Genesis 48

Genesis 48:1

Hafatra inona no ren'i Josefa momba ny rainy, ary inona izany no nataony?

Nandre Josefa fa narary ny rainy, ka nentiny niaraka taminy ireo zanany roalahy.

Genesis 48:3

Fampanantenana avy amin'Andriamanitra inona no nolazain'i Jakoba tamin'i Josefa indray?

Nilaza indray Jakoba fa nampanantena azy Andriamanitra fa hamokatra sy hihamaro izy, ary hatao fiangonan'ireo firenena izy, ary ny tanin'i Kanana no ho fananan'ny taranany maharitra mandrakizay.

Genesis 48:5

Ahoana no nolazain'i Jakoba fa niheverana ireo zanak'i Josefa roalahy tamin'ny lova?

Nilaza Jakoba fa nihevitra ireo zanak'i Josefa roalahy ho azy i Jakoba.

Genesis 48:8

Nahoana no tsy nahafantatra ireo zanak'i Josefa roalahy Israely?

Tsy nahafantatra ireo zanak'i Josefa roalahy Israely satria pahina noho ny taonany ny masony.

Genesis 48:14

Iza no zanaka lahimatoan'i Josefa?

Manase no zanaka lahimatoan'i Josefa.

Teo amin'iza no nametrahan'Israely ny tanany havanana, ary teo amin'iza no nametrahany ny tanany havia?

Nametraka ny tanany havanana teo amin'i Efraima, ary ny tanany havia teo amin'i Manase i Israely.

Genesis 48:17

Nahoana no niezaka ny hamadika ny fitoeran'ny tanan'Israely i Josefa?

Nanantena ny tanan'i Israely havanana ho eo amin'i Manase i Josefa satria izy no lahimatoa.

Genesis 48:19

Nahoana no nandà ny hamadika ny fitoeran'ny tanany tamin'ireo zanak'i Josefa roalahy Israely?

Nandà Israely satria ho lehibe noho ny lahimatoa ny faralahy.

Tso-drano inona no nolazain'Israely fa hotononin'ny vahoakan'Israely?

Nilaza Israely fa hanonona ny tso-drano hoe ny vahoakan'Israely: "Andriamanitra anie hahatonga anareo tahaka an'i Efraima sy Manase.'"

Genesis 48:21

Inona no nolazain'Israely fa hahazo an'i Josefa?

Nilaza Israely fa ho entina miverina any amin'ny tanin'ireo razambeny i Josefa.