Genesis 49

Genesis 49:1

Antony inona no namorian'i Jakoba ireo zanany lahy niaraka?

Namory ireo zanany lahy niaraka mba hilaza amin'izy ireo izay hahazo azy ireo sy ny taranak'izy ireo amin'ny hoavy i Jakoba.

Genesis 49:3

Toetra tsara inona no nananan'i Robena?

Niavaka tamin'ny fahamendrehana sy fahefana i Robena.

Nahoana no tsy ambony Robena na dia lahimatoa aza izy?

Tsy ambony Robena satria nandoto ny fandrian-drainy izy.

Genesis 49:7

Nozonin'i Jakoba momba ny inona i Simeona sy Levy?

Nanozona ny hatezerana sy ny hasiahan'i Simeona sy Levy i Jakoba.

Genesis 49:8

Inona no nolazain'i Jakoba mba ho ataon'ireo zanany lahy hafa eo anoloan'i Joda?

Nilaza ireo rahalahy hafa mba hiankohoka eo anatrehan'i Joda i Jakoba.

Genesis 49:10

Fampanantenana momba ny hoavy inona no natao tamin'i Joda?

Nampanantenaina i Joda fa ny tehim-panjakana dia tsy hiala eo aminy mandra-pahatongan'i Silo, ary dia hankatoa azy ireo firenena.

Genesis 49:13

Taiza no nolazain'i Jakoba fa hipetrahan'ireo taranak'i Zebolona?

Nilaza Jakoba fa hipetraka eo amoron-dranomasina ireo taranak'i Zebolona.

Genesis 49:16

Nolazain'i Jakoba fa ho tahaka ny biby inona i Dana?

Nilaza Jakoba fa ho tahaka ny bibilava misy poizina i Dana.

Genesis 49:19

Amin'inona no nolazain'i Jakoba fa ahafantarana an'i Asera?

Nilaza Jakoba fa ho fantatra amin'ny famatsiana hanim-py ho an'ny mpanjaka i Asera.

Genesis 49:22

Nolazain'i Jakoba fa ho tahaka ny karazana zava-maniry inona i Josefa?

Nilaza Jakoba fa Josefa dia ho tahaka ny sampam-bokatra izay ny sampany dia mananika mihoatry ny fefy.

Genesis 49:24

Iza no nolazain'i Jakoba fa hihazona ny tsipìkany hateza sy ny tanany manam-pahaizana?

Nilaza Jakoba fa ireo tanan'ny olona maherin'i Jakoba, dia ilay Vatolampin'Israely dia ho tanan'i Josefa hateza sy ny tanany manam-pahaizana.

Genesis 49:31

Iza no efa nalevina teo amin'ny toerana izay nirian'i Jakoba hilevenany?

Abrahama, Saraha, Isaka, Rebeka, ary Lea no efa nalevina tao.

Inona no nataon'i Jakoba rehefa avy nanome ny tso-dranony sy ireo toromariny tamin'ireo zanany lahy izy?

Niala aina Jakoba ary nandeha nankany amin'ny olony.