokoa hoe: Simey.

Simona ilay Zelota

Facts

Simona ilay Zelota dia iray amin'ireo mpianatra roa ambinifolon'i Jesosy.

  • Simona dia voatonona intelo ao amin'ny lisitrin'ny mpianatr'i Jesosy, fa kely no fantatra momba azy.
  • Simona dia iray amin'ireo iraika ambin'ny folo izay niara-nivavaka tao Jerosalema taorian'i Jesosy niverina niakatra tany an-danitra.
  • Ny teny hoe "Zelota" dia mety midika hoe mpikambana ao amin'ny "Zelota" i Simona izay antokom-pivavahana Jiosy tena be zotom-po tamin'ny fanohanana ny lalàn'i Mosesy raha nanohatra mafy ny governemanta Romana.
  • Na, ny hoe "zelota" dia mety midika tsotra hoe "ilay be zotom-po," maneho ny zotom-pon'i Simona amin'ny fivavahana.

Sinara

Facts

Sinara dia midika hoe: "tanàn-dehiben'ny renirano roa" ary anarana havoana na faritra ao atsimon'i Mesopotamia.

  • Sinara dia lasa fantatra amin'ny hoe: "Kaldea" taty aoriana, ary avy eo lasa hoe: "Babylonia."
  • Ny olona taloha mipetraka amin'ny tanàn-dehiben'i Babela amin'ny havoan'i Sinara dia nanangana tilikambo avo mba hampahalehibe azy ireo.
  • Ny taranaka taty aoriana, Abrahama patriarka Jiosy dia nipetraka tamin'ny tanànan'i Ora tao amin'io faritra io, izay nantsoina tamin'izany fotoana izany hoe: "Kaldea."

Sinay, Tendrombohitr'i Sinay

Facts

Ny Tendrombohitr'i Sinay dia anaran-tendrombohitra izay mety niorina tany atsimon'ny ampahany amin'ny antsoina hoe nosy kelin'i Sinay amin'izao. Izany ihany koa dia fantatra amin'ny hoe "Tendrombohitra Horeba."

  • Ny tedrombohitr'i Sinay dia ampahany amin'ny tany foana lehibe sy be vatolampy.
  • Ireo Israelita dia tonga teo amin'ny Tendrombohitr'i Sinay raha nandeha avy any Egypta ho any amin'ilay tany nampanantenaina.
  • Andriamanitra dia nanome ireo didy folo an'i Mosesy teny amin'ny Tendrombohitr'i Sinay.

Sodoma

Facts

Sodoma dia tanàna izay any amin'ny faritra atsimon'i Kanana izay nipetrahan'i Lota, ilay zanadrahalahin'i Abrahama, sy ny vady aman-janany.

  • Ny tany manodidina ny tanana'i Sodoma dia tena mamokatra sy tsara tondraka, koa dia tao Lota no nisafidy hipetraka rehefa nipetraka tao Kanana.
  • Ny toerana mazava misy an'io tanàna dia tsy tena voafaritra satria Sodoma sy ny tanàna nanodidina an'i Gomora dia nopotehin'Andriamanitra tanteraka ho fanasaziana ny olona tamin'ireo zavatra ratsy nataon'izy ireo
  • Ny fahotana ratsy indrindra izay nataon'ny olona tao Sodoma sy Gomora dia ny fanambadian'ny lahy samy lahy ary vavy samy vavy.

Sokota

Facts

Sokota dia anarana tanàna roa tao amin'ny Testamenta Taloha. Ny teny hoe "Sokota" dia midika hoe "fialofana"

  • Ny tanàna voalohany nantsoina hoe Sokota dia hita teny amin'ny faritra antsinan'ny reniranon'i Jordana.
  • Jakoba dia nipetraka tao Sokota niaraka tamin'ny fianakaviany sy ireo ondry aman'osiny, nanangana fonenana tao izy.
  • Zato taona taty aoriana, Gideona sy ireo olony reraka niaraka tamin'ny dia nijanona tao Sokota raha nanenjika ireo Midianita, fa ireo olona tao dia tsy nanaiky ny hanome azy ireo sakafo.
  • Ny Sokota faharoa dia hita teny amin'ny sisiny avaratr'i Egypta ary dia toerana iray izay nijanonan'ireo Israelita rehefa avy namakivaky ny Ranomasina Mena izy ireo raha nitsoaka avy tamin'ny fanandevozan'i Egyptiana izy ireo.

Solomona

Facts

Solomona dia iray amin'ny zanak'i Davida Mpanjaka. Ny reniny dia Batseba.

  • Rehefa lasa mpanjaka Solomona, Andriamanitra dia niteny taminy mba hangataka izay tiany rehetra. Ka Solomona dia nangataka fahendrena mba hitondrana ny olona amin'ny fahamarinana sy ny tsara . Andriamanitra dia faly tamin'ny fangatahan'i Solomona koa dia sady nomeny fahendrena sy harena be.
  • Solomona dia fantatra tsara tamin'ny fanamboarana ny tempoly mahatalanjona tao Jerosalema.
  • Na dia nanjaka am-pahendrena ary Solomona tamin'ny voalohany, dia rehefa nanambady vehivavy vahiny maro be izy dia nanomboka nidera ireo andriamanitra diso.
  • Noho ny tsy fahatokian'i Solomona, dia nozarain'Andriamanitra ho roa ny fanjakana Isiraelita: Isiraely sy Joda. Ireo fanjakana ireo dia matetika mifanafika.

Stefana

Facts

Stefena dia ilay Kristiana voalohany maty maritiora, izy no olona voalohany izay novonoina noho ny finoana an'i Jesosy. Ny tantaran'ny fiainany sy ny fahafatesany dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Apostoly.

  • Stefana dia voatondron'ny fiangonana Kristina voalohany tao Jerosalema mba hanompo ny Kristiana amin'ny alalan'ny andraikitry ny diakona mba hanome sakafo ireo mpitondratena sy Kristiana hafa.
  • Ny Jiosy sasany dia niampanga an'i Stefana hoe manohitra an'Andriamanitra sy ny lalàn'i Mosesy
  • Stefana dia niteny amim-pahasahiana ny marina momban'i Jesosy ilay Mesia, natombony tamin'ny tantaran'Andriamanitra izay nifanaraka tamin'ireo vahoakan'Isiraely.
  • Ny mpitondra Jiosy dia tezitra ary namono an'i Stefana tamin'ny fitoham-bato azy teo ivelan'ny tanàna.
  • Ny famonoana azy dia natrehin'i Saoly avy tao Tarsosy, izay lasa Paoy Apostoly.
  • Stefana dia fantatra tsara noho ny teny farany izay nolazainy alohan'ny hafatesany: "Tompo o, aza atao ho helony anie izao ota izao." izay maneho ny fitiavany ho an'ny hafa.

Syria

Facts

Syria dia tanàna izay hita ao avaratr'Israely. Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao, izy io dia tanàna teo ambanin'ny fifehezan'ny fanjakana Romana.

  • Ao amin'ny vanim-potoana ny Testamenta Taloha, ny Syriana dia tafika mahery izay fahavalon'Israelita.
  • Namana dia mpifehy ny tafika Syriana izay nositran'i Elisa mpaminany tamin'ny fahabokana.
  • Maro tamin'ireo olona tao Syria no taranak'i Arama, izay taranak'i Sema zanak'i Noa.
  • Damaskosy, ilay renivohitr'i Syria, dia voatonona imbetsaka ao amin'ny Baiboly.
  • Saoly dia nankany amin'ny tanànan'i Damaskosy hanomana ny fanenjehana ny Kristiana, fa Jesosy dia nanakana azy.

Tamara

Facts

Anarana vehivavy maromaro ao amin'ny Testamenta Taloha ny hoe Tamara. Anarana tanana maromaro any amin'ny toerana hafa ihany koa izany ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Vinanto vavin'i Joda i Tamara. Niteraka an'i Pereza izay razamben'i Jesosy Kristy izy.
  • Ny anaran'ny iray tamin'ny zanak'i Davida koa dia Tamara no anarany; anabavin'i Absaloma izy. Naolan'i Amona anadahy tsy iray ra taminy izy ary navelany azy ho lao.
  • Absaloma koa dia nanana zanaka vavy antsoina hoe Tamara.
  • Misy tanana iray antsoina hoe "Hazezon-tamara" izay tananan'i Engedi any amin'ny sisiny andrefan'ny Ranomasina Mena ihany. Misy atao hoe "Bala-tamara'' ihany koa. Ary misy fomba fiantsoana toerana amin'ny ankapobeny atao hoe "Tamara" izay mety ho samy hafa amin'ireo tanana.

tanànan'i Davida

Facts

Ny teny hoe "tanànan'i Davida" dia anarana iray hafa ho an'i Jerosalema sy Betlehema.

  • Jerosalema dia toerana izay nipetrahan'i Davida tamin'izy nanjaka tao Israely.
  • Betlehema dia toerana nahaterahan'i Davida.

Tarsisy

Facts

Anarana lehilahy roa ao amin'ny Testamenta Taloha ny hoe Tarsisy. Anarana tanana iray ihany koa izany.

  • Ny iray tamin'ny zafikelin'i Jefeta dia Tarsisy no anarany.
  • Anaran'ny iray tamin'ireo olon-kendrin'i Ahaseorosy Mpanjaka ihany koa izany Tarsisy izany.
  • Ny tananan'i Tarsisy dia tananan-tseranana tena niroborobo, ary nitondra etana sarobidy hamidy, ho vidiana sy haondrana ireo sambony.
  • Io tanana io dia nifandray tamin'i Tyra ary noheverina fa tananan'i Foiniksa izay somary lavitra an'i Israely, mety ho any amin'ny sisiny andrefan'ny Espaina.
  • Jona mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha dia niondrana an-tsambo nankany amin'ny tananan'i Tarsisy raha tokony hankatoa ny didin'Andriamanitra mba handeha hitory any Ninive.

Tarsosy

Facts

Tarsosy dia tanana tena nanan-karena tany amn'ny faritanin'i Silisia tany Roma, tany atsimo-afovoan'i Tiorka amin'izao fotoana izao.

  • Nanaraka ny renirano lehibe iray ary akaikin'ny Ranomasina Mediteraneana no nisy an'i Tarsosy, izay nahatonga azy ho lalam-barotra lehibe.
  • Ao amin'ny tantara dia renivohitry ny tananan'i Silisia izy.
  • Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia tanana niavin'i Paoly apostoly no tena ahafantarana an'i Tarsosy.

Tendrombohitr'i Hermona

Facts

Tendrombohitr'i Hermona no anaran'ny tendrombohitra avo indrindra tao Israely tany amin'ny sisiny atsimon'ny filaharan-tendrombohitr'i Libanona.

  • Any amin'ny Ranomasin'i Galilia no misy azy, any amin'ny sisin-tany avaratr'Israely sy Syria.
  • Ny anarana hafa nomen'ny vondron'olona hafa ny Tendrombohitr'i Hermona dia "Terombohitr'i Siriona" sy "Tendrombohitr'i Senira."
  • Ny Tendrombohitr'i Hermona dia nisy tendrony telo lehibe. Ny tendrony avo indrindra dia eo ho eo amin'ny 2.800 metatra ny haavony.

Tendrombohitr'Oliva

Facts

Ny Tendrombohitr'Oliva dia havoana lehibe hita tany akaikin'ny ilany atsinanan'ny tananan'i Jerosalema. Eo ho eo amin'ny 787 metatra ny haavony.

  • Ao amin'ny Testamenta Taloha, io tendrombohitra io dia antsoina hoe "tendrombohitra atsinanan'i Jerosalema."
  • Ny Testamenta Taloha dia mirakitra fotoana maromaro izay nandehanan'i Jesosy sy ireo mpianany tany an-Tendrombohitr'Oliva mba hivavaka sy hitsahatra.
  • Jesosy dia nosamborina tao amin'ny Sahan'i Getsemane, izay tany an-Tendrombohitr'Oliva no nisy azy.
  • Azo adika ihany koa izany hoe "Havoan'ny Oliva" na "Tendrombohitry ny Hazo Oliva."

Tera

Facts

Taranak'i Sema zanaka lahin'i Noa i Tera. Rain'i Abrama, Nahora ary Harana izy.

  • Nandao ny fonenany tany Ora i Tera mba handeha ho any an-tany Kanana niraka tamin'i Abrama zanany lahy, i Lota zana-dralahiny, ary Saray vadin'i Abrama.
  • Rehefa an-dalana ho any Kanana, dia nipetraka an-taonany maro tany amin'ny tananan'i Harana tany Mesopotamia i Tera. Maty tao Harana tamin'ny faha 205 taonany i Tera.

Tesalonika, Tesaloniana

Facts

Tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Vaovao, Tesalonika dia renivohi-paritanin'i Makedonia tany amin'ny fanjakana Romana taloha. Ny olona nipetraka tany no natsoina hoe "Tesaloniana."

  • Ny tanànan'i Tesalonika dia seranan-tsambo lehibe ary nanaraka ny lalam-be izay nampifandray an'i Roma tamin'ny ilany avaratry ny fanjakana Romana.
  • Namangy an'i Tesalonika i Paoly, niaraka tamin'i Silasy ary Timoty tamin'ny dia faharoa amin'ny maha-misionera azy, ary vokatr'izany dia nisy fiangonana tafajoro tany. Taty aoriana dia namangy io tanàna io koa i Paoly tamin'ny dia fahatelo amin'ny maha-misionera azy.
  • Nanoratra taratasy anankiroa ho an'ireo Kristiana tany Tesalonika i Paoly. Ireo taratasy ireo (1 Tesaloniana sy 2 Tesaloniana) dia tafiditra ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Timoty

Facts

Timoty dia tovolahy avy tany Lystra izay niova ho mpino an'i Kristy vokatry ny asa fanompoan'i Paoly tao amin'ny tananany. Nanaraka an'i paoly tamin'ny dia maha-misionera maromaro izy taty aoriana ary nanampy ho mpitandrina ny fivondronan'ny mpino.

  • Grika ny rain'i Timoty, fa samy Jiosy ary mpino an'i Kristy i Loisa renibeny sy i Eonika reniny.
  • Nanendry an'i Timoty ara-pomba ofisialy ho an'ny asa fanompoana ireo lohona sy i Paoly tamin'ny fametrahana ny tanan'izy ireo teo aminy sy fivavahana ho azy.
  • Misy boky roa ao amin'ny Testamenta Vaovao (1 Timoty sy 2 Timoty) izay taratasy nosoratan'i Paoly, manome toro-lalana ho an'i Timoty amin'ny maha tanora mpitarika ny fiangonana tany an-toerana azy.

Tirza

Facts

Tirza dia tanana Kananita lehibe izay babon'ny Israelita. Anaran'ny zanaka vavin'i Gileada, taranak'i Manase ihany koa izany.

  • Tany amin'ny faritra nitoeran'ny fokon'i Manase no nisy ny tananan'i Tirza. An-kevitry ny teo ho eo amin'ny 10 kilometatra mianavaratry ny tananan'i Sekema io tanana io.
  • Taona maro taty aoriana dia lasa renivohi-paritanin'ny fanjakana tavaratr'Israely i Tirza, tamin'ny nanjakan'ireo mpanjaka efatr'Israely.
  • Tirza koa dia anaran'ny iray tamin'ny zafikelin'i Manase izay nangataka mba homena ampahan-tany, satria tsy nanana anadahy handova izany araka ny fomba izy ireo.

Titosy

Facts

Titosy dia Jentilisa niova ho mpino tamin'ny alalan'ny asa fanompoan'i Paoly. Nampiofanin'i Paoly ho mpitarika tany amin'ireo fiangonana tany am-boaloha izy.

  • Iray amin'ireo bokin'ny Testamenta Vaovao ny taratasy nosoratan'i Paoly ho an'i Titosy.
  • Ao amin'izany taratasy izany dia manoro lalana an'i Titosy i Paoly mba hanendry loholona ho an'ireo fiangonana ao amin'ny nosin'i Kreta.
  • Ao amin'ny taratasy hafa ho an'ireo Kristiana, i Paoly dia manambara an'i Titosy ho olona izay nampahery azy ary nitondra fifaliana ho azy.

Tobala

Facts

Misy lehilahy maromaro atao hoe "Tobala'' ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny lehilahy iray nantsoina hoe Tobala dia ny iray tamin'ny zanak'i Jafeta.
  • Nis lehilahy iray nantsoina hoe "Tobala-Kaina" izay zanak'i Lameka ary taranak'i Kaina.
  • Tobala koa dia anarana vondron'olona iray izay voalazan'Isaia sy Ezekiela mpaminany.

Tomasy

Facts

Tomasy dia iray tamin'ireo lehilahy roa ambin'ny folo izay nofidian'i Jesosy ho mpianany, ary taty aoriana dia lasa apostoly. Fantatra tamin'ny hoe "Didymo" izay midika hoe "kambana" ihany koa izy.

  • Rehefa nanakaiky ny andro farany niainan'i Jesosy, dia nilaza tamin'ireo mpianany Izy fa handeha mba hiaraka amin'ny Ray ary hanomana fitoerana ho azy ireo miaraka Aminy. Nanontany an'i Jesosy i Tomasy ny amin'ny fomba hahafahan'izy ireo mahalala ny lalana mankany raha tsy fantatr'izy ireo akory izay halehany.
  • Taorian'ny nahafatesan'i Jesosy sy ny nitsanganany ho velona indray, dia nilaza i Tomasy fa tsy hino fa veona indray i Jesosy raha tsy mahita sy mahatsapa ny holatra nandratrana an'i Jesosy.

Tranon'i Davida

Facts

Ny teny hoe "Tranon'i Davida" dia maneho ny fianakaviana sy taranak'i Davida mpanjaka.

  • Afaka adika ihany koa izany hoe "ireo taranak'i Davida" na "fianakavian'i Davida" na "fianakaviamben'i Davida mpanjaka."
  • Satria Jesosy taranak'i Davida, dia ampahany amin'ny "tranon'i Davida" izany Izy.
  • Indraindray ny "Tranon'i Davida" na ny "tokantranon'i Davida" dia maneho ireo olona mbola velona izay ao amin'ny fianakavian'i Davida.
  • Tamin'ny fotoana hafa izany teny izany dia nanaho ny taranany rehetra, tafiditra ao ihany koa izay efa maty.

Troasy

Facts

Ny tananan'i Troasy dia seranan-tsambo hita tany avaratra-andrefan'ny sisin-tanin'i Asia izay faritany Romana taloha.

  • Intelo fara-fahakeliny no namangy tany Troasy i Paoly nandritra ny diany nankany amin'ny faritra samihafa mba hitory ny filazan-tsara.
  • Indray mandeha dia nitory ela nandritra ny alina tany Troasy i Paoly, ary nisy tovolahy iray antsoina hoe Eotyka izay resin-tory teo am-pihainoana. Satria nipetraka teo am-baravarankely nisokatra izy, dia nianjera ay tany ambony dia ambony ka maty. Tamin'ny herin'Andriamanitra dia natsangan'i Paoly ho velona indray io tovolahy io.
  • Fony tany Roma i Paoly dia nangataka an'i Timoty mba hitondra ny bokiny sy ny akanjony any aminy, izay najanony tany Troasy.

Tykiko

Facts

Tykiko dia mpiara-manompo ny filazantsara tamin'i Paoly.

  • Niaraka tamin'i Paoly tamin'ny dia ara-misionera tany Asia indray mandeha fara-fahakeliny i Tykiko.
  • Nofaritan'i Paoly hoe "malala" sy "mahatoky'' izy.
  • Tykiko no nitondra ny taratasin'i Paoly tany Efesosy sy Kolosia.

Tyra, Tyriana

Facts

Tyra dia tanana Kananita taloha hita tany amin'ny sisin'ny Ranomasina Mediteraneana, tao amin'ny faritra iray izay firenen'i Lebanona amin'izao fotoana izao. Ny vahoakan'izany dia nantsoina hoe "Tyriana."

  • Ny ampahany amin'izany tanana izany koa dia tany amin'ny nosy iray tany an-dranomasina, teo ho eo amin'ny iray kilometatra miala amin'ny sisin-dranomasina.
  • Nohon'ny toerana nisy azy sy ireo harena voajanahary toy ny hazo sedera, dia nanana raharaham-barotra niroborobo i Tyra ary nanan-kerena tokoa.
  • Hirama Mpanjakan'i Tyra dia nandefa hazo sedera sy mpiasa za-draharaha mba hananganana ny lapan'i Davida Mpanjaka.
  • Taona maro taty aoriana, Hirama koa dia nanome hazo sy mpiasa za-draharaha ho an'i Solomona Mpanjaka mba hanorenana ny tempoly. Noneran'i Solomona tamin'ny vary sy menaka oliva be dia be izany.
  • Nampifandraisina tamin'ny tananan'i Sidona teo akaiky teo i Tyra matetika. Ireo no tanana lehibe indrindra tany amin'ny faritra antsoina hoe Fenisia tao Kanana.

Vasty

Facts

Ao amin'ny Bokin'i Estera ao amin'ny Testamenta Taloha, Vasty dia vadin'i Ahasoerosy, mpanjakan'i Persia.

  • Ahasoerosy mpanjaka dia nandroaka an'i Vasty rehefa nandà nanatrika ny lanonam-pisakafoana mba hampisehoana ny hatsarany tamin'ireo vahiny mamony izy.
  • Vokatr'izany, dia nisy ny fampitadiavana mpanjakavavy vaovao ary Estera no voasafidy mba ho vadin'ny mpanjaka vaovao.

Zadoka

Facts

Zadoka dia anarana mpisoronabe manan-danja tao Isiraely tamin'ny fanjakan'i Davida mpanjaka.

  • Tamin'i Absaloma nikomy nanohitra an'i Davida mpanjaka, dia nanohana an'i Davida sy nanampy hamerina ny firana'ny fanekena ho ao Jerosalema Zadoka.
  • Taona maro taty aoriana, dia nandray anjara tamin'ny fankalazana ny fanosorana an'i Solomona zanak'i Davida ho mpanjaka izy.
  • Nisy lehilahy roa samihafa nanana anarana hoe Zadoka nanampy namerina nanorina ny rindrin'i Jerosalema tamin'ny andron'i Nehemia.
  • Zadoka ihany koa dia anaran'ny raiben'i Jotama mpanjaka.

Zakaiosy

Facts

Zakaiosy dia mpitaky hetra avy any Jeriko izay nianika hazo mba afahana mahita an'i Jesosy izay voadidina vahoaka maro.

  • Zakaiosy dia niova tanteraka rehefa nino an'i Jesosy.
  • Niaiky ny fahotany tamin'ny famitahana olona sy fampanantenana hanome ny ampahany amin'ny fananany ho an'ny mahantra izy.
  • Izy ihany koa dia nampanantena fa hamerina efatra heny ny vola izay nampitondrainy azy ireo ho an'ny hetran'izy ireo.

Zakaria (TT)

Facts

Zakaria dia mpaminany izay naminany tamin'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia. Ny bokin'i Zakaria ao amin'ny Testamenta Taloha dia mitahiry ireo faminaniany, izay namporisika ireo sesi-tany nody mba hanorina indray ny tempoly.

  • Zakaria mpaminany dia niaina nandritry ny vanim-potoana mitovy tamin'i Ezra, Nehemia, Zerobabela ary Hagay. Izy ihany koa dia nambaran'i Jesosy ho farany tamin'ireo mpaminany izay novonoina tamin'ny andron'ny olona tao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Nisy lehilahy hafa antsoina hoe Zakaria izay mpiandry vavahady tao amin'ny tempoly tamin'ny andron'i Davida.
  • Nisy iray tamin'ireo zanaka lahin'i Josafata mpanjaka nantsoina hoe Zakaria novonoin'i Jehorama rahalahiny.'
  • Zakaria dia anarana mpisorona iray izay notorahan'ny vahoakan'Isiraely tamin'ny vato rehefa niteny mafy azy ireo nohon'ny fanompoan-tsampin'izy ireo.
  • Zakaria mpanjaka dia zanak'i Jeroboama ary nanjaka teo amin'Isiraely nandritry ny enim-bolana fotsiny izy mialohan'ny namonoana azy.

Zakaria (TV)

Facts

Ao amin'ny Testamenta Vaovao, Zakaria dia mpisorona Jiosy izay lasa rain'i Jaona mpanao batisa.

  • Zakaria dia nitia an'Andriamanitra ary nankatoa Azy.
  • Nandritry ny taona maro Zakaria sy ny vadiny, Elizabeta, dia nivavaka fatratra mba hazoana zanaka, fa tsy nahazo. Azy eo antitra izy ireo, dia namaly ny vavaka nataon'izy ireo Andriamanitra ary nanome zanaka lahy azy ireo.
  • Naminany Zakaria fa Jaona zanany dia ho mpaminany izay hanambara sy hanomana ny lalan'ilay Mesia.

Zebedio

Facts

Zebedio dia mpanjono avy any Galilia izay fantatra noho ireo zanany lahy, Jakoba sy Jaona, izay mpianatr'i Jesosy. Izy ireo matetika dia voatonona ao amin'ny Testamenta Vaovao ho "zanak'i Zebedio."

  • Ny zanak'i Zebedio ihany koa dia mpanjono ary niasa niaraka taminy mba haka trondro.
  • Jakoba sy Jaona dia namela ny asa fanjonoan'izy ireo niaraka tamin'i Zebedio rain'izy ireo ary nandeha nanaraka an'i Jesosy.

Zebolona

Facts

Zebolona dia zanaka faralahin'i Jakoba sy Lea ary anaran'ny iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'Isiraely.

  • Ny foko Isiraelitan'i Zebolona dia nomena ny tany miankandrefana amin'ny Ranomasin-tsira.
  • Indraindray ny anarana hoe "Zebolona" dia ampiasaina ihany koa mba hanehoana ny tany izay ipetrahan'ity foko Isiraelita ity.

Zedekia

Facts

Zedekia, zanak'i Josia, no mpanjaka faran'i Joda (597-587 T.K). Misy lehilahy maro antsoina hoe Zedekia ihany koa ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Nebokadnezara mpanjaka dia nampanao an'i Zedekia ho mpanjakan'i Joda taorian'ny nisamborana an'i Joiakima mpanjaka sy nitondrana azy lavitra an'i Babylona. Zedekia taty aoriana dia nikomy ary vokatr'izany dia nosamborin'i Nebokadnezara izy ary nopotehiny Jerosalema iray manontolo.
  • Zedekia, zanak'i Kenana, dia mpaminany sandoka tamin'ny andron'i Ahaba mpanjakan'Isiraely.
  • Nisy lehilahy antsoina hoe Zedekia, iray tamin'ireo izay nanao sonia fifanarahana tamin'ny Tompo tamin'ny andron'i Nehemia.

Zefania

Facts

Zefania, zanak'i Kosy, dia mpaminany izay nipetraka tany Jerosalema ary naminany nandritry ny fitondran'i Josia mpanjaka. Niaina nandritry ny vanim-potoana mitovy tamin'i Jeremia izy.

  • Niteny mafy ny vahoakan'i Joda izy nohon'ny fanompoan-tsampy. Ireo faminaniany dia nosoratana tao amin'ny bokin'i Zefania ao amin'ny Testamenta Taloha.
  • Nisy lehilahy maro hafa ao amin'ny Testamenta Taloha antsoina hoe Zefania, izay mpisorona ny ankamaroany.

Zerobabela

Facts

Zerobabela dia anarana lehilahy Isiraelita roa ao amin'ny Testamenta Taloha.

  • Ny iray amin'ireo lehilahy ireo dia taranak'i Joiakima sy Zedekia.
  • Nisy Zerobabela iray hafa, zanak'i Sealtiela, izay lohan'ny fokon'i Joda tamin'ny andron'i Ezra sy Nehemia, rehefa nanafaka an'ireo Isiraelita tamin'ny fahababoan'izy ireo tany Babylona i Kyrosy mpanjakan'i Persia.
  • Zerobabela sy Josoa mpisoronabe dia teo amin'ireo izay nanampy namerina nanorina ny tempoly sy altarn'Andriamanitra.

Zoara

Facts

Zoara dia tanàna kely izay nitsoahan'i Lota tamin'Andrimanitra nandrava an'i Sodoma sy Gomora.

  • Taloha izany dia fantatra tamin'ny hoe "Bela" fa naverina nomena anarana hoe "Zoara" rehefa nangataka tamin'Andriamanitra i Lota mba hamindra fo ity tanàna "kely" ity.
  • Zoara dia noheverina ho tany amin'ny tany hain'ny reniranon'i Jordana na tany amin'ny farany atsimon'ilay Ranomasina Maty.